LAHATSORATRA FIANARANA 14

Ry Anti-panahy, Miezaha Foana Hanahaka ny Apostoly Paoly

Ry Anti-panahy, Miezaha Foana Hanahaka ny Apostoly Paoly

“Manahafa ahy.”​—1 KOR. 11:1.

HIRA 99 Vavolombelona Maro

HO HITANAO ATO *

1-2. Nahoana no mahasoa ny anti-panahy ny modely nomen’i Paoly?

 TIAN’NY apostoly Paoly ny rahalahiny, ka nikely aina nikarakara azy ireo izy. (Asa. 20:31) Noho izany, dia tena tian’ny mpiara-manompo taminy izy. “Nitomany be”, ohatra, ny anti-panahy avy any Efesosy indray mandeha, rehefa fantany hoe tsy hahita azy intsony izy ireo. (Asa. 20:37) Mahafoy tena koa ny anti-panahy amin’izao sady tena tia an’ireo rahalahy sy anabaviny, ka tsy mitsitsy aina mihitsy mba hanampiana azy ireo. (Fil. 2:16, 17) Miatrika olana anefa ny anti-panahy indraindray. Inona àry no hanampy azy ireo?

2 Afaka mandinika ny modely nomen’i Paoly ny anti-panahy miasa mafy ao amin’ny fiangonantsika. (1 Kor. 11:1) Tsy anjely i Paoly fa olombelona tsy lavorary, ka sarotra taminy ny nanao ny tsara indraindray. (Rom. 7:18-20) Niatrika olana isan-karazany koa izy. Tsy nilavo lefona anefa i Paoly, ary mbola faly foana. Raha manahaka azy ny anti-panahy, dia hahavita hiatrika olana sady ho faly hanompo an’i Jehovah foana. Andao hojerentsika hoe ahoana no hahavitan’izy ireo an’izany.

3. Inona no hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity?

3 Hodinihintsika ato ny olana efatra atrehin’ny ankamaroan’ny anti-panahy: 1) Tsy manam-potoana itoriana fa be andraikitra loatra, 2) tsy manam-potoana ikarakarana ny ondry, 3) manana ny fahalemeny, ary 4) mizaka ny tsy fahalavorarian’ny hafa. Horesahintsika ato koa hoe ahoana no niatrehan’i Paoly an’ireo olana ireo, ary ahoana no hanahafan’ny anti-panahy azy.

TSY MANAM-POTOANA ITORIANA FA BE ANDRAIKITRA LOATRA

4. Nahoana no mety ho sarotra amin’ny anti-panahy ny hitarika ny asa fitoriana?

4 Nahoana izany no olana? Manana andraikitra be dia be ny anti-panahy, ankoatra ny hoe mitarika ny asa fitoriana. Mifandimby, ohatra, izy ireo mitari-draharaha amin’ny fivoriana andavanandro sy mitarika ny Fianarana Baiboly Ataon’ny Fiangonana. Manao lahateny koa ny anti-panahy. Tsy izay ihany, fa mazoto mampiofana ny mpikarakara fiangonana izy ireo, ary faly mampahery foana an’ireo rahalahy sy anabavy. (1 Pet. 5:2) Manorina sy mikojakoja Efitrano Fanjakana sy trano hafa ampiasain’ny fandaminana ny anti-panahy sasany. Mitovy amin’ny rehetra ao amin’ny fiangonana ihany anefa ny anti-panahy, ka ny fitoriana ny vaovao tsara no andraikiny voalohany indrindra.​—Mat. 28:19, 20.

5. Inona no modely nomen’i Paoly teo amin’ny asa fitoriana?

5 Modely nomen’i Paoly. Nahavita nitory i Paoly na dia be atao aza. Inona no nanampy azy? Izao no nolazainy ao amin’ny Filipianina 1:10: ‘Fantaro izay zava-dehibe kokoa.’ Nanaraka an’io torohevitra nomeny io i Paoly. Voatendry hanao fanompoana izy, ary anisan’ny zava-dehibe indrindra taminy izany nandritra ny taona maro. Nitory “ampahibemaso sy isan-trano” izy. (Asa. 20:20) Tsy noferany hoe tamin’ny fotoana sasany ihany izy no nitory nandritra ny andro, na hoe indray mandeha isan-kerinandro ihany. Nanararaotra nitory foana i Paoly, isaky ny nahita hirika hanaovana an’izany. Tamin’izy niandry ny namany tany Atena, ohatra, dia nitory ny vaovao tsara tamin’ny olona ambony tao izy ary liana ny sasany tamin’izy ireo. (Asa. 17:16, 17, 34) Na tao am-ponja aza izy, dia nitory tamin’izay nifanerasera taminy.​—Fil. 1:13, 14; Asa. 28:16-24.

