LAHATSORATRA FIANARANA 13

Vao Mainka Ianao ho Faly Rehefa Tena Manompo An’i Jehovah

Vao Mainka Ianao ho Faly Rehefa Tena Manompo An’i Jehovah

“Mendrika ny homena voninahitra sy haja ary hery ianao, Jehovah Andriamanitray ô.”​—APOK. 4:11.

HIRA 31 Miaraha Mandeha Amin’Andriamanitrao!

HO HITANAO ATO *

1-2. Inona no tokony hataontsika mba heken’Andriamanitra ny fanompoantsika?

 INONA no tonga ao an-tsainao rehefa maheno hoe “fanompoana an’Andriamanitra”? Rahalahy manetry tena mandohalika eo akaikin’ny fandrianany ve, dia mamboraka ny ao am-pony amin’i Jehovah? Sa fianakaviana falifaly miara-mandalina ny Baiboly?

2 Samy fanompoana an’i Jehovah daholo ireo. Ary heken’i Jehovah ny fanompoan’izy ireo, raha miezaka manao ny sitrapony ry zareo sady tia sy manaja azy. Tena tiantsika i Jehovah. Ekentsika hoe mendrika ny hotompoina izy ary tiantsika ny hanome azy izay tsara indrindra vitantsika.

3. Inona no hodinihintsika ato?

3 Hodinihintsika ato ny karazana fanompoana neken’i Jehovah taloha, sy ny zavatra valo tiany hataontsika amin’izao rehefa manompo azy. Rehefa mandinika an’izany isika, dia saintsaino hoe inona no azonao hatsaraina. Horesahintsika koa hoe nahoana no manampy antsika ho faly ny manompo an’i Jehovah araka ny tokony ho izy.

FANOMPOANA NEKEN’I JEHOVAH TALOHA

4. Ahoana no nampisehoan’ny mpanompon’i Jehovah taloha fa nanaja sy tia an’i Jehovah ry zareo?

4 Anisan’ny lehilahy nanam-pinoana talohan’ny nahatongavan’i Jesosy tetỳ an-tany i Abela, Noa, Abrahama, ary Joba. Nasehon-dry zareo hoe nanaja sy tia an’i Jehovah izy, rehefa nankatò azy, naneho finoana, ary nanao sorona ho azy. Tsy resahin’ny Baiboly amintsika daholo hoe inona no tsy maintsy nataon’izy ireo rehefa nanompo an’i Jehovah. Azo antoka anefa hoe nanao izay tsara indrindra vitany izy ireo mba hanomezana voninahitra azy, dia nekeny ny fanompoan’izy ireo. Nanome ny Lalàn’i Mosesy ho an’ny taranak’i Abrahama i Jehovah, tatỳ aoriana. Nisy toromarika mazava tsara momba ny fomba tian’i Jehovah hanompoana azy tao amin’io Lalàna io.

5. Inona ny fiovana nitranga teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, taorian’ny nahafatesan’i Jesosy sy nananganana azy?

5 Tsy nitaky ny hanarahana ny Lalàn’i Mosesy intsony i Jehovah, taorian’ny nahafatesan’i Jesosy sy nananganana azy. (Rom. 10:4) Lalàna vaovao indray no tokony harahin’ny Kristianina, dia ny “lalàn’i Kristy.” (Gal. 6:2) Tsy lisitra lava be momba an’izay tokony hatao sy tsy tokony hatao io ‘lalàna’ io, ary tsy nila nianarana tsianjery. Nankatò azy io kosa ry zareo, rehefa nanahaka an’i Jesosy sy nampihatra an’izay nampianariny. Manao izay fara heriny koa ny Kristianina amin’izao, mba hanarahana ny dian’i Kristy. Mampifaly an’i Jehovah ry zareo rehefa manao an’izany sady mahatsiaro “ho velombelona.”​—Mat. 11:29.

