Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARAM-PIAINANA

Nahita Zavatra Tsara Kokoa Noho ny Fitsaboana Aho

Nahita Zavatra Tsara Kokoa Noho ny Fitsaboana Aho

“IZANY mihitsy no efa nofinofiko hatramin’ny mbola kely!” Nafana fo erỳ aho niteny an’izany tamin’ilay mpivady tonga tao amiko, tamin’ny 1971. Vao lasa dokotera aho tamin’izay, dia nanokatra toeram-pitsaboana. Fa iza ireo marary ireo? Ary inona ilay nofinofiko? Nanova an’izay noheveriko ho zava-dehibe teo amin’ny fiainana iny resadresaka iny. Mino koa aho fa ho tanteraka tsy ho ela ilay nofinofiko tamin’izaho mbola kely. Aleo fa hotantaraiko anareo izany.

Teraka tamin’ny 1941 aho. Nipetraka tao Paris, any Frantsa, izahay ary sahirankirana ny fianakavianay. Tia nianatra aho, ka diso fanantenana be tamin’izaho folo taona satria tsy nahazo nandeha nianatra. Voan’ny tioberkilaozy mantsy aho. Tsy navelan’ny dokotera nihetsiketsika tao am-pandriana aho, sao reraka loatra ny havokavoko. Namaky diksionera àry no nataoko nandritra ny volana maromaro, ary nihaino ny fandaharan’ny Oniversiten’i Paris, tao amin’ny Radio Sorbonne. Faly be aho rehefa nilaza ny dokotera hoe sitrana aho, dia afaka miverina mianatra. Dia hoy aho: ‘Mba tsara rangahy ny asan’ny dokotera a!’ Te ho lasa dokotera aho nanomboka teo, dia hitsabo olona marary. Isaky ny nanontany ahy i Dada hoe: “Inona no tian’ialahy hatao rehefa lehibe?”, dia izao foana no navaliko: “Hanao dokotera!” Izay no lasa zava-dehibe indrindra teo amin’ny fiainako.

NANAMPY AHY HO AKAIKY KOKOA AN’ANDRIAMANITRA NY SIANSA

Katolika ny fianakavianay, fa tsy mpivavaka be. Tsy tena nahalala an’Andriamanitra àry aho, sady be dia be ny fanontaniana tsy nahitako valiny. Rehefa nanomboka nianatra fitsaboana tany amin’ny oniversite aho vao resy lahatra hoe misy ny Mpamorona.

Tadidiko tamin’izaho sambany vao nandinika selana tiolipa tamin’ny mikraoskaopy. Gaga be aho nahita ny nataon’ilay sela rehefa tratran’ny hafanana sy ny hatsiaka. Nandinika ny tao anatin’ilay sela koa aho, dia hitako hoe mifintina ilay izy rehefa tratran’ny sira, fa miitatra rehefa atao ao anaty rano madio. Ireny rehetra ireny no mahatonga ny zavamananaina ho velona foana, na dia miovaova aza ny manodidina azy. Rehefa nahita ny tsipiriany mahavariana ao amin’ny sela tsirairay aho, dia niaiky hoe tsy kisendrasendra fotsiny no nampisy ny zavamananaina.

Vao mainka aho nahita porofo hoe misy Andriamanitra, tamin’ny taona faharoa nianarako tany amin’ny oniversite. Rehefa nianatra momba ny vatan’olombelona izahay, dia nandinika hoe ahoana no ahafahantsika mamoritra sy manatsotra ny rantsantanantsika. Tena mahavariana ny fiasan’ny hozatra sy ny fomba ifandraisany amin’ny taolana. Nianaranay, ohatra, hoe mizara roa ny hozabe mampifandray ny iray amin’ireo hozatra ao amin’ny tanana sy ny taolana faharoa amin’ny rantsantanana. Ao ambanin’io hozabe io indray no mitsofoka ireo hozatra mankany amin’ny tendron’ny rantsantanana, dia izay no mahatonga azy ireo tsy hihetsiketsika. Misy tamba-tsela mafy koa mampiraikitra an’ireo hozatra ireo amin’ny taolan’ny rantsantanana. Raha tsy nisy an’izany rehetra izany, dia ho henjana be ireo hozatra ireo, ka tsy ho afaka hiasa tsara ny rantsantanantsika. Hitako avy amin’izany hoe mahay be izay namorona ny vatan’olombelona.

Vao mainka nahavariana ahy ny asan’ilay Mpamorona, tamin’izahay nianatra ny ataon’ny zazakely vao teraka rehefa mifoka rivotra. Nianarako hoe raha mbola ao an-kibo ny zaza iray, dia mahazo oksizenina avy amin’ny reniny izy, amin’ny alalan’ny tadim-poitra. Mbola tsy mibontsina àry ireo kitapon-drivotra ao anaty havokavony. Rehefa akaiky ho teraka izy, dia lasa misy ranoka hoatran’ny menaka mandrakotra ny ao anatin’ireo kitapo kely ireo. Mahavariana ny zava-mitranga avy eo, raha vao teraka ilay zaza ka manomboka mifoka rivotra. Misy lavaka mikatona ao amin’ny fony, dia lasa mankany amin’ny havokavony ny ra. Tonga dia feno rivotra ireo kitapo kely ao anaty havokavony, ary ilay ranoka no misakana ny kitapo kely tsirairay tsy hifampiraikitra. Eo no ho eo ihany ilay zaza dia afaka miaina irery.

