LAHATSORATRA FIANARANA 40

‘Ampiana Hanaraka ny Fahamarinana ny Olona Maro’

‘Ampiana Hanaraka ny Fahamarinana ny Olona Maro’

“Izay manampy olona maro mba hanaraka ny fahamarinana dia hamirapiratra hoatran’ny kintana, mandrakizay mandrakizay.”​—DAN. 12:3.

HIRA 151 Hiantso i Jehovah

HO HITANAO ATO a

1. Inona ilay fotoana mahafaly miandry antsika mandritra ny Fanjakana Arivo Taona?

 HAHAFINARITRA be izao rehefa manomboka eto an-tany ny fananganana ny maty, mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy! Efa tsy andrin’ny rehetra ny hahita ny olona akaikin’ny fony indray. Hoatr’izany koa no tsapan’i Jehovah. (Joba 14:15) Tsy omby tratra ny hafalian’ny olona eran-tany amin’izay, rehefa mihaona amin’ireo hatsangana amin’ny maty. Hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha hoe “hatsangana mba hahazo fiainana” “ny marina”, izany hoe izay voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainana ny anarany. (Jaona 5:29; Asa. 24:15) Betsaka amin’ny olona akaiky antsika angamba no anisan’ireo voalohandohany hatsangana eto an-tany. b Ankoatra izany, dia “hatsangana mba hotsaraina” “ny tsy marina”, anisan’izany izay tsy tena afaka nahafantatra an’i Jehovah sy nanompo azy tamin’ny mbola velona.

2-3. a) Inona ilay asa fampianarana lehibe indrindra mbola tsy nisy hoatr’izany, araka ny Isaia 11:9, 10? b) Inona no hodinihintsika ato?

2 Mila ampianarina daholo ireny olona hatsangana amin’ny maty ireny. (Isaia 26:9; 61:11) Amin’izay àry no mila atomboka ilay asa fampianarana lehibe indrindra mbola tsy nisy hoatr’izany. (Vakio ny Isaia 11:9, 10.) Fa maninona? Satria ny olona tsy marina izay hatsangana amin’ny maty dia mila mianatra momba an’i Jesosy Kristy, ilay Fanjakana, ny vidim-panavotana, ary ilay raharaha momba ny anaran’i Jehovah sy ny zony hitondra. Na ny olo-marina aza mila ampianarina hoe inona no nampahafantarin’i Jehovah tsikelikely momba ny fikasany ho an’ny tany. Ny sasany amin’ireny olona manam-pinoana ireny mantsy efa ela be talohan’ny nahavitan’ny Baiboly no maty. Betsaka àry no mila ianaran’ny marina sy ny tsy marina.

3 Hamaly an’ireto isika ato: Ahoana no hanatanterahana an’io asa fampianarana lehibe io? Ahoana no handraisan’ny olona azy io, ka hahatonga ny anarany ho voasoratra mandrakizay ao amin’ny bokin’ny fiainana na tsia? Zava-dehibe amintsika ny valin’ireo. Misy faminaniana mahaliana ao amin’ny bokin’i Daniela sy ny Apokalypsy, izay hanampy antsika hahazo kokoa an’izay hitranga rehefa hatsangana ny maty. Handinika an’izany isika rehefa avy eo, fa andao aloha hojerentsika hoe inona ny zavatra mahafinaritra hitranga voaresaka mialoha ao amin’ny Daniela 12:1, 2.

‘HIFOHA IZAY MATORY AO AMIN’NY VOVOKA’

4-5. Inona no resahin’ny Daniela 12:1 momba ny fotoanan’ny farany?

4 Vakio ny Daniela 12:1. Miresaka zavatra maromaro mifanesy hitranga mandritra ny fotoanan’ny farany ny bokin’i Daniela. Milaza, ohatra, ny Daniela 12:1 hoe ‘mitsangana hiaro ny [firenen’Andriamanitra]’ i Mikaela, izany hoe i Jesosy Kristy. Nanomboka tanteraka io ampahany tamin’ilay faminaniana io tamin’ny 1914, rehefa voatendry ho Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra i Jesosy.

5 Nolazaina tamin’i Daniela koa anefa hoe “hitsangana” i Jesosy mandritra ilay “fotoam-pahoriana mbola tsy nisy hoatr’izany, hatrizay nisian’ny firenena ka hatramin’izany fotoana izany.” Ny “fahoriana lehibe” resahina ao amin’ny Matio 24:21 io “fotoam-pahoriana” io. Hitsangana hiaro ny firenen’Andriamanitra i Jesosy amin’ny faran’ilay fotoam-pahoriana, izany hoe amin’ny Aramagedona. Vahoaka be “avy tamin’ny fahoriana lehibe” no iantsoan’ny bokin’ny Apokalypsy an’ireo olona ireo.​—Apok. 7:9, 14.

