Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Toy ny An’i Jehovah ve ny Fomba Itondranao ny Vehivavy?

Toy ny An’i Jehovah ve ny Fomba Itondranao ny Vehivavy?

TOMBONTSOA ny miara-manompo amin’ny vehivavy be dia be manam-pinoana. Tiantsika sy ankasitrahantsika daholo ireny anabavy tsy mivadika sy miasa mafy ireny. a Ry rahalahy, miezaha mafy àry ho tsara fanahy sy tsy hanavakavaka ary hanaja azy ireny. Sarotra anefa izany indraindray, satria tsy lavorary isika. Misy olana hafa atrehin’ny rahalahy sasany koa aza.

Misy lehibe tany amin’ny firenena ahitana lehilahy be dia be manambany vehivavy. Izao, ohatra, no nolazain’i Hans, mpiandraikitra ny faritra any Bolivia: “Mihevi-tena ho ambony ny lehilahy sasany, satria izay mihitsy ny kolontsaina nitaizana azy, dia matetika izy no manao tsinontsinona ny vehivavy.” Hoy koa i Shengxian, anti-panahy any Taïwan: “Be dia be ny lehilahy mieritreritra, any amin’ny toerana misy anay, hoe tsy tokony hidikiditra amin’izay ataony ny vehivavy. Raha milaza ny hevitry ny vehivavy momba ny zavatra iray, ohatra, izy, dia esoin’ny namany.” Ny hafa indray tsy tonga dia hita hoe manavakavaka vehivavy. Mety hanao vazivazy manambany vehivavy, ohatra, ry zareo.

Soa ihany fa tsy voatery hanaraka am-bokony ny kolontsainy fotsiny ny lehilahy. Afaka manova ny toe-tsainy izy, dia tsy hieritreritra intsony hoe ambony noho ny vehivavy. (Efes. 4:22-24) Ho vitany izany raha manahaka an’i Jehovah izy. Ho hitantsika ato ny fomba itondran’i Jehovah ny vehivavy sy ny azon’ny rahalahy anahafana azy. Horesahintsika koa hoe ahoana no ampisehoan’ny anti-panahy fa ry zareo no voalohany manaja anabavy.

NY FOMBA ITONDRAN’I JEHOVAH NY VEHIVAVY

Modely tsara indrindra amin’ny fomba itondrany ny vehivavy i Jehovah. Ray mangoraka izy, ary tiany ny fianakaviany eto an-tany. (Jaona 3:16) Sarobidy aminy hoatran’ny zanakavavy ireo anabavy tsy mivadika. Andao hodinihintsika ny fomba sasany anomezany voninahitra azy ireo.

Tsy manavakavaka an-dry zareo izy. Noforonin’i Jehovah hitovy endrika aminy ny lehilahy sy ny vehivavy. (Gen. 1:27) Tsy nataony kinga saina na manan-talenta kokoa noho ny vehivavy ny lehilahy, ary tsy hoe ny lehilahy no tiany kokoa. (2 Tan. 19:7) Na ny lehilahy na ny vehivavy dia samy noforoniny ho afaka hahazo tsara ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, sady ho afaka hanahaka ny toetrany. Samy sarobidy amin’i Jehovah koa ny finoan’ny lehilahy sy ny vehivavy, na manantena hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany ry zareo, na ho lasa mpanjaka sy mpisorona any an-danitra. (2 Pet. 1:1, f.a.p.) Mazava àry fa tsy manavakavaka ny vehivavy i Jehovah.

Mihaino an-dry zareo izy. Mahaliana an’i Jehovah izay tsapan’ny vehivavy sy izay mampanahy azy. Nihaino sy namaly ny vavak’i Rahely sy Hana, ohatra, izy. (Gen. 30:22; 1 Sam. 1:10, 11, 19, 20) Nampanoratiny tao amin’ny Baiboly koa ny tantarana lehilahy nihaino vehivavy. Nanaiky, ohatra, i Abrahama, rehefa nasain’i Jehovah nihaino an’i Saraha vadiny. (Gen. 21:12-14) Nihaino an’i Abigaila koa i Davida Mpanjaka. Niaiky aza izy fa i Jehovah mihitsy no naniraka azy hiresaka taminy. (1 Sam. 25:32-35) Nanahaka tanteraka ny toetran’ny Rainy i Jesosy, dia nihaino an’i Maria reniny. (Jaona 2:3-10) Hita amin’ireo hoe mihaino ny vehivavy i Jehovah. Anisan’ny fomba ampisehoany izany hoe manaja an-dry zareo izy.

