Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 17

Ry Renim-pianakaviana, Mianara avy Amin’i Eonika

Ry Renim-pianakaviana, Mianara avy Amin’i Eonika

“Aza lavina ny tenin’ny reninao. Fehiloha tsara tarehy eo amin’ny lohanao izany, ary firavaka tena tsara eny amin’ny tendanao.”​—OHAB. 1:8, 9.

HIRA 137 Vehivavy Manam-pinoana sy Tsy Mivadika

HO HITANAO ATO a

Faly sy mirehareha kely erỳ i Eonika renin’i Timoty sy Loisa renibeny mahita an’i Timoty atao batisa (Fehintsoratra 1)

1-2. a) Iza i Eonika, ary inona ny olana natrehiny? b) Hazavazavao ilay sary eo amin’ny fonon’ity gazety ity.

 TSY miresaka momba ny batisan’i Timoty ny Baiboly. Azo antoka anefa hoe tsy omby tratra ny hafalian’ny mamany tamin’izay. (Ohab. 23:25) Eonika no anarany. Alao sary an-tsaina ange ny zava-nitranga e! Hitanao amin’ny masony hoe faly be izy sady mirehareha kely mahita an’i Timoty mijoro ao anaty rano. Mitsikitsiky erỳ izy fihinin’i Loisa, beben’i Timoty. Hoatran’ny tsy avy miaina izy rehefa naroboka tao anaty rano ilay zanany. Nipoitra tampoka i Timoty avy eo sady miramirana erỳ, dia tsy tanan’i Eonika intsony ny ranomasony. Vitany ihany ny nampianatra ny zanany ho tia an’i Jehovah sy Jesosy Kristy! Fa inona ny olana tsy maintsy noreseny mba hahavitana an’izany?

2 Tsy nitovy ny fivavahan’ny dada sy maman’i Timoty. Grika ny dadany, fa ny mamany sy ny bebeny indray Jiosy. (Asa. 16:1) Toa mbola tanora i Timoty, tamin’i Eonika sy Loisa lasa Kristianina. Mbola samy hafa ihany anefa ny fivavahan’izy mivady. Iza àry no harahin’i Timoty? Azo inoana hoe efa afaka nanapa-kevitra irery izy tamin’izay. Hanaraka ny fivavahan’ny dadany ve izy, sa hifikitra amin’ny Fivavahana Jiosy, izay efa nampianarina azy hatramin’ny mbola kely? Sa izy hanaraka fivavahana vaovao, dia hanara-dia an’i Jesosy Kristy?

3. Ahoana ny fahitan’i Jehovah ny ezaka ataon’ny renim-pianakaviana mba hanampiana ny zanany hinamana amin’Andriamanitra? (Ohabolana 1:8, 9)

3 Tia ny ankohonany koa ny renim-pianakaviana kristianina. Ny hanampy ny zanany hinamana be amin’i Jehovah anefa no zava-dehibe indrindra aminy. Tena sarobidy amin’ilay Andriamanitsika ny ezaka ataony. (Vakio ny Ohabolana 1:8, 9.) Efa betsaka ny renim-pianakaviana nampian’i Jehovah, dia nahavita nanampy ny zanany hanaiky ny fahamarinana ry zareo.

4. Inona ny olana atrehin’ny renim-pianakaviana amin’izao?

4 Ara-dalàna raha lasa saina ny renim-pianakaviana indraindray hoe hifidy ny hanompo an’i Jehovah hoatran’i Timoty ve ny zanany. Fantatry ny ray aman-dreny tsara mantsy fa tena manery ny ankizy hanao safidy ratsy ny tontolon’i Satana. (1 Pet. 5:8) Tsy izay ihany, fa betsaka ny renim-pianakaviana mitaiza irery ny zanany na tsy manompo an’i Jehovah ny vadiny. Hoatr’izany ny anabavy antsoina hoe Christine. b Izao no nolazainy: “Tena manao tsara ny andraikiny ny vadiko, sady tia anay mianakavy. Tsy navelany hanampy ny zanako mba ho lasa Vavolombelon’i Jehovah mihitsy anefa aho. Nitomany be foana aho nandritra ny taona maro, sady lasa saina raha mba hanompo an’i Jehovah ihany ny zanako any aoriana any.”