6. Inona no fampiofanana nomen’i Paoly?

6 Nampiasa tsara ny fotoanany i Paoly. Matetika izy no nanasa olon-kafa hiara-manompo aminy. Nitondra an’i Jaona Marka, ohatra, izy tamin’ny dia misionera voalohany nataony, ary nitondra an’i Timoty tamin’ny dia misionera faharoa. (Asa. 12:25; 16:1-4) Azo antoka fa nanao izay fara heriny izy, mba hampianarana an-dry zareo hoe ahoana no handaminana ny fiangonana, ahoana no hikarakarana ny ondry, ary inona no hanampy azy ireo hahay hampianatra.​—1 Kor. 4:17.

Tahafo i Paoly ka miezaha hitory isaky ny misy hirika hanaovana an’izany (Fehintsoratra 7) *

7. Ahoana no hampiharan’ny anti-panahy an’ilay tenin’i Paoly ao amin’ny Efesianina 6:14, 15?

7 Lesona. Manahaka an’i Paoly ny anti-panahy rehefa vonona hitory isaky ny misy hirika hanaovana an’izany, fa tsy hoe rehefa mitory isan-trano ihany. (Vakio ny Efesianina 6:14, 15.) Afaka mitory, ohatra, izy ireo rehefa miantsena na rehefa any am-piasana. Ary ahoana indray rehefa manao fanorenana? Azon’izy ireo atao ny miresaka ny vaovao tsara amin’ny olona eny amin’ny manodidina, na amin’izay olona tonga mivarotra zavatra aminy. Ary rehefa eny amin’ny fanompoana? Manahaka an’i Paoly izy ireo raha manararaotra mampiofana olon-kafa, anisan’izany mpikarakara fiangonana.

8. Mila manao inona ny anti-panahy indraindray?

8 Tsy tokony ho be atao loatra ao amin’ny fiangonana na ao amin’ny faritra ny anti-panahy, ka tsy hanana fotoana hitoriana. Mila mahay mandanjalanja ry zareo. Mila mandà fanendrena sasany angamba izy ireo indraindray. Rehefa avy nivavaka sy nandinika tsara ny anti-panahy iray, dia mety ho hitany hoe tsy afaka manaiky an’ilay fanendrena izy, satria mety ho lasa an-tsirambina izay zava-dehibe kokoa. Mety tsy ho afaka hitarika ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana isan-kerinandro, ohatra, izy, na tsy hanam-potoana firy hitoriana, na tsy hahavita hampiofana ny zanany hitory. Sarotra amin’ny anti-panahy sasany ny mandà fanendrena. Afaka matoky anefa izy ireo fa azon’i Jehovah tsara hoe te hahay handanjalanja amin’ny zava-drehetra ry zareo.

TSY MANAM-POTOANA HIKARAKARANA NY ONDRY

9. Inona no olana atrehin’ny anti-panahy be atao?

9 Nahoana izany no olana? Be dia be ny olana atrehin’ny vahoakan’i Jehovah. Samy mila fampaherezana sy fanampiana ary fampiononana isika rehetra amin’izao andro farany izao. Ny sasany aza mila fanampiana mba tsy hanao ratsy. (1 Tes. 5:14) Marina hoe tsy afaka mamaha ny olana rehetra mahazo ny vahoakan’i Jehovah ny anti-panahy. Tian’i Jehovah anefa izy ireo raha manao izay azony atao mba hampaherezana sy hiarovana ny ondry. Aiza àry no hahitan’ny anti-panahy fotoana hanaovana an’izany raha be atao izy?

