LAHATSORATRA FIANARANA 12

Mahita An’izay Hitan’i Zakaria ve Ianao?

Mahita An’izay Hitan’i Zakaria ve Ianao?

“‘Amin’ny alalan’ny fanahiko’, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.”​—ZAK. 4:6.

HIRA 73 Omeo Fahasahiana Izahay

HO HITANAO ATO *

1. Inona ny zavatra ho azon’ny Jiosy atao ka nahafaly azy ireo?

 TENA nientanentana ny Israelita. “Nampirisihin’i Jehovah” Andriamanitra hanafaka azy ireo mantsy i Kyrosy mpanjakan’i Persa. Efa am-polony taona izy ireo no babo tany Babylona tamin’izay. Nanao fanambarana ilay mpanjaka hoe afaka miverina any amin’ny taniny ny Jiosy, ka “hanorina indray ny tranon’i Jehovah Andriamanitry ny Israely.” (Ezra 1:1, 3) Faly erỳ ry zareo naheno an’izany! Haverina amin’ny laoniny indray mantsy ny fivavahana amin’ilay tena Andriamanitra, any amin’ilay tany nomeny azy ireo.

2. Inona ny zavatra efa vitan’ireo Jiosy tafaverina tany Jerosalema?

2 Tonga tany Jerosalema, ilay renivohitry ny fanjakan’ny Joda tany atsimo, ireo Jiosy voalohany nody tany an-tanindrazana, tamin’ny 537 T.K. Tonga dia nanorina ny tempoly izy ireo, ary efa vita sahady ny fototra tamin’ny 536 T.K.

3. Inona ny fanoherana natrehin’ny Jiosy?

3 Vao nanomboka anefa ny fanorenana ny tempoly, dia nisy nanohitra mafy ny Jiosy. “Nanakivy sy nanaketraka ny mponin’i Joda foana ny olona manodidina, amin’izay izy ireo tsy hazoto hanorina intsony.” (Ezra 4:4) Vao mainka nitombo anefa ny olana. Lasa mpanjakan’i Persa i Artaksersesy tamin’ny 522 T.K. * Nohararaotin’ny mpanohitra izany mba hanajanonana tanteraka an’ilay fanorenana. ‘Nampiasa ny lalàna mba hamoronana teti-dratsy’ àry ry zareo. (Sal. 94:20) Nanoratra tany amin’i Artaksersesy izy ireo, ary anisan’ny nolazainy tao hoe mitady hikomy aminy ny Jiosy. (Ezra 4:11-16) Nino an’izany lainga izany ny mpanjaka, ka namoaka didy izy hoe hajanona ny fanorenana ny tempoly. (Ezra 4:17-23) Nijanona hatreo àry ny asa, na dia efa falifaly erỳ aza ny Jiosy nanao an’ilay izy.​—Ezra 4:24.

4. Inona no nataon’i Jehovah rehefa nandrara ny fanorenana ny tempoly ny mpanohitra? (Isaia 55:11)

4 Tapa-kevitra ny hampijanona an’ilay asa ny mpanompo sampy tao amin’ilay tany, sy ny manam-pahefana sasany tany Persa. Tian’i Jehovah hovitain’ny Jiosy hatramin’ny farany anefa ilay fanorenana, ary manatanteraka ny fikasany foana izy. (Vakio ny Isaia 55:11.) Nanendry mpaminany be herim-po antsoina hoe Zakaria àry izy, ary nanome azy fahitana miavaka valo. Tokony horesahin’i Zakaria amin’ny Jiosy ireo fahitana ireo mba hampaherezana an-dry zareo. Ho hitan’izy ireo avy amin’izany hoe tsy misy tokony hatahoran-dry zareo ny mpanohitra. Handrisika azy ireo koa izany mba hanohy an’ilay asa nampanaovin’i Jehovah an-dry zareo. Nahita fitoeran-jiro sy hazo oliva roa i Zakaria tao amin’ilay fahitana fahadimy.

5. Inona no hodinihintsika ato?

5 Mety ho kivy daholo isika indraindray. Hampahery antsika àry ilay fahitana fahadimy hitan’i Zakaria. Nampiasain’i Jehovah izy io mba hampaherezana ny Israelita. Hanampy antsika tsy hivadika amin’i Jehovah koa io fahitana io, rehefa misy manohitra isika, rehefa miova ny fiainantsika, ary rehefa misy toromarika tsy tena azontsika tsara.

