Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 44

Fakafakao Tsara ny Tenin’Andriamanitra

Fakafakao Tsara ny Tenin’Andriamanitra

“Ho azonareo tsara ... ny sakany sy halavany sy haavony ary halaliny.”​—EFES. 3:18.

HIRA 95 Mihamazava ny Lalantsika

HO HITANAO ATO: a

1-2. Inona no fomba tsara indrindra hamakiana sy hianarana ny Baiboly? Manomeza ohatra.

 ANDAO hatao hoe te hividy trano ianao. Inona no hojerenao alohan’ny hanapahanao hevitra? Ny sarin’ilay trano avy atỳ aloha fotsiny ve? Azo antoka fa te hijery mivantana an’ilay trano ianao, dia hijery ny manodidina an’ilay izy. Mankao anatiny ianao avy eo mba handinika ny efitra tsirairay, ka hahafantatra an’ilay izy amin’ny an-tsakany sy an-davany. Mety ho te handinika ny planin’ilay trano mihitsy aza ianao, mba hahitanao ny fomba nanorenana azy. Hita amin’izany fa te hahalala ny tsipiriany rehetra momba an’ilay trano tianao hipetrahana amin’ny hoavy ianao.

2 Afaka manao hoatr’izany koa isika rehefa mamaky sy mianatra Baiboly. Nilaza ny manam-pahaizana iray fa “hoatran’ny trano malalaka sy avo be ny hafatra ao amin’ny Baiboly, ary lalina tsara ny fototr’izy io.” Ahoana àry no ahazoantsika tsara an’izay resahina ao? ‘Ny zavatra fototra avy amin’ny teny masin’Andriamanitra’ ihany no ho hainao, raha vakinao maimaika fotsiny izy io. (Heb. 5:12) Manaova kosa hoatran’ilay nividy trano teo, ka “midira” lalindalina dia diniho ny tsipiriany amin’ilay izy. Ahoana no fomba tsara indrindra ianarana Baiboly? Azonao jerena, ohatra, hoe ahoana no ifandraisan’ny hevitra iray amin’ny hevitra hafa ao. Iezaho ho azo hoe inona ny fahamarinana inoanao, nefa aza mianina amin’izany. Fantaro koa hoe nahoana ianao no mino azy ireny.

3. Inona no nasain’i Paoly nataon’ny Kristianina? Nahoana? (Efesianina 3:14-19)

3 Tsy maintsy mianatra ny fahamarinana lalina ao amin’ny Baiboly isika, raha te hahazo azy io amin’ny an-tsakany sy an-davany. Nampirisika ny rahalahy sy anabaviny kristianina ny apostoly Paoly mba hianatra tsara ny Tenin’Andriamanitra, amin’izay ‘ho azon’izy ireo tsara ny fahamarinana, izany hoe ny sakany sy halavany sy haavony ary halaliny.’ Hanampy azy ireo “hamaka tsara sy hiorina mafy” kokoa ao amin’ny finoana izany. (Vakio ny Efesianina 3:14-19.) Mila manao hoatr’izany koa isika. Andao àry hodinihintsika izay azontsika atao, raha te hamakafaka tsara ny Tenin’Andriamanitra isika mba ho azontsika tsara izy io.

DINIHO NY FAHAMARINANA LALINA AO AMIN’NY BAIBOLY

4. Inona no azontsika atao mba hifandraisana akaiky kokoa amin’i Jehovah? Manomeza ohatra.

4 Kristianina isika, ka tsy ampy raha hoe mahafantatra ny Baiboly amin’ny ambangovangony fotsiny. Ampian’ny fanahy masina kosa isika, ka mazoto mianatra “na dia ny zava-dalin’Andriamanitra aza.” (1 Kor. 2:9, 10) Maninona àry raha mifidy hevitra hanampy anao hifandray kokoa amin’i Jehovah rehefa mianatra samirery? Karohy, ohatra, hoe ahoana no nampisehoany fitiavana tamin’ny mpanompony taloha, ary nahoana izany no manaporofo fa tia anao koa izy. Azonao dinihina koa ny fomba nandaminan’i Jehovah ny fanompoana azy tany Israely, dia ampitahao amin’ny fomba anompoan’ny Kristianina azy amin’izao izany. Na maninona raha mandalina ny faminaniana notanterahin’i Jesosy nandritra ny fiainany sy ny fanompoany tetỳ an-tany?

