Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 10

Afaka Manala ny ‘Toetra Taloha’ Ianao

Afaka Manala ny ‘Toetra Taloha’ Ianao

“Esory ny toetranareo taloha ary ialao koa izay fanaonareo tamin’izany.”​—KOL. 3:9.

HIRA 29 Aoka Isika ho Mendrika ny Anarantsika

HO HITANAO ATO *

1. Hoatran’ny ahoana ny fiainanao tamin’ianao mbola tsy nianatra Baiboly?

 HOATRAN’NY ahoana ny fiainanao, tamin’ianao mbola tsy nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah? Betsaka amintsika no tsy te hieritreritra an’izany akory. Izay noheverin’ity tontolo ity hoe mety sy tsy mety angamba no namaritra ny toetranao sy ny fomba fisainanao. Raha izany, dia ‘tsy nanana fanantenana ianao sady tsy nanana an’Andriamanitra, teo amin’izao tontolo izao.’ (Efes. 2:12) Niova daholo anefa izany rehefa nianatra Baiboly ianao!

2. Inona no lasa fantatrao rehefa nianatra Baiboly ianao?

2 Rehefa nianatra Baiboly ianao, dia lasa fantatrao hoe hay ianao manana Ray any an-danitra sady tena tia anao izy. Tsy izay ihany, fa nianaranao hoe raha te hampifaly an’i Jehovah sy te ho anisan’ny fianakaviany ianao, dia misy zavatra ngezabe tsy maintsy ovanao eo amin’ny fiainanao. Tena mila manova ny toetranao sy ny fomba fisainanao koa ianao. Mila mianatra miaina mifanaraka amin’ny fitsipiny ianao.​—Efes. 5:3-5.

3. Inona no tian’i Jehovah hataontsika, araka ny Kolosianina 3:9, 10? Inona no hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity?

3 Mpamorona antsika i Jehovah sady Raintsika. Manan-jo hamaritra àry izy hoe hoatran’ny ahoana no tokony ho fitondran-tenan’ny fianakaviany. Alohan’ny hanaovana batisa antsika, dia tiany raha ‘esorintsika ny toetra taloha ary ialantsika izay fanao tamin’izany.’ * (Vakio ny Kolosianina 3:9, 10.) Mba hanampiana an’izay te hatao batisa, dia hamaly an’ireto fanontaniana telo ireto isika: 1) Inona no atao hoe ‘toetra taloha’? 2) Fa maninona isika no asain’i Jehovah manala an’izany? 3) Ahoana no hanaovana an’izany? Hanampy an’izay efa vita batisa kosa ity lahatsoratra ity mba tsy hiverina amin’ny toetra taloha indray.

INONA NO ATAO HOE ‘TOETRA TALOHA’?

4. Hoatran’ny ahoana no ataon’ny olona iray raha mbola manana ny ‘toetra taloha’ izy?

4 Raha manana ny ‘toetra taloha’ ny olona iray, dia izay tiany sy izay mahafinaritra azy ihany no ataony sy eritreretiny. Mety ho tia tena izy, mora tezitra, tsy mahay mankasitraka, ary manambony tena. Tia mijery sary vetaveta sy filma misy fitondran-tena ratsy na herisetra koa angamba izy. Azo antoka hoe manana toetra tsara sasany ihany izy, dia mety henjehin’ny eritreriny rehefa milaza na manao zavatra ratsy. Tsy mahavita miova anefa izy, satria tsy tena maniry hanova ny toe-tsainy sy ny fitondran-tenany.​—Gal. 5:19-21; 2 Tim. 3:2-5.

Tsy baikoin’ny toe-tsaina ratsy sy fahazaran-dratsy intsony isika, rehefa niala tamin’ny ‘toetra taloha’ (Fehintsoratra 5) *

5. Ho vitantsika ve ny hanala tanteraka ny toetra taloha? Hazavao. (Asan’ny Apostoly 3:19)

5 Tsy lavorary isika, ka tsy misy amintsika mahavita manafoana tanteraka ny eritreri-dratsy ao an-tsaintsika sy ny fanirian-dratsy ao am-pontsika. Hanao na hilaza zavatra hanenenantsika isika indraindray. (Jer. 17:9; Jak. 3:2) Tsy baikoin’ny toe-tsaina ratsy sy fahazaran-dratsy intsony anefa isika, rehefa niala tamin’ny toetra taloha. Lasa olom-baovao isika.​—Isaia 55:7; vakio ny Asan’ny Apostoly 3:19.

