Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 2

HIRA 19 Ny Sakafo Harivan’ny Tompo

Vonona ho Amin’ilay Andro Lehibe Indrindra Anatin’ny Taona ve Ianao?

Vonona ho Amin’ilay Andro Lehibe Indrindra Anatin’ny Taona ve Ianao?

“Ataovy foana izao ho fahatsiarovana ahy.”​—LIOKA 22:19.

HEVITRA HODINIHINA

Hojerentsika hoe nahoana no tena miavaka ny Fahatsiarovana, ahoana no hiomanana ho amin’izy io, ary ahoana no hanampiana ny hafa mba ho tonga.

1. Nahoana ny Fahatsiarovana no andro lehibe indrindra anatin’ny taona? (Lioka 22:19, 20)

 INONA ny andro lehibe indrindra anatin’ny taona ho an’ny vahoakan’i Jehovah? Ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy. Io ihany no nolazain’i Jesosy mivantana hoe tokony hotsaroan’ny mpanara-dia azy. (Vakio ny Lioka 22:19, 20.) Tsy andrintsika ny hahatongavan’ny Fahatsiarovana. Fa maninona? Andao isika handinika antony sasany.

2. Nahoana no tsy andrintsika ny hahatongavan’ny Fahatsiarovana?

2 Ny Fahatsiarovana no manampy antsika hisaintsaina ny maha sarobidy ny vidim-panavotana. Ampahatsiahivina antsika amin’io koa ireo fomba azontsika ampisehoana fa mankasitraka ny soron’i Jesosy isika. (2 Kor. 5:14, 15) Fotoana ahafahantsika ‘mifampahery’ amin’ireo rahalahy sy anabavy koa izy io. (Rom. 1:12) Be dia be ny olona tsy mitory sy tsy mivory intsony tonga manatrika azy io isan-taona. Vonona hiverina amin’i Jehovah mihitsy aza ny sasany, satria noraisina tsara. Betsaka koa ny olona liana te handeha amin’ilay lalana mankany amin’ny fiainana noho ireo zavatra hitany sy henony any. Tsy mahagaga raha tena ankamamiantsika ny Fahatsiarovana!

3. Nahoana ny Fahatsiarovana no mampiray saina ny rahalahy sy anabavy eran-tany? (Jereo koa ny sary.)

3 Mampiray saina an’ireo rahalahy sy anabavy eran-tany koa ny Fahatsiarovana. Diniho izao: Miara-mivory ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa milentika ny masoandro. Mandeha tsikelikely izany arakaraka ny fotoana ilentehan’ny masoandro any amin’ny tany tsirairay. Mihaino lahateny iray isika rehetra, ary asongadina amin’izy io fa zava-dehibe ny vidim-panavotana. Manao hira fiderana roa isika, mampandalo ny mofo sy divay, ary samy manao “amena” amin’ny fo amin’ireo vavaka efatra. Manao an’izany ny fiangonana rehetra ao anatin’ny 24 ora eo ho eo. Azonao sary an-tsaina ve ny fifalian’i Jehovah sy Jesosy mahita antsika tafaray manome voninahitra an-dry zareo hoatr’izany?

Mampiray saina ny rahalahy sy anabavy eran-tany ny Fahatsiarovana (Fehintsoratra 3) f


4. Inona no hodinihintsika ato?

4 Hodinihintsika ato hoe ahoana no hanomanantsika ny fontsika ho amin’ny Fahatsiarovana, ahoana no hanampiantsika ny hafa mba handray soa amin’izy io, ary ahoana no hanampiantsika an’ireo tsy mitory na tsy mivory intsony. Hanampy antsika ho vonona ho amin’io fotoana masina io ny valin’ireo.

FOMBA HANOMANANA NY FO

5. a) Nahoana isika no tokony hisaintsaina ny hasarobidin’ny vidim-panavotana? (Salamo 49:7, 8) b) Inona no nianaranao avy amin’ilay video hoe Inona no Antony Nahafatesan’i Jesosy?

5 Saintsaino hoe nahoana no zava-dehibe ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy. Anisan’ny fomba lehibe indrindra anomanantsika ny fontsika izany. Tsy ho vitantsika samirery mantsy ny hanavotra ny tenantsika amin’ny ota sy ny fahafatesana. (Vakio ny Salamo 49:7, 8; jereo koa ilay video hoe Inona no Antony Nahafatesan’i Jesosy?) a Nanao zavatra àry i Jehovah mba hahatonga an’i Jesosy hamoy ny ainy hanavotana antsika. Novidin-dry zareo lafo isika. (Rom. 6:23) Vao mainka isika hankasitraka ny vidim-panavotana, arakaraka ny isaintsainantsika ny sorona nataon’i Jehovah sy ilay Zanany malala ho antsika. Fa inona avy ny zavatra nafoin’izy mianaka mba hanomezana ny vidim-panavotana? Andao vitsivitsy ihany no hodinihintsika. Hojerentsika anefa aloha ny dikan’ny vidim-panavotana.