6. Inona no tokony hataonao raha tianao ny handray soa avy amin’ity lahatsoratra ity?

6 Handinika an’ireo zavatra valo ataontsika eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah isika izao. Isaky ny mandinika ny tsirairay amin’izy ireo isika, dia saintsaino izao: ‘Inona no fandrosoana efa vitako? Inona no mbola azoko hatsaraina?’ Tokony ho faly amin’izay fandrosoana efa vitanao ianao. Tokony hangataka amin’i Jehovah koa anefa ianao, mba hampiany hahita hoe inona no azonao hatsaraina.

ZAVATRA SASANY ATAONTSIKA EO AMIN’NY FANOMPOANA AN’I JEHOVAH

7. Ahoana no fahitan’i Jehovah ny vavaka avy amin’ny fo ataontsika?

7 Manompo an’i Jehovah isika rehefa mivavaka aminy. Ny vavaka ataontsika dia oharin’ny Baiboly amin’ny emboka manitra voaomana tsara, izay natolotra tao amin’ny tranolay masina sy ny tempoly. (Sal. 141:2) Nahafinaritra an’Andriamanitra ny fofon’io emboka manitra io. “Mahafinaritra” an’i Jehovah koa ny vavaka ataontsika, na dia teny tsotra kely aza no ampiasaintsika. (Ohab. 15:8; Deot. 33:10) Afaka matoky isika fa faly ny fon’i Jehovah, rehefa maheno antsika milaza aminy hoe tia sy mankasitraka azy isika. Tiany raha resahintsika aminy izay mampanahy antsika sy antenaintsika ary irintsika. Maninona àry raha mieritreritra tsara an’izay holazainao ianao, alohan’ny hiresahana amin’i Jehovah? Raha manao an’izany ianao dia “emboka manitra” faran’izay tsara no atolotrao an’ilay Rainao any an-danitra.

8. Rahoviana isika no tena afaka midera an’Andriamanitra?

8 Manompo an’i Jehovah isika rehefa midera azy. (Sal. 34:1) Midera an’i Jehovah isika rehefa miresaka amin’olona momba an’ireo toetrany miavaka sy ny zavatra nataony. Hiresaka zavatra tsara be dia be momba azy isika, raha tena mankasitraka azy. Maninona àry raha maka fotoana hisaintsainana ny zavatra tsara rehetra nataon’i Jehovah ho anao? Hanana antony hiderana azy foana ianao amin’izay. Rehefa mitory isika no tena afaka ‘manao sorona fiderana ho an’Andriamanitra, izany hoe vokatry ny molotra.’ (Heb. 13:15) Efa hitantsika teo fa tokony hieritreritra tsara an’izay holazaintsika isika alohan’ny hivavahana amin’i Jehovah. Tokony hoeritreretintsika tsara koa izay holazaintsika amin’ny olona itoriantsika. Tiantsika ho faran’izay tsara mantsy ny “sorona fiderana” ataontsika. Izany no mahatonga antsika hafana fo rehefa mitory ny fahamarinana.

9. Nahoana isika no mandray soa hoatran’ny Israelita rehefa mandeha mivory? Tantarao ny soa noraisinao.

9 Manompo an’i Jehovah isika rehefa mivory. Nomena an’izao didy izao ny Israelita: “Intelo isan-taona ny lehilahy rehetra eo aminao no hiseho eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitrao, any amin’ilay toerana fidiny.” (Deot. 16:16) Tsy maintsy nandao ny tranony sy ny sahany àry ry zareo, ary tsy nisy niambina ilay izy. Nampanantena anefa i Jehovah hoe: “Tsy hisy olona hitsiriritra ny taninao, rehefa miakatra mba hahita ny tarehin’i Jehovah Andriamanitrao ... ianao.” (Eks. 34:24) Nandeha nanatrika ny fety fanao isan-taona ireo Israelita natahotra an’Andriamanitra ireo, satria natoky tanteraka an’i Jehovah. Be dia be ny soa noraisin’izy ireo vokatr’izany. Lasa azon’izy ireo kokoa, ohatra, ny Lalàn’Andriamanitra. Afaka nisaintsaina momba ny hatsaran’i Jehovah koa ry zareo, ary afaka nifampahery tamin’ny mpiray finoana taminy. (Deot. 16:15) Mandray soa be dia be hoatr’izany koa isika, rehefa manao sorona mba hanatrehana ny fivoriana kristianina. Vao mainka faly i Jehovah rehefa manomana isika, ka manome valin-teny fohy sy voaomana tsara.