6. Nahoana i Jehovah no mampirisika antsika hanala ny toe-tsaina sy ny fahazarana ratsy nananantsika?

6 Mampirisika antsika hanala ny toe-tsaina sy ny fahazarana ratsy i Jehovah, satria tena tiany isika ary tiany hankafy fiainana. (Isaia 48:17, 18) Fantany mantsy fa ho voa mafy isika sady handratra ny fon’ny hafa, raha manaiky ho resin’ny fanirian-dratsy. Tena malahelo i Jehovah rehefa mitranga izany.

7. Inona ny safidy ananantsika, araka ny Romanina 12:1, 2?

7 Mety haneso antsika ny namantsika sy ny havantsika sasany, rehefa miezaka manova ny toetrantsika isika. (1 Pet. 4:3, 4) Mety hiteny ry zareo hoe manana zo hanao izay tiantsika isika, ary tsy ny hafa no tokony havelantsika hibaiko antsika amin’izay ataontsika. Tsy tena afaka manao izay tiany anefa izay tsy miraharaha ny fitsipik’i Jehovah. Manaiky hovolavolain’ity tontolo fehezin’i Satana ity ry zareo, raha ny marina. (Vakio ny Romanina 12:1, 2.) Manana safidy isika rehetra: Na isika tsy hiala amin’ny toetrantsika taloha, izay feno ota sy voavolavolan’ny tontolon’i Satana, na isika mamela an’i Jehovah hanova antsika ho lasa olona tsara toetra indrindra araka izay tratra aloha amin’izao.​—Isaia 64:8.

AHOANA NO ‘HANESORANAO’ NY TOETRA TALOHA?

8. Inona no hanampy antsika tsy hanana toe-tsaina ratsy sy fahazaran-dratsy?

8 Fantatr’i Jehovah hoe elaela isika vao tsy hanana toe-tsaina ratsy sy fahazaran-dratsy. Fantany koa hoe mila miezaka be isika vao mahavita an’izany. (Sal. 103:13, 14) Manome ny fahendrena sy hery ary fanampiana ilaina anefa izy, mba hahafahantsika miova. Manao an’izany izy amin’ny alalan’ny Teniny sy ny fanahiny ary ny fandaminany. Azo antoka fa efa nanampy anao izy. Andao hodinihintsika hoe inona koa ny zavatra sasany mbola azonao atao, mba hahafahanao hiala amin’ny toetra taloha ka hahafeno fepetra hatao batisa.

9. Afaka manampy anao hanao inona ny Tenin’Andriamanitra?

9 Ampiasao ny Baiboly mba handinihanao tsara ny tenanao. Hoatran’ny fitaratra ny Tenin’Andriamanitra. Afaka manampy anao izy io mba hahita hoe hoatran’ny ahoana ny fomba fisainanao, sy ny fomba firesakao, ary ny zavatra ataonao. (Jak. 1:22-25) Afaka manoro anao ny fomba hanaovana an’izany ilay olona mampianatra Baiboly anao sy ny Kristianina matotra hafa. Mety hampiasa ny Soratra Masina, ohatra, izy ireo mba hanampiana anao hahita ny toetra tsaranao sy ny toetra ratsinao. Azony ampianarina anao koa hoe ahoana no hahitana torohevitra avy ao amin’ny Baiboly hanampy anao hiala amin’ny fahazaran-dratsy. Ankoatra izany, dia vonona hanampy anao foana i Jehovah. Fantany ny fomba tsara indrindra hanampiana anao, satria hainy tsara izay ao am-ponao. (Ohab. 14:10; 15:11) Ataovy fahazarana àry ny mivavaka aminy sy mianatra ny Teniny isan’andro!

