LAHATSORATRA FIANARANA 38

Asehoy hoe Mendri-pitokisana Ianao

Asehoy hoe Mendri-pitokisana Ianao

“Mitana tsiambaratelo ... ny olona mendri-pitokisana.”​—OHAB. 11:13.

HIRA 101 Miara-miasa sy Miray Saina

HO HITANAO ATO a

1. Ahoana no amantarana hoe mendri-pitokisana ny olona iray?

 MIEZAKA mitana ny teniny ny olona mendri-pitokisana sady milaza ny marina. (Sal. 15:4) Fantatry ny olona hoe azo ianteherana izy. Tiantsika raha hoatr’izany no fahitan’ireo rahalahy sy anabavy antsika. Inona àry no azontsika atao mba hatoky antsika ry zareo?

2. Ahoana no ampisehoantsika hoe mendri-pitokisana isika?

2 Tsy azontsika terena hatoky antsika ny hafa. Isika no tsy maintsy mampiseho hoe mendri-pitokisana. Misy milaza hoe hoatran’ny vola ny fitokisana. Sarotra azo izy io nefa mora very. Noporofoin’i Jehovah fa tena azontsika atokisana izy. Tsy hahita antony tsy atokisana azy mihitsy isika, satria “mendri-pitokisana izy amin’izay rehetra ataony.” (Sal. 33:4) Tiany raha manao hoatr’azy isika. (Efes. 5:1) Andao isika handinika ny ohatra nomen’ny mpanompon’i Jehovah vitsivitsy. Nanahaka an’ilay Rainy any an-danitra ry zareo, sady nampiseho hoe mendri-pitokisana. Handinika toetra dimy hanampy antsika ho mendri-pitokisana koa isika.

MIANARA AVY AMIN’IREO MPANOMPON’I JEHOVAH MENDRI-PITOKISANA

3-4. Inona no mampiseho hoe mendri-pitokisana i Daniela mpaminany, ary inona no tokony hosaintsainintsika?

3 Mendri-pitokisana i Daniela mpaminany ka modely ho antsika. Nentin’ny Babylonianina ho babo izy, nefa vetivety dia nalaza ho mendri-pitokisana. Vao mainka izy tsara laza rehefa nampian’i Jehovah, ka nahavita nilaza ny dikan’ny nofin’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona. Nisy fotoana, ohatra, tezitra tamin’ny mpanjaka i Jehovah, dia tsy maintsy nampahafantatra an’izany taminy i Daniela. Tsy izany mihitsy aloha no tian’ny mpanjaka ho heno e! Nila herim-po àry i Daniela, satria mora tezitra i Nebokadnezara. (Dan. 2:12; 4:20-22, 25) Nisy soratra nipoitra teo amin’ny rindrin’ny lapan’i Babylona, taona maro tatỳ aoriana, ary tsy nisy nahay an’ilay izy. Marina tsara anefa ny fomba nanazavan’i Daniela an’ilay soratra, ka mbola nasehony tamin’izany hoe mendri-pitokisana izy. (Dan. 5:5, 25-29) Mbola hitan’i Dariosy Medianina sy ny mpiara-miasa taminy, tatỳ aoriana, fa “narani-tsaina tsy nisy hoatr’izany” i Daniela. Niaiky ry zareo hoe “mendri-pitokisana izy” ary ‘tsy mba nanao kitoatoa mihitsy sady nanao ny marina foana.’ (Dan. 6:3, 4) Na ny mpitondra mpanompo sampy aza izany niaiky fa azo itokisana io mpanompon’i Jehovah io.

4 Rehefa mieritreritra ny ohatr’i Daniela isika, dia tokony hisaintsaina hoe: ‘Hoatran’ny ahoana no fahitan’ny olona tsy Vavolombelona ahy? Malaza ho mamita tsara ny andraikitro ve aho sady azo itokisana?’ Tokony hametraka an’ireo fanontaniana ireo isika. Nahoana? Satria manome voninahitra an’i Jehovah isika raha mendri-pitokisana.

