Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 2

‘Miovà ka Havaozy ny Sainareo’

‘Miovà ka Havaozy ny Sainareo’

Miovà ... ka havaozy ny sainareo mba hamantaranareo tsara ny sitrapon’Andriamanitra, izay tsara sy tena mety ary tonga lafatra.”​—ROM. 12:2.

HIRA 88 Ampahafantaro Ahy ny Lalanao

HO HITANAO ATO a

1-2. Inona no tsy maintsy ataontsika foana aorian’ny batisa? Hazavao.

 ISAKY ny inona ianao no manadio ny tranonao? Mety ho nodiovinao tsara izy io talohan’ny nifindranao tao. Ahoana anefa raha tsy nodiovinao intsony ilay izy taorian’izay? Vetivety dia hiangona ny loto sy ny vovoka. Mila diovinao tsy tapaka àry ny tranonao, raha tianao hadio sy ho mendrika foana.

2 Hoatr’izany koa no mila ataontsika amin’ny fomba fisainantsika sy ny toetrantsika. Mila ahitsintsika foana ireo. Marina aloha hoe efa niezaka mafy nanao izay fiovana nilaina isika talohan’ny batisa, mba ‘hanadiovana ny tenantsika ho afaka amin’izay rehetra mandoto ny vatana sy ny saina.’ (2 Kor. 7:1) Amin’izao anefa misy zavatra mila ‘havaozintsika foana’, araka ny torohevitry ny apostoly Paoly. (Efes. 4:23) Nahoana isika no mila miezaka manao an’izany tsy tapaka? Satria mety ho mora hiangona ao amintsika ny loto sy ny vovoka avy amin’izao tontolo izao. Inona no tokony hataontsika mba tsy hitrangan’izany sy hahatonga antsika ho mendrika foana eo anatrehan’i Jehovah? Tsy maintsy dinihintsika tsy tapaka ny fomba fisainantsika sy ny toetrantsika ary ny faniriantsika.

“HAVAOZY” FOANA ‘NY SAINAO’

3. Inona no dikan’ny hoe ‘manavao ny saina’? (Romanina 12:2)

3 Inona no mila ataontsika mba hahafahantsika manavao ny saintsika, izany hoe manova ny fomba fisainantsika? (Vakio ny Romanina 12:2.) Mety ve izao raha tsy diovintsika ny tranontsika fa haingohaingointsika fotsiny? Tsy mety izany! Tsy ampy koa àry raha manao zavatra tsara vitsivitsy fotsiny isika, satria ivelany ihany izany. Tsy maintsy mandinika an’izay tena maha izy antsika kosa isika, dia manao izay fiovana ilaina mba hahafahantsika mankatò ny fitsipik’i Jehovah araka izay fara herintsika. Mila ataontsika foana izany, fa tsy hoe indray mandeha fotsiny.

Hita amin’ny fianarana sy ny asa fidinao ve hoe ilay Fanjakana no ataonao loha laharana? (Fehintsoratra 4-5) c

4. Inona no azontsika atao raha tsy tiantsika hovolavolain’izao tontolo izao ny fomba fisainantsika?

4 Hahavita hampifaly an’i Jehovah foana isika amin’izay rehetra hataontsika, rehefa lasa lavorary. Mandra-pahatongan’izay anefa, dia mila miezaka mafy foana isika mba hahavitana an’izany. Mariho fa nampifandraisin’i Paoly ilay hoe manavao ny saina sy ilay hoe mamantatra ny sitrapon’Andriamanitra, ao amin’ny Romanina 12:2. Tsy tokony hanara-drenirano fotsiny isika, ka hanaiky hovolavolain’izao tontolo izao. Tsy maintsy mandinika ny tenantsika kosa isika, mba hamantarana raha ny fomba fisainan’Andriamanitra no tena misy vokany amin’ny tanjontsika sy ny fanapahan-kevitsika, fa tsy ny an’izao tontolo izao.

