Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 2

Mianara avy Amin’ny Zandrin’i Jesosy

Mianara avy Amin’ny Zandrin’i Jesosy

“Jakoba, mpanompon’Andriamanitra sy mpanompon’i Jesosy Kristy Tompo.”​—JAK. 1:1.

HIRA 88 Ampahafantaro Ahy ny Lalanao

HO HITANAO ATO *

1. Hoatran’ny ahoana ny fianakavian’i Jakoba?

 NATANJAKA ara-panahy ny fianakavian’i Jakoba, ilay rahalahin’i Jesosy. I Josefa sy Maria no ray aman-dreniny. Tena tia an’i Jehovah izy mivady ary nanao izay tsara indrindra vitany mba hanompoana azy. Nahazo fitahiana hafa koa anefa i Jakoba. Inona izany? Ho lasa Mesia ny zokiny lahy. Tombontsoa miavaka ny an’i Jakoba hoe anisan’io fianakaviana io!

Niara-lehibe tamin’i Jesosy i Jakoba ka lasa nahafantatra tsara an’io zokiny lahy io (Fehintsoratra 2)

2. Nahoana i Jesosy no tokony ho nampiaiky an’i Jakoba?

2 Be dia be ny antony tokony ho nampiaiky volana an’i Jakoba, rehefa nandinika ny zokiny izy. (Mat. 13:55) Nahay tsara ny Soratra Masina, ohatra, i Jesosy. Vao 12 taona izy dia efa gaga be tamin’ny zavatra nolazainy ny mpampianatra tao Jerosalema. (Lioka 2:46, 47) Mety ho niara-niasa tao amin’ilay fandrafetan-dry zareo koa izy mirahalahy. Raha izany, dia azo antoka fa lasa nahafantatra tsara an’i Jesosy izy. Matetika ny Rahalahy Nathan Knorr no nilaza hoe: “Mahafantatra zavatra betsaka kokoa momba ny olona iray ianao rehefa miara-miasa aminy.” * Azo antoka koa fa tsikaritr’i Jakoba hoe “nihanitombo fahendrena i Jesosy sady nihalehibe, ary nihanahazo sitraka tamin’Andriamanitra sy tamin’ny olona.” (Lioka 2:52) Mety hieritreritra àry isika hoe anisan’ireo olona voalohandohany lasa mpianatr’i Jesosy i Jakoba. Tsy izany anefa no nitranga.

3. Lasa mpianatra ve i Jakoba rehefa nanomboka ny fanompoany i Jesosy?

3 Tsy lasa mpianatra i Jakoba nandritra ny fanompoan’i Jesosy teto an-tany. (Jaona 7:3-5) I Jakoba aza mety ho anisan’ireo havan’i Jesosy nieritreritra hoe “lasa adala izy.” (Mar. 3:21) Tsy milaza koa ny Baiboly fa niaraka tamin’i Maria, maman-dry zareo, i Jakoba tamin’i Jesosy novonoina teo amin’ny hazo fijaliana.​—Jaona 19:25-27.

4. Inona no hodinihintsika ato?

4 Nino an’i Jesosy i Jakoba tatỳ aoriana, ary lasa anti-panahy nohajaina tao amin’ny fiangonana kristianina. Handinika lesona roa azo ianarana avy aminy isika ato: 1) Nahoana isika no tsy maintsy manetry tena foana? 2) Inona no azontsika atao mba ho lasa mpampianatra mahay?

MIEZAHA HANETRY TENA FOANA HOATRAN’I JAKOBA

Nanetry tena i Jakoba rehefa niseho taminy i Jesosy, ka niaiky izy hoe i Jesosy no Mesia. Lasa mpanara-dia azy izy nanomboka tamin’izay ary tsy nivadika mihitsy (Fehintsoratra 5-7)

