Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mba Andramo Izao

Mba Andramo Izao

Ahoana no Atao Raha Te Haharaka ny Fanazavana Farany?

Tombontsoa be ny miaina amin’izao fotoana izao, satria nataon’i Jehovah mihamazava noho ny hatramin’izay ny fahazoantsika ny Baiboly. (Dan. 12:4) Mety ho sarotra amintsika anefa ny haharaka ny fanitsiana ny fahazoantsika ny fahamarinana ao. Aiza àry no ahitantsika an’ireny fanitsiana sy fanazavana ireny?

• Misy ny lisitry ny fanitsiana rehetra nivoaka arakaraka ny taona nisehoany ao amin’ilay hoe “Fahatakarana Mazava Kokoa”, ao amin’ny Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Raha te hahita ny lisitr’ireo loha hevitra kosa ianao ao amin’ny Watchtower Library na ao amin’ny FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny Internet, dia karohy ilay hoe “fahatakarana mazava kokoa.” (Ataovy ao anaty farango sosona.)

• Misy lisitry ny loha hevitra koa ao amin’ny Fitaovana Fikarohana ho An’ny Vavolombelon’i Jehovah fa vitsy kokoa. Mankanesa ao amin’ilay hoe “Vavolombelon’i Jehovah”, dia avy eo “Fampianarana sy Zavatra Inoana”, ary farany “Fampianarana Nihanazava.”

Maninona àry raha mifidy fanazavana nahitsy vao haingana rehefa mianara samirery? Karohy ny fahazoantsika azy amin’izao, sy ny antony avy ao amin’ny Baiboly nanaovana an’ilay fanovana.