Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 15

‘Modely Amin’ny Teny’ ve Ianao?

‘Modely Amin’ny Teny’ ve Ianao?

“Miezaha ... ho modely ho an’ny olona tsy mivadika, amin’ny teny.”​—1 TIM. 4:12.

HIRA 90 Andao Isika Hifampahery

HO HITANAO ATO a

1. Avy amin’iza ny fahaizantsika miteny?

 AVY amin’ilay Andriamanitsika be fitiavana ny fahaizantsika miteny. Vao noforonina i Adama, ilay olombelona voalohany, dia efa afaka nifampiresaka tamin’ilay Rainy any an-danitra. Afaka namorona teny vaovao koa izy. Izany no nahatonga azy ho afaka hamita ny asa nanendrena azy, izany hoe ny hanome anarana ny biby rehetra. (Gen. 2:19) Tsy maintsy hoe faly be koa izy tamin’izy niresaka voalohany tamin’ny olombelona hafa ankoatra azy. Nomen’i Jehovah vady tsara tarehy mantsy izy. Eva no anarany.​—Gen. 2:22, 23.

2. Inona no mampiseho hoe misy tsy mahay mampiasa ny fahaizany miteny, na taloha na amin’izao?

2 Nampiasa ny fahaizany miteny tamin’ny fomba ratsy i Satana Devoly, tsy ela taorian’izay. Nandainga tamin’i Eva mantsy izy, ary iny lainga iny no nahatonga ny olombelona ho lasa mpanota sy tsy lavorary. (Gen. 3:1-4) Tsy nahay nampiasa tsara ny fahaizany miteny koa i Adama. Rehefa nanao fahadisoana mantsy izy, dia nanilika an’izany tany amin’i Eva. Na i Jehovah aza nomeny tsiny! (Gen. 3:12) Nandainga tamin’i Jehovah koa i Kaina rehefa avy namono an’i Abela rahalahiny. (Gen. 4:9) Namorona tononkalo ny lehilahy iray antsoina hoe Lameka tatỳ aoriana. Taranak’i Kaina izy io. Hita tamin’ilay tononkalo hoe tena nahery setra ny olona tamin’izany. (Gen. 4:23, 24) Ary hoatran’ny ahoana amin’izao? Tsy menatra miteny ratsy eny imasom-bahoaka ny mpanao politika. Sarotra be koa ny mahita fialam-boly tsy misy olona manompa na miteniteny foana. Tsy izay ihany fa maheno teny ratsy ny ankizy rehefa any am-pianarana, dia hoatr’izany koa ny olon-dehibe rehefa any am-piasana. Mampalahelo fa ireny teniteny tsy manjary ireny no ahitana hoe miharatsy fitondran-tena ny olona manodidina antsika ary miharatsy koa ny zavatra lazainy.

3. Inona no tokony hotandremantsika, ary inona no hodinihintsika ato?

3 Inona no ho vokany raha zatra maheno olona miteniteny foana isika? Raha tsy mitandrina isika, dia mety hanahaka azy ireny koa. Mazava ho azy aloha fa tsy hiteny ratsy mihitsy isika Kristianina, satria te hampifaly an’i Jehovah. Tsy ampy anefa izany! Tiantsika hampiasaina tsara koa ilay fahaizana miteny nomen’Andriamanitra antsika, izany hoe mba hiderana azy. Hodinihintsika ato àry hoe ahoana no azontsika anaovana an’izany 1) eny amin’ny fanompoana, 2) any am-pivoriana, ary 3) amin’ny resaka ataontsika andavanandro. Andao anefa aloha hojerentsika hoe nahoana no zava-dehibe amin’i Jehovah izay lazaintsika.