Derao sy ampaherezo ny hafa (Fehintsoratra 10, 12) *

10. Inona no nataon’i Paoly mba hikarakarana ny vahoakan’i Jehovah, araka ny 1 Tesalonianina 2:7?

10 Modely nomen’i Paoly. Nitady hirika hiderana sy hampaherezana an’ireo rahalahiny i Paoly. Tsara raha manahaka azy ny anti-panahy, ka miezaka ny ho be fitiavana sy tsara fanahy amin’ny vahoakan’i Jehovah. (Vakio ny 1 Tesalonianina 2:7.) Nomen’i Paoly toky ny mpiara-manompo taminy hoe tiany izy ireo sady tian’i Jehovah. (2 Kor. 2:4; Efes. 2:4, 5) Noraisiny ho hoatran’ny namana ny Kristianina tao amin’ny fiangonana, ary nanokana fotoana hiarahana tamin-dry zareo izy. Natoky azy ireo izy, ka noresahiny taminy ny zavatra nampahatahotra azy sy ny fahalemeny. (2 Kor. 7:5; 1 Tim. 1:15) Tsy nifantoka tamin’ny olana nahazo azy anefa i Paoly, fa te hanampy an’ireo rahalahiny.

11. Nahoana i Paoly no nanome torohevitra ho an’ny rahalahy sy anabaviny?

11 Nila nanome torohevitra ho an’ny rahalahy sy anabaviny i Paoly indraindray. Tsy noho ny hatezerana anefa no nanaovany an’izany. Nanome torohevitra kosa izy, satria tiany ry zareo sady tiany harovana amin’ny loza samihafa. Niezaka i Paoly mba ho mora azo ny torohevitra nomeny. Tiany koa raha nandray tsara ny toroheviny ilay olona. Nanome torohevitra hentitra ho an’ny Korintianina, ohatra, izy tao amin’ny taratasy nosoratany ho an-dry zareo. Naniraka an’i Titosy ho any amin-dry zareo izy, tatỳ aoriana. Tiany ho fantatra mantsy hoe hoatran’ny ahoana no nandraisan’ny Korintianina an’ilay taratasy. Faly erỳ izy rehefa nahalala fa nandray tsara ny toroheviny izy ireo!​—2 Kor. 7:6, 7.

12. Inona no azon’ny anti-panahy atao mba hampaherezana ny mpiara-manompo aminy?

12 Lesona. Manahaka an’i Paoly ny anti-panahy, raha manokana fotoana hiarahana amin’ny mpiara-manompo. Azony atao, ohatra, ny tonga aloha any am-pivoriana, amin’izay mba afaka manao resadresaka mampahery amin’ny hafa. Minitra vitsy fotsiny matetika no ilaina, dia efa ampy hampaherezana rahalahy na anabavy mila an’izany. (Rom. 1:12; Efes. 5:16) Ahoana koa no anahafan’ny anti-panahy an’i Paoly? Afaka mampiasa ny Tenin’Andriamanitra izy ireo, mba hanatanjahana ny finoan’ny mpiara-manompo aminy sy hanampiana azy ireo hatoky hoe tia azy ireo Andriamanitra. Ampahafantariny an’ireny rahalahy sy anabavy ireny koa hoe tiany ry zareo. Miresaka amin’izy ireo matetika izy ary mitady fomba hiderana an-dry zareo. Ahoana raha tsy maintsy manome torohevitra izy? Ataony azo antoka tsara hoe avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra izany. Manome torohevitra voafaritra tsara izy nefa koa tsara fanahy rehefa manao an’izany, satria tiany handray tsara an’ilay torohevitra ilay olona.​—Gal. 6:1.

MANANA NY FAHALEMENY

13. Inona no mety ho tsapan’ny anti-panahy noho izy manana fahalemena?

13 Nahoana izany no olana? Tsy lavorary ny anti-panahy ka mety hanao diso, hoatran’ny olon-drehetra ihany. (Rom. 3:23) Manana ny fahalemeny koa izy ireo, ka mety tsy hahay handanjalanja. Mifantoka be loatra amin’ny fahalemeny, ohatra, ny anti-panahy sasany dia lasa kivy. Ny hafa indray mety hanamaivana an’ilay izy, dia lasa tsy mivaky loha sady tsy miezaka hiova.

