Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 18

Torohevitra Hanampy Anao Hifidy sy Hanatratra Tanjona

Torohevitra Hanampy Anao Hifidy sy Hanatratra Tanjona

“Eritrereto tsara ireo zavatra ireo, ary mifantoha tanteraka amin’izany, mba ho hitan’ny olona rehetra ny fandrosoanao.”​—1 TIM. 4:15.

HIRA 84 Vonona Aho!

HO HITANAO ATO a

1. Milazà tanjona azontsika tratrarina.

 TIA be an’i Jehovah isika, satria isika tena Kristianina. Rehefa manompo azy isika, dia ny tsara indrindra no tiantsika homena azy. Raha te hanatratra an’izay tsara indrindra azontsika atao ho an’i Jehovah anefa isika, dia mila mametraka tanjona. Ohatra hoe miezaka hanana toetra tsara, mianatra an’izay fahaizana ilaina, na mitady fomba hanampiana ny hafa.

2. Fa maninona isika no tokony hanana tanjona eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah ary hiezaka mafy hanatratra an’izany?

2 Fa maninona isika no tokony hiezaka handroso? Satria isika te hampifaly an’ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra. Izany no antony lehibe indrindra. Faly i Jehovah rehefa ampiasaintsika amin’ny fanompoana azy daholo ny fahaizantsika sy ny talentantsika. Te handroso koa isika, amin’izay afaka manampy kokoa an’ireo mpiara-manompo. (1 Tes. 4:9, 10) Mila miezaka ny handroso isika rehetra, na efa ela isika no tao amin’ny fahamarinana na tsia. Andao hojerentsika hoe ahoana no hanaovantsika an’izany.

3. Nampirisihin’ny apostoly Paoly hanao inona i Timoty, araka ny 1 Timoty 4:12-16?

3 Mbola tanora i Timoty nefa efa anti-panahy mahay, tamin’ny apostoly Paoly nanoratra an’ilay taratasy voalohany ho azy. Mbola nampirisika azy handroso foana anefa i Paoly. (Vakio ny 1 Timoty 4:12-16.) Rehefa mandinika ny tenin’i Paoly ianao, dia ho hitanao hoe nisy zavatra roa nasainy niezahan’i Timoty. Voalohany, nasainy niezaka hanana toetra tsara izy, ohatra hoe fitiavana sy finoana ary fahadiovana. Faharoa, nasainy nanatsara ny fahaizany izy, ohatra hoe ny fahaizany mamaky teny sy mandrisika ny hafa ary mampianatra. Andao isika izao handinika ny ohatr’i Timoty. Ho hitantsika amin’izany hoe nahoana no handroso kokoa isika raha mametraka tanjona azontsika tratrarina. Handinika fomba azontsika ampitomboana ny fanompoantsika koa isika.

MIEZAHA HANANA TOETRA TIAN’I JEHOVAH

4. Fa maninona i Timoty no azon’i Jehovah nampiasaina tsara, araka ny Filipianina 2:19-22?

4 Fa maninona i Timoty no azon’i Jehovah nampiasaina tsara? Satria nanana toetra tsara tena miavaka izy. (Vakio ny Filipianina 2:19-22.) Hitantsika tamin’ny tenin’i Paoly momba azy fa nanetry tena, tsy nivadika, nazoto niasa, ary azo nianteherana izy. Be fitiavana koa izy sady tena niahy ny mpiara-manompo. Tia an’i Timoty i Paoly vokatr’izany, sady tsy nisalasala nanankina andraikitra sarotra taminy. (1 Kor. 4:17) Hoatr’izany koa isika. Vao mainka isika ho tian’i Jehovah sy ho afaka hanampy kokoa ny fiangonana, raha miezaka hanana ny toetra tiany.​—Sal. 25:9; 138:6.

Mifidiana toetra iray tianao hohatsaraina (Fehintsoratra 5-6)

5. a) Ahoana no hahafantaranao an’izay toetra mila hatsarainao? b) Te hahay hangoraka kokoa ilay anabavy eo amin’ny sary. Ahoana no ataony mba hanatratrarana an’izany tanjona izany?