Nifidy lehilahy mendri-pitokisana i Nehemia mba hanao asa lehibe (Fehintsoratra 5)

5. Nahoana i Hanania no nalaza ho mendri-pitokisana?

5 Voaorina indray ny mandan’i Jerosalema tamin’ny 455 T.K. Nitady olona azo ianteherana i Nehemia Governora taorian’izay, mba hiandraikitra an’ilay tanàna. Anisan’ny voafidy i Hanania lehiben’ny Lapa. Resahin’ny Baiboly hoe “faran’izay mendri-pitokisana izy, sady natahotra an’ilay tena Andriamanitra mihoatra noho ny olona maro.” (Neh. 7:2) Nataony tsara izay asa nanendrena azy, satria tia an’i Jehovah izy sady natahotra sao hampalahelo azy. Hanampy antsika koa ireo toetra ireo, mba ho azo ianteherana isika amin’izay fanompoana ataontsika ho an’Andriamanitra.

6. Nahoana i Tykiko no namana azon’i Paoly nitokisana?

6 Diniho ny ohatr’i Tykiko, ilay namana natokisan’ny apostoly Paoly. Niantehitra tamin’i Tykiko i Paoly, tamin’izy nambenana tao amin’ny trano iray. Nantsoiny hoe “mpanompo mendri-pitokisana” izy. (Efes. 6:21, 22) Tsy vitan’ny hoe natokisan’i Paoly i Tykiko mba hitondra taratasy ho an’ireo rahalahy tany Efesosy sy Kolosia, fa izy koa no nasainy nampahery sy nampionona azy ireo. Mampahatsiahy an’ireo rahalahy manampy antsika hifandray tsara amin’i Jehovah amin’izao i Tykiko. Azo ianteherana sy mendri-pitokisana koa mantsy ry zareo.​—Kol. 4:7-9.

7. Inona no mampiseho hoe mendri-pitokisana ny mpikarakara fiangonana sy ny anti-panahy ao amin’ny fiangonanareo? Ary inona no ianaranao avy amin’izany?

7 Tena ankasitrahantsika koa ireo anti-panahy sy mpikarakara fiangonana mendri-pitokisana. Manao tsara ny andraikiny mantsy izy ireny, hoatran’i Daniela sy Hanania ary Tykiko. Rehefa hanatrika fivoriana andavanandro, ohatra, isika dia fantatsika hoe efa misy olona voatendry hanao azy ny anjara tsirairay. Faly ny anti-panahy rehefa azo ianteherana izay rehetra nahazo fanendrena, ka manomana tsara ny anjarany sady tonga manao an’izany. Tsy misalasala koa isika manasa ny mpianatra Baiboly hanatrika fivoriana faran’ny herinandro, satria azontsika antoka hoe hisy hanao lahateny ho an’ny besinimaro ao. Ary ahoana ny amin’ny boky sy gazety ampiasaintsika eny amin’ny fanompoana? Matoky isika hoe hisy azontsika ampiasaina foana. Mikarakara tsara antsika ireo rahalahy tsy mivadika ireo, ka misaotra an’i Jehovah isika manana azy ireo. Ahoana koa no azontsika ampisehoana hoe mendri-pitokisana isika?

MIEZAHA HO MENDRI-PITOKISANA, KA AZA MAMOAKA TSIAMBARATELO

8. Ahoana no ampisehoantsika hoe mahay mandanjalanja isika na dia miahy ny hafa aza? (Ohabolana 11:13)

8 Tiantsika ny rahalahy sy anabavintsika, dia tiantsika ho fantatra hoe manao ahoana ry zareo. Tsy maintsy mahay mandanjalanja anefa isika, ka tsy hidikiditra amin’ny fiainany manokana. “Mpifosafosa sy midikiditra amin’ny fiainan’olona” ny Kristianina sasany tamin’ny taonjato voalohany, “ka miresaka zavatra tsy tokony horesahiny.” (1 Tim. 5:13) Tsy te hanao hoatran-dry zareo mihitsy isika! Ahoana anefa raha misy miresaka ny tsiambaratelony amintsika, sady manantena hoe tsy hanaparitaka an’ilay izy isika? Mety hiresaka momba ny aretiny na ny fisedrana hafa atrehiny, ohatra, ny anabavy iray sady miangavy antsika mba tsy hiresaka an’izany na amin’iza na iza. Tokony hanaja an’izany isika. b (Vakio ny Ohabolana 11:13.) Rahoviana koa isika no tena mila mitana tsiambaratelo?