Natoky an-dry zareo izy. Natoky, ohatra, i Jehovah fa afaka manampy amin’ny fikarakarana ny tany manontolo i Eva. (Gen. 1:28) Nasehony tamin’izany hoe tsy nihevitra an’i Eva ho ambany noho i Adama izy, fa ho famenony. Natoky an’i Debora sy Holda mpaminanivavy koa i Jehovah mba hanoro ny vahoakany, anisan’izany ny mpitsara iray sy mpanjaka iray. (Mpits. 4:4-9; 2 Mpanj. 22:14-20) Misy asan’i Jehovah koa ankininy amin’ny vehivavy kristianina amin’izao. Mpitory sy mpisava lalana ary misionera ireny anabavy tsy mivadika ireny, sady manampy manao planina, manorina, ary mikojakoja Efitrano Fanjakana sy biraon’ny sampana. Misy koa manompo ao amin’ny Betela, na any amin’ny biraon’ny fandikan-teny mitokana. Hoatran’ny tafika lehibe ampiasain’i Jehovah hanatanterahana ny sitrapony ry zareo. (Sal. 68:11) Tsy mihevitra ny vehivavy ho malemy na tsy mahay àry i Jehovah.

RY RAHALAHY, TAHAFO I JEHOVAH

Ahoana no ahafantarantsika rahalahy raha hoatran’ny an’i Jehovah ny fomba itondrantsika ny anabavy kristianina? Mila mandinika amim-pahatsorana ny fomba fisainantsika sy ny ataontsika isika. Tsy ho vitantsika irery anefa izany. Ahafahan’ny dokotera mahita an’izay tsy metimety amin’ny fon’ny olona iray, ohatra, ny skanera. Hoatr’izany koa ny namana tsara sy ny Tenin’Andriamanitra. Manampy antsika izy ireny hamantatra an’izay fihetseham-po ratsy any anatintsika lalina any momba ny vehivavy. Ahoana àry no ahazoantsika an’izany fanampiana izany?

Manontania namana. (Ohab. 18:17) Manontania namana azo itokisana sy tsara fanahy ary mahay mandanjalanja hoe: “Ahoana no fahitanao ny fomba itondrako ny anabavy? Tsapan-dry zareo ve hoe manaja azy aho? Inona no azoko hatsaraina?” Raha milaza zavatra sasany azonao hatsaraina izy, dia aza manamarin-tena. Tonga dia ataovy kosa izay fanitsiana ilaina.

Mianara ny Tenin’Andriamanitra. Ampiasao ny Tenin’Andriamanitra mba handinihanao ny toe-tsainao sy ny ataonao. (Heb. 4:12) Izany no fomba tsara indrindra amantaranao raha entinao amin’ny fomba tsara ny anabavy. Rehefa mianatra ny Baiboly isika, dia hahita hoe nisy lehilahy nitondra tamin’ny fomba tsara ny vehivavy, dia nisy tsy nanao an’izany. Azontsika ampitahaina amin’izay nataon-dry zareo ny ataontsika avy eo. Tsara koa ny mampitaha andinin-teny maromaro, dia mandinika ny teny manodidina ny andininy iray, mba tsy hahatonga antsika hieritreritra tsy nahy hoe manohana ny hevi-diso ananantsika momba ny vehivavy ilay andininy. Milaza, ohatra, ny 1 Petera 3:7 fa tokony ‘homena voninahitra ny vehivavy, toy ny atao amin’ny fanaka malemy kokoa.’ b Midika ve izany hoe ambany noho ny lehilahy izy, izany hoe tsy dia mahira-tsaina na tsy dia mahay? Tsy izany! Ampitahao amin’ny Galatianina 3:26-29 ange ny tenin’i Petera e! Resahina ao hoe nofidin’i Jehovah ho mpiara-manjaka amin’i Jesosy any an-danitra koa ny vehivavy, fa tsy ny lehilahy ihany. Afaka mianatra manaja ny anabavy araka ny tokony ho izy àry isika, rehefa mianatra ny Tenin’Andriamanitra sy manontany namana hoe ahoana ny fomba itondrantsika ny vehivavy.

