LAHATSORATRA FIANARANA 9

Fanomezan’Andriamanitra ny Aina ka Ankamamio

Fanomezan’Andriamanitra ny Aina ka Ankamamio

Matoa isika velona sy mihetsika ary misy, dia noho izy.”—ASA. 17:28.

HIRA 141 Sarobidy ny Fiainana

HO HITANAO ATO a

1. Hoatran’ny ahoana ny hasarobidin’ny aintsika amin’i Jehovah?

 ERITRERETO hoe nisy namanao nanome trano anao. Efa vasobasoka ny lokon’ilay izy sady mitete ny tafo. Na eo aza anefa izany, dia mbola an-tapitrisany ny vidin’io trano io raha amidy. Azo antoka hoe hankasitraka an’ilay trano ianao sady hiaro azy. Misy fanomezana sarobidy be hoatr’izany koa nomen’i Jehovah antsika. Inona izany? Ny aina! Raha ny marina aza, dia nanome ny Zanany ho vidim-panavotana ho antsika izy mba hampisehoana hoe tena sarobidy aminy ny aintsika.​—Jaona 3:16.

2. Inona no tian’i Jehovah hataontsika, araka ny 2 Korintianina 7:1?

2 I Jehovah no Loharanon’aina. (Sal. 36:9) Niaiky an’izany ny apostoly Paoly rehefa nilaza hoe: “Matoa isika velona sy mihetsika ary misy, dia noho izy.” (Asa. 17:25, 28) Afaka milaza àry isika hoe fanomezan’Andriamanitra ny aintsika. Be fitiavana izy, ka manome an’izay ilaintsika mba hahatonga antsika ho velona foana. (Asa. 14:15-17) Tsy hoe manao fahagagana anefa i Jehovah mba hiarovana ny aintsika. Tiany kosa raha manao izay fara herintsika isika mba ho salama sy hanompo azy foana. (Vakio ny 2 Korintianina 7:1.) Fa maninona isika no tokony hiaro ny fahasalamantsika sy ny aintsika, ary ahoana no anaovantsika an’izany?

ASEHOY HOE SAROBIDY AMINAO NY AINA

3. Inona no antony iray tokony hahatonga antsika hiezaka ho salama foana?

3 Inona no antony iray tokony hahatonga antsika hiezaka ho salama foana? Amin’izay isika afaka manompo an’i Jehovah araka izay tsara indrindra vitantsika. (Mar. 12:30) Tiantsika hatolotra ‘ho sorona velona sy masina ary ankasitrahan’Andriamanitra ny tenantsika.’ (Rom. 12:1) Aleontsika àry tsy manao zavatra efa fantatsika hoe hankarary antsika. Marina aloha hoe mety harary foana isika, na inona na inona ataontsika. Manao izay azo atao anefa isika mba ho salama, satria tiantsika haseho amin’ilay Raintsika any an-danitra hoe sarobidy amintsika ilay aina nomeny.

4. Inona no tian’i Davida Mpanjaka hatao?

4 Nohazavain’i Davida Mpanjaka hoe nahoana izy no nankamamy ny aina nomen’Andriamanitra. Izao no nosoratany: “Inona moa no soa azo raha maty aho ka midina any an-davaka? Ny vovoka angaha hidera anao, na hilaza momba ny tsy fivadihanao?” (Sal. 30:9) Efa akaiky ho faty angamba i Davida no nanoratra an’ireo teny ireo. Tapa-kevitra anefa izy hoe hiezaka ny ho velona sy ho salama araka izay azo atao, mba hahafahany hidera an’i Jehovah. Azo antoka hoe tapa-kevitra hoatr’izany koa isika rehetra.

5. Inona no azontsika atao, na dia antitra be na marary mafy aza isika?

5 Betsaka amin’ny zavatra vitantsika taloha angamba no tsy vitantsika intsony, satria isika marary na efa antitra. Mety ho sorena sy halahelo isika vokatr’izany. Tsy tokony hilavo lefona mihitsy anefa isika, ka hoe hanao tsirambina ny fahasalamantsika. Fa maninona? Satria na dia antitra be na marary mafy aza isika, dia mbola afaka midera an’i Jehovah foana, hoatran’i Davida Mpanjaka. Tsy mampahery anao ve hoe sarobidy amin’Andriamanitra isika, na dia tsy lavorary aza? (Mat. 10:29-31) Ary na sanatria maty aza isika, dia tsy andriny izay hananganana antsika. (Joba 14:14, 15) Te hanao izay azo atao àry isika mba hiarovana ny fahasalamantsika sy ny aintsika, dieny mbola velona.