REHEFA MISY MANOHITRA

Fahitana hitan’i Zakaria: Hazo oliva roa mamatsy menaka fitoeran-jiro iray misy jiro fito (Fehintsoratra 6)

6. Nahoana no nampahery ny Jiosy ilay fahitana momba ny fitoeran-jiro sy ny hazo oliva roa, ao amin’ny Zakaria 4:1-3? (Jereo ny sary eo amin’ny fonon’ity gazety ity.)

6 Vakio ny Zakaria 4:1-3. Nanampy ny Jiosy hanohy an’ilay asa ilay fahitana momba ny fitoeran-jiro sy ny hazo oliva roa, na dia teo aza ny fanoherana. Nahoana? Voamarikao ve fa mahazo menaka foana ilay fitoeran-jiro? Nisy menaka avy amin’ireo hazo oliva roa mantsy nirotsaka tao amin’ny vilia baolina iray. Iny menaka iny indray avy eo no nankao amin’ny jiro tsirairay teo amin’ilay fitoeran-jiro. Izany no nahatonga an’ireo jiro fito hirehitra foana. Nanontany i Zakaria hoe: “Inona ny dikan’ireo, tompoko?” Nampita an’izao hafatra avy amin’i Jehovah izao ilay Anjely mba hamaliana an’izany: “‘Tsy amin’ny alalan’ny tafika, na ny hery, fa amin’ny alalan’ny fanahiko’, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.” (Zak. 4:4, 6) Mifanitsy amin’ny fanahy masin’i Jehovah ilay menaka avy amin’ilay hazo. Tena mahery io fanahy io, ary tsy mety lany. Tsy misy dikany ny tafiky ny Fanjakana Persianina, raha oharina amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra. Hanampy an’ireo nanorina ny tempoly i Jehovah ka tsy hisy hahatohitra azy ireo, ary ho vitany hatramin’ny farany ilay asa. Tena nampahery ilay hafatra! Nila nitoky tamin’i Jehovah fotsiny ny Jiosy, ary niverina nanorina ny tempoly indray. Izany mihitsy no nataon’izy ireo, na dia mbola voarara aza ilay asa.

7. Inona ny fiovana nanampy an’ireo mpanorina ny tempoly hanohy an’ilay asa?

7 Nisy fiovana nitranga ka afaka nanohy an’ilay asa indray ireo mpanorina ny tempoly. Inona izany? Lasa mpanjakan’i Persa i Dariosy I tamin’ny 520 T.K. Hitan’io mpanjaka io, tamin’ny taona faharoa nanjakany, fa tsy ara-dalàna ilay fandrarana ny fanorenana ny tempoly. Namoaka didy àry i Dariosy fa tokony hovitaina hatramin’ny farany ilay asa. (Ezra 6:1-3) Gaga ny rehetra naheno an’ilay didy! Tsy izay ihany anefa no nataony. Tsy navelany hanakantsakana an’ilay asa ny mponina teny amin’ny manodidina, sady nasainy nanome vola sy izay rehetra nilaina mba hamitana an’ilay fanorenana. (Ezra 6:7-12) Vitan’ny Jiosy tamin’ny 515 T.K. àry ny tempoly, izany hoe tao anatin’ny efa-taona mahery kely.​—Ezra 6:15.

Miantehera amin’ny hery omen’i Jehovah rehefa miatrika fanoherana ianao (Fehintsoratra 8)

