LAHATSORATRA FIANARANA 8

“Mahatonga ny Fo ho Falifaly” ve ny Torohevitra Omenao?

“Mahatonga ny Fo ho Falifaly” ve ny Torohevitra Omenao?

“Mahatonga ny fo ho falifaly ny menaka sy ny emboka manitra, dia hoatr’izany koa ny namana mahafinaritra, izay manoro hevitra amim-pahatsorana.”​—OHAB. 27:9.

HIRA 102 ‘Ampio Ireo Mila Ampiana’

HO HITANAO ATO *

1-2. Inona no nianaran’ny rahalahy iray?

 NITSIDIKA anabavy iray efa tsy nivory nandritra ny fotoana elaela ny anti-panahy roa, taona maro lasa izay. Namaky andinin-teny maromaro ny iray tamin’izy ireo, mba hanasongadinana hoe tena ilaina ny manatrika fivoriana. Nieritreritra izy hoe nampahery an’ilay anabavy ilay fitsidihana. Rehefa handeha anefa izy mirahalahy, dia izao no nolazain’ilay anabavy: “Tsy azonareo an-tsaina mihitsy ny zavatra iainako!” Tonga dia nanome torohevitra mantsy ireo anti-panahy ireo, fa tsy mba nanontany an’ilay anabavy momba ny olana natrehiny. Tsy tsapan’ilay anabavy àry hoe tena nanampy azy ny torohevitra nomen-dry zareo.

2 Rehefa nieritreritra momba an’io tantara io ilay anti-panahy nampiseho andinin-teny, dia izao no nolazainy: “Nieritreritra aho tamin’izany hoe tsy nanaja anay ilay anabavy. Rehefa nisaintsaina momba an’ilay izy anefa aho, dia tonga saina hoe izay andinin-teny hovakina no tena noeritreretiko fa tsy mba nanontany azy aho, ohatra hoe: ‘Nanao ahoana ny fiainanao tato ho ato?’ ‘Inona no azoko anampiana?’” Nianatra lesona tena sarobidy io anti-panahy io. Mahay mangoraka izy izao, sady mahay manampy tsara ny ondry.

3. Iza no afaka manome torohevitra ao amin’ny fiangonana?

 3 Mpiandry ny andian’ondrin’Andriamanitra ny anti-panahy, ka manana andraikitra hanome torohevitra rehefa ilaina izany. Mila manome an’izany koa anefa ny olon-kafa ao amin’ny fiangonana indraindray. Mety hila hanome torohevitra avy ao amin’ny Baiboly, ohatra, ny rahalahy na anabavy iray rehefa misy namana mila an’izany. (Sal. 141:5; Ohab. 25:12) Mety hila “hanoro hevitra ny vehivavy tanora” koa ny anabavy zokiolona, momba ny zavatra voaresaka ao amin’ny Titosy 2:3-5. Mazava ho azy fa matetika ny ray aman-dreny no mila manome torohevitra sy manitsy ny zanany. Marina fa natao ho an’ny anti-panahy ity lahatsoratra ity. Afaka mandray soa daholo anefa isika rehetra, raha mampihatra ny torohevitra ato. Horesahina ato mantsy hoe inona no azontsika atao mba handaitra sy hampahery ny torohevitra omentsika sady ‘hahatonga ny fo ho falifaly.’​—Ohab. 27:9.

4. Inona no hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity?

4 Handinika an’ireto fanontaniana efatra ireto isika ato: 1) Inona ny antony tokony hahatonga antsika hanome torohevitra? 2) Tena ilaina ve ilay torohevitra? 3) Iza no tokony hanome an’izany? Ary 4) inona no azonao atao mba handaitra ny torohevitra omenao?

INONA NO TOKONY HO ANTONY ANOMEZANTSIKA TOROHEVITRA?

