LAHATSORATRA FIANARANA 5

HIRA 27 Haseho Miharihary Ireo Zanak’Andriamanitra

‘Tsy Hahafoy Anao Mihitsy Aho’!

‘Tsy Hahafoy Anao Mihitsy Aho’!

“Hoy [Andriamanitra]: ‘Tsy handao anao mihitsy aho, ary tsy hahafoy anao mihitsy.’”​—HEB. 13:5b.

HEVITRA HODINIHINA

Omena toky ny mpanompon’Andriamanitra eto an-tany hoe tsy hafoiny mihitsy ry zareo, rehefa lasa any an-danitra daholo ny sisa voahosotra.

1. Rahoviana ny voahosotra rehetra no ho any an-danitra?

 LASA saina ny vahoakan’i Jehovah, taona maro lasa izay, hoe: ‘Rahoviana ny farany amin’ny Kristianina voahosotra no hakarina any an-danitra?’ Taloha isika nieritreritra hoe mety hiaraka amintsika ao amin’ny Paradisa eto an-tany ny sasany amin-dry zareo mandritra ny fotoana kelikely, aorian’ny Aramagedona. Nianarantsika tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 2013 anefa hoe hakarina any an-danitra daholo ny voahosotra mbola eto an-tany, alohan’ny anombohan’ny Aramagedona.​—Mat. 24:31.

2. Inona no mety hanontaniantsika, ary inona no hodinihintsika ato?

2 Mety hanontany anefa isika hoe: Inona àry no hanjo ny ‘ondry hafan’i’ Kristy manompo an’i Jehovah eto an-tany mandritra ny “fahoriana lehibe”? (Jaona 10:16; Mat. 24:21) Misy manahy angamba hoe hahatsiaro ho very na hafoy ry zareo, rehefa hakarina any an-danitra ny rahalahy sy anabaviny voahosotra. Andao isika handinika tantara roa resahin’ny Soratra Masina mety ho tonga ao an-tsain-dry zareo. Horesahintsika avy eo hoe nahoana no tsy misy tokony hampanahy.

INONA NO TSY HITRANGA?

3-4. Inona no mety hahalasa saina ny olona sasany ary nahoana?

3 Hiala amin’ny fahamarinana ve ny ondry hafa, rehefa tsy hitari-dalana azy zareo intsony ny rahalahy voahosotra anisan’ny Filan-kevi-pitantanana? Mety ho lasa saina amin’izany ny olona sasany. Misy tantara ao amin’ny Baiboly angamba mahatonga an-dry zareo hieritreritra an’izany. Andao isika handinika roa. Misy ifandraisany amin’i Joiada Mpisoronabe ilay voalohany. Mpanompon’Andriamanitra tena niavaka izy. Niaro ankizilahikely antsoina hoe Joasy izy sy Josebata vadiny, dia nanampy azy ho lasa mpanjaka tsara sy tsy nivadika tamin’Andriamanitra. Nanao ny tsara foana i Joasy tamin’i Joiada mbola velona. Rehefa maty anefa io zokiolona io, dia nanomboka nanao ratsy izy. Ireo andriana ratsy fanahy indray no nohenoiny, dia niala tamin’i Jehovah izy.​—2 Tan. 24:2, 15-19.

4 Momba ny Kristianina tamin’ny taonjato faharoa kosa ny ohatra manaraka. I Jaona no apostoly velona farany indrindra. Nanampy Kristianina be dia be mba tsy hivadika tamin’i Jehovah mihitsy izy tamin’ny mbola velona. (3 Jaona 4) Niady mafy i Jaona sy ny apostolin’i Jesosy hafa tsy nivadika mba tsy hielezan’ny fivadiham-pinoana. (1 Jaona 2:18; 2 Tes. 2:7) Rehefa maty anefa i Jaona, dia naniry hoatran’ny anana ny fivadiham-pinoana. Voaloto tanteraka ny fiangonana kristianina, am-polony taona taorian’izay.