8. Nahoana ianao no tokony ho be herim-po rehefa misy manohitra?

8 Be dia be koa ny mpanompon’i Jehovah misy manohitra amin’izao. Voasakantsakana, ohatra, ny asantsika any amin’ny tany sasany. Samborina ny rahalahintsika any amin’ireny tany ireny, ary entina “eo anatrehan’ny governora sy ny mpanjaka” mba ho vavolombelona eo anatrehan’izy ireo. (Mat. 10:17, 18) Mety halalaka indray anefa ny fanompoana rehefa miova ny mpitondra. Na mety hisy mpitsara manao ny rariny, dia mamela antsika hanompo an-kalalahana. Hafa kosa ny fanoherana atrehin’ny Vavolombelona sasany. Malalaka ny asantsika any amin’ny tany misy azy ireo, fa ny fianakaviany indray no manohitra. Tsy avelany hanompo an’i Jehovah ry zareo. (Mat. 10:32-36) Matetika anefa no tsy manohitra intsony ireny olona ireny, rehefa hitany hoe very maina ny ezaka nataony. Lasa Vavolombelona be zotom-po ny sasany amin’izy ireny, nefa nanohitra mafy teo aloha. Aza kivy àry raha misy manohitra ianao! Manàna herim-po! Tsy misy tokony hatahoranao mihitsy, satria manohana anao i Jehovah sy ny fanahiny mahery.

REHEFA MISY FIOVANA

9. Nahoana ny Jiosy sasany no diso fanantenana rehefa nahita ny fototr’ilay tempoly vaovao?

9 Nitomany ny sasany tamin’ireo Jiosy efa zokinjokiny, rehefa tafapetraka ny fototr’ilay tempoly vaovao. (Ezra 3:12) Nahita ny hatsaran’ilay tempoly naorin’i Solomona mantsy izy ireo, ka hoatran’ny hoe ‘tsy nisy dikany’ ilay tempoly vaovao raha oharina amin’ilay taloha. (Hag. 2:2, 3) Nalahelo ry zareo satria tsy zakany ny nahita an’izany. Nanampy an-dry zareo tsy ho diso fanantenana intsony anefa ilay fahitana hitan’i Zakaria. Nahoana?

10. Nahoana ny tenin’ilay anjely no nanampy ny Jiosy tsy ho diso fanantenana intsony? (Zakaria 4:8-10)

10 Vakio ny Zakaria 4:8-10. Nilaza ilay anjely hoe “ho faly ny olona hahita ny pilao eny an-tanan’i Zerobabela”, governoran’ny Jiosy. Ny pilao dia fitaovana ampiasaina mba hanamarinana raha mahitsy tsara ny zavatra iray. Inona àry no tian’ilay anjely holazaina? Te hanome toky ny vahoakan’Andriamanitra izy hoe ho vita tanteraka ilay tempoly ary hifanaraka amin’izay itiavan’i Jehovah azy, na dia hoatran’ny hoe tsotra kely aza no fahitan’ny sasany azy. Hahafaly an’i Jehovah ilay izy, ka tokony hahafaly an-dry zareo koa. Ny zava-dehibe aminy dia hoe mifanaraka amin’izay takiny ny fanompoana atao ao amin’ilay tempoly vaovao. Ho faly indray àry ny Jiosy, raha ny hanompo an’i Jehovah araka ny tokony ho izy sy ny hahazo sitraka aminy no ifantohan-dry zareo.

Miezaha hanana toe-tsaina tsara foana rehefa miova ny fiainanao (Fehintsoratra 11-12) *

11. Inona ny zava-tsarotra atrehin’ny mpanompon’i Jehovah sasany amin’izao?

11 Tsy mora amin’ny ankamaroantsika ny miatrika fiovana. Mpanompo manontolo andro manokana efa hatry ny ela, ohatra, ny Vavolombelona sasany nefa nahazo fanendrena vaovao. Ny hafa indray tsy maintsy niala tamin’ny andraikitra tena tiany, satria efa be taona. Raha isika no sendra an’izany, dia ara-dalàna raha diso fanantenana isika. Mety tsy ho azontsika tsara na tsy ekentsika ilay fanapahan-kevitra amin’ny voalohany. Mety ho manimanina ny fiainantsika taloha koa isika. Mety ho kivy mihitsy aza isika, satria mieritreritra hoe tsy tena azon’i Jehovah ampiasaina intsony. (Ohab. 24:10) Hanampy antsika hanome ny tsara indrindra ho an’Andriamanitra foana anefa ny fahitan’i Zakaria. Nahoana?