5. Inona no tokony hataon’ny anti-panahy mba ho mora raisina ny torohevitra omeny? (1 Korintianina 13:4, 7)

5 Tia an’ireo rahalahy sy anabaviny ny anti-panahy. Mampiseho an’izany ry zareo, rehefa manoro hevitra an’izay mitady hanao zavatra tsy mety. (Gal. 6:1) Misy zavatra tokony hataon’ny anti-panahy anefa alohan’ny hiresahany amin’ilay olona. Mila mandinika ny hevitra sasany noresahin’ny apostoly Paoly momba ny fitiavana izy. Anisan’izany ny hoe: “Ny fitiavana manam-paharetana sy tsara fanahy ... mandefitra ny zava-drehetra, mino ny zava-drehetra, manantena ny zava-drehetra, ary miaritra ny zava-drehetra.” (Vakio ny 1 Korintianina 13:4, 7.) Inona no ho vokany raha misaintsaina an’ireo andinin-teny ireo ny anti-panahy? Hanampy azy hamantatra ny antony anomezany an’ilay torohevitra izany, sady hanampy azy hahay hanome an’ilay izy. Raha tsapan’ilay olona omena torohevitra hoe tena tia azy ny anti-panahy, dia ho mora kokoa aminy ny hanaraka an’ilay izy.​—Rom. 12:10.

6. Inona no ohatra tsara nomen’ny apostoly Paoly?

6 Anti-panahy ny apostoly Paoly ary tena ohatra tsara. Tsy nisalasala nanome torohevitra ho an’ny rahalahy tany Tesalonika, ohatra, izy rehefa nila an’izany ry zareo. Rehefa nanoratra ho azy ireo anefa izy, dia nidera an-dry zareo aloha ka niresaka momba ny finoan’izy ireo sy ny asa mafy nataony tamim-pitiavana ary ny fiaretany. Nieritreritra ny zavatra niainan’izy ireo koa izy, ary niaiky fa tsy mora ny fiainan-dry zareo sy ny fanenjehana niaretany. (1 Tes. 1:3; 2 Tes. 1:4) Nilaza mihitsy aza izy hoe modely ho an’ny Kristianina hafa ireo Tesalonianina ireo. (1 Tes. 1:8, 9) Faly erỳ izao ry zareo naharay an’ilay teny fiderana avy amin’i Paoly! Azo antoka hoe tena tian’i Paoly ny mpiara-manompo taminy. Izany no nahatonga azy ho afaka hanome torohevitra nety tsara tao amin’ireo taratasiny ho an’ny Tesalonianina.​—1 Tes. 4:1, 3-5, 11; 2 Tes. 3:11, 12.

7. Fa maninona ny olona iray no mety tsy handray tsara ny torohevitra omena azy?

7 Inona no ho vokany raha tsy mety tsara ny fomba anomezantsika torohevitra? Nilaza an’izao ny anti-panahy iray efa ela: “Tsy mandray tsara ny torohevitra omena azy ny olona sasany. Tsy hoe ilay torohevitra anefa no tsy mety, fa tsy tamim-pitiavana no nanomezana an’ilay izy.” Inona no ianarantsika avy amin’izany? Mora raisina kokoa ny torohevitra raha fitiavana fa tsy hatezerana ny antony anomezana an’ilay izy.

TENA ILAINA VE ILAY TOROHEVITRA?

8. Inona no tokony hoeritreretin’ny anti-panahy, rehefa hanapa-kevitra hoe hanome torohevitra olona iray sa tsia?

8 Tsy tokony ho maika hanome torohevitra ny anti-panahy. Tokony hieritreritra aloha izy hoe: ‘Tena mila miteny an’ilay olona ve aho? Tena resy lahatra ve aho hoe tsy mety ny ataony? Nisy fitsipiky ny Baiboly voadika ve, sa tsy mitovy hevitra fotsiny izahay?’ Mitandrina tsara ny anti-panahy mba tsy ho “faingam-bava.” (Ohab. 29:20) Raha misalasala izy hoe tokony hanome torohevitra an’ilay olona sa tsia, dia afaka manatona anti-panahy hafa izy. Hodinihin-dry zareo amin’izay raha misy toro lalan’ny Baiboly tsy narahina ka tokony horesahina amin’ilay olona.​—2 Tim. 3:16, 17.

