Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 3

Manampy Anao Hahomby i Jehovah

Manampy Anao Hahomby i Jehovah

‘Notahin’i Jehovah foana i Josefa sady nataon’i Jehovah nahomby daholo izay nataony.’​—GEN. 39:2, 3.

HIRA 30 Jehovah no Raiko sy Namako

HO HITANAO ATO a

1-2. a) Nahoana no efa ampoizintsika hoe hiatrika fitsapana isika? b) Inona no hodinihintsika ato?

 EFA ampoizintsika vahoakan’i Jehovah hoe hiatrika fitsapana isika. Milaza mantsy ny Baiboly hoe: “Tsy maintsy miatrika fahoriana maro isika vao ho tafiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.” (Asa. 14:22) Fantatsika koa fa misy olana tsy ho voavaha tanteraka raha tsy any amin’ny tontolo vaovao. Any vao “tsy hisy intsony ny fahafatesana, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.”​—Apok. 21:4.

2 Tsy miaro antsika amin’ny fitsapana i Jehovah. Manampy antsika hiaritra anefa izy. Mariho izay nolazain’ny apostoly Paoly tamin’ny Kristianina tany Roma. Notanisainy aloha ny fitsapana niaretan’izy sy ny rahalahiny, dia nanoratra izy avy eo hoe: ‘Mivoaka ho mpandresy tanteraka isika, satria manampy antsika ilay tia antsika.’ (Rom. 8:35-37) Midika izany fa afaka manampy anao hahomby i Jehovah, na dia mbola ao anatin’ny fitsapana aza ianao. Andao hojerentsika hoe ahoana no nanampian’i Jehovah an’i Josefa mba hahomby, ary ahoana no anampiany anao.

REHEFA MITSIMBADIKA TAMPOKA NY FIAINANA

3. Inona ny fiovana nitranga tampoka teo amin’ny fiainan’i Josefa?

3 Hita be tamin’ny nataon’i Jakoba hoe tena tiany i Josefa zanany lahy. (Gen. 37:3, 4) Lasa nialona an’i Josefa àry ny zokiny lahy. Rehefa nahita hirika ry zareo, dia namidiny tamin’ny mpivarotra midianita i Josefa. Nentin’ireo mpivarotra ireo nankany Ejipta, tany amin’ny an-jatony kilaometatra, i Josefa. Namidin-dry zareo indray izy rehefa tonga tany. I Potifara, lehiben’ny mpiambina an’i Farao, no nividy azy. Vetivety kely dia nitsimbadika ny fiainan’i Josefa. Tampoka teo dia lasa andevo kelin’ny Ejipsianina ilay sombinain’ny dadany!​—Gen. 39:1.

4. Inona no fitsapana mety hatrehintsika ka mitovitovy amin’ny an’i Josefa?

4 Milaza ny Baiboly fa “mahazo ny rehetra ny zava-dratsy.” (Mpito. 9:11, Baiboly Masina​—Dikan-teny Mora Vakina, anglisy) Miatrika fitsapana “mpahazo ny olona” isika indraindray. (1 Kor. 10:13) Na mety hijaly isika satria fotsiny hoe mpianatr’i Jesosy. Mety hisy haneso, ohatra, isika, na hanohitra, na hisy hanenjika mihitsy aza noho ny finoantsika. (2 Tim. 3:12) Na inona na inona anefa fitsapana mahazo anao, dia afaka manampy anao hahomby i Jehovah. Ahoana izao no nataony tamin’i Josefa?

Nampian’i Jehovah hahomby i Josefa, na dia tamin’izy namidy ho andevon’i Potifara tany Ejipta aza (Fehintsoratra 5)

5. Inona no noeritreretin’i Potifara hoe nampahomby an’i Josefa? (Genesisy 39:2-6)

5 Vakio ny Genesisy 39:2-6. Voamarik’i Potifara hoe tovolahy tena kinga saina sady niasa mafy i Josefa. Fantany koa anefa ny antony. Hitany hoe “nataon’i Jehovah nahomby daholo izay [nataon’i Josefa.]” b Lasa mpanompo natokisan’ilay Ejipsianina àry izy tatỳ aoriana. Nasainy niandraikitra an’izay rehetra tao an-tranony koa i Josefa. Dia inona no vokany? Nety be ny fiainan’i Potifara.

