Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 29

Tohano i Jesosy, Ilay Mpiandraikitra Antsika

Tohano i Jesosy, Ilay Mpiandraikitra Antsika

“Efa nomena ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany.”​—MAT. 28:18.

HIRA 13 Kristy no Modelintsika

HO HITANAO ATO *

1. Inona no sitrapon’i Jehovah amin’izao?

 INONA izao no sitrapon’Andriamanitra? Ny hitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana eran-tany. (Mar. 13:10; 1 Tim. 2:3, 4) Asan’i Jehovah izany ary tena zava-dehibe, matoa ilay Zanany malala no nampiandraiketiny azy. Afaka matoky isika hoe ho vita araka ny itiavan’i Jehovah azy ny asa fitoriana alohan’ny ahatongavan’ny farany, satria mahay i Jesosy ilay mpiandraikitra azy io.​—Mat. 24:14.

2. Inona no hodinihintsika ato?

2 Ahoana no ampiasan’i Jesosy ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” mba hanomezana sakafo ara-panahy? Ahoana no ampiasany an’io mpanompony io, mba handaminana ny mpanara-dia azy amin’ilay asa fitoriana miavaka indrindra eo amin’ny tantara? (Mat. 24:45) Ary inona no azontsika tsirairay atao mba hanohanana an’i Jesosy sy ny mpanompo mendri-pitokisana? Hodinihintsika ato ireo.

MIANDRAIKITRA NY ASA FITORIANA I JESOSY

3. Inona no fahefana nomena an’i Jesosy?

3 Miandraikitra ny asa fitoriana i Jesosy. Nahoana isika no afaka matoky an’izany? Mamaly an’izany ny teny nolazainy tamin’ny mpianany maromaro tsy nivadika, teo amin’ny tendrombohitra iray tany Galilia. Izao no noteneniny taloha kelin’ny niakarany tany an-danitra: “Efa nomena ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany.” Mahaliana anefa izay nolazainy manaraka. Hoy izy: “Mandehana àry, ampianaro ny olona any amin’ny firenena rehetra mba ho lasa mpanara-dia ahy.” (Mat. 28:18, 19) Inona no dikan’izany? Hoe anisan’ny fahefana nomena an’i Jesosy ny hitarika ny asa fitoriana.

4. Fa maninona isika no matoky hoe mbola mitarika ny asa fitoriana i Jesosy?

4 Nilaza i Jesosy hoe atao any amin’ny “firenena rehetra” ny asa fitoriana sy fanaovana mpianatra, ary hiaraka amin’ny mpanara-dia azy foana izy “isan’andro, mandra-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.” (Mat. 28:20) Mazava àry fa mbola mitarika ny asa fitoriana izy hatramin’izao androntsika izao.

5. Nahoana isika no anisan’ny manatanteraka an’ilay Salamo 110:3?

5 Nanahy ve i Jesosy hoe tsy ho ampy mpiasa izy mandritra ny andro farany? Tsy izany mihitsy! Fantany mantsy hoe ho tanteraka ilay faminanian’ny mpanao salamo hoe: “Hanolo-tena an-tsitrapo ny vahoakanao amin’ny andro anafihan’ny tafikao.” (Sal. 110:3) Raha mandray anjara amin’ny asa fitoriana àry ianao, dia manohana an’i Jesosy sy ny mpanompo mendri-pitokisana ary anisan’ny manatanteraka an’io faminaniana io. Na mandroso aza anefa ny asa, dia misy ihany ny olana.

6. Inona no anisan’ny olana atrehin’ny mpitory ilay Fanjakana?

6 Anisan’ny olana atrehin’ny mpitory ilay Fanjakana ny fanoherana. Manely tsaho momba ny asantsika mantsy ny mpivadi-pinoana sy ny mpitondra fivavahana ary ny mpanao politika, ka betsaka no voafitaka. Raha voafitak’ireny ny havantsika sy ny olom-pantatsika ary ny mpiara-miasa amintsika, dia mety hoteren-dry zareo isika mba tsy hanompo an’i Jehovah intsony sy tsy hitory intsony. Mampitahotra sy mandrahona ary misambotra ny mpiara-manompo amintsika ny mpanohitra any amin’ny tany sasany, ary misy aza managadra azy ireny mihitsy. Tsy mahagaga izany! Efa nilaza mantsy i Jesosy hoe: “Ho halan’ny firenena rehetra ianareo noho ny anarako.” (Mat. 24:9) Ankasitrahan’i Jehovah àry isika matoa ankahalaina hoatr’izany. (Mat. 5:11, 12) Ny Devoly no ao ambadik’ireny fanoherana ireny. Mahery lavitra noho izy anefa i Jesosy! Manohana antsika i Jesosy, ka haheno ny vaovao tsara daholo ny olona any amin’ny firenena rehetra. Andao isika handinika porofon’izany.

