Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 1

HIRA 38 Izy no Hampahery Anao

Miantehera Amin’i Jehovah mba Tsy ho Resin’ny Tahotra

Miantehera Amin’i Jehovah mba Tsy ho Resin’ny Tahotra

ANDININ-TENY HO AN’NY TAONA 2024: “Rehefa matahotra aho, dia miantehitra aminao.”​—SAL. 56:3.

HEVITRA HODINIHINA

Ianaro ato hoe inona no azontsika atao mba hahatonga antsika hiantehitra kokoa amin’i Jehovah, ka tsy ho resin’ny tahotra.

1. Nahoana isika no mety hatahotra indraindray?

 MATAHOTRA daholo ny olona indraindray. Mazava ho azy fa tsy atahorantsika intsony ny maty, ny fanahy ratsy, na ny hoavy rehefa nianatra Baiboly isika. Mbola misy “zavatra mampahatahotra” antsika anefa aloha izao, ohatra hoe ny ady sy ny heloka bevava ary ny aretina. (Lioka 21:11) Mety hatahotra olona koa isika, anisan’izany ny fitondram-panjakana manao tsindry hazo lena na ny fianakaviantsika mihitsy raha manohitra ny fivavahana marina ry zareo. Ny hafa indray mitaintaina sao tsy ho vitany ny hiaritra ny fitsapana mahazo azy amin’izao na atsy ho atsy.

2. Hazavao ilay zavatra niainan’i Davida tamin’izy tany Gata.

2 Efa natahotra koa i Davida. Rehefa nanao haza lambo azy, ohatra, i Saoly Mpanjaka, dia nitsoaka tany Gata izy. Tanànan’ny Filistinina izy io ary i Akisy no mpanjaka tao. Tsy ela dia fantatr’i Akisy fa io Davida io ilay miaramila matanjaka nanaovan’ny olona hira hoe nahafaty Filistinina “an’alinaliny.” “Lasa natahotra be” i Davida. (1 Sam. 21:10-12) Nitaintaina izy hoe inona izao no hataon’i Akisy aminy. Ahoana no nandresen’i Davida an’izany tahotra izany?

3. Ahoana no nandresen’i Davida ny tahotra nananany? (Salamo 56:1-3, 11)

3 Noresahin’i Davida tao amin’ny Salamo faha-56 ny fihetseham-pony tamin’izy tany Gata. Voalaza mazava tsara ao ny tahotr’i Davida, nefa hita ao koa hoe ahoana no nandreseny an’izany. Niantehitra tamin’i Jehovah izy rehefa natahotra. (Vakio ny Salamo 56:1-3, 11.) Hita hoe tsy niantehitra tamin’ny hazo boboka izy. Notahin’i Jehovah izy dia nahita hevitra hafakely nefa tena nandaitra: Mody nanao adaladala izy! Lasa nanirikiry an’i Akisy àry i Davida fa tsy natahorany, ka afaka nitsoaka.​—1 Sam. 21:13–22:1.

4. Inona no hanampy antsika hiantehitra kokoa amin’i Jehovah? Hazavao amin’ny ohatra.

4 Tsy ho resin’ny tahotra koa isika raha miantehitra amin’i Jehovah. Ahoana anefa no hahatonga antsika hatoky kokoa azy, indrindra rehefa matahotra? Andao isika haka ohatra. Mety hatahotra ianao, raha vao mahafantatra hoe tsy salama. Ho tony kokoa anefa ianao raha matoky an’ilay dokoteranao. Mety ho efa be dia be ny olona nanana an’io aretina io, nefa notsaboiny dia sitrana. Mihaino tsara anao izy, ka lasa matoky ianao hoe azony tsara izay tsapanao. Mety hatorony karazana fitsaboana nandaitra tamin’olon-kafa koa ianao. Hoatr’izany koa amin’i Jehovah. Hatoky kokoa azy isika, raha mandinika an’izay efa nataony, sy ataony amin’izao, ary hataony ho antsika amin’ny hoavy. Izany no nataon’i Davida. Handinika andininy sasany nosoratany ao amin’ny Salamo faha-56 isika, dia eritrereto izay azonao atao mba hahatonga anao hatoky kokoa an’i Jehovah ka tsy ho resin’ny tahotra.

INONA NO EFA NATAON’I JEHOVAH?

