Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 6

HIRA 10 Derao i Jehovah Andriamanitsika!

“Derao ny Anaran’i Jehovah”

“Derao ny Anaran’i Jehovah”

“Derao izy, ry mpanompon’i Jehovah. Derao ny anaran’i Jehovah.”​—SAL. 113:1.

HEVITRA HODINIHINA

Hanasongadina hoe inona no mahatonga antsika hidera ny anarana masin’i Jehovah, isaky ny misy hirika hanaovana an’izany.

1-2. Inona no manampy antsika hahazo an’izay tsapan’i Jehovah rehefa nisy nanoso-potaka ny anarany?

 ALAO sary an-tsaina hoe milaza zavatra ratsy be momba anao ny olona iray akaiky anao. Fantatrao hoe lainga ilay izy, nefa misy mino ihany. Ny tena loza aza, dia manomboka manaparitaka an’ilay lainga ry zareo, ary be dia be koa no mino an’ilay izy. Inona no ho tsapanao? Raha tia olona ianao sady te ho tsara laza, dia halahelo ianao hoe endrikendrehina hoatr’izany, sa tsy izany?​—Ohab. 22:1.

2 Manampy antsika izany hahazo an’izay tsapan’i Jehovah rehefa nisy nanoso-potaka ny anarany. Nilaza lainga momba azy tamin’i Eva ny zanany iray tany an-danitra. Nino an’izany lainga izany io vehivavy voalohany io. Nikomy tamin’i Jehovah àry ny ray aman-drenintsika voalohany, dia lasa mpanota sy maty ny olombelona. (Gen. 3:1-6; Rom. 5:12) Vokatry ny lainga naelin’i Satana tao amin’ny saha Edena daholo ny olana hitantsika amin’izao, anisan’izany ny fahafatesana, ny ady, ary ny fahoriana. Malahelo ve i Jehovah noho izy nendrikendrehina sy ny olana rehetra naterak’izany? Azo antoka izany. Tsy tezitra na mitana lolompo anefa izy, fa mbola “Andriamanitra falifaly” foana.​—1 Tim. 1:11.

3. Inona ny tombontsoa ananantsika?

3 Manana tombontsoa hanamarina ny anaran’i Jehovah isika, rehefa mankatò an’ity didy tsotra kely ity: “Derao ny anaran’i Jehovah.” (Sal. 113:1) Manao an’izany isika rehefa miresaka zavatra tsara momba an’ilay mitondra an’io anarana masina io. Hanao an’izany koa ve ianao? Andao isika handinika antony telo lehibe handrisika antsika hidera ny anaran’ilay Andriamanitsika amin’ny fo manontolo.

FALY I JEHOVAH REHEFA MIDERA NY ANARANY ISIKA

4. Nahoana no mampifaly an’i Jehovah ny teny fiderana ataontsika? Hazavao amin’ny ohatra. (Jereo koa ny sary.)

4 Faly ilay Raintsika any an-danitra rehefa midera ny anarany isika. (Sal. 119:108) Midika ve izany hoe hoatran’ny olombelona tsy lavorary te hoderaina mafy ilay Andriamanitra mahery indrindra, satria tsy matoky tena ka mila omena toky? Tsy izany! Eritrereto ity ohatra ity: Misy ankizivavikely iray mamihina ny vozon’ny dadany sady miteny hoe: “Dada ô, ianao no Dada tsara toetra indrindra eto an-tany!” Faly erỳ izy sady mihetsi-po mihitsy mahita ny fihetsik’ilay zanany. Fa maninona? Satria ve hoe tsy matoky tena mihitsy izy ka te hoderaina mafy, ary tsy mahavita na inona na inona raha tsy derain’ny zanany? Aiza kosa e! Tsy hoe tsy matoky tena ilay raim-pianakaviana, fa faly kosa izy mahita ny zanany vavy mampiseho hoe tia sy mankasitraka azy. Fantany mantsy hoe hanampy an’ilay zanany ho sambatra ireo toetra ireo rehefa mihalehibe izy. Faly hoatr’izany koa i Jehovah, ilay Ray miavaka indrindra, rehefa midera azy isika.