6. Inona no dikan’ny vidim-panavotana?

6 Ny vidim-panavotana dia vola na zavatra aloa mba hividianana zavatra efa anao ihany taloha. Lavorary i Adama, ilay olombelona voalohany, tamin’izy vao noforonina. Nisy zavatra nafoiny anefa rehefa nanota izy. Lasa tsy afaka ny hiaina mandrakizay intsony izy, ary tsy izy ihany fa ny taranany rehetra koa. Namoy ny aina lavorary nananany i Jesosy, mba hividianana indray an’izay nafoin’i Adama. “Tsy nanota [i Jesosy] ary tsy nisy fitaka teo am-bavany”, nandritra ny fotoana niainany teto an-tany. (1 Pet. 2:22) Nifandanja tamin’ny aina nafoin’i Adama ny aina lavorary nafoin’i Jesosy tamin’izy maty.​—1 Kor. 15:45; 1 Tim. 2:6.

7. Inona no fitsapana sasany natrehin’i Jesosy teto an-tany?

7 Nankatò tanteraka an’ilay Rainy any an-danitra i Jesosy, na dia betsaka aza ny fitsapana natrehiny teto an-tany. Tsy maintsy nanaiky ny fahefan’ny ray aman-dreniny tsy lavorary izy tamin’ny mbola kely, na dia lavorary aza izy hatramin’ny vao teraka. (Lioka 2:51) Nila niezaka koa izy tamin’ny mbola tanora, mba tsy hanaiky hotaomin’ny olona tsy hankatò na hivadika amin’i Jehovah. Ankoatra izay, dia tsy maintsy nanohitra ny fakam-panahy avy tamin’i Satana Devoly izy rehefa lehibe. Anisan’izany ilay izy nampirisihiny mivantana hivadika amin’Andriamanitra. (Mat. 4:1-11) Tapa-kevitra i Satana hoe hataony izay hahatonga an’i Jesosy hanota, amin’izay izy tsy ho afaka handoa ny vidim-panavotana.

8. Inona koa no fitsapana niaretan’i Jesosy?

8 Mbola niatrika fitsapana hafa i Jesosy nandritra ny fanompoany teto an-tany. Nenjehina sy norahonana ho faty izy. (Lioka 4:28, 29; 13:31) Tsy maintsy nizaka ny tsy fahalavorarian’ny mpanara-dia azy koa izy. (Mar. 9:33, 34) Rehefa notsaraina izy, dia nampijalijalina sy nesoesoina. Novonoina hoatran’ny olon-dratsy izy tamin’ny farany, ary nanaintaina be. (Heb. 12:1-3) Tsy maintsy niady irery izy rehefa nijalijaly teo amin’ny hazo fijaliana, satria tsy niaro azy intsony i Jehovah. b​—Mat. 27:46.

9. Ahoana no fahitantsika ny sorona nataon’i Jesosy? (1 Petera 1:8)

9 Tena nijaly be àry i Jesosy mba hanomezana ny vidim-panavotana. Tsy vao mainka ve ianao tia azy rehefa misaintsaina hoe vonona hamoy zavatra be dia be ho antsika izy?​—Vakio ny 1 Petera 1:8.

10. Inona no nafoin’i Jehovah mba hanomezana ny vidim-panavotana?

10 Ary i Jehovah? Vonona hizaka ny mangidy izy mba hahafahan’i Jesosy mandoa ny vidim-panavotana. Inona, ohatra? Tsy misy ray sy zanaka mifandray akaiky be hoatran’i Jehovah sy Jesosy. (Ohab. 8:30) Saintsaino àry ny vokany tamin’i Jehovah, rehefa nahita an’i Jesosy niaritra fitsapana be dia be teto an-tany. Nalahelo be izao izy nahita ny Zanany nampijalijalina, natao tsinontsinona, ary niharam-pitsapana.

11. Hoatran’ny ahoana no tsapan’i Jehovah rehefa novonoina i Jesosy? Manomeza ohatra.

11 Raha efa maty zanaka ianao, dia hainao tsara fa mavesatra be ny alahelo vokatr’izany. Tena mino ny fananganana ny maty isika, nefa tsy mamafa an’ilay fahoriana ao am-pontsika izany. Hitantsika avy amin’io ohatra io izay tsapan’i Jehovah, rehefa nahita an’ilay Zanany malala nijaly sy maty tamin’io andro iray tamin’ny taona 33 io. c​—Mat. 3:17.