5. Inona no nosaintsainin’i Davida mba tsy ho resin’ny tahotra izy? (Salamo 56:12, 13)

5 Na dia mbola nisy nitady hamono aza i Davida, dia nifantoka tamin’izay efa nataon’i Jehovah izy. (Vakio ny Salamo 56:12, 13.) Zatra nanao hoatr’izany izy teo amin’ny fiainany. Indraindray, ohatra, izy nisaintsaina ny zavaboarin’i Jehovah. Nampahatsiahy azy izany hoe i Jehovah no mahery indrindra, ary mikarakara ny olombelona izy. (Sal. 65:6-9) Nisaintsaina an’izay nataon’i Jehovah ho an’ny olon-kafa koa izy. (Sal. 31:19; 37:25, 26) Izay efa nataon’i Jehovah ho azy anefa no tena nosaintsaininy. Efa hatramin’ny mbola kely mantsy i Davida no nampiany sy narovany. (Sal. 22:9, 10) Vao mainka izy niantehitra tamin’i Jehovah rehefa nisaintsaina hoatr’izany!

Vao mainka i Davida niantehitra tamin’i Jehovah rehefa nifantoka tamin’izay efa nataony tany aloha, sy nataony tamin’izany, ary izay mbola hataony any aoriana (Fehintsoratra 5, 8, 12) d


6. Inona no hanampy antsika hatoky an’i Jehovah rehefa matahotra isika?

6 Eritrereto izao rehefa matahotra ianao: ‘Inona no efa nataon’i Jehovah?’ Diniho ny zavatra noforoniny. Inona, ohatra, no vokany rehefa ‘mijery tsara’ ny fomba ikarakarany ny vorona sy ny voninkazo ianao? (Mat. 6:25-32) Tsy vao mainka ve ianao lasa feno toky hoe hikarakara anao koa izy? Ireny aza mantsy tsy noforoniny hitovy endrika aminy sady tsy afaka manompo azy! Diniho koa izay nataony ho an’ny mpanompony. Mety hianatra momba ny olona iray resahin’ny Baiboly hoe nanana finoana miavaka ianao, na hamaky tantaran’ny mpanompon’i Jehovah amin’izao. a Ankoatra izay, dia saintsaino hoe ahoana no efa nataon’i Jehovah mba hikarakarana anao. Ahoana, ohatra, no nitaomany anao ho ao amin’ny fahamarinana? (Jaona 6:44) Ahoana no namaliany ny vavakao? (1 Jaona 5:14) Inona ny soa raisinao isan’andro noho izy nanao sorona an’ilay Zanany malala?​—Efes. 1:7; Heb. 4:14-16.

Vao mainka isika miantehitra amin’i Jehovah rehefa mifantoka amin’izay efa nataony, sy ataony amin’izao, ary mbola hataony amin’ny hoavy (Fehintsoratra 6, 9-10, 13-14) e


7. Nahoana ny tantaran’i Daniela mpaminany no nanampy an’i Vanessa tsy ho resin’ny tahotra?

7 Niatrika zava-tsarotra nampahatahotra i Vanessa, b anabavy any Haïti. Niantso azy ny lehilahy iray tao an-tanànany, dia nandefa SMS taminy isan’andro mba hanerena azy hanao firaisana taminy. Nanda an-kitsirano anefa i Vanessa, fa nisisika ihany ilay lehilahy sady lasa nasiaka ary nandrahona mihitsy. Hoy i Vanessa: “Natahotra be aho.” Ahoana no nandreseny an’izany? Nanao zavatra izy mba hiarovan-tena. Nisy anti-panahy iray nanampy azy hifandray tamin’ny manam-pahefana. Nifantoka tamin’ny fomba niarovan’i Jehovah ny mpanompony taloha koa izy. Izao no nolazainy: “I Daniela mpaminany no tonga voalohany tao an-tsaiko. Natsipy tao an-davaky ny liona noana be izy, na dia tsy nanan-tsiny aza. Nikarakara azy anefa i Jehovah. Niangavy an’i Jehovah koa aho mba handray an-tanana an’ilay zava-mitranga. Tsy natahotra intsony aho avy eo.”​—Dan. 6:12-22.

INONA NO ATAON’I JEHOVAH AMIN’IZAO?