5. Inona no hodinihintsika ato?

5 Renim-pianakaviana ve ianao? Raha izany, dia afaka ny hahavita hanampy ny zanakao ho tia sy hanompo an’i Jehovah hoatran’ny nataon’i Eonika ianao. Nampianatra ny zanany tamin’ny teny sy ny atao izy. Ho hitantsika ato hoe ahoana no azonao anahafana azy. Horesahintsika koa ny fomba hanampian’i Jehovah anao.

MIEZAHA HAMPIANATRA AMIN’NY TENY

6. Ahoana no nahatonga an’i Timoty ho lasa Kristianina, araka ny 2 Timoty 3:14, 15?

6 Mbola kely i Timoty dia efa niezaka be ny mamany mba hampianatra azy ny “Soratra Masina”, araka ny fahazoan’ny Jiosy azy io. Mazava ho azy fa voafetra ihany ny zavatra fantatr’i Eonika, satria tsy nahalala na inona na inona momba an’i Jesosy Kristy izy. Na izany aza, dia nanampy an’i Timoty mba ho lasa Kristianina ny zavatra nianarany avy tao amin’ny Soratra Masina. Hanara-dia an’i Jesosy ve anefa izy? Tanora izy, dia afaka nifidy hoe ho lasa Kristianina sa tsia. Azo antoka fa anisan’ny nahatonga an’i Timoty ‘ho resy lahatra ka hino’ ny fahamarinana momba an’i Jesosy ny ezaka mafy nataon’ny mamany. (Vakio ny 2 Timoty 3:14, 15.) Tsy maintsy hoe faly be izao i Eonika, satria nahavita nampianatra ny zanany momba an’i Jehovah, na dia sarotra aza izany. Nandresy izy, ary mifanaraka tsara amin’ny anarany izany! Avy amin’ny fototeny midika hoe “mandresy” mantsy ny hoe Eonika.

7. Ahoana no azon’i Eonika anampiana ny zanany mba handroso foana, na dia taorian’ny batisany aza?

7 Dingana lehibe teo amin’ny fiainan’i Timoty ny batisa. Tsy vita hatreo anefa ny adin-tsain’i Eonika. Ahoana, ohatra, no hampiasan’i Timoty ny fiainany manomboka eo? Hiaraka amin’ny naman-dratsy ve izy? Hianatra any Atena ve izy ka hanaiky ny fampianaran’ny filozofa mpanompo sampy any? Handany fotoana sy hery ary fahatanorana hanangonana harena ve izy? Tsy afaka nanapa-kevitra teo amin’ny toeran’i Timoty i Eonika, nefa afaka nanampy azy. Azony natao foana ny nanampy ny zanany mba ho tena tia an’i Jehovah sy hankasitraka an’i Jesosy. Sarotra anefa izany, ary tsy izay manambady tsy Vavolombelona ihany no miatrika olana hoatr’izany. Na dia samy ao amin’ny fahamarinana aza ny mpivady, dia mety ho sarotra amin’izy roa ny hanohina ny fon’ny zanany, mba hahatonga azy ho lasa mpanompon’i Jehovah tsy mivadika. Inona àry no azon’ny ray aman-dreny ianarana avy amin’i Eonika?

8. Ahoana no azon’ny anabavy anampiana ny vadiny Vavolombelona, rehefa mampianatra ny zanany momba an’i Jehovah ilay rahalahy?

8 Mianara Baiboly miaraka amin’ny zanakao. Vavolombelona ve ny vadinao, ary miezaka manampy ny zanakareo hianatra momba an’i Jehovah izy? Raha izany, dia tian’i Jehovah hanampy azy ianao. Rehefa manao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana, ohatra, ianareo dia tohano foana izany. Aza manakiana an’io fandaharana io mihitsy, fa eritrereto hoe inona no azonao atao mba hahafinaritra ilay izy. Maninona, ohatra, raha ampiana ny vadinao rehefa mitady hevitra hatao amin’ilay fotoam-pivavahana izy? Ahoana indray raha efa lehibebe ny zanakareo sasany, ka mila ampianarina Baiboly amin’ilay boky Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!? Afaka manohana ny vadinao koa ianao.