5. Niseho tamin’i Jakoba i Jesosy rehefa avy natsangana tamin’ny maty. Inona no vokatr’izany taminy?

5 Rehefa avy natsangana tamin’ny maty i Jesosy, dia “niseho tamin’i Jakoba” ary avy eo “tamin’ny apostoly rehetra.” (1 Kor. 15:7) Nanomboka tamin’izay izy no lasa mpanara-dia an’i Jesosy. Tao amin’ilay efitra ambony rihana tao Jerosalema izy, rehefa niandry ny hilatsahan’ny fanahy masina ny apostoly. (Asa. 1:13, 14) Lasa anisan’ny filan-kevi-pitantanana tamin’ny taonjato voalohany i Jakoba tatỳ aoriana. (Asa. 15:6, 13-22; Gal. 2:9) Tsy izay ihany fa nahazo fanahy masina izy talohan’ny taona 62 ka nanoratra taratasy ho an’ny Kristianina voahosotra. Mahasoa antsika amin’izao koa io taratasy io, na manantena ho any an-danitra isika na manantena hiaina eto an-tany. (Jak. 1:1) Milaza ilay mpahay tantara antsoina hoe Josèphe fa ilay mpisoronabe atao hoe Ananiasy, zanak’i Anasy, no nandidy ny hamonoana an’i Jakoba. Tsy nivadika tamin’i Jehovah izy mandra-pahavitan’ny fanompoany teto an-tany.

6. Inona no tsy nampitovy an’i Jakoba tamin’ny mpitondra fivavahana tamin’ny androny?

6 Nanetry tena i Jakoba. Nahoana isika no milaza an’izany? Tsy nanao hoatran’ny mpitondra fivavahana maro tamin’ny androny izy. Nanetry tena izy ka nanaiky hoe i Jesosy no Zanak’Andriamanitra rehefa nahita porofo mazava momba an’izany. Tsy hoatr’izany kosa no nataon’ny lehiben’ny mpisorona tao Jerosalema. Tsy afaka nanda, ohatra, ry zareo hoe nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty i Jesosy. Niaiky amin’izay ve ry zareo fa solontenan’i Jehovah i Jesosy? Tsy izany! Vao mainka aza notadiavin-dry zareo hovonoina i Jesosy sy Lazarosy. (Jaona 11:53; 12:9-11) Rehefa natsangana tamin’ny maty koa i Jesosy tatỳ aoriana, dia nanao tetika ry zareo mba hanafenana an’izany. (Mat. 28:11-15) Nanda ny Mesia ireo mpitondra fivavahana ireo satria nanambony tena.

7. Nahoana isika no tsy tokony hanambony tena?

7 Lesona: Aza manambony tena fa aleo manaiky hampianarina foana. Mety hihamafy ny lalan-dra ao amin’ny fo rehefa misy aretina mahazo azy io. Mety tsy hitepo tsara izy io vokatr’izany. Hoatr’izany koa no mitranga rehefa manambony tena ny olona iray. Lasa mafy fo izy, dia tsy mora manaiky ny torohevitr’i Jehovah. Izany no nitranga tamin’ny Fariseo, ka lasa tsy nety nino ry zareo hoe Zanak’Andriamanitra i Jesosy sady nanana ny fanahiny, na dia nisy porofo tsy azo lavina momba an’izany aza. (Jaona 12:37-40) Ratsy be izany satria nisy vokany tamin’ny hoavin-dry zareo mandrakizay. (Mat. 23:13, 33) Tena mila manaiky hahitsin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny fanahiny foana àry isika. Tokony havelantsika hisy vokany amin’ny toetrantsika sy ny fomba fisainantsika ary ny fanapahan-kevitra raisintsika ireo. (Jak. 3:17) Nanetry tena i Jakoba ka nanaiky hampianarin’i Jehovah. Ho hitantsika hoe mbola io toetra io ihany no nahatonga azy hahay hampianatra.