9. Ahoana no hampisehoan’ny tsirairay ao amin’ny fianakaviana hoe mendri-pitokisana ry zareo?

9 Ao amin’ny fianakaviana. Ny tokantrano, hono, tsy ahahaka. Midika izany hoe andraikitry ny tsirairay ao amin’ny fianakaviana ny tsy mitantara any ivelany ny fiainana ao an-trano. Ahoana, ohatra, raha misy fahazaran’ny vehivavy iray mampihomehy ny vadiny? Izy ve dia hitantara an’izany amin’olona ka hampahamenatra an’ilay vehivavy? Mazava ho azy fa tsia! Tsy hanao zavatra hankarary ny fon’ny vadiny mihitsy izy satria tia azy. (Efes. 5:33) Tian’ny tanora koa raha mba hajaina izy. Tokony hitadidy an’izany ny ray aman-dreny. Tsy hanao zavatra hahasadaikatra ny zanany mihitsy ry zareo, ka hitantara ny fahadisoany amin’olon-kafa. (Kol. 3:21) Ary ny ankizy? Tokony hiezaka hahatam-bava ry zareo ka tsy hiresadresaka amin’olon-kafa an’izay mety hampahamenatra ny ao an-trano. (Deot. 5:16) Raha samy manao ny anjarany àry ny tsirairay ka tsy miresadresaka ny fiainan-dry zareo manokana amin’olona, dia vao mainka ry zareo hifandray am-po.

10. Ahoana no ahitana hoe tena namana isika? (Ohabolana 17:17)

10 Eo amin’ny mpinamana. Na ho ela na ho haingana, dia hisy fotoana isika te hizara ny fihetseham-pontsika amin’ny namana akaiky. Mety ho sarotra anefa izany indraindray. Tsy zatra mamboraka an’izay ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika amin’ny olon-kafa angamba isika. Halahelo be koa isika raha fantatsika hoe naparitany ilay izy. Tena faly anefa isika raha mahavita mitana tsiambaratelo ny namantsika. Izany no “tena namana”!​—Vakio ny Ohabolana 17:17.

Tsy mamoaka tsiambaratelo amin’ny vady aman-janany ny anti-panahy (Fehintsoratra 11) c

11. a) Ahoana no hampisehoan’ny anti-panahy sy ny vadiny hoe azo ianteherana ry zareo? b) Inona no ianarantsika avy amin’ilay anti-panahy nandamina raharaham-piangonana, dia avy eo miaraka amin’ny vady aman-janany? (Jereo ny sary.)

11 Ao amin’ny fiangonana. ‘Toy ny toerana fiafenana amin’ny rivotra sy fialofana amin’ny oram-baratra’ ny anti-panahy mahatana tsiambaratelo. (Isaia 32:2) Tsy misalasala miresaka amin-dry zareo isika, satria azontsika antoka hoe tsy hisy hivoaka izay noresahina taminy. Tsy terentsika koa ry zareo hiresaka amintsika zavatra tsy tokony horesahiny amin’ny olon-kafa. Ankoatra izany, dia mankasitraka ny vadin’ny anti-panahy isika, satria tsy misikotsikotra ny vadiny ry zareo. Sady manamaivana ny vadiny koa ange ny anti-panahy raha tsy tantarainy aminy ny tsiambaratelon’ny rahalahy sy anabavy e! Izao no nolazain’ny vadin’ny anti-panahy iray: “Soa ihany fa tsy mitantara amiko ny vadiko rehefa avy manao fitsidihan’ny mpiandry, na rehefa misy olona ampian’ny anti-panahy. Na ny anaran-dry zareo aza tsy resahiny amiko. Tsy misy na inona na inona azoko atao mantsy, dia hanavesatra ahy fotsiny ilay izy raha fantatro. Lasa tsy mihafahafa aho miresaka amin’ny olona rehetra ao amin’ny fiangonana. Matoky koa aho hoe rehefa mba resahiko amin’ny vadiko ny fihetseham-poko na izay olana mahazo ahy, dia tsy hotantarainy amin’ny olon-kafa koa izany.” Isika rehetra mihitsy raha ny marina no tokony halaza ho mendri-pitokisana. Andao isika hiresaka toetra dimy hanampy antsika amin’izany.

