Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 7

HIRA 51 Nanokan-tena ho An’i Jehovah

Inona no Ianarantsika avy Amin’ny Nazirita?

Inona no Ianarantsika avy Amin’ny Nazirita?

“Masina eo anatrehan’i Jehovah izy amin’ny andro rehetra maha Nazirita azy.”​—NOM. 6:8.

HEVITRA HODINIHINA

Hanampy antsika hahafoy tena sy ho be herim-po ny ohatra nomen’ny Nazirita rehefa manompo an’i Jehovah isika.

1. Inona ny toe-tsaina nananan’ny mpanompon’i Jehovah hatramin’izay?

 SAROBIDY aminao ve ny fifandraisanao amin’i Jehovah? Azo antoka izany! Tsy ianao irery no mahatsapa an’izany. Tsy voatanisa ny olona nanana fihetseham-po hoatr’izany hatramin’izay. (Sal. 104:33, 34) Betsaka no nahafoy zavatra mba hahafahany manompo an’i Jehovah. Izany no nataon’ny olona tany Israely fahiny antsoina hoe Nazirita. Fa iza moa ry zareo, ary inona no ianarantsika avy aminy?

2. a) Iza moa ny Nazirita? (Nomery 6:1, 2) b) Nahoana ny Israelita sasany no nifidy hanao voady ho Nazirita?

2 Ilay teny hoe “Nazirita” dia avy amin’ny teny hebreo midika hoe “Nosinganina”, “Nosarahina”, na “Nanokan-tena.” Mety tsara izy io hilazana an’ireo Israelita be zotom-po, ka nahafoy zavatra mba hanaovana fanompoana manokana ho an’i Jehovah. Nilaza ny Lalàn’i Mosesy fa afaka nanao voady manokana ho an’i Jehovah ny lehilahy na vehivavy iray, ka hifidy ho lasa Nazirita nandritra ny fotoana kelikely. a (Vakio ny Nomery 6:1, 2.) Nampanantena izy rehefa nanao an’io voady io fa hanaraka fitsipika tsy voatery harahin’ny Israelita hafa. Nahoana àry ny Israelita iray no nifidy ho lasa Nazirita? Azo inoana hoe noho izy tena tia an’i Jehovah sy nankasitraka ny fitahiana be dia be nomeny.​—Deot. 6:5; 16:17.

3. Nahoana ny mpanompon’i Jehovah amin’izao no mitovy amin’ny Nazirita?

3 Tsy nisy intsony ny olona lasa Nazirita rehefa nosoloana “ny lalàn’i Kristy” ny Lalàn’i Mosesy. (Gal. 6:2; Rom. 10:4) Mbola afaka manao hoatran’ny Nazirita anefa ny vahoakan’i Jehovah amin’izao, ka mampiseho foana hoe tena te hanompo an’i Jehovah amin’ny fo, tena, saina, ary ny heriny manontolo. (Mar. 12:30) Mifidy hanao an’izany voady izany isika rehefa manokan-tena ho an’i Jehovah. Manatanteraka an’io voadintsika io isika, rehefa manao ny sitrapon’i Jehovah ary mahafoy zavatra mba hanompoana azy. Hojerentsika hoe ahoana no nataon’ny Nazirita mba hanajana ny voady nataony. b Hianarantsika avy amin’izany izay azontsika atao mba hanajana ny voady nataontsika. (Mat. 16:24) Andao isika handinika ohatra vitsivitsy.

