Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Novakinao tsara ve Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ity taona ity? Jereo àry raha hainao ny mamaly an’ireto fanontaniana ireto:

Inona no toky ananantsika rehefa fantatsika hoe “be hatsaram-panahy feno fitiavana” sy “mamindra fo” i Jehovah? (Eks. 34:6)

Fantatsika hoe te hamela ny fahadisoantsika i Jehovah satria mamindra fo. Manome toky antsika koa ny Eksodosy 34:6 hoe tia antsika izy ka vonona hanampy antsika. Tokony hanahaka azy isika.—w21.01, p. 20-21.

Nahoana i Jehovah no mizara fahefana?

Noho ny fitiavany. Lasa milamina sy mirindra tsara ny fianakaviany vokatr’izany. Rehefa manaraka an’io lamina io ny tsirairay ao amin’ny fianakaviana, dia samy mahalala hoe iza no tokony handray fanapahan-kevitra farany sy hanatanteraka an’ilay izy.—w21.02, p. 3.

Nahoana no tokony hitandrina ny Kristianina rehefa mampiasa programa fandefasana hafatra?

Raha mifidy ny hampiasa an’izany ny Kristianina iray, dia mila mieritreritra tsara hoe olona hoatran’ny ahoana no hifandraisany ao. Sarotra kokoa anefa izany rehefa be dia be ny olona ao amin’ilay groupe de discussion. (1 Tim. 5:13) Mety hanely vaovao tsy voamarina koa isika raha tsy mitandrina, na hanararaotra ny mpiara-manompo mba hahazoana vola.—w21.03, p. 31.

Nahoana i Jehovah no namela an’i Jesosy hijaly sy ho faty?

1) Nanafaka ny Jiosy tamin’ny ozona iray i Jesosy rehefa nahantona teo amin’ny hazo fijaliana. (Gal. 3:10, 13) 2) Nampiofana an’i Jesosy hanao ny andraikitra niandry azy i Jehovah. Ho Mpisoronabe mantsy izy. 3) Rehefa tsy nivadika mandra-pahafatiny i Jesosy, dia nanaporofo hoe afaka ny tsy hivadika koa ny olombelona na dia mizaka ny tsy eran’ny aina aza. (Joba 1:9-11)—w21.04, p. 16-17.

Inona no azonao atao raha tsy tratra an-trano matetika ny olona ao amin’ny faritaninareo?

Eritrereto hoe rahoviana ry zareo no mety ho ao an-trano, dia amin’iny mitory. Miezaha koa hitory any an-toeran-kafa sy hanandrana fomba fitory hafa, ohatra hoe fitoriana an-taratasy.—w21.05, p. 15-16.

Inona no dikan’ilay tenin’i Paoly hoe: “Noho izaho nanaraka ny lalàna no nahafaty ahy raha ny amin’ny lalàna”? (Gal. 2:19)

Nahariharin’ny Lalàn’i Mosesy hoe tsy lavorary ny olombelona. Nanampy ny Israelita koa izy io mba hahafantatra hoe i Jesosy ilay “taranaka.” (Gal. 3:19, 24) Nanampy an’i Paoly mba hino an’i Kristy izany. Rehefa lasa nino azy i Paoly, dia toy ny hoe ‘maty raha ny amin’ny lalàna’, izany hoe tsy teo ambanin’ny Lalàna intsony.—w21.06, p. 31.

Nahoana i Jehovah no modely amin’ny fiaretana?

Ireto avy no iaretany: Misy manala baraka ny anarany, misy manohitra ny zony hitondra, nikomy ny zanany sasany, mandainga momba azy i Satana, mijaly ny mpanompony, maty ny namany ka tafasaraka amin-dry zareo izy, mampijaly ny hafa ny ratsy fanahy, ary simba ny tany sy ny zavaboary eo aminy.—w21.07, p. 9-12.

Ahoana no ahitana hoe tena nanam-paharetana i Josefa ka modely ho antsika?

Nanao ny tsy rariny taminy ny rahalahiny, dia voaendrikendrika izy ka nigadra aman-taonany tany Ejipta.—w21.08, p. 12.

Inona avy ireo fanozongozonana resahin’ny Hagay 2:6-9, 20-22?

Mandà ny hafatra momba an’ilay Fanjakana ireo firenena. Betsaka ihany anefa ny olona manaiky ny fahamarinana. Tsy ho ela dia hohozongozonina farany ireo firenena, izany hoe horinganina.—w21.09, p. 15-19.

Nahoana isika no tsy tokony hilavo lefona fa hanohy ny fanompoana foana?

Hitan’i Jehovah sady mahafaly azy ny ezaka ataontsika. Hahazo fiainana mandrakizay koa isika raha “tsy reraka” manompo sady tsy milavo lefona.—w21.10, p. 25-26.

Nahoana ny Levitikosy toko faha-​19 no manampy antsika ‘ho masina amin’ny fitondran-tena rehetra’? (1 Pet. 1:15)

Toa nalain’i Petera avy amin’ny Levitikosy 19:2 ireo teny ireo. Miresaka fomba isan-karazany azontsika ampiharana ny 1 Petera 1:15 eo amin’ny fiainana andavanandro io toko faha-19 io.—w21.12, p. 3-4.