Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARAM-PIAINANA

Tiako erỳ ny Nianatra sy Nampianatra Momba An’i Jehovah!

Tiako erỳ ny Nianatra sy Nampianatra Momba An’i Jehovah!

LEHIBE tany Easton any Etazonia aho. Te ho any amin’ny oniversite aho, satria mba te ho lasa olona ambony. Izaho koa moa tia nianatra sady nahay matematika sy siansa. Nisy fikambanana miaro ny zon’ny olom-pirenena nanome 25 dolara ahy tamin’ny 1956, satria izaho no mpianatra mainty hoditra nahazo naoty tsara indrindra. Niova anefa ny tanjoko tatỳ aoriana. Fa maninona?

NIANATRA MOMBA AN’I JEHOVAH AHO

Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Dada sy Neny, taoriana kelin’ny 1940. Tsy nitohy ny fianaran-dry zareo, nefa mbola nahazo Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! foana i Neny. Nisy fivoriambe iraisam-pirenena natao tany New York tamin’ny 1950, dia nanaiky hanatrika azy io izahay.

Nanomboka nitsidika anay ny Rahalahy Lawrence Jeffries, tsy ela taorian’izay. Niezaka nanampy ahy hianatra ny fahamarinana izy. Nieritreritra aho tamin’ny voalohany hoe tokony handray anjara amin’ny politika sy hanao miaramila ny Vavolombelon’i Jehovah. Hoy aho: “Raha tsy manaiky hiady daholo ny Amerikanina, dia tsy ho tonga ve ny fahavalo ka ho lasany ny tany?” Nanam-paharetana anefa ny Rahalahy Jeffries sady nanazava hoe: “Ahoana ny hevitrao? I Jehovah Andriamanitra ve dia hitazam-potsiny raha manompo azy daholo ny Amerikanina nefa misy fahavalo tonga?” Io valin-teniny io sy ny zavatra hafa nohazavainy no nanampy ahy hahita hoe diso aho. Ireny no nahatonga ahy ho liana.

Tamin’ny batisako

Nisy Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! tranainy nampirimin’i Neny tao anaty lakaly. Nazoto namaky an’ireny aho. Tonga saina aho tatỳ aoriana hoe hay ny fahamarinana ity nianarako ity, dia nanaiky hianatra Baiboly tamin’i Jeffries aho. Nanomboka nivory tsy tapaka koa aho. Tiako be ny zavatra nianarako, dia lasa mpitory ny vaovao tsara aho. Niova ny tanjoko rehefa fantatro fa efa “akaiky ny andro lehiben’i Jehovah.” (Zef. 1:14) Tsy nieritreritra ny ho any amin’ny oniversite intsony aho, fa lasa te hanampy ny olona hianatra ny fahamarinana.

Vita ny fianarako teny amin’ny lise tamin’ny 13 Jona 1956, dia natao batisa tamina fivoriamben’ny faritra aho telo andro taorian’izay. Tsy nampoiziko hoe be dia be ny fitahiana ho azoko rehefa nanokana ny fiainako hianarana sy hampianarana momba an’i Jehovah aho.

NIANATRA SY NAMPIANATRA TAMIN’IZAHO MPISAVA LALANA

Lasa mpisava lalana maharitra aho enim-bolana taorian’ny batisako. Nisy an’izao tao amin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana Desambra 1956: “Afaka Manitatra ny Fanompoanao ve Ianao?” Natao ho ahy koa ilay izy. Te hanitatra tany amin’izay toerana vitsy mpitory aho.​—Mat. 24:14.

Nifindra tany Edgefield any Caroline Atsimo àry aho. Efatra fotsiny ny mpitory tao, fa mba lasa dimy rehefa tonga aho. Efitra fandraisam-bahinin’ny rahalahy iray no nivorianay. Nandany adiny 100 teny amin’ny fanompoana aho isam-bolana. Be atao aho, satria sady nitarika ny mpitory teny amin’ny fanompoana, no nikarakara ny anjara tamin’ny fivoriana. Mahagaga anefa hoe vao mainka aho nahita zavatra hianarana momba an’i Jehovah arakaraka ny naha be atao ahy.