12. Inona no azonao atao mandra-pahatongan’ny Fahatsiarovana?

12 Maninona raha momba ny vidim-panavotana no ataonao fianarana samirery na ataonareo Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana mandra-pahatongan’ny Fahatsiarovana? Ampiasao ny Fitaovana Fikarohana ho An’ny Vavolombelon’i Jehovah na boky fianarana Baiboly hafa mba hahitana fanazavana bebe kokoa momba an’izany. d Ataovy koa ny famakiana Baiboly ho amin’ny Fahatsiarovana. Efa misy azy io ao amin’ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana. Ankoatra izay, dia aza hadinoina ny mijery an’ilay fotoam-pivavahana maraina manokana, amin’ny andron’ny Fahatsiarovana. Raha manomana ny fontsika ho amin’ny Fahatsiarovana isika, dia ho afaka hanampy ny hafa handray soa avy amin’izy io koa.​—Ezra 7:10.

AMPIO NY HAFA MBA HANDRAY SOA

13. Inona aloha no azonao atao mba handray soa amin’ny Fahatsiarovana ny hafa?

13 Ahoana no hanampianao ny hafa mba handray soa amin’ny Fahatsiarovana? Tsy maintsy hoe asainao aloha izy. Ankoatra ny fanasana ny olona eny amin’ny faritany, dia maninona raha atao lisitra izay tianao hasaina? Mety ho anisan’izany ny havana, mpiara-miasa, mpiara-mianatra, na olon-kafa. Na tsy ampy aza ny taratasy fanasana anananao, dia afaka mizara rohy amin’ny alalan’ny fitaovana elektronika ianao. Iza moa no mahalala raha betsaka no ho tonga?​—Mpito. 11:6.

14. Inona no ohatra mampiseho hoe tena misy vokany rehefa ianao mihitsy no manasa ny olona fantatrao?

14 Aza hadinoina fa misy vokany be rehefa ianao mihitsy no manasa ny olona fantatrao. Tsy Vavolombelona ny vadin’ny anabavy iray, ary gaga be izy indray andro fa falifaly erỳ ilay rangahy nilaza hoe hanatrika ny Fahatsiarovana miaraka aminy. Nahoana ilay anabavy no gaga? Satria efa imbetsaka izy no nitaona ny vadiny hanatrika Fahatsiarovana, fa tsy nandeha mihitsy ilay rangahy. Dia inona izany no nampiavaka an’ilay tamin’io? Izao no nolazain’ilay lehilahy: “Nisy nanome fanasana ahy.” Nanome azy taratasy fanasana, hono, ny anti-panahy efa nifankahafantatra taminy. Nanatrika Fahatsiarovana foana ilay rangahy nanomboka tamin’io taona io.

15. Inona no tokony hotadidintsika rehefa manasa olona hanatrika Fahatsiarovana isika?

15 Tadidio fa mety hametraka fanontaniana ny olona asaintsika, indrindra raha sambany izy no mivory miaraka amintsika. Tsara raha saintsaininao mialoha ny fanontaniana mety hapetrany, dia miomàna hamaly an’ireny. (Kol. 4:6) Mety hisy ho lasa saina, ohatra, hoe: ‘Fa inona no atao any?’ ‘Adiny firy ilay izy?’ ‘Hoatran’ny ahoana ny akanjo anaovana?’ ‘Misy vidim-pidirana ve?’ ‘Mitanty rakitra ve?’ Raha manasa olona hanatrika Fahatsiarovana ianao, dia afaka manontany fotsiny hoe: ‘Manana fanontaniana ve ianao?’ Dia avy eo valio ny fanontaniany. Azontsika atao koa ny mampiseho azy an’ilay video hoe Tsarovy ny Nahafatesan’i Jesosy sy ilay hoe Inona no Atao any Amin’ny Efitrano Fanjakana? mba hanampiana azy hahalala hoe hoatran’ny ahoana ny fivoriantsika. Misy hevitra tsara vitsivitsy azo resahina koa ao amin’ny boky Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!, lesona faha-28.

16. Inona no mety mbola hanontanian’ny olona manatrika Fahatsiarovana?

16 Mety mbola hanana fanontaniana ny olona liana aorian’ny Fahatsiarovana. Mety ho lasa saina, ohatra, izy hoe maninona no vitsy na tsy misy mihitsy ny olona mihinana ny mofo sy misotro ny divay. Mety hanontany tena koa izy hoe impiry isika no mankalaza ny Fahatsiarovana. Na mety ho tiany ho fantatra raha hoatran’iny daholo ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Marina hoe efa resahina mandritra ny lahatenin’ny Fahatsiarovana ny ankamaroan’ireo. Mety mbola hila tsipiriany bebe kokoa anefa ny olona vaovao. Afaka manampy antsika hamaly ny fanontaniany sasany ilay lahatsoratra ao amin’ny jw.org hoe: “Nahoana no Tsy Mitovy Amin’ny An’ny Fivavahana Hafa ny Fomba Ankalazan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Sakafo Harivan’ny Tompo?” Tokony hanao izay azontsika atao isika mialoha sy mandritra ary aorian’ny Fahatsiarovana, mba hanampiana ny olona ‘manana toe-po tsara’ handray soa avy amin’io fankalazana io.​—Asa. 13:48.