6. Ahoana no mety ho nahitan’i Josefa an’izany zavatra niainany izany?

6 Eritrereto hoe ianao no teo amin’ny toeran’i Josefa. Araka ny hevitrao, inona izao no mba tena niriny? Hoe ho voamarik’i Potifara ve dia hahazo valisoa avy aminy? Tsy izany loatra angamba. Tian’i Josefa raha nafahana izy, amin’izay afaka niverina tany amin’ny dadany. Na teo aza mantsy ny tombontsoa rehetra nananany tao an-tranon’i Potifara, dia mbola andevon’io mpanompo sampy io ihany izy. Tsy nataon’i Jehovah izay hanafahan’i Potifara an’i Josefa. Vao mainka nihamafy aza ny nanjo azy.

RAHA MIHARATSY NY ZAVA-MITRANGA

7. Inona no mampiseho hoe vao mainka niharatsy ny fiainan’i Josefa? (Genesisy 39:14, 15)

7 Resahin’ny Genesisy toko faha-​39 fa taratara tamin’i Josefa ny vadin’i Potifara, ka imbetsaka izy no nitaona azy hanao firaisana taminy. Tsy nanaiky mihitsy anefa i Josefa. Tezitra be ilay vehivavy tamin’ny farany, dia nendrikendrehiny hoe saika hanolana azy i Josefa. (Vakio ny Genesisy 39:14, 15.) Rehefa naheno an’izany i Potifara, dia nampidiriny am-ponja i Josefa, ary aman-taonany izy no tao. (Gen. 39:19, 20) Hoatran’ny ahoana ilay fonja nisy azy? Mety ho maizina tao ary nahatsapa angamba i Josefa hoe tsy nisy azo nantenaina intsony ny aminy. Mety hidika hoe “lavaka fanangonan-drano” na “lavaka” mantsy ilay teny hebreo nampiasain’i Josefa mba hilazana hoe “fonja.” (Gen. 40:15; f.a.p.) Milaza koa ny Baiboly fa nisy fotoana nogejaina tamin’ny rojo ny tongony, ary nasiana gadra vy ny tendany. (Sal. 105:17, 18) Vao mainka niharatsy àry ny zavatra niainany. Efa mba andevo natokisana izy teo, nefa lasa gadra faraidiny izao.

8. Inona no azontsika antoka na dia mihamafy aza ny mahazo antsika?

8 Efa nisy fotoana ve hoe vao mainka niharatsy ny nanjo anao, na dia efa nivavaka mafy momba an’ilay izy aza ianao? Mety hitranga izany. Tsy miaro antsika amin’ny fitsapana mantsy i Jehovah, eto amin’ity tontolo fehezin’i Satana ity. (1 Jaona 5:19) Izao anefa: Afaka matoky ianao hoe fantatr’i Jehovah tsara izay manjo anao, ary miahy anao izy. (Mat. 10:29-31; 1 Pet. 5:6, 7) Mampanantena koa izy hoe: “Tsy handao anao mihitsy aho, ary tsy hahafoy anao mihitsy.” (Heb. 13:5) Afaka manampy anao hiaritra i Jehovah, na dia hoatran’ny hoe tsy misy mangirana aza ny fiainanao. Andao hojerentsika ny fomba nanampiany an’i Josefa.

Notahin’i Jehovah i Josefa na dia tamin’izy tao am-ponja aza, ary lasa niandraikitra ny gadra hafa rehetra (Fehintsoratra 9)

9. Inona no mampiseho fa notahin’i Jehovah i Josefa tany am-ponja? (Genesisy 39:21-23)

9 Vakio ny Genesisy 39:21-23. Maizina tamin’i Josefa ny tany aman-danitra tamin’izy nigadra. Mbola nataon’i Jehovah nahomby anefa izy. Lasa natokisana sy nohajain’ny lehiben’ny fonja i Josefa, hoatran’ny tao amin-dry Potifara ihany. Tsy ela izy dia nasainy niandraikitra ny gadra hafa. Milaza ny Baiboly fa “tsy nisy nampanahy an’ilay lehiben’ny fonja mihitsy ny zavatra niandraiketan’i Josefa.” Mba verivery dia amin’izay izao i Josefa satria nisy asa mahasoa natao. Iza moa no nanampo hoe izay no hitranga? Gadra nampangaina hoe saika hanolana vadina tandapa ve dia nanankinana andraikitra hoatr’izany? Tsy maintsy hoe i Jehovah no tao ambadik’izany. Milaza mantsy ny Genesisy 39:23 fa ‘notahin’i Jehovah i Josefa, sady nataon’i Jehovah nahomby daholo izay nataony.’