5 Mifidiana tanjona voafaritra tsara. Mivavaha amin’i Jehovah dia eritrereto hoe inona amin’ny toetranao no mila hatsaraina. Mifidiana toetra iray, dia iny aloha ifantohana. Maninona, ohatra, raha miezaka mangoraka kokoa, na miezaka mba hazoto kokoa hanampy ny mpiara-manompo? Sa ianao tokony hiezaka mba hahay hihavana sy hamela heloka kokoa? Azonao atao ny mangataka torohevitra amin’ny namanao akaiky.​—Ohab. 27:6.

6. Inona no azonao atao mba ho tsara toetra kokoa ianao?

6 Miezaha mafy hanatratra ny tanjonao. Ahoana no hanaovana an’izany? Afaka mianatra tsara momba an’ilay toetra tianao hatsaraina, ohatra, ianao. Andao hatao hoe te hamela heloka kokoa ianao. Maninona aloha raha mamaky sy misaintsaina tantaran’olona resahin’ny Baiboly hoe namela heloka, sy tantaran’olona resahin’ny Baiboly hoe nitana lolompo? Eritrereto i Jesosy. Vonona hamela ny heloky ny hafa izy. (Lioka 7:47, 48) Tsy nitadidy ny fahadisoan-dry zareo izy, fa nifantoka tamin’izay mety ho vitan-dry zareo. Ny Fariseo kosa tsy hoatr’izany fa “nanao tsinontsinona ny hafa.” (Lioka 18:9) Rehefa avy nisaintsaina an’ireo ohatra ireo ianao dia eritrereto izao: ‘Inona no tonga ao an-tsaiko rehefa mieritreritra ny olon-kafa aho? Inona amin’ny toetra tsarany no tiako hifantohana?’ Raha sarotra aminao ny mamela ny fahadisoan’ny olona iray, dia andramo izao: Soraty amin’ny taratasy ny toetra tsarany ary manorata betsaka araka izay azonao atao. Eritrereto avy eo hoe: ‘Ahoana izao no fahitan’i Jesosy azy? Mety hamela azy ve i Jesosy?’ Hanampy anao hanova ny fomba fisainanao izany. Tsy maintsy miady mafy angamba isika amin’ny voalohany, mba hamela an’izay nanao ny tsy nety tamintsika. Raha miezaka foana anefa isika, dia ho mora mamela heloka kokoa rehefa any aoriana any.

IANARO IZAY FAHAIZANA ILAINA

Maninona raha manolo-tena hianatra hikojakoja Efitrano Fanjakana? (Fehintsoratra 7) d

7. Nahoana ny Ohabolana 22:29 no mampiseho hoe mampiasa olona mahay i Jehovah amin’izao?

7 Azonao atao tanjona koa ny mianatra an’izay fahaizana ilaina. Eritrereto ange e! Be dia be ny mpiasa ilaina rehefa manorina Betela sy Efitrano Fivoriambe ary Efitrano Fanjakana. Maro amin’izy ireny no lasa nahay tsara an’ilay asa, satria niara-niasa tamina rahalahy sy anabavy efa ampy traikefa. Hita eo amin’ny sary, ohatra, hoe samy mianatra mikojakoja Efitrano Fivoriambe sy Efitrano Fanjakana daholo na ny rahalahy na ny anabavy. Mahavita zavatra miavaka i Jehovah Andriamanitra, ilay “Mpanjakan’ny mandrakizay”, sy Kristy Jesosy, ilay “Mpanjakan’ny mpanjaka”, rehefa mampiasa an’ireny olona mahay ireny. (1 Tim. 1:17; 6:15; vakio ny Ohabolana 22:29.) Tokony hiasa mafy sy hampiasa tsara ny fahaizantsika isika mba hanomezana voninahitra an’i Jehovah fa tsy ny tenantsika.​—Jaona 8:54.