5. Ahoana no ahitana fa tena mino isika hoe efa akaiky ny andron’i Jehovah? (Jereo ny sary.)

5 Andao isika handinika ohatra iray. Tian’i Jehovah raha ‘manao an-tsaina foana ny fahatongavan’ny androny’ isika. (2 Pet. 3:12) Saintsaino àry izao: ‘Hita amin’ny fomba fiainako ve fa azoko hoe efa tena akaiky ny faran’izao tontolo izao? Hita amin’ny fanapahan-kevitro momba ny fianarana sy ny asa ve fa ny fanompoana an’i Jehovah no zava-dehibe indrindra amiko? Mino ve aho fa hanome an’izay ilaiko sy izay ilain’ny fianakaviako i Jehovah, sa izaho manahy foana momba an’izany?’ Eritrereto ny hafalian’i Jehovah mahita hoe miezaka manao ny sitrapony isika amin’izay rehetra ataontsika.​—Mat. 6:25-27, 33; Fil. 4:12, 13.

6. Inona no mila ataontsika foana?

6 Mila mandinika ny fomba fisainantsika foana isika, dia avy eo manao an’izay fiovana ilaina. Izao no nolazain’i Paoly tamin’ny Korintianina: “Miezaha handini-tena foana mba hahitana raha ao amin’ny finoana ianareo na tsia, ary fantaro tsara foana hoe manao ahoana ny tenanareo.” (2 Kor. 13:5) Ny hoe “ao amin’ny finoana” ve midika fotsiny hoe mivory sy manompo tsindraindray? Tsy izay ihany. Tafiditra amin’izy io koa ny fomba fisainantsika, ny faniriantsika, ary ny antony anaovantsika zavatra. Mila manavao ny saintsika foana àry isika ka mamaky ny Tenin’Andriamanitra, mianatra manahaka ny fomba fisainan’i Jehovah, ary manao izay rehetra ilaina mba hanaovantsika ny sitrapony.​—1 Kor. 2:14-16.

‘TAFIO NY TOETRA VAOVAO’

7. Inona koa no mila ataontsika, araka ny Efesianina 4:31, 32? Ary nahoana izany no mety ho sarotra?

7 Vakio ny Efesianina 4:31, 32. Mila ‘mitafy ny toetra vaovao’ koa isika, ankoatra ny hoe manova ny fomba fisainantsika. (Efes. 4:24) Midika izany hoe misy zavatra mila ataontsika. Tsy maintsy miezaka mafy, ohatra, isika miala amin’ny toetra ratsintsika, anisan’izany ny lolompo, ny fahatezerana, ary ny fisafoahana. Mety ho sarotra izany satria efa aman-taonany ny toetra ratsy sasany no tao amintsika. Milaza, ohatra, ny Baiboly fa misy olona “mora tezitra” sy “mora misafoaka.” (Ohab. 29:22) Mila miezaka foana ny olona iray mba hifehy ny toetra ratsiny, na dia aorian’ny batisany aza. Manaporofo an’izany ity fitantarana ity.

8-9. Nahoana no ezaka mitohy ilay hoe miala amin’ny toetra taloha, araka ny tantaran’i Stephen?

8 Sarotra tamin’ny rahalahy iray atao hoe Stephen ny nifehy ny hatezerany. Izao no nolazainy: “Na dia vita batisa aza aho dia tsy maintsy niezaka mba tsy ho mora tezitra. Nitory isan-trano izahay, indray mandeha. Nisy nangalatra anefa ny radion’ny fiarako ka lasa nanenjika an’ilay mpangalatra aho. Rehefa akaiky ho tratrako izy dia natsipiny ilay radio. Notantaraiko tamin’ireo niaraka nitory tamiko izany. Nanontany ahy anefa ny anti-panahy iray hoe: ‘Stephen a, dia ho nataonao ahoana izy raha tratranao?’ Tonga saina aho ka tapa-kevitra hoe hiezaka kokoa ho tia fihavanana.” b