MIEZAHA HANANA TOETRA HANAMPY ANAO HO MENDRI-PITOKISANA

12. Fa maninona no tena ilaina ny fitiavana raha tiantsika ny ho mendri-pitokisana?

12 Tena ilaina ny fitiavana mba hahatonga antsika ho mendri-pitokisana. Nilaza i Jesosy hoe ny fitiavana an’i Jehovah sy ny fitiava-namana no didy roa lehibe indrindra. (Mat. 22:37-39) Raha tia an’i Jehovah isika, dia hiezaka ny ho mendri-pitokisana hoatr’azy. Raha tia an’ireo rahalahy sy anabavy indray, ohatra, isika dia tsy hitantara ny fiainany manokana amin’ny olon-kafa. Tsy isika mihitsy no hiresadresaka amin’ny hafa an’izay mety hampalahelo azy, na hampahamenatra azy, na hankarary ny fony.​—Jaona 15:12.

13. Nahoana ny fanetren-tena no manampy antsika ho mendri-pitokisana?

13 Hanampy antsika ho mendri-pitokisana ny fanetren-tena. Raha manetry tena ny Kristianina iray, dia tsy hidedadedaka hoe maharaka be, ka izy no hiresaka voalohany momba ny vaovao iray. (Fil. 2:3) Tsy hihevi-tena ho ambony noho ny hafa koa izy, ka hiseho hoe mahafantatra zavatra tsy azony resahina. Raha manetry tena koa isika, dia tsy hanombantombana zavatra tsy resahin’ny Baiboly na ny bokintsika, ka hiresaka an’izany amin’ny olon-kafa.

14. Nahoana isika no ho mendri-pitokisana raha mahay mandinika?

14 Ny fahaiza-mandinika no hanampy ny Kristianina iray hahay hanavaka ny “fotoana anginana” sy ny “fotoana itenenana.” (Mpito. 3:7) Izay mangina, hono, volamena. Midika izany hoe tsara kokoa ny mangina indraindray. Mety tsara àry ilay resahin’ny Ohabolana 11:12 hoe: “Mangina ... ny olona mahay mandinika tsara.” Diniho ny ataon’ny anti-panahy iray za-draharaha. Asaina manampy fiangonana hafa manana olana izy matetika. Izao no noresahin’ny anti-panahy iray momba azy: “Mitandrina tsara foana izy mba tsy hiresaka aminay ny tsiambaratelon’ny fiangonana hafa.” Mahay manavaka io anti-panahy io, dia lasa hajain’ny anti-panahy rehetra ao amin’ny fiangonany. Matoky ry zareo hoe tsy hiresadresaka ny tsiambaratelon-dry zareo any an-kafa izy.

