LAHATSORATRA FIANARANA 11

Tafio Foana ny “Toetra Vaovao” na dia Efa Vita Batisa aza Ianao

Tafio Foana ny “Toetra Vaovao” na dia Efa Vita Batisa aza Ianao

‘Tafio ny toetra vaovao.’​—KOL. 3:10.

HIRA 49 Ampifalio ny Fon’i Jehovah

HO HITANAO ATO *

1. Inona no tena mamolavola ny toetrantsika?

 NA VAO haingana isika no vita batisa na efa ela, dia tiantsika rehetra raha tian’i Jehovah ny toetrantsika. Mila mifehy ny eritreritsika anefa isika raha te ho lasa hoatr’izany. Fa maninona? Satria misy vokany be amin’ny toetrantsika ny eritreritsika. Raha izay mahafinaritra ny tenantsika foana no eritreretintsika, dia hiteny sy hanao zavatra ratsy isika. (Efes. 4:17-19) Fa raha eritreritra tsara kosa no mameno ny saintsika, dia azo inoana fa hampifaly an’i Jehovah Raintsika ny zavatra lazaintsika sy ataontsika.​—Gal. 5:16.

2. Inona no hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity?

2 Araka ny hitantsika tao amin’ilay lahatsoratra teo aloha, dia mety hieritreri-dratsy ihany isika indraindray na dia efa miezaka tsy hanao an’izany aza. Afaka mifidy anefa isika hoe tsy hanao an’ilay zavatra eritreretintsika. Efa tsy tokony hilaza na hanao zavatra halan’i Jehovah intsony isika, alohan’ny hanaovana batisa antsika. Izay ny zavatra voalohany tsy maintsy ataontsika raha te hiala amin’ny toetra taloha isika. Raha tiantsika anefa ny tena hampifaly an’i Jehovah, dia tsy maintsy ankatoavintsika koa ity didy ity: ‘Tafio ny toetra vaovao.’ (Kol. 3:10) Fa inona no atao hoe “toetra vaovao”? Ary inona no tokony hataontsika raha tiantsika ny hitafy azy io sy hanana azy io foana? Hamaly an’ireo isika ato.

INONA NO ATAO HOE “TOETRA VAOVAO”?

3. Inona no atao hoe “toetra vaovao”, ary ahoana no hitafiana azy io? (Galatianina 5:22, 23)

3 Ny “toetra vaovao” dia toe-tsaina sy fanao mampiseho ny toetran’i Jehovah. Mitafy ny toetra vaovao ny olona iray rehefa maneho ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra, izany hoe mamela ny fanahy masina hanan-kery eo amin’ny eritreriny sy ny fihetseham-pony ary ny ataony. (Vakio ny Galatianina 5:22, 23.) Tia an’i Jehovah, ohatra, izy sady tia ny vahoakany. (Mat. 22:36-39) Faly foana koa izy na dia miatrika zava-tsarotra aza. (Jak. 1:2-4) Mpampihavana izy. (Mat. 5:9) Manam-paharetana sy tsara fanahy izy rehefa mifandray amin’ny hafa. (Kol. 3:12, 13) Tia ny tsara koa izy sady manao soa. (Lioka 6:35) Asehony amin’ny ataony hoe tena mino an’ilay Rainy any an-danitra izy. (Jak. 2:18) Malemy fanahy izy rehefa misy mila ady aminy, ary mahafehy tena rehefa tratran’ny fakam-panahy.​—1 Kor. 9:25, 27; Tit. 3:2.

4. Nahoana isika no tokony hiezaka hanana ny toetra rehetra resahin’ny Galatianina 5:22, 23, raha te hitafy ny toetra vaovao?

