LAHATSORATRA FIANARANA 25

Mitahy An’izay Mamela Heloka i Jehovah

Mitahy An’izay Mamela Heloka i Jehovah

“Namela tanteraka ny helokareo i Jehovah, ka mba manaova hoatr’izany koa ianareo.”​—KOL. 3:13.

HIRA 130 Andao Hifamela

HO HITANAO ATO *

1. Inona ny toky omen’i Jehovah ho an’ny mpanota mibebaka?

 MPAMORONA sy Mpanao Lalàna ary Mpitsara antsika i Jehovah. (Sal. 100:3; Isaia 33:22) Izy koa anefa ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra. Rehefa manota isika ka tena mibebaka, dia tsy vitan’ny hoe afaka mamela antsika izy fa te hanao an’izany koa. (Sal. 86:5) Izao no toky nomeny antsika tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany: “Fa na mena midorehitra aza ny fahotanareo, dia hatao fotsy mangatsakatsaka.”​—Isaia 1:18.

2. Inona no tsy maintsy ataontsika raha te hifandray tsara amin’ny hafa isika?

2 Tsy lavorary isika, dia miteny na manao zavatra mampahasosotra ny hafa daholo. (Jak. 3:2) Tsy midika anefa izany hoe tsy afaka ny hifandray tsara amin-dry zareo mihitsy isika. Hahavita an’izany isika raha mianatra mamela heloka. (Ohab. 17:9; 19:11; Mat. 18:21, 22) Tian’i Jehovah hamela ny hafa isika, rehefa manao zavatra madinidinika mampalahelo antsika ry zareo. (Kol. 3:13) Tena tokony hanao an’izany isika satria na i Jehovah aza mamela “tanteraka” ny helotsika.​—Isaia 55:7.

3. Inona no hodinihintsika ato?

3 Hodinihintsika ato ireto: Inona no azon’ny olombelona tsy lavorary atao mba hamelana heloka hoatran’i Jehovah? Inona ny fahotana tsy maintsy resahina amin’ny anti-panahy? Nahoana i Jehovah no mampirisika antsika hamela ny hafa? Ary inona no ianarantsika avy amin’ny rahalahy sy anabavy nijaly be noho ny zavatra ratsy nataon’ny hafa?

REHEFA MANAO FAHOTANA LEHIBE NY KRISTIANINA IRAY

4. a) Inona no tsy maintsy ataon’ny mpanompon’i Jehovah iray raha nanao fahotana lehibe izy? b) Inona no andraikitry ny anti-panahy rehefa mihaona amin’ny olona iray nanota?

4 Tsy maintsy ampahafantarina ny anti-panahy ny fahotana lehibe. Miresaka momba ny sasany amin’izany ny 1 Korintianina 6:9, 10. Fandikana an-kitsirano ny lalàn’Andriamanitra no atao hoe fahotana lehibe. Raha nanao fahotana lehibe ny Kristianina iray, dia tsy maintsy miresaka amin’i Jehovah Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka izy, ary tsy maintsy miresaka amin’ny anti-panahin’ny fiangonana. (Sal. 32:5; Jak. 5:14) I Jehovah irery no afaka mamela tanteraka ny fahotantsika, ary manao an’izany izy amin’ny alalan’ny vidim-panavotana. * Nanankinan’i Jehovah andraikitra anefa ny anti-panahy. Inona izany? Anjaran’izy ireo ny mamantatra raha mbola afaka mijanona ao amin’ny fiangonana ilay olona nanota na tsia, rehefa jerena ny Soratra Masina. (1 Kor. 5:12) Mila miezaka mamaly an’ireto fanontaniana ireto koa ry zareo: Fanahy iniana ve ilay fahotana? Tena nieritreritra ny hanao ratsy ve ilay olona? Efa nandritra ny fotoana ela ve izy no nanao an’ilay izy? Ny tena zava-dehibe anefa dia hoe: Misy porofo ve ahitana fa tena nibebaka izy? Misy porofo koa ve hamantarana fa efa namela azy i Jehovah?​—Asa. 3:19.

