Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Inona no tian’ny apostoly Paoly holazaina tamin’ilay hoe “teraka tsy tonga volana” izy? (1 Korintianina 15:8)

Hoy i Paoly ao amin’ny 1 Korintianina 15:8: “Farany indrindra, dia mba niseho tamiko koa izy, toy ny hoe niseho tamin’ny zaza teraka tsy tonga volana.” Ilay izy nahita an’i Jesosy tao amin’ny voninahiny tany an-danitra no tian’i Paoly horesahina eo. Nieritreritra isika taloha fa hoatran’ny hoe nomem-boninahitra ho teraka na natsangana tamin’ny maty ho amin’ny fiainana any an-danitra talohan’ny fotoana izy, izany hoe an-jatony taona talohan’ny hisian’ny karazana fitsanganana amin’ny maty hoatr’izany. Nofakafakaina kokoa anefa io andinin-teny io, dia hita hoe mila ahitsy ny fomba anazavantsika azy.

Marina hoe ilay zava-nitranga tamin’i Paoly lasa Kristianina no resahiny eo. Inona anefa no mety ho dikan’ilay hoe “teraka tsy tonga volana” izy? Ireto misy valiny vitsivitsy:

Tampoka tamin’i Paoly sady mafy be taminy ilay izy niova ho Kristianina. Matetika no tsy misy manampo hoe ho teraka tsy tonga volana ny zaza iray. Rehefa nankany Damaskosy mba hanenjika ny Kristianina tany i Saoly (izay nantsoina hoe Paoly tatỳ aoriana), dia tsy nampoiziny mihitsy hoe hahazo fahitana izy ka hahita an’i Jesosy natsangana tamin’ny maty. Na i Paoly na ireo Kristianina saika hampijaliny tany Damaskosy dia samy tsy nanampo hoe ho lasa Kristianina izy. Tena mafy tamin’i Paoly koa ilay zava-nitranga. Lasa tsy nahita izy nandritra ny fotoana kelikely.​—Asa. 9:1-9, 17-19.

“Tsy nitovy tamin’ny an’ny hafa” ny fotoana nahalasa Kristianina azy. Ilay teny grika nadika hoe “teraka tsy tonga volana” dia azo adika koa hoe “tsy teraka tamin’ny fotoana nety.” Izao no andikan’ny Baibolin’i Jerosalema (anglisy) azy io: “Hoatran’ny hoe tamin’ny fotoana tsy nampoizin’ny olona aho no teraka.” Efa niverina tany an-danitra i Jesosy tamin’ny fotoana niovan’i Paoly ho Kristianina. Tsy hoatran’ireo olona notanisainy ao amin’ireo andinin-teny teo aloha izy, satria tsy nahita an’i Jesosy natsangana tamin’ny maty talohan’ny niakarany tany an-danitra. (1 Kor. 15:4-8) Afaka nahita an’i Jesosy ihany anefa i Paoly rehefa niseho taminy izy, na dia hoatran’ny hoe “tsy nitovy tamin’ny an’ny hafa” aza ny fotoana nitrangan’izany.

Nanetry tena i Paoly rehefa niresaka ny tenany. Misy manam-pahaizana milaza fa hoatran’ny hoe manambany ilay teny nampiasain’i Paoly eo. Raha izay no tao an-tsainy, dia niaiky izy fa tsy mendrika ny hahazo an’ilay tombontsoa nomena azy izy. Izao mihitsy aza no nolazainy eo amin’ny andininy manaraka: “Izaho no kely indrindra amin’ny apostoly, ary tsy mendrika ny hantsoina hoe apostoly aho, satria nanenjika ny fiangonan’Andriamanitra. Ny hatsaram-panahy miavaka nasehon’Andriamanitra anefa no nahatonga ahy ho hoatr’izao.”​—1 Kor. 15:9, 10.

Mety ho izao àry no tian’i Paoly holazaina: Tampoka sady tsy nisy nanampo ny fomba nisehoan’i Jesosy taminy, tsy nitovy tamin’ny an’ny hafa ny fotoana nahalasa Kristianina azy, na tsy mendrika ny hahazo an’ilay fahitana miavaka izy. Na ahoana na ahoana, dia sarobidy tamin’i Paoly iny zava-nitranga iny. Porofo mivaingana nandresy lahatra azy iny hoe natsangana tamin’ny maty i Jesosy. Tsy mahagaga raha matetika izy no niresaka momba an’iny zava-nitranga tsy nampoizina iny, rehefa nitory momba ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty.​—Asa. 22:6-11; 26:13-18.