Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 9

Vonona Hanampy ny Hafa Hoatran’i Jesosy ve Ianao?

Vonona Hanampy ny Hafa Hoatran’i Jesosy ve Ianao?

“Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”​—ASA. 20:35.

HIRA 17 “Sitrako Tokoa”

HO HITANAO ATO *

1. Inona ny toe-tsaina tsara ananan’ny vahoakan’i Jehovah?

 EFA ela ny Baiboly no nilaza fa “hanolo-tena an-tsitrapo” hanompo an’i Jehovah ny vahoakany, sady hanaiky ny tari-dalan’ny Zanany. (Sal. 110:3) Tanteraka izany faminaniana izany amin’izao. Mazoto mitory ny mpanompon’i Jehovah, ka an-jatony tapitrisa ny ora lanin’izy ireo amin’izany isan-taona. An-tsitrapo no anaovan’izy ireo an’izany fa tsy karamaina. Manome an’izay ilain’ny mpiara-manompo aminy koa ry zareo sady mampahery azy, ary manampy azy hanana finoana matanjaka. Ankoatra izany, dia ora maro no lanin’ireo rahalahy voatendry rehefa manomana ny anjarany sy mitsidika ny mpiara-manompo mba hampaherezana an-dry zareo. Nahoana ny vahoakan’i Jehovah no manao an’izany rehetra izany? Satria tia an’i Jehovah sy ny namany izy ireo.​—Mat. 22:37-39.

2. Inona ny ohatra navelan’i Jesosy araka ny Romanina 15:1-3?

2 Miavaka ny ohatra navelan’i Jesosy, satria izay hahasoa ny hafa aloha no notadiaviny vao ny azy. Manao izay rehetra azo atao isika mba hanarahana ny diany. (Vakio ny Romanina 15:1-3.) Handray soa isika raha manahaka azy. Izao mantsy no nolazain’i Jesosy: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”​—Asa. 20:35.

3. Inona no hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity?

3 Hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity hoe inona ny zavatra sasany nafoin’i Jesosy mba hanampiana ny hafa, ary ahoana no azontsika anahafana azy. Horesahintsika koa hoe inona no azontsika atao mba ho vonona kokoa hanampy ny hafa isika.

MANAHAFA AN’I JESOSY

Efa reraka i Jesosy. Inona anefa no nataony rehefa nisy vahoaka nanatona azy? (Fehintsoratra 4)

4. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy hoe nitady izay hahasoa ny hafa izy?

4 Nahafoy tena ho an’ny hafa i Jesosy na dia efa reraka aza. Eritrereto izay nataony rehefa nisy vahoaka be nanatona azy teo an-tendrombohitra, angamba teo akaikin’i Kapernaomy. Vao avy nivavaka nandritra ny alina manontolo izy tamin’izay, ka tsy maintsy hoe reraka be. Rehefa nahita an’ilay vahoaka anefa izy, dia nangoraka an’ireo mahantra sy marary. Tsy hoe nanasitrana azy ireo fotsiny izy, fa nanao an’ilay toriteny anisan’ny tsara indrindra hatramin’izay koa. Io ilay antsoina hoe Toriteny teo An-tendrombohitra.​—Lioka 6:12-20.

Inona no azontsika atao raha te hahafoy tena hoatran’i Jesosy isika? (Fehintsoratra 5)

5. Ahoana no ampisehoan’ny loham-pianakaviana hoe mahafoy tena hoatran’i Jesosy izy rehefa reraka?

5 Ahoana no hanahafan’ny loham-pianakaviana an’i Jesosy? Eritrereto hoe tonga ao an-trano ny lehilahy iray rehefa avy niasa tontolo andro. Reraka be izy dia tsy te hanao an’ilay Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana fanaon’izy ireo tamin’io hariva io. Niangavy an’i Jehovah anefa izy mba hanome hery azy hitarihana an’ilay fianarana. Namaly ny vavaka nataony i Jehovah, dia nanao fotoam-pivavahana hoatran’ny mahazatra ihany izy mianakavy kely. Nianatra lesona lehibe ny zanany tamin’iny fotoana iny. Inona izany? Hoe tsy atakalon’ny ray aman-dreniny na inona na inona mihitsy ny zavatra ara-panahy.