5. Inona no tianao hokarohina rehefa mianatra samirery?

5 Misy olona mazoto mianatra Baiboly nanontaniana hoe inona no zava-dalina tiany hokarohina ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Ao amin’ilay efajoro hoe “ Hevitra Azo Karohina Rehefa Mianatra Samirery” ny valin-tenin-dry zareo sasany. Ho faly be ianao raha mianatra hevitra hoatr’ireny. Hanampy anao hianatra an’ireny ny Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah na ny Fitaovana Fikarohana ho An’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hihamatanjaka ny finoanao rehefa mandalina ny Baiboly ianao, sady “ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra.” (Ohab. 2:4, 5) Andao isika izao handinika fahamarinana lalina azontsika fakafakaina.

SAINTSAINO NY FIKASAN’ANDRIAMANITRA

6. a) Inona no maha samy hafa ny planina sy ny fikasana? b) Nahoana no azo lazaina hoe “mandrakizay” ny fikasan’i Jehovah momba ny tany sy ny olombelona?

6 Eritrereto, ohatra, izay lazain’ny Baiboly momba ny fikasan’Andriamanitra. Tsy mitovy ny planina sy ny fikasana. Hoatran’ny lalana mazava tsara sy efa voafaritra mialoha, mba hahatongavanao any amin’ny toerana iray ny planina. Tsy voatery hahomby anefa ny planina rehefa misy sakana eny an-dalana eny. Azo oharina amin’ilay toerana tiana haleha kosa ny fikasana. Fantatsika tsara hoe aiza no tiantsika handehanana, nefa tsy voafaritra ny lalana mankany. Azo ovana mantsy izany rehefa ilaina. Soa ihany fa nampahafantarin’i Jehovah tsikelikely ao amin’ny Baiboly ny “fikasany mandrakizay.” (Efes. 3:11, f.a.p.) Na ahoana na ahoana, dia mahomby foana izy, satria ‘nataony hanatanterahana ny fikasany ny zava-drehetra.’ (Ohab. 16:4) “Mandrakizay” àry ny fikasan’i Jehovah, satria hisy vokany maharitra mandrakizay ny zavatra ataony. Fa inona no fikasany, ary inona no novany mba hanatanterahana an’izany?

7. Ahoana no nanovan’i Jehovah ny fomba anatanterahany ny fikasany rehefa nikomy ny olombelona voalohany? (Matio 25:34)

7 Nolazain’Andriamanitra tamin’ny olombelona voalohany hoe inona ny fikasany momba an-dry zareo. Izao no noteneniny: “Miteraha maro, dia mihabetsaha ka mamenoa ny tany. Anjakao ny tany, ary anjakao ... ny zavamananaina rehetra” eny. (Gen. 1:28) Rehefa nikomy i Adama sy Eva, dia lasa mpanota ny olombelona. Tsy hoe rava hatreo anefa ny fikasan’i Jehovah. Novany fotsiny ny fomba anatanterahany an’ilay izy. Tonga izy dia nanapa-kevitra hanangana Fanjakana any an-danitra, ary izy io no hanatanteraka ny fikasany tany am-boalohany momba ny tany sy ny olombelona. (Vakio ny Matio 25:34.) Rehefa hitan’i Jehovah hoe mety, dia nandefa ny Zanany lahimatoa tetỳ an-tany izy mba hampianatra ny olona momba an’ilay Fanjakana, sy hanome ny ainy ho vidim-panavotana hanafahana antsika amin’ny ota sy ny fahafatesana. Natsangana ho any an-danitra i Jesosy avy eo, mba ho Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Mbola misy azontsika saintsainina momba ny fikasan’Andriamanitra anefa.