9. Iza no afaka manampy anao raha tsy Vavolombelona ny vadinao?

9 Tsy maintsy mampianatra Baiboly ny zanany ny renim-pianakaviana sasany, satria mitaiza irery ny zanany izy na tsy manompo an’i Jehovah ny vadiny. Aza manahy be loatra raha hoatr’izany koa ianao. Hanampy anao mantsy i Jehovah. Nanome fitaovana fampianarana tena mandaitra ny fandaminany, ka ampiasao ireny rehefa mampianatra ny zanakao ianao. Afaka mangataka torohevitra amin’ny ray aman-dreny efa ampy traikefa koa ianao hoe inona no azo atao amin’ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana. c (Ohab. 11:14) Tsy izay ihany fa azon’i Jehovah ampiana ianao, mba hahay hifampiresaka amin’ny zanakao. Angataho izy mba hanampy anao hamantatra an’izay any am-pony sy any an-tsainy. (Ohab. 20:5) Fanontaniana tsotra kely indraindray dia efa manampy azy hiresaka. Ohatra hoe: ‘Inona no tena mafy aminao any am-pianarana?’

10. Misy fomba hafa azonao ampianarana ny zanakao momba an’i Jehovah ve?

10 Mitadiava hirika hampianarana ny zanakao momba an’i Jehovah. Miresaha momba azy sy ny zavatra tsara rehetra nataony ho anao. (Deot. 6:6, 7; Isaia 63:7) Tena ilaina izany, indrindra raha tsy afaka mianatra matetika miaraka amin’ny zanakao ianao ao an-trano. Izao no nolazain’i Christine, ilay noresahina tetsy aloha: “Zara raha afaka miresaka zavatra ara-panahy izahay, dia manararaotra an’izay fotoana iarahanay aho. Miaraka mandeha an-tongotra, ohatra, izahay na mandeha lakana, dia miresaka zavatra ara-panahy na momba ny zavaboarin’i Jehovah. Raha vao nihalehibe ny zanako, dia nampirisihiko hianatra Baiboly samirery.” Tsy izay ihany, fa miresaha zavatra tsara momba ny fandaminan’i Jehovah sy ny mpiara-manompo. Aza manakiana anti-panahy mihitsy. Arakaraka izay lazainao momba an-dry zareo mantsy no hahatonga ny zanakao hangataka fanampiana amin-dry zareo na tsia, rehefa mila an’izany izy.

11. Nahoana no tena ilaina ny mitandro fihavanana rehefa ao an-trano, araka ny Jakoba 3:18?

11 Miezaha hitandro fihavanana rehefa ao an-trano. Asehoy matetika amin’ny vady aman-janakao hoe tianao ry zareo. Miezaha ho tsara fanahy sy hanaja tsara rehefa miresaka momba ny vadinao, ary ampiofano hanao hoatr’izany koa ny zanakareo. Rehefa manao an’izany ianao, dia hihavana tsara ny ao an-trano, ka ho mora amin’ny zanakao ny hianatra momba an’i Jehovah. (Vakio ny Jakoba 3:18.) Eritrereto ny tantaran’i Jozef. Mpisava lalana manokana any Romania izy izao. Nanohitra azy sy ny mamany ary ny iray tam-po aminy ny dadany, tamin’izy mbola kely. Izao no nolazain’i Jozef: “Niezaka mafy i Neny mba hihavana tsara foana izahay tao an-trano. Vao mainka i Neny niezaka ny ho tsara fanahy, arakaraka ny nampasiaka an’i Dada. Rehefa hitany hoe sarotra taminay ny nanaja sy nankatò an’i Dada, dia nodinihiny niaraka taminay ny Efesianina 6:1-3. Miresaka momba ny toetra tsaran’i Dada izy avy eo, dia manampy anay hahazo hoe fa maninona izahay no tokony ho tia be an’azy. Nihavana tsara foana izahay mianakavy noho izany.”

MIEZAHA HAMPIANATRA AMIN’NY ATAO

12. Inona no vokatry ny modely nomen’i Eonika teo amin’i Timoty, araka ny 2 Timoty 1:5?

12 Vakio ny 2 Timoty 1:5. Nanome ohatra tsara ho an’i Timoty i Eonika. Tsy maintsy nampianatra azy izao izy hoe mila aseho amin’ny atao ny tena finoana. (Jak. 2:26) Azo antoka fa hitan’i Timoty hoe tena tia an’i Jehovah ny mamany, ary izay fitiavana izay no nahatonga azy hanao zavatra. Hitan’i Timoty koa hoe sambatra ny mamany satria nanompo an’i Jehovah. Inona no vokatr’izany teo amin’i Timoty? Lasa nanam-pinoana hoatran’ny mamany izy, araka ny noresahin’ny apostoly Paoly. Tsy kisendrasendra izany. Nandinika tsara ny modely nomen’ny mamany mantsy izy, dia lasa te hanahaka azy. Manao hoatran’i Eonika koa ny renim-pianakaviana maro amin’izao. Lasa nanompo an’i Jehovah ny fianakaviany, noho ny modely nomeny fa tsy noho ‘ny teny nolazainy.’ (1 Pet. 3:1, 2) Afaka manao hoatr’izany koa ianao.