4 Raha te hitafy ny toetra vaovao isika, dia mila miezaka hanana ny toetra rehetra resahin’ny Galatianina 5:22, 23 sy ny andinin-teny hafa ao amin’ny Baiboly. * Tsy hoatran’ny akanjo samihafa ireo toetra ireo, ka hoe iray ihany no anaovana isaky ny mandeha. Mifandray mantsy ireo toetra ireo raha ny marina. Raha tena tia olona, ohatra, ianao, dia hanam-paharetana sy ho tsara fanahy aminy. Tsy maintsy malemy fanahy sy mahafehy tena koa ianao, raha tena tsara toetra.

AHOANA NO HITAFIANTSIKA NY TOETRA VAOVAO?

Ho vitantsika kokoa ny hanahaka ny toetran’i Jesosy, arakaraka ny iezahantsika hanana toe-tsaina hoatran’ny azy (Fehintsoratra 5, 8, 10, 12, 14)

5. Inona no dikan’ny hoe “manana ny sain’i Kristy”, ary nahoana isika no tokony hianatra momba ny fiainan’i Jesosy? (1 Korintianina 2:16)

5 Vakio ny 1 Korintianina 2:16. Mila “manana ny sain’i Kristy” isika, raha te hitafy ny toetra vaovao. Tsy maintsy mianatra isika hoe hoatran’ny ahoana ny fomba fisainan’i Jesosy, dia avy eo manahaka azy. Naneho ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra i Jesosy, ary tonga lafatra ny fomba nanaovany an’izany. Mitovy tanteraka amin’ny an’i Jehovah ny toetran’i Jesosy, ka hoatran’ny hoe fitaratra mampiseho ny toetran’ny Rainy izy. (Heb. 1:3) Arakaraka ny ananantsika toe-tsaina hoatran’ny an’i Jesosy no hahatonga antsika hanao zavatra mitovy amin’izay nataony, ary ho vitantsika kokoa ny hanahaka ny toetrany.​—Fil. 2:5.

6. Inona no tokony hotadidintsika rehefa miezaka mitafy ny toetra vaovao isika?

6 Tena ho vitantsika ve anefa ny hanahaka an’i Jesosy? Mety hieritreritra ianao hoe: ‘Jesosy ange lavorary e! Tsy hitovy aminy mihitsy aho.’ Tadidio anefa izao raha izany no tsapanao. Voalohany, noforonina hitovy endrika amin’i Jehovah sy Jesosy ianao. (Gen. 1:26) Afaka mifidy ny hanahaka azy ireo àry ianao, ary mety hahavita hitovitovy amin-dry zareo ihany. Faharoa, ny fanahy masin’Andriamanitra no hery matanjaka indrindra eo amin’izao rehetra izao. Afaka manampy anao izy io mba hahavitanao zavatra tsy ho vitanao samirery mihitsy. Fahatelo, tsy manantena i Jehovah hoe hahavita haneho ny vokatry ny fanahy amin’ny fomba tonga lafatra ianao izao. Raha ny marina mantsy, dia 1 000 taona no nomen’ilay Raintsika be fitiavana an’ireo manantena ny hiaina eto an-tany mba hahatonga azy ireo ho lavorary. (Apok. 20:1-3) Amin’izao aloha, dia tian’i Jehovah isika hanao izay tsara indrindra vitantsika ary hiantehitra aminy.

7. Inona no hodinihintsika izao?

7 Ahoana àry no anahafantsika an’i Jesosy? Handinika toetra efatra anisan’ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra isika izao. Hojerentsika ny fomba nanehoan’i Jesosy an’ireo toetra ireo, sy izay azontsika ianarana avy amin’izany. Handinika fanontaniana vitsivitsy koa isika, mba hahitana hoe inona ny ezaka mbola mila ataontsika.

8. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy hoe tia an’i Jehovah izy sady tia olona?