7. Inona ny porofo fa tanteraka ny Apokalypsy 14:6, 7?

7 Anisan’ny olana atrehintsika mpitory ilay Fanjakana koa ny fiteny samihafa. Rehefa nanome fahitana an’ny apostoly Jaona anefa i Jesosy, dia nilaza fa tsy hahasakana ny vaovao tsara tsy hiely eran-tany izany. (Vakio ny Apokalypsy 14:6, 7) Tanteraka ve izany? Ie, satria ataontsika izay handrenesan’ny olona faran’izay betsaka ny hafatra momba ilay Fanjakana. Afaka mamaky lahatsoratra ara-baiboly ao amin’ny tranonkalantsika jw.org ny olona eran-tany amin’izao, satria misy fanazavana amin’ny fiteny 1000 mahery ao! Neken’ny Filan-kevi-pitantanana koa hoe adika amin’ny fiteny 700 mahery ilay boky Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! Izy io mantsy no tena ampiasaintsika mba hampianarana Baiboly. Mahazo sakafo ara-panahy amin’ny alalan’ny video koa ny marenina. Ny jamba indray mahazo boky sy gazety amin’ny soratra braille. Hitantsika hoe tanteraka ny faminanian’ny Baiboly. Mianatra an’ilay “fiteny madio”, izany hoe ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, ny olona “avy amin’ny fiteny rehetran’ireo firenena.” (Zak. 8:23; Zef. 3:9) Tsy ho vita izany rehetra izany raha tsy mitarika antsika i Jesosy Kristy, ilay mpiandraikitra mahay.

8. Inona no vokatry ny fitoriantsika hatreto?

8 Olona maherin’ny 8 000 000 any amin’ny tany 240 izao no miaraka amin’ny fandaminan’i Jehovah. Tsy izay ihany, fa an’aliny no vita batisa isan-taona! Mbola zava-dehibe noho izany isa izany anefa ny toetra tsara iezahan’ireo mpianatra vaovao ireo hananana. Miezaka mitafy “ny toetra vaovao” mantsy ry zareo. (Kol. 3:8-10) Betsaka no lasa madio fitondran-tena, tsy mahery setra intsony, tsy manavakavaka intsony, ary tsy manindrahindra firenena intsony. Tanteraka ilay faminaniana ao amin’ny Isaia 2:4 hoe ‘tsy mianatra ady intsony’ ry zareo. Manampy ny olona hanatona ny fandaminan’Andriamanitra isika, rehefa miezaka mafy hitafy ny toetra vaovao. Asehontsika amin’izany koa hoe manara-dia an’ilay mpiandraikitra antsika isika, dia i Kristy Jesosy. (Jaona 13:35; 1 Pet. 2:12) Tsy kisendrasendra izany rehetra izany, fa manome ny fanampiana ilaintsika izy.

NANENDRY MPANOMPO I JESOSY

9. Inona no resahin’ny Matio 24:45-47 hoe hitranga amin’ny fotoanan’ny farany?

9 Vakio ny Matio 24:45-47. Efa nilaza i Jesosy hoe hanendry “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” izy amin’ny fotoanan’ny farany, mba hanomezana sakafo ara-panahy. Efa ampoizintsika àry hoe hiasa mafy io mpanompo io amin’izao, ary izany mihitsy no mitranga! Mampiasa lehilahy voahosotra vitsivitsy ilay mpiandraikitra antsika, mba hanomezana “sakafo” ara-panahy “amin’ny fotoana mety” ho an’ny vahoakan’Andriamanitra sy ny olona liana. Tsy mieritreritra ireo lehilahy ireo hoe tompon’ny finoan’ny hafa. (2 Kor. 1:24) Miaiky kosa ry zareo hoe i Jesosy Kristy no “mpitarika sy mpitondra” ny vahoakany.​—Isaia 55:4.