MIEZAHA HAHAY HAMPIANATRA HOATRAN’I JAKOBA

8. Inona no hanampy antsika hahay hampianatra?

8 Tsy avara-pianarana i Jakoba. Azo antoka fa nieritreritra ny mpitondra fivavahana hoe “tsy nahita fianarana” sy “olon-tsotra” izy, hoatran’ny apostoly Petera sy Jaona. (Asa. 4:13) Niezaka ny ho lasa mpampianatra mahay anefa i Jakoba, ary manaporofo an’izany ilay boky mitondra ny anarany. Tsy dia nahita fianarana hoatran’i Jakoba ve ianao? Raha izany, dia afaka ny ho lasa mpampianatra mahay koa ve ianao? Ie, rehefa ampian’ny fanahin’i Jehovah sady mahazo fampiofanana avy amin’ny fandaminany. Andao hojerentsika hoe hoatran’ny ahoana ny fomba fampianaran’i Jakoba, ary inona no azontsika ianarana avy aminy.

9. Hoatran’ny ahoana ny fomba fampianaran’i Jakoba?

9 Tsy nampiasa teny niangaliana be sy fanazavana sarotra azo i Jakoba. Vokatr’izany, dia lasa fantatry ny olona nihaino azy hoe inona no tokony hataon’izy ireo ary ahoana no hanaovana an’izany. Tsotra kely, ohatra, ny fomba nanazavan’i Jakoba hoe tsy maintsy vonona hiaritra ny tsy rariny ny Kristianina nefa tsy tokony hitana lolompo. Izao no nosoratany: “Ekentsika hoe sambatra izay efa niaritra. Efa henonareo fa niaritra i Joba, ary efa fantatrareo fa nitahy azy i Jehovah. Hitanareo àry fa tena be fitiavana i Jehovah sady mamindra fo.” (Jak. 5:11) Mariho fa avy amin’ny Soratra Masina ny zavatra nampianarin’i Jakoba. Nampiasa ny Tenin’Andriamanitra izy mba hanampiana ny mpihaino azy hahita hoe valian’i Jehovah soa foana izay tsy mivadika aminy, hoatran’ny nataony tamin’i Joba. Nampiasa teny sy fanazavana tsotra izy mba hampitana ny hevitra tiany horesahina. Amin’izay mantsy ny olona tsy mifantoka aminy fa mifantoka amin’i Jehovah.

10. Ahoana no azontsika anahafana an’i Jakoba rehefa mampianatra?

10 Lesona: Ataovy tsotra ny fanazavanao ary izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra ampianarina. Tsy hampidera fahaizana no tanjontsika. Tiantsika haseho amin’ilay olona kosa hoe i Jehovah no tena mahay ary tena tia azy izy. (Rom. 11:33) Hahavita an’izany isika raha ataontsika miorina amin’ny Soratra Masina foana izay tenenintsika. Tsy lazaintsika amin’ny olona ampianarintsika Baiboly, ohatra, hoe inona no hataontsika raha isika no teo amin’ny toerany. Tokony hampiantsika kosa izy mba haka lesona avy amin’ny ohatra ao amin’ny Baiboly sy handinika hoe ahoana ny hevitr’i Jehovah sy ny fihetseham-pony. Haniry hampifaly an’i Jehovah izy amin’izay, fa tsy hoe te hampifaly antsika.

11. Inona ny olana nahazo ny Kristianina sasany tamin’ny andron’i Jakoba, ary inona ny torohevitra nomeny azy ireo? (Jakoba 5:13-15)

11 Azon’i Jakoba ny olana nahazo an’ireo rahalahy sy anabaviny. Hita amin’ny taratasy nosoratany hoe nahafantatra ny zava-tsarotra natrehin’izy ireo izy. Nomeny torohevitra mazava momba an’izany koa ry zareo. Fantany, ohatra, hoe elaela ny Kristianina sasany vao nampihatra ny torohevitra nomena azy. (Jak. 1:22) Ny sasany indray niangatra ny manankarena satria nanavakavaka. (Jak. 2:1-3) Nisy koa tsy nahafehy ny vavany. (Jak. 3:8-10) Na dia nanana olana lehibe aza ireo Kristianina ireo, dia tsy kivy tamin-dry zareo i Jakoba. Nanome torohevitra mivantana an-dry zareo izy, nefa tsara fanahy foana rehefa nanao an’izany. Nisy olona sasany koa niady mafy mba hiova, dia nampirisika azy ireny izy mba hangataka fanampiana amin’ny anti-panahy.​—Vakio ny Jakoba 5:13-15.