Tompona toerana fikarakarana fandevenana tany Johnston ny vehivavy iray nampianariko Baiboly. Tsy lavitra anay izy io. Tena nila asa tapa-potoana aho tamin’izany. Tsara fanahy izy dia nomeny asa aho, sady nisy tranokely iray navelany hivorianay.

Tonga avy any Brooklyn, New York, ny Rahalahy Jolly Jeffries, zanak’ilay nampianatra Baiboly ahy. Izy no mpisava lalana niara-nanitatra tamiko tany. Nisy rahalahy nampindrana tranofiara kely anay, dia tao izahay no nipetraka.

Kely karama ny mpiasa tany Atsimo. Roa na telo dolara eo no azo ao anatin’ny iray andro. Lany nividianako sakafo tao amin’ny fivarotana iray izay ny vola kely sisa nananako, indray mandeha. Rehefa nivoaka aho dia nisy lehilahy nanatona ahy sady nanontany hoe: “Mitady asa ve ianao? Hokaramaiko iray dolara isaky ny adiny iray ianao raha mazoto.” Nasainy nanadio toeram-panorenana izay aho, dia telo andro no nanaovako an’ilay izy. Nazava be hoe tian’i Jehovah hijanona tao Edgefield aho. Na kely aza anefa ny volako, dia tody tany amin’ilay fivoriambe iraisam-pirenena tany New York ihany aho, tamin’ny 1958.

Tamin’ny mariazinay

Nisy zavatra niavaka nitranga tamin’ny andro faharoan’ilay fivoriambe. Nihaona tamin’i Ruby Wadlington aho. Mpisava lalana maharitra tany Gallatin, any Tennessee izy. Samy te ho misionera izahay roa dia nanatrika an’ilay fivoriana ho an’izay te hanao ny Sekolin’i Gileada, nandritra an’ilay fivoriambe. Nanomboka nifanoratra izahay tatỳ aoriana. Nasaina hanao lahateny tany Gallatin aho, rehefa nandeha ny fotoana. Nanararaotra nangataka azy ho vady aho tamin’izay. Nifindra tao amin’ny fiangonan-dry Ruby aho, dia nivady izahay tamin’ny 1959.

TAO AMIN’NY FIANGONANA

Voatendry ho mpikarakara ny fiangonana tao Gallatin aho tamin’izaho 23 taona. Anti-panahy mpandrindra no iantsoana an’izany amin’izao. Vao avy voatendry ho mpiandraikitra ny faritra i Charles Thompson, dia ny fiangonanay no voalohany notsidihiny. Efa za-draharaha izy nefa mbola nanontany ny hevitro ihany hoe inona no ilain’ny mpiara-manompo, ary ahoana no nikarakaran’ny mpiandraikitra ny faritra hafa an’izany. Nianarako avy aminy hoe tsara foana ny manontany sy mamantatra ny zava-misy rehetra alohan’ny handaminana raharaha iray.

Voasa hanatrika ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana tany South Lansing, any New York, aho tamin’ny Mey 1964. Naharitra iray volana izy io. Ny mpampianatra anay tamin’io sekoly io no nahatonga ahy ho vao mainka te hianatra momba an’i Jehovah sy te ho namany akaiky.

REHEFA NANAO NY ASAN’NY FARITRA SY VONDROM-PARITRA

Voasa hanao ny asan’ny faritra izahay sy Ruby, tamin’ny Janoary 1965. Midadasika be ilay faritra nanendrena anay. Nanomboka tany Knoxville, any Tennessee, ilay izy, dia tonga hatrany akaikin’i Richmond any Virginie. Tafiditra tamin’ilay izy koa ny fiangonana tao Caroline Avaratra, Kentucky, ary Virginie Andrefana. Fiangonana mainty hoditra ihany no notsidihiko. Nanjaka be tany amin’ny faritra atsimon’i Etazonia mantsy ny fanavakavahana tamin’izany, dia tsy afaka niara-nivory ny mainty sy ny fotsy. Nahantra ny mpiara-manompo, dia nianatra nizara an’izay nanananay tamin’ny sahirana izahay. Nisy mpiandraikitra ny faritra efa ela izay nampianatra lesona lehibe ahy. Hoy izy: “Asehoy hoe rahalahy ianao fa tsy sefo, rehefa mitsidika fiangonana. Ho afaka hanampy tsara an-dry zareo ianao raha rahalahiny no fahitany anao.”