10. Inona no nianaranao avy amin’ny tantaran’i Elie?

10 Miezaha ho resy lahatra hoe ny fitsipik’i Jehovah no tsara indrindra. Mahasoa antsika daholo izay asain’i Jehovah ataontsika. Izay manaraka ny fitsipiny dia mahatsiaro ho misy vidiny, sy manana tanjona eo amin’ny fiainana, ary tena sambatra. (Sal. 19:7-11) Izay tsy miraharaha ny fitsipiny kosa fa zatra manao ny asan’ny nofo, dia hijinja ny vokany. Izany no nanjo ny lehilahy iray atao hoe Elie. Tia an’i Jehovah ny ray aman-dreniny ary nanampy azy hanaraka ny fitsipiny. Naleony anefa niaraka tamin’ny naman-dratsy rehefa nihalehibe. Nanomboka nidoroka zava-mahadomelina izy, ratsy fitondran-tena, ary nangalatra. Nilaza i Elie hoe lasa nihanahery setra sy mora tezitra izy. Izao ny teniny: “Izay zavatra nampianarina ahy tao amin’ny Baiboly hoe tsy azo atao, dia nataoko daholo.” Mbola tadidin’i Elie foana anefa ny zavatra nampianarina azy tamin’ny mbola kely. Nianatra Baiboly indray àry izy, tatỳ aoriana. Niezaka mafy izy niala tamin’ny fahazaran-dratsiny ary natao batisa tamin’ny 2000. Inona ny soa azony rehefa nanaraka ny fitsipik’i Jehovah izy? Izao no nolazainy: “Milamin-tsaina aho izao sady tsy enjehin’ny eritreritro.” * Hitantsika avy amin’io fitantarana io fa voa mafy izay tsy miraharaha ny fitsipik’i Jehovah. Mbola vonona hanampy an-dry zareo hiova foana anefa i Jehovah na izany aza.

11. Inona avy ny zavatra halan’i Jehovah?

11 Mianara mankahala an’izay halan’i Jehovah. (Sal. 97:10) Resahin’ny Baiboly hoe halan’i Jehovah “ny maso mianjonanjona, ny lela zatra mandainga, [ary] ny tanana mandatsaka ran’olona tsy manan-tsiny.” (Ohab. 6:16, 17) Halany koa “ny olona mahery setra sy mpamitaka.” (Sal. 5:6) Tsy tian’i Jehovah mihitsy ireo toe-tsaina sy fanao ireo, matoa naringany ny ratsy fanahy tamin’ny andron’i Noa. Nataon’izy ireo feno herisetra mantsy ny tany. (Gen. 6:13) Ity koa misy ohatra hafa. Nampitain’i Jehovah tamin’ny alalan’i Malakia mpaminany fa halany ny olona mivadika amin’ny vadiny, ka manao tetika hisarahana amin’ilay vadiny tsy manan-tsiny. Tsy ankasitrahan’i Jehovah ny fanompoana ataon’ny olona hoatr’izany, ary homelohiny izy ireny.​—Mal. 2:13-16; Heb. 13:4.

Tokony haharikoriko antsika hoatran’ny mihinana voankazo lo ny manao zavatra lazain’i Jehovah fa ratsy (Fehintsoratra 11-12)

12. Inona no dikan’ny hoe ‘mankahala ny ratsy’?

12 Tian’i Jehovah ‘hankahala ny ratsy’ isika. (Rom. 12:9) Ilazana fihetseham-po mahery ilay teny hoe ‘mankahala.’ Midika izy io hoe tsy tia maizina zavatra iray, ary mahatsapa rikoriko amin’ilay izy. Eritrereto hoe asain’olona mihinana voankazo lo ianao. Hoatran’ny ahoana ny tsapanao? Na ny mieritreritra an’izany fotsiny aza dia efa mampite handoa. Hoatr’izany koa, fa tokony haharikoriko antsika na dia ny mieritreritra fotsiny aza hoe hanao zavatra lazain’i Jehovah fa ratsy.

13. Nahoana isika no tsy maintsy mitandrina mba tsy hieritreritra zavatra ratsy?

13 Mitandrema mba tsy hieritreritra zavatra ratsy. Misy vokany amin’ny atao ny eritreritra. Izany no nahatonga an’i Jesosy hampianatra hoe mila esorina ao an-tsaina izay eritreritra mety hahatonga antsika hanao fahotana lehibe. (Mat. 5:21, 22, 28, 29) Azo antoka hoe te hampifaly an’ilay Rainao any an-danitra ianao, sa tsy izany? Tonga dia esory àry izay eritreri-dratsy tonga ao an-tsainao. Tena zava-dehibe izany!