8. Resy lahatra tamin’inona i Davida? (Salamo 56:8)

8 Tsy nanaiky ho resin’ny tahotra i Davida, na dia efa saika maty aza izy tany Gata. Naleony kosa nifantoka tamin’izay nataon’i Jehovah ho azy tamin’iny fotoana iny. Tsapan’i Davida hoe nitari-dalana sy niaro azy izy, ary nahazo tsara ny fihetseham-pony. (Vakio ny Salamo 56:8.) Nana-namana nampahery sy nanohana azy foana i Davida, ohatra hoe i Jonatana sy Ahimeleka Mpisoronabe. (1 Sam. 20:41, 42; 21:6, 8, 9) Na dia notadiavin’i Saoly Mpanjaka hovonoina koa aza izy, dia mbola tafavoaka velona. Resy lahatra izy hoe hain’i Jehovah tsara ny fitsapana nanjo azy sy ny vokatr’izany tamin’ny fihetseham-pony.

9. Inona no dinihin’i Jehovah momba antsika tsirairay?

9 Rehefa miatrika fitsapana mampahatahotra anao ianao, dia tadidio hoe hitan’i Jehovah izany ary hainy ny vokatr’izany amin’ny fihetseham-ponao. Tsy ny tsindry hazo lena natao tamin’ny Israelita tany Ejipta fotsiny, ohatra, no hitany fa ‘ny fijalian-dry zareo’ koa. (Eks. 3:7) Nihira i Davida hoe hitan’i Jehovah na ny ‘fijaliany’ na ny “fahoriana mafy” nanjo azy. (Sal. 31:7) Mbola “nalahelo be” Andriamanitra rehefa nijaly ny vahoakany, na dia vokatry ny fanapahan-kevitra ratsy nataon-dry zareo aza izany. (Isaia 63:9) Rehefa matahotra àry ianao, dia azon’i Jehovah tsara ny fihetseham-ponao ary vonona hanampy anao handresy an’izany izy.

10. Inona no mandresy lahatra anao hoe hitan’i Jehovah ianao ary hanampy anao hiatrika olana izy?

10 Mety ho lasa saina anefa ianao hoe ahoana no anampian’i Jehovah anao, rehefa miatrika fitsapana mampahatahotra ianao. Maninona raha mangataka aminy mba hampiany hahita ny fomba anohanany anao? (2 Mpanj. 6:15-17) Eritrereto avy eo hoe: Nisy lahateny na valin-teny tany am-pivoriana ve nanohina ny fonao? Nisy boky na gazety na video na hira nampahery anao ve? Nisy olona nanome toky anao na nilaza andinin-teny mahafinaritra taminao ve? Mety ho mora manao tsinontsinona ny rahalahy sy anabavy be fitiavana sy ny sakafo ara-panahy azontsika isika. Fanomezana miavaka avy amin’i Jehovah anefa ireny. (Isaia 65:13; Mar. 10:29, 30) Hita amin’izy ireny mantsy hoe miahy anao izy, ary mendrika ny hianteheranao.​—Isaia 49:14-16.

11. Inona no nanampy an’i Aida tsy ho resin’ny tahotra?

11 Hitan’ny Ranabavy Aida hoe ahoana no nanampian’i Jehovah azy tamin’izy niatrika fitsapana. Any Sénégal izy no mipetraka. Izy no vavimatoa, dia nantenain’ny ray aman-dreniny hoe hikarama be mba hamelomana azy mianakavy. Rehefa nanatsotra ny fiainany anefa i Aida mba hanaovana mpisava lalana, dia lasa sahirana ara-bola. Tezitra be taminy ny fianakaviany sady niteniteny azy. Hoy izy: “Natahotra aho sao tsy hahavita hanampy an’i Dada sy Neny sady hailikiliky ny olona. Nanome tsiny an’i Jehovah mihitsy aza aho hoe maninona no navelany hitotongana hoatr’izao ny fiainako.” Nisy lahateny henony avy eo tany am-pivoriana. Hoy izy: “Nampahatsiahivin’ilay mpandahateny hoe fantatr’i Jehovah daholo ny ratram-pontsika. Lasa nino tsikelikely aho hoe mbola tia ahy i Jehovah, rehefa nahazo torohevitra avy tamin’ny anti-panahy sy ny olon-kafa aho. Nanomboka nivavaka taminy aho sady natoky azy indray, dia tony be rehefa hitako hoe nivaly ny vavaka nataoko.” Nahita asa ihany i Aida tatỳ aoriana. Lasa afaka namelon-tena izy sady nanao mpisava lalana, ary afaka nanome vola mba hanampiana ny ray aman-dreniny sy ny olon-kafa. Izao no nolazainy: “Nianatra nitoky tanteraka tamin’i Jehovah aho. Rehefa avy mivavaka aho izao, dia matetika no lasa tsy matahotra intsony.”