Alao sary an-tsaina rehefa miray saina manompo an’i Jehovah daholo ny zavaboary manan-tsaina any an-danitra sy etỳ an-tany! (Fehintsoratra 8)

8. a) Inona ny loha hevitry ny Baiboly? b) Inona no fikasan’i Jehovah lehibe indrindra, araka ny Efesianina 1:8-11? (Jereo ny sary eo amin’ny fonon’ity gazety ity.)

8 Hohamarinina ny anaran’i Jehovah, sady hotanterahiny ny fikasany momba ny tany amin’ny alalan’ilay Fanjakana hoentin’i Kristy. Izay no tena loha hevitry ny Baiboly. Tsy misy afaka manova ny fikasan’i Jehovah. Efa nanome antoka mantsy izy hoe ho tanteraka izany. (Isaia 46:10, 11, f.a.p.; Heb. 6:17, 18) Hovany ho paradisa ny tany any aoriana any, ka olona lavorary sy manao ny marina taranak’i Adama sy Eva no ‘hankafy fiainana mandrakizay’ ao. (Sal. 22:26) Mbola mihoatra an’izany aza ny fikasan’i Jehovah. Ny fikasany lehibe indrindra dia ny hoe ho tafaray ny zavaboary manan-tsaina rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany. Hanaiky azy ho Mpitondra ny rehetra amin’izay, ka tsy hivadika aminy. (Vakio ny Efesianina 1:8-11.) Tsy mahavariana anao ve izany fomba tena tsara anatanterahan’i Jehovah ny fikasany izany?

BANJINO NY HOAVINAO

9. Hatramin’ny oviana no fantatsika momba ny hoavy, raha mamaky Baiboly isika?

9 Diniho ilay faminaniana nolazain’i Jehovah tao amin’ny zaridainan’i Edena, ao amin’ny Genesisy 3:15. b Zava-mitranga hanatanteraka ny fikasan’i Jehovah no resahina ao, nefa an’arivony taona atỳ aoriana izany vao hiseho. Anisan’izany ilay hoe hanan-janaka i Abrahama, dia avy amin’ny taranany no hipoitra i Kristy. (Gen. 22:15-18) Naratra avy eo ny voditongotr’i Jesosy tamin’ny taona 33, araka ilay faminaniana. (Asa. 3:13-15) Mbola afaka 1000 taona mahery anefa vao ho tanteraka ny faran’io faminaniana io, dia ilay hoe hotorotoroina ny lohan’i Satana. (Apok. 20:7-10) Mbola betsaka no resahin’ny Baiboly momba an’izay hitranga, mandra-pifaran’ny fifandrafiana eo amin’ny tontolon’i Satana sy ny fandaminan’i Jehovah.

10. a) Inona no hitranga atsy ho atsy? b) Ahoana no azontsika anomanana ny saintsika sy ny fontsika? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)

10 Eritrereto indray ireto zava-mitranga miavaka resahin’ny Baiboly mialoha ireto: Voalohany, hiteny ireo firenena hoe “fandriampahalemana sy filaminana!” (1 Tes. 5:2, 3) Vao vita izay, dia hanomboka ny fahoriana lehibe rehefa manafika ny fivavahan-diso rehetra ireo firenena. (Apok. 17:16) Mety hisy zava-mahagaga hiseho avy eo, rehefa “ho avy eny amin’ny rahon’ny lanitra ny Zanak’olona, sady ho avy amin-kery sy voninahitra lehibe.” (Mat. 24:30) Hamoaka didim-pitsarana ho an’ny olombelona i Jesosy, ka hanavaka ny ondry amin’ny osy. (Mat. 25:31-33, 46) Tsy hipetra-potsiny anefa i Satana. Tsy tia maizina ny mpanompon’i Jehovah izy, ka ampirisihiny hanafika an-dry zareo ny firenena maromaro mitambatra. Ireo ilay antsoin’ny Baiboly hoe Goga avy any amin’ny tany Magoga. (Ezek. 38:2, 10, 11) Hangonina ho any an-danitra ny sisa voahosotra ao anatin’izany fotoana izany, ka hiaraka amin’i Kristy sy ny tafiny, mba hanao an’ilay ady Aramagedona. Izany no mamarana ny fahoriana lehibe. c (Mat. 24:31; Apok. 16:14, 16) Hanomboka avy eo ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy eto an-tany.​—Apok. 20:6.