15. Manomeza ohatra mampiseho hoe atokisan’ny olona isika rehefa milaza ny marina.

15 Mendri-pitokisana ny olona milaza ny marina. Atokisantsika ny olona hoatr’izany satria fantatsika hoe tsy handainga mihitsy izy. (Efes. 4:25; Heb. 13:18) Andao hatao hoe te hanatsara ny fahaizanao mampianatra ianao. Miangavy olona iray àry ianao mba hihaino ny anjaranao sy hanome soso-kevitra hoe inona no azonao hatsaraina. Iza no atokisanao hoe tena sahy hitsotra an’izay tokony hahitsinao? Ny olona milaza aminao an’izay tianao ho heno fotsiny ve, sa izay milaza ny marina sady tsara fanahy rehefa manao an’izany? Mazava ny valin’izany. Hoy ny Baiboly: “Aleo anatra tsy an-kifonofono, toy izay fitiavana afenina. Ny ratra ataon’ny namana no ahitana hoe tsy mivadika izy.” (Ohab. 27:5, 6) Tsy mijery arina an-tava ny tena namana, ka mety ho mafy aminao ny haheno ny fanamarihany amin’ny voalohany. Hahasoa anao anefa izany any aoriana any.

16. Nahoana ny Ohabolana 10:19 no manasongadina hoe tena ilaina ny mahay mifehy tena?

16 Tena mila mahay mifehy tena isika raha te hatokisan’ny hafa. Hanampy antsika hifehy ny vavantsika izany, raha mitady hamoaka tsiambaratelo isika. (Vakio ny Ohabolana 10:19.) Mety ho sarotra amintsika ny hifehy tena rehefa mampiasa tambazotran-tserasera. Raha tsy mitandrina mantsy isika, dia mety hamoaka tsiambaratelo amin’olona be dia be na dia tsy fanahy iniantsika aza. Raha vao lasa any anefa ilay izy, dia tsy ho voafehintsika intsony ny fomba hampiasan’ny hafa azy, na ny olana mety haterak’izany. Hahavita hangina koa isika raha mahafehy tena, rehefa mamandripandrika antsika ny mpanohitra mba hahatonga antsika hilaza zavatra mety hampidi-doza an’ireo rahalahy sy anabavintsika. Mety hitranga, ohatra, izany rehefa adinadinin’ny polisy isika, any amin’ny tany anakantsakanana na andrarana ny asantsika. Rehefa sendra an’izany isika na amin’ny toe-javatra hafa, dia ampiharintsika ilay toro-lalana hoe: “Hohidiako ny vavako.” (Sal. 39:1) Mila mendri-pitokisana foana àry isika, na miaraka amin’ny fianakaviantsika, ny namantsika, ireo rahalahy sy anabavy, na olon-kafa. Mila mahafehy tena isika raha te ho mendri-pitokisana.

17. Inona no azontsika atao mba hifampatoky ny ao amin’ny fiangonantsika?

17 Tena faly isika fa notaomin’i Jehovah ho anisan’ny fianakaviana iray be fitiavana sy mendri-pitokisana. Andraikitsika rehetra ny manao izay azontsika atao, mba hatokisan’ireo rahalahy sy anabavy. Hifampatoky ny olona ao amin’ny fiangonantsika raha miezaka isika tsirairay mba ho be fitiavana, hanetry tena, hahay handinika, hilaza ny marina, ary hahafehy tena. Ezaka mitohy izany. Enga anie isika hanahaka an’i Jehovah Andriamanitsika, ka hampiseho foana hoe mendri-pitokisana isika!

HIRA 123 Ekeo Foana ny Fahefan’i Jehovah

a Raha tiantsika ny hatokisan’ny hafa, dia isika aloha no tsy maintsy mampiseho hoe mendri-pitokisana. Fa nahoana no tena ilaina ny mifampatoky? Inona ny toetra hanampy antsika mba hatokisan’ny hafa? Izany no hodinihintsika ato.

b Raha fantatsika hoe misy manao fahotana lehibe ao amin’ny fiangonana, dia tokony hampirisihintsika izy hangataka fanampiana amin’ny anti-panahy. Raha tsy manao an’izany izy, dia isika no hitatitra an’ilay izy any amin’ny anti-panahy, satria tsy mivadika amin’i Jehovah sy ny fiangonana isika.

c SARY: Avy nandamina olana ny anti-panahy iray, dia tsy miresadresaka tsiambaratelo amin’ny vady aman-janany.