Faly ny ray olombelona rehefa mampiseho aminy ny zanany hoe tia sy mankasitraka azy. Faly koa i Jehovah rehefa midera ny anarany isika (Fehintsoratra 4)


5. Inona no voaporofo hoe diso rehefa midera ny anaran’Andriamanitra isika?

5 Rehefa midera an’ilay Raintsika any an-danitra isika, dia manaporofo koa fa diso izay nolazain’i Satana momba antsika tsirairay. Tsy hisy olona hiaro ny anaran’Andriamanitra, hono, fa hivadika daholo. Nilaza izy fa hiala amin’Andriamanitra isika rehetra, raha hitantsika hoe izay no mahasoa. (Joba 1:9-11; 2:4) Tsy nivadika anefa i Joba, ka noporofoiny hoe mpandainga i Satana. Ary ianao? Tombontsoa ho antsika tsirairay ny miaro ny anaran’ilay Raintsika sy mampifaly azy rehefa tsy mivadika aminy mihitsy. (Ohab. 27:11) Voninahitra be ny manao an’izany!

6. Ahoana no anahafantsika an’i Davida Mpanjaka sy ny Levita? (Nehemia 9:5)

6 Tia an’Andriamanitra ny olona tsy mivadika, ka te hidera ny anarany amin’ny fo manontolo. Izao no nolazain’i Davida Mpanjaka: “Hidera an’i Jehovah aho! Aoka hidera ny anarany masina ny tenako manontolo.” (Sal. 103:1) Fantatr’i Davida hoe midera an’i Jehovah ihany izy rehefa midera ny anarany. Tafiditra amin’ny anaran’ i Jehovah ny lazany, ka mampahatsiahy antsika an’ireo toetra tsarany rehetra sy ny zavatra mahatalanjona nataony. Te hanamasina ny anaran’ny Rainy i Davida, sady te hidera azy io. Te hanao an’izany tamin’ny ‘tenany manontolo’ izy, izany hoe tamin’ny fony manontolo. Nitarika ny fiderana an’i Jehovah koa ny Levita. Nanetry tena izy ireo dia niaiky hoe tsy misy teny tena mahalaza ny fiderana mendrika ny anarana masin’i Jehovah. (Vakio ny Nehemia 9:5.) Azo antoka hoe nahafaly ny fon’i Jehovah izany teny fiderana feno fanetren-tena sy vokatry ny fo izany.

7. Ahoana no iderantsika an’i Jehovah rehefa manompo sy amin’ny fiainantsika andavanandro?

7 Mampifaly an’i Jehovah koa isika amin’izao raha mafana fo sady feno fankasitrahana sy fitiavana rehefa miresaka momba azy. Ataontsika an-tsaina foana ny tena tanjontsika rehefa eny amin’ny fanompoana. Inona izany? Ny hahatonga ny olona hanatona an’i Jehovah sy hanampy an-dry zareo hahita an’ilay Raintsika be fitiavana hoatran’ny fahitantsika azy. (Jak. 4:8) Faly be isika mampiseho amin’ny olona an’izay lazain’ny Baiboly momba an’i Jehovah, ka resahintsika amin-dry zareo ny toetrany, anisan’izany ny fitiavany, ny fanaovany ny rariny, ny fahendreny, ary ny heriny. Midera sy mampifaly azy koa isika rehefa miezaka mafy manahaka azy. (Efes. 5:1) Lasa miavaka amin’ny olona eto amin’izao tontolo ratsy izao isika rehefa manao an’izany. Mety ho voamarik’izy ireo izany, dia mety hanontany ry zareo hoe fa maninona isika no tsy mitovy amin’ny hafa. (Mat. 5:14-16) Afaka manazava ny antony angamba isika rehefa mifanerasera aminy isan’andro. Lasa te hanatona an’ilay Andriamanitsika àry ny olona tso-po. Mampifaly ny fony isika rehefa midera azy hoatr’izany.​—1 Tim. 2:3, 4.

FALY I JESOSY REHEFA MIDERA NY ANARAN’I JEHOVAH ISIKA

8. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy hoe izy no modely tsara indrindra amin’ireo midera ny anaran’i Jehovah?