8 Tena tia an’i Jehovah Rainy i Jesosy, dia vonona hanao sorona ho azy sy ho antsika. (Jaona 14:31; 15:13) Tena tia olona koa izy rehefa jerena ny fomba fiainany tetỳ. Be fitiavana sy nangoraka foana izy isan’andro, na dia rehefa nisy nanohitra aza. Nampianatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra koa izy, ary anisan’ny fomba lehibe nampisehoany izany hoe tia olona izy. (Lioka 4:43, 44) Be fitiavana sy nahafoy tena ho an’Andriamanitra sy ny olona koa izy, dia nanaiky hampijalin’ny mpanota sy hovonoiny ho faty, mba hahazoantsika rehetra fiainana mandrakizay.

9. Ahoana no hampisehoantsika hoe tia an’i Jehovah sy tia olona isika, hoatran’ny nataon’i Jesosy?

9 Nanokan-tena ho an’i Jehovah sy natao batisa isika, satria tia an’ilay Raintsika any an-danitra. Tokony hasehontsika amin’ny fomba itondrantsika ny hafa koa àry hoe tia an’i Jehovah isika, hoatran’ny nataon’i Jesosy. Izao no nolazain’ny apostoly Jaona: “Izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, dia tsy afaka ny ho tia an’Andriamanitra izay tsy hitany.” (1 Jaona 4:20) Eritrereto àry izao: ‘Tena tia olona ve aho? Miezaka ny hangoraka ve aho na dia amin’ny olona tsy manaja ahy aza? Ampiasaiko hanampiana olona mba hahafantatra an’i Jehovah ve ny fotoanako sy ny fananako, satria tiako ry zareo? Vonona hanao an’izany ve aho na dia tsy mankasitraka ny ezaka ataoko aza ny ankamaroany na manohitra? Sao dia mahita fomba aho hampitomboana ny fotoana atokako hanampiana olona ho lasa mpianatr’i Jesosy?’​—Efes. 5:15, 16.

10. Ahoana no ahitana hoe mpampihavana i Jesosy?

10 Tia fihavanana i Jesosy. Tsy namaly faty izy rehefa nisy nanao ratsy taminy. Tsy izay ihany anefa fa mpampihavana koa izy. Izy mihitsy no nanao zavatra voalohany mba hihavanana tamin’ny hafa, sy nampirisika ny olona hamitram-pihavanana. Nampianatra, ohatra, izy hoe tsy maintsy mihavana amin’ny rahalahiny izy ireo, raha tiany heken’i Jehovah ny fanompoana ataony. (Mat. 5:9, 23, 24) Imbetsaka koa izy no nanampy ny apostoly hamitram-pihavanana. Nifamaly matetika mantsy ry zareo hoe iza tamin’izy ireo no lehibe indrindra.​—Lioka 9:46-48; 22:24-27.

11. Ahoana no hampisehoantsika hoe mpampihavana isika?

11 Tia fihavanana isika rehefa tsy mila ady aman’olona. Tsy izay ihany anefa no ataontsika raha mpampihavana isika. Isika mihitsy no manao zavatra voalohany mba hihavanana amin’ny hafa, sady mampirisika an’ireo rahalahy sy anabavy hamitram-pihavanana. (Fil. 4:2, 3; Jak. 3:17, 18) Afaka mieritreritra isika hoe: ‘Vonona hahafoy inona aho mba hihavanana amin’ny hafa? Mitana lolompo ve aho rehefa misy rahalahy na anabavy nampahatezitra ahy? Miandry an’ilay olona hanatona ahy ve aho, sa izaho no manao zavatra voalohany na dia hoatran’ny hoe ilay olona aza no diso? Mampirisika an’ireo olona tsy mifankahazo mba hihavana ve aho, rehefa ilaina izany?’

12. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy hoe tsara fanahy izy?