Ho akaiky be an’i Jehovah hoatran’ny ahoana ianao, rehefa avy nianatra momba azy nandritra ny an’arivony tapitrisa taona? (Fehintsoratra 11)

11. Inona no azonao atao rehefa miaina mandrakizay ianao? (Jereo koa ny sary.)

11 Andao isika izao hijery lavitra kokoa. Milaza ny Baiboly hoe nataon’ilay Mpamorona ‘ao am-pontsika mihitsy ny faniriana hiaina mandrakizay.’ (Mpito. 3:11) Eritrereto ny dikan’izany ho anao sy ny fifandraisanao amin’i Jehovah. Mahaliana izay resahin’ny boky Manatòna An’i Jehovah, pejy faha-319, momba an’izany. Izao no lazainy ao: “Hahafantatra zavatra betsaka kokoa momba an’i Jehovah noho izay fantatsika ankehitriny isika, rehefa ho niaina an-jato, na an’arivo, na an-tapitrisa, na an’arivo tapitrisa taona mihitsy. Mbola hahatsapa ihany anefa isika fa misy zava-mahatalanjona tsy hita isa mbola ho azo ianarana. ... Tena hahafinaritra ny fiainana mandrakizay sady hisy zavatra maro samihafa, ka ny fanatonana an’i Jehovah [foana] no tena hahasoa indrindra amin’izany.” Rehefa manohy mianatra ny Tenin’Andriamanitra isika mandra-pahatongan’izay, dia inona koa no azontsika karohina?

JEREO NY ANY AMIN’NY LANITRA AMBONY ANY

12. Ahoana no hatao raha te hijery ny any amin’ny lanitra ambony any? Manomeza ohatra.

12 Manome topy maso ny “eny amin’ny avo” misy an’i Jehovah eny ny Tenin’Andriamanitra. (Isaia 33:5) Mampahafantatra zavatra mahavariana momba an’i Jehovah sy ny ampahany any an-danitra amin’ny fandaminany izy io. (Isaia 6:1-4; Dan. 7:9, 10; Apok. 4:1-6) Afaka mamaky ny zavatra miavaka hitan’i Ezekiela, ohatra, isika rehefa “nisokatra ny lanitra ka nahita fahitana avy tamin’Andriamanitra” izy.​—Ezek. 1:1.

13. Inona no tena tianao amin’ny anjara asan’i Jesosy any an-danitra, araka ny Hebreo 4:14-16?

13 Eritrereto koa ny anjara asan’i Jesosy any an-danitra. Sady Mpanjakantsika izy no Mpisoronabe mahay mangoraka. Amin’ny alalany no ahafahantsika manatona “ny seza fiandrianan’ilay Andriamanitra maneho hatsaram-panahy miavaka” rehefa mivavaka. Afaka mangataka famindram-po sy fanampiana “amin’ny fotoana mety” koa isika. (Vakio ny Hebreo 4:14-16.) Nanao zavatra ho antsika i Jehovah sy Jesosy, ary mbola manao an’izany avy any an-danitra. Enga anie mba tsy hisy andro iray handalo, ka tsy hisaintsainantsika an’izay ataon-dry zareo ho antsika. Tokony hanohina lalina ny fontsika ny fitiavan-dry zareo, ary handrisika antsika hazoto hanompo an’i Jehovah.​—2 Kor. 5:14, 15.