14. Mampiharihary inona ny teny lazaintsika, ary inona avy ny fanontaniana tokony hoeritreretintsika?

14 Tandremo tsara ny zavatra lazainao. Hoy i Jesosy: ‘Izay mivoaka avy amin’ny vava dia avy ao am-po.’ (Mat. 15:18) Mampiharihary ny tena maha izy antsika tokoa ny zavatra lazaintsika. Saintsaino àry izao: ‘Tapa-kevitra ny tsy handainga ve aho, na dia hahita olana aza rehefa milaza ny marina? Mitandrina tsara ve aho mba tsy hiadaladala amin’olon-kafa satria efa manambady? Halaviriko hoatran’ny areti-mifindra ve ny resaka vetaveta? Tony tsara ve aho rehefa miresaka amin’ny olona nampahatezitra ahy?’ Tena mahasoa ny mieritreritra an’ireo fanontaniana ireo. Azo oharina amin’ny bokotra amin’ny akanjo ny teny lazainao. Rehefa mamaha an’ireo bokotra ianao, dia ho mora kokoa aminao ny hanala an’ilay akanjo. Hoatr’izany koa, fa ho mora kokoa aminao ny hiala amin’ny toetra taloha, raha miezaka mafy ianao mba hiala amin’ny fahazarana miteny ratsy, manao teny masiaka, mandainga, na manao resaka vetaveta.

15. Inona no dikan’ilay hoe fantsihana eo amin’ny “tsato-kazo” ny toetrantsika taloha?

15 Manaova zavatra hentitra. Nampiasa sarin-teny ny apostoly Paoly mba hampianarana antsika hoe tena mila manova ny fomba fiainantsika isika. Nanoratra izy hoe tsy maintsy fantsihantsika eo amin’ny “tsato-kazo” ny toetrantsika taloha. (Rom. 6:6) Inona no dikan’izany? Mila manaraka ny modely nomen’i Kristy isika. Vonona ny hofantsihana teo amin’ny hazo fijaliana izy mba hampifaliana an’i Jehovah. Tokony ho vonona hiala amin’ny toe-tsaina sy fanao halan’i Jehovah koa isika, mba hampifaliana azy. Rehefa manao an’izany ihany isika, vao hanana feon’ny fieritreretana madio sy hanantena hiaina mandrakizay. (Jaona 17:3; 1 Pet. 3:21) Tadidio fa tsy hanova ny fitsipiny mihitsy i Jehovah mba hifanaraka amin’izay tiatiantsika. Isika kosa no mila miova ary manaraka ny fitsipiny.​—Isaia 1:16-18; 55:9.

16. Nahoana isika no tsy maintsy tapa-kevitra foana hoe tsy hanaiky ho resin’ny fanirian-dratsy?

16 Miezaha foana mba tsy ho resin’ny fanirian-dratsy. Mila miezaka foana ianao mba tsy ho resin’ny fanirian-dratsy, na dia efa vita batisa aza. Eritrereto ny tantaran’ny Rahalahy Maurício. Tia lehilahy izy tamin’ny mbola tanora. Nihaona tamin’ny mpanompon’i Jehovah izy, tatỳ aoriana, ary nanomboka nianatra Baiboly. Nanova ny fomba fiainany izy, ary natao batisa tamin’ny 2002. Na dia efa nanompo an’i Jehovah nandritra ny taona maro aza izy izao, dia miaiky fa ‘mbola manana fanirian-dratsy ihany indraindray.’ Tsy mahakivy an’i Maurício anefa izany. Nilaza kosa izy hoe mampahery azy ny mieritreritra fa efa mampifaly an’i Jehovah izy, rehefa mifidy ny tsy hanatanteraka an’ireny faniriany ireny. *