VONONA HAHAFOY TENA

4. Inona no tsy maintsy nafoin’ny Nazirita, araka ny Nomery 6:3, 4?

4 Vakio ny Nomery 6:3, 4. Tsy nahazo nikasika zava-pisotro nisy alkaola ny Nazirita, sady tsy nahazo nihinana voaloboka lena na maina sy ny zavatra azo avy tamin’izany. Afaka nankafy an’ireo ny olona nanodidina azy, ary ara-dalàna izany satria tsy nisy naha ratsy an’ireo. Milaza ny Baiboly fa fanomezana avy amin’Andriamanitra ny “divay [izay] mampifaly ny fon’ny olona.” (Sal. 104:14, 15) Na dia nanana zo hankafy an’ireo aza ny Nazirita, dia vonona hampandefitra an’izany zo izany. c

Vonona hamoy zavatra sasany hoatran’ny Nazirita ve ianao? (Fehintsoratra 4-6)


5. Inona no nafoin’i Madián sy Marcela, ary nahoana ry zareo no nifidy hanao an’izany?

5 Mahafoy zavatra hoatran’ny Nazirita koa isika mba hanompoana kokoa an’i Jehovah. Diniho ny ohatry ny mpivady antsoina hoe Madián sy Marcela. d Nanankarena izy roa. Nanana asa tsara i Madián, ka afaka nipetraka tamin’ny trano tsara tarehy izy mivady. Te hampitombo ny fanompoany an’i Jehovah anefa ry zareo, ka nanapa-kevitra hanao fanovana vitsivitsy. Izao no nolazainy: ‘Nanomboka nitsitsy vola izahay, dia nifindra tamin’ny trano kelikely, ary nivarotra ny fiaranay.’ Tsy voatery nanao an’ireo i Madián sy Marcela. Nifidy ny hanao an’izany anefa ry zareo, satria izay no nahafahany nampitombo ny fanompoany. Sambatra sy afa-po izao izy mivady noho ny fanapahan-kevitra noraisiny.

6. Nahoana ny Kristianina amin’izao no mamoy zavatra sasany? (Jereo koa ny sary.)

6 Mahafaly ny Kristianina amin’izao ny mahafoy zavatra mba hananany fotoana kokoa hanompoana an’i Jehovah. (1 Kor. 9:3-6) Tsy mitaky an’izany sorona izany i Jehovah. Tsy hoe ratsy koa ilay zavatra afointsika. Misy, ohatra, miala amin’ny asa tiany, na mahafoy ny tranony na ny biby ompiany ao an-trano mihitsy aza. Betsaka koa no manapa-kevitra hoe tsy tonga dia hanambady na hiteraka. Misy koa mifidy ny hanompo any amin’ny toerana ilana mpitory maro kokoa, na dia lasa lavitra ny namany sy ny havany aza izy amin’izany. Vonona hahafoy zavatra hoatr’izany ny ankamaroantsika, satria te hanome an’i Jehovah ny tsara indrindra avy amintsika. Matokia fa tena sarobidy amin’i Jehovah ny sorona an-tsitrapo ataonao mba hanompoana azy, na kely izany na lehibe.​—Heb. 6:10.

VONONA HIAVAKA AMIN’NY HAFA

7. Nahoana no nety ho sarotra tamin’ny Nazirita ny nitana ny voady nataony? (Nomery 6:5) (Jereo koa ny sary.)

7 Vakio ny Nomery 6:5. Nanao voady ny Nazirita hoe tsy hanapa-bolo. Nasehony tamin’izany fa nanaiky tanteraka ny sitrapon’i Jehovah izy. Nety ho mora voamariky ny olona ny volony lava, raha efa ela izy no Nazirita. Tsy dia olana loatra angamba izany, raha nanohana an’ilay safidiny hitana ny voady ho Nazirita ny nanodidina azy. Nampalahelo anefa fa nisy fotoana ny Israelita tsy nankasitraka na nanohana ny Nazirita. Tamin’ny andron’i Amosa mpaminany, ohatra, dia ‘nampisotroin’ny’ Israelita nivadi-pinoana ‘divay foana ny Nazirita’, amin’izay tsy nanaja ny voady nataony hoe tsy hisotro divay. (Amosa 2:12) Tsy maintsy be herim-po àry ny Nazirita indraindray, mba hahafahany hitana ny voady nataony sy hiavaka foana.