Nisy fotoana izahay nitsidika fiangonana kely iray. Nanomboka nampianatra Baiboly vehivavy tanora nanan-janaka vavikely herintaona i Ruby. Tsy nisy afaka nanohy an’ilay fampianarana ny tao amin’ilay fiangonana, dia nataony an-taratasy ilay izy. Rehefa nitsidika an’ilay fiangonana indray izahay, dia efa nivory tsy tapaka ilay vehivavy. Nifindra tao ny anabavy mpisava lalana manokana roa tatỳ aoriana, dia ry zareo indray no nampianatra azy ary tsy ela izy dia natao batisa. Nisy zavatra tsy nampoizinay 30 taona teo ho eo tatỳ aoriana, tamin’ny 1995. Nisy anabavy tanora nanatona an’i Ruby tao amin’ny Betelan’i Patterson. Hay ilay zanak’ilay vehivavy nampianarin’i Ruby Baiboly izy! Nanatrika ny Sekolin’i Gileada kilasy faha-100 izy sy ny vadiny.

Tany Floride ny faritra faharoa notsidihinay. Nila aotomobilina izahay dia nividy iray. Mora be no nahazoanay an’ilay izy! Nisy simba anefa tao amin’ny maoterany ny herinandro voalohany. Izahay tamin’io tsy nanam-bola hanamboarana azy intsony. Niantso rahalahy izay àry aho, satria nieritreritra hoe afaka manampy anay izy. Ny iray tamin’ny mpiasany no nasainy nanamboatra an’ilay izy, ary tsy nety nandray vola avy taminay izy. Hoy izy: “Ao fa efa milamina e!” Izahay indray aza no nomeny vola, hoe fanomezana, hono. Tena mikarakara ny mpanompony i Jehovah! Nampahatsiahy ahy iny hoe mila malala-tanana koa aho.

Nilasy tany amin’ny mpiara-manompo izahay isaky ny nitsidika, dia nahazo namana akaiky be dia be. Nisy fotoana izahay roa nipetraka tao amina fianakaviana nanan-janaka lahikely telo taona. Navelako teo amin’ny milina fanoratana ny taratasy nanaovako ny tatitry ny fiangonana indray andro. Mbola tsy vitako ilay izy. Rehefa nody aho ny harivan’iny, dia hitako hoe hay “nampian’ilay” ankizilahikely hamita an’ilay tatitra aho. Nadalaiko momba an’iny foana izy tatỳ aoriana.

Nahazo taratasy aho tamin’ny 1971 hoe voatendry ho mpiandraikitra ny vondrom-paritra any New York. Taitra be izahay! Vao 34 taona aho tamin’izahay nifindra tany. Izaho no mpiandraikitra ny vondrom-paritra mainty hoditra voalohany nitsidika tany, nefa nandray tsara ahy ny mpiara-manompo.

Tia nampianatra momba an’i Jehovah aho isaky ny faran’ny herinandro, nandritra ny fivoriamben’ny faritra, tamin’izaho mpiandraikitra ny vondrom-paritra. Betsaka ny mpiandraikitra ny faritra za-draharaha kokoa noho izaho. Ny iray aza no nanao ny lahatenin’ny batisako. Anisan’izy ireo koa i Theodore Jaracz. Lasa anisan’ny Filan-kevi-pitantanana izy. Be rahalahy za-draharaha nanompo tao amin’ny Betelan’i Brooklyn koa tao amin’ireny fivoriambe ireny. Faly aho hoe samy nanao izay hampahazo aina ahy ry zareo, na ny mpiandraikitra ny faritra na ny Betelita. Izaho mihitsy no nahita hoe niantehitra tamin’ny Tenin’Andriamanitra ireny mpiandry be fitiavana ireny, sady tsy nivadika tamin’ny fandaminana. Lasa mora tamiko ny nanao ny asan’ny vondrom-paritra, satria nanetry tena ry zareo.