INONA NO HATAON’I JEHOVAH AMIN’NY HOAVY?

12. Inona ny toky nananan’i Davida? (Salamo 56:9)

12 Vakio ny Salamo 56:9. Misy fomba hafa nanampy an’i Davida tsy ho resin’ny tahotra resahina eo. Inona izany? Na dia mbola notandindomin-doza aza ny ainy, dia nisaintsaina an’izay hataon’i Jehovah ho azy izy. Fantany hoe hamonjy azy i Jehovah amin’ny fotoana mety. Izy rahateo efa nilaza fa i Davida no ho mpanjakan’ny Israely manaraka. (1 Sam. 16:1, 13) Tamin’i Davida, dia hoatran’ny hoe efa tanteraka foana izay nampanantenain’i Jehovah.

13. Inona no atokisantsika hoe hataon’i Jehovah?

13 Ary ianao? Inona no nampanantenain’i Jehovah fa hataony ho anao? Tsy manantena isika hoe hiaro antsika amin’ny olana rehetra izy. c Na inona na inona anefa fitsapana atrehinao eto amin’izao tontolo izao, dia hesorin’i Jehovah izany ao amin’ilay tontolo vaovao ho avy. (Isaia 25:7-9) Ampy tsara ny herin’ilay Mpamorona antsika mba hananganana ny maty, sy hanasitranana antsika, ary handringanana ny mpanohitra rehetra.​—1 Jaona 4:4.

14. Inona no azontsika saintsainina?

14 Rehefa matahotra ianao, dia saintsaino izay hataon’i Jehovah amin’ny hoavy. Eritrereto izay ho tsapanao rehefa tsy ho eo intsony i Satana, dia tsy hisy ratsy fanahy intsony fa olo-marina daholo, ary hihalavorary tsikelikely isan’andro isika. Noresahina tamina fampisehoana tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra tamin’ny 2014 izay azontsika atao mba hisaintsainana momba ny fanantenantsika. Niresaka ny 2 Timoty 3:1-5 tamin’ny ankohonany ny raim-pianakaviana iray tamin’izay. Novany ny teny tao amin’ireo andininy ireo, mba hampisehoana hoe hanao ahoana ny fiainana ao amin’ny Paradisa. Izao no namakiany azy: “Ao amin’ny tontolo vaovao, dia ho faran’izay hahafinaritra ny fiainana. Fa ny olona ho tia ny mpiara-belona aminy, ho tia manompo an’i Jehovah, tsy ho matin-kambo, tsy hanambony tena, hidera an’Andriamanitra, hankatò ray aman-dreny, hahay hisaotra, tsy hivadika amin’ny teniny, ho tia ny mpianakaviny, ho mora ifanarahana, hilaza zavatra tsara momba ny hafa foana, hahafehy tena, halemy fanahy, ho tia ny tsara, ho azo itokisana, handefitra, hanetry tena, ho tia an’Andriamanitra fa tsy ho tia fahafinaretana, ho hita eo amin’ny fiainany hoe tena mpivavaka izy. Miaraha foana amin’ny olona toy ireny.” Resahinao amin’ny fianakavianao na ny mpiara-manompo koa ve hoe hanao ahoana ny fiainana ao amin’ny tontolo vaovao?

15. Na dia natahotra aza i Tania, dia inona no nanampy azy tsy ho resin’izany?

15 Tsy resin’ny tahotra Ranabavy Tania rehefa misaintsaina ny fitahiana miandry azy. Any Macédoine Avaratra izy no mipetraka. Nanohitra be ny ray aman-dreniny tamin’izy nianatra Baiboly. Hoy izy: “Tena nitranga ny zavatra sasany natahorako. Novonovonoin’ny mamanay aho isaky ny avy nivory. Nandrahona ny hamono ahy ho faty mihitsy i Dada sy Mama, raha lasa Vavolombelon’i Jehovah aho.” Noroahin-dry zareo hiala tao an-trano i Tania tamin’ny farany. Dia ahoana no nataony? Hoy izy: “Izao no nataoko an-tsaina: Ho sambatra be mandrakizay aho satria mifidy ny tsy hivadika. Nosaintsainiko koa ny valisoa homen’i Jehovah ahy any amin’ny tontolo vaovao noho izay rehetra mety hafoiko amin’izao, sy ilay hoe ho hadino daholo ny zava-dratsy amin’izay.” Nahavita tsy nivadika i Tania. Nampian’i Jehovah izy, dia nahita trano hisitrihana. Manambady rahalahy tsy mivadika izy, dia sambatra erỳ izy roa manompo manontolo andro.