12. Nahoana ny fahitan’i Zakaria no hanampy antsika ho faly foana na dia miova aza ny fiainantsika?

12 Ho mora kokoa amintsika ny hanaiky fiovana, raha miezaka hanana ny fomba fijerin’i Jehovah isika. Mahavita zavatra miavaka be dia be izy amin’izao, ary tombontsoa be ho antsika ny miara-miasa aminy. (1 Kor. 3:9) Mety hiova ny fanendrena antsika, fa ny fitiavan’i Jehovah antsika kosa tsy hiova mihitsy. Raha misy vokany eo amin’ny fiainanao àry ny fiovana eo anivon’ny fandaminana, dia aza mandany fotoana mieritreritra ny antony nahatonga an’ilay izy. Angataho i Jehovah mba hanampy anao hahita ny lafy tsaran’ilay izy, fa aza manembonembona “ny taloha.” (Mpito. 7:10) Aza mifantoka amin’ny zavatra tsy azonao atao intsony, fa saintsaino hoe inona daholo no mbola azonao atao. Ianarantsika avy amin’ny fahitan’i Zakaria fa tena ilaina foana ny manana toe-tsaina tsara. Ho faly foana isika raha manao an’izany, ary tsy hivadika na dia miova aza ny fiainantsika.

REHEFA SAROTRA NY MANARAKA TOROMARIKA

13. Notohizana ve ny fanorenana ny tempoly? Nahoana ny Israelita sasany no mety ho nieritreritra hoe tsy nety izany fanapahan-kevitra izany?

13 Mbola voarara ny fanorenana ny tempoly. “Nanomboka nanorina indray an’ilay tranon’Andriamanitra” anefa ireo lehilahy voatendry hitarika ny Jiosy, izany hoe i Jesoa na Josoa Mpisoronabe sy Zerobabela Governora. (Ezra 5:1, 2) Nieritreritra angamba ny Jiosy sasany fa hoatran’ny tsy nety ilay fanapahan-kevitra. Ho hitan’ny mpanohitra mantsy hoe naorina indray ny tempoly, dia hanao izay ho afany ry zareo mba hanakantsakanana an’ilay asa. Nila nomena toky i Josoa sy Zerobabela hoe nanohana an-dry zareo i Jehovah. Nahazo an’izany toky izany tokoa ireo mpiandraikitra roa lahy ireo. Nahoana isika no milaza an’izany?

14. Inona no toky nomena an’i Josoa Mpisoronabe sy Zerobabela Governora, araka ny Zakaria 4:12, 14?

14 Vakio ny Zakaria 4:12, 14. Nohazavain’ilay anjely tao amin’ilay fahitana hoe mifanitsy amin’ny inona ireo hazo oliva roa. Noresahiny tamin’ilay mpaminany tsy nivadika fa mifanitsy amin’ireo “voahosotra roa”, izany hoe i Josoa sy Zerobabela, izy ireo. Hoatran’ny hoe ‘nijoro teo [anilan’i Jehovah], ilay Tompon’ny tany manontolo’ izy roa lahy. Tombontsoa be izany! Natoky azy ireo i Jehovah. Tokony hatoky àry ny Israelita hoe mety daholo izay fanapahan-kevitra raisin’izy roa lahy sy izay toromarika avy amin’Andriamanitra, na hoatran’ny ahoana na hoatran’ny ahoana.

15. Ahoana no hampisehoantsika fa manaja ny toromarika omen’i Jehovah ao amin’ny Teniny isika?

15 Mbola manome toromarika ho an’ny vahoakany foana i Jehovah hatramin’izao. Anisan’ny fitaovana ampiasainy amin’izany ny Baiboly. Atorony ao hoe hoatran’ny ahoana no tiany hanompoantsika azy. Ahoana no hampisehoantsika fa manaja ny toromarika raisintsika avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra isika? Mila mamaky tsara azy io isika, ary miezaka mahatakatra tsara an’izay voalaza ao. Eritrereto izao: ‘Miato kely ve aho rehefa mamaky Baiboly na boky sy gazety, mba hisaintsainana an’izay vakiko? Manao fikarohana ve aho mba hahatakarako an’ireo fahamarinana “sarotra azo”? Sa vakiko maimaika fotsiny ilay fanazavana?’ (2 Pet. 3:16) Raha maka fotoana hisaintsainana an’izay ampianarin’i Jehovah antsika isika, dia hahavita hanaraka ny toromarika omeny sady hahavita hitory foana.​—1 Tim. 4:15, 16.

Matokia hoe mety ny toromarika omen’ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” (Fehintsoratra 16) *

16. Inona no hanampy antsika hanaraka ny toromarika omen’ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina rehefa tsy azontsika tsara ilay izy?