8 Tsy misy zavaboary manan-tsaina mahafantatra an’ilay Ray mihoatra noho ny Zanaka, na any an-danitra na etỳ an-tany. (Mat. 11:27) Tian’i Jesosy ny Rainy, ary izy no modely tsara indrindra amin’izay rehetra midera ny anaran’i Jehovah. (Jaona 14:31) Izao no namintinany ny fanompoany tetỳ an-tany, tamin’izy nivavaka tamin’ny Rainy, ny alina talohan’ny nahafatesany: “Efa nampahafantariko azy ny anaranao.” (Jaona 17:26) Inona no tiany holazaina?

9. Inona no fanoharana nolazain’i Jesosy mba hazava tsara amintsika ny momba ny Rainy?

9 Tsy hoe nilaza tamin’ny olona fotsiny i Jesosy hoe Jehovah no anaran’Andriamanitra. Efa nahafantatra an’io anarana io mantsy ny Jiosy nampianariny. I Jesosy kosa no voalohany “nanazava ny momba Azy.” (Jaona 1:17, 18) Milaza, ohatra, ny Soratra Hebreo fa mamindra fo sy mangoraka i Jehovah. (Eks. 34:5-7) Nataon’i Jesosy nazava kokoa anefa izany, rehefa nilaza an’ilay fanoharana momba ny zanaka adala sy ny rainy izy. “Mbola lavitra” ilay zanany lahy efa nibebaka dia efa tazan’ny rainy. Nihazakazaka nanatona azy izy, namihina azy, ary namela azy tanteraka. (Lioka 15:11-32) Lasa mazava be amintsika àry fa tena mamindra fo sy mangoraka i Jehovah. Nasehon’i Jesosy tamin’izany hoe hoatran’ny ahoana marina ny Rainy.

10. a) Ahoana no ahalalantsika hoe nampiasa ny anaran’ny Rainy i Jesosy ary tiany hanao an’izany koa ny olona? (Marka 5:19) (Jereo koa ny sary.) b) Inona no tian’i Jesosy hataontsika?

10 Tian’i Jesosy hampiasa ny anaran’ny Rainy koa ve ny olona? Izany mihitsy. Nisy mpitondra fivavahana nafana fo tamin’ny androny angamba tsy nety nanonona ny anaran’Andriamanitra satria hoe masina loatra izy io. Tsy nahasakana an’i Jesosy tsy hanome voninahitra ny anaran’ny Rainy anefa ireny fombafomba tsy avy ao amin’ny Soratra Masina ireny. Eritrereto, ohatra, izay nitranga rehefa nanasitrana lehilahy iray nisy demonia tao amin’ny faritra nisy ny Gerasianina izy. Natahotra be ny olona, ka niangavy an’i Jesosy mba hiala tao amin’ilay faritra, dia lasa izy nandeha. (Mar. 5:16, 17) Tian’i Jesosy ho fantatry ny olona tao amin’ilay faritra anefa ny anaran’i Jehovah. Nirahiny àry ilay lehilahy nositraniny, mba hilaza amin’ny olona an’izay nataon’i Jehovah taminy, fa tsy izay nataon’i Jesosy. (Vakio ny Marka 5:19.) a Izany koa no tiany hataontsika. Tiany hampahafantarintsika eran-tany ny anaran’ny Rainy! (Mat. 24:14; 28:19, 20) Rehefa manao ny anjarantsika isika, dia faly i Jesosy Mpanjakantsika.

Nampirisihin’i Jesosy ilay lehilahy misy demonia nositraniny mba hitantara amin’ny olona ny fomba nanampian’i Jehovah azy (Fehintsoratra 10)