MIANTEHERA KOKOA AMIN’I JEHOVAH DIENY IZAO

16. Inona no hanampy antsika ho be herim-po foana rehefa mahita hoe tanteraka ny Lioka 21:26-28?

16 Ho ‘safotra noho ny tahotra’ ny ankamaroan’ny olona mandritra ny fahoriana lehibe. Tsy hivadika sy ho be herim-po foana kosa ny vahoakan’Andriamanitra. (Vakio ny Lioka 21:26-28.) Fa maninona isika no tsy ho resin’ny tahotra? Satria isika ho efa nianatra niantehitra tamin’i Jehovah. Nilaza i Tania, ilay voaresaka tetsy aloha, fa nanampy azy hiatrika zava-tsarotra hafa ny zavatra niainany taloha. Hoy izy: “Nianarako hoe vitan’i Jehovah foana ny mamadika an’izay zava-mitranga eo ho lasa fitahiana. Indraindray hoatran’ny hoe ny olon-kafa no manana fahefana amin’izay mitranga. Raha ny marina anefa, dia tsy manana fahefana ankoatra an’izay avelan’i Jehovah ananany izy. Na mafy be koa aza ny fitsapana iray, dia tsy maintsy hifarana ihany.”

17. Nahoana ny andinin-teny ho an’ny taona 2024 no hanampy antsika? (Jereo ny sary eo amin’ny fonony.)

17 Be dia be ny zavatra mampahatahotra amin’izao. Tsy voatery hanaiky ho resin’izany anefa isika, hoatran’i Davida. Vavaka nataony tamin’i Jehovah ilay andinin-teny ho an’ny taona 2024 hoe: “Rehefa matahotra aho, dia miantehitra aminao.” (Sal. 56:3) Izao no anazavan’ny boky iray momba ny Baiboly an’io andininy io: “Tsy nifantoka tamin’izay nampahatahotra azy na ny olana nianjady taminy i Davida, fa nifantoka tamin’ilay Mpanavotra hamonjy azy.” Eritrereto io andinin-teny ho an’ny taona io mandritra ny volana ho avy, indrindra rehefa miatrika zavatra mampahatahotra ianao. Makà fotoana hisaintsainana an’izay nataon’i Jehovah taloha sy amin’izao ary amin’ny hoavy. Ho afaka hilaza hoatran’i Davida ianao amin’izay hoe: “Andriamanitra no itokisako, ka tsy matahotra aho.”​—Sal. 56:4.

Nisy loza tany amin’ny toerana ipetrahan’ny anabavy iray, dia misaintsaina ny andinin-teny ho an’ny taona izy (Fehintsoratra 17)

NAHOANA IANAO NO TSY HO RESIN’NY TAHOTRA RAHA MISAINTSAINA AN’IZAY...

  • efa nataon’i Jehovah?

  • ataon’i Jehovah amin’izao?

  • hataon’i Jehovah amin’ny hoavy?

HIRA 33 Apetraho Amin’i Jehovah Izay Manavesatra Anao

a Hahita hevitra mampahery ianao ao amin’ny jw.org/mg raha manoratra hoe “tahafo ny finoan’izy ireo” na “fitantarana” eo amin’ilay hoe “Hikaroka.” Raha ao amin’ny JW Library® kosa, dia jereo ao amin’ilay andian-dahatsoratra hoe “Tahafo ny Finoan’izy Ireo” na ilay hoe “Tantaram-piainan’ny Vavolombelon’i Jehovah.”

b Novana ny anarana sasany.

d SARY: Davida misaintsaina ny fomba nanomezan’i Jehovah hery azy mba hamonoana orsa, sy nanampiany azy tamin’ny alalan’i Ahimeleka, ary ny mbola hanaovany azy ho mpanjaka.

e SARY: Rahalahy migadra noho ny finoany, dia misaintsaina ny fomba nanampian’i Jehovah azy hiala tamin’ny sigara, sy ampaherezany azy amin’ny alalan’ny taratasy avy amin’ny olona akaiky ny fony, ary hanomezany azy fiainana mandrakizay ao amin’ny Paradisa.