Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 28

Efa Mitondra Ilay Fanjakana!

Efa Mitondra Ilay Fanjakana!

“Ny fanjakan’izao tontolo izao dia efa lasa Fanjakan’ny Tompontsika sy ilay Kristy voatendriny.”​—APOK. 11:15.

HIRA 22 Efa Mitondra Ilay Fanjakana

HO HITANAO ATO *

1. Inona no azontsika antoka ary nahoana?

 SAROTRA aminao ve ny hino hoe mbola hamiratra ny hoavy rehefa jerena ny olana eran-tany? Izao mantsy: Samy maka ho azy ny mpianakavy. Vao mainka ny olona mahery setra sy tia tena ary masiaka. Sarotra amin’ny olona maro koa ny matoky ny manam-pahefana. Ireny zava-mitranga ireny mihitsy anefa no tokony hahatonga anao hatoky hoe mbola hamiratra ny hoavy. Nahoana? Satria manatanteraka ny faminaniana momba ny “andro farany” mihitsy ny ataon’ireny olona ireny. (2 Tim. 3:1-5) Tsy misy olona tso-po afaka mandà hoe tanteraka io faminaniana io. Ary ny fahatanterahan’izy io no manaporofo hoe efa lasa Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra i Kristy Jesosy. Vao iray amin’ireo faminaniana be dia be momba an’ilay Fanjakana anefa izany. Andao isika hijery faminaniana hafa tanteraka tato anatin’ny taona vitsivitsy. Hanatanjaka ny finoantsika izany.

Mamoaka sary mazava tsara ny tapany samihafa amin’ny kilalao puzzle rehefa atambatambatra. Hoatr’izany koa ireo faminaniana ao amin’ny bokin’i Daniela sy ny Apokalypsy. Rehefa atambatambatra izy ireny, dia manampy antsika hahita hoe aiza ho aiza isika izao amin’ny fandaharam-potoanan’i Jehovah (Fehintsoratra 2)

2. Inona no hodinihintsika ato, ary nahoana? (Hazavao koa ilay sary eo amin’ny fonon’ity gazety ity.)

2 Handinika an’ireto isika ato: 1) Faminaniana hanampy antsika hamantatra hoe oviana no nanomboka nitondra ilay Fanjakana, 2) faminaniana hanampy antsika hahalala fa efa manatrika i Jesosy, izany hoe efa Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra, ary 3) faminaniana hanampy antsika hamantatra hoe ahoana no hiafaran’ny fahavalon’ny Fanjakan’Andriamanitra. Azo oharina amin’ny tapa-damba samihafa natambatambatra mba hahavitana akanjo ireny faminaniana ireny. Ireny no hanampy antsika hahita hoe aiza ho aiza isika izao eo amin’ny fandaharam-potoanan’i Jehovah.

OVIANA NO NANOMBOKA NITONDRA ILAY FANJAKANA?

3. Inona no toky ananantsika momba ny Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra, araka ny Daniela 7:13, 14?

3 Resahin’ny faminaniana ao amin’ny Daniela 7:13, 14 fa i Kristy Jesosy no hitondra ny Fanjakan’Andriamanitra, ary tsy hisy mpitondra tsara hoatr’azy. Ho faly “hanompo azy” ny olona avy any amin’ny firenena rehetra, ary tsy hisy mpitondra handimby azy. Resahin’ny faminaniana hafa ao amin’ny bokin’i Daniela fa hanomboka hanjaka i Jesosy rehefa tapitra ny fe-potoana fito. Azo fantarina ve hoe oviana izany no nitranga?

4. Nahoana ny Daniela 4:10-17 no manampy antsika hahita hoe oviana i Kristy no nandray fahefana? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.)

4 Vakio ny Daniela 4:10-17. Maharitra 2 520 taona ilay “fe-potoana fito.” Nanomboka tamin’ny 607 T.K. izy io, rehefa naongan’ny Babylonianina ny mpanjaka farany teo amin’ny seza fiandrianan’i Jehovah tao Jerosalema. Tapitra kosa io fe-potoana io tamin’ny 1914 A.K. rehefa nomen’i Jehovah seza fiandrianana i Jesosy, ilay “manana zo ara-dalàna” ho Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra. *​—Ezek. 21:25-27.

5. Inona, ohatra, ny soa raisintsika avy amin’ilay faminaniana momba ny fe-potoana fito?

5 Nahoana no mahasoa antsika io faminaniana io? Rehefa mahafantatra momba ny “fe-potoana fito” isika, dia mahazo toky hoe manatanteraka ny faminaniany ara-potoana foana i Jehovah. Matoa nofaritany mazava tsara hoe rahoviana no hanomboka hitondra ny Fanjakany, dia tsy maintsy hotanterahiny mifanaraka amin’ny fandaharam-potoanany koa ny faminaniana hafa rehetra. “Tsy ho tara” mihitsy àry ny andron’i Jehovah.​—Hab. 2:3.