10. Iza amin’ny boky aseho eo amin’ny sary no naharesy lahatra anao mba hanompo an’i Jehovah?

10 Efa hatramin’ny 1919 ny mpanompo mendri-pitokisana no namoaka boky isan-karazany, mba ho afaka hanandrana ny tsiron’ny sakafo ara-panahy ny olona liana. Namoaka an’ilay boky hoe Ny Harpan’Andriamanitra (frantsay) ry zareo tamin’ny 1921, mba hahafantaran’ny olona ny fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nisy boky hafa navoaka koa. Iza amin’ireto no boky nanampy anao hahafantatra sy ho tia an’ilay Raintsika any an-danitra: “Aoka Andriamanitra no ho Fantatra fa Marina”, Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany, Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly? sa ilay boky vaovao hoe Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!? Tena tamin’ny nilantsika azy mihitsy ireo boky rehetra ireo, tamin’ny fotoana namoahana azy.

11. Maninona isika no mila sakafo ara-panahy daholo?

11 Tsy ny vaovao ihany no mila sakafo ara-panahy, fa mila ventin-kanina daholo isika. Izao no nosoratan’ny apostoly Paoly: ‘Ny ventin-kanina dia ho an’ny olona matotra.’ Nilaza koa izy avy eo fa rehefa mampihatra an’ireny isika, dia manampy antsika “hahay hanavaka ny tsara sy ny ratsy” izany. (Heb. 5:14) Mbola tsy ratsy be hoatran’ny amin’izao ny fitondran-tenan’ny olona, ka mety ho sarotra be amintsika ny hanaraka ny fitsipik’i Jehovah momba ny fitondran-tena. Ataon’i Jesosy anefa izay hahazoantsika ny hery ilaintsika, amin’ny alalan’ny sakafo ara-panahy matsiro. Miorina amin’ny Tenin’Andriamanitra izy ireny. Tarihin’i Jesosy ny mpanompo mendri-pitokisana ka manomana sy mizara an’izany.

12. Ahoana no anomezantsika voninahitra ny anaran’Andriamanitra, hoatran’ny nataon’i Jesosy?

12 Manahaka an’i Jesosy isika ka omentsika ny voninahitra mendrika azy ny anaran’Andriamanitra. (Jaona 17:6, 26) Nandray an’ilay anarana avy ao amin’ny Baiboly hoe Vavolombelon’i Jehovah, ohatra, isika tamin’ny 1931. Rehefa nanao an’izany isika, dia nampiseho hoe mampifamatotra antsika amin’ilay Raintsika any an-danitra io anarana io. (Isaia 43:10-12) Nanomboka tamin’ny Oktobra tamin’io taona io, dia niseho teo amin’ny fonon’ny nomerao tsirairay tamin’ny Tilikambo Fiambenana ny anaran’Andriamanitra. Tsy izay ihany fa naverina tao amin’ny toerana tokony hisy azy io anarana io, ao amin’ny Soratra Masina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Tsy hoatr’izany mihitsy anefa no nataon’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina. Nesoriny tao amin’ny ankamaroan’ny Baiboly nadikany ny anaran’Andriamanitra!

MANDAMINA NY MPANARA-DIA AZY I JESOSY

13. Inona no maharesy lahatra anao hoe mampiasa ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” i Jesosy amin’izao? (Jaona 6:68)

13 Mampiasa ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” i Jesosy, ka nanangana fandaminana miavaka eto an-tany mba hampirisihana ny olona hanompo an’i Jehovah. Ahoana no fahitanao an’io fandaminana io? Mitovy hevitra amin’ny apostoly Petera angamba ianao. Izao no nolazainy tamin’i Jesosy: “Hankany amin’iza moa izahay? Ny teny lazainao no hahazoana fiainana mandrakizay.” (Jaona 6:68) Eritrereto ange e! Taiza no niafarantsika hoatr’izay raha tsy nifandray tamin’ny fandaminan’i Jehovah isika? Izy io no ampiasain’i Kristy mba hahazoantsika sakafo ara-panahy ampy tsara. Mampiofana antsika koa izy mba hahatonga antsika hahavita tsara ny fanompoantsika. Tsy izay ihany fa ampiany hitafy “ny toetra vaovao” isika, amin’izay hankasitrahan’i Jehovah.​—Efes. 4:24.