5. Inona no soa azo avy amin’ny asan’ny anti-panahy?

5 Inona no tanjon’ny anti-panahy rehefa mihaona amin’ilay olona nanota ry zareo? Ny handray fanapahan-kevitra mitovy amin’ny efa noraisina tany an-danitra. (Mat. 18:18) Nahoana izany no mahasoa ny fiangonana? Satria amin’izay azo antoka hoe hesorina tsy ho ao amin’ny fiangonana izay mpanota tsy mibebaka, ka hatahorana hanimba ny andian’ondrin’i Jehovah. (1 Kor. 5:6, 7, 11-13; Tit. 3:10, 11) Sarobidy aminy mantsy ry zareo. Izany koa no mety hanampy ny mpanota iray hibebaka sy hahazo ny famelan-kelok’i Jehovah. (Lioka 5:32) Mivavaka ho an’ilay olona mibebaka ny anti-panahy, ary mangataka amin’i Jehovah mba hanampy azy hifandray akaiky aminy indray.​—Jak. 5:15.

6. Mbola afaka mahazo famelan-keloka ve ny voaroaka? Hazavao.

6 Ahoana raha tsy mibebaka ny olona iray rehefa mihaona amin’ny anti-panahy? Horoahina tsy ho anisan’ny fiangonana intsony izy raha izany. Hizaka ny vokany koa izy raha nandika ny lalàna tao amin’ilay tany, ary tsy hiaro azy amin’izany ny anti-panahy. Avelan’i Jehovah hitsara sy hanasazy an’izay olona nandika lalàna ny manam-pahefana, na mibebaka izy na tsia. (Rom. 13:4) Raha tonga saina anefa izy atỳ aoriana, ka mibebaka noho ny fahotany ary miova, dia vonona hamela azy i Jehovah. (Lioka 15:17-24) Marina foana izany, na dia ratsy hoatran’ny inona aza ny fahotana nataony.​—2 Tan. 33:9, 12, 13; 1 Tim. 1:15.

7. Inona no dikan’ny hoe mamela ny hafa?

7 Soa ihany fa tsy anjarantsika ny manapa-kevitra raha mendrika ny havelan’i Jehovah ny olona iray nanota na tsia! Misy fanapahan-kevitra mila raisintsika ihany anefa. Inona izany? Nanota taminao angamba ny olona iray, ary mety hoe tena ratsy ny zavatra nataony. Mety hiala tsiny aminao izy avy eo, dia mangataka famelan-keloka. Ahoana anefa raha tsy miala tsiny izy? Mbola afaka mifidy ny hamela azy ianao, izany hoe manapa-kevitra ny tsy ho tezitra aminy intsony, na hitana lolompo. Mitaky fotoana sy ezaka aloha izany e! Indrindra raha tena nandratra ny fonao ny zavatra nataony. Izao no nolazain’ny Tilikambo Fiambenana 15 Septambra 1994: ‘Rehefa mamela ny olona iray nanota ianao, dia tsy midika izany fa manala tsiny ilay fahotana ianao. Ho an’ny Kristianina, ny famelan-keloka dia midika famelana amim-patokiana ilay raharaha eo am-pelatanan’i Jehovah. Izy no Mpitsara marina an’izao rehetra izao, ary hampihatra ny rariny amin’ny fotoana mety izy.’ Nahoana i Jehovah no mampirisika antsika hamela heloka sy hametraka an’ilay raharaha ho eo am-pelatanany, izany hoe hatoky fa hitsara araka ny rariny izy?

NAHOANA I JEHOVAH NO MAMPIRISIKA ANTSIKA HAMELA HELOKA?

8. Nahoana no mahay mankasitraka ny famindram-pon’i Jehovah izay mamela heloka?

8 Mahay mankasitraka izay mamela heloka. Noharin’i Jesosy tamin’ny mpanjaka i Jehovah, tao amin’ny fanoharana iray. Nisy mpanompo nananan’io mpanjaka io trosa be, nefa nafoiny ilay izy satria tsy afaka nandoa an’izany ilay mpanompo. Tsy namindra fo tamin’ny mpanompo iray hafa anefa io mpanompo io, na dia kely lavitra noho ny azy aza ny trosan’ilay namany taminy. (Mat. 18:23-35) Inona no tian’i Jesosy hampianarina antsika? Hoe raha tena mankasitraka ny famindram-po lehibe asehon’i Jehovah amintsika isika, dia hamela ny olon-kafa koa. (Sal. 103:9) Izao no nolazain’ny Tilikambo Fiambenana momba an’izany, taona maro lasa izay: “Na impiry na impiry isika no mamela ny heloky ny hafa, dia tsy hitovy amin’izany mihitsy ny haben’ny famelan-keloka sy famindram-po asehon’Andriamanitra amintsika amin’ny alalan’i Kristy.”