AHOANA NO HAHAFANTARANTSIKA HOE EFA MANATRIKA I KRISTY?

6. a) Inona no zava-mitranga eto an-tany manaporofo fa efa manjaka any an-danitra i Kristy? b) Nahoana no manamafy an’ireny zava-mitranga ireny ny faminaniana resahin’ny Apokalypsy 6:2-8?

6 Rehefa hifarana ny fanompoan’i Jesosy teto an-tany, dia nolazainy mialoha hoe inona no hitranga eran-tany ka hanampy ny mpianany hamantatra fa efa manomboka manjaka any an-danitra izy. Niresaka momba ny ady sy mosary ary horohoron-tany, ohatra, izy. Noresahiny koa hoe hisy areti-mandringana “any amin’ny toerana samihafa”, ary iray amin’izany ny COVID-19 izay nitranga vao haingana. Ireny zava-mitranga ireny no anisan’ilay noresahin’ny Baiboly hoe “famantarana” ny fanatrehan’i Kristy. (Mat. 24:3, 7; Lioka 21:7, 10, 11) Maherin’ny 60 taona taorian’ny nahafatesan’i Jesosy sy niverenany tany an-danitra, dia nohamafisiny tamin’ny apostoly Jaona hoe tena hitranga ireny zavatra ireny. (Vakio ny Apokalypsy 6:2-8.) Nitranga daholo izy ireny rehefa nandray fahefana i Jesosy tamin’ny 1914.

7. Nahoana no lasa misy loza eto an-tany rehefa lasa Mpanjaka i Jesosy?

7 Nahoana no niharatsy ny fiainana eto an-tany rehefa lasa Mpanjaka i Jesosy? Milaza antony iray lehibe ny Apokalypsy 6:2. Voalaza ao fa ny hiady no nasaina nataon’i Jesosy voalohany raha vao lasa Mpanjaka izy. Hiady amin’iza? Amin’ny Devoly sy ny demoniany. Resahin’ny Apokalypsy toko faha-​12 fa resy i Satana, ka natsipy mafy tetỳ an-tany izy sy ny demoniany. Romotra be i Satana ka nanampatra ny hatezerany tamin’ny olombelona. Nahatonga “loza ho an’ny tany” izany.​—Apok. 12:7-12.

Tsy mahafaly antsika ny mandre vaovao ratsy. Rehefa hitantsika anefa hoe tanteraka ny faminanian’ny Baiboly, dia lasa matoky isika fa efa mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra (Fehintsoratra 8)

8. Inona no soa raisintsika rehefa hitantsika hoe tanteraka ny faminaniana momba an’ilay Fanjakana?

8 Nahoana no mahasoa antsika ireo faminaniana ireo? Ny zava-mitranga eran-tany sy ny fiovan’ny toetran’ny olona no manampy antsika hamantatra fa efa lasa Mpanjaka i Jesosy. Aza tezitra àry rehefa mahita hoe tia tena sy feno fankahalana ny olona. Tadidio kosa hoe manatanteraka ny faminanian’ny Baiboly izany. Efa mitondra ilay Fanjakana! (Sal. 37:1) Ampoizintsika koa hoe vao mainka hiharatsy ny fiainana, arakaraka ny anatonan’ny Aramagedona. (Mar. 13:8; 2 Tim. 3:13) Soa ihany fa ampian’ilay Rainao be fitiavana any an-danitra ianao mba hahazo hoe nahoana no be dia be ny zava-dratsy maneran-tany. Tsy mahafaly anao ve izany?

AHOANA NO HIAFARAN’NY FAHAVALON’NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA?

9. Inona no resahin’ny faminanian’i Daniela 2:28, 31-35 momba an’ilay firenena matanjaka farany, ary oviana izy io no nipoitra?

9 Vakio ny Daniela 2:28, 31-35. Tanteraka amin’izao io faminaniana io. Hitan’i Nebokadnezara tao amin’ny nofy ny zavatra hitranga “any am-parany”, izany hoe rehefa manomboka mitondra i Kristy. Anisan’ny fahavalon’i Jesosy eto an-tany ilay firenena matanjaka farany resahin’ny faminanian’ny Baiboly. Oharina amin’ny ‘tongotra vy sy tanimanga’ izy io. Nipoitra io firenena matanjaka io nandritra ny Ady Lehibe I rehefa niara-niasa akaiky i Grande-Bretagne sy Etazonia, ary efa mitondra izy io amin’izao. Miavaka amin’ireo firenena matanjaka teo alohany izy io. Zavatra roa, fara fahakeliny, no manasongadina an’izany araka ny asehon’ilay sarivongana tao amin’ny nofin’i Nebokadnezara.