5. Inona no tsy tokony hoeritreretintsika hoe hitranga, rehefa avy mandinika an’ireo tantara roa ireo?

5 Asehon’ireo tantara roa ao amin’ny Soratra Masina ireo ve fa hoatr’izany koa no hitranga amin’ny ondry hafan’i Kristy rehefa hakarina any an-danitra ny voahosotra? Tsy hanaraka ny fampiofanana efa azony hatramin’izay ve ny Kristianina tsy mivadika eto an-tany, ka hanao hoatran’i Joasy? Sa ry zareo hivadi-pinoana hoatran’ny nataon’ny Kristianina maro tamin’ny taonjato faharoa? Diso be izany! Afaka matoky isika hoe rehefa tsy eto an-tany intsony ny voahosotra, dia mbola ho voakarakara tsara ny ondry hafa ary hifandray tsara amin’i Jehovah foana. Nahoana isika no afaka matoky an’izany?

TSY HO VOALOTO NY FIVAVAHANA MADIO

6. Inona ireo fotoana telo hodinihintsika vetivety?

6 Nahoana isika no afaka matoky hoe tsy ho voaloto ny fivavahana madio, na dia mandritra ny fotoan-tsarotra miandry antsika atsy ho atsy aza? Satria efa nianarantsika avy ao amin’ny Baiboly ny momba an’ilay fotoana iainantsika amin’izao. Samy hafa be amin’ny fotoana niainan’ny Israelita sy ny niainan’ny Kristianina tamin’ny taonjato faharoa izy io. Andao àry isika handinika kokoa an’ireto fotoana telo ireto: 1) Ny fotoana niainan’ny Israelita, 2) ny fotoana taorian’ny nahafatesan’ny apostoly, ary 3) ny fotoana iainantsika, izany hoe ny “fotoana hamerenana ny zava-drehetra amin’ny laoniny.”​—Asa. 3:21.

7. Nahoana ireo Israelita tsy nivadika no tsy kivy rehefa nifidy ny hanao ratsy ilay firenena sy ny mpanjaka tao aminy?

7 Ny fotoana niainan’ny Israelita. Izao no nolazain’i Mosesy tamin’ny Israelita, taloha kelin’ny nahafatesany: ‘Fantatro tsara fa tsy maintsy hanao ratsy ianareo rehefa maty aho, dia hiala amin’ilay lalana nasaiko narahinareo.’ (Deot. 31:29) Nampitandrina ny Israelita koa izy hoe raha mikomy ry zareo, dia ho lasa babo. (Deot. 28:35, 36) Tanteraka ve ireo? Ie. Betsaka mantsy ny mpanjaka nifidy hanao zava-dratsy sy nitarika ny vahoakan’Andriamanitra hanaraka fivavahan-diso, nandritra ny taonjato maro. Nosazin’i Jehovah àry io vahoakany ratsy fanahy io, dia tsy navelany hisy mpanjaka israelita hitondra an-dry zareo intsony. (Ezek. 21:25-27) Lasa be herim-po anefa ny Israelita tsy nivadika rehefa nahita hoe tanteraka ny Tenin’Andriamanitra.​—Isaia 55:10, 11.

8. Tokony ho gaga ve isika hoe voaloto ny fiangonana kristianina tamin’ny taonjato faharoa? Hazavao.

8 Taorian’ny nahafatesan’ny apostoly. Tokony ho gaga ve isika hoe lasa voaloto ny fiangonana kristianina tamin’ny taonjato faharoa? Tsy izany. Efa nilaza i Jesosy fa hisy fivadiham-pinoana lehibe. (Mat. 7:21-23; 13:24-30, 36-43) Samy niaiky ny apostoly Paoly sy Petera ary Jaona hoe efa nanomboka tanteraka io faminanian’i Jesosy io tamin’ny taonjato voalohany. (2 Tes. 2:3, 7; 2 Pet. 2:1; 1 Jaona 2:18) Lasa voaloto ny fiangonana kristianina tamin’ny taonjato faharoa. Nahazo vahana mantsy ny fivavahan’ireo Kristianina nivadi-pinoana, ka lasa tapany lehibe indrindra amin’i Babylona Lehibe, na ny fivavahan-diso rehetra. Mbola tanteraka indray àry ny faminaniana.

9. Inona no tsy itovizan’izao fotoana iainantsika izao amin’ny niainan’ny Israelita sy ny fiangonana kristianina tamin’ny taonjato faharoa?