8. Inona no hanampy anao hahita an’izay fahaizana tokony hiezahanao hananana?

8 Mifidiana tanjona voafaritra tsara. Inona no fahaizana tokony hiezahanao hananana? Anontanio ny anti-panahy ao amin’ny fiangonanareo hoe inona no eritreretin-dry zareo fa azonao iezahana. Azonao anontaniana koa angamba ny mpiandraikitra ny faritra. Ahoana, ohatra, raha milaza ry zareo hoe afaka miezaka ianao mba hahay handaha-teny kokoa sy hahay hampianatra kokoa? Asaivo faritan-dry zareo mazava tsara hoe inona ilay tokony hohatsarainao. Miezaha mafy avy eo mba hanatsara an’izany. Inona no azonao atao?

9. Inona no azonao atao mba hanatratrarana ny tanjonao?

9 Miezaha mafy hanatratra ny tanjonao. Andao hatao hoe te hahay hampianatra kokoa ianao. Maninona raha mianatra tsara an’ilay bokikely hoe Miezaha Hahay Hamaky Teny sy Hampianatra? Rehefa mahazo anjara amin’ny fivoriana andavanandro koa ianao, dia azonao atao ny miangavy rahalahy mahay mba hihaino mialoha an’ilay anjaranao sy hanome torohevitra anao. Tsy ampy anefa raha hoe mahay fotsiny no ahalalan’ny olona anao, fa miezaha koa mba ho azo ianteherana sy hazoto hiasa ary tsy hanao kitoatoa.​—Ohab. 21:5; 2 Kor. 8:22.

10. Milazà ohatra mampiseho hoe tokony hiezaka foana isika rehefa mianatra zavatra iray.

10 Ahoana raha efa tsy manavanana anao mihitsy ilay zavatra tianao ho hay? Aza kivy! Votsavotsa, ohatra, i Garry taloha rehefa namaky teny. Menatra be izy, indray mandeha, rehefa nanandrana namaky teny tao am-pivoriana. Tsy nilavo lefona anefa izy. Izao no nolazainy: “Noho ny fampiofanana azoko, dia lasa mahavita manao lahateny ao amin’ny Efitrano Fanjakana sy any amin’ny fivoriamben’ny faritra sy vondrom-paritra aho izao.”

11. Inona no hanampy antsika hahavita hiantsoroka andraikitra betsaka kokoa hoatran’i Timoty?

11 Lasa mpandahateny tena mahay na nahay nampianatra be ve i Timoty? Tsy miresaka an’izany ny Baiboly. Azo antoka anefa hoe lasa hainy kokoa ny niantsoroka ny andraikitra nankinina taminy, satria nanaraka ny torohevitr’i Paoly izy. (2 Tim. 3:10) Hoatr’izany koa isika. Hahavita hiantsoroka andraikitra betsaka kokoa isika, raha miezaka mampitombo ny fahaizantsika.

MITADIAVA HIRIKA HANAMPIANA OLON-KAFA

12. Ahoana no nanampian’ny olon-kafa anao?

12 Mandray soa isika rehetra rehefa misy manampy. Rehefa marary any amin’ny hopitaly, ohatra, ianao, dia faly erỳ rehefa tonga mitsidika anao ny anti-panahy anisan’ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly na ny Antokona Mpamangy Marary. Ary ahoana indray rehefa manana olana ianao? Maivamaivana erỳ ianao rehefa misy anti-panahy be fitiavana manokana fotoana hihainoana anao sy hampaherezana anao. Ary tadidinao ve hoe nisy fotoana ianao nila fanampiana tamina fampianarana Baiboly, dia nisy mpisava lalana mahay nanaiky hampianatra niaraka taminao sady nanome torohevitra anao? Azo antoka hoe tena nankasitraka azy ianao. Faly ireny rahalahy sy anabavy rehetra ireny fa afaka nanampy. Ho faly hoatran-dry zareo koa isika raha vonona hanampy ny hafa. Nilaza mantsy i Jesosy hoe: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asa. 20:35) Raha te hampitombo ny fanompoanao ianao, ka hanao an’ireo na zavatra hafa mitovitovy amin’ireo, dia inona no azonao atao mba hanatratraranao ny tanjonao?