ASEHON’NY ANTI-PANAHY FA MANAJA ANABAVY RY ZAREO

Afaka mianatra manaja ny anabavy koa ny rahalahy ao amin’ny fiangonana, rehefa manahaka ny modelin’ireo anti-panahy be fitiavana. Ahoana no ampisehoan’ny anti-panahy hoe ry zareo no voalohany manaja ny anabavy? Andao isika handinika ohatra vitsivitsy.

Derainy ny anabavy. Modely ho an’ny anti-panahy ny apostoly Paoly. Nidera anabavy vitsivitsy izy rehefa nanoratra ho an’ny fiangonana tany Roma. (Rom. 16:12) Eritrereto ny hafalian’ireo anabavy ireo rehefa novakina tamin’ny fiangonana ny taratasin’i Paoly! Tsy mitsitsy teny fiderana koa ny anti-panahy, rehefa mahita anabavy manana toetra tsara sy manao zavatra ho an’i Jehovah. Lasa tsapan’ireo anabavy hoe tena hajaina sy ankasitrahana ry zareo. Mety ho ny teny mampahery nataon’ny anti-panahy iray mihitsy no nilain-dry zareo mba hanampy azy tsy hivadika amin’i Jehovah.​—Ohab. 15:23.

Midera

Manao teny vokatry ny fo sy voafaritra tsara ny anti-panahy rehefa midera an’ireo anabavy. Nahoana? Hoy i Jessica: “Mahafinaritra rehefa misy ranadahy miteny amin’ny anabavy hoe ‘tsara be ny nataonao.’ Tena manohina ny fonay anefa rehefa voafaritra tsara ilay ideran-dry zareo anay. Ohatra hoe midera anay ry zareo satria mampianatra ny zanakay hipetraka tsara izahay ao am-pivoriana, na miezaka mafy maka mpianatra Baiboly hanatrika fivoriana.” Rehefa voafaritra tsara ny teny fiderana ataon’ny anti-panahy, dia mahatsiaro ho ilaina sy misy vidiny ny anabavy eo anivon’ny fiangonana.

Henoiny ny anabavy. Eken’ny anti-panahy manetry tena hoe tsy ry zareo ihany no manana hevitra tsara. Mangataka soso-kevitra amin’ny anabavy ny anti-panahy hoatr’izany, dia avy eo mihaino tsara azy. Mampahery ny anabavy ny anti-panahy rehefa manao an’izany, sady mandray soa. Nahoana? Izao no nolazain’i Gerardo, anti-panahy ao amin’ny Betela: “Hitako hoe mahavita asa tsara kokoa aho, rehefa manontany ny hevitr’ireo anabavy. Matetika mantsy no efa ela kokoa ry zareo no nanao an’ilay asa, raha oharina amin’ny ankamaroan’ireo rahalahy.” Ary ny ao amin’ny fiangonana? Maro ny anabavy mpisava lalana, ka mahalala zavatra be dia be momba ny olona ao amin’ny faritany. Hoy ny anti-panahy iray atao hoe Bryan: “Afaka manome be ho an’ny fandaminana ny anabavintsika. Hararaoty àry ny traikefan’izy ireny!”

Mihaino

Hendry ny anti-panahy rehefa tsy maika handa ny soso-kevitry ny anabavy. Nahoana? Hoy ny anti-panahy antsoina hoe Edward: “Misy vokany tsara rehefa manisy vidiny ny hevitra sy ny traikefan’ny anabavy ny rahalahy iray. Manampy azy handinika kokoa ny zava-misy rehetra sy hangoraka izany.” (Ohab. 1:5) Na tsy afaka manaraka ny soso-kevitry ny anabavy iray aza ny anti-panahy, dia mbola afaka misaotra sy mankasitraka azy noho izy mahay mandinika.