6. Inona no hitranga rehefa tafavoaka velona amin’ny fahoriana lehibe ny vahoaka be? Hazavao. (Jereo koa ny “Fanontanian’ny Mpamaky” ato amin’ity gazety ity, momba ny fananganana ny maty eto an-tany.)

6 Vakio ny Daniela 12:2. Inona no hitranga rehefa tafavoaka velona amin’io fotoam-pahoriana io ny vahoaka be? Nieritreritra isika taloha hoe an’ohatra, izany hoe fitsanganana ara-panahin’ny mpanompon’Andriamanitra, ilay fitsanganana amin’ny maty resahin’io andininy io, ary mandritra ny andro farany ilay izy no hitranga. c Tsy izany anefa ilay izy. Fitsanganana amin’ny maty ao amin’ny tontolo vaovao no tiana horesahina amin’izy io. Fa maninona isika no milaza an’izany? Ampiasaina ao amin’ny Joba 17:16 koa ilay teny hoe “vovoka.” Ilazana ny “Fasana” izy io ao. Izany no mampiseho hoe fitsanganana amin’ny maty ara-bakiteny ilay resahin’ny Daniela 12:2. Hitranga izy io rehefa tapitra ny andro farany, sy aorian’ilay ady Aramagedona.

7. a) Inona no dikan’ny hoe hatsangana mba “hahazo fiainana mandrakizay” ny olona sasany? b) Nahoana izany no “fitsanganana tsara kokoa”?

7 Inona anefa no tian’ny Daniela 12:2 horesahina amin’ilay hoe hisy olona hatsangana mba “hahazo fiainana mandrakizay”? Hoe ho velona mandrakizay amin’ny farany izay hatsangana amin’ny maty ka lasa mahafantatra an’i Jehovah sy Jesosy, na manohy mamantatra azy ireo, sady mankatò azy ireo mandritra ny 1 000 taona. (Jaona 17:3) Ho “fitsanganana tsara kokoa” izany raha oharina amin’izay nitranga taloha. (Heb. 11:35) Fa maninona? Satria maty indray ireny olombelona tsy lavorary ireny tatỳ aoriana.

8. Nahoana ny olona sasany no hatsangana mba “ho afa-baraka sy hatao tsinontsinona mandrakizay”?

8 Tsy izay rehetra hatsangana amin’ny maty anefa no hanaiky ny fampianaran’i Jehovah. Milaza ny faminanian’i Daniela hoe hatsangana mba “ho afa-baraka sy hatao tsinontsinona mandrakizay” ny olona sasany. Ho hita hoe tia mikomy mantsy ry zareo, ka tsy hosoratana ao amin’ny bokin’ny fiainana ny anarany sady tsy hahazo fiainana mandrakizay izy. “Hatao tsinontsinona mandrakizay” kosa izy, izany hoe horinganina. Izay hiafaran’ny olona rehetra hatsangana amin’ny maty, arakaraka izay nataony taorian’ny nananganana azy, àry no resahin’ny Daniela 12:2. d (Apok. 20:12) Ny sasany hahazo fiainana mandrakizay, fa ny hafa kosa tsy hahazo.

‘AMPIANA HANARAKA NY FAHAMARINANA NY OLONA MARO’

9-10. Inona koa no hitranga aorian’ny fahoriana lehibe, ary iza no “hamirapiratra be hoatran’ny lanitra”?

9 Vakio ny Daniela 12:3. Inona koa no hitranga aorian’ilay “fotoam-pahoriana”? Ankoatra ny Daniela 12:2, dia miresaka zavatra hitranga aorian’ny fahoriana lehibe koa ny andininy faha-3.

10 Iza no “hamirapiratra be hoatran’ny lanitra”? Manampy antsika hahita ny valin’izany ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 13:43. Izao no lazainy ao: ‘Amin’izany fotoana izany dia hamirapiratra hoatran’ny masoandro ao amin’ny Fanjakan’ny Rainy ny olo-marina.’ Niresaka momba “ny zanak’ilay Fanjakana” i Jesosy teo, rehefa jerena ny andininy manodidina. Ny rahalahiny voahosotra hanjaka miaraka aminy any an-danitra no tiany holazaina. (Mat. 13:38) Tsy maintsy hoe momba ny voahosotra sy ny asa hataon-dry zareo mandritra ny Fanjakana Arivo Taona àry no tian’ny Daniela 12:3 horesahina.