14. Inona ny soa noraisinao nandritra an’ilay valanaretina COVID-19, noho ianao anisan’ny fandaminan’i Jehovah?

14 Manome toromarika feno fahendrena koa i Jesosy rehefa ao anatin’ny fotoan-tsarotra. Vao mainka hitantsika hoe tena mahasoa izy ireny rehefa nanomboka ilay valanaretina COVID-19. Tsy hitan’ny ankamaroan’ny olona izay hatao. Nataon’i Jesosy kosa izay hahazoantsika toromarika mazava mba hiarovana antsika. Nampirisihina hanao aro vava orona sy hanaja elanelana, ohatra, isika rehefa eny amin’ny toerana be olona. Nampahatsiahivina koa ny anti-panahy hoe tokony hifandray matetika amin’ny olona rehetra ao amin’ny fiangonana, ary hamantatra an’izay ilainy mba ho salama tsara sy hifandray amin’i Jehovah foana ry zareo. (Isaia 32:1, 2) Nahazo toromarika fanampiny sy fampaherezana koa isika tamin’ny alalan’ny vaovao farany avy amin’ny Filan-kevi-pitantanana.

15. Inona ny toromarika azontsika momba ny fivoriana sy fitoriana nandritra an’ilay valanaretina, ary inona ny vokatr’izany?

15 Nahazo toromarika mazava tsara momba ny fomba hanatrehana fivoriana sy hitoriana koa isika nandritra an’ilay valanaretina. Tsy hitahita akory dia nanomboka nanatrika fivoriana sy fivoriambe tamin’ny alalan’ny vidéoconférence isika. Nanomboka nitory an-taratasy sy an-telefaonina koa isika, ary saika izany foana no fomba nanompoantsika. Nitahy ny ezaka nataontsika i Jehovah. Betsaka ny sampana nanao tatitra hoe nitombo be ny isan’ny mpitory any amin-dry zareo. Maro aza no manana fitantarana mampahery nandritra an’izay fotoana izay.​—Jereo ilay hoe “ Mitahy ny Asa Fitoriantsika i Jehovah.”

16. Inona ny toky ananantsika?

16 Misy mieritreritra hoe mitandrina be loatra ny fandaminana nandritra an’ilay valanaretina. Imbetsaka anefa no voaporofo fa mitombina tsara ny toromarika azontsika. (Mat. 11:19) Tena be fitiavana i Jesosy rehefa mitarika ny vahoakany. Inona ny vokany rehefa misaintsaina an’izany isika? Lasa matoky isika hoe na inona na inona avoakan’ny ampitso, dia tsy handao antsika mihitsy i Jehovah sy ilay Zanany malala.​—Vakio ny Hebreo 13:5, 6.

17. Hoatran’ny ahoana no tsapanao rehefa mieritreritra hoe i Jesosy no mpiandraikitra antsika?

17 Soa ihany fa i Jesosy no mpiandraikitra antsika! Tsy voazarazaran’ny kolontsaina sy fiaviana ary fiteny samihafa ny fandaminana misy antsika. Mahazo sakafo ara-panahy ampy tsara isika, sady voaofana tsara mba hamita ny asa fitoriana. Ampianarina koa isika tsirairay mba hitafy ny toetra vaovao sy hifankatia. Izany rehetra rehetra izany no mahatonga antsika hirehareha hoe i Jesosy no mpiandraikitra antsika!

HIRA 16 Derao i Jehovah fa Lasa Mpanjaka Ilay Zanany

^ Lehilahy sy vehivavy ary ankizy an-tapitrisany izao no mazoto mitory ny vaovao tsara. Anisan’izy ireo ve ianao? Raha izany, dia mpiandraikitra anao koa i Jesosy Kristy Tompontsika. Hodinihintsika ato hoe inona ny porofo fa mitarika ny asa fitoriana i Jesosy amin’izao. Raha misaintsaina an’izany mantsy isika, dia ho tapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah foana, eo ambany fitarihan’i Kristy.