Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Hanampy Anao Handresy ny Adin-tsaina?

Inona no Hanampy Anao Handresy ny Adin-tsaina?

TENA mety hanavesatra fo ny adin-tsaina. (Ohab. 12:25) Efa niady saina ve ianao? Nisy fotoana ve tena mafy be taminao ilay izy, ka nila tsy ho zakanao intsony ny fihetseham-ponao? Tsy ianao irery no hoatr’izany. Maro amintsika no lasa tsy maintsy mikarakara marary, maty havana, na niatrika rivo-doza na loza hafa hoatr’izany. Nisy indray niatrika zavatra hafa tena nandreraka sy nampanahy be ary tena nahakivy. Raha izany no nitranga taminao, dia inona no hanampy anao handresy ny adin-tsainao? a

Andao isika handinika ny ohatr’i Davida Mpanjaka, mba hahitantsika hoe ahoana no handresena ny adin-tsaina. Be dia be ny olana mafy natrehiny teo amin’ny fiainana, ary saika maty mihitsy aza izy indraindray. (1 Sam. 17:34, 35; 18:10, 11) Inona no nanampy an’i Davida handresy ny adin-tsainy? Ahoana no hanahafantsika azy?

NAHAVITA NANDRESY NY ADIN-TSAINY I DAVIDA

Niatrika olana be dia be i Davida tamin’izay, ary indray nitontona daholo ilay izy. Eritrereto, ohatra, ny zava-nitranga tamin’izy nitsoaka an’i Saoly Mpanjaka, satria nitady hamono azy i Saoly. Rehefa niverina avy niady i Davida sy ny olona niaraka taminy, dia ankona satria nangalarin’ny fahavalo ny fananan’izy ireo, nodorany ny tranony, ary nentiny ho babo ny fianakaviany. Inona no nataon’i Davida? ‘Nigogogogo nitomany izy sy ny olona niaraka taminy, ka rehefa tsy nanan-kery hitomaniana intsony izy ireo vao nangina.’ Efa mafy ny alahelon’i Davida tamin’izay, nefa mbola ‘nifampiresaka hoe hitora-bato azy’ ihany ny namany. (1 Sam. 30:1-6) Olana telo be izao àry no niara-natrehin’i Davida. Tsy vitan’ny hoe mety hahita loza ny fianakaviany, fa natahotra koa izy sao hamono azy ny namany, moa i Saoly Mpanjaka etsy an-daniny mbola nanenjika azy ihany. Eritrereto anie ny adin-tsain’i Davida tamin’izay e!

Dia inona no nataon’i Davida? Tonga dia ‘niantehitra tamin’i Jehovah Andriamaniny izy ka nahazo hery.’ Ahoana no mety ho nanaovany an’izany? Rehefa nanana olana hoatr’izao i Davida, dia efa fanaony ny nivavaka tamin’i Jehovah mba hahazoana fanampiana, sy nisaintsaina ny fomba nanampian’i Jehovah azy tamin’ny lasa. (1 Sam. 17:37; Sal. 18:2, 6) Hitan’i Davida hoe nila nangataka tari-dalana tamin’i Jehovah izy. Nanontany an’i Jehovah àry izy hoe inona no tokony hataony. Tonga dia nanao zavatra i Davida rehefa nahazo tari-dalana avy tamin’i Jehovah. Notahin’i Jehovah àry izy sy ny namany, ka avotra ihany ny fianakaviany ary azony indray ny fananany. (1 Sam. 30:7-9, 18, 19) Hitanao ve hoe inona ireo zavatra telo nataon’i Davida? Nivavaka tamin’i Jehovah izy mba hahazoana fanampiana, nisaintsaina ny zavatra nataon’i Jehovah taminy tamin’ny lasa, ary nanao zavatra nifanaraka tamin’ny tari-dalan’i Jehovah. Ahoana no hanahafanao an’i Davida? Ireto misy fomba telo.