NANAO NY ASAN’NY FARITRA INDRAY

Nisy mpiandraikitra ny faritra maromaro notendren’ny Filan-kevi-pitantanana ho mpiandraikitra ny vondrom-paritra, tamin’ny 1974. Lasa mpiandraikitra ny faritra indray àry aho, dia tany Caroline Atsimo ny faritra notsidihiko. Soa ihany fa efa nitambatra ny fiangonana mainty hoditra sy fotsy hoditra tamin’izany, dia faly ny mpiara-manompo.

Voatendry tamina faritra tany Géorgie aho tamin’ny faramparan’ny 1976. Teo anelanelan’i Atlanta sy Columbus izy io. Tadidiko tamin’izaho nanao lahateny fandevenana ho an’ny ankizy mainty hoditra dimy. Nisy nandoro ny tranony, dia maty tao ry zareo. Naratra kosa ny reniny, dia niditra hopitaly. Feno Vavolombelona tonga hampionona azy sy ny vadiny tao amin’ilay hopitaly. Nanao tohy vakana na ny mainty hoditra na ny fotsy hoditra. Hitako hoe hafa mihitsy ny fitiavan’ny rahalahy sy anabavy. Fo mangoraka hoatr’izany no manampy ny mpanompon’Andriamanitra hahavita hiatrika na dia ny mangidy indrindra aza.

NIANATRA SY NAMPIANATRA TAO AMIN’NY BETELA

Nasaina nankany amin’ny Betelan’i Brooklyn izahay sy Ruby, tamin’ny 1977, mba hanampy amina tetikasa iray naharitra volana vitsivitsy. Rehefa ho tapitra ilay izy, dia nanontany ahy ny rahalahy roa anisan’ny Filan-kevi-pitantanana raha te hijanona ao amin’ny Betela izahay mivady. Nanaiky izahay!

Niasa tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana aho, nandritra ny 24 taona. Tsy mora sy saro-pady matetika ny fanontaniana voarain’ireo rahalahy ao. Nanome tari-dalana mifanaraka amin’ny toro lalan’ny Baiboly foana anefa ny Filan-kevi-pitantanana. Ireny no nampiasaina mba hamaliana an’izay fanontaniana voaray sy mba hampiofanana ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy ary ny mpisava lalana. Nanampy olona maro ho lasa Kristianina matotra ireny fampiofanana ireny, dia lasa matanjaka ny fandaminan’i Jehovah.

Solontenan’ny foibe aho, dia nitsidika biraon’ny sampana maromaro nanomboka tamin’ny 1995 ka hatramin’ny 2018. Mpiandraikitra mpitety sampana no niantsoana an’izany taloha. Nihaona tamin’ny Komitin’ny Sampana, Betelita, ary misionera aho mba hampahery sy hanampy an-dry zareo amin’izay olana mahazo azy. Nampahery anay sy Ruby foana koa anefa ny tantaran’ny rahalahy sy anabavy nihaona taminay. Nitsidika an’i Rwanda, ohatra, izahay tamin’ny 2000. Nanohina ny fonay ny nahafantatra ny fiainan’ny mpiara-manompo sy ny fianakavian’ny Betela, nandritra an’ilay fandripahana foko tamin’ny 1994. Betsaka no maty havana. Na mafy aza ny niaretany, dia mbola nanam-pinoana sy be fanantenana ary faly foana ry zareo.

Tamin’ny faha-50 taonan’ny mariazinay

Efa 80 taona mahery izao izahay. Efa 20 taona izay aho no anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Etazonia. Tsy nianatra teny amin’ny oniversite mihitsy aho, nefa nahazo ny fampianarana ambony indrindra avy amin’i Jehovah sy ny fandaminany. Lasa mahay mampianatra ny hafa ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly aho, ary hahasoa an-dry zareo mandrakizay izany. (2 Kor. 3:5; 2 Tim. 2:2) Hitako hoe manampy ny olona hanatsara ny fiainany ny hafatra ao amin’ny Baiboly, sady manampy azy hifandray amin’ny Mpamorona. (Jak. 4:8) Ampirisihinay sy Ruby ny olona hankafy ny tombontsoa hianatra momba an’i Jehovah sy hampianatra ny fahamarinana, isaky ny mahita hirika hanaovana an’izany izahay. Izany mantsy no tombontsoa lehibe indrindra ananan’ny mpanompon’i Jehovah!