Hiara-miasa akaiky amin’i Jesosy Kristy ireo 144 000, ka hitarika an’ilay asa fampianarana hatao mandritra ny 1 000 taona (Fehintsoratra 11)

11-12. Inona ny asa hataon’ireo 144 000 mandritra ny 1 000 taona?

11 Ahoana no hataon’ny voahosotra mba hanampiana ‘olona maro hanaraka ny fahamarinana’? Hiara-miasa akaiky amin’i Jesosy Kristy ry zareo, ka hitarika an’ilay fampianarana hatao eto an-tany mandritra ny 1 000 taona. Tsy ho mpanjaka fotsiny ireo 144 000 ireo fa ho mpisorona koa. (Apok. 1:6; 5:10; 20:6) Hanampy ‘hanasitrana ny firenena’ ry zareo, izany hoe hanampy tsikelikely ny olombelona mba ho lavorary indray. (Apok. 22:1, 2; Ezek. 47:12) Ho faly erỳ izao ny voahosotra hanao an’izany!

12 Iza no anisan’ny “olona maro” hampiana mba hanaraka ny fahamarinana? Izay hatsangana amin’ny maty sy izay tafavoaka velona amin’ny Aramagedona, ary izay ankizy mety ho teraka ao amin’ny tontolo vaovao. Efa lavorary daholo ny olombelona eto an-tany rehefa tapitra ny 1 000 taona. Rahoviana àry ny anaran-dry zareo vao hosoratana amin’ny stylo ao amin’ny bokin’ny fiainana fa tsy amin’ny pensilihazo, izany hoe tsy ho voafafa ao intsony?

ILAY FITSAPANA FARANY

13-14. Inona no tsy maintsy asehon’ny olombelona lavorary rehetra eto an-tany, izay vao hahazo fiainana mandrakizay ry zareo?

13 Tsy maintsy mitadidy isika fa tsy hoe rehefa lavorary ny olona iray, dia tonga dia hahazo fiainana mandrakizay. Eritrereto i Adama sy Eva. Lavorary izy mivady, nefa mbola nila nampiseho aloha hoe nankatò an’i Jehovah Andriamanitra ry zareo vao homena fiainana mandrakizay. Mampalahelo fa tsy nahavita nankatò ry zareo.​—Rom. 5:12.

14 Hanao ahoana ny olona eto an-tany amin’ny faran’ny 1 000 taona? Efa lavorary daholo. Hanohana mandrakizay ny zon’i Jehovah hitondra ve ry zareo? Sa hisy hanao hoatran’i Adama sy Eva, ka hivadika ihany na dia lavorary aza? Ahoana no hahafantarana ny valin’ireo?

15-16. a) Rahoviana ny olombelona rehetra no ho afaka hampiseho hoe tsy mivadika amin’i Jehovah? b) Inona no ho vokatr’ilay fitsapana farany?

15 Hogadraina mandritra ny 1 000 taona i Satana. Tsy hahavita hamitaka na iza na iza izy mandritra an’io fotoana io. Havotsotra anefa izy amin’ny faran’ny 1 000 taona, ka hiezaka hamitaka ny olona lavorary. Ho afaka hampiseho mazava tsara ny olombelona lavorary rehetra eto an-tany amin’izay hoe manaja ny anaran’Andriamanitra sy manohana ny zony hitondra ve izy. (Apok. 20:7-10) Izay hataon’ny tsirairay amin’iny fotoana iny no hamaritana raha hosoratana mandrakizay ao amin’ny bokin’ny fiainana ny anarany na tsia.

16 Hanao hoatran’i Adama sy Eva ny olona sasany, ka tsy hanaiky an’i Jehovah ho mpitondra. Tsy fantatra ny isan-dry zareo. Inona no hanjo an’ireo olona ireo? Milaza ny Apokalypsy 20:15 hoe: ‘Natsipy mafy tao amin’ny farihy afo izay tsy voasoratra anarana tao amin’ny bokin’ny fiainana.’ Ho ringana tanteraka mandrakizay àry ireo mpikomy ireo. Ho tafavoaka amin’io fitsapana farany io kosa ny ankamaroan’ny olombelona lavorary. Tsy ho voafafa ao amin’ny bokin’ny fiainana intsony àry ny anaran-dry zareo.