16 Manome toromarika antsika koa i Jehovah amin’ny alalan’ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina.” (Mat. 24:45) Mety tsy ho azontsika tsara ny toromarika omen’io mpanompo io indraindray. Mety hatorony antsika mazava tsara, ohatra, hoe ahoana no tokony hatao mba hiomanana amin’ny loza iray, toy ny horohoron-tany. Isika anefa mihevitra hoe hoatran’ny tsy hitranga ao amin’ny faritra misy antsika akory izany. Na isika mieritreritra fa mitandrina loatra io mpanompo io mandritra ny valanaretina iray. Inona àry no tokony hataontsika raha mieritreritra isika hoe tsy mety ny toromarika omena antsika? Azontsika saintsainina ny soa noraisin’ny Israelita rehefa nanaraka ny tenin’i Josoa sy Zerobabela ry zareo. Afaka misaintsaina ohatra hafa ao amin’ny Baiboly koa isika. Nisy fotoana ny vahoakan’Andriamanitra nahazo toromarika eritreretintsika olombelona hoe tsy mety, nefa hay tena namonjy aina ilay izy!​—Mpits. 7:7; 8:10.

MIEZAHA HAHITA AN’IZAY HITAN’I ZAKARIA

17. Inona ny vokany rehefa noresahina tamin’ny Jiosy ilay fahitana momba ny fitoeran-jiro sy hazo oliva roa?

17 Fohy ilay fahitana fahadimy hitan’i Zakaria, nefa nanampy ny Jiosy hazoto hanohy an’ilay asa fanorenana sy hanompo an’i Jehovah foana. Rehefa nampihatra ny zavatra nianarany tamin’ny fahitan’i Zakaria ireo Jiosy ireo, dia nahatsapa hoe tia sy nanohana azy ireo i Jehovah ary nitari-dalana azy. Nanampy azy ireo hanohy an’ilay asa sy ho faly indray ny fanahiny mahery.​—Ezra 6:16.

18. Afaka manampy anao hanao inona ny fahitan’i Zakaria?

18 Afaka ny hisy vokany lalina eo amin’ny fiainanao ny fahitan’i Zakaria momba ny fitoeran-jiro sy ny hazo oliva roa. Hitantsika teo fa afaka manampy anao izy io, mba hahazo hery hiatrehana fanoherana, ho falifaly rehefa miova ny fiainanao, ary hatoky hoe mila mankatò ianao rehefa mahazo toromarika tsy azonao tsara. Inona àry no tokony hataonao rehefa miatrika olana ianao eo amin’ny fiainana? Miezaha hahita an’izay hitan’i Zakaria, izany hoe porofo fa miahy ny vahoakany i Jehovah. Rehefa avy mahita an’izany ianao, dia matokia an’i Jehovah ary manompoa azy foana amin’ny fo manontolo. (Mat. 22:37) Hampian’i Jehovah ianao amin’izay mba ho faly hanompo azy mandrakizay.​—Kol. 1:10, 11.

HIRA 7 Jehovah, Herinay sy Tanjakay

^ Nataon’i Jehovah nahita fahitana miavaka maromaro i Zakaria mpaminany. Nanome hery an’i Zakaria sy ny vahoakan’i Jehovah ny zavatra hitany, mba hamerenana amin’ny laoniny ny fivavahana madio, na dia tsy mora aza izany. Hanampy antsika tsy hivadika amin’i Jehovah koa ireo fahitana ireo, na dia miatrika zava-tsarotra aza isika. Ho hitantsika ato hoe inona no lesona lehibe ianarantsika avy amin’ilay fitoeran-jiro sy ny hazo oliva hitan’i Zakaria.

^ Nisy mpanjaka hafa antsoina hoe Artaksersesy koa taona maro tatỳ aoriana, tamin’ny andron’i Nehemia Governora. Tena tsara fanahy tamin’ny Jiosy izy io.

^ SARY: Hitan’ny rahalahy iray hoe mila mizatra ny fiainany vaovao izy rehefa niova ny fiainany noho izy mihantitra sy tsy salama.

^ SARY: Misaintsaina ny anabavy iray, ary mahita hoe manampy ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” i Jehovah, hoatran’ny nanampiany an’i Josoa sy Zerobabela.