Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Raha misy Kristianina misaraka amin’ny vadiny noho ny antony tsy araka ny Soratra Masina ka manambady olon-kafa, dia ahoana no tokony hiheveran’ny fiangonana an’ilay fanambadiana teo aloha sy ilay fanambadiana vaovao?

Raha izany no izy, dia hihevitra ny fiangonana hoe efa rava ilay fanambadiana teo aloha, fa ilay vaovao indray no manan-kery. Nahoana isika no milaza an’izany? Andao isika handinika an’izay nolazain’i Jesosy momba ny fisaraham-panambadiana sy ny fanambadiana olon-kafa indray.

Antony iray ihany no ahafahana misara-panambadiana, araka ny noresahin’i Jesosy ao amin’ny Matio 19:9. Izao no voalaza ao: “Izay lehilahy misaraka amin’ny vadiny ka manambady olon-kafa, dia manitsakitsa-bady, raha tsy hoe noho ny fijangajangana ihany angaha no antony isarahany.” Hitantsika amin’io tenin’i Jesosy io hoe 1) ny fijangajangana ihany no antony araka ny Soratra Masina ahafahana misara-panambadiana. Ary 2) manitsakitsa-bady ny lehilahy iray raha misaraka amin’ny vadiny noho ny antony tsy araka ny Soratra Masina, dia avy eo manambady olon-kafa. a

Te hilaza ve i Jesosy hoe avelan’ny Soratra Masina manambady indray ny lehilahy iray nijangajanga dia avy eo nisaraka tamin’ny vadiny? Tsy voatery. Raha nanitsakitsaka ny vadiny ny olona iray, dia ilay vady tsy manan-tsiny no manapa-kevitra raha hamela azy izy na tsia. Raha tsy mamela ny vadiny izy ka nisaraka ara-dalàna ry zareo, dia samy afaka manambady olon-kafa na ilay lehilahy na ilay vehivavy rehefa vita tanteraka ilay fisaraham-panambadiana.

Andao hatao hoe te hiaro ny fanambadian’izy ireo ilay vehivavy, ary vonona hamela an’ilay vadiny. Ahoana anefa raha tsy manaiky ilay lehilahy, fa mangataka fisaraham-panambadiana ara-dalàna, na dia tsy te hanao an’izany aza ilay vehivavy? Tsy avelan’ny Soratra Masina manambady olon-kafa izy, satria vonona hamela azy ilay vehivavy sady mbola te ho vadiny foana. Raha misisika manao zavatra tsy araka ny Soratra Masina anefa ilay lehilahy, ka manambady olon-kafa nefa tsy avelan’ny Soratra Masina manao an’izany, dia manitsakitsa-bady indray izy. Tokony hanangana komity mpitsara indray àry ny anti-panahy mba handaminana an’ilay raharaha.​—1 Kor. 5:1, 2; 6:9, 10.

Raha manambady olon-kafa ny lehilahy iray nefa tsy avelan’ny Soratra Masina manao an’izany, dia ahoana no tokony hiheveran’ny fiangonana an’ilay fanambadiana teo aloha sy ilay vaovao? Mbola tsy rava ve ilay fanambadiana teo aloha, raha ny Soratra Masina no jerena? Mbola afaka manapa-kevitra ve ilay vady tsy manan-tsiny hoe hamela ny vadiny na tsia? Azo raisina hoe mijangajanga ve ilay mpivady vao?

Nihevitra ny fiangonana taloha hoe mijangajanga ilay mpivady vao raha mbola velona ilay vady tsy manan-tsiny, mbola tsy manambady, ary tsy meloka ho nijangajanga. Tsy niresaka an’ilay vady tsy manan-tsiny anefa i Jesosy, rehefa nanazava momba ny fisaraham-panambadiana sy ny fanambadiana olon-kafa. Ny nohazavainy kosa dia hoe manitsakitsa-bady izay lehilahy misaraka amin’ny vadiny noho ny antony tsy araka ny Soratra Masina, dia avy eo manambady olon-kafa. Rava ilay fanambadiana teo aloha noho izany.