12 Tsara fanahy i Jesosy. (Mat. 11:28-30) Ahoana no ahitantsika an’izany? Tsy nasiaka izy sady nahay nandanjalanja, na dia rehefa nisy olana aza. Nisy vehivavy fenisianina, ohatra, indray mandeha niangavy azy mba hanasitrana ny zanany. (Mat. 15:22-28) Tsy nekeny ny fangatahany tamin’ny voalohany. Rehefa hitany anefa hoe tena nanam-pinoana ilay vehivavy, dia nilefitra ihany izy ka nositraniny ny zanany. Tsy nobaikoin’ny fihetseham-po fotsiny anefa i Jesosy na dia tsara fanahy aza. Hentitra tamin’ireo olona akaikin’ny fony mantsy izy indraindray. Nisy fotoana, ohatra, i Jesosy nanitsy an’i Petera teo anatrehan’ny mpianatra hafa, satria nitady handresy lahatra azy tsy hanao ny sitrapon’i Jehovah izy. (Mar. 8:32, 33) Tsy hoe te hanala baraka an’i Petera akory izy tamin’izay, fa te hampiofana azy. Te hampitandrina ny mpianatra hafa koa izy mba tsy hiana-kendry. Azo antoka hoe menamenatra kely i Petera tamin’izay, kanefa nahasoa azy ilay fanitsiana.

13. Ahoana no hampisehoantsika hoe tena tsara fanahy isika?

13 Mila mananatra an’ireo olona tianao ianao indraindray, raha tena tsara fanahy amin’izy ireo. Tokony hifanaraka amin’ny toro lalan’ny Baiboly ny torohevitra omenao, hoatran’ny nataon’i Jesosy. Aza masiaka anefa. Matokia hoe te hanao ny tsara ry zareo, ary handray tsara ny torohevitra feno fitiavana omenao izay tia an’i Jehovah sy tia anao. Saintsaino izao: ‘Sahy miteny ve aho rehefa misy olona akaiky ahy manao ny tsy mety? Ary raha tena mila manome torohevitra aho, dia tsara fanahy ve aho rehefa miresaka aminy sa masiaka? Inona no antony mahatonga ahy hanome torohevitra? Satria ve izaho sosotra amin’ilay olona sa tena mitady izay hahasoa azy?’

14. Ahoana no nanehoan’i Jesosy hatsaran-toetra?

14 Tsy hoe nahafantatra ny atao hoe tsara fotsiny i Jesosy, fa nanao an’izany koa. Tiany ny Rainy ka nanao izay tsara foana izy, sady tsara ny antony nanaovany an’izany. Mitady fomba hanampiana ny hafa foana ny olona manana hatsaran-toetra, sady manao soa amin’izy ireo. Tsy ampy anefa ny mahalala an’izay tokony hatao. Tsy maintsy aseho amin’ny atao izany, ary tokony ho tsara ny antony anaovana an’ilay izy. Mety hisy anefa hiteny hoe: ‘Fa angaha moa misy olona manao ny tsara nefa ratsy ny antony anaovany an’izany?’ Ie, misy izany. Nilaza, ohatra, i Jesosy, fa nisy olona nanao soa mba ho fisehosehoana fotsiny. Hoatran’ny hoe asa soa ireny, kanefa tsy nisy vidiny tamin’i Jehovah.​—Mat. 6:1-4.

15. Ahoana no hanehoantsika hatsaran-toetra?

15 Maneho hatsaran-toetra isika rehefa manao ny tsara, ary tsy noho ny fitiavan-tena no anaovantsika an’izany. Eritrereto àry izao: ‘Manao izay tokony hatao ve aho fa tsy hoe mahalala an’izany fotsiny? Inona ny antony mahatonga ahy hanao ny tsara?’

AHOANA NO ATAO MBA HANANANA TOETRA VAOVAO FOANA?