9 Hitantsika amin’ny tantaran’i Stephen fa mety hiverina tampoka ny toetra ratsy, na dia mieritreritra aza isika hoe efa voafehintsika ilay izy. Aza kivy raha izany no manjo anao. Aza mieritreritra koa hoe tsy mendrika ny ho Kristianina ianao. Na i Paoly aza mantsy niaiky hoatr’izao: “Rehefa te hanao ny tsara aho, dia ato anatiko ihany ny ratsy.” (Rom. 7:21-23) Manana toetra ratsy daholo ny Kristianina satria tsy lavorary. Mety hiverimberina foana izany, hoatran’ny vovoka sy loto miangona ao an-tranontsika. Mila miezaka ny hadio foana àry isika. Ahoana no hanaovana an’izany?

10. Inona no hanampy anao hiala amin’ny toetra ratsy? (1 Jaona 5:14, 15)

10 Resaho amin’i Jehovah ilay toetra iadianao, dia matokia fa hihaino anao izy, ary hanampy anao. (Vakio ny 1 Jaona 5:14, 15.) Marina aloha hoe tsy hanao fahagagana i Jehovah ka tonga dia hanala an’ilay toetra ratsy. Omeny hery kosa ianao, amin’izay ho vitanao ny tsy haneho an’ilay izy. (1 Pet. 5:10) Miezaha koa hanao zavatra mifanaraka amin’ny vavaka nataonao, ka aza manao zavatra mety hampiverina an’ilay toetra taloha. Tandremo, ohatra, sao mijery filma na fandaharana amin’ny tele, na mamaky boky manindrahindra an’ireo toetra tianao hialana. Esory ao an-tsainao koa ny fanirian-dratsy.​—Fil. 4:8; Kol. 3:2.

11. Inona avy no azonao atao mba hitafy ny toetra vaovao foana ianao?

11 Tena ilaina ny mitafy ny toetra vaovao, na dia efa niala tamin’ny toetra taloha aza ianao. Ahoana no hanaovanao an’izany? Ataovy tanjona ny hanahaka an’i Jehovah rehefa mianatra momba ny toetrany ianao. (Efes. 5:1, 2) Rehefa mamaky Baiboly, ohatra, ianao ka mahita tantara manasongadina hoe mamela heloka i Jehovah, dia saintsaino izao: ‘Mamela heloka ve aho?’ Ahoana indray raha misy tantara manasongadina hoe mangoraka ny mahantra i Jehovah? Eritrereto hoe: ‘Miahy an’ireo mpiara-manompo sahirana koa ve aho? Asehoko amin’ny zavatra ataoko ve izany?’ Mila manavao ny sainao foana ianao, ka hitafy ny toetra vaovao sady hanam-paharetana amin’ny tenanao.

12. Ahoana no nahatsapan’i Stephen hoe mahavita manova olona ny Baiboly?

12 Hitan’i Stephen, ilay voaresaka terỳ aloha, hoe nahavita nitafy ny toetra vaovao izy rehefa nandeha ny fotoana. Izao no nolazainy: “Imbetsaka aho no sendra zavatra mety ho nahatonga ahy hahery setra, taorian’ny batisako. Tsy maintsy niala aho rehefa nisy nila ady tamiko, na niezaka nandamina an’ilay izy tamin’ny fomba hafa. Nidera ahy ny vadiko sy ny olon-kafa rehefa nahita ny nataoko. Izaho koa aza mba gaga! Tsy mirehareha momba an’izany anefa aho. Hitako kosa hoe ny Baiboly no tena manova olona.”