9. Inona no ianarantsika avy amin’i Paoly rehefa hanome torohevitra momba ny fiakanjo sy ny paozy isika? (1 Timoty 2:9, 10)

9 Andao hatao hoe manahy momba ny fiakanjo na ny paozin’ny mpiara-manompo iray ny anti-panahy. Afaka mieritreritra ilay anti-panahy hoe: ‘Tokony hiteny azy ve aho raha jerena ny toro lalan’ny Baiboly?’ Mety hanontany anti-panahy na mpitory matotra hafa koa izy, satria tsy te hanao an’izay fantany fa mety fotsiny. Mety hiaraka handinika ny torohevitr’i Paoly momba ny fiakanjo sy ny paozy ry zareo. (Vakio ny 1 Timoty 2:9, 10.) Nanome toro lalana momba ny fitafiana mantsy i Paoly. Tsy be tsipiriany be ilay izy, fa nolazainy fotsiny hoe tokony ho mendrika sy maotina ny fitafian’ny Kristianina. Tsy nanao lisitra momba an’izay mety sy tsy mety anefa izy. Fantany mantsy hoe manan-jo hifidy an’izay tiany ny Kristianina, raha mbola tsy mifanohitra amin’izay lazain’ny Soratra Masina izany. Tokony hodinihin’ny anti-panahy àry raha mbola mendrika sy maotina ny safidin’ny olona iray, alohan’ny hanapahana hevitra hoe hanoro hevitra azy izy sa tsia.

10. Inona no tokony hotadidintsika momba ny safidin’ny tsirairay?

10 Mila mitadidy isika hoe tsy voatery hitovy ny safidy ataon’ny Kristianina matotra anankiroa, nefa samy mety ilay izy. Tsy tokony hoterentsika hanaraka an’izay eritreretintsika hoe mety na tsy mety àry ny mpiara-manompo.​—Rom. 14:10.

IZA NO TOKONY HANOME AN’ILAY TOROHEVITRA?

11-12. Inona no fanontaniana tokony hoeritreretin’ny anti-panahy, raha misy olona mila omena torohevitra? Nahoana?

11 Andao hatao hoe mila omena torohevitra ny olona iray ao amin’ny fiangonana. Iza no tokony hanome an’izany? Azon’ny anti-panahy atao, ohatra, ny miresaka amin’ny loham-pianakaviana, raha ny vadiny na ny zanany tsy ampy taona no homena torohevitra. Mety ho tian’ilay loham-pianakaviana mantsy raha izy no manome an’ilay izy. * Na mety hoe te hanatrika eo izy rehefa manome an’ilay torohevitra ny anti-panahy. Indraindray koa mety ho tsara kokoa raha anabavy be taona no manome torohevitra anabavy tanora, araka ny hitantsika teo amin’ny  fehintsoratra fahatelo.

12 Misy zavatra hafa koa anefa mila dinihina. Afaka mieritreritra ny anti-panahy hoe: ‘Izaho ve no tena tokony hanome an’ilay torohevitra sa tsara kokoa raha olon-kafa?’ Andao hatao hoe mila omena torohevitra ny olona iray mahatsiaro tena ho tsy misy vidiny. Mety hihaino kokoa izy, raha anti-panahy efa nahatsapa hoatr’izany no manome an’ilay torohevitra. Mety hangoraka azy kokoa mantsy ilay anti-panahy, ary mety ho mora raisina kokoa ny zavatra lazainy. Ny zava-dehibe anefa dia hoe mahazo torohevitra ilay olona, na dia tsy misy anti-panahy efa niaina ny zavatra niainany aza. Ny anti-panahy rehetra mantsy no manana andraikitra hampahery ny mpiara-manompo sy hampirisika an-dry zareo hanao an’izay fanitsiana ilaina, mba hifanaraka amin’ny Soratra Masina ny zavatra ataony.