13. Inona no tokony hotadidinao rehefa mametraka tanjona?

13 Tandremo sao mametraka tanjona amin’ny ankapobeny fotsiny. Mety hieritreritra, ohatra, ianao hoe: ‘Te hanampy kokoa ny fiangonana aho.’ Mety ho sarotra anefa ny hamantatra hoe ahoana no hanatratrarana an’izany tanjona izany, ary mety tsy ho hainao mihitsy hoe oviana ilay izy no tratra. Tanjona mazava sy voafaritra tsara àry fidina! Azonao soratana mihitsy aza ny tanjonao sy ny fomba hanatratraranao an’ilay izy.

14. Nahoana isika no tokony ho vonona hanova ny tanjontsika arakaraka ny zava-misy?

14 Mila manova tanjona isika indraindray. Nahoana? Satria isika tsy afaka mifehy ny zava-mitranga rehetra eo amin’ny fiainantsika. Eritrereto ny apostoly Paoly. Vao niforona ny fiangonana tany Tesalonika tamin’izay, ary anisan’ny nandray anjara tamin’izany izy. Azo antoka hoe te hijanona tany izy, dia hanampy an’ireo Kristianina vaovao ireo. Tsy maintsy niala tany anefa i Paoly satria nisy nanohitra. (Asa. 17:1-5, 10) Raha nijanona mantsy izy, dia nety ho nampidi-doza ny mpiara-manompo izany. Vonona hanampy foana anefa izy. Novany fotsiny ny fomba nanaovany an’izany. Naniraka an’i Timoty izy, tatỳ aoriana, mba hampahery an’ireo mpiara-manompo tany Tesalonika ireo. (1 Tes. 3:1-3) Tsy maintsy hoe faly be izao ny Tesalonianina, satria vonona handeha tany amin’izay nilana fanampiana i Timoty.

15. Misy vokany eo amin’ny tanjontsika ve ny zava-mitranga sasany eo amin’ny fiainana? Manomeza ohatra.

15 Afaka mianatra avy amin’izay nahazo an’i Paoly tany Tesalonika isika. Mety hiezaka hahazo tombontsoam-panompoana isika, nefa tsy afa-manoatra noho ny zava-misy eo amin’ny fiainana. (Mpito. 9:11) Raha izany no mitranga, dia mifidiana tanjona hafa azonao tratrarina. Izany no nataon’ny mpivady iray antsoina hoe Ted sy Hiedi. Tsy afaka nanompo tao amin’ny Betela intsony ry zareo satria tsy salama. Tia an’i Jehovah anefa ry zareo dia nitady fomba hafa hampitomboana ny fanompoany. Nanao mpisava lalana maharitra izy mivady tamin’ny voalohany, dia voatendry ho mpisava lalana manokana tatỳ aoriana. Nampiofanina ho mpiandraikitra ny faritra mpisolo toerana koa i Ted. Novan’ny fandaminana indray anefa ny fepetra takina ho an’ny mpiandraikitra ny faritra. Hitan’izy mivady àry hoe efa mihoatra an’ilay taona notakina ry zareo, dia tsy ho afaka hanao an’io fanompoana io. Marina fa diso fanantenana izy roa, nefa niaiky hoe mbola misy fomba hafa azon’izy ireo anompoana an’i Jehovah. Izao no nolazain’i Ted: “Nianaranay tamin’ny zavatra niainanay hoe tsy iray ihany ny karazana fanompoana azonay atao.”

16. Inona no ianarantsika avy amin’ny Galatianina 6:4?

16 Tsy ho voafehintsika daholo ny zava-mitranga eo amin’ny fiainana. Mila tadidintsika àry hoe tsy ny tombontsoam-panompoana ananantsika no mahatonga antsika ho sarobidy eo imason’i Jehovah. Tsy tokony hampitaha ny tenantsika amin’ireo manana tombontsoam-panompoana tsy ananantsika koa isika. Izao no nolazain’i Hiedi: “Tsy ho faly intsony ianao raha mampitaha ny fiainanao amin’ny an’ny hafa.” (Vakio ny Galatianina 6:4.) Aleo àry mitady fomba hanampiana ny hafa sy hanompoana an’i Jehovah. b Tena zava-dehibe izany!

