LAHATSORATRA FIANARANA 45

Tombontsoa ny Manompo ao Amin’ilay Tempoly Ara-panahy

Tombontsoa ny Manompo ao Amin’ilay Tempoly Ara-panahy

“Mivavaha amin’Ilay nanao ny lanitra sy ny tany.”​—APOK. 14:7.

HIRA 93 Tahio ny Fiarahanay Mivory

HO HITANAO ATO: a

1. Inona no lazain’ilay anjely, ary inona no tokony ho vokatr’izany amintsika?

 ERITRERETO hoe misy anjely miresaka aminao. Hihaino an’izay lazainy ve ianao? Raha ny marina, dia misy anjely miresaka “amin’ny firenena sy foko sy olona samy hafa fiteny ary vahoaka rehetra” amin’izao. Inona no lazainy? Hoy izy: “Matahora an’Andriamanitra dia omeo voninahitra izy, ... dia mivavaha amin’Ilay nanao ny lanitra sy ny tany.” (Apok. 14:6, 7) I Jehovah, ilay tena Andriamanitra, ihany no tokony hivavahana na hotompoin’ny olona rehetra. Faly isika fa nomeny an’ilay tombontsoa sarobidy hanompo azy ao amin’ilay tempoliny ara-panahy lehibe!

2. Inona ilay tempoly ara-panahin’i Jehovah? (Jereo koa ilay hoe “ Tsy Ireto Ilay Tempoly Ara-panahy.”)

2 Inona marina moa ilay tempoly ara-panahy, ary aiza no tena manazava momba azy io? Tsy trano ara-bakiteny izy io. Ny tempoly ara-panahy kosa dia ny fandaharana nataon’i Jehovah, mba hahafahan’ny olona hanompo azy araka ny itiavany azy, miorina amin’ny sorom-panavotana nataon’i Jesosy. Nanazava momba an’izany ny apostoly Paoly, ao amin’ilay taratasy nosoratany tamin’ny taonjato voalohany ho an’ny Kristianina hebreo tany Jodia. b

3-4. Inona no nampanahy an’i Paoly momba an’ireo Kristianina hebreo tany Jodia, ary ahoana no nanampiany an-dry zareo?

3 Nahoana i Paoly no nanoratra ho an’ny Kristianina hebreo tany Jodia? Noho ny antony roa angamba. Voalohany, te hampahery an-dry zareo izy. Nanaraka ny Fivavahana Jiosy mantsy ny ankamaroany hatramin’ny mbola kely. Mety ho nanesoeso an-dry zareo àry ny mpitondra fivavahany taloha, rehefa lasa Kristianina ry zareo. Fa maninona? Satria tsy nanana tempoly tsara tarehy hanaovana fanompoana ny Kristianina, na alitara hanaovana sorona ho an’Andriamanitra, na mpisorona hikarakara an-dry zareo. Mety ho nahakivy ny mpianatr’i Kristy izany, dia nampihena ny finoany. (Heb. 2:1; 3:12, 14) Nisy aza angamba nalaim-panahy hiverina tany amin’ny Fivavahana Jiosy mihitsy!

4 Faharoa, nilaza i Paoly fa tsy mba niezaka ireo Kristianina hebreo ireo mba hahazo an’ireo fampianarana vaovao na lalina, izany hoe ny “ventin-kanina” ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. (Heb. 5:11-14) Nisy aza mbola nifikitra tamin’ny Lalàn’i Mosesy. Nohazavain’i Paoly anefa fa tsy nahavita nanala tanteraka ny fahotana ny sorona notakin’ny Lalàna. Noho izany dia “nofoanana” ny Lalàna. Nampianatra fahamarinana lalina kokoa i Paoly avy eo. Nampahatsiahy an’ireo Kristianina ireo izy hoe nanana “fanantenana tsara kokoa” ry zareo, niorina tamin’ny soron’i Jesosy. Tena nanampy an-dry zareo ‘hanatona an’Andriamanitra’ io fanantenana io.​—Heb. 7:18, 19.