INONA NO AZONAO ATAO MBA HANDAITRA NY TOROHEVITRA OMENAO?

Nahoana ny anti-panahy no tokony ho “vonona hihaino”? (Fehintsoratra 13-14)

13-14. Nahoana no tena mila mihaino tsara ny anti-panahy?

13 Tokony ho vonona hihaino ianao. Rehefa miomana hanome torohevitra olona iray ny anti-panahy, dia tokony hieritreritra hoe: ‘Inona avy ny zavatra fantatro momba azy? Manao ahoana izao ny fiainany? Sao dia misy olana atrehiny nefa tsy fantatro? Inona no tena ilainy amin’izao?’

14 Afaka mampihatra tsara ny toro lalana ao amin’ny Jakoba 1:19 izay rehetra manome torohevitra. Izao no voalaza ao: “Aoka ny olona rehetra ho vonona hihaino, sady tsy ho maimaika hiteny, ary tsy ho mora tezitra.” Mety hisy anti-panahy hieritreritra hoe efa fantany ny zava-misy rehetra. Tena izany ve anefa? Mampahatsiahy antsika ny Ohabolana 18:13 hoe: “Izay mamaly nefa mbola tsy nihaino akory, dia tsisy saina sady ho afa-baraka.” Aleo ilay olona mihitsy no asaina manazava an’izay mahazo azy. Midika izany hoe mila mihaino tsara ianao, izay vao miteny. Tadidio ny lesona nianaran’ilay anti-panahy noresahintsika terỳ am-piandohan’ity lahatsoratra ity. Tonga saina izy hoe tsy tokony ho tonga dia niresaka ny zavatra nomaniny, fa tokony ho nanontany an’ilay anabavy aloha, ohatra hoe: “Nanao ahoana ny fiainanao tato ho ato?” “Inona no azoko anampiana?” Ho mora kokoa amin’ny anti-panahy ny hanampy sy hampahery ny mpiara-manompo aminy, raha miezaka mamantatra ny zava-misy izy.

15. Ahoana no azon’ny anti-panahy ampiharana ny toro lalana ao amin’ny Ohabolana 27:23?

15 Fantaro ny andian’ondry. Hitantsika terỳ am-piandohana hoe tsy ampy ny mamaky andinin-teny vitsivitsy, na manome soso-kevitra iray na roa, raha tiantsika handaitra ny torohevitra omentsika. Tokony ho tsapan’ny rahalahy sy anabavintsika hoe tia an-dry zareo isika, mahazo an’izay manjo azy, ary te hanampy azy. (Vakio ny Ohabolana 27:23.) Tokony hiezaka mafy ny anti-panahy mba hinamana be amin’ny rahalahy sy anabaviny.

Inona no azon’ny anti-panahy atao mba ho mora kokoa aminy ny hanome torohevitra? (Fehintsoratra 16)

16. Inona no hanampy ny anti-panahy hanome torohevitra mandaitra?

16 Tsy tian’ny anti-panahy raha mieritreritra ny rahalahy sy anabavy hoe rehefa mila manome torohevitra ihany izy vao miresaka amin-dry zareo. Miezaka miresaka matetika amin-dry zareo kosa izy, dia mampiseho aminy hoe miahy azy rehefa miatrika olana ry zareo. Nilaza ny anti-panahy iray efa ela hoe: “Ho lasa namany ianao raha manao an’izany. Rehefa mila omena torohevitra izy any aoriana any, dia ho mora kokoa aminao ny hanome an’ilay izy.” Tsy ho sarotra aminy koa amin’izay ny handray an’izay torohevitra omenao.