6. Ahoana no ahitana hoe nahafoy fotoana hanampiana ny hafa i Jesosy?

6 Nahafoy fotoana ho an’ny hafa i Jesosy na dia te ho irery aza. Alao sary an-tsaina izay tsapan’i Jesosy rehefa henony hoe notapahina ny lohan’i Jaona Mpanao Batisa. Tsy maintsy hoe nalahelo be an’io namany io izy. Milaza ny Baiboly hoe “niala teo i Jesosy rehefa naheno an’izany, ka nandeha sambokely nankany amin’ny toerana mitokana izy fa mba te ho irery.” (Mat. 14:10-13) Tsy mahagaga raha te ho irery i Jesosy. Maro amintsika mantsy no te hitokana kely rehefa malahelo. Tsy afaka nanao an’izany anefa i Jesosy tamin’izay. Nisy vahoaka be mantsy tonga mialoha tany amin’ilay toerana. Dia ahoana no nataon’i Jesosy? Nieritreritra an’izay nilain’ilay vahoaka izy, ary “nangoraka” azy ireo. Hitany hoe tena nila fanampiana sy fampiononana avy amin’Andriamanitra ry zareo, ka tonga dia nanao zavatra izy. “Nanomboka nampianatra azy ireo zavatra be dia be izy”, fa tsy hoe zavatra vitsivitsy fotsiny.​—Mar. 6:31-34; Lioka 9:10, 11.

7-8. Manahaka an’i Jesosy ny anti-panahy rehefa misy mpiara-manompo mila fanampiana. Manomeza ohatra.

7 Ahoana no hanahafan’ny anti-panahy be fitiavana an’i Jesosy? Mahafoy tena ho antsika ny anti-panahy, ary tena ankasitrahantsika ny asa ataon’izy ireo! Tsy ny asa rehetra ataon’izy ireo anefa no hitan’ny ankamaroan’ny rahalahy sy anabavy ao amin’ny fiangonana. Diniho, ohatra, ny ataon’ireo rahalahy anisan’ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly. Tonga dia manampy an’izay rahalahy sy anabavy mila fitsaboana maika ry zareo. Matetika anefa no amin’ny alina no misy mila fitsaboana tampoka hoatr’izany. Mangoraka ny mpiara-manompo manana olana ireny anti-panahy malalantsika ireny sy ny fianakaviany, ka izay mahasoa ny hafa aloha no tadiaviny vao ny azy.

8 Manampy ny tra-boina koa ny anti-panahy sady mandray anjara amin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana sy trano hafa ampiasain’ny fandaminana. Tsy izay ihany, fa mandany ora be dia be ry zareo mba hampianarana sy hampaherezana ary hanampiana antsika. Tena mendrika ny hankasitrahantsika ry zareo sy ny fianakaviany. Enga anie i Jehovah mba hitahy ny toe-tsaina tsara ananan-dry zareo! Mila mahay mandanjalanja koa anefa ny anti-panahy, hoatran’ny olon-drehetra ihany. Tokony hitandrina ry zareo sao mandany fotoana be loatra amin’ny fikarakarana ny fiangonana, dia lasa an-tsirambina izay ilain’ny fianakaviany.

INONA NO HANAMPY ANAO HAHAFOY TENA?

9. Inona ny toe-tsaina tokony hananan’ny Kristianina rehetra, araka ny Filipianina 2:4, 5?

9 Vakio ny Filipianina 2:4, 5. Marina fa tsy anti-panahy daholo isika. Mila mianatra hahafoy tena hoatran’i Jesosy anefa isika rehetra. Milaza ny Baiboly hoe “lasa hoatran’ny mpanompo izy.” (Fil. 2:7) Eritrereto ange ny dikan’izany e! Mitady fomba hampifaliana ny tompony ny mpanompo. Mpanompon’i Jehovah sy ireo rahalahy sy anabavy koa isika. Inona àry no azonao atao raha te hampiasain’i Jehovah kokoa ianao, sady te hanampy bebe kokoa ny mpiara-manompo? Andao isika handinika soso-kevitra vitsivitsy.

10. Inona avy ny fanontaniana azontsika eritreretina?

10 Diniho ny toe-tsainao. Ireto misy fanontaniana vitsivitsy azonao eritreretina: ‘Vonona hahafoy fotoana sy hery hanampiana olon-kafa ve aho? Ahoana, ohatra, no hataoko raha asaina mitsidika rahalahy be taona any an-tranony aho, na asaina mitondra anabavy be taona mandeha mivory? Tonga dia vonona hanampy ve aho rehefa misy olona ilaina hanadio Efitrano Fivoriambe na hikojakoja Efitrano Fanjakana?’ Rehefa nanokan-tena ho an’i Jehovah isika, dia nampanantena azy hoe hatokantsika mba hanompoana azy izay rehetra ananantsika. Tiany raha hampiasaintsika hanampiana ny hafa ny fotoanantsika sy ny herintsika ary ny fananantsika, ary faly izy rehefa manao an’izany isika. Inona àry no azonao atao raha hitanao hoe misy mila hatsaraina?