Te hahafantatra an’ilay namorona an’ireo zavatra mahavariana ireo aho, ka lasa nazoto namaky Baiboly. Nahaliana ahy ny lalàna momba ny fahadiovana tao amin’ny fifanekena nataon’Andriamanitra tamin’ny firenen’Israely, 3 000 taona mahery izay. Nasain’Andriamanitra nisasa matetika tamin’ny rano sy nandevina ny malotony, ohatra, ny Israelita. Nasainy natoka-monina koa izay hita hoe manana aretina mifindra. (Lev. 13:50; 15:11; Deot. 23:13) Efa ela ny Baiboly no niresaka momba ny fielezan’ny aretina, nefa ny mpahay siansa vao 150 taona teo ho eo no nahay an’izany. Hitako hoe nanampy an’ilay firenena manontolo ho salama koa ny lalàna momba ny firaisana ao amin’ny Levitikosy. (Lev. 12:1-6; 15:16-24) Tena nitady an’izay hahasoa ny Israelita ny Mpamorona matoa nanome an’ireny lalàna ireny, ary notahiny izay nankatò ny didiny. Resy lahatra àry aho hoe avy amin’Andriamanitra tokoa ny Baiboly. Mbola tsy fantatro anefa ny anarany tamin’izany.

NANAMBADY AHO ARY NAHALALA AN’I JEHOVAH

Izaho sy Lydie tamin’ny mariazinay, 3 Aprily 1965

Nihaona tamin’ny tovovavy iray aho tamin’izaho mbola nianatra tany amin’ny oniversite. Lydie ny anarany, ary babony tanteraka ny foko. Nivady izahay tamin’ny 1965. Vao nisasaka ny fianarako tamin’izay. Enina ny zanakay roa, ary efa teraka izy telo mianadahy zokiny tamin’ny 1971. Nanampy be ahy i Lydie, na tamin’ny asako na tao an-tokantrano.

Efa niasa telo taona tao amin’ny hopitaly aho, vao nanangana an’ilay toeram-pitsaboana. Tonga tao amiko ilay mpivady noresahiko terỳ aloha, taoriana kelin’izay. Efa hanoratra ny taratasim-panafody ho an’ilay rangahy aho, no niteny tamiko ny vadiny hoe: “Azafady, Dokotera a! Aleo mba fitsaboana tsy ampiasana ra!” Gaga aho, dia nanontany hoe: “Hay! Fa maninona?” Dia namaly izy hoe: “Vavolombelon’i Jehovah izahay.” Mbola tsy naheno momba ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny fiheveran-dry zareo ny ra mihitsy aho talohan’izay. Nalain’ilay vehivavy àry ny Baiboliny, dia nohazavainy tamiko izany. (Asa. 15:28, 29) Noresahin’izy mivady tamiko avy eo izay hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra. Hanafoana ny fahoriana sy ny aretina ary ny fahafatesana izy io. (Apok. 21:3, 4) Hoy aho: “Izany mihitsy no efa nofinofiko hatramin’ny mbola kely! Nanao dokotera aho satria te hanamaivana ny fahorian’ny olona.” Nahaliana be ahy ilay resaka, dia efa ho adiny iray sasany izahay no teo. Tsy te ho Katolika intsony aho rehefa lasa izy mivady. Nianarako koa hoe hay i Jehovah no anaran’ilay Mpamorona efa nampiaiky ahy hatry ny ela!

Intelo nihaona tamin’izy mivady aho tao am-piasana, ary naharitra adiny iray mahery ny resakay isaky ny nihaona. Nasaiko hankany an-trano izy ireo, mba hahafahanay miresaka bebe kokoa momba ny Baiboly. Nanaiky hianatra Baiboly koa i Lydie. Tsy nekeny anefa hoe diso ny zavatra sasany nampianarin’ny Katolika. Nisy pretra àry nasaiko ho any an-tranonay. Niady hevitra momba ny fampianaran’ny Katolika izahay hatramin’ny alina be, ary ny Baiboly ihany no nampiasainay. Resy lahatra i Lydie taorian’izay hoe marina ny fampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah. Vao mainka izahay lasa tia an’i Jehovah Andriamanitra, dia natao batisa tamin’ny 1974.

I JEHOVAH NO LASA ZAVA-DEHIBE INDRINDRA TAMIKO

Niova izay noheveriko ho zava-dehibe, rehefa nianatra momba ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny olombelona aho. Lasa nifantoka tamin’ny fanompoana an’i Jehovah àry izahay sy Lydie. Tapa-kevitra koa izahay hoe hotezainay mifanaraka amin’ny fitsipiky ny Baiboly ny zanakay. Nampianarinay ho tia an’Andriamanitra sy ho tia olona ry zareo. Nahatonga ny fianakavianay hiray saina izany.​—Mat. 22:37-39.