Eritrereto ny hafalianao any amin’ny tontolo vaovao, rehefa mahafantatra hoe nanampy olona ho lasa Vavolombelon’i Jehovah sy mpianatr’i Jesosy ianao! (Fehintsoratra 14)

14. Inona no anisan’ny zavatra tsara indrindra azontsika atao mba hampisehoana hoe tena mankasitraka an’i Jehovah sy Jesosy isika? (Jereo koa ny sary.)

14 Inona no anisan’ny fomba tsara indrindra ampisehoantsika hoe tena mankasitraka an’ilay Andriamanitsika sy ny Zanany isika? Mila manao izay fara herintsika isika mba hanampiana ny olona ho lasa Vavolombelon’i Jehovah sy ho mpianatr’i Jesosy. (Mat. 28:19, 20) Nanao an’izany ny apostoly Paoly, satria nankasitraka an’Andriamanitra sy Kristy izy. Fantany hoe sitrapon’i Jehovah “ny hamonjena ny karazan’olona rehetra sy ny hahalalan’izy ireo tsara ny fahamarinana.” (1 Tim. 2:3, 4) Niezaka mafy nanampy olona betsaka araka izay tratrany àry izy teny amin’ny fanompoana, ‘mba hisy hovonjeny na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana.’​—1 Kor. 9:22, 23.

ANKAFIZO NY MAMAKAFAKA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

15. Inona no hahasambatra antsika? (Salamo 1:2)

15 Mety tsara raha nilaza ny mpanao salamo hoe sambatra sy mahomby ny olona iray, rehefa “ny lalàn’i Jehovah no mahafinaritra azy” sy “saintsaininy andro aman’alina.” (Sal. 1:1-3) Niresaka momba an’io andininy io ilay mpandika Baiboly atao hoe Joseph Rotherham ao amin’ilay bokiny hoe Fandinihana ny Salamo (anglisy). Hoy izy: “Tokony hahafinaritra be ny olona iray ny tari-dalan’Andriamanitra, ka hikaroka an’izany izy, dia hianatra an’izany, ary hisaintsaina an’izany foana.” Nilaza koa izy hoe amin’ny mpamaky Baiboly, dia hoatran’ny hoe “very maina ny andro iray raha tsy mahazo kokoa ny fahendrena avy ao izy.” Afaka mankafy mianatra Baiboly ianao raha manangona ny tsipiriany rehetra ao rehefa mamaky, dia mijery ny ifandraisan’ireny. Mahafinaritra be mantsy ny mamakafaka tsara ny Tenin’Andriamanitra!

16. Inona no hodinihintsika amin’ny manaraka?

16 Tsy sarotra loatra amintsika ny hahazo an’ireo fahamarinana tsara be ampianarin’i Jehovah antsika ao amin’ny Teniny. Handinika fahamarinana lalina kokoa isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka. Inona izany? Ilay tempoly ara-panahy lehiben’i Jehovah. Niresaka momba an’izany i Paoly tao amin’ny taratasiny ho an’ny Kristianina hebreo. Enga anie ka hahafinaritra be anao ny handinika azy io!

HIRA 94 Jehovah ô, Misaotra Noho ny Teninao!

a Afaka ny hahafinaritra be ny mianatra Baiboly. Hahasoa antsika mandritra ny androm-piainantsika koa izany, ka hahatonga antsika hifandray akaiky amin’ilay Raintsika any an-danitra mihoatra noho ny hatramin’izay. Hodinihintsika ato hoe inona no azontsika atao raha te hamakafaka ny Tenin’Andriamanitra isika, izany hoe hamantatra “ny sakany sy halavany sy haavony ary halaliny.”

b Jereo ilay lahatsoratra hoe “Faminaniana Efa Ela fa Mahakasika Anao”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana Jolay 2022.

c Ahoana no hiomananao amin’izany zavatra miavaka hitranga atsy ho atsy izany? Hamaly an’izany ilay boky hoe Efa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra! p. 230.