11. Nampianarin’i Jesosy hivavaka momba ny inona ny mpanara-dia azy, ary nahoana izany no zava-dehibe? (Ezekiela 36:23)

11 Fantatr’i Jesosy fa fikasan’i Jehovah ny hanamasina ny anarany, izany hoe ny hanaporofo fa diso daholo ny lainga nolazaina momba azy. Izany no nahatonga ny Tompontsika hampianatra ny mpanara-dia azy hivavaka hoe: “Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao!” (Mat. 6:9) Hain’i Jesosy hoe izany no iadian-kevitra indrindra eo amin’ny zavaboary. (Vakio ny Ezekiela 36:23.) Nanamasina ny anaran’i Jehovah izy, ary mbola tsy nisy zavaboary manan-tsaina nahavita ny vitany mihitsy eran’izao rehetra izao. Rehefa nosamborina anefa izy, dia inona, hoy ianareo, ny fahotana niampangan’ny fahavalony azy? Hoe niteny ratsy an’Andriamanitra! Fahotana faran’izay naharikoriko tamin’i Jesosy izany hoe manaratsy na manala baraka ny anarana masin’ny Rainy izany. Niady saina be àry izy hoe io no hiampangana sy hanamelohana azy. Izany angamba no nahatonga an’i Jesosy ‘hitebiteby be mihitsy’, talohan’ny nisamborana azy.​—Lioka 22:41-44.

12. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy hoe tsy nisy nahavita nanamasina ny anaran’ny Rainy hoatr’azy?

12 Niaritra ny mafy i Jesosy mba hanamasinana ny anaran’ny Rainy. Nampijalijalina izy, nitenenana ratsy, ary nendrikendrehina. Fantany hoe nankatò ny Rainy tamin’ny zava-drehetra izy, ary tsy nisy tokony hahamenatra azy. (Heb. 12:2) Fantany koa hoe nanafika azy mivantana i Satana tamin’ireny fotoana nanjombona ireny. (Lioka 22:2-4; 23:33, 34) Nanantena i Satana hoe hahavita hampivadika an’i Jesosy, saingy niala maina. Noporofoin’i Jesosy fa mpandainga ratsy i Satana, ary tena misy mpanompon’i Jehovah tsy mivadika aminy, na dia iharan’ny fitsapana faran’izay mafy aza!

13. Inona no azonao atao mba ho faly aminao ilay Mpanjakanao efa am-perinasa?

13 Te hampifaly an’ilay Mpanjakanao efa am-perinasa ve ianao? Derao foana àry ny anaran’i Jehovah, ary ampio ny hafa hahafantatra ny tena maha izy an’ilay Andriamanitsika. Manaraka ny dian’i Jesosy ianao rehefa manao an’izany. (1 Pet. 2:21) Mampifaly an’i Jehovah hoatran’ny nataon’i Jesosy ianao, ary manaporofo hoe tena mpandainga ratsy fanahy i Satana, ilay fahavalony.

MAMONJY AINA ISIKA REHEFA MIDERA NY ANARAN’I JEHOVAH

14-15. Inona ny zavatra mahavariana mety hitranga rehefa mampianatra ny olona momba an’i Jehovah isika?

14 Mamonjy aina isika rehefa midera ny anaran’i Jehovah. ‘Manajamba ny sain’ny tsy mpino’ mantsy i Satana. (2 Kor. 4:4) Lasa mino an’ireto lainga naelin’i Satana ireto ry zareo: Tsy misy Andriamanitra, lavitra be izy dia tsy miraharaha ny olombelona, lozabe izy ary mampijalijaly mandrakizay an’ireo mpanao ratsy. Manafina na mandoto ny anaran’i Jehovah sy ny lazany ny lainga hoatr’ireny, amin’izay ny olona tsy te hanatona azy. Mandrava ny fikasan’i Satana anefa ny asantsika. Mampianatra ny olona ny marina momba an’ilay Raintsika isika, ka midera ny anarany masina. Dia inona no vokany?

15 Misy vokany be ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Lasa mahita zavatra mahavariana isika rehefa mampianatra ny olona momba an’i Jehovah, sy hoe hoatran’ny ahoana marina izy. Mihamahita tsikelikely ny olona fa tsy jamban’ny laingan’i Satana intsony. Lasa hoatran’ny fahitantsika an’ilay Raintsika be fitiavana àry no fahitany azy. Mampiaiky azy ny hery tsy misy fetra ananany. (Isaia 40:26) Lasa matoky azy izy, satria tonga lafatra ny fampiharany ny rariny. (Deot. 32:4) Mianatra zavatra be dia be avy amin’ny fahendrena lalina ananany koa izy. (Isaia 55:9; Rom. 11:33) Tsy izay ihany, fa mampionona azy ny mianatra hoe Andriamanitra fitiavana i Jehovah. (1 Jaona 4:8) Arakaraka ny anatonany an’i Jehovah no mahatonga azy hatoky hoe afaka ny hanantena hiaina mandrakizay izy ary ho lasa zanany. Tombontsoa be izany hoe manampy ny olona hanatona ny Rain’izy ireo izany! Raisin’i Jehovah ho “mpiara-miasa” aminy isika rehefa manao an’izany.​—1 Kor. 3:5, 9.

