Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Be dia Be no Mijaly Satria Ankahalaina

Be dia Be no Mijaly Satria Ankahalaina

Mihanaka hoatran’ny areti-mifindra ny fankahalana.

Vao mainka resa-be any amin’ny vaovao sy ny tambazotran-tserasera ny fankahalana. Amin’ny alalan’ny Internet na taratasy na zavatra atao amin’ny antokon’olona iray, ohatra, no anehoan’ny olona an’izany. Maro koa no misy manavakavaka, mitsaratsara, manambany, maneso, mandrahona, na misy manimba ny fananany. Fahita hatraiza hatraiza ny olona mijaly satria ankahalaina.

Resahina ato amin’ity gazety ity hoe inona no hanampy ny olona tsy hifankahala intsony. Tsy nofinofy izany fa tena hitranga, ary efa manomboka misy maneran-tany izany fiovana izany amin’izao.