17. Inona tamin’ny tantaran’i Nabiha no nampahery anao?

17 Mangataha fanampiana amin’i Jehovah, ary miantehera amin’ny fanahiny fa aza miantehitra amin’ny herinao. (Gal. 5:22; Fil. 4:6) Tsy maintsy miady mafy isika, raha te hiala amin’ny toetra taloha sy tsy hiverina amin’izany intsony. Diniho ny tantaran’ny vehivavy iray atao hoe Nabiha. Nilaozan’ny dadany izy tamin’izy vao enin-taona. Izao no nolazainy: “Tena nalahelo be aho ka lasa narary fo mihitsy.” Lasa tezi-dava sy mpila ady i Nabiha rehefa nihalehibe. Nivarotra rongony an-tsokosoko izy ary tratra, ka voaheloka higadra nandritra ny taona vitsivitsy. Nisy Vavolombelona nitory tao amin’ilay fonja nisy azy, dia nianatra Baiboly izy. Nanomboka niova be i Nabiha. Hoy izy: ‘Tsy sarotra tamiko ny niala tamin’ny zava-dratsy sasany, fa ny niala tamin’ny sigara no tena tantara!’ Niady mafy nandritra ny herintaona mahery i Nabiha, ary afaka tamin’ny fahazaran-dratsiny ihany tamin’ny farany. Ahoana no nataony? Izao no nolazainy: ‘Nivavaka tamin’i Jehovah foana aho.’ Miteny amin’ny olona izy amin’izao hoe: ‘Matoa aho nahavita niova mba hampifaly an’i Jehovah, dia afaka miova koa ny olon-drehetra na iza na iza.’ *

AFAKA NY HAHAFENO FEPETRA HATAO BATISA IANAO!

18. Nahavita nanao inona ny mpanompon’Andriamanitra maro, araka ny 1 Korintianina 6:9-11?

18 Nisy lehilahy sy vehivavy nofidin’i Jehovah hiara-manjaka amin’i Kristy, tamin’ny taonjato voalohany. Nandevozin’ny fahazaran-dratsy ny sasany tamin’izy ireny taloha. Nisy, ohatra, mpanitsakitsa-bady, lehilahy miray amin’ny lehilahy, vehivavy miray amin’ny vehivavy, ary mpangalatra. Nampian’ny fanahy masin’Andriamanitra anefa izy ireo, ka nahavita niova. (Vakio ny 1 Korintianina 6:9-11.) Olona an-tapitrisany koa amin’izao no nahavita niova rehefa nianatra Baiboly. * Nahavita niala tamin’ny fahazaran-dratsiny izy ireny, na dia tsy mora taminy aza izany. Hita avy amin’ny ohatr’izy ireny hoe afaka manova ny toetranao sy ny fahazaranao koa ianao, ka hahafeno fepetra hatao batisa.

19. Inona no horesahina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

19 Mila miala amin’ny toetra taloha ny olona iray, raha te hatao batisa. Tsy maintsy miezaka mitafy ny toetra vaovao koa anefa izy. Ahoana no hanaovany an’izany, ary inona no azon’ny hafa atao mba hanampiana azy? Hiresaka an’izany ny lahatsoratra manaraka.

HIRA 41 Mba Henoy ny Vavaka Ataoko

^ Tsy maintsy vonona hanova ny toetrantsika isika, raha te hahafeno fepetra hatao batisa. Ho hitantsika ato amin’ity lahatsoratra ity hoe inona no atao hoe toetra taloha, fa maninona isika no mila manala an’izany, ary ahoana no hanaovana an’izany. Horesahina ao amin’ny lahatsoratra manaraka kosa hoe inona no azontsika atao raha te hitafy ny toetra vaovao foana isika, na dia aorian’ny batisantsika aza.

^ FANAZAVANA: Ny hoe ‘manala ny toetra taloha’ dia midika hoe manala an’izay toe-tsaina sy fahazarana tsy ankasitrahan’i Jehovah. Alohan’ny batisa izany dia efa tokony hatao.​—Efes. 4:22.

^ Jereo ilay hoe “Manova Olona ny Baiboly​—‘Mila Miverina Amin’i Jehovah Aho’”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Aprily 2012.

^ Jereo ilay hoe “Manova Olona ny Baiboly​—‘Tsara Fanahy Be Tamiko ry Zareo’”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Mey 2012.

^ Jereo ilay hoe “Manova Olona ny Baiboly​—‘Lasa Tezi-dava Sady Mpila Ady Aho’”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra 2012.

^ Jereo ilay efajoro hoe “ Manova Olona ny Baiboly.”

^ SARY: Hoatran’ny hoe manala akanjo efa tonta isika, rehefa miala amin’ny toe-tsaina ratsy sy ny fahazaran-dratsy.