9. Amin’iza i Jehovah no mamindra fo? (Matio 6:14, 15)

9 Havela ny helok’izay mamela ny hafa. Mampiseho famindram-po amin’ny olona mamindra fo i Jehovah. (Mat. 5:7; Jak. 2:13) Manasongadina an’izany izay nolazain’i Jesosy tamin’izy nampianatra ny mpianany hivavaka. (Vakio ny Matio 6:14, 15.) Mitovy amin’izany koa ny hevitra nolazain’i Jehovah tamin’i Joba mpanompony. Nandratra ny fon’io lehilahy tsy mivadika io mantsy ny tenin’i Elifaza sy Bildada ary Zofara. Nasain’i Jehovah nivavaka ho an-dry zareo anefa i Joba. Notahin’i Jehovah izy rehefa avy nanao an’izany.​—Joba 42:8-10.

10. Nahoana isika no ho voa mafy raha mitana lolompo? (Efesianina 4:31, 32)

10 Isika ihany no ho voa mafy raha mitana lolompo. Tian’i Jehovah ho maivamaivana isika, dia izany no mahatonga azy hampirisika antsika mba tsy hitana lolompo. (Vakio ny Efesianina 4:31, 32.) Izao no lazainy: “Ialao ny hatezerana ary atsaharo ny fahavinirana.” (Sal. 37:8) Hendry isika raha manaraka an’io torohevitra io. Tsy mahasalama sady mety hampikorontan-tsaina mantsy ny mitana lolompo. (Ohab. 14:30) Tsy hisy vokany amin’ilay olona nanao ratsy anao koa izany. Eritrereto ange e! Ianao ve dia hanantena hoe ilay olona nanao ratsy anao no ho faty raha mihinana poizina ianao? Tsy hitranga mihitsy izany! Hoatran’ny hoe manao fanomezana ho an’ny tenanao kosa ianao, rehefa mamela ny hafa. (Ohab. 11:17) Lasa tony sy milamin-tsaina ianao, dia hahavita hanohy hanompo an’i Jehovah.

11. Mety ve ny mamaly faty raha ny Baiboly no jerena? (Romanina 12:19-21)

11 I Jehovah no hamaly. Tsy avelan’i Jehovah hamaly faty isika rehefa misy olona nanota tamintsika. (Vakio ny Romanina 12:19-21.) Tsy lavorary mantsy isika sady tsy mahalala ny zava-drehetra, dia tsy ho vitantsika mihitsy ny hitsara an’ilay raharaha araka ny tokony ho izy, hoatran’ny ataon’Andriamanitra. (Heb. 4:13) Indraindray koa isika entin’ny fihetseham-po fotsiny, dia lasa sarotra amintsika ny mahafantatra an’izay tokony hatao. Izao no nasain’i Jehovah nosoratan’i Jakoba: “Lasa tsy manao ny marina eo imason’Andriamanitra ny olona rehefa tezitra.” (Jak. 1:20) Afaka matoky isika hoe tsy hanao zavatra tsy mety mihitsy i Jehovah, ary hampihatra ny rariny izy.

Aza tezitra na mitana lolompo intsony. Apetraho eo an-tanan’i Jehovah ilay izy. Izy no hanafoana ny voka-dratsin’ny fahotana (Fehintsoratra 12)

12. Ahoana no hampisehoantsika fa matoky isika hoe hanao ny rariny i Jehovah?

12 Asehontsika fa matoky isika hoe hanao ny rariny i Jehovah. Mametraka ny zava-drehetra eo am-pelatanany isika rehefa mamela heloka. Porofointsika amin’izany fa matoky isika hoe hofoanany daholo ny zava-dratsy vokatry ny fahotana. Rehefa any amin’ny tontolo vaovao isika, dia “tsy hotsaroana intsony” sady “tsy handreraka fo” intsony ny zava-drehetra nampahory antsika. (Isaia 65:17) Ho vita ve anefa ny hoe tsy ho tezitra sy tsy hitana lolompo intsony, rehefa tena mafy amintsika ny nataon’ilay olona? Nisy nahavita an’izany. Andao isika hijery ohatra vitsivitsy.