17. Inona no azonao atao raha te hahafeno fepetra amina tombontsoam-panompoana iray ianao?

17 Mba te hahazo tombontsoam-panompoana ve ianao? Miezaha foana àry hanatsotra ny fiainanao ary aza mitrosa tsy amin’antony. Mifidiana tanjona kely kokoa, mba hanampy anao hanatratra an’ilay tena tanjonao. Raha te ho mpisava lalana maharitra, ohatra, ianao, dia miezaha hanao mpisava lalana mpanampy mitohy. Ahoana indray raha te ho mpikarakara fiangonana ianao? Miezaha hanompo bebe kokoa sy hitsidika an’ireo marary sy zokiolona ao amin’ny fiangonanareo. Tsy hampoizinao ny tombontsoam-panompoana mety ho azonao any aoriana any, raha dieny izao ianao dia efa miezaka hanana an’ireo traikefa ireo. Ataovy tsara fotsiny izay fanendrena azonao amin’izao.​—Rom. 12:11.

Mifidiana tanjona voafaritra tsara azonao tratrarina (Fehintsoratra 18) e

18. Inona no ianaranao avy amin’i Beverley, araka ny aseho eo amin’ny sary?

18 Tsy misy olona antitra loatra, ka hoe tsy afaka mifidy sy manatratra tanjona eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Eritrereto ny Ranabavy Beverley. Efa 75 taona izy izao, ary marary be ka tsy tena afaka mandeha. Tena te handray anjara betsaka amin’ny ezaka manokana hizarana fanasana Fahatsiarovana anefa izy. Dia inona no nataony? Nametraka tanjona voafaritra tsara izy. Faly be izy rehefa tratrany ilay tanjona. Nandrisika ny hafa hazoto hanompo ny ezaka nataony. Sarobidy amin’i Jehovah ny fanompoan’ireny rahalahy sy anabavintsika be taona ireny, na dia voafetra ihany aza ny azon’izy ireny atao.​—Sal. 71:17, 18.

19. Inona ny tanjona sasany azontsika tratrarina?

19 Tanjona azonao tratrarina fidina. Miezaha hanana toetra hahatonga an’i Jehovah ho vao mainka tia anao. Miezaha hanana fahaizana hahatonga anao ho azon’Andriamanitra sy ny fandaminany ampiasaina bebe kokoa. Mitadiava fomba hafa azonao anampiana ny mpiara-manompo. c Hitahy anao hoatran’ny nataony tamin’i Timoty i Jehovah, ka “ho hitan’ny olona rehetra ny fandrosoanao.”​—1 Tim. 4:15.

HIRA 38 Izy no Hampahery Anao

a Tena nahay nitory ny vaovao tsara i Timoty. Mbola nampirisika azy hiezaka handroso foana anefa ny apostoly Paoly. Rehefa nanaraka ny torohevitr’i Paoly izy, dia lasa azon’i Jehovah nampiasaina bebe kokoa, ary nahavita nanampy kokoa ny mpiara-manompo. Ary ianao? Vonona hanao hoatran’i Timoty ve ianao, ka hampitombo ny fanompoanao sy hanampy kokoa ny mpiara-manompo? Azo antoka izany. Inona àry ny tanjona hanampy anao hahavita an’izany? Ary inona no tokony hataonao raha te hifidy tanjona sy hanatratra an’izany ianao?

b Jereo ilay hoe “Manitatra faritany” ao amin’ny boky Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah, toko 10, feh. 6-9.

c Jereo ilay hoe “Miezaha Handroso Foana” ao amin’ny boky Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!, lesona 60.

d SARY: Rahalahy mampiofana anabavy roa hikojakoja trano ampiasain’ny fandaminana. Mampiasa ny fahaizany izy mirahavavy avy eo.

e SARY: Anabavy iray mitory an-telefaonina satria tsy afaka mivoaka ny trano. Manasa olona hanatrika Fahatsiarovana izy.