10. Nahoana no anisan’ny lafiny lehibe amin’ny fanompoantsika ny hira?

10 Manompo an’i Jehovah isika rehefa miara-mihira amin’ireo rahalahy sy anabavy. (Sal. 28:7) Anisan’ny lafiny lehibe tamin’ny fanompoan’ny Israelita ny hira. Nanendry Levita 288 i Davida Mpanjaka, mba ho mpihira tao amin’ny tempoly. (1 Tan. 25:1, 6-8) Afaka milaza ny fitiavantsika an’Andriamanitra isika rehefa manao hira fiderana. Tsy voatery hoe mahay mihira isika vao afaka manao an’izany. Eritrereto ange e! Tsy hiteny intsony ve ianao satria hoe “manao fahadisoana imbetsaka” rehefa miteny? (Jak. 3:2) Mazava ho azy fa tsia! Mbola miteny foana ianao na ao amin’ny fiangonana na eny amin’ny fanompoana. Ary ahoana indray raha mieritreritra ianao hoe ratsy feo? Tsy tokony hisakana anao tsy hanao hira fiderana ho an’i Jehovah koa izany.

11. Nahoana ny fianakaviana no tokony hanokana fotoana hianarana Baiboly, rehefa jerena ny Salamo 48:13?

11 Manompo an’i Jehovah isika rehefa mianatra ny Teniny sy mampianatra ny zanatsika momba azy. Tsy nanao ny asa fanaony andavanandro ny Israelita rehefa Sabata, fa nifantoka tamin’ny fifandraisany tamin’i Jehovah. (Eks. 31:16, 17) Nanararaotra nampianatra ny zanany momba an’i Jehovah sy ny toetra tsarany ny Israelita tsy nivadika tamin’izay. Tsy maintsy manokana fotoana hamakiana sy hianarana ny Tenin’Andriamanitra koa isika tsirairay. Anisan’ny fanompoana an’i Jehovah izany, sady manampy antsika ho akaiky azy kokoa. (Sal. 73:28) Misy vokany tsara koa rehefa mianatra Baiboly miaraka amin’ny fianakaviantsika isika. Manampy ny ‘taranatsika’, na ny zanatsika, isika mba hinamana akaiky amin’ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra.​—Vakio ny Salamo 48:13.

12. Ahoana no fahitan’i Jehovah ny asan’ireo nanao ny kojakoja tao amin’ny tranolay masina, ary inona no ianarantsika avy amin’izany?

12 Manompo an’i Jehovah isika rehefa manorina sy mikojakoja toeram-pivavahana. Milaza ny Baiboly fa “asa masina” ny fanamboarana ny tranolay masina sy ny kojakoja tao anatiny. (Eks. 36:1, 4) Heverin’i Jehovah ho fanompoana masina koa amin’izao ny fanorenana Efitrano Fanjakana sy ny trano hafa ampiasain’ny fandaminana. Manokana fotoana be dia be handraisana anjara amin’izany ny rahalahy sy anabavy sasany. Ankasitrahantsika izany, satria tena mampandroso ny asan’ilay Fanjakana. Mazava ho azy fa mandeha mitory koa ry zareo. Misy aza te ho mpisava lalana mihitsy. Tsy tokony hisalasala ny anti-panahy hanendry an’ireny rahalahy sy anabavy miasa mafy ireny ho mpisava lalana, rehefa mahafeno fepetra izy ireny. Asehon’ny anti-panahy amin’izany mantsy fa manohana ny asa fanorenana ry zareo. Isika rehetra mihitsy anefa no afaka manadio sy mikojakoja an’ireny trano ireny, na manana fahaizana manokana amin’ny asa fanorenana isika na tsia.