10. Nahoana i Josefa no mety ho tsy nahatsapa hoe nahomby daholo izay nataony?

10 Mipetraha indray ange eo amin’ny toeran’i Josefa e! Izy ve, hoy ianao, dia nahatsapa hoe nahomby daholo izay nataony, nefa izy aza avy nendrikendrehina sy nogadraina? Inona izao no mba tena niriny tamin’izany? Ny hahazo sitraka amin’ilay lehiben’ny fonja ve? Tsy izany loatra angamba, fa hoe mba hafahana madiodio. Nangataka tamin’ny gadra iray efa hafahana mihitsy aza izy mba hiresaka amin’i Farao momba azy, amin’izay izy tafavoaka avy ao amin’io fonja mahatsiravina io. (Gen. 40:14) Tsy tonga dia niresaka tamin’i Farao anefa ilay lehilahy. Tavela tao nandritra ny roa taona fanampiny àry i Josefa. (Gen. 40:23; 41:1, 14) Na izany aza, dia mbola nataon’i Jehovah nahomby izay nataony. Ahoana no nanaovany an’izany?

11. Inona no fahaizana manokana nomen’i Jehovah an’i Josefa, ary nahoana izany no nanampy hanatanteraka ny fikasan’i Jehovah?

11 Nataon’i Jehovah izay hahatonga ny mpanjakan’i Ejipta hanonofy indroa, tamin’i Josefa tao am-ponja. Nampiady saina an’i Farao ireo nofiny ireo, ka tena tiany ho fantatra ny dikany. Nampanantsoiny àry i Josefa rehefa fantany hoe nahay nanazava nofy. Nampian’i Jehovah i Josefa ka afaka nanazava ny dikan’ny nofin’i Farao, ary nampiaiky an’ilay mpanjaka ny torohevitra mahasoa nomeny. Rehefa hitany hoe notahin’i Jehovah ilay tovolahy, dia notendreny ho mpiandraikitra ny sakafo nanerana an’i Ejipta. (Gen. 41:38, 41-44) Nisy mosary mafy tao Ejipta tatỳ aoriana, ary tratran’ilay izy koa i Kanana. Tany no nisy ny fianakavian’i Josefa. Efa afaka namonjy ny fianakaviany anefa i Josefa tamin’izay, ka niaro ny razamben’ny Mesia.

12. Inona avy no nataon’i Jehovah mba hampahomby an’i Josefa?

12 Eritrereto ny zavatra hafakely nitranga tamin’i Josefa. Iza no nahatonga an’i Potifara hahamarika an’io andevo kely io? Iza no nahatonga an’ilay lehiben’ny fonja hankasitraka an’i Josefa, ilay gadra faraidiny? Iza no nahatonga an’i Farao hanonofy sy hiady saina momba an’izany, ary nanampy an’i Josefa hahay hanazava an’ireo nofiny ireo? Iza no nandrisika an’i Farao hanendry an’i Josefa ho mpiandraikitra ny sakafo tao Ejipta? (Gen. 45:5) Tsy maintsy hoe i Jehovah! Nataony nahomby daholo mantsy izay nataon’i Josefa. Na dia nitetika ny hamono an’i Josefa aza ny rahalahiny, dia hain’i Jehovah ny namadika an’izany ho fomba hanatanterahana ny sitrapony.

AHOANA NO ATAON’I JEHOVAH MBA HAMPAHOMBY ANAO?

13. Idiran’i Jehovah daholo ve izay rehetra mitranga eo amin’ny fiainantsika? Hazavao.

13 Inona no ianarantsika avy amin’ny tantaran’i Josefa? Idiran’i Jehovah daholo ve izany izay rehetra miseho eo amin’ny fiainantsika? Amboamboariny ve ny zava-mitranga tsirairay, amin’izay mba hisy antony tsara daholo izay zava-dratsy mitranga? Tsy mampianatra an’izany ny Baiboly. (Mpito. 8:9; 9:11) Fantatsika anefa izao: Mahita ny fitsapana mahazo antsika i Jehovah, ary maheno ny antso vonjy ataontsika. (Sal. 34:15; 55:22; Isaia 59:1) Afaka manampy antsika hiaritra fitsapana koa izy. Ahoana no ataony?

14. Ahoana no anampian’i Jehovah antsika rehefa ao anatin’ny sarotra isika?

14 Manampy antsika, ohatra, i Jehovah rehefa mampionona sy mampahery antsika, ary amin’ny fotoana ilantsika azy mihitsy matetika. (2 Kor. 1:3, 4) Izany no nitranga tamin’i Eziz, rahalahy any Turkménistan. Nomelohina higadra roa taona izy noho ny finoany. Izao no notantarainy: “Ny marainan’ilay andro hitsarana ahy, dia nisy rahalahy izay nampiseho ahy an’ilay Isaia 30:15 hoe: ‘Hatanjaka ianareo raha tony foana sy feno toky.’ Nanampy ahy mba ho tony foana sy hiantehitra tamin’i Jehovah tamin’ny zava-drehetra io andininy io. Nosaintsainiko foana ilay izy, dia izany no tena nanampy ahy hiaritra nandritra ny fotoana nigadrako.” Ary ianao? Efa nahatsapa ve ianao hoe nampian’i Jehovah, ka nampiononiny sy nampahereziny tamin’ny fotoana tena nilanao an’izany?