13. Nahoana ny fifandraisan’ny renim-pianakaviana amin’i Jehovah no tokony ho zava-dehibe indrindra aminy?

13 Ny fifandraisanao amin’i Jehovah no tokony ho zava-dehibe indrindra aminao. (Deot. 6:5, 6) Mahafoy zavatra be dia be ianao, hoatran’ny ankamaroan’ny renim-pianakaviana. Mahafoy fotoana, vola, torimaso, ary zavatra hafa ianao mba hikarakarana an’izay ilain’ny zanakao. Tsy tokony ho sahirana loatra amin’ireny anefa ianao, ka hoe ny fifandraisana amin’i Jehovah indray no lasa tsirambina. Manokàna fotoana tsy tapaka mba hivavahana mitokana sy hianarana samirery ny Baiboly ary hivoriana. Hifandray kokoa amin’i Jehovah ianao rehefa manao an’izany, ary ho ohatra tsara ho an’ny fianakavianao sy ny olon-kafa.

14-15. Inona no ianaranao avy amin’i Leanne sy Maria ary João?

14 Andao isika hiresaka tanora vitsivitsy. Nianatra ny ho tia an’i Jehovah sy hatoky azy ry zareo rehefa nandinika ny mamany. Izao no nolazain’i Leanne, zanak’i Christine: “Tsy afaka nianatra Baiboly izahay rehefa tao an-trano i Dada. Tsy nanaiky mihitsy anefa i Neny raha tsy nivory. Na dia tsy tena nahay Baiboly aza izahay, dia nanampy anay hanana finoana matanjaka ny modely nomeny. Efa ela be talohan’ny nanatrehanay fivoriana no nahafantaranay hoe io no fahamarinana.”

15 Bedin’ny dadany koa ry Maria rehefa nanatrika fivoriana. Izao no nolazainy: “Anisan’ny olona be herim-po indrindra fantatro i Mama! Tsy nanaiky hanao zavatra sasany aho indraindray, tamin’izaho mbola kely, satria natahotra an’izay holazain’ny olona. Lasa tsy natahotra olona intsony anefa aho, rehefa hitako hoe be herim-po i Mama, sady tsy nisy natakalony an’i Jehovah mihitsy.” Tsy navelan’ny dadany hiresaka zavatra ara-panahy koa ry João tao an-trano. Izao no nolazainy: “Vonona hampandefitra ny zava-drehetra ho an’i Dada i Neny, afa-tsy ny fitiavany an’i Jehovah. Izay no tena nanohina ny foko.”

16. Misy vokany amin’ny hafa ve ny modely omen’ny renim-pianakaviana?

16 Tadidio fa misy vokany amin’ny hafa ny modely omenao. Eritrereto ny vokatry ny modely nomen’i Eonika teo amin’ny apostoly Paoly. Niaiky i Paoly hoe ‘efa tao amin’i Eonika’ ilay finoana tsy mihatsaravelatsihy nananan’i Timoty. (2 Tim. 1:5) Fa oviana i Paoly no nahita an’io finoan’i Eonika io? Tamin’ny dia misionera voalohany nataony angamba izy no nihaona tamin’i Loisa sy Eonika tao Lystra. Mety ho nanampy an-dry zareo ho lasa Kristianina izy tamin’izay. (Asa. 14:4-18) Eritrereto ange e! Rehefa nanoratra ho an’i Timoty i Paoly, 15 taona teo ho eo tatỳ aoriana, dia mbola tadidiny ny finoana nasehon’i Eonika ary nilaza izy fa tsara hotahafina io anabavy io. Hita amin’izany fa nisy vokany be tamin’ilay apostoly ny finoan’i Eonika, ary azo antoka fa nisy vokany be tamin’ny Kristianina hafa tamin’ny taonjato voalohany koa. Raha mitaiza irery ny zanakao àry ianao, na tsy Vavolombelon’i Jehovah ny vadinao, dia matokia fa mampahery ny hafa sady mandrisika an-dry zareo hanao zavatra ny modely omenao.