5. Inona no tokony ho azontsika rehefa mandinika ny bokin’ny Hebreo isika, ary nahoana?

5 Nohazavain’i Paoly tamin’ny rahalahiny hebreo hoe tsara lavitra noho ny fanompoana nataon-dry zareo taloha ny fanompoana ataon’ny Kristianina. “Aloky ny zavatra ho avy” fotsiny mantsy ny zavatra nampiavaka ny Fivavahana Jiosy, “fa ny tena izy dia i Kristy.” (Kol. 2:17) Mitovitovy bika amin’ny zavatra iray ny aloka, fa tsy io ilay tena izy. Hoatr’izany koa fa aloka fotsiny ny fanompoana nataon’ny Jiosy taloha, fa mbola ho avy ilay tena izy, izany hoe ny fanompoana ataon’ny Kristianina. Nanao an’io fandaharana io i Jehovah tamin’ny taonjato voalohany mba hamelana ny fahotantsika. Mila azontsika tsara izany, amin’izay ekeny ny fanompoana ataontsika. Andao àry hampitahaintsika ilay ‘aloka’ (na ny fanompoana nataon’ny Jiosy taloha) sy “ilay tena izy” (na ny fanompoana ataon’ny Kristianina), araka ny anazavana azy ao amin’ny bokin’ny Hebreo. Ho azontsika kokoa amin’izay hoe inona ilay tempoly ara-panahy, ary nahoana izy io no mahakasika antsika.

NY TRANOLAY MASINA

6. Inona no nilana ny tranolay masina?

6 Aloka. Ilay tranolay natsangan’i Mosesy tamin’ny 1512 T.K. no nampiasain’i Paoly tao amin’ilay fanazavana nomeny. (Jereo ilay hoe “Aloka​—Ilay Tena Izy.”) Nentin’ny Israelita io tranolay io rehefa nifindrafindra toerana ry zareo. Efa ho 500 taona ry zareo no nampiasa azy io, mandra-panorina an’ilay tempoly tao Jerosalema. (Eks. 25:8, 9; Nom. 9:22) Io “tranolay fihaonana” io no foibe nahafahan’ny Israelita nanatona sy nanompo an’Andriamanitra, ary nanolotra sorona. (Eks. 29:43-46) Ankoatra izay anefa, dia mbola nidika zavatra lehibe kokoa ilay tranolay masina tamin’ny Kristianina.

7. Oviana no nanomboka nisy ny tempoly ara-panahy?

7 Ilay tena izy. “Aloky ny zavatra any an-danitra” ilay tranolay masina taloha, ary nifanitsy tamin’ny tempoly ara-panahy lehiben’i Jehovah. Noresahin’i Paoly hoe “fanoharana ilazana an’izao fotoana izao io tranolay [na tranolay masina] io.” (Heb. 8:5; 9:9) Efa nisy àry ilay tempoly ara-panahy, tamin’i Paoly nanoratra ho an’ny Hebreo. Nanomboka nisy ilay izy tamin’ny taona 29. Natao batisa i Jesosy tamin’io taona io, ary voahosotry ny fanahy masina. Nanomboka nanompo tao amin’ilay tempoly ara-panahy io “mpisoronabe ambony” notendren’i Jehovah io. c​—Heb. 4:14; Asa. 10:37, 38.

NY MPISORONABE

8-9. Nahoana no tsy nitovy mihitsy ireo mpisoronabe teo amin’ny Israely sy Jesosy Kristy, ilay Mpisoronabe ambony? (Hebreo 7:23-27)

8 Aloka. Nomena fahefana hisolo tena ny vahoaka teo anatrehan’Andriamanitra ny mpisoronabe. I Arona no mpisoronabe voalohany teo amin’ny Israely, ary notendren’i Jehovah izy rehefa notokanana ilay tranolay masina. Nanazava anefa i Paoly fa ‘be dia be ny mpisorona tsy maintsy nifandimby, satria izay maty dia tsy afaka ny ho mpisorona intsony.’ d (Vakio ny Hebreo 7:23-27.) Tsy maintsy nanolotra sorona noho ny fahotan’ny tenany koa ireo mpisoronabe ireo, satria tsy lavorary. Tsy mitovy mihitsy àry ny mpisoronabe teo amin’ny Israely sy Jesosy Kristy, ilay Mpisoronabe ambony.