10. a) Nahoana no mifanaraka tsara amin’izay lazain’ny faminanian’i Daniela ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina? b) Inona no tokony hotandremantsika? (Jereo ilay efajoro hoe “ Mitandrema Amin’ny Tanimanga!”)

10 Voalohany, tsy hoatran’ireo firenena matanjaka teo alohany ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina. Tsy noharina tamin’ny metaly mafy tsara hoatran’ny volamena na volafotsy mantsy izy io tao amin’ilay fahitana, fa noharina tamin’ny vy mifangaro tanimanga. Ny “taranak’olombelona”, izany hoe ny sarambabem-bahoaka, no tiana horesahina amin’ilay tanimanga. (Dan. 2:43, f.a.p.) Miharihary mantsy hoe misy vokany be ny zavatra ataon’ny sarambabem-bahoaka rehefa misy fifidianana, hetsika hitakiana zo, tolom-bahoaka, ary fitakiana ny zon’ny mpiasa. Lasa sarotra amin’io firenena matanjaka io àry ny manatanteraka ny fandaharan’asany.

11. Nahoana ny fitondran’ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina no manampy antsika hatoky kokoa hoe efa miaina amin’ny andro farany isika?

11 Faharoa, ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina no firenena matanjaka farany resahin’ny Baiboly, satria oharina amin’ny tongotr’ilay sarivongana ngezabe izy io. Tsy hisy fitondran’olombelona handimby azy io intsony. Ho ringana hoatran’ny tsy teo kosa izy io amin’ny Aramagedona, rehefa hanorotoro azy miaraka amin’ny fitondram-panjakana hafa rehetra ny Fanjakan’Andriamanitra. *​—Apok. 16:13, 14, 16; 19:19, 20.

12. Inona koa no porofo resahin’ny faminanian’i Daniela ka mampionona sy manome fanantenana antsika?

12 Nahoana no mahasoa antsika io faminaniana io? Manome porofo fanampiny ny faminanian’i Daniela fa efa miaina amin’ny andro farany isika. Nilaza i Daniela 2 500 taona mahery izay fa aorianan’i Babylona dia hisy firenena matanjaka efatra hitondra, ary hisy vokany be amin’ny vahoakan’Andriamanitra ny zavatra ataon’izy ireo. Resahiny koa hoe ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina no farany amin’izy ireo. Mampionona antsika izany sady mahatonga antsika hanantena fa tsy ho ela ny Fanjakan’Andriamanitra dia handringana ny fitondran’olombelona rehetra. Hitondra ny tany manontolo izy io aorian’izay.​—Dan. 2:44.

13. Iza ilay “mpanjaka laharana fahavalo” sy ny “mpanjaka folo” resahin’ny Apokalypsy 17:9-12? Ary ahoana no nahatanterahan’io faminaniana io?

13 Vakio ny Apokalypsy 17:9-12. Nandravarava be ny Ady Lehibe I, ka nisy faminaniana hafa momba ny andro farany indray tanteraka vokatr’izany. Te hampisy fiadanana ho an’ny rehetra ny mpitondra maneran-tany, dia nanangana ny Fikambanam-pirenena tamin’ny Janoary 1920. Nosoloana ny Firenena Mikambana izy io tamin’ny Oktobra 1945. Io fikambanana io ilay antsoina hoe “mpanjaka laharana fahavalo.” Tsy firenena matanjaka anefa izy io. Ireo fitondram-panjakana manohana azy mantsy no manome hery sy fahefana azy io. Ireo fitondram-panjakana ireo no antsoin’ny Baiboly hoe “mpanjaka folo.”

14-15. a) Inona no ahariharin’ny Apokalypsy 17:3-5 momba an’i “Babylona Lehibe”? b) Inona no hitranga amin’ireo mpanohana ny fivavahan-diso?

14 Vakio ny Apokalypsy 17:3-5. Nahazo fahitana avy amin’Andriamanitra ny apostoly Jaona ka nahita mpivaro-tena iray, izany hoe i “Babylona Lehibe.” Oharina amin’izy io ny fivavahan-diso rehetra. Inona no ahariharin’io fahitana io? Efa ela ny fivavahan-diso no niara-niasa akaiky tamin’ny mpitondra olombelona, ary nanohana azy ireo. Tsy ho ela anefa dia hataon’i Jehovah ao am-pon’ireo mpitondra ireo “ny hanatanteraka ny heviny.” Dia inona no ho vokany? Hanafika ny fivavahan-diso ny fitondran’olombelona, izany hoe ny “mpanjaka folo”, ary handrava azy.​—Apok. 17:1, 2, 16, 17.