TAHAFO I DAVIDA REHEFA MIADY SAINA

1. Mivavaha. Vao manomboka miady saina ianao, dia mivavaha amin’i Jehovah mba hahazoana fanampiana sy fahendrena. Mivavaha elaela, dia tantarao amin’i Jehovah izay manavesatra anao ary aborahy aminy daholo izay ao am-ponao. Raha mbola tsy afaka mivavaka elaela anefa ianao, dia manaova vavaka fohy anakampo. Izao no nolazain’i Davida: “I Jehovah no harambatoko sy manda fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy. Ilay Andriamanitro no vatolampiko. Ao aminy aho no mialoka.” (Sal. 18:2) Asehontsika hoe matoky an’i Jehovah hoatr’izany isika, isaky ny mangataka fanampiana aminy. Fa tena mandaitra ve ny vavaka? Izao no nolazain’ny mpisava lalana iray antsoina hoe Kahlia: “Lasa tony aho rehefa avy miresaka amin’i Jehovah. Manampy ahy hampifanaraka ny fomba fisainako amin’ny azy koa ny vavaka, dia vao mainka aho lasa matoky azy.” Tena mahery tokoa ny vavaka, ary anisan’ny fomba ampiasain’i Jehovah mba hanampiana antsika handresy ny adin-tsaina.

2. Miezaha hisaintsaina. Nisy fotoana ve ianao efa niatrika fisedrana, dia tsapanao hoe tsy ho nahavita niaritra an’ilay izy mihitsy ianao raha tsy teo i Jehovah? Rehefa misaintsaina ny fomba nanampian’i Jehovah antsika sy ny mpanompony fahiny isika, dia lasa be herim-po sady vao mainka matoky azy. (Sal. 18:17-19) Hoy ny anti-panahy iray antsoina hoe Joshua: “Ataoko lisitra izay vavaka nataoko efa novalian’i Jehovah. Manampy ahy izany mba hahatadidy hoe nisy fotoana aho nangataka zavatra voafaritra tsara tamin’i Jehovah, dia izay tena nilaiko mihitsy no nomeny.” Rehefa misaintsaina ny zavatra efa nataon’i Jehovah tamintsika tokoa isika, dia lasa mahazo hery handresena ny adin-tsaina.

3. Manaova zavatra. Ao amin’ny Tenin’Andriamanitra no misy ny tari-dalana azo antoka indrindra. Manaova àry fikarohana ao alohan’ny handraisanao fanapahan-kevitra. (Sal. 19:7, 11) Maro no mahita fa rehefa manao fikarohana momba ny andinin-teny iray izy, dia lasa azony kokoa hoe ahoana no hampiharana an’ilay izy eo amin’ny fiainany. Izao no nolazain’ny anti-panahy iray atao hoe Jarrod: “Be dia be ny zavatra fantatro momba ny andinin-teny iray, rehefa manao fikarohana momba an’ilay izy aho. Lasa haiko hoe inona no tena tian’i Jehovah hampitaina amiko. Manohina ny foko ilay izy, dia te hanaraka an’izay lazainy aho.” Ho mora kokoa amintsika ny handresy ny adin-tsaina, rehefa mitady ny tari-dalan’i Jehovah ao amin’ny Soratra Masina isika, ary mampihatra an’izany.

HANAMPY ANAO HANDRESY I JEHOVAH

Niaiky i Davida hoe tsy hahavita handresy ny adin-tsainy mihitsy izy raha tsy ampian’i Jehovah. Tena nankasitraka ny fanampian’i Jehovah izy ka nilaza hoe: “Noho ny herin’Andriamanitra, dia vitako ny mianika manda. Ilay tena Andriamanitra no mampitafy hery ahy.” (Sal. 18:29, 32) Hoatran’ny manda avo be ve no fahitanao ny fitsapana mahazo anao? Tadidio fa hahavita hianika an’izany ianao rehefa ampian’i Jehovah. Mivavaha aminy àry mba hahazoana fanampiana, dia saintsaino izay efa nataony ho anao, ary manaova zavatra mifanaraka amin’ny tari-dalana omeny. Afaka matoky ianao amin’izay hoe hanome ny hery sy fahendrena ilainao izy, mba hahafahanao mandresy ny adin-tsainao.

a Tokony hanatona dokotera ny olona iray raha tafahoatra ny adin-tsainy.