9 “Fotoana hamerenana ny zava-drehetra amin’ny laoniny.” Tsy mitovy amin’ny fotoana niainan’ny Israelita sy ny fotoana nisian’ny fivadiham-pinoana lehibe tamin’ny taonjato faharoa ny fotoana iainantsika amin’izao. Ahoana no iantsoana ny antsika? Andro faran’izao tontolo ratsy izao no mety ho tonga ao an-tsaintsika voalohany. (2 Tim. 3:1) Asehon’ny Baiboly anefa hoe misy vanim-potoana miavaka kokoa sy lava kokoa niara-nanomboka tamin’izy io. Tsy hifarana mantsy io vanim-potoana io raha tsy efa voaverin’ny Fanjakan’ny Mesia ho lasa lavorary ny olombelona ary ho lasa paradisa ny tany. Antsoina hoe “fotoana hamerenana ny zava-drehetra amin’ny laoniny” izy io, ary nanomboka tamin’ny 1914. (Asa. 3:21) Fa inona no naverina tamin’ny laoniny? Lasa Mpanjaka tany an-danitra aloha i Jesosy. Nanana mpitondra hisolo tena azy indray àry i Jehovah, ary taranak’i Davida Mpanjaka izy. Tsy ilay fanjakana ihany anefa no naverin’i Jehovah tamin’ny laoniny. Tsy ela taorian’izay mantsy, dia nanomboka naverina tamin’ny laoniny koa ny fivavahana madio. (Isaia 2:2-4; Ezek. 11:17-20) Ho voaloto indray ve izy io any aoriana any?

10. a) Inona no efa nolazain’ny Baiboly momba ny fivavahana madio amin’izao fotoana iainantsika izao? (Isaia 54:17) b) Nahoana ny faminaniana hoatr’izany no manome toky antsika?

10 Vakio ny Isaia 54:17. Eritrereto ilay faminaniana teo hoe: “Tsy hisy hahomby izay fiadiana amboarina hamelezana anao.” Tanteraka amin’izao ireo teny ireo. Tanteraka amin’ny androntsika koa ireto teny mampahery ireto: “Hampianarin’i Jehovah ny zanakao rehetra, ka ho be ny fiadanan’ny zanakao. Hiorina tsara amin’ny fahamarinana ianao. ... Tsy hisy hatahoranao ary tsy hisy hampihorohoro anao, satria tsy hanakaiky anao izany.” (Isaia 54:13, 14) Na i Satana, ilay “andriamanitr’izao tontolo izao”, aza tsy hahasakana an’ilay asa fampianarana ataon’ny vahoakan’i Jehovah. (2 Kor. 4:4) Efa naverina tamin’ny laoniny ny fivavahana madio, ary tsy ho voaloto intsony. Ho eo foana izy io mandrakizay. Tsy hisy hahomby izay fiadiana amboarina hamelezana antsika!

INONA NO HITRANGA?

11. Nahoana isika no matoky fa tsy hafoy ny vahoaka be rehefa lasa any an-danitra ny voahosotra?

11 Inona no hitranga rehefa hakarina any an-danitra ny voahosotra? Tadidio hoe i Jesosy no Mpiandry antsika. Izy no lohan’ny fiangonana kristianina. Nilaza mazava izy hoe “iray ihany ny Mpitarika anareo, dia i Kristy.” (Mat. 23:10) Tsy maintsy hahavita ny asany foana io Mpanjakantsika efa am-perinasa io. I Kristy mihitsy no handray an-tanana ny fikarakarana ny mpanara-dia azy eto an-tany, ka tsy hisy hatahoran-dry zareo. Mazava ho azy fa tsy fantatsika amin’ny an-tsipiriany hoe ahoana no hitarihany ny vahoakany amin’izany fotoana izany. Andao àry isika handinika ohatra sasany ao amin’ny Baiboly mety hanome toky antsika.

12. Ahoana no nikarakaran’i Jehovah ny vahoakany a) rehefa maty i Mosesy? b) rehefa nahazo fanendrena hafa i Elia? (Jereo koa ny sary.)