ZAVA-DEHIBE AMIN’I JEHOVAH IZAY LAZAINTSIKA

Inona no mameno ny fonao rehefa jerena ny zavatra lazainao? (Fehintsoratra 4-5) d

4. Nahoana i Jehovah no liana amin’ny resaka ataontsika, araka ny Malakia 3:16?

4 Vakio ny Malakia 3:16. Resahin’io andinin-teny io hoe misy anaran’olona soratan’i Jehovah ao anaty “boky fahatsiarovana”, satria hita amin’ny resaka ataon’izy ireo fa matahotra azy sy misaintsaina ny anarany izy ireo. Fa maninona i Jehovah no manao an’izany, araka ny hevitrao? Satria mampiseho ny any am-pontsika izay teny lazaintsika. Hoy i Jesosy: “Izay mameno ny fon’ny olona no lazain’ny vavany.” (Mat. 12:34) Hita amin’ny tenintsika àry raha tena tia an’i Jehovah isika na tsia. Tian’i Jehovah hiaina mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovao izay tia azy.

5. a) Inona no manaporofo hoe mifandray ny fanompoantsika sy izay lazaintsika? b) Araka ny aseho eo amin’ny sary, inona no tsy tokony hataontsika raha tiantsika hampifaly an’i Jehovah ny zavatra lazaintsika?

5 Hita amin’ny fomba firesatsika raha ankasitrahan’i Jehovah ny fanompoantsika azy na tsia. (Jak. 1:26) Masiaka fiteny sy manta vava ary mirehareha ny olona sasany tsy tia an’Andriamanitra. (2 Tim. 3:1-5) Tsy te ho hoatran’ireny olona ireny mihitsy isika. Tiantsika kosa raha mampifaly an’i Jehovah ny zavatra lazaintsika. Ahoana anefa raha tsara fanahy sy manaja tsara isika rehefa any am-pivoriana sy eny amin’ny fanompoana, fa masiaka sy ratsy fanahy kosa ao an-trano rehefa miresaka amin’ny fianakaviantsika? Hahafaly an’i Jehovah ve izany?​—1 Pet. 3:7.

6. Inona no vokany rehefa nitandrina tsara an’izay nolazainy i Kimberly?

6 Hita hoe mpanompon’i Jehovah isika, rehefa ampiasaintsika tsara ny fahaizana miteny nomeny antsika. Lasa miharihary amin’ny mpiara-belona amintsika mantsy hoe hafa mihitsy ny olona “manompo an’Andriamanitra” fa tsy hoatran’ny olona “tsy manompo azy.” (Mal. 3:18) Izany no nitranga tamin’ny anabavy antsoina hoe Kimberly. b Nasaina nanomana famelabelarana niaraka tamin’ny mpiara-mianatra taminy izy, indray mandeha. Rehefa avy niaraka nanao an’ilay izy izy roa vavy, dia tsikaritr’ilay mpiara-mianatra taminy hoe tsy hoatran’ny ankizy hafa i Kimberly. Tsy mifosafosa olona mantsy izy, fa zavatra tsara foana no resahiny. Tsy niteny ratsy mihitsy koa izy. Nahaliana an’ilay mpiara-mianatra taminy izany, dia nanaiky hianatra Baiboly izy tatỳ aoriana. Faly be izao i Jehovah mahita hoe mahatonga ny olona ho liana amin’ny fahamarinana ny zavatra lazaintsika!

7. Tianao hanao ahoana ny fomba firesakao?

7 Tiantsika rehetra raha manome voninahitra an’i Jehovah ny fomba firesatsika, sady mahatonga antsika hifandray akaiky kokoa amin’ny mpiara-manompo. Andao àry isika handinika hevitra sasany azontsika ampiharina mba ‘ho modely amin’ny teny’ foana isika.

REHEFA ENY AMIN’NY FANOMPOANA

Faly i Jehovah rehefa tsara fanahy isika eny amin’ny fanompoana (Fehintsoratra 8-9)

8. Ahoana no tokony hampiasantsika ny fahaizantsika miteny rehefa manompo, raha jerena ny ohatr’i Jesosy?

8 Miezaha ho tsara fanahy sy hanaja foana na dia misy mampahatezitra anao aza. Nendrikendrehin’ny olona i Jesosy nandritra ny fanompoany tetỳ an-tany. Nolazaina hoe mamo lava izy, tendan-kanina, mpiara-miasa amin’ny Devoly, ary mpandika ny Sabata. Nolazaina koa aza hoe mpanevateva an’Andriamanitra izy. (Mat. 11:19; 26:65; Lioka 11:15; Jaona 9:16) Tsy nasiaka tamin-dry zareo mihitsy anefa i Jesosy. Tokony hanahaka azy koa isika rehefa misy olona masiaka amintsika. (1 Pet. 2:21-23) Tsy mora aloha ny mifehy tena hoatr’izany e! (Jak. 3:2) Inona anefa no afaka manampy antsika?