14. Araka ny Filipianina 4:13, nahoana no nanampy an’i Paoly hiady tamin’ny fahalemeny ny fanetren-tena?

14 Modely nomen’i Paoly. Nanetry tena i Paoly ka niaiky hoe tsy vitany samirery ny hiady tamin’ny fahalemeny. Nila hery avy amin’Andriamanitra izy. Nafana fo nanenjika ny Kristianina izy taloha, ary tena nasiaka. Niaiky anefa izy, tatỳ aoriana, hoe tsy nety ny nataony dia vonona hanova ny toe-tsainy sy ny toetrany izy. (1 Tim. 1:12-16) Nampian’i Jehovah i Paoly, ka lasa mpiandry be fitiavana sy nangoraka ary nanetry tena. Fantany hoe be dia be ny fahalemeny, nefa naleony tsy nifantoka tamin’izany. Natoky kosa izy fa hamela azy i Jehovah. (Rom. 7:21-25) Izy aloha tsy nanantena hoe ho lasa lavorary e! Niezaka mafy anefa izy mba hanatsara ny toetrany. Nanetry tena izy, dia niantehitra tamin’i Jehovah mba hanampy azy hamita ny asany.​—1 Kor. 9:27; vakio ny Filipianina 4:13.

Miezaha mafy mba handresy ny fahalemenao (Fehintsoratra 14-15) *

15. Inona no tokony hataon’ny anti-panahy mahay mandanjalanja, rehefa hitany hoe manana fahalemena izy?

15 Lesona. Tsy hoe lavorary akory ny rahalahy iray matoa voatendry ho anti-panahy. Tian’i Jehovah anefa raha miaiky ny fahadisoany izy, dia miezaka hanana toetra tsara. (Efes. 4:23, 24) Tokony hianatra tsara ny Tenin’Andriamanitra ny anti-panahy, mba hahitany hoe inona no azony hatsaraina, dia avy eo manao fanovana. Hanampy azy ho faly sy hahavita tsara ny andraikiny i Jehovah amin’izay.​—Jak. 1:25.

MIZAKA NY TSY FAHALAVORARIAN’NY HAFA

16. Inona no mety hitranga raha mifantoka amin’ny tsy fahalavorarian’ny hafa ny anti-panahy?

16 Nahoana izany no olana? Mifanerasera akaiky amin’ny mpiara-manompo ao amin’ny fiangonana ny anti-panahy, dia lasa mora mahita hoe tsy lavorary ry zareo. Raha tsy mitandrina ny anti-panahy, dia mety ho sorena, hasiaka, na hitsaratsara azy ireo. Nampitandrina ny Kristianina i Paoly fa tian’i Satana ho lasa hoatr’izany izy ireo.​—2 Kor. 2:10, 11.

17. Ahoana no fiheveran’i Paoly an’ireo rahalahy sy anabaviny?

17 Modely nomen’i Paoly. Tsy nieritreritra i Paoly hoe ratsy saina ny rahalahy sy anabaviny. Hainy tsara hoe manao fahadisoana izy ireo, ary indraindray aza nampalahelo azy mihitsy ny zavatra nataony. Fantany anefa fa tsy voatery hoe ratsy fanahy ny olona iray, raha manao fahadisoana. Tiany ny mpiara-manompo taminy, dia nifantoka tamin’ny toetra tsaran-dry zareo izy. Raha sarotra tamin-dry zareo ny nanao ny tsara, dia naleony nitadidy hoe mba te hanao ny tsara ihany izy ireo, fa nila fanampiana fotsiny.

18. Inona no ianaranao avy amin’ny fomba nanampian’i Paoly an’i Eodia sy Syntyke? (Filipianina 4:1-3)

18 Diniho, ohatra, ny fomba nanampian’i Paoly ny anabavy roa tao amin’ny fiangonan’i Filipy. (Vakio ny Filipianina 4:1-3.) Lasa tsy mpinamana intsony i Eodia sy Syntyke, satria hoatran’ny nisy zavatra tsy nampifanaraka azy roa vavy. Tsy nasiaka na nitsaratsara an-dry zareo anefa i Paoly, fa nifantoka tamin’ny toetra tsarany. Anabavy tsy nivadika mantsy ry zareo, sady efa nanompo an’i Jehovah hatry ny ela. Fantatr’i Paoly tsara fa tia azy ireo i Jehovah. Tsy nieritreritra izy hoe ratsy fanahy ireo anabavy ireo, ka afaka nampirisika azy ireo hihavana tsara indray izy. Nifantoka tamin’ny toetra tsaran’ny hafa i Paoly. Nanampy azy izany mba ho faly foana, sy hinamana tsara foana tamin’ny rahalahy sy anabavy tao amin’io fiangonana io.