FITAHIANA HO AZON’IZAY MAMELA HELOKA

13-14. Inona no nianaranao momba ny famelan-keloka, avy amin’ny tantaran’i Tony sy José?

13 Be dia be ny rahalahy sy anabavy nifidy ny hamela heloka, na dia tena nankarary ny fony aza ny nataon’ny olona taminy. Inona no fitahiana azon-dry zareo vokatr’izany?

14 Mipetraka any Philippines i Tony. * Izao no nitranga, ela be talohan’ny nianarany ny fahamarinana: Nisy namono ny zokiny lahy, ary fantany tatỳ aoriana fa ilay lehilahy atao hoe José no namono azy. Mora tezitra sady nahery setra i Tony tamin’izany, ka te hamaly faty. Voasambotra i José ary nogadraina noho ilay heloka bevava nataony. Nafahana avy tao am-ponja izy tatỳ aoriana. Nivoady i Tony tamin’izay hoe hataony haza lambo i José dia hovonoiny ho faty. Nividy basy àry i Tony. Nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy nandritra an’izany fotoana izany. Izao no nolazainy: “Rehefa nianatra aho, dia lasa tsapako fa nila niova aho, ohatra hoe tsy tokony ho tezitra amin’i José intsony.” Natao batisa i Tony, ary voatendry ho anti-panahy tatỳ aoriana. Gaga be izy rehefa nahafantatra hoe hay lasa mpanompon’i Jehovah vita batisa koa i José! Nifamihina izy roa lahy rehefa nihaona, dia nolazain’i Tony tamin’i José fa namela azy izy. Nitantara i Tony hoe faly be mihitsy izy rehefa namela heloka, ka tsy hitany izay hilazana ny hafaliany. Notahin’i Jehovah tokoa i Tony satria vonona hamela heloka.

Hitantsika amin’ny tantaran’i Peter sy Sue hoe azo atao tsara ny tsy ho tezitra intsony sy tsy hitana lolompo intsony (Fehintsoratra 15-16)

15-16. Inona no ianaranao momba ny famelan-keloka avy amin’ny tantaran’i Peter sy Sue?

15 Nanatrika fivoriana tao amin’ny Efitrano Fanjakana i Peter sy Sue indray andro, tamin’ny 1985. Nisy zavatra nipoaka tampoka tamin’izay! Hay nisy nametraka baomba tao. Naratra be i Sue ka lasa nanan-takaitra. Voa mafy mantsy ny masony sy ny sofiny. Lasa tsy nahare fofona intsony koa izy. * Matetika i Peter sy Sue no lasa saina hoe mba olona hoatran’ny ahoana loatra no nahavanon-doza hoatr’izany. Voasambotra ilay olon-dratsy taona maro tatỳ aoriana, ary voaheloka higadra mandra-pahafatiny. Tsy mpanompon’i Jehovah izy io. Rehefa nanontaniana izy mivady hoe namela an’ilay olona ve ry zareo, dia izao no navaliny: “Mampianatra antsika i Jehovah fa tsy tokony ho tezitra foana na hitana lolompo isika, satria hisy vokany ratsy amin’ny fahasalamantsika sy ny fihetseham-pontsika ary ny saintsika izany. Vao nitranga àry ilay loza, dia efa nangataka tamin’i Jehovah izahay mba hanampy anay tsy ho tezitra intsony na hitana lolompo, ary ho afaka hanohy ny fiainanay indray.”