AMPIO IREO TSY MITORY NA TSY MIVORY INTSONY

17. Ahoana no azon’ny anti-panahy anampiana an’ireo tsy mitory na tsy mivory intsony? (Ezekiela 34:12, 16)

17 Inona no azon’ny anti-panahy atao mandritra ny vanim-potoanan’ny Fahatsiarovana, mba hanampiana an’ireo tsy mitory na tsy mivory intsony? Asehoy hoe miahy azy ianareo. (Vakio ny Ezekiela 34:12, 16.) Miezaha hiantso na hitsidika betsaka araka izay azo atao amin’izy ireny alohan’ny Fahatsiarovana. Omeo toky izy hoe tia azy ianareo, ary te hanampy azy araka izay azo atao. Asao hanatrika Fahatsiarovana izy. Raiso tsara izy raha tonga. Mifandraisa amin’ireny rahalahy sy anabavy malalantsika ireny foana aorian’ny Fahatsiarovana, ary ataovy izay azonareo atao mba hanampiana azy hiverina amin’i Jehovah.​—1 Pet. 2:25.

18. Ahoana no azontsika rehetra anampiana an’ireo tsy mitory na tsy mivory intsony? (Romanina 12:10)

18 Afaka manampy an’ireo tsy mitory na tsy mivory intsony tonga manatrika Fahatsiarovana ny rehetra ao amin’ny fiangonana. Ahoana no atao? Raiso am-pitiavana izy, ary miezaha ho tsara fanahy sy hanaja azy. (Vakio ny Romanina 12:10.) Tadidio fa mety ho nisalasala hiverina hivory indray ireny ondry sarobidy ireny. Nanahy angamba izy sao tsy horaisina tsara. e Aza mametraka fanontaniana tsy mampahazo aina, na milaza zavatra mety handratra ny fony àry sao ho menatra izy. (1 Tes. 5:11) Rahalahy sy anabavintsika ihany mantsy izy ireny. Faly isika fa manompo an’i Jehovah miaraka aminy indray.​—Sal. 119:176; Asa. 20:35.

19. Inona no soa azontsika rehefa mahatsiaro ny nahafatesan’i Jesosy isika?

19 Soa ihany isika fa nasain’i Jesosy nankalaza ny Fahatsiarovana ny nahafatesany isan-taona. Mandray soa be dia be na isika na ny hafa rehefa tonga. (Isaia 48:17, 18) Ho tia kokoa an’i Jehovah sy Jesosy isika. Asehontsika hoe tena mankasitraka an’izay nataony ho antsika isika. Vao mainka hifandray am-po koa isika sy ny mpiara-manompo. Ankoatra izay, dia afaka manampy ny hafa isika hoe inona koa no azony atao mba hahazoana ny fitahiana entin’ny vidim-panavotana. Andao àry isika hanao an’izay rehetra azontsika atao amin’ity mba hanatrehana ny Fahatsiarovana, ilay andro lehibe indrindra anatin’ny taona!

AHOANA NO AZONTSIKA...

  • anomanana ny fontsika hanatrika Fahatsiarovana?

  • anampiana ny hafa handray soa avy amin’ny Fahatsiarovana?

  • anampiana an’ireo tsy mitory na tsy mivory intsony?

HIRA 18 Ankasitrahantsika ny Vidim-panavotana

a Ampiasao ilay hoe “Hikaroka” ao amin’ny jw.org mba hahitana an’ireo lahatsoratra sy video resahina ato.

b Jereo ilay hoe “Fanontanian’ny Mpamaky” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana Aprily 2021.

d Jereo ilay hoe “ Hevitra Azo Karohina.”

e Jereo ny sary sy ilay hoe “ Ahoana no Nandraisan’ny Fiangonana Azy?” Misalasala hiditra ao amin’ny Efitrano Fanjakana ny rahalahy iray tsy nitory intsony. Niditra ihany anefa izy. Mandray azy an-tanan-droa ny mpiara-manompo ka faly izy miaraka amin-dry zareo.

f SARY: Efa manatrika Fahatsiarovana ny vahoakan’i Jehovah ao amin’ny toerana iray, fa vao miomana kosa ny rahalahy sy anabavy any an-toeran-kafa.