11. Nahoana no manampy antsika hahafoy tena ho an’ny hafa ny vavaka?

11 Mivavaha amin’ny fo. Hitanao angamba hoe mila miezaka kokoa ianao mba hahafoy tena ho an’ny hafa. Ahoana anefa raha hoatran’ny tsy mazoto hanao an’izany ianao? Mivavaha amin’i Jehovah. Resaho aminy daholo ny zava-misy. Lazao aminy izay tsapanao ary angataho izy mba hanampy anao “hanana faniriana sy hery hanaovana zavatra.”​—Fil. 2:13.

12. Inona no azon’ny rahalahy tanora vita batisa atao mba hanampiana ny fandaminana?

12 Rahalahy tanora vita batisa ve ianao? Angataho i Jehovah mba hanampy anao “hanana faniriana” hanampy ny rahalahy sy anabavy ao amin’ny fiangonana. Betsaka kokoa noho ny mpikarakara fiangonana ny anti-panahy any amin’ny tany sasany, ary maro amin’ireny mpikarakara fiangonana ireny no efa zokinjokiny. Mihamitombo anefa ny vahoakan’i Jehovah, ka mila rahalahy tanora kokoa isika mba hikarakara an-dry zareo. Tena ho sambatra ianao raha vonona hanompo any amin’izay mila fanampiana. Fa maninona? Satria hampifaly an’i Jehovah ianao sady hahazo laza tsara, ary ho afa-po noho ianao manampy olona.

Niampita ny Reniranon’i Jordana ny Kristianina tao Jodia, ary nandositra nankany Pela. Mizara sakafo ho an’izay vao tonga ny mpiara-manompo efa tonga taloha (Fehintsoratra 13)

13-14. Inona no azontsika atao mba hanampiana ny rahalahy sy anabavintsika? (Jereo ny sary eo amin’ny fonon’ity gazety ity.)

13 Diniho sy fantaro izay ilain’ny hafa. Nampirisika ny Hebreo ny apostoly Paoly hoe: “Aza hadinoina ny manao soa sy ny mizara amin’ny hafa, fa tena mahafaly an’Andriamanitra ny sorona toy izany.” (Heb. 13:16) Tena tsara io torohevitra nomeny io! Tsy ela taorian’ny nanoratana an’io taratasy io mantsy, dia voatery nandao ny tranony sy ny asany ary ny havany tsy mpino ny Kristianina tany Jodia. Nila ‘nandositra tany an-tendrombohitra’ ry zareo. (Mat. 24:16) Azo antoka hoe tena nila nifanampy ry zareo tamin’izany. Raha efa nampihatra ny torohevitr’i Paoly ireo Kristianina ireo talohan’izay ka nizara an’izay nananany tamin’ny hafa, dia ho mora kokoa aminy ny hizatra amin’ny fiainany vaovao.

14 Mety tsy hilaza an’izay ilainy foana ny mpiara-manompo. Andao hatao hoe maty ny vadin’ny rahalahy iray. Sao dia mila fanampiana àry izy, ohatra hoe hahandro sakafo, na hiantsena, na hanao raharaha? Mety tsy hangataka an’ireo amintsika izy, satria tsy te hanahirana antsika. Azo inoana anefa hoe ho faly be izy raha manolo-tena hanampy azy isika. Tsy tokony hieritreritra isika hoe: ‘Tsy maintsy misy manao foana io e!’ Na hoe: ‘Izy ve tsy hiteny eo ihany rehefa mila fanampiana?’ Saintsaino kosa izao: ‘Raha izaho no teo amin’ny toerany, dia inona no tiako hanampian’ny olona ahy?’