9 Ilay tena izy. I Jesosy Kristy no Mpisoronabentsika. ‘Mpanompo ao amin’ny tena tranolay izy, ary i Jehovah, fa tsy olona, no nanorina an’io tranolay io.’ (Heb. 8:1, 2) Nanazava i Paoly fa “mpisorona velona mandrakizay” i Jesosy, “ka tsy misy mpandimby.” Niteny koa izy hoe “tsy misy loto, [sy] tafasaraka amin’ny mpanota” i Jesosy, ka “tsy mila manao sorona isan’andro” noho ny fahotan’ny tenany, hoatran’ny nataon’ny mpisoronabe teo amin’ny Israely. Andao indray isika izao hiresaka momba ny alitara sy ny sorona. Hojerentsika hoe inona no tsy nampitovy an’izay nampiasaina tamin’ny fanompoana nataon’ny Jiosy taloha sy ny an’ny Kristianina.

NY ALITARA SY NY SORONA

10. Mifanitsy amin’ny inona ireo sorona natolotra teo amin’ny alitara varahina?

10 Aloka. Nisy alitara varahina teo amin’ny fidirana amin’ny tranolay masina. Teo amin’izy io no natolotra ireo fanatitra biby ho an’i Jehovah. (Eks. 27:1, 2; 40:29) Tsy nahavita nanala tanteraka ny fahotan’ny vahoaka anefa ireny sorona ireny. (Heb. 10:1-4) Mifanitsy amin’ny sorona iray hahavita hanavotra tanteraka ny olombelona, ireo sorona biby natolotra tsy tapaka tao amin’ny tranolay masina.

11. Inona ilay alitara nanoloran’i Jesosy ny tenany ho sorona? (Hebreo 10:5-7, 10)

11 Ilay tena izy. Fantatr’i Jesosy hoe nirahin’i Jehovah ho etỳ an-tany izy, mba hanolotra ny ainy lavorary ho vidim-panavotana ho an’ny olombelona. (Mat. 20:28) Rehefa natao batisa àry izy, dia nasehony hoe vonona hanao an’izay tian’i Jehovah hataony. (Jaona 6:38; Gal. 1:4) Hoatran’ny hoe nanolotra ny tenany teo ambony alitara i Jesosy tamin’izay. Inona io alitara io? Ny ‘sitrapon’Andriamanitra’ ho an’ny Zanany, dia ny hanolorany ny ainy lavorary. Nanolotra ny ainy “indray mandeha fotsiny” i Jesosy Kristy, mba handrakofana tanteraka ny fahotan’izay maneho finoana azy. (Vakio ny Hebreo 10:5-7, 10.) Hodinihintsika indray izao ny dikan’ireo efitra sy ny zavatra tao amin’ny tranolay masina.

NY MASINA SY NY MASINA INDRINDRA

12. Iza no afaka niditra tao amin’ny Masina tao amin’ny tranolay masina, ary iza no afaka niditra tao amin’ny Masina Indrindra?

12 Aloka. Nitovitovy ihany ny tao anatin’ny tranolay masina sy ny an’ny tempoly naorina tatỳ aoriana tao Jerosalema. Nisy efitra roa tao anatiny, dia ny “Toerana Masina” sy ny “Masina Indrindra”, ary nisy ridao nisy peta-kofehy nanasaraka an’ireo. (Heb. 9:2-5; Eks. 26:31-33) Inona no tao anatin’ny Masina? Fitoeran-jiro volamena, alitara andoroana emboka manitra, ary latabatry ny mofo aseho. Ny “mpisorona voahosotra” ihany no nahazo niditra tao amin’ny Masina, mba hanao ny asa masina nampanaovina azy. (Nom. 3:3, 7, 10) Tao amin’ny Masina Indrindra kosa no nisy ny vata volamena nisy ny fifanekena, ary io no namantarana hoe nanatrika teo i Jehovah. (Eks. 25:21, 22) Ny mpisoronabe ihany no nahazo niditra tao amin’ny Masina Indrindra, tao ambadiky ny ridao, indray mandeha isan-taona, tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana. (Lev. 16:2, 17) Niditra tao izy isan-taona, ary nitondra ram-biby mba handrakofana ny fahotan’ny tenany sy ny an’ilay firenena manontolo. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nampahafantarin’i Jehovah mazava tsara tamin’ny alalan’ny fanahiny masina hoe inona no tena dikan’ireo efitra sy izay tao anatin’ilay tranolay masina.​—Heb. 9:6-8.