12 Maty i Mosesy talohan’ny nidiran’ny Israelita tao amin’ny Tany Nampanantenaina. Dia inona no nitranga tamin’ny vahoakan’Andriamanitra? Nihahaka fotsiny ve ry zareo rehefa tsy teo intsony io lehilahy nanam-pinoana io? Tsy izany. Nikarakara an-dry zareo foana i Jehovah, raha mbola tsy nivadika ry zareo. Nasainy nanendry an’i Josoa hitarika ny vahoakany i Mosesy talohan’ny ho faty. Efa am-polony taona àry i Mosesy no nampiofana azy. (Eks. 33:11; Deot. 34:9) Nisy lehilahy mahay hafa be dia be koa nitarika teo amin’ny Israely, ohatra hoe ny lehiben’ny arivo, lehiben’ny zato, lehiben’ny dimampolo, ary lehiben’ny folo mihitsy aza. (Deot. 1:15) Voakarakara tsara ny vahoakan’Andriamanitra. Hoatr’izany koa tamin’ny andron’i Elia. Izy no nitarika ny fivavahana madio teo amin’ny Israelita, nandritra ny am-polony taona. Nomen’i Jehovah fanendrena hafa tany atsimo tany Joda anefa izy, tatỳ aoriana. (2 Mpanj. 2:1; 2 Tan. 21:12) Nafoy ve izany ny vahoaka tsy nivadika tany amin’ny fanjakan’ireo foko folon’ny Israely? Tsy izany. Efa nampiofana an’i Elisa aman-taonany i Elia. Teo koa ireo “zanaky ny mpaminany.” (2 Mpanj. 2:7) Mety ho efa nahazo fampiofanana ry zareo. Nisy lehilahy tsy nivadika be dia be àry afaka nanampy nitarika ny vahoakan’Andriamanitra. Nihatanteraka foana ny fikasan’i Jehovah ary nikarakara ny mpanompony tsy nivadika izy.

Samy nampiofana lehilahy mahay handimby azy i Mosesy (havia) sy Elia (havanana) (Fehintsoratra 12)


13. Inona no toky ananantsika rehefa mandinika ny Hebreo 13:5b? (Jereo koa ny sary.)

13 Raha ireo ohatra ireo no jerena, dia inona no eritreretinao hoe hitranga rehefa hakarina any an-danitra ny voahosotra farany? Tsy misy tokony hampanahy antsika. Tsotra sady mazava mantsy ny toky omen’ny Baiboly hoe tsy hahafoy ny vahoakany eto an-tany mihitsy i Jehovah. (Vakio ny Hebreo 13:5b.) Fantatr’ireo Kristianina voahosotra vitsivitsy mitarika amin’izao hoe tena ilaina ny mampiofana ny hafa, hoatran’ny nataon’i Mosesy sy Elia. Efa am-polony taona ny rahalahy anisan’ny Filan-kevi-pitantanana no nampiofana lehilahy anisan’ny ondry hafa mba hitarika. Nandamina sekoly be dia be, ohatra, ry zareo mba hampiofanana ny anti-panahy, ny mpiandraikitra mpitety faritany, ireo rahalahy anisan’ny Komitin’ny Sampana, ny mpiandraikitra ao amin’ny Betela, ary ny olon-kafa. Ny Filan-kevi-pitantanana mihitsy no mampiofana an’ireo mpanampy azy amin’ireo komity isan-karazany iandraiketany. Miantsoroka andraikitra mavesatra ireny mpanampy ny Filan-kevi-pitantanana ireny amin’izao, nefa vitany tsara ilay izy. Vonona tsara hanohy hikarakara ny ondrin’i Kristy ry zareo.

Miezaka mafy ny Filan-kevi-pitantanana mampiofana ny mpanampy azy sy mandamina sekoly hampiofanana ny anti-panahy, mpiandraikitra mpitety faritany, ireo rahalahy anisan’ny Komitin’ny Sampana, mpiandraikitra ao amin’ny Betela, ary ny misionera maneran-tany (Fehintsoratra 13)


14. Inona no nianarantsika tato raha tsorina?

14 Izao no nianarantsika teo raha tsorina: Rehefa hakarina any an-danitra ny voahosotra farany amin’ny faramparan’ny fahoriana lehibe, dia mbola hisy foana ny fivavahana madio eto an-tany. Noho i Jesosy Kristy mitarika an-dry zareo, dia tsy hisy mpanompon’Andriamanitra hahatsapa hoe very. Marina hoe hanafika antsika ny firenena maromaro mitambatra antsoina hoe Goga avy any Magoga amin’izay fotoana izay. (Ezek. 38:18-20) Ho vetivety ihany anefa izany sady tsy hahomby, ary tsy hahasakana ny vahoakan’Andriamanitra tsy hanompo an’i Jehovah. Tena hamonjy an-dry zareo mantsy izy! Rehefa nahazo fahitana i Jaona, dia nahita “vahoaka be” anisan’ny ondry hafan’i Kristy. Nolazaina taminy hoe “avy tamin’ny fahoriana lehibe” io “vahoaka be” io. (Apok. 7:9, 14) Ho voaro àry ry zareo!