13. Ahoana no tokony hiheverantsika ny fanomezana ataontsika mba hanohanana ny asan’ilay Fanjakana?

13 Manompo an’i Jehovah isika rehefa manao fanomezana mba hanohanana ny asan’ilay Fanjakana. Tsy tokony hitondra tanam-polo ny Israelita, rehefa nankeo anatrehan’i Jehovah. (Deot. 16:16) Tsy maintsy nitondra fanomezana kosa ry zareo, arakaraka izay nananany. Nasehon’izy ireo tamin’izany fa nankasitrahany ny fandaharana rehetra nataon’i Jehovah ho an-dry zareo. Ary isika? Ahoana no ampisehoantsika hoe tia an’i Jehovah isika, sady mankasitraka an’izay rehetra ataony mba hahatonga antsika hifandray akaiky aminy? Azontsika atao, ohatra, ny manome vola arakaraka izay ananantsika, mba hanohanana ny fiangonantsika sy ny asa maneran-tany. Izao no nolazain’ny apostoly Paoly momba an’izany: “Raha vonona hanome ny olona iray, dia tena ankasitrahana izany raha araka izay ananany, fa tsy araka izay tsy ananany.” (2 Kor. 8:4, 12) Ankasitrahan’i Jehovah àry izay fanomezana avy amin’ny fo ataontsika, na dia kely ihany aza no azontsika omena.​—Mar. 12:42-44; 2 Kor. 9:7.

14. Ahoana ny fiheveran’i Jehovah ny fanampiantsika an’ireo mpiara-manompo sahirana? (Ohabolana 19:17)

14 Manompo an’i Jehovah isika rehefa manampy an’ireo mpiara-manompo sahirana. Nampanantena i Jehovah fa hamaly soa an’izay Israelita nalala-tanana tamin’ny mahantra. (Deot. 15:7, 10) Isaky ny manampy an’ireo rahalahy sy anabavy sahirana tokoa isika, dia raisin’i Jehovah ho toy ny fanomezana ho azy izany. (Vakio ny Ohabolana 19:17.) Nandefa fanomezana ho an’ny apostoly Paoly tao am-ponja, ohatra, ny Kristianina tany Filipy, indray mandeha. Nilaza i Paoly hoe ‘sorona ankasitrahan’Andriamanitra sady tena mahafaly azy’ ilay fanomezana. (Fil. 4:18) Eritrereto àry ny fiangonana misy anao, dia saintsaino hoe: ‘Sao dia misy olona azoko ampiana ao?’ Faly i Jehovah rehefa mampiasa ny fotoanantsika, ny herintsika, ny fahaizantsika, ary ny fananantsika isika mba hanampiana ny sahirana. Heveriny ho anisan’ny fanompoana ataontsika ho azy izany.​—Jak. 1:27.

MAHAFALY ANTSIKA NY MANOMPO AN’I JEHOVAH

15. Mila manokana fotoana sy hery isika mba hanompoana an’i Jehovah. Nahoana anefa izany no tsy mavesatra?

15 Mila manokana fotoana sy hery isika mba hanompoana an’i Jehovah. Tsy mavesatra amintsika anefa izany. (1 Jaona 5:3) Fa maninona? Satria tiantsika i Jehovah. Alao sary an-tsaina ny ankizy iray te hanome sary ho an’ny dadany. Mety handany ora maro izy hanaovana an’ilay sary, nefa tsy mimenomenona hoe lany fotoana be. Tiany mantsy ny dadany, dia faly izy hanao fanomezana ho azy. Tiantsika koa i Jehovah, dia faly isika manokana ny fotoanantsika sy ny herintsika mba hanompoana azy.