Mila fotoana ianao vao hahavita hanampy ny zanakao hinamana amin’i Jehovah. Aza milavo lefona àry! (Fehintsoratra 17)

17. Inona no tokony hataonao raha hoatran’ny hoe tsy te hanompo an’i Jehovah ny zanakao na dia efa miezaka mafy aza ianao?

17 Ahoana raha hoatran’ny tsy misy vokany amin’ny zanakao mihitsy ny ezaka ataonao? Tadidio hoe mila fotoana ny fampiofanana ny ankizy. Ahoana, ohatra, rehefa mandatsaka masomboly ao amin’ny tany ianao, hoatran’ny aseho eo amin’ny sary? Mety ho lasa saina ianao indraindray raha hitombo ihany ilay izy ka hamoa rehefa any aoriana any. Na tsy hainao aza anefa izay ho vokany, dia mbola manondraka an’ilay izy foana ianao, mba ho afaka hitombo ilay izy. (Mar. 4:26-29) Hoatr’izany koa angamba no tsapanao raha renim-pianakaviana ianao. Mety ho lasa saina ianao hoe hanampy ny zanakao ho tia an’i Jehovah ihany ve ny ezaka ataonao. Marina fa tsy afaka manapa-kevitra eo amin’ny toerany ianao. Raha manao izay rehetra azo atao anefa ianao mba hampiofanana azy ireo, dia azo antoka kokoa hoe ho lasa naman’Andriamanitra izy any aoriana any.​—Ohab. 22:6.

MIANTEHERA AMIN’I JEHOVAH

18. Inona no ataon’i Jehovah mba hanampiana ny zanakao ho lasa namany?

18 Efa hatramin’izay i Jehovah no nanampy tanora be dia be mba ho lasa namany. (Sal. 22:9, 10) Raha te ho lasa namany koa ny zanakao, dia afaka manampy azy i Jehovah. (1 Kor. 3:6, 7) Na dia hoatran’ny hoe niala tamin’i Jehovah aza ny zanakao, dia mbola mitsinjo azy foana izy. (Sal. 11:4) Vonona handray azy izy raha vao mahita “toe-po tsara” ao aminy, na dia kely fotsiny aza. (Asa. 13:48; 2 Tan. 16:9) Mety hataon’i Jehovah izay hahatonga anao hilaza zavatra manohina ny fony amin’ny fotoana tena ilany an’izany. (Ohab. 15:23) Na mety hampirisika rahalahy na anabavy be fitiavana ao amin’ny fiangonana izy mba hikarakara azy manokana. Na efa olon-dehibe aza ny zanakao, dia mety hampahatsiahivin’i Jehovah azy izay nampianarina azy tamin’ny mbola kely. (Jaona 14:26) Hotahin’i Jehovah ianao, raha mampiofana ny zanakao amin’ny teny sy ny atao foana.

19. Nahoana ianao no matoky fa ankasitrahan’i Jehovah ianao?

19 Tsy miankina amin’ny safidy ataon’ny zanakao ny fitiavan’i Jehovah anao. Tia anao izy satria ianao tia azy. Raha mitaiza irery ny zanakao àry ianao, dia tadidio fa mampanantena i Jehovah hoe ho Ray ho azy ireo izy ary ho Mpiaro anao. (Sal. 68:5) Tsy azonao terena hanao safidy tsara ny zanakao. Ankasitrahan’i Jehovah anefa ianao raha miantehitra aminy sady manao izay tsara indrindra vitanao foana.

HIRA 134 Harena Nankinin’Andriamanitra Taminao ny Zanakao

a Handinika ny ohatr’i Eonika, maman’i Timoty, isika ato amin’ity lahatsoratra ity. Horesahintsika hoe inona no azon’ny renim-pianakaviana ianarana avy aminy, ary ahoana no azon’izy ireo anampiana ny zanany mba hahafantatra sy ho tia an’i Jehovah.

b Novana ny anarana sasany.

c Azonao jerena ny lesona 50 ao amin’ilay boky hoe Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! sy ilay lahatsoratra hoe “Hatsarao ny Fianaram-pianakavianao na ny Fianaranao Samirery” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Aogositra 2011, p. 6-7.