MIEZAHA FOANA HIADY AMIN’NY FANIRIAN-DRATSY

13. Inona no hanampy antsika hanana faniriana tsara? (Galatianina 5:16)

13 Vakio ny Galatianina 5:16. Tsy kahihitra i Jehovah manome antsika ny fanahiny masina, mba hanampiana antsika handresy amin’ilay ady ka hahavita hanao ny tsara. Rehefa mianatra ny Tenin’Andriamanitra, ohatra, isika dia mamela an’io fanahy io hanan-kery eo amintsika. Mahazo fanahy masina koa isika rehefa mivory. Mifanerasera amin’ireo rahalahy sy anabavy isika any. Miady mafy hoatr’antsika koa ry zareo mba hanao ny tsara, ary mampahery antsika izany. (Heb. 10:24, 25; 13:7) Rehefa mivavaka mafy amin’i Jehovah indray isika, ary miangavy azy mba hanampy antsika handresy ny fahalementsika, dia hanome antsika ny fanahiny masina izy, amin’izay isika mahazo hery hanohizana an’ilay ady. Marina aloha hoe tsy tonga dia hanjavona ireny fanirian-dratsy ireny rehefa manao an’ireo isika. Hanampy antsika kosa ireo, mba tsy hanatanteraka an’ireny faniriana ireny isika. Resahin’ny Galatianina 5:16 mantsy hoe “tsy hanatanteraka ny fanirian’ny nofo”, izay manaiky hotarihin’ny fanahy.

14. Nahoana no tena ilaina ny miezaka foana hanana faniriana tsara?

14 Rehefa manana fandaharana ara-panahy mipetraka tsara isika, dia tsy tokony hanapatapaka an’ilay izy sady hiezaka foana mba hanana faniriana tsara. Nahoana? Satria tsy matory mihitsy ilay fahavalontsika anankiray. Inona izany? Ny fakam-panahy hanao ratsy. Na dia efa vita batisa aza isika, dia mety ho ilay zavatra tsy tokony hataontsika iny mihitsy no tiantsika hatao. Ohatra hoe miloka, miboboka toaka, na mijery sary vetaveta. (Efes. 5:3, 4) Niaiky hoatr’izao ny rahalahy tanora iray: “Anisan’ny mafy indrindra tamiko ny miady amin’ny faniriana hiaraka amin’ny lehilahy. Nieritreritra aho hoe nandalo fotsiny ilay izy, nefa hay mbola mampijaly ahy foana hatramin’izao.” Inona àry no hanampy anao, rehefa tena mahery be ny fanirian-dratsy?

Tsy hoe tsy avotra intsony ianao raha manana fanirian-dratsy. Efa nisy olona niady tamin’izany koa mantsy, ary nandresy an’ilay izy (Fehintsoratra 15-16)

15. Nahoana no mampahery ny mahafantatra hoe “mpahazo ny olona” ny fanirian-dratsy? (Jereo ny sary.)

15 Miady amin’ny fanirian-dratsy ve ianao, ary tena mahery ilay izy? Tadidio fa tsy ianao irery no hoatr’izany. Izao no lazain’ny Baiboly: “Tsy misy fakam-panahy mahazo anareo, afa-tsy izay mpahazo ny olona.” (1 Kor. 10:13a) Nosoratana ho an’ny lehilahy sy vehivavy kristianina tany Korinto ireo teny ireo. Efa mpanitsakitsa-bady, lehilahy miray amin’ny lehilahy, vehivavy miray amin’ny vehivavy, ary mamo lava ny sasany tamin-dry zareo taloha. (1 Kor. 6:9-11) Mieritreritra ve ianao hoe tsy nanana fanirian-dratsy intsony ry zareo rehefa vita batisa? Tsy mitombina izany! Na voahosotra aza mantsy izy rehetra, dia mbola olona tsy lavorary ihany. Azo antoka hoe tsy maintsy niady tamin’ny fanirian-dratsy ry zareo indraindray. Mampahery antsika izany. Hita avy amin’izany mantsy hoe na inona na inona fanirian-dratsy iadiantsika, dia efa nisy olona nahavita nanohitra an’ilay izy. Afaka ny ‘hanana finoana matanjaka’ foana àry ianao, ‘satria fantatrao fa ampijalina toy izany koa ny rahalahinao rehetra.’​—1 Pet. 5:9.