16. Ahoana no fahitan’i Jehovah ny ezaka ataontsika tsirairay mba hampifaliana azy, araka ny Hebreo 6:10?

16 Tsy manantena ny ray aman-dreny be fitiavana hoe hitovy daholo ny fanomezana omen’ny zanany tsirairay. Fantany mantsy fa tsy mitovy ny zanany, ary tsy mitovy koa ny zavatra vitan’izy ireo. Hoatr’izany koa ilay Raintsika any an-danitra. Fantany hoe tsy mitovy ny zavatra vitantsika tsirairay. Mety hahavita bebe kokoa noho ny olom-pantatrao sy tianao ianao. Na mety tsy hahavita betsaka hoatran’ny hafa ianao satria efa be taona, na tsy salama, na manana andraikitra ara-pianakaviana. Aza kivy anefa! (Gal. 6:4) Tsy hanadino an’izay nataonao i Jehovah. Ho faly izy raha manao izay tsara indrindra vitanao ianao, sady tsara ny antony anaovanao an’ilay izy. (Vakio ny Hebreo 6:10.) Hitan’i Jehovah na dia ny faniriana ao am-ponao aza. Tiany ianao ho faly sy ho afa-po amin’izay azonao atao eo amin’ny fanompoana azy.

17. a) Inona no azonao atao, raha sarotra aminao ny manao ny zavatra sasany tokony hataontsika eo amin’ny fanompoana? b) Inona ny soa noraisinao rehefa nataonao ny iray amin’ireo zavatra aseho eo amin’ilay efajoro hoe “ Manampy Anao ho Faly Kokoa”?

17 Ahoana raha sarotra amintsika ny manao ny zavatra sasany tokony hataontsika eo amin’ny fanompoantsika, ohatra hoe ny fianarana samirery na ny fitoriana? Miezaha hanao azy ireny matetika kokoa. Azo inoana fa ho tiantsika kokoa ny hanao azy ireny amin’izay, sady handray soa isika. Azo oharina amin’ny fanatanjahan-tena na fitendrena zavamaneno ny fanompoana ataontsika. Raha tsindraindray ihany isika vao manao azy io, dia mety tsy dia hitombo loatra ny fahaizantsika. Ahoana kosa raha miezaka manao an’ilay izy isan’andro isika? Mety hoe kelikely fotsiny ny fotoana atokantsika ho an’ilay izy amin’ny voalohany, dia avy eo ampitombointsika tsikelikely. Rehefa hitantsika hoe misy vokany tsara ny ezaka ataontsika, dia tsy ho andrintsika indray ny hanao an’ilay izy ary tena hahafinaritra antsika. Sao dia mba afaka manao hoatr’izany koa ianao amin’ny fanompoana ataonao?

18. Inona ny antony namoronana antsika, ary inona ny vokany rehefa manao an’izany isika?

18 Ny hanompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo no antony namoronana antsika. Raha manao an’izany isika, dia ho faly sy ho afa-po amin’ny fiainana, sady ho afaka hanompo azy mandrakizay. (Ohab. 10:22) Izao sahady isika dia efa miadan-tsaina, satria fantatsika hoe manampy ny mpanompony i Jehovah rehefa miatrika olana ry zareo. (Isaia 41:9, 10) Betsaka àry ny antony mahafaly antsika, rehefa manompo an’ilay Raintsika be fitiavana isika. Mendrika ny hahazo “voninahitra sy haja” avy amin’ny zavaboariny rehetra tokoa izy.​—Apok. 4:11.

HIRA 24 Andao ho any An-tendrombohitr’i Jehovah

^ Mendrika ny hotompoina i Jehovah, satria izy no Mpamorona ny zava-drehetra. Ekeny ny fanompoana ataontsika rehefa mankatò ny didiny sy ny fitsipiny isika. Ho hitantsika ato hoe inona ireo zavatra valo ataontsika eo amin’ny fanompoantsika azy. Horesahintsika koa hoe inona no azontsika hatsaraina, ary nahoana no ho faly kokoa isika raha manao an’ireo zavatra ireo.