Fantatry ny zanakay hoe niray saina foana izahay sy Lydie, ary matetika izahay no mihomehy rehefa mahatsiaro an’izany. Hain-dry zareo tsara hoe narahinay foana ilay tenin’i Jesosy hoe “aleo ny teninareo rehefa ‘Eny’ dia eny, rehefa ‘Tsia’ dia tsia.” (Mat. 5:37) Niera tamin’i Lydie, ohatra, ny zanakay vavimatoa mba hiaraka tamin’ny tanora maromaro, indray mandeha, tamin’izy 17 taona. Tsy navelan’i Lydie anefa izy, ka nilaza taminy ny iray tamin’ireo ankizy ireo hoe: “Rehefa tsy manaiky mamanareo, dia dadanareo indray resahina e!” Dia hoy ilay zanakay vavy: “Lany andro amin’izany eo fotsiny isika, fa mifanara-tsaina be ireo!” Izy enina mianadahy mihitsy no nahita hoe raha vao resaka toro lalan’ny Baiboly, dia miray saina izahay mivady. Misaotra an’i Jehovah izahay amin’izao fa manompo azy ny ankamaroan’ny fianakavianay.

Nanova an’izay noheveriko ho zava-dehibe ny fahamarinana. Te hampiasa ny fahaizako mitsabo anefa aho mba hahasoa ny vahoakan’Andriamanitra. Rehefa nila dokotera àry ny Betela tao Paris, dia nanolo-tena hiasa an-tsitrapo tany aho, ary avy eo tao amin’ny Betela vaovao ao Louviers. Efa ho 50 taona aho izao no nanao asa an-tsitrapo. Lasa namako be ny Betelita sasany, ary misy amin’izy ireny efa 90 taona mahery izao. Nihaona tamina Betelita vaovao aho, indray andro. Izaho, hono, no nampiteraka ny mamany tamin’izy teraka, 20 taona lasa izay. Gaga aho sady faly erỳ naheno an’izany!

HITAKO HOE TENA MIKARAKARA NY VAHOAKANY I JEHOVAH

Vao mainka aho lasa tia an’i Jehovah nandritra an’izay taona maro izay, rehefa hitako hoe mitarika sy miaro ny vahoakany izy amin’ny alalan’ny fandaminany. Nanao fandaharana tany Etazonia ny Filan-kevi-pitantanana, taoriana kelin’ny 1980, mba hanampiana ny mpiasan’ny fahasalamana hahazo kokoa ny fiheveran’ny Vavolombelon’i Jehovah ny ra.

Nanangana sampan-draharaha vaovao tao amin’ny Betela ny Filan-kevi-pitantanana, tamin’ny 1988. Filan-kevitra Momba ny Hopitaly ny anaran’izy io. Io sampan-draharaha io no miandraikitra ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly (KMH), izay manampy ny Vavolombelona hahita fitsaboana mety aminy. Tany Etazonia no nisy azy io voalohany, dia avy eo nitatra maneran-tany. Lasa misy KMH koa izao eto Frantsa. Mahavariana ahy ny mahita ny fikarakaran’ny fandaminan’i Jehovah an’ireo rahalahy sy anabavintsika rehefa marary izy ireo!

TANTERAKA ILAY NOFINOFY

Mbola mahafinaritra anay ny mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra

Fitsaboana no tena zava-dehibe tamiko taloha. Rehefa nandinika anefa aho, dia hitako hoe ny fanasitranana ara-panahy no zava-dehibe indrindra, izany hoe ny manampy olona hifandray tsara amin’i Jehovah, ilay Loharanon’aina. Nanao mpisava lalana àry izahay sy Lydie rehefa nisotro ronono aho. Nanokana ora be dia be izahay isam-bolana mba hitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Mbola miezaka mandray anjara araka izay azo atao amin’io asa mamonjy aina io izao izahay.

Izaho sy Lydie, 2021

Mbola manao izay tratry ny heriko aho mba hanampiana ny marary. Fantatro anefa fa na ny dokotera mahay indrindra aza tsy hahavita hanasitrana ny aretina rehetra, na hanafoana ny fahafatesana. Tsy andriko àry ilay fotoana hoe tsy hisy intsony ny fanaintainana sy ny aretina ary ny fahafatesana. Efa akaiky izao ny tontolo vaovao! Hianatra bebe kokoa momba ny zavaboarin’Andriamanitra aho amin’izay fotoana izay, anisan’izany ny vatantsika. Ary ho afaka hanao an’izany mandrakizay mihitsy aho. Vao ampahany tamin’ilay nofinofiko tamin’ny mbola kely izao no tanteraka. Santatra am-bava rano fotsiny anefa izany fa ny manetsa be mbola ho avy!