Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Mety sy ny Tsy Mety: Mila Mieritreritra An’izany Isika Rehetra

Ny Mety sy ny Tsy Mety: Mila Mieritreritra An’izany Isika Rehetra

Ahoana no ataonao raha te ho any amin’ny toerana mbola tsy nalehanao ianao?

  1. 1. Handeha any amin’izay lalana heverinao hoe tokony halehanao.

  2. 2. Hanaraka olona, satria manantena ianao hoe mahita lalana ry zareo.

  3. 3. Hampiasa tari-dalana azo ianteherana, ohatra hoe GPS na sarintany, na manontany namana azo atokisana mahay an’ilay lalana.

Raha ilay voalohany na faharoa no fidintsika, dia ho tonga any amin’ny toerana iray ihany isika, fa tsy voatery hoe ilay tiantsika haleha. Raha mifidy an’ilay fahatelo anefa isika, dia afaka matoky hoe ho tody soa aman-tsara any.

Hoatran’ny hoe manao dia lavitra isika eo amin’ny fiainana, ary ny hanana hoavy sambatra no tanjontsika. Ho tody any amin’ilay tiantsika haleha ve isika? Miankina be amin’ny hoe aiza isika no mitady tari-dalana rehefa hanapa-kevitra.

Marina hoe tsy dia hisy vokany maharitra eo amin’ny fiainantsika ny ankamaroan’ny fanapahan-kevitsika. Misy amin’izy ireny anefa tena lehibe, satria ahitana an’izay heverintsika hoe mety sy tsy mety. Hisy vokany tsara na ratsy eo amintsika sy amin’ireo olona tiantsika ny fanapahan-kevitra hoatr’ireny, ary mety haharitra ela izany. Anisan’ireny ny resaka:

  • Firaisana sy fanambadiana

  • Fanaovana ny marina, asa, ary vola

  • Fitaizan-janaka

  • Fomba itondrana ny hafa

Ahoana no ahazoanao antoka hoe hahasambatra anao sy ny fianakavianao ny safidy ataonao momba an’ireo?

Mila mieritreritra àry isika tsirairay hoe: Inona no hitari-dalana ahy rehefa hanapa-kevitra ny amin’izay mety sy tsy mety aho?

Hazavaina ato hoe nahoana ny Baiboly no tari-dalana azo ianteherana, ary ahoana no anampian’izy io anao.