9. Inona no hanampy antsika hitandrina an’izay lazaintsika rehefa eny amin’ny fanompoana?

9 Miezaha mba tsy ho tezitra rehefa masiaka aminao ny olona itorianao. Hoy ny rahalahy antsoina hoe Sam: “Ataoko an-tsaina foana hoe mila maheno ny fahamarinana ilay olona, ary mbola afaka miova izy.” Sorena ny olona indraindray satria fotsiny hoe tsy nety ny fotoana nahatongavantsika tany aminy. Rehefa sendra olona tezitra isika, dia afaka manao hoatran’ny Ranabavy Lucia. Manao vavaka fohy izy, dia mangataka amin’i Jehovah mba hampiany ho tony sy ho tsara fanahy ary hanaja foana.

10. Inona no tokony ho tanjontsika, araka ny 1 Timoty 4:13?

10 Miezaha hahay hampianatra kokoa. Efa mpitory mahay i Timoty, nefa na izy aza mbola nila niezaka hahay hampianatra kokoa. (Vakio ny 1 Timoty 4:13.) Mila manao hoatr’azy isika. Inona àry no hanampy antsika hahavita an’izany? Tsy maintsy manomana tsara isika. Soa ihany isika fa manana fitaovana isan-karazany afaka manampy antsika hahay hampianatra kokoa. Anisan’izany ilay bokikely hoe Miezaha Hahay Hamaky Teny sy Hampianatra, sy ilay fizarana hoe “Fampiofanana Amin’ny Fanompoana” ao amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana. Mampiasa tsara an’ireo ve ianao? Rehefa manomana tsara isika, dia tsy hatahotra be intsony ary hatoky tena kokoa rehefa miresaka.

11. Inona no nanampy ny Kristianina sasany hahay hampianatra kokoa?

11 Tsy izay ihany, fa hahay hampianatra kokoa isika raha mandinika an’izay ataon’ny olon-kafa ao amin’ny fiangonana sy mianatra avy amin’izy ireny. Izany no nataon’i Sam, ilay voaresaka tetsy aloha. Eritreretiny hoe inona no mahatonga ny Kristianina sasany hahay hampianatra. Mianatra ny teknikan-dry zareo izy avy eo, dia miezaka hanahaka azy ireny. Ny anabavy antsoina hoe Linda indray mihaino tsara hoe ahoana no ataon’ny mpandahateny mahay rehefa manazava hevitra mandritra ny lahateny. Lasa mahay mamaly ny fanontaniana fametraky ny olona eny amin’ny faritany àry izy.

REHEFA ANY AM-PIVORIANA

Midera an’i Jehovah isika rehefa mihira amin’ny fo any am-pivoriana (Fehintsoratra 12-13)

12. Inona no sarotra amin’ny rahalahy sy anabavy sasany?

12 Mahafinaritra sy mampahery ny fivoriana rehefa mihira daholo isika, sady samy manome valin-teny voaomana tsara. (Sal. 22:22) Sarotra amin’ny rahalahy sy anabavy sasany anefa ny mihira, na ny miteny eny imason’olona. Hoatr’izany ve ianao? Raha izany, dia mety ho tianao ny hahafantatra hoe inona no nanampy ny olon-kafa tsy hatahotra intsony.

