Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Nihinana zavatra hafa ankoatra ny mana sy papelika ve ny Israelita tany an-tany efitra?

Ny mana no foto-tsakafon’ny Israelita tany an-tany efitra, nandritra ny 40 taona. (Eks. 16:35) Indroa koa i Jehovah no nanome an-dry zareo papelika. (Eks. 16:12, 13; Nom. 11:31) Nisy sakafo hafa nohanin-dry zareo ihany anefa, na dia tsy betsaka aza.

Nisy fotoana, ohatra, nentin’i Jehovah tany amin’ny ‘toerana azon’izy ireo nakana aina’ ny vahoakany, ary nisy sakafo sy rano tany. (Nom. 10:33) Anisan’ireny toerana ireny i Elima. Faritra lonaka any an-tany efitra izy io, ary “nisy loharano 12 sy hazo palmie 70” tao. (Eks. 15:27) Azo inoana hoe antrendry ireny palmie ireny. Milaza ny boky Zavamaniry ao Amin’ny Baiboly (anglisy) fa “midadasika be ny toerana anirian’ny antrendry. ... Io no tena ahazoan’ny olona sakafo any an-tany efitra. Afaka manome sakafo sy menaka ary alokaloka ho an’ny olona an-tapitrisany izy io.”

Mety ho anisan’ny toerana nijanonan’ny Israelita tany an-tany efitra koa ilay faritra lonaka lehibe antsoina amin’izao hoe Feiran. Anisan’ny Lohasaha Feiran izy io. “Mirefy 130 kilaometatra io lohasaha misy renirano io, ary anisan’ny lava sy tsara tarehy ary malaza indrindra any Sinay”, araka ny boky iray momba ny toerana ao amin’ny Baiboly. Izao koa no lazain’izy io: “Ao amin’ilay lohasaha, izany hoe any amin’ny 45 kilaometatra miala ny ranomasina, no misy ny Faritra Lonaka Feiran. Tsara tarehy izy io, feno palmie, ary mirefy 4,8 kilaometatra. Any amin’ny 610 metatra eo ho eo ambonin’ny haabon’ny ranomasina no misy azy. Antsoina hoe Edena any Sinay izy io. Efa hatry ny ela no nahasarika olona maro ireo antrendry an’arivony ao amin’izy io, ka nanorim-ponenana tao ry zareo.”

Antrendry ao amin’ny faritra lonaka any an-tany efitra Feiran

Nitondra koba sy vilia famolavolana koba ny Israelita, rehefa niala tany Ejipta. Azo inoana koa hoe nitondra voa madinika sy menaka ry zareo. Mazava ho azy anefa fa vetivety ireny dia lany. Nitondra ‘ondry sy omby, dia biby fiompy be dia be’ koa ry zareo. (Eks. 12:34-39) Betsaka tamin’ireny biby ireny anefa no maty, satria tsy mora ny fiainana tany an-tany efitra. Nisy tamin’izy ireny nohanina, ary ny sasany natao fanatitra. Nisy aza natao sorona ho an’ny andriamani-diso. a (Asa. 7:39-43) Tena niompy anefa ny Israelita, rehefa jerena ny tenin’i Jehovah tamin’ilay vahoaka, noho ry zareo tsy nanam-pinoana. Izao no nolazainy: “Ho lasa mpiandry ondry atỳ an-tany efitra mandritra ny 40 taona ny zanakareo.” (Nom. 14:33) Azo inoana àry hoe nahazo ronono avy tamin’ireny biby fiompy ireny ny Israelita. Nety ho nihinan-kena koa ry zareo indraindray. Na izany aza, dia tsy ho ampy ho an’ny olona telo tapitrisa teo ho eo nandritra ny 40 taona izany. b

Taiza ireny biby ireny no nahita sakafo sy rano? c Azo inoana hoe betsaka kokoa ny rotsakorana tamin’izany, ka be kokoa ny zavamaniry tany an-tany efitra. Izao no lazain’ny boky Fandalinana ny Soratra Masina, eo amin’ilay hoe “Arabia”: “Azo inoana fa betsaka kokoa noho ny ankehitriny ny rano tany Arabia, tokotokony ho 3 500 taona lasa izay. Lohasaha maro mantsy no nisy renirano nikoriana taloha. Midika izany fa ampy ny rotsakorana tamin’izany.” Na izany aza, dia ngazana sy nampahatahotra ilay tany efitra. (Deot. 8:14-16) Raha tsy nanao fahagagana i Jehovah ka nanome rano, dia azo antoka hoe ho lany ripaka ny Israelita sy ny biby fiompiny.​—Eks. 15:22-25; 17:1-6; Nom. 20:2, 11.

Nilaza tamin’ny Israelita i Mosesy hoe nanome an-dry zareo mana i Jehovah, mba ‘hampahafantarana an-dry zareo fa tsy ny mofo ihany no mahavelona ny olona, fa ny teny rehetra lazain’i Jehovah koa.’​—Deot. 8:3.

a Indroa ny Baiboly no miresaka hoe nanao sorona biby ho an’i Jehovah ny Israelita tany an-tany efitra. Tamin’ny fotoana nanendrena mpisorona ny voalohany, ary tamin’ny Paska ny faharoa. Samy nitranga tamin’ny 1512 T.K. ireo, izany hoe ny taona faharoa nialan’ny Israelita tany Ejipta.​—Lev. 8:14–9:24; Nom. 9:1-5.

b Biby ana hetsiny no azon’ny Israelita ho babo tamin’ny faramparan’ireo 40 taona nivezivezeny tany an-tany efitra. (Nom. 31:32-34) Mbola nihinana mana foana anefa ry zareo, mandra-piditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina.​—Jos. 5:10-12.

c Tsy misy resaka mihitsy hoe nihinana mana ny biby, satria arakaraka izay lanin’ny olona tsirairay ny habetsahan’ny mana nasaina nangonina.​—Eks. 16:15, 16.