16. Inona no fandrika tokony hialanao, ary nahoana?

16 Aza mieritreritra hoe tsy hisy hahatakatra mihitsy ny mahazo anao. Fandrika mantsy izany! Raha izany no ao an-tsainao, dia mety hieritreritra ianao hoe tsy avotra intsony sy tsy hahavita handresy an’ilay fanirian-dratsy. Tsy izany anefa no resahin’ny Baiboly. Izao no voalaza ao: ‘Tsy mivadika amin’ny teniny Andriamanitra, ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo. Fa rehefa misy fakam-panahy dia hasiany lalan-kivoahana koa, mba hahazakanareo an’izany.’ (1 Kor. 10:13b) Na mafy hoatran’ny inona àry ilay fakam-panahy hanatanteraka fanirian-dratsy, dia afaka ny hahazaka an’izany ianao. Ampian’i Jehovah ianao, dia hahavita tsy hanatanteraka an’ilay izy.

17. Mety tsy ho vitantsika ny hisakana ny fanirian-dratsy tsy hiverina intsony. Inona anefa no ho vitantsika?

17 Tadidio izao: Tsy lavorary ianao, ka mety tsy ho vitanao ny hisakana ny fanirian-dratsy tsy hiverina intsony. Rehefa miverina anefa ilay izy, dia aza manaiky ho resy! Izany no nataon’i Josefa tamin’izy nandositra ny vadin’i Potifara. (Gen. 39:12) Tsy voatery hanatanteraka ny fanirian-dratsy àry ianao!

MIEZAHA FOANA!

18-19. Inona no tokony hosaintsainintsika rehefa miezaka manavao ny saintsika isika?

18 Manavao ny saintsika isika, raha miezaka foana mba hampifanaraka ny fomba fisainantsika sy ny zavatra ataontsika amin’ny sitrapon’i Jehovah. Mila mandini-tena matetika ianao mba hahavitana an’izany. Saintsaino ireto: ‘Hita amin’ny zavatra ataoko ve fa takatro hoe tena efa akaiky ny farany? Efa mba mahavita maneho ny toetra vaovao ve aho? Manaiky hotarihin’ny fanahin’i Jehovah ve aho, amin’izay tsy manatanteraka ny fanirian’ny nofo?’

19 Rehefa mandini-tena ianao dia aza mitady ny tonga lafatra, fa ny fandrosoana efa vitanao ifantohana. Aza kivy raha hitanao hoe mbola misy mila iezahanao. Araho kosa ilay torohevitra ao amin’ny Filipianina 3:16. Izao no voalaza ao: “Efa misy fandrosoana vitantsika ... ka andao isika hiezaka handroso hoatr’izany foana.” Rehefa manao an’izany ianao sady miezaka foana mba hanavao ny sainao, dia matokia fa hitahy ny ezaka ataonao i Jehovah.

HIRA 36 Arovy ny Fonao

a Nampirisika ny mpiara-manompo taminy ny apostoly Paoly, mba tsy hanaiky hovolavolain’izao tontolo izao. Tena mila an’izany torohevitra izany koa isika. Mila ataontsika azo antoka hoe tsy misy vokany eo amintsika mihitsy ny fitaoman’izao tontolo izao, na dia kely aza. Tsy maintsy manitsy ny fomba fisainantsika foana isika, isaky ny tsapantsika hoe tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra izy io. Ahoana no hanaovantsika an’izany?

b Jereo ilay lahatsoratra hoe “Vao Mainka Aho Nihanahery Setra”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay 2015.

c SARY: Rahalahy tanora misaintsaina hoe hanao fianarana ambony izy sa hanompo manontolo andro.