13. Inona no hanampy anao hihira amin’ny fo rehefa any am-pivoriana?

13 Mihirà amin’ny fo. Inona no antony lehibe indrindra mahatonga antsika hihira rehefa any am-pivoriana? Te hidera an’i Jehovah isika. Milaza ny anabavy antsoina hoe Sara fa tsy tena mahay mihira izy. Na izany aza, dia te hihira izy mba hiderana an’i Jehovah. Ahoana àry no nataony? Rehefa manomana fivoriana izy dia omaniny koa ny hira, hoatran’ny anjara hafa rehetra. Averimberiny hiraina ilay izy, dia ezahiny fantarina hoe inona no ifandraisan’ny tonon’ilay izy sy ny hevitra hodinihina mandritra an’ilay fivoriana. Izao no nolazainy: “Manampy ahy hifantoka amin’ny hevitra tian’ilay hira hampitaina izany, fa tsy amin’ilay izaho tsy mahay mihira.”

14. Inona no hanampy anao hanome valin-teny raha saro-kenatra ianao?

14 Miezaha foana hanome valin-teny. Marina aloha hoe tena sarotra amin’ny olona sasany izany. Izao no nolazain’i Linda, ilay voaresaka tetsy aloha: “Tsy mahazo aina aho rehefa eny imason’olona. Tsy misy mahatsikaritra anefa izany satria tony foana ny feoko. Lasa sarotra amiko àry ny manome valin-teny.” Na izany aza, dia miezaka manome valin-teny foana i Linda. Rehefa manomana fivoriana izy, dia iezahany tadidina hoe tokony hanome valin-teny fohy sy mivantana izay mamaly voalohany. Hoy izy: “Midika izany fa tsy maninona ny valin-teniko na dia fohy sy tsotra ary mivantana aza. Hoatr’izany ihany mantsy ny valin-teny andrasan’ilay mpitarika.”

15. Inona no tokony hotadidintsika momba ny valin-teny omentsika?

15 Mbola tsy sahy manome valin-teny ihany anefa ny Kristianina sasany, na dia tsy saro-kenatra aza. Fa maninona? Izao nohazavain’ny anabavy antsoina hoe Juliette: “Misalasala hamaly aho indraindray, satria matahotra aho hoe tsotra loatra na tsy tena tsara ilay valin-teny tiako homena.” Tadidio anefa hoe izay valin-teny tsara indrindra azonao omena fotsiny no andrasan’i Jehovah aminao. c Tena faly izy hoe tapa-kevitra ny hidera azy ianao rehefa any am-pivoriana, na dia matahotra aza.

REHEFA MIRESAKA ANDAVANANDRO

16. Zavatra hoatran’ny ahoana no tsy tokony holazaintsika?

16 Mitandrema amin’ny karazana “fanevatevana” rehetra. (Efes. 4:31) Efa hitantsika teo hoe tsy tokony hiteny ratsy mihitsy ny Kristianina. Misy karazana fanevatevana tsy tena mivantana anefa tokony hitandremantsika koa. Mila mitandrina, ohatra, isika sao manaratsy olona avy any amin’ny kolontsaina, na foko, na firenena hafa. Tsy izay ihany, fa tsy tokony hilaza zavatra mandratra fo koa isika. Niaiky an’izao ny rahalahy iray: “Mieritreritra aho indraindray hoe mampihomehy ilay zavatra nolazaiko sady tsy mampaninona, nefa hay ilay izy tena maneso sady mandratra fo. Nanampy be ahy foana ny vadiko nandritra an’izay taona maro izay. Teneniny mitokana mantsy aho rehefa mivantambantana ny zavatra lazaiko, sady mandratra ny fony sy ny an’ny olon-kafa.”

17. Inona no tokony hataontsika raha te hampahery ny hafa isika, araka ny Efesianina 4:29?

17 Ataovy mampahery foana ny zavatra lazainao. Aza maika hanakiana na himenomenona, fa miezaha hidera ny hafa foana. (Vakio ny Efesianina 4:29.) Zatra nimenomenona ny Israelita, na dia be dia be aza ny zavatra azon-dry zareo nisaorana an’i Jehovah. Mora mifindra ny toe-tsaina hoatr’izany. Lasa “nimenomenona tamin’i Mosesy”, ohatra, “ny Israelita rehetra” rehefa naheno tatitra ratsy avy amin’ireo mpitsikilo folo. (Nom. 13:31–14:4) Mahavita zavatra tsara kosa ny olona iray rehefa mahazo teny fiderana. Eritrereto ny zanakavavin’i Jefta. Azo antoka hoe nanampy azy hahavita ny fanompoany ny teny fiderana avy amin’ny ankizivavy namany. (Mpits. 11:40) Izao no nolazain’i Sara, ilay voaresaka terỳ aloha: “Rehefa midera ny anadahy sy rahavavy isika, dia manampy an-dry zareo hahatsapa hoe tian’i Jehovah izy ary tian’ny mpiara-manompo koa.” Maninona àry raha mitady hirika hiderana ny olon-kafa?