15 Ahoana no ahalalantsika hoe efa akaiky ho ringana i Babylona Lehibe? Tadidinao angamba hoe anisan’ny niaro ny tanànan’i Babylona fahiny ny Reniranon’i Eofrata. Ampitahain’ny bokin’ny Apokalypsy amin’ny “rano” miaro an’i Babylona Lehibe koa ny olona an-tapitrisany manohana azy. (Apok. 17:15) Resahin’io boky io koa anefa hoe ho “ritra” ilay rano. (Apok. 16:12) Midika izany fa maro amin’ny olona manohana ny fivavahan-diso no tsy hanao an’izany intsony. Tanteraka io faminaniana io satria be dia be izao ny olona miala amin’ny fivavahan-diso ary mitady vahaolana any an-toeran-kafa.

16. Nahoana no mahasoa antsika ny mahafantatra ny dikan’ilay faminaniana hoe efa miforona ny Firenena Mikambana, ary efa ho ringana i Babylona Lehibe?

16 Nahoana ireo faminaniana ireo no mahasoa antsika? Hitantsika teo hoe efa niforona ny Firenena Mikambana, ary efa mihena ny olona manohana ny fivavahan-diso. Mbola manaporofo koa izany fa efa miaina amin’ny andro farany isika. Marina hoe miharitra ny ranon’i Babylona Lehibe. Fomba hafa mihitsy anefa no haharingana tanteraka ny fivavahan-diso. Efa noresahintsika teo fa hataon’i Jehovah ao am-pon’ny “mpanjaka folo”, izany hoe ireo fitondram-panjakana manohana ny Firenena Mikambana, ny “hanatanteraka ny heviny.” Ho tampoka be ny handringanan’ireo firenena ireo ny fivavahan-diso, ka tsy hampoizin’izao tontolo izao mihitsy. * (Apok. 18:8-10) Hisy vokany be amin’izao tontolo izao ny fandringanana an’i Babylona Lehibe. Mety hiteraka fahasahiranana be aza izany. Ny vahoakan’Andriamanitra kosa hifaly, noho ny antony roa fara fahakeliny: Ho ringana mandrakizay io fahavalon’i Jehovah hatry ny ela io. Efa manakaiky koa ny fotoana hanafahana antsika amin’ity tontolo ratsy ity.​—Lioka 21:28.

FENO TOKY ISIKA MIATRIKA NY HOAVY

17-18. a) Inona no azontsika atao mba hatanjaka foana ny finoantsika? b) Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

17 Nilaza mialoha i Daniela fa “hitombo be ny tena fahalalana”, ary izany tokoa no mitranga! Lasa azontsika izao ny dikan’ireo faminaniana momba ny androntsika. (Dan. 12:4, 9, 10) Marina tsara izy ireny, ka vao mainka isika tena manaja an’i Jehovah sy ny Teniny. (Isaia 46:10; 55:11) Hatanjaho foana àry ny finoanao, ka mazotoa mianatra ny Soratra Masina, ary ampio ny hafa mba hiezaka hifandray tsara amin’i Jehovah. Hiaro an’izay rehetra matoky tanteraka azy izy, ary ‘hampiadana azy ireo foana.’​—Isaia 26:3.

18 Handinika faminaniana momba ny fiangonana kristianina amin’ny andro farany isika, ao amin’ny lahatsoratra manaraka. Ho hitantsika ao fa mbola manaporofo koa ireo faminaniana ireo hoe miaina amin’ny andro farany isika. Ankoatra izany, dia hahita porofo fanampiny isika hoe tena mitarika ny mpanompony tsy mivadika i Jesosy, ilay Mpanjakantsika any an-danitra.

HIRA 61 Mandrosoa, ry Vavolombelona!

^ Anisan’ny fotoana miavaka indrindra eo amin’ny tantara izao iainantsika izao. Efa mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra, araka ny faminaniana maromaro resahin’ny Baiboly. Handinika ny sasany amin’izany isika ato. Hanatanjaka ny finoantsika an’i Jehovah izany sady hanampy antsika ho tony sy hatoky azy foana, dieny izao sy amin’ny hoavy.

^ Jereo ny boky Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!, lesona 32, hevitra 4. Jereo ao amin’ny jw.org koa ilay video hoe Nanomboka Nitondra ny Fanjakan’Andriamanitra Tamin’ny 1914.

^ Misy fanazavana fanampiny momba ny faminanian’i Daniela ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Jona 2012, p. 14-19.

^ Manazava bebe kokoa momba an’izay hitranga tsy ho ela ny boky Efa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra!, toko 21.