13. Inona no mifanitsy amin’ny Masina sy ny Masina Indrindra tao amin’ny tranolay masina?

13 Ilay tena izy. Voahosotry ny fanahy masina ny mpianatr’i Kristy vitsivitsy, ary tena miavaka ny fifandraisan-dry zareo amin’i Jehovah. Miisa 144 000 ry zareo, ary ho mpisorona any an-danitra miaraka amin’i Jesosy. (Apok. 1:6; 14:1) Natsangan’Andriamanitra ho zanany ara-panahy ry zareo raha mbola eto an-tany, ary izay no mifanitsy amin’ilay Masina ao amin’ny tranolay masina. (Rom. 8:15-17) Ilazana ny lanitra fonenan’i Jehovah kosa ilay Masina Indrindra. Ary midika inona ilay “ridao” nanasaraka ny Masina sy ny Masina Indrindra? Ny vatan’i Jesosy. Hoatran’ny hoe sakana tsy nahafahan’i Jesosy niditra tany an-danitra mba ho Mpisoronabe ambony ao amin’ilay tempoly ara-panahy mantsy ny vatany, tamin’izy mbola nofo aman-dra. Rehefa nanolotra ny tenany ho sorona ho an’ny olombelona anefa izy, dia nanokatra ny lalana ho amin’ny fiainana any an-danitra ho an’ny Kristianina voahosotra rehetra. Tsy maintsy nafoin-dry zareo koa ny vatana ara-nofo nananany, mba hahazoany an’ilay valisoany any an-danitra. (Heb. 10:19, 20; 1 Kor. 15:50) Niditra tao amin’ny Masina Indrindra amin’ilay tempoly ara-panahy i Jesosy, taorian’ny nananganana azy tamin’ny maty. Hiaraka aminy any koa ny voahosotra rehetra any aoriana any.

14. Nahoana no tsara lavitra ilay fomba anompoana an’i Jehovah ao amin’ny tempoliny ara-panahy, araka ny Hebreo 9:12, 24-26?

14 Mazava àry fa tsara lavitra ny fandaharana nataon’i Jehovah mba hahafahan’ny olona hanaraka ny fivavahana madio, miorina amin’ny sorom-panavotana sy ny asa fisoronan’i Jesosy Kristy. Niditra tao amin’ny Masina Indrindra naorin’olombelona ny mpisoronabe teo amin’ny Israely, mba hitondra ny ran’ny biby natao sorona. I Jesosy kosa niditra “tany an-danitra mihitsy”, ao amin’ny toerana faran’izay masina, mba hiseho eo anatrehan’i Jehovah. Nitondra ny vidim-panavotana izy tany, izany hoe ny ainy lavorary tamin’izy olombelona, “mba hanala tanteraka ny ota amin’ny alalan’ilay sorona nataony.” (Vakio ny Hebreo 9:12, 24-26.) Ny sorona nataon’i Jesosy no tsara indrindra, satria izy io no manadio tanteraka amin’ny ota. Afaka manompo an’i Jehovah ao amin’ny tempoliny ara-panahy daholo izao ny rehetra, na manantena hiaina any an-danitra na eto an-tany. Izany indray izao no hodinihintsika.

NY TOKOTANY

15. Iza no nanompo tao amin’ny tokotanin’ny tranolay masina?

15 Aloka. Nisy tokotany ny tranolay masina. Toerana malalaka mifefy izy io, ary tao ny mpisorona no nanao ny andraikiny. Tao amin’io tokotany io koa ny alitara varahina lehibe fanaovana fanatitra dorana sy ny kovetabe varahina nisy rano. Io rano io no nampiasain’ny mpisorona hidiovana, talohan’ny nanaovany ny fanompoany masina. (Eks. 30:17-20; 40:6-8) Nisy tokotany ivelany koa anefa tao amin’ny tempoly naorina tatỳ aoriana. Afaka nankao mba hanompo an’Andriamanitra ny olona na dia tsy mpisorona aza.

16. Iza no manompo ao amin’ilay tokotany anatiny ao amin’ny tempoly ara-panahy, ary iza no manompo ao amin’ilay tokotany ivelany?