MITANDREMA AMIN’NY FAHAZARAN-DRATSY

6. Inona no tian’i Jehovah hataontsika rehefa mihinana sy misotro isika?

6 Marina hoe tsy boky momba ny fahasalamana na momba an’izay sakafo tokony hohanina sy tsy tokony hohanina ny Baiboly. Resahina ao anefa ny fiheveran’i Jehovah an’ireo. Ampirisihina, ohatra, isika hoe “aza avela hikasika ny vatanao izay zavatra mampijaly” mety hanimba azy io. (Mpito. 11:10) Raran’ny Baiboly ny hoe tendan-kanina sy misotro be loatra, satria samy mety hahafaty ireo. (Ohab. 23:20) Tian’i Jehovah hifehy tena isika rehefa manapa-kevitra hoe inona no hohanintsika sy hosotrointsika, ary hoatran’ny ahoana ny habetsahan’izany.​—1 Kor. 6:12; 9:25.

7. Nahoana ny torohevitra ao amin’ny Ohabolana 2:11 no manampy antsika handray fanapahan-kevitra tsara momba ny fahasalamantsika?

7 Ahoana no ampisehoantsika hoe tena mankasitraka ny aina nomen’Andriamanitra isika? Mila mahay misaina isika rehefa manapa-kevitra. (Sal. 119:99, 100; vakio ny Ohabolana 2:11.) Mandinika tsara, ohatra, isika hoe inona no hohanintsika. Ahoana raha misy sakafo tiantsika nefa mankarary antsika? Misaina tsara isika raha tsy mihinana an’ilay izy. Asehontsika koa hoe hendry isika raha miezaka ny ho ampy torimaso, sy manao fanatanjahan-tena tsy tapaka, ary ataontsika madio foana ny vatantsika sy ny tranontsika.

MITANDREMA FOANA MBA TSY HISIAN’NY LOZA

8. Inona no mampiseho hoe tian’Andriamanitra ho voaro amin’ny loza isika?

8 Nisy tari-dalana nomen’i Jehovah ny firenen’Israely tao amin’ny Lalàna. Nanampy an-dry zareo ireny tari-dalana ireny mba hisoroka loza mety hitranga ao an-trano sy any am-piasana. (Eks. 21:28, 29; Deot. 22:8) Nizaka vokany mangidy, ohatra, izay nahafaty olona tsy nahy. (Deot. 19:4, 5) Ary na tsy fanahy inian’ny olona iray aza hoe nahavoa zaza mbola tany an-kibo ny nataony, dia mbola tsy afa-maina izy araka ny Lalàna. (Eks. 21:22, 23) Mazava amin’izany resahin’ny Soratra Masina izany àry fa tian’i Jehovah hitandrina foana isika mba tsy hisian’ny loza.

Ahoana no ampisehoantsika hoe manaja ny aina isika amin’ireo toe-javatra ireo? (Fehintsoratra 9)

9. Inona no azontsika atao mba hisorohana loza? (Jereo koa ny sary.)

9 Asehontsika hoe mankasitraka ny aina nomen’Andriamanitra isika, raha manao zavatra mialoha mba hisorohana ny loza mety hitranga ao an-trano sy any am-piasana. Ariantsika any amina toerana azo antoka, ohatra, ny zavatra maranitra na simika, na ny fanafody efa tsy ilaina intsony, ary ataontsika tsy hitan’ny ankizy izany. Rehefa mandrehitra afo sy mampangotraka rano ary mampiasa fitaovana elektrika koa isika, dia mitandrina mba hanara-maso an’izany foana. Tsy izay ihany, fa tsy mitondra fiara isika raha nihinana fanafody mety tsy hampifantoka tsara, na avy nisotrosotro, na tsy ampy torimaso. Ankoatra izany, dia tsy tokony ho variana hampiasa ny telefaonina eny an-tanantsika isika rehefa mitondra aotomobilina.

REHEFA MISY LOZA MITRANGA

10. Inona no azontsika atao mialohan’ny loza sy mandritra an’izany?

10 Indraindray isika tsy afaka misakana ny loza tsy hitranga, ohatra hoe horohoron-tany, rivo-doza, valanaretina, na ady. Rehefa mitranga anefa ireny, dia azo antoka kokoa hoe tsy ho voa isika ary mety ho tafavoaka velona, raha mankatò rehefa tsy avela mivezivezy amin’ny alina, sy asaina miala ao amin’ilay toerana, ary manaraka toromarika hafa. (Rom. 13:1, 5-7) Fantatra mialoha ny loza sasany. Tsara àry raha manaraka ny toromarika avy amin’ny manam-pahefana eo an-toerana isika, mba hanampiana antsika hiomana ho amin’izany. Mety hilaina, ohatra, ny mitahiry rano sy sakafo tsy mora simba ary fitaovana fitsaboana vonjimaika.

11. Tokony ho vonona hanao inona isika, rehefa misy areti-mifindra miparitaka?

11 Inona no tokony hataontsika, raha misy areti-mifindra miparitaka any amin’ny toerana misy antsika? Tokony hankatò ny toromarika omen’ny manam-pahefana isika, ohatra hoe asaina manasa tanana matetika, manaja elanelana, manao aro vava orona, ary mihiboka. Rehefa mankatò an’ireny isika, dia mampiseho hoe tena mankasitraka ny aina nomen’Andriamanitra antsika.

12. Nahoana ny toro lalana ao amin’ny Ohabolana 14:15 no manampy antsika hifidy tsara an’izay fanazavana hohenointsika rehefa misy loza?

12 Rehefa misy loza, dia mety hisy fanazavana tsy marina aparitaky ny namana sy ny mpiara-monina ary ny haino aman-jery. Tsy mety àry ny mino “an’izay teny rehetra” henontsika. (Vakio ny Ohabolana 14:15.) Aleo kosa mihaino an’izay vaovao azo antoka indrindra avy amin’ny fanjakana sy ny tompon’andraikitra momba ny fahasalamana. Miezaka mafy ny Filan-kevi-pitantanana sy ny biraon’ny sampana mba hahazo fanazavana marina tsara, izay vao manome toromarika momba ny fivorian’ny fiangonana sy ny fitoriana. (Heb. 13:17) Miaro ny tenantsika sy ny hafa isika rehefa manaraka an’ireny. Raha manao an’izany koa isika, dia vao mainka mety halaza tsara eo amin’ny fiaraha-monina ny fiangonana.​—1 Pet. 2:12.

MIOMÀNA MBA HIFADY NY RA

13. Ahoana no ampisehoantsika hoe ankamamiantsika ny aina nomen’Andriamanitra, raha ny resaka ra no jerena?

13 Betsaka no mahafantatra hoe masina amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny ra. Mankatò ny lalàn’i Jehovah momba an’izany àry isika ka tsy manaiky hampidiran-dra, na dia rehefa mila fitsaboana maika aza. (Asa. 15:28, 29) Tsy midika anefa izany hoe te ho faty isika. Ankamamiantsika kosa ny aina nomen’Andriamanitra antsika. Mitady dokotera matihanina vonona hitsabo tsara isika, nefa tsy mampiditra ra.

14. Inona no azontsika atao mba tsy ho voatery hila fitsaboana lehibe isika?

14 Tsy voatery hila fitsaboana lehibe isika, raha manaraka ny torohevitra momba ny fahasalamana noresahina teo. Ahoana anefa raha tsy maintsy didiana isika? Hahazaka kokoa an’izany ny vatantsika ary ho mora sitrana kokoa isika, raha efa zatra mitandrina fahasalamana. Tsy voatery hila fandidiana maika koa isika, raha manala an’izay zavatra mety hampidi-doza ao an-trano sy any am-piasana, ary manaja tsara ny lalàn’ny fifamoivoizana.

Sarobidy amintsika ny aina nomena antsika, ka mameno an’ilay “Fanomezan-dalana Momba ny Fitsaboana” isika, ary entintsika foana izy io (Fehintsoratra 15) d

15. a) Nahoana no tena ilaina ny mitondra “Fanomezan-dalana Momba ny Fitsaboana” tsy lany andro? (Jereo koa ny sary.) b) Inona no hanampy anao hahay hifidy ny fitsaboana harahinao, araka ny aseho ao amin’ilay video?

15 Sarobidy amintsika ny aina, ka fenointsika ilay “Fanomezan-dalana Momba ny Fitsaboana” ary entintsika foana. b Voalaza ao amin’io fanomezan-dalana io hoe tiantsika hampidiran-dra ve isika, ary ekentsika ve ny fitsaboana sasany. Sao dia efa mila havaozina ny anao ny “Fanomezan-dalana Momba ny Fitsaboana”? Aza mangataka andro raha mila mameno ianao na manavao. Raha soratanao mazava tsara ny fitsaboana tianao hatao aminao, dia tsy ho lany andro hifanazava amin’ny dokotera ianao rehefa mila fitsaboana maika. Tsy hisy resaka tsy mifankahazo koa amin’izay, ka tsy atahorana hampidi-doza anao ny fitsaboana ataony. c

16. Inona no azontsika atao raha tsy haintsika tsara ny mameno an’ilay “Fanomezan-dalana Momba ny Fitsaboana”?

16 Mety hiharan-doza sy harary daholo isika, na dia tanora aza na salama tsara. (Mpito. 9:11) Hendry àry ianao raha mameno an’ilay “Fanomezan-dalana Momba ny Fitsaboana.” Raha tsy hainao tsara ny mameno azy io, dia mangataha fanampiana amin’ny anti-panahy ao amin’ny fiangonanareo. Mahay mameno an’io fanomezan-dalana io mantsy ry zareo matetika. Na izany aza dia tsy handray fanapahan-kevitra eo amin’ny toeranao ny anti-panahy, satria andraikitrao izany. (Gal. 6:4, 5) Afaka manampy anao hahazo tsara ny safidy azonao atao anefa ry zareo, sady afaka manampy anao rehefa manoratra an’izany ianao.

MAHAIZA MANDANJALANJA

17. Ahoana no ampisehoantsika hoe mahay mandanjalanja isika amin’ny resaka fahasalamana?

17 Betsaka amin’ny safidy ataontsika momba ny fahasalamana sy ny fitsaboana no miankina amin’ny feon’ny fieritreretana efa nozarina hanaraka ny Baiboly. (Asa. 24:16; 1 Tim. 3:9) Rehefa mandray fanapahan-kevitra sy miresaka momba an’izany amin’ny olon-kafa àry isika, dia tsara raha manaraka an’ilay toro lalana ao amin’ny Filipianina 4:5 hoe: “Ataovy fantatry ny olona rehetra hoe mahay mandanjalanja ianareo.” Rehefa mahay mandanjalanja isika, dia tsy hanahy be loatra momba ny fahasalamantsika sady tsy hanery ny hafa hitovy hevitra amintsika. Tia sy manaja ny mpiara-manompo isika, na dia tsy mitovy amin’ny antsika aza ny fanapahan-kevitra raisiny.​—Rom. 14:10-12.

18. Ahoana no ampisehoantsika hoe mankasitraka ny aina isika?

18 Asehontsika hoe mankasitraka an’i Jehovah, ilay Loharanon’aina, isika rehefa miaro ny aintsika sy manome azy ny tsara indrindra. (Apok. 4:11) Mbola marary sy iharan’ny loza aloha isika amin’izao. Tsy izany anefa no fiainana noeritreretin’ilay Mpamorona ho antsika. Tsy ho ela izy dia hanome antsika fiainana mandrakizay, ka tsy hanaintaina na ho faty intsony isika. (Apok. 21:4) Mandra-pahatongan’izany anefa, dia faly isika satria velona sady manompo an’i Jehovah, ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra!

HIRA 140 Tonga Ihany Ilay Fiainana Mandrakizay!

a Hanampy antsika ity lahatsoratra ity mba hankasitraka kokoa an’ilay fanomezan’Andriamanitra, izany hoe ny aina. Hodinihintsika mazava tsara hoe inona no azontsika atao mba hiarovana ny fahasalamantsika sy ny aintsika rehefa misy loza, ary ahoana no isorohana an’izany araka izay azo atao. Horesahintsika koa hoe inona no tsy maintsy ataontsika mba ho vonona isika rehefa mila fitsaboana maika.

b Antsoina koa hoe FMF io fanomezan-dalana io.

c Jereo ao amin’ny jw.org/mg ilay video hoe Ahoana no Hahaizana Manapa-kevitra Amin’ny Fampiasana ny Ra?

d SARY: Rahalahy tanora mameno an’ilay “Fanomezan-dalana Momba ny Fitsaboana”, ary ataony azo antoka hoe any aminy foana ilay izy.