MANDRITRA NY “FOTOANAN’NY FARANY”

17. Inona no nolazaina tamin’i Daniela hoe hitranga amin’ny androntsika? (Daniela 12:4, 8-10)

17 Tsara erỳ ny mieritreritra an’izany zavatra hitranga amin’ny hoavy izany! Nisy zava-dehibe nolazain’ny anjely tamin’i Daniela koa anefa hoe hitranga amin’ny androntsika, izany hoe amin’ny “fotoanan’ny farany.” (Vakio ny Daniela 12:4, 8-10; 2 Tim. 3:1-5) Izao no nolazain’ilay anjely taminy: “Hitombo be ny tena fahalalana.” Vao mainka ho azon’ny vahoakan’Andriamanitra àry ny faminaniana ao amin’ny bokin’i Daniela. Nilaza koa ilay anjely hoe ‘ny ratsy fanahy mbola hanao ratsy ihany’ mandritra an’izany foana izany, “ary tsy hisy ratsy fanahy hahazo ny dikan’izany teny izany.”

18. Inona no hanjo ny ratsy fanahy tsy ho ela?

18 Hoatran’ny hoe afa-maina foana amin’izao ny ratsy fanahy. (Mal. 3:14, 15) Oharina amin’ny osy izy ireny, ary tsy ho ela i Jesosy dia hitsara azy ireny ka hanasaraka azy ireny amin’ny ondry. (Mat. 25:31-33) Tsy ho tafavoaka velona amin’ny fahoriana lehibe ireo ratsy fanahy ireo, sady tsy hatsangana amin’ny maty ao amin’ny tontolo vaovao. Tsy ho voasoratra ao amin’ny “boky fahatsiarovana” voaresaka ao amin’ny Malakia 3:16 ny anarany.

19. Fotoana tokony hanaovantsika inona izao, ary nahoana? (Malakia 3:16-18)

19 Izao no fotoana tokony hanaporofoantsika hoe tsy anisan’ny ratsy fanahy isika. (Vakio ny Malakia 3:16-18.) Manangona ny ‘fananany manokana’ mantsy i Jehovah, izany hoe izay olona sarobidy aminy. Azo antoka fa te ho anisan’izany isika.

“Hitsangana” mba hahazo ny anjarany i Daniela sy ny olona akaiky ny fontsika ary ny maro hafa rehefa ao amin’ny tontolo vaovao. Ho faly be isika hahita an’izany! (Fehintsoratra 20)

20. Inona no fampanantenana farany nolazaina tamin’i Daniela, ary nahoana no tsy andrinao ny hahatanterahan’izany?

20 Tena mampientanentana izao fotoana iainantsika izao. Mbola hiavaka kokoa anefa izay hitranga atsy ho atsy. Tsy ho ela dia ho hitantsika ny hanesorana ny faharatsiana rehetra. Ho hitantsika aorian’izay ny hahatanterahan’ilay fampanantenan’i Jehovah an’i Daniela hoe: “Hitsangana [ianao] any am-parany mba hahazo ny anjaranao.” (Dan. 12:13) Efa tsy andrinao ve ny andro ‘hitsanganan’i’ Daniela sy ny olona akaikin’ny fonao? Raha izany, dia ataovy izay fara herinao dieny izao mba tsy hivadihana amin’i Jehovah, amin’izay azo antoka hoe tsy ho voafafa ao amin’ny bokin’ny fiainana mihitsy ny anaranao.

HIRA 80 “Andramo ka Jereo fa Tsara i Jehovah”

a Hanitsy ny fahazoantsika ny Daniela 12:2, 3 isika ato. Miresaka momba an’ilay asa fampianarana lehibe io andininy io. Hodinihintsika hoe rahoviana izany no hitranga, ary iza avy no tafiditra amin’izany. Ho hitantsika ato koa fa manomana ny olombelona eto an-tany io asa fampianarana io, mba hiatrika an’ilay fitsapana farany amin’ny faran’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy.

b Izay maty nandritra ny andro farany nefa tsy nivadika angamba no hatsangana voalohany, dia mihemotra hoatr’izay hatrany hatrany isaky ny taranaka. Raha izay no izy, dia ho afaka hitsena ny olom-pantany ny taranaka tsirairay. Na ahoana na ahoana, dia azo inoana fa hirindra tsara ny fitsanganana amin’ny maty eto an-tany, matoa milaza ny Soratra Masina hoe ho “araka ny filaharany avy” ny fitsanganana ho any an-danitra.​—1 Kor. 14:33; 15:23.

c Ity dia fanitsiana ny fanazavana ao amin’ny boky Diniho ny Faminanian’i Daniela! toko 17 sy Ny Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra 1987, p. 21-25.

d Mifanohitra amin’izany kosa fa ny fitondran-tenan’ireo olona hatsangana amin’ny maty talohan’ny nahafatesany no tiana hasongadina amin’ilay hoe “ny marina” sy “ny tsy marina” ao amin’ny Asan’ny Apostoly 24:15, ary ilay hoe “izay nanao ny tsara” sy “izay zatra nanao ratsy” ao amin’ny Jaona 5:29.