16 Mora tamin’izy mivady ve ny namela heloka? Sarotra ilay izy indraindray. Izao no notantarainy: “Nisy fotoana tsapanay mivady hoe misy vokany amin’ny fiainanay ny ratra nahazo an’i Sue. Mivonto be mihitsy ny fonay amin’iny! Tsy mifantoka be amin’izany anefa izahay, ka vetivety dia misinda ny hatezeranay. Sahinay aza ny miteny hoe raha lasa rahalahintsika ilay lehilahy nametraka baomba indray andro any, dia horaisinay tsara izy. Mampianatra anay iny zavatra niainanay iny fa tena manafaka antsika ny toro lalan’ny Baiboly. Be dia be ny fomba isehoan’izany, ary mihoatra noho izay eritreretintsika mihitsy aza. Mampahery anay koa ny mahafantatra fa tsy ho ela i Jehovah dia hanafoana ny takaitra rehetra azonay tamin’ilay izy.”

17. Inona no ianaranao momba ny famelan-keloka avy amin’ny tantaran’i Myra?

17 Efa nanambady sy nanan-janaka kely anankiroa i Myra tamin’izy nahalala ny fahamarinana. Tsy nanaiky ny fahamarinana anefa ilay vadiny. Nanitsakitsaka azy izy io tatỳ aoriana, dia nandao azy mianakavy. Hoy i Myra: “Mitovy amin’ny fihetseham-pon’ny olona maro nofitahin’ny vadiny ny fihetseham-poko, rehefa nandao anay telo mianaka ny vadiko. Taitra be aho, tsy nino, nalahelo, nanenina, nanamelo-tena, ary tezitra.” Vita hatreo ny fanambadian-dry zareo, fa ny ratram-po kosa mbola nanaraka teny foana. Izao koa no notantarain’i Myra: “Nikorontana be hoatr’izany ny fihetseham-poko nandritra ny volana maro, dia tonga saina aho hoe nisy vokany tamin’ny fifandraisako tamin’i Jehovah sy tamin’ny olon-kafa izany.” Tsy tezitra amin’ilay vadiny taloha intsony izao i Myra, sady tsy mitana lolompo aminy intsony. Manantena izy fa hanatona an’i Jehovah ilay rangahy indray andro any. Afaka mifantoka amin’ny hoavy izao i Myra. Nitaiza irery ny zanany izy, ary nanampy azy roa lahy ho lasa mpanompon’i Jehovah. Faly izao i Myra satria manompo an’i Jehovah daholo izy sy ny zanany ary ny ankohonan-dry zareo.

MPITSARA TONGA LAFATRA I JEHOVAH

18. Inona no atokisantsika fa hataon’i Jehovah, ilay Mpitsara Fara Tampony?

18 Soa ihany isika fa mahafantatra hoe tsy anjarantsika ny manapa-kevitra ny amin’ny fomba tokony hitsarana ny olona iray. I Jehovah no hanao an’izany andraikitra lehibe izany, satria izy no Mpitsara Fara Tampony. (Rom. 14:10-12) Afaka matoky tanteraka isika hoe hataony mifanaraka amin’ny fitsipiny lavorary foana ny fitsarana ataony. (Gen. 18:25; 1 Mpanj. 8:32) Tsy hanao zavatra tsy ara-drariny izany mihitsy izy!

19. Inona no ho vokany rehefa mampihatra ny rariny i Jehovah?

19 Tsy andrintsika ny fotoana hanarenan’i Jehovah ny voka-dratsin’ny tsy fahalavorariana sy ny fahotana. Ho sitrana tanteraka amin’izay ny takaitra sy ny ratram-po nozakaintsika. (Sal. 72:12-14; Apok. 21:3, 4) Tsy hotadidintsika mihitsy aza izany! Mandra-pahatongan’izany fotoana mahafinaritra izany anefa, dia faly isika hoe nataon’i Jehovah mahay mamela heloka hoatr’azy.

HIRA 18 Ankasitrahantsika ny Vidim-panavotana

^ Te hamela an’izay mpanota mibebaka i Jehovah. Kristianina isika, dia tokony hanahaka azy rehefa misy olona mampahatezitra antsika. Hodinihintsika ato hoe inona ny fahotana azontsika avela, ary inona ny fahotana tsy maintsy resahina amin’ny anti-panahy. Hodinihintsika koa hoe nahoana isika no tian’i Jehovah hifamela, ary inona ny fitahiana ho azontsika raha manao an’izany isika.

^ Jereo ny “Fanontanian’ny Mpamaky” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Aprily 1996.

^ Novana ny anarana sasany.