Vonona hiavaka tamin’ny hafa ny Nazirita nitana ny voady nataony (Fehintsoratra 7)


8. Inona no mampahery anao amin’ny tantaran’i Benjamin?

8 Hahavita ho be herim-po sy hiavaka amin’ny hafa koa isika na dia saro-kenatra aza, rehefa ampian’i Jehovah. Diniho ny ohatr’ilay Vavolombelona atao hoe Benjamin. Folo taona izy ary mipetraka any Norvezy. Nanao hetsika hanohanana ny olona any Ukraine ny sekoly misy azy, noho ilay ady mitranga any. Nasaina nanao hira iray ny ankizy, ary nanao akanjo mitovy loko amin’ny sainam-pirenen’i Ukraine. Nijanona teny lavidavitra teny i Benjamin satria tsy te handray anjara tamin’io fanindrahindram-pirenena io. Nahita azy anefa ny mpampianatra iray, dia niantsoantso hoe: “Avia ianao atỳ, fa ianao sisa no andrasana!” Niezaka ho be herim-po i Benjamin, dia nanatona an’ilay mpampianatra sady niteny hoe: “Tsy miandany amin’iza na iza aho, dia tsy manao na inona na inona mifandray amin’ny politika mihitsy! Betsaka aza ny Vavolombelon’i Jehovah migadra satria tsy mety mandeha miady.” Neken’ilay mpampianatra ny fanazavan’i Benjamin, dia tsy voatery nandray anjara izy. Nanomboka nanontanintany azy anefa ny mpiara-mianatra taminy hoe naninona izy no tsy niaraka tamin-dry zareo. Natahotra be i Benjamin, dia efa saika nitomany. Niezaka ho be herim-po indray anefa izy, dia naveriny tamin’ny iray kilasy ny zavatra noresahiny tamin’ilay mpampianatra. Nolazain’i Benjamin tamin’ny ray aman-dreniny tatỳ aoriana hoe tsapany fa nanampy azy hiaro ny finoany i Jehovah.

9. Inona no azo atao mba hampifaliana ny fon’i Jehovah?

9 Miavaka amin’ny manodidina antsika isika, satria mifidy ny hanaiky ny sitrapon’i Jehovah. Mila herim-po isika na any am-piasana na any am-pianarana, mba hampahafantarana ny hafa hoe Vavolombelon’i Jehovah isika. Miharatsy koa izao ny toe-tsaina sy ny fitondran-tenan’ny olona, dia vao mainka mety ho sarotra ny hanaraka ny fitsipiky ny Baiboly sy hiresaka ny vaovao tsara. (2 Tim. 1:8; 3:13) Tadidio foana anefa hoe ‘mampifaly ny fon’i’ Jehovah isika, rehefa be herim-po ka miavaka amin’ireo tsy manompo azy.​—Ohab. 27:11; Mal. 3:18.

I JEHOVAH FOANA NO ATAOVY VOALOHANY EO AMIN’NY FIAINANA

10. Nahoana no nety ho sarotra tamin’ny Nazirita ny nankatò an’ilay didy resahin’ny Nomery 6:6, 7?

10 Vakio ny Nomery 6:6, 7. Tsy nahazo nanakaiky faty ny Nazirita. Tena sorona be ho azy izany, indrindra raha havana akaiky no maty. Tsy maintsy nanakaiky faty mantsy ny olona iray tamin’izany rehefa nikarakara fandevenana. (Jaona 19:39, 40; Asa. 9:36-40) Tsy tena afaka nandray anjara tamin’izany fombafomba izany anefa ny Nazirita, noho ilay voady nataony. Ho hita hoe tena nanam-pinoana izy raha nitana an’ilay voady, na dia rehefa nidonam-pahoriana aza ny fianakaviany. Azo antoka fa nampahery an’ireny mpanompony nahafoy tena ireny i Jehovah, mba hiatrehany an’izany zava-tsarotra izany.