18. Nahoana isika no tsy maintsy milaza ny marina, araka ny Salamo 15:1, 2? Inona no tafiditra amin’izany?

18 Miezaha hilaza ny marina foana. Tsy afaka ny hampifaly an’i Jehovah isika raha tsy milaza ny marina. Halany mantsy ny karazana lainga rehetra. (Ohab. 6:16, 17) Miezaka ny hitovy hevitra aminy foana isika, na dia betsaka aza ny olona mieritreritra hoe tsy mampaninona ny mandainga. (Vakio ny Salamo 15:1, 2.) Mazava ho azy fa tsy hoe milaza ny marina fotsiny isika, fa tsy ataontsika koa izay hahatonga ny olon-kafa hieritreritra zavatra diso.

Ankasitrahan’i Jehovah isika raha manova resaka, rehefa mitady hivadika ho fifosana ilay izy (Fehintsoratra 19)

19. Tokony hitandrina amin’ny inona koa isika?

19 Mitandrema sao mifosafosa. (Ohab. 25:23; 2 Tes. 3:11) Nilaza i Juliette, ilay voaresaka tetsy aloha, hoe nisy vokany ratsy taminy ireny. Hoy izy: “Mahakivy ny maheno olona mifosafosa sady lasa tsy atokisako intsony ilay olona manao an’izany. Ahoana moa no hahalalako raha tsy mifosa an’ahy koa izy any ambadimbadika any?” Ovao haingana àry ny resaka raha vao hitanao hoe mitady hivadika ho fifosana.​—Kol. 4:6.

20. Tapa-kevitra ny hanao inona ianao?

20 Feno olona miteny ratsy sy manao resaka tsy mampahery manodidina antsika. Tsy maintsy miezaka mafy àry isika mba hankasitrahan’i Jehovah izay lazaintsika. Tadidio hoe fanomezana avy aminy ny fahaizana miteny ary zava-dehibe aminy ny fomba ampiasantsika azy io. Hotahiny isika raha mitandrina tsara an’izay lazaintsika rehefa eny amin’ny fanompoana sy any am-pivoriana ary amin’ny resaka ataontsika andavanandro. Rehefa ringana izao tontolo ratsy izao, dia ho mora kokoa amintsika ny hanome voninahitra an’i Jehovah amin’ny teny lazaintsika. (Joda 15) Mandra-pahatongan’izany anefa, dia ataovy izay hahatonga ny ‘teny aloaky ny vavanao’ hampifaly an’i Jehovah.​—Sal. 19:14.

HIRA 121 Mila Mifehy Tena Isika

a Nomen’i Jehovah fanomezana tsara be isika, satria nataony mahay miteny. Mampalahelo anefa fa tsy mampiasa tsara an’io fanomezana io ny ankamaroan’ny olona. Inona àry no azontsika atao mba hampahery sy hankasitrahan’i Jehovah foana ny teny lazaintsika, na dia tsy manao hoatr’izany aza ny manodidina antsika? Inona koa no azontsika atao mba hampifaly an’i Jehovah izay lazaintsika rehefa manompo isika, rehefa mivory, ary rehefa mifampiresaka amin’ny olona? Hamaly an’ireo isika ato.

b Novana ny anarana sasany.

c Raha mila fanazavana fanampiny momba ny valin-teny ianao, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Miderà An’i Jehovah Rehefa any Am-pivoriana”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana Janoary 2019.

d SARY: Tezitra ny olona itorian’ny rahalahy iray dia tezitra koa izy; rahalahy iray tsy mihira mandritra ny fivoriana; anabavy mifosafosa.