Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Iza no hatsangana eto an-tany, ary hoatran’ny ahoana ny karazana fitsanganana ho azon’izy ireo?

Andao hojerentsika ny hamalian’ny Baiboly an’izany.

Milaza ny Asan’ny Apostoly 24:15 fa “hatsangan’Andriamanitra ny marina sy ny tsy marina.” Ny marina dia ireo olona nankatò an’Andriamanitra tamin’ny mbola velona, ka voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainana ny anarany. (Mal. 3:16) Anisan’ny tsy marina kosa ireo tsy tena afaka nianatra momba an’i Jehovah tamin’ny fahavelony, ka tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainana ny anarany.

Mitovy amin’ireo antokon’olona roa voaresaka ao amin’ny Asan’ny Apostoly 24:15 ihany, ny resahin’ny Jaona 5:28, 29. Nilaza i Jesosy ao hoe “izay nanao ny tsara dia hatsangana mba hahazo fiainana, fa izay zatra nanao ratsy kosa hatsangana mba hotsaraina.” Nanao ny tsara ny marina tamin’ny mbola velona. Hatsangana mba hahazo fiainana ry zareo, satria mbola ho ao amin’ny bokin’ny fiainana ny anarany. Zatra nanao ratsy kosa ny tsy marina tamin’ny fahavelony. Hatsangana mba hotsaraina àry ry zareo. Mbola tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainana ny anarany ary hotsaraina izy, izany hoe homena fotoana izy dia hodinihina ny fitondran-tenany mandritra an’izay fotoana izay. Ho afaka hianatra momba an’i Jehovah àry izy, dia afaka ny ho voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainana ny anarany.

Ny Apokalypsy 20:12, 13 indray manazava fa izay rehetra hatsangana amin’ny maty, dia mila mankatò an’izay ‘voasoratra ao amin’ireo horonam-boky’, izany hoe mankatò an’ireo lalàna vaovao hanan-kery ao amin’ny tontolo vaovao. Haringana izay tsy mankatò an’izany​—Isaia 65:20.

Milaza ny Daniela 12:2 fa hifoha ka “hahazo fiainana mandrakizay” ny sasany amin’ireo nodimandry, “fa ny sasany kosa ho afa-baraka sy hatao tsinontsinona mandrakizay.” Ny hiafaran’ireo hatsangana amin’ny maty no resahin’io andininy io, izany hoe hahazo “fiainana mandrakizay”, na “hatao tsinontsinona mandrakizay.” Ho velona mandrakizay àry ny olona sasany rehefa tapitra ny 1 000 taona, fa ny hafa kosa ho ringana mandrakizay.​—Apok. 20:15; 21:3, 4.

Ity misy ohatra. Azo oharina amin’ny vahiny te hipetraka any an-tany hafa ireo antokon’olona roa hatsangana amin’ny maty ireo. Ny marina dia hoatran’ireo nahazo vizà iasana na ipetrahana ao amin’ilay tany, ka ekena hanao zavatra sasany izy sady manana fahalalahana kokoa. Ny tsy marina kosa dia hoatran’ireo vahiny nahazo vizà tsy maharitra, na vizà ho an’ny mpizaha tany. Tsy maintsy manaja sy mankatò ny lalàn’ilay firenena ireo vahiny ireo, vao mahazo mipetraka ao amin’ilay tany. Hoatr’izany koa fa mila mankatò ny lalàn’i Jehovah ireo tsy marina hatsangana amin’ny maty, ary mila mampiseho hoe olo-marina, izay vao afaka mijanona ao amin’ny Paradisa. Tsara homarihina fa na inona na inona vizà azon’ireo vahiny ireo tamin’izy tonga tao amin’ilay tany, dia hisy amin’izy ireo hahazo ny zom-pirenena, fa ny hafa kosa mety horoahina. Miankina amin’ny toe-tsainy sy ny fitondran-tenany ao amin’ilay tany izany fanapahan-kevitra farany izany. Hoatr’izany koa ny amin’izay rehetra hatsangana amin’ny maty. Miankina amin’ny tsy fivadihany sy ny fitondran-tenany ao amin’ny tontolo vaovao ny hiafaran’izy ireo.

Tsy hoe Andriamanitra mangoraka fotsiny i Jehovah, fa Andriamanitra manao ny rariny sy ny hitsiny koa. (Deot. 32:4; Sal. 33:5) Be fitiavana izy, ka samy hatsangany amin’ny maty na ny marina na ny tsy marina. Tsy hampandefitra ny fitsipiny momba an’izay tsara sy ratsy koa anefa izy. Izay lasa tia azy sy manaraka ny fitsipiny ihany àry no havelany hiaina foana ao amin’ny tontolo vaovao.