11. Tsy maintsy tapa-kevitra hanao inona ny Kristianina rehefa misy fanapahan-kevitra mila raisiny mifandray amin’ny fianakaviany? (Jereo koa ny sary.)

11 Zava-dehibe amintsika Kristianina ny voady nataontsika tamin’isika nanokan-tena ho an’i Jehovah. Misy vokany amin’ny fanapahan-kevitsika sy izay ataontsika amin’ny fianakaviantsika izany. Vitaintsika tsara izay andraikitra takin’ny Soratra Masina hoe ataontsika amin-dry zareo. Izay takin’i Jehovah foana anefa aloha no ataontsika voalohany, vao izay tian’ny fianakaviantsika. (Mat. 10:35-37; 1 Tim. 5:8) Indraindray aza mety hampandefitra kely ny fihavanana amin-dry zareo isika, mba hampifaliana an’i Jehovah.

Vonona foana ve ianao hanao an’i Jehovah ho loha laharana, na dia ao anatin’ny mafy indrindra aza? (Fehintsoratra 11) e


12. Inona no nataon’i Alexandru na dia tsy mora aza ny natrehiny tao an-tokantrano, ary inona no tsy nataony?

12 Diniho ny ohatr’i Alexandru sy Dorina vadiny. Tsy nanaiky hianatra Baiboly intsony i Dorina, rehefa avy nianatra nandritra ny herintaona ry zareo. Tiany hijanona koa i Alexandru. Nitandrina tsara anefa ny vadiny sady tony foana rehefa nilaza hoe mbola hianatra ihany. Tsy nahafaly an’i Dorina izany, dia nanery azy hijanona izy. Niezaka i Alexandru mba hahazo hoe naninona ny vadiny no nanao an’izany. Tsy mora taminy anefa ilay izy. Nisy fotoana i Dorina niteniteny azy sady nasiaka be rehefa namaly azy, ka saika tsy hianatra Baiboly intsony izy. I Jehovah foana anefa no nataon’i Alexandru voalohany teo amin’ny fiainany. Nasehony koa hoe tiany be ny vadiny sady nohajainy. Nianatra Baiboly indray i Dorina tatỳ aoriana, noho ny ohatra tsara nomen’i Alexandru, ary nanaiky ny fahamarinana rehefa nandeha ny fotoana.​—Jereo ao amin’ny jw.org/mg, ao amin’ilay andian-dahatsoratra hoe “Manova Olona ny Fahamarinana”, ilay video hoe Alexandru sy Dorina Văcar: “Ny Fitiavana Mahari-po sy Tsara Fanahy.”

13. Ahoana no ampisehoantsika hoe tia an’i Jehovah sy ny fianakaviantsika isika?

13 I Jehovah no namorona ny fianakaviana, ary tiany hanana tokantrano sambatra isika. (Efes. 3:14, 15) Raha tena te ho sambatra anefa isika, dia mila manaraka an’izay atorony rehefa manao zavatra. Matokia fa ankasitrahan’i Jehovah ny sorona ataonao mba hanompoana azy, ankoatra ny ezaka ataonao hikarakarana ny fianakavianao sy hampisehoana hoe tia sy manaja an-dry zareo ianao.​—Rom. 12:10.

AMPIRISIHO NY HAFA HANANA NY TOE-TSAIN’NY NAZIRITA

14. Iza no tena tokony hiezahantsika hampaherezina?

14 Tokony ho vonona hanao sorona noho ny fitiavana izay rehetra mifidy hanompo an’i Jehovah. Tsy mora izany indraindray. Ahoana no ahafahantsika mifanampy mba hanana toe-tsaina hoatr’izany? Mila manao teny mampahery isika. (Joba 16:5) Misy mpiara-manompo miezaka manatsotra fiainana ve ao amin’ny fiangonanareo, mba hanompoana bebe kokoa? Mahafantatra tanora sahy miavaka amin’ny mpiara-mