LAHATSORATRA FIANARANA 12

Hahafantatra Kokoa An’i Jehovah Ianao Raha Mandinika ny Zavaboariny

Hahafantatra Kokoa An’i Jehovah Ianao Raha Mandinika ny Zavaboariny

“Ny toetrany tsy hita maso ... dia hita mazava tsara hatramin’ny namoronana an’izao tontolo izao. Hita amin’ny zavatra nataony mantsy izany toetrany izany.”​—ROM. 1:20.

HIRA 6 Ny Lanitra Manambara ny Voninahitr’Andriamanitra

HO HITANAO ATO a

1. Inona no fomba iray nanampy an’i Joba hahafantatra kokoa an’i Jehovah?

 TAMIN’NY resaka rehetra nifanaovan’i Joba tamin’ny hafa, dia nisy iray tena niavaka. Inona izany? Ilay resaka nifanaovan’izy sy Jehovah. Nasain’Andriamanitra nandinika ny zavatra sasany mahavariana noforoniny izy tamin’izay. Tiany hatoky kokoa mantsy i Joba hoe hendry Izy sady mahavita mikarakara ny mpanompony. Nampahatsiahivin’Andriamanitra an’i Joba, ohatra, hoe manome izay ilain’ny biby izy, ka mahavita mikarakara an’i Joba koa. (Joba 38:39-41; 39:1, 5, 13-16) Rehefa nandinika ny zavaboary i Joba, dia lasa nahafantatra kokoa ny toetran’ilay Andriamaniny.

2. Maninona no mety ho sarotra amintsika ny mandinika ny zavaboarin’i Jehovah?

2 Hahafantatra kokoa an’ilay Andriamanitsika koa isika rehefa mandinika an’izay noforoniny. Mety tsy ho mora foana anefa izany. Zara raha mahita zavaboary angamba isika rehefa andavanandro, raha mipetraka any an-tanàn-dehibe. Na ny any ambanivohitra koa aza mety tsy hahita fotoana firy hianarana momba an’ireny. Nahoana anefa isika no tokony hiezaka handinika ny zavaboary, ary maninona izany no mendrika hanokanantsika fotoana? Ahoana no nampiasan’i Jehovah sy Jesosy ny zavaboary rehefa nampianatra? Ary inona no azontsika atao raha te handray lesona betsaka kokoa avy amin’ny zavaboary isika? Andao isika handinika an’ireo.

NAHOANA ISIKA NO TOKONY HANDINIKA NY ZAVABOARY?

Tian’i Jehovah hankafy ny zavaboariny sy hanome anarana ny biby i Adama (Fehintsoratra 3)

3. Inona no mampiseho hoe tian’i Jehovah hankafy ny zavaboary i Adama?

3 Tian’i Jehovah hankafy ny zavaboariny ny olombelona voalohany. Rehefa noforoniny i Adama, dia napetrany tao amin’ny paradisa tsara tarehy mba ho afaka handinika ny tsipiriany amin’ilay izy. Nasainy nikarakara sy nanitatra azy io koa izy. (Gen. 2:8, 9, 15) Eritrereto ange e! Nientanentana be izao i Adama rehefa nahita voa nitsimoka sy voninkazo namelana. Tombontsoa be ny azy hoe nasaina nikarakara ny zaridainan’i Edena! Nasaina nanome anarana ny biby isan-karazany koa izy. (Gen. 2:19, 20) I Jehovah ihany dia mahavita an’izany, nefa naleony nampanaovina an’i Adama. Azo antoka hoe nandinika tsara an’ilay biby aloha i Adama vao nanome anarana azy. Nojereny tsara ny nampiavaka azy sy ny fihetsiny. Tsy maintsy hoe nahafinaritra an’i Adama erỳ izany! Azo antoka fa vao mainka izy niaiky hoe hendry sy manan-talenta ary mahay mamorona ilay Rainy.

4. a) Inona no antony iray tokony handinihantsika ny zavaboary? b) Inona amin’ny zavatra noforonin’i Jehovah no tena mampiaiky anao?

4 Nahoana, ohatra, isika no tokony handinika ny zavaboary? Satria tian’i Jehovah hanao an’izany isika. Izy mihitsy no manasa antsika hoe: “Jereo ny lanitra ka banjino.” Izao avy eo no anontaniany: “Iza no namorona an’ireny zavatra ireny?” Mazava ny valin’izany. (Isaia 40:26) Tsy ny lanitra irery anefa no nataon’i Jehovah feno ny zavatra noforoniny, fa ny tany sy ny ranomasina koa. (Sal. 104:24, 25) Afaka mianatra avy amin’ireny zavaboary be dia be mahavariana ireny isika. Eritrereto fotsiny ny fomba namoronan’Andriamanitra antsika! Nataony afaka mankafy ny hakanton’ny zavatra noforoniny isika. Afaka mahita, mandre, mitsapa, maheno tsiron-kanina, ary maheno fofona, ohatra, isika. Manaporofo koa izany hoe tiany hankafy ny zavatra isan-karazany nataony isika.

5. Nahoana isika no mandray soa rehefa mianatra avy amin’ny zavaboary? (Romanina 1:20)

5 Misy antony iray lehibe koa resahin’ny Baiboly hoe tokony handinihantsika ny zavaboary. Mampianatra antsika momba ny toetran’i Jehovah izy ireny. (Vakio ny Romanina 1:20.) Diniho, ohatra, ny fomba nanaovana ny zavaboary sy ny firafitr’izy ireny. Tsy mampiseho ny fahendren’Andriamanitra ve izany? Eritrereto koa ny karazana sakafo azontsika hanina. Miharihary amin’izany hoe tena tia antsika izy. Inona no vokany rehefa hitantsika amin’ny zavatra nataon’i Jehovah ny toetrany? Vao mainka fantatsika izy, dia lasa te hifandray akaiky kokoa aminy isika. Andao isika izao handinika fomba sasany nampiasan’i Jehovah ny zavaboary, mba hampianarana lesona lehibe.

MAMPIANATRA NY MOMBA AZY AMIN’NY ALALAN’NY ZAVABOARY ANDRIAMANITRA

6. Inona no ianaranao rehefa mandinika vorona mpifindra monina?

6 Manana fandaharam-potoana i Jehovah. Mahita vanobe mandalo ny tanin-dry zareo ny Israelita isan-taona, amin’ny faramparan’ny Febroary ka hatramin’ny tapatapaky ny Mey. Mifindra monina mianavaratra mantsy izy ireny amin’izay. Izao no nolazain’Andriamanitra tamin’ny Israelita: ‘Ny vanobe eny amin’ny lanitra mahalala tsara ny fotoana andehanany.’ (Jer. 8:7) Efa nisy fotoana napetrak’i Jehovah mba handehanan’izy ireny mifindra monina. Hoatr’izany koa fa efa nisy fotoana nofaritany hampiharana ny didim-pitsarany. Rehefa mandinika ny vorona mpifindra monina àry ianao, dia matokia fa efa misy “fotoana voatondro” hamaranan’i Jehovah an’izao tontolo ratsy izao.​—Hab. 2:3.

7. Inona no toky ananantsika rehefa mandinika ny fanidin’ny vorona isika? (Isaia 40:31)

7 Manome hery ny mpanompony i Jehovah. Nampiasa an’i Isaia i Jehovah ka nampanantena hoe rehefa kely hery na kivy ny vahoakany dia omeny hery, amin’izay ry zareo ho afaka ‘hanidina ambony, hoatran’ny hoe manana elatry ny voromahery.’ (Vakio ny Isaia 40:31.) Nahazatra ny Israelita ny nahita voromahery manararaotra ny rivotra mitsoka miakatra, ka tsy voatery mikopak’elatra be rehefa manidina. Mampahatsiahy antsika izany hoe mahavita manome hery ny mpanompony koa i Jehovah, hoatran’ny ataony amin’ireny vorona ireny. Rehefa mahita voromahery ianao ka mihamanidina ambony ilay izy nefa zara raha mikopak’elatra, dia tadidio hoe afaka manome hery anao koa i Jehovah ka ho vitanao ny hiatrika ny olana mahazo anao.

8. Inona no nianaran’i Joba rehefa nandinika ny zavaboary izy, ary inona no azontsika ianarana?

8 Mendrika ny atokisantsika i Jehovah. Nampian’i Jehovah i Joba mba hatoky azy kokoa. (Joba 32:2; 40:6-8) Rehefa niresaka taminy Andriamanitra, dia nanazava momba ny zavatra maro noforoniny, anisan’izany ny kintana, ny rahona, ary ny tselatra. Niresaka momba ny biby koa izy, ohatra hoe ny ombidia sy ny soavaly. (Joba 38:32-35; 39:9, 19, 20) Porofo tsy azo lavina ireny fa mahery be izy, nefa be fitiavana sy tena hendry koa. Soa ihany fa nisy an’iny resaka iny, dia lasa natoky an’i Jehovah mihoatra noho ny hatramin’izay i Joba. (Joba 42:1-6) Rehefa mandinika ny zavaboary hoatr’izany isika, dia lasa mahatadidy hoe hendry sy mahery lavitra noho isika i Jehovah. Vitany koa ny mamarana ny fitsapana rehetra mahazo antsika ary tena hanao an’izany izy. Manampy antsika hatoky azy kokoa izany.

NAMPIASA NY ZAVABOARY I JESOSY MBA HAMPIANARANA MOMBA NY RAINY

9-10. Inona no ianarantsika momba an’i Jehovah avy amin’ny masoandro sy ny orana?

9 Nahalala tsara ny zavaboary i Jesosy. “Mpiasa tena mahay” izy, ka nanana tombontsoa hiara-miasa tamin’ny Rainy rehefa namorona an’izao rehetra izao i Jehovah. (Ohab. 8:30) Rehefa tonga tetỳ an-tany i Jesosy, dia nampiasa ny zavaboary mba hampianarana ny mpianany momba ny Rainy. Andao isika handinika lesona sasany nampianariny.

10 Mampiseho fitiavana amin’ny rehetra i Jehovah. Niresaka tamin’ny mpianany momba ny masoandro sy ny orana i Jesosy tamin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra. Tsy mahataitra ny olona maro intsony ireo satria efa mahazatra. Tena ilaina anefa ny masoandro sy ny orana mba ho velona foana isika. Azon’i Jehovah natao hoe tsy nomena an’izany izay olona tsy manompo azy. Be fitiavana anefa izy, dia omeny masoandro sy orana ny rehetra. (Mat. 5:43-45) Nilaza an’izany i Jesosy mba hampianarana ny mpianany hoe tian’i Jehovah hampiseho fitiavana amin’ny olona rehetra koa isika. Isaky ny mahita masoandro mody mivolombolamena àry ianao, na mahita orana mamelombelona, dia saintsaino ny fitiavan’i Jehovah ny olona rehetra tsy an-kanavaka. Lasa te hampiseho fitiavana hoatran’ny azy isika amin’izay, ka hitory amin’ny rehetra.

11. Nahoana no mampahery ny mandinika ny voro-manidina?

11 Manome an’izay ilaintsika i Jehovah. Izao koa nolazain’i Jesosy tao amin’ilay toriteniny: “Jereo tsara ny voro-manidina: Tsy mba mamafy na mijinja na manangona sakafo ao an-trano fitehirizam-bokatra ireny, nefa manome sakafo azy ilay Rainareo any an-danitra.” Nahatazana vorona nanidintsidina angamba ny mpihaino an’i Jesosy rehefa nanontany izy hoe: “Tsy sarobidy noho ireny ve ianareo?” (Mat. 6:26) Manome toky antsika izany fa hanome an’izay ilaintsika i Jehovah. (Mat. 6:31, 32) Mbola mampahery ny mpanompony tsy mivadika amin’izao io lesona avy amin’ny zavaboary io. Kivy, ohatra, ny anabavy tanora iray satria tsy nety nahita trano hipetrahana. Mpisava lalana any Espaina izy. Nampahery azy anefa ny nahita vorona nihinana voamadinika sy voaroy. Izao no nolazainy: “Nampahatsiahy ahy ireo vorona ireo hoe mikarakara azy i Jehovah, dia hikarakara ahy koa izy.” Nahita toerana hipetrahana io anabavy io, tsy ela taorian’izay.

12. Inona no ianarantsika momba an’i Jehovah avy amin’ny fody? (Matio 10:29-31)

12 Sarobidy amin’i Jehovah isika tsirairay. Nampian’i Jesosy mba tsy hatahotra fanoherana ny apostoly, talohan’ny nanirahany an-dry zareo hitory. (Vakio ny Matio 10:29-31.) Ahoana no nataony? Niresaka momba ny fody izy. Vorona fahita any Israely izy io ary tsy dia nisy vidiny tamin’ny andron’i Jesosy. Izao anefa no nolazainy tamin’ny mpianany: ‘Na ny iray amin’ireny aza no latsaka amin’ny tany, dia fantatry ny Rainareo izany.’ Hoy izy avy eo: “Mbola sarobidy lavitra noho ny fody be dia be ianareo.” Nanome toky ny mpianany i Jesosy hoe tsy nisy tokony hatahoran-dry zareo fanenjehana, satria sarobidy tamin’i Jehovah ny tsirairay tamin-dry zareo. Azo antoka fa tadidin’ny mpianany ireo teniny ireo rehefa nahita fody ry zareo teny am-pitoriana, na tany amin’ny tanàna kely na lehibe. Isaky ny mahita voronkely àry ianao, dia tadidio hoe “mbola sarobidy lavitra noho ny fody be dia be” koa ianao amin’i Jehovah. Ampiany ianao ka tsy hatahotra rehefa misy manohitra.​—Sal. 118:6.

MIANARA BEBE KOKOA MOMBA AN’ANDRIAMANITRA AVY AMIN’NY ZAVABOARY

13. Inona no hanampy antsika hianatra avy amin’ny zavaboary?

13 Mbola be dia be no azontsika ianarana momba an’i Jehovah avy amin’ny zavaboary. Ahoana no hatao? Voalohany, makà fotoana handinihana azy ireny. Eritrereto avy eo izay azonao ianarana momba an’i Jehovah avy amin’ilay izy. Tsy mora foana aloha ny manao an’ireo e! Izao, ohatra, no nolazain’i Géraldine, anabavy avy any Cameroun: “Lehibe tany an-tanàn-dehibe aho, dia hitako hoe mila miezaka be ianao vao mahavita mandinika ny zavaboary.” Izao koa no nohazavain’ny anti-panahy antsoina hoe Alfonso: “Nianarako hoe mila manokana fotoana aho dia mitokana, mba handinihana ny zavatra noforonin’i Jehovah sy hisaintsainana an’izay ampianarin’ireny momba azy.”

Nandinika ny zavaboary nanodidina azy i Davida, dia nisaintsaina an’izay azony ianarana momba an’i Jehovah avy amin’ireny (Fehintsoratra 14)

14. Inona no nianaran’i Davida rehefa nisaintsaina momba ny zavaboarin’Andriamanitra izy?

14 Nisaintsaina momba ny zavaboarin’Andriamanitra i Davida. Hoy izy tamin’i Jehovah: “Rehefa jereko ny lanitrao, izay asan’ny rantsantananao, sy ny volana ary ny kintana noforoninao, dia inona moa izay olombelona mety maty no tsaroanao?” (Sal. 8:3, 4) Tsy variana tamin’ny hakanton’izao rehetra izao fotsiny izy, rehefa nandinika ny lanitra tamin’ny alina. Nosaintsaininy koa izay azony ianarana momba an’Andriamanitra avy amin’ireny kintana ireny. Lasa fantany hoe tena lehibe i Jehovah. Nisy fotoana koa i Davida nieritreritra ny fomba niforonan’ny vatany tao an-kibon’ny mamany. Rehefa nisaintsaina an’ireny tsipiriany ireny izy, dia vao mainka niaiky hoe tena hendry i Jehovah.​—Sal. 139:14-17.

15. Inona, ohatra, ny zavaboary nanampy anao hahita ny toetran’i Jehovah? Tantarao. (Salamo 148:7-10)

15 Afaka manao hoatran’i Davida ianao. Tsy voatery hitady lavitra ianao vao hahita zavaboary azonao saintsainina. Diniho fotsiny ny manodidina, fa mety hahita toetran’i Jehovah be dia be ianao. Eritrereto, ohatra, ny heriny rehefa mahatsapa ny hafanan’ny masoandro ny hoditrao. (Jer. 31:35) Saintsaino indray ny fahendreny rehefa mahita vorona manao akany ianao. Ary ahoana rehefa misy alikakely misambotra ny rambony? Tsy hitanao amin’izany ve hoe tia vazivazy i Jehovah? Aza hadinoina koa ny misaotra azy noho ny fitiavany, isaky ny mahita reny milalao miaraka amin’ny zanany kely ianao. Mahita hirika hianarana momba an’i Jehovah foana isika satria midera azy ny zavaboariny rehetra, na ny kely na ny lehibe, na ny lavitra na ny akaiky.​—Vakio ny Salamo 148:7-10.

16. Tokony ho tapa-kevitra ny hanao inona isika?

16 Faran’izay mahay, be fitiavana, manan-talenta, ary mahery ilay Andriamanitsika. Miharihary eny amin’ny zavaboary ireo toetrany ireo sy ny maro hafa, fa mila mijery tsara fotsiny isika. Enga anie isika rehetra hanokana fotoana tsy tapaka hankafizana ny zavatra noforoniny, sy hisaintsainana an’izay azontsika ianarana momba azy avy amin’ireny. Vao mainka isika amin’izay hifandray akaiky amin’ilay Mpamorona antsika. (Jak. 4:8) Ahoana kosa no azon’ny ray aman-dreny ampiasana ny zavaboary mba hanampiana ny zanany hinamana amin’i Jehovah? Horesahintsika amin’ny manaraka izay.

HIRA 5 Mahatalanjona ny Asan’Andriamanitra

a Tena mahavariana ny zavatra noforonin’i Jehovah. Mampiaiky antsika ireny, hatramin’ny masoandro mahery be ka hatramin’ny felam-boninkazo malefaka kely. Manampy antsika hahalala ny toetra isan-karazany ananan’i Jehovah koa ny zavaboary. Horesahintsika ato hoe maninona isika no tokony haka fotoana handinihana an’ireny, ary nahoana izany no hanampy antsika hinamana kokoa amin’ilay Andriamanitsika.