12. Inona no hanampy antsika mba tsy ho kivy amin’ny olona ampianarintsika?

12 Lesona: Aza odiana tsy hita ny olana mahazo azy nefa tadidio foana hoe afaka miova izy. Betsaka amin’ny olona ampianarintsika Baiboly no miady mafy mba hampihatra ny torohevitra hitany ao. (Jak. 4:1-4) Elaela angamba izy vao mahavita miala amin’ny fahazaran-dratsiny sy manana ny toetra tian’i Jehovah. Tokony hanana herim-po hoatran’i Jakoba anefa isika, ka hilaza amin’ny olona ampianarintsika hoe inona no tokony hiezahany. Tokony hanantena foana koa isika hoe hiova izy, ary hatoky fa hotaomin’i Jehovah hanatona azy ny olona manetry tena. Ankoatra izany, dia mila matoky isika fa hanome ny hery ilainy i Jehovah mba hahavitany hiova.​—Jak. 4:10.

13. Inona no neken’i Jakoba, araka ny Jakoba 3:2?

13 Tsy nihevi-tena ho ambony noho ny hafa i Jakoba. Marina fa rahalahin’i Jesosy izy ary nanana andraikitra lehibe. Tsy nieritreritra anefa izy hoe nahatonga azy hiavaka izany, na hoe nahatonga azy ho ambony kokoa noho ny mpiara-manompo. Nantsoiny hoe “rahalahy malala” kosa ny mpiara-manompo taminy. (Jak. 1:16, 19; 2:5) Tsy niseho ho lavorary koa izy. Nilaza kosa izy fa “manao fahadisoana imbetsaka isika rehetra”, izany hoe tafiditra amin’izany koa izy.​—Vakio ny Jakoba 3:2.

14. Nahoana isika no tsy maintsy vonona hiaiky ny fahadisoantsika?

14 Lesona: Tadidio hoe mpanota daholo isika. Tsy tokony hieritreritra isika hoe ambony noho ny olona ampianarintsika. Fa maninona? Saintsaino ny mety ho vokany raha hoatran’ny hoe tsy manao diso mihitsy no fahitany antsika. Mety hahatonga azy hieritreritra izany hoe tsy ho vitany mihitsy ny hankatò ny fitsipik’i Jehovah. Fa ahoana indray raha miaiky isika hoe tsy mora tamintsika indraindray ny nanaraka ny toro lalan’ny Baiboly, fa nanampy antsika i Jehovah dia nahavita niova ihany isika? Hanome toky azy izany hoe ho vitany koa ny hanompo an’i Jehovah.

Tsotra sy nazava ary nety tsara ny fanoharana nampiasain’i Jakoba (Fehintsoratra 15-16) *

15. Hoatran’ny ahoana ny fanoharana nampiasain’i Jakoba? (Jakoba 3:2-6, 10-12)

15 Nanohina ny fo ny fanoharana nampiasain’i Jakoba. Tsy maintsy hoe nanampy azy ny fanahy masina. Azo antoka anefa hoe nandinika ny fanoharana nampiasain’ilay zokiny lahy koa izy, ary nianatra zavatra betsaka avy amin’izany. Tsotra ny fanoharana noresahin’i Jakoba tao amin’ny taratasiny ary mora azo ny fampiharana an’ilay izy.​—Vakio ny Jakoba 3:2-6, 10-12.

16. Nahoana isika no tokony hampiasa fanoharana mety tsara?

16 Lesona: Mampiasà fanoharana mety tsara. Afaka maka sary an-tsaina an’ilay zavatra ianarany ilay olona amin’izay, ka hoatran’ny hoe lasa maso ny sofiny. Manampy azy izany mba hahatadidy ny hevi-dehibe ianarany ao amin’ny Baiboly. I Jesosy no nahay nampiasa fanoharana indrindra, dia nanahaka azy i Jakoba rahalahiny. Hiresaka fanoharana vitsivitsy nolazain’i Jakoba isika izao, ary handinika hoe fa maninona izy ireny no mety tsara.