Miezaha mba tsy hitsaratsara ny hafa (Fehintsoratra 19) *

19. a) Inona no hanampy ny anti-panahy hifantoka amin’ny toetra tsaran’ny mpiara-manompo? b) Inona no ianaranao avy amin’ilay anti-panahy manadio Efitrano Fanjakana eo amin’ny sary?

19 Lesona. Ry anti-panahy, miezaha hifantoka amin’ny toetra tsaran’ny mpiara-manompo. Tsy lavorary izy ireo, nefa samy manana toetra tsara daholo. (Fil. 2:3) Marina fa mety hila hanitsy ny toe-tsain’ny rahalahy na anabavy iray ny anti-panahy indraindray. Manahaka an’i Paoly anefa izy ireo, ka na nahasosotra azy aza ny teny na zavatra nataon’ilay olona, dia tsy izay no ifantohany. Aleony kosa mifantoka amin’ny hoe tia an’i Jehovah ilay olona sady niaritra teo amin’ny fanompoana azy, ary mahavita manao ny tsara. Raha mifantoka amin’ny toetra tsaran’ny hafa hoatr’izany ny anti-panahy, dia hanampy an’ireo rahalahy sy anabavy hahatsapa hoe tiana izy ireo eo anivon’ny fiangonana.

MIEZAHA FOANA HANAHAKA AN’I PAOLY

20. Inona no mbola azon’ny anti-panahy atao mba handray soa avy amin’ny modely nomen’i Paoly izy ireo?

20 Ry anti-panahy, handray soa ianareo raha miezaka foana mianatra avy amin’ny modely nomen’i Paoly. Azonareo atao, ohatra, ny manao fikarohana ao amin’ny Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Jereo eo amin’ilay lohateny lehibe hoe “Paoly”, ary avy eo ao amin’ilay lohatenikely hoe “modely ho an’ny anti-panahy.” Rehefa mamaky lahatsoratra vitsivitsy ao ianareo, dia saintsaino izao: ‘Nahoana ny modely nomen’i Paoly no manampy ahy ho faly foana rehefa mamita ny andraikitro aho?’

21. Afaka mahazo antoka ny amin’inona ny anti-panahy?

21 Ry anti-panahy, inona no takin’i Jehovah aminareo? Tsy ny ho lavorary akory, fa ny ho mendri-pitokisana. Tadidio foana izany! (1 Kor. 4:2) Nankasitraka an’i Paoly i Jehovah satria niasa mafy izy sady tsy nivadika. Matokia fa mankasitraka ny fanompoana ataonareo koa izy. Tsy hohadinoin’i Jehovah mihitsy izay “nataonareo sy ny fitiavana nasehonareo ho an’ny anarany, tamin’ianareo nikarakara ny olona masina sady mbola mikarakara azy ireo hatramin’izao.”​—Heb. 6:10.

HIRA 87 Andao Haka Fampaherezana

^ Tena mankasitraka ny asa mafy ataon’ireo anti-panahy be fitiavana sy be fiahiana isika. Horesahintsika ato ny olana efatra atrehin’ny ankamaroan’izy ireny. Hojerentsika koa hoe inona no modely nomen’ny apostoly Paoly, izay hanampy ny anti-panahy hiatrika an’ireny olana ireny. Hanampy antsika rehetra hangoraka ny anti-panahy ity lahatsoratra ity, sady handrisika antsika ho tia sy hanohana azy ireo.

^ SARY: Rahalahy iray mitory ny vaovao tsara amin’ny mpiara-miasa aminy rehefa mirava avy miasa.

^ SARY: Anti-panahy mampahery rahalahy iray mitady hitokantokana.

^ SARY: Rahalahy iray manampy Kristianina sosotra tamin’ny zavatra nataon’ny hafa.

^ SARY: Nanolo-tena hanadio ny rahalahy iray nefa ilaozany variana amin’ny telefaonina indray. Na dia mahita an’izany aza ny anti-panahy iray, dia tsy mitsaratsara azy.