Nahoana ny anti-panahy no tokony hanam-paharetana sy ho tsara fanahy rehefa manome torohevitra? (Fehintsoratra 17)

17. Rahoviana ny anti-panahy no tena tokony hanam-paharetana sy ho tsara fanahy?

17 Miezaha hanam-paharetana sy ho tsara fanahy. Tena ilaina ny manam-paharetana sy tsara fanahy, rehefa omena torohevitra avy ao amin’ny Baiboly ny olona iray nefa tsy tonga dia manaraka an’izany. Tsy maintsy mitandrina ny anti-panahy mba tsy ho tezitra, rehefa tsy tonga dia ekena na arahina ny torohevitra nomeny. Tokony hanahaka an’i Jesosy ry zareo. Izao no lazain’ny Baiboly momba azy: “Tsy hataony torotoro ny bararata folaka, ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro mitsilopilopy.” (Mat. 12:20) Rehefa miresaka mitokana amin’i Jehovah àry ilay anti-panahy, dia afaka mangataka aminy mba hitahy an’ilay olona mila torohevitra. Afaka mangataka aminy koa izy mba hanampy an’ilay olona hahazo ny antony nanomezana an’izany azy sy hanampy azy hampihatra an’ilay izy. Mila fotoana kely angamba ilay olona mba hisaintsainana an’izay nolazaina taminy. Raha manam-paharetana sy tsara fanahy ilay anti-panahy, dia hahavita hifantoka amin’ny torohevitra nomena azy ilay olona fa tsy amin’ny fomba nanomezana an’ilay izy. Mazava ho azy fa tokony ho avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra foana ny torohevitra omentsika.

18. a) Inona no tokony hotadidintsika rehefa manome torohevitra? b) Inona no mety horesahin’izy mivady, raha jerena ny sary sy ilay efajoro?

18 Mianara avy amin’izay tsy nety nataonao. Tsy lavorary isika ka mety tsy hahavita hampihatra tsara ny torohevitra rehetra noresahina tato. (Jak. 3:2) Tsy maintsy hanao fahadisoana àry isika. Isaky ny manao fahadisoana anefa isika, dia tokony hianatra avy amin’izany. Mety hiteny na hanao zavatra mampalahelo ny rahalahy sy anabavy isika, rehefa manome torohevitra azy. Ho mora kokoa amin-dry zareo anefa ny hamela antsika, raha tsapany hoe tia azy isika.​—Jereo koa ilay hoe “ Ho An’ny Ray Aman-dreny.”

INONA NO NIANARANTSIKA TATO?

19. Inona no azontsika atao mba hahatonga ny fon’ny rahalahy sy anabavintsika ho falifaly?

19 Hitantsika teo hoe tsy mora ny manome torohevitra mandaitra. Tsy lavorary mantsy isika, dia hoatr’izany koa ilay olona omena torohevitra. Tadidio anefa ny toro lalana nianarantsika tato. Ataovy azo antoka hoe fitiavana no mahatonga anao hanome an’ilay izy. Hamarino tsara koa hoe tena ilaina ve ilay torohevitra ary ianao ve no tokony hanome an’ilay izy. Ankoatra izany, dia mametraha fanontaniana alohan’ny hanomezanao torohevitra, ary henoy tsara ilay olona mba ho azonao izay manjo azy. Miezaha mba hahazo ny fomba fiheviny sy ho tsara fanahy aminy. Tena ilaina koa ny minamana be amin’ny rahalahy sy anabavy. Tadidio fa ny tanjontsika tsy hoe hanome torohevitra mandaitra fotsiny, fa ny ‘hahatonga ny fo ho falifaly’ koa.​—Ohab. 27:9.

HIRA 103 Lehilahy ho Fanomezana Ireo Mpiandry

^ Tsy mora indraindray ny manome torohevitra. Inona àry no azontsika atao mba hahasoa sy hampahery ary hanohina ny fo ny torohevitra omentsika? Handray soa avy amin’ity lahatsoratra ity isika rehetra, indrindra fa ny anti-panahy.

^ Jereo ilay lahatsoratra hoe “Ny Fahefana Napetrak’i Jehovah ao Amin’ny Fiangonana”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana Febroary 2021.