17. Nahoana no mety tsara ilay fanoharana ao amin’ny Jakoba 1:22-25?

17 Vakio ny Jakoba 1:22-25. Mety tsara ilay fanoharana momba ny fitaratra noresahin’i Jakoba. Fa maninona? Satria voafaritra tsara ny lesona tiany hampitaina. Izao ilay izy: Tsy ampy ny mamaky ny Tenin’Andriamanitra raha te handray soa avy amin’izy io isika. Tsy maintsy mampihatra an’izay ianarantsika ao koa isika. Tsy vitan’izany fa mora tamin’ireo nanoratany ny nahazo an’ilay fanoharana momba an’ilay olona mijery fitaratra. Te hilaza i Jakoba hoe adala izay mijery fitaratra ka mahita zavatra tsy mety ary afaka manova an’ilay izy nefa tsy manamboatra an’izany akory. Adala hoatr’izany koa isika raha mamaky ny Tenin’Andriamanitra ka mahita hoe misy toetrantsika tokony hovana nefa avelantsika amin’izao fotsiny ilay izy.

18. Inona ny zavatra telo tsy maintsy ataontsika rehefa mampiasa fanoharana?

18 Afaka manahaka an’i Jakoba ianao, ka manao an’ireto zavatra telo ireto rehefa mampiasa fanoharana: 1) Ataovy azo antoka hoe mamoaka ny hevitra tianao hampitaina ilay izy. 2) Fanoharana mora azon’ny olona ampiasaina. 3) Ataovy mazava tsara ny fampiharana. Ahoana raha tsy mora aminao ny mahita fanoharana mety tsara? Jereo ny Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah, eo ambanin’ilay lohatenikely hoe “Fanoharana.” Misy ohatra be dia be azonao ampiasaina ao. Tadidio anefa hoe hoatran’ny mikrô ny fanoharana ka manamafy an’izay hevitra tianao hampitaina. Izay hevi-dehibe tianao hasongadina ihany àry anaovana fanoharana, fa aza mampiasa fanoharana be loatra. Aza hadinoina koa hoe inona no tena mahatonga antsika hiezaka hahay hampianatra kokoa. Tsy te hampidera fahaizana isika, fa te hanampy olona faran’izay betsaka mba ho lasa anisan’ny fianakavian’i Jehovah sy ho sambatra.

19. Ahoana no hampisehoantsika hoe tiantsika ny fianakaviantsika ara-panahy?

19 Marina fa tsy nanana tombontsoa hiara-lehibe tamina zoky lavorary isika. Sambatra anefa isika satria manompo an’i Jehovah miaraka amin’ny rahalahy sy anabavy be dia be. Maneho fitiavana azy ireny isika raha mifanerasera aminy, mandray lesona avy aminy, ary miara-mitory sy mampianatra aminy. Miezaha àry hanahaka ny toe-tsain’i Jakoba sy izay nataony ary ny fomba fampianarany. Hanome voninahitra an’ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra ianao amin’izay, sady hanampy ny olona tso-po mba ho akaiky azy.

HIRA 114 Miezaha Hanam-paharetana

^ Niara-lehibe tamina lehilahy lavorary i Jakoba satria fianakaviana iray izy sy Jesosy. Azo antoka fa nahafantatra tsara an’ilay Zanak’Andriamanitra mihoatra noho ny ankamaroan’ny olona tamin’izany i Jakoba. Lasa anisan’ny andrin’ny fiangonana kristianina tamin’ny taonjato voalohany io zandrin’i Jesosy io. Inona no azo ianarana avy amin’izay niainany sy nampianariny? Handinika an’izany isika ato.

^ Efa anisan’ny Filan-kevi-pitantanana i Nathan Knorr. Nahavita ny fanompoany teto an-tany izy tamin’ny 1977.

^ SARY: Nilaza fanoharana momba ny afo kely anankiray i Jakoba, mba hanazavana hoe mety hampidi-doza ny fampiasana ny lela amin’ny fomba ratsy. Tsotra sy mora azon’ny olona ilay fanoharana.