“Izay lehilahy misaraka amin’ny vadiny ka manambady olon-kafa, dia manitsakitsa-bady, raha tsy hoe noho ny fijangajangana ihany angaha no antony isarahany.”​—Mat. 19:9

Tsy afaka mifidy intsony ilay vehivavy tsy manan-tsiny hoe hamela ny vadiny sa tsia, raha nisaraka taminy ilay lehilahy ary manambady olon-kafa indray. Tsy voatery handray an’izany fanapahan-kevitra sarotra izany intsony izy. Ny fiheveran’ny fiangonana an’ilay fanambadiana vaovao koa, dia tsy miankina amin’izay mitranga amin’ilay vady tsy manan-tsiny, ohatra hoe maty izy, na manambady indray, na voaheloka ho nijangajanga. b

Hitantsika tamin’ilay ohatra teo aloha hoe nanitsakitsa-bady ilay lehilahy, dia izay no nahatonga an’ilay fisaraham-panambadiana. Ahoana anefa raha tsy nanitsakitsa-bady ilay lehilahy, nefa nisaraka tamin’ny vadiny dia avy eo nanambady olon-kafa? Na ahoana raha efa nisaraka izy mivady vao nijangajanga izy, dia avy eo nanambady olon-kafa na dia vonona ny hamela azy aza ny vadiny? Rava ilay fanambadiana teo aloha amin’ireo ohatra ireo, satria nisara-panambadiana ilay lehilahy ka nanitsakitsa-bady noho izy nanambady olon-kafa. Ara-dalàna eo anatrehan’ny fanjakana kosa ilay fanambadiana vaovao. Izao no nolazain’ny Tilikambo Fiambenana 15 Mey 1980, pejy 31: ‘Rehefa nanambady fanindroany izy dia tsy afaka miverina amin’ny [vadiny] taloha [intsony]; tapaka tamin’ny fisaraham-panambadiana sy fanitsakitsaham-bady ary fanambadiana fanindroany ilay fanambadiana teo aloha.’

Tsy hoe manamaivana ny fahamasinan’ny fanambadiana akory io fanitsiana io, na hoe manao tsinontsinona ny fanitsakitsaham-bady. Tokony hananganana komity mpitsara ny lehilahy iray satria nanitsakitsa-bady, raha ohatra ka misaraka amin’ny vadiny noho ny antony tsy araka ny Soratra Masina dia avy eo nanambady olon-kafa, na dia tsy avelan’ny Soratra Masina manao an’izany aza. (Raha Kristianina ilay nalainy ho vady, dia tokony hananganana komity mpitsara koa izy, satria nijangajanga.) Na dia tsy raisina hoe mijangajanga aza izy roa, dia mbola tsy mahafeno fepetra hahazo tombontsoam-panompoana manokana eo anivon’ny fiangonana ihany ilay lehilahy mandritra ny taona maro. Tsy hahazo an’izany koa izy raha mbola sosotra tamin’ny zavatra nataony ny olona, na mbola mieritreritra hoe tsy mendrika ny hohajaina izy. Tsy maintsy eritreretina koa izay mahazo an’ilay vadiny taloha, izay mety hoe niharan’ny tsy rariny, sy ireo zanany tsy ampy taona, izay nilaozan’ilay rangahy.​—Mal. 2:14-16.

Hitantsika teo fa ratsy be ny vokany raha misara-panambadiana noho ny antony tsy araka ny Soratra Masina ny olona iray, ary manambady olon-kafa. Hendry àry ny Kristianina raha miezaka hitovy hevitra amin’i Jehovah, ka hihevitra ny fanambadiana ho masina.​—Mpito. 5:4, 5; Heb. 13:4.

a Mba hanatsorana an’ilay fanazavana dia natao hoe ilay lehilahy no manitsakitsa-bady ato amin’ity lahatsoratra ity, ary ilay vehivavy no vady tsy manan-tsiny. Araka ny Marka 10:11, 12 anefa dia nataon’i Jesosy mazava tsara hoe mihatra amin’ny lehilahy sy vehivavy ny toroheviny.

b Fanitsiana ny fanazavana taloha izany. Nieritreritra isika taloha hoe mijangajanga foana ilay mpivady vao, raha mbola velona ilay vady tsy manan-tsiny, mbola tsy manambady, na tsy meloka ho nijangajanga.