15-16. Inona no ianaranao avy amin’ny tantaran’i Tori?

15 Rehefa manao jery todika ny fitsapana nahazo antsika isika matetika, vao mahita ny fomba nanampian’i Jehovah antsika hiaritra an’ilay izy. Izany no tsapan’ny anabavy atao hoe Tori. Mason no anaran’ny zanany lahy, ary niady tamin’ny kansera nandritra ny enin-taona izy io mandra-pahafatiny. Tsy mahagaga àry raha vaky fo i Tori. Izao no nolazainy: “Iny angamba no fahoriana mangidy indrindra nozakaiko hatramin’izay nananako zanaka izay.” Hoy koa izy: “Aleonay ray aman-dreny hoe izahay no mijaly, toy izay mahita ny zanakay manaintaina.”

16 Tena nangidy tamin’i Tori izany. Nisaintsaina ny fomba nanampian’i Jehovah azy hiaritra an’ilay fitsapana anefa izy tatỳ aoriana. Izao no nolazainy: “Rehefa mieritreritra ny fotoana nahararian’ny zanako aho, dia hitako hoe tia sy nanampy anay i Jehovah. Nisy fotoana, ohatra, i Mason narary be dia tsy azo notsidihina. Mbola tonga tany amin’ny hopitaly ihany anefa ireo ranadahy sy rahavavy, na dia nila nandeha aotomobilina adiny roa aza. Nisy olona vonona hanohana anay foana tao amin’ny efitra fiandrasana. Nahazo izay nilainay foana koa izahay. Tsy ory na inona na inona izahay na dia tamin’ny fotoana mafy indrindra aza.” Nomen’i Jehovah an’izay nilainy i Tori mba hiaretana, ary izany koa no nataony tamin’i Mason.​—Jereo ilay hoe “ Izay Nilainay Mihitsy no Nomen’i Jehovah Anay.”

SAINTSAINO NY FITAHIANA AZONAO

17-18. Inona no hanampy antsika hahita sy hankasitraka ny fanampiana omen’i Jehovah antsika, rehefa miatrika fitsapana isika? (Salamo 40:5)

17 Vakio ny Salamo 40:5. Ny ho tonga eny an-tampony no tanjon’ny olona iray mianika tendrombohitra. Mandra-pahatongany eny anefa, dia misy toerana maromaro azony ijanonana sy ankafizana ny manodidina. Hoatr’izany koa no azonao atao. Makà fotoana tsy tapaka hieritreretana an’izay efa ataon’i Jehovah ho anao, mba hahatonga anao hahomby na dia mbola miaritra fitsapana aza ianao izao. Eritrereto izao isan-kariva: ‘Ahoana no nitahian’i Jehovah ahy androany? Ahoana no anampiany ahy hiaritra, na dia mbola tsy tapitra aza ilay fitsapana atrehiko?’ Jereo raha mahita fomba nanampian’i Jehovah anao hahomby ianao, na dia iray fotsiny aza.

18 Marina fa mety hivavaka ianao mba hivaha ny olana mahazo anao. Ara-dalàna izany sady mety tsara. (Fil. 4:6) Aza odiana tsy hita koa anefa ny fitahiana efa azonao amin’izao. Mampanantena mantsy i Jehovah fa hanatanjaka antsika sady hanampy antsika hiaritra. Ankasitraho foana àry ny fanohanany anao. Raha manao an’izany ianao dia ho hitanao fa manampy anao hahomby i Jehovah, hoatran’ny nataony tamin’i Josefa, na dia mbola ao anatin’ny sarotra aza ianao.​—Gen. 41:51, 52.

HIRA 32 Miandania Amin’i Jehovah!

a Rehefa miatrika fitsapana mafy isika, dia mety hieritreritra hoe tsy mahomby isika raha tsy efa mivaha ilay olana. Misy lesona lehibe azontsika ianarana anefa avy amin’izay nitranga teo amin’ny fiainan’i Josefa. Inona izany? Hoe afaka manampy antsika hahomby i Jehovah, na dia mbola ao anatin’ny fitsapana aza isika. Izany no hohazavaina ato.

b Fiovana voalohandohany tamin’ny fiainan’i Josefa tamin’izy andevo ireo. Voafintina ao anatin’ny andinin-teny vitsivitsy izany, nefa mety ho aman-taonany no nitrangany.