15-16. Inona no hataon’ny voahosotr’i Kristy mandritra ny ady Aramagedona, ary nahoana izany no mampahery? (Apokalypsy 17:14)

15 Mbola mety hisy ho lasa saina hoe: ‘Dia ahoana ny voahosotra? Inona no hataon-dry zareo rehefa miala eto an-tany?’ Mamaly mivantana an’izany ny Baiboly. Resahiny ao hoe “hiady amin’ny Zanak’ondry” ny fanjakana eto amin’izao tontolo izao. Ho resy ry zareo mazava ho azy! Hoy mantsy ny Baiboly: “Handresy an’ireo ... ny Zanak’ondry.” Dia iza no hanampy azy? Mamaly an’izany ihany ilay andininy hoe: Izay “voantso” sy “voafidy” ary “tsy mivadika.” (Vakio ny Apokalypsy 17:14.) Fa iza ireo? Ny voahosotra efa natsangana tamin’ny maty! Rehefa akarina any an-danitra àry ny voahosotra farany eto an-tany amin’ny faramparan’ny fahoriana lehibe, dia ny hiady no anisan’ny fanendrena an-dry zareo voalohany. Tena miavaka izany! Miaramila mpiady ny sasany tamin’ny Kristianina voahosotra tamin-dry zareo mbola tsy Vavolombelon’i Jehovah. Nisy aza tao amin’ny tafik’izao tontolo izao mihitsy. Lasa tena Kristianina anefa ry zareo, dia nianatra ny ho tia fihavanana ary tsy nanohana ady intsony. (Gal. 5:22; 2 Tes. 3:16) Rehefa tonga any an-danitra anefa ry zareo, dia hiaraka amin’i Kristy sy ny anjeliny masina hanao an’ilay ady farany amin’ny fahavalon’Andriamanitra.

16 Eritrereto izao: Efa antitra sy osa mihitsy aza ny sasany amin’ny Kristianina voahosotra eto an-tany. Raha vao avy atsangana amin’ny maty any an-danitra anefa ry zareo, dia ho lasa zavaboary ara-panahy mahery sy tsy mety maty, ary asaina hiara-miady amin’i Jesosy Kristy Mpanjakany. Hiara-miasa aminy ry zareo mba hanampiana ny olombelona ho lasa lavorary, aorian’ny ady Aramagedona. Rehefa any an-danitra ry zareo, dia ho betsaka lavitra ny soa ho azon-dry zareo atao ho an’ny rahalahy sy anabaviny malala eto an-tany, noho izay azony natao tamin-dry zareo olombelona tsy lavorary.

17. Ahoana no ahalalantsika hoe ho voaro daholo ny mpanompon’Andriamanitra amin’ny Aramagedona?

17 Anisan’ny ondry hafa ve ianao? Inona àry no mila ataonao rehefa hanomboka ilay ady Aramagedona? Tsotra fotsiny: Matoky an’i Jehovah, dia manaraka ny tari-dalany. Inona no mety ho tafiditra amin’izany? Mampahery ny lazain’ny Baiboly hoe: “Mandehana miditra ao amin’ny efitranonareo anatiny, ... dia hidio ny varavarana. Miafena kely vetivety, mandra-pahalasan’ny fahatezerana.” (Isaia 26:20) Ho voaro daholo ny mpanompon’Andriamanitra tsy mivadika any an-danitra sy etỳ an-tany amin’izay. Matoky hoatran’ny apostoly Paoly isika hoe “na fanjakana, na zavatra amin’izao fotoana izao, na zavatra ho avy ... dia tsy hisy hahavita hampisaraka antsika amin’Andriamanitra ka hahatonga azy tsy ho tia antsika intsony.” (Rom. 8:38, 39) Tadidio foana hoe tia anao i Jehovah, ary tsy hahafoy anao mihitsy!

AHOANA NO HAMALIANAO AN’IRETO?

  • Inona no tsy hitranga rehefa akarina any an-danitra ny farany amin’ny Kristianina voahosotra?

  • Nahoana isika no afaka matoky hoe tsy ho voaloto ny fivavahana madio?

  • Nahoana no azontsika antoka hoe hikarakara ny vahoakany i Jehovah?

HIRA 8 Jehovah no Fialofantsika