16. Inona no vokany tamin’ny olona sasany rehefa nahafantatra ny anaran’Andriamanitra ry zareo? Manomeza ohatra.

16 Mety hampianatra ny olona fotsiny aloha isika hoe i Jehovah no anaran’Andriamanitra. Na izany fotsiny aza dia efa misy vokany lalina amin’ny olona tso-po. Tsy kristianina, ohatra, ny fianakavian’ny tovovavy iray antsoina hoe Aaliyah. b Tsy tena nahafa-po azy ny fivavahany, ary zara raha nahatsapa ho akaiky an’Andriamanitra izy. Niova anefa izany rehefa nanomboka nianatra tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy. Nanomboka hitany fa azony atao namana Andriamanitra. Gaga be izy nianatra hoe nesorina tao anatin’ny Baiboly maro ny anaran’Andriamanitra, dia nosoloana tamin’ny anaram-boninahitra toy ny hoe Tompo. Nanova tanteraka ny fiainany ny nahalala an’ilay anarana. Izao no nolazainy: “Hay manana anarana ilay namana tsy foiko!” Dia inona no vokany? Hoy izy: “Tony be izao ny foko. Hoatran’ny hoe nomena voninahitra be aho!” I Steve indray mpitendry zavamaneno, ary Jiosy nifikitra tamin’ny nentim-paharazana ny fianakaviany. Tsy te hiherika fivavahana intsony anefa izy satria be dia be, hono, ny fihatsarambelatsihy hitany. Nidonam-pahoriana anefa izy indray mandeha, dia nanaiky hanatrika teo koa rehefa nisy olona nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelona. Nanohina be ny fony ny nahalala hoe manana anarana Andriamanitra. Izao no noteneniny: “Tsy fantatro mihitsy hatramin’izay hoe nanana anarana Andriamanitra.” Hoy koa izy: “Sambany aho tamin’izay vao nahazo hoe tena misy izany Andriamanitra izany. Manana ny maha izy azy izy, dia fantatro hoe lasa nahazo Namana aho.”

17. Nahoana ianao no tapa-kevitra ny hidera ny anaran’i Jehovah foana? (Jereo koa ny sary.)

17 Resahinao amin’ny olona ve ilay anarana masina hoe Jehovah rehefa mitory sy mampianatra ianao? Ampianao ve ry zareo hahita hoe hoatran’ny ahoana marina ilay Andriamanitsika? Midera ny anaran’Andriamanitra ianao raha manao an’izany. Enga anie ianao hidera ny anarana masin’i Jehovah foana, ka hanampy ny olona hahafantatra ny tena maha izy azy. Hamonjy aina ianao amin’izay. Hanaiky ny fitarihan’i Kristy Jesosy, ilay Mpanjakanao, koa ianao. Ary ny tena zava-dehibe, dia hampifaly an’ilay Rainao be fitiavana ianao. Enga anie ianao ‘hidera ny anarany mandrakizay mandrakizay.’​—Sal. 145:2.

Midera ny anaran’i Jehovah isika rehefa mampianatra azy io amin’ny olona, sy mampiseho aminy hoe hoatran’ny ahoana i Jehovah (Fehintsoratra 17)

NAHOANA NY FIDERANTSIKA NY ANARAN’ANDRIAMANITRA NO...

  • mampifaly an’i Jehovah?

  • mampifaly an’i Kristy Jesosy?

  • mamonjy aina?

HIRA 2 Jehovah no Anaranao

a Misy antony marim-pototra mahatonga antsika hino hoe nampiasa ny anaran’Andriamanitra i Marka tamin’ny voalohany, tamin’izy nanoratra an’ireo tenin’i Jesosy ireo. Naverina tao amin’ny Soratra Masina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao àry ilay anarana.

b Novana ireo anarana.