Ampiofaniny ny anabavy. Mitady hirika hampiofanana an’ireo anabavy ny anti-panahy mahay manavaka. Ampianariny an-dry zareo, ohatra, ny fomba itarihana fivoriana alohan’ny fanompoana raha tsy misy rahalahy vita batisa eo. Azony ampiofanina hampiasa fitaovana na masinina koa ny anabavy, amin’izay afaka manampy amin’ny fikojakojana sy fanorenana tranon’ny fandaminana. Mampiofana ny anabavy hanao asa samihafa koa ny mpiandraikitra ao amin’ny Betela, ohatra hoe hanao asa fikojakojana, hividy entana, hanao kaonty, na hamorona programana ordinatera. Rehefa mampiofana ny anabavy ny anti-panahy dia asehony hoe mihevitra azy ireny ho tena mahay sy azo itokisana ry zareo.

Mampiofana

Betsaka ny anabavy mampiasa ny fampiofanana azony avy tamin’ny anti-panahy mba hanampiana ny hafa. Mampiasa an’izay nianarany tamin’ny fanorenana, ohatra, ny anabavy sasany mba hanampiana ny olona hanorina ny tranony ravan’ny rivo-doza na loza hafa. Ny hafa indray nampianarina hitory eny amin’ny toerana be olona, dia ry zareo no mampita an’izany amin’ny anabavy maro hafa mandray anjara amin’io karazam-panompoana io. Ahoana no fahitan’ny anabavy an’ireo anti-panahy mampiofana azy? Hoy i Jennifer: “Nandray anjara tamin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana aho, indray mandeha, dia nisy mpiandraikitra naka fotoana mba hampiofanana ahy. Nahatsikaritra ny asa nataoko izy, dia nidera ahy. Tiako be ny niara-niasa taminy, satria tsapako hoe nilaina aho sady natokisana.”

NY SOA AZO REHEFA ENTINA HOATRAN’NY FIANAKAVIANTSIKA NY ANABAVY

Tian’i Jehovah ireo anabavintsika tsy mivadika sady tiantsika koa, dia entintsika hoatran’ny fianakaviantsika mihitsy. (1 Tim. 5:1, 2) Voninahitra sy reharehantsika ny miara-manompo amin’izy ireny. Faly koa isika rehefa mahatsapa ry zareo hoe tiana sy ampiana. Hoy i Vanessa: “Tena misaotra an’i Jehovah aho fa anisan’ny fandaminany. Feno ranadahy mampahery ahy mantsy ao.” Izao indray no nolazain’ny anabavy iray any Taïwan: “Tena mankasitraka an’i Jehovah sy ny fandaminany aho, noho ry zareo manome hasiny ny vehivavy sy mitsinjo ny fihetseham-ponay. Manatanjaka ny finoako izany, sady vao mainka tsapako hoe tombontsoa ny anisan’ny fandaminany.”

Azo antoka fa faly i Jehovah mahita lehilahy kristianina tsy mivadika miezaka manahaka ny fiheverany sy ny fomba itondrany ny vehivavy! (Ohab. 27:11) Hoy i Benjamin, anti-panahy any Ekosy: “Tena manambanimbany vehivavy ny olona eo amin’izao tontolo izao. Rehefa miditra ny Efitrano Fanjakana àry ny vehivavy, dia tiantsika ho tsapany hoe hafa mihitsy ny any.” Enga anie isika rehetra hiezaka mafy hanahaka ny fomba itondran’i Jehovah an’ireo anabavy malalantsika ka ho tia sy hanaja azy ireny, satria mendrika an’izany ry zareo.​—Rom. 12:10.

a Ilazana an’ireo anabavy kristianina fa tsy iray tam-po ny teny hoe “anabavy” ato.

b Misy tsipiriany momba ny teny hoe “fanaka malemy kokoa” ao amin’ilay hoe “Sarobidy ‘ny Fanaka Malemy Kokoa’”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Mey 2006 sy ilay hoe “Tari-dalana Feno Fahendrena ho An’ny Mpivady”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Martsa 2005.