16. Inona no tokony hataontsika isan’andro ary nahoana?

16 Tsy tokony hieritreritra isika hoe rehefa vita batisa dia tsy mila miezaka hitafy ny toetra vaovao intsony. Hoatran’ny akanjo vaovao tsara tarehy mantsy ny toetra vaovao, ka mila tandremana mba tsy ho simba. Ahoana, ohatra, no anaovantsika an’izany? Mila mitady fomba isika isan’andro mba hanehoana ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra. Fa maninona? Satria mampiasa ny fanahy masina i Jehovah mba hanaovana zavatra. (Gen. 1:2) Afaka mandrisika antsika hanao zavatra ny toetra tsirairay anisan’ny vokatry ny fanahy, sady tokony hanan-kery eo amintsika. Milaza, ohatra, i Jakoba mpianatra hoe: ‘Maty ny finoana raha tsy aseho amin’ny atao.’ (Jak. 2:26) Azo lazaina hoe maty hoatr’izany koa ireo toetra hafa anisan’ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra, raha tsy asehontsika amin’ny atao. Hita hoe miasa ao anatintsika àry ny fanahiny, isaky ny maneho ny vokatry ny fanahy isika.

17. Ahoana no tokony hataontsika raha misy fotoana isika tsy mahavita maneho ny vokatry ny fanahy?

17 Na ny Kristianina efa vita batisa hatry ny ela aza, dia tsy mahavita maneho ny vokatry ny fanahy indraindray. Ny tena zava-dehibe anefa dia hoe tsy kivy isika fa miezaka foana. Ahoana, ohatra, no hataonao raha misy rovitra ny akanjo tianao indrindra? Tonga dia harianao ve? Tsia. Azo inoana fa hozairinao tsara indray ilay izy, raha mbola azo atao, dia hitandrina kokoa ianao amin’ny manaraka. Mety hisy fotoana koa ianao tsy hahavita haneho fitiavana, na ho tsara fanahy, na hanam-paharetana amin’ny olona iray. Aza kivy anefa. Mety hila hiala tsiny avy amin’ny fo ianao, dia hihavana tsara indray ianareo. Tokony ho tapa-kevitra ianao hoe hiezaka kokoa amin’ny manaraka.

18. Inona no azontsika antoka?

18 Soa ihany fa nanome modely ho antsika i Jesosy. Rehefa miezaka manahaka ny toe-tsainy isika, dia ho mora kokoa amintsika ny hanahaka ny nataony. Ary rehefa miezaka manahaka ny nataony isika, dia ho haintsika kokoa ny hitafy ny toetra vaovao. Vao efatra fotsiny ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra hitantsika tato amin’ity lahatsoratra ity. Maninona àry raha manokana fotoana kely handinihana an’ireo toetra hafa anisan’ny vokatry ny fanahy? Saintsaino avy eo hoe ahoana no hanehoanao bebe kokoa azy ireny. Hahita lahatsoratra maromaro momba an’izany ianao, raha mikaroka ao amin’ny Fitaovana Fikarohana ho An’ny Vavolombelon’i Jehovah. Midira ao amin’ny Foto-kevitra dia tadiavo ilay hoe “Fiainan’ny Kristianina”, ary avy eo ilay hoe “Vokatry ny Fanahy.” Matokia fa raha miezaka manao izay azonao atao ianao, dia hampian’i Jehovah mba hitafy ny toetra vaovao sy hanana an’izany foana.

HIRA 127 Olona Tokony Hanao Ahoana moa Aho?

^ Afaka mitafy ny toetra vaovao foana isika, na inona na inona fiaviantsika na zavatra niainantsika. Mba hahavitana an’izany, dia tsy maintsy miezaka foana isika hanitsy ny toe-tsaintsika sy hanahaka an’i Jesosy. Hodinihintsika hoe hoatran’ny ahoana ny toe-tsain’i Jesosy sy ny zavatra nataony. Ho hitantsika koa hoe ahoana no hanahafantsika azy foana, na dia efa vita batisa aza isika.

^ Afaka manampy antsika hanana toetra tsara hafa koa ny fanahin’Andriamanitra, fa tsy ireo toetra voaresaka ao amin’ny Galatianina 5:22, 23 ihany. Manazava an’izany ny “Fanontanian’ny Mpamaky” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana Jona 2020.