15. Tsy maintsy tapa-kevitra ny hanao inona ianao raha te hahafoy tena?

15 Miezaha ho mora hatonina. Azo antoka fa misy rahalahy sy anabavy fantatrao hoe vonon-kanampy foana ao amin’ny fiangonanareo. Tsy ataon-dry zareo tsapanao mihitsy hoe manahirana azy ianao rehefa mangataka fanampiana aminy. Fantatrao hoe afaka miantehitra aminy foana ianao, ary tianao raha mba hoatr’izany koa ianao. Te ho mora hatonina i Alan, anti-panahy efa 40 taona mahery. Nieritreritra ny ohatr’i Jesosy izy, dia izao no nolazainy: “Be atao be i Jesosy nefa tsy nisalasala nanatona azy na ny kely na ny lehibe, sady tsy menatra nangataka fanampiana taminy. Fantany hoe tia be an-dry zareo i Jesosy. Tena te hanao hoatran’i Jesosy aho, dia tiako hoe olona mora hatonina sy tsara fanahy ary be fitiavana no ahalalana ahy.”

16. Nahoana no hahavita hanaraka akaiky ny dian’i Jesosy isika raha mampihatra ny Salamo 119:59, 60?

16 Tsy tokony ho kivy isika raha tsy mahavita manahaka tanteraka an’i Jesosy. (Jak. 3:2) Tsy hahavita hoso-doko mitovy tanteraka amin’ny an’ny mpanao hoso-doko matihanina, ohatra, ny olona mianatra hoso-doko. Hahay kokoa anefa izy raha mianatra avy amin’izay tsy nety nataony, sy miezaka araka izay azo atao mba hanahaka an’ilay mpanao hoso-doko matihanina. Hoatr’izany koa no tokony hataontsika raha tiantsika ny hahavita hanaraka akaiky kokoa ny modely nomen’i Jesosy. Mila ampiharintsika izay ianarantsika mandritra ny fianarana samirery, ary mila miezaka mafy isika hanitsy an’izay tsy mety.​—Vakio ny Salamo 119:59, 60.

INONA NY SOA HO AZONAO RAHA MAHAFOY TENA IANAO?

Ohatra tsara ho an’ny tanora ny anti-panahy mahafoy tena hoatran’i Jesosy (Fehintsoratra 17) *

17-18. Inona no ho vokany raha mahafoy tena hoatran’i Jesosy isika?

17 Rehefa mahafoy tena isika, dia lasa mifindra amin’ny hafa io toetrantsika io. Izao no nolazain’ny anti-panahy antsoina hoe Tim: “Misy rahalahy tanora mandroso be ao amin’ny fiangonanay, dia voatendry ho mpikarakara fiangonana. Ny sasany aza mbola tanora kely mihitsy! Nahita ny olon-kafa vonon-kanampy mantsy ry zareo, dia lasa nanao hoatr’izany koa. Anisan’ny antony nampandroso an-dry zareo izany. Tena manampy ny fiangonanay sy ny anti-panahy ny ezaka ataon’ireny tanora ireny.”

18 Miavaka ny vahoakan’i Jehovah, satria tsy tia tena hoatran’ny olona eo amin’izao tontolo izao. Misy vokany amintsika mantsy ny ohatra tsara nomen’i Jesosy. Nahafoy tena izy, dia tapa-kevitra ny hanahaka azy isika. Marina fa tsy hahavita hanahaka tanteraka an’i Jesosy isika. Afaka ‘manaraka akaiky ny diany’ anefa isika. (1 Pet. 2:21) Ho faly isika satria ankasitrahan’i Jehovah, raha manao izay fara herintsika mba hahafoy tena hoatran’i Jesosy.

HIRA 13 Kristy no Modelintsika

^ Nitady an’izay nahasoa ny olona foana i Jesosy ka nampandefitra an’izay nilainy. Ho hitantsika ato amin’ity lahatsoratra ity izay azontsika atao mba hanahafana azy. Horesahintsika koa hoe inona ny soa azo rehefa mahafoy tena hoatran’i Jesosy isika.

^ SARY: Marary any amin’ny hopitaly ny dadan’ny rahalahy tanora antsoina hoe Dan, dia tonga mitsidika azy ny anti-panahy roa. Te hanahaka ny ohatra tsara nasehon’ireo anti-panahy be fitiavana ireo i Dan. Lasa niezaka nandinika sy namantatra an’izay ilain’ny olon-kafa ao amin’ny fiangonana izy. Mahita ny ataon’i Dan ny rahalahy tanora antsoina hoe Ben. Hitany hoe tena miahy ny hafa izy. Lasa te handray anjara amin’ny fanadiovana Efitrano Fanjakana i Ben rehefa nahita ny ohatr’i Dan.