16 Ilay tena izy. Ary ahoana ny amin’ny sisa voahosotra rahalahin’i Jesosy? Manompo ao amin’ilay tokotany anatiny amin’ilay tempoly ara-panahy ry zareo, sady miezaka ny tsy hivadika, alohan’ny hanaovany ny asan’ny mpisorona any an-danitra miaraka amin’i Jesosy. Fampahatsiahivana lehibe ilay kovetabe tao amin’ny tranolay masina sy ny tempoly hoe tokony hadio foana ry zareo, na eo amin’ny resaka fitondran-tena na ara-panahy. Tsy ho an-dry zareo ihany anefa izany, fa ho an’ny Kristianina rehetra mihitsy. Ary ahoana ny amin’ilay “vahoaka be” manohana ny rahalahy voahosotr’i Kristy? Aiza ry zareo no manompo? Hitan’ny apostoly Jaona “nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana” ry zareo, ary “manao fanompoana masina ho an’Andriamanitra andro aman’alina.” (Apok. 7:9, 13-15) Eto an-tany, ao amin’ilay tokotany ivelan’ny tempoly ara-panahy, ry zareo no manao an’izany. Tena ankamamiantsika àry ilay tombontsoa lehibe hoe avelan’i Jehovah hanompo azy ao amin’ny tempoliny ara-panahy lehibe isika.

TOMBONTSOA NY MANOMPO AN’I JEHOVAH

17. Inona ny sorona azontsika atolotra ho an’i Jehovah?

17 Manana tombontsoa hanolotra sorona ho an’i Jehovah ny Kristianina rehetra amin’izao. Manao an’izany ry zareo rehefa mampiasa ny fotoanany sy ny heriny ary ny fananany, mba hampandrosoana ny asan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Nilaza tamin’ny Kristianina hebreo i Paoly fa azo atao foana ny ‘manao sorona fiderana ho an’Andriamanitra, izany hoe ny vokatry ny molotra, ka miresaka amin’ny hafa momba ny anarany.’ (Heb. 13:15) Ahoana no ampisehoantsika hoe ankamamiantsika ilay tombontsoa hanompo an’i Jehovah? Izay sorona tsara indrindra no atolotsika ho azy.

18. Inona no tsy tokony hataontsika tsirambina mihitsy, ary inona no tokony hotadidintsika foana? (Hebreo 10:22-25)

18 Vakio ny Hebreo 10:22-25. Nanasongadina lafiny samihafa amin’ny fanompoana tsy tokony hataontsika tsirambina mihitsy i Paoly, rehefa namaramparana ny taratasiny ho an’ny Hebreo. Ohatra hoe mila manatona an’i Jehovah amin’ny vavaka isika, manambara amin’ny rehetra ny fanantenantsika, miara-mivory amin’ny fiangonana, ary mifampahery. ‘Vao mainka tokony hanao an’izany isika, satria hitantsika fa mihamanakaiky ilay andron’i [Jehovah].’ Rehefa hifarana koa ny bokin’ny Apokalypsy, dia indroa ilay anjelin’i Jehovah no nanamafy hoe “Andriamanitra no ivavaho!” (Apok. 19:10; 22:9) Enga anie tsy hohadinointsika mihitsy izany fahamarinana lalina momba an’ilay tempoly ara-panahy lehiben’i Jehovah izany. Ary enga anie hankamamiantsika foana ny tombontsoa hanompo an’ilay Andriamanitsika be voninahitra!

HIRA 88 Ampahafantaro Ahy ny Lalanao

a Anisan’ny fampianarana lalina ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ny momba an’ilay tempoly ara-panahy lehiben’i Jehovah. Inona io tempoly io? Hovoaboasana ato izay resahin’ny bokin’ny Hebreo momba azy io. Enga anie izay hianaranao ato hahatonga anao hankasitraka kokoa an’ilay tombontsoanao manompo an’i Jehovah.

b Raha te hanao topy maso an’izay voalazan’ny bokin’ny Hebreo ao amin’ny Baiboly ianao, dia jereo ao amin’ny jw.org ilay video hoe Fampidirana ny Bokin’ny Hebreo.

c Ny bokin’ny Hebreo ihany, ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, no milaza hoe Mpisoronabe i Jesosy.

d Milaza ny boky iray fa mety ho nahatratra 84 ny mpisoronabe nifandimby tany Israely talohan’ny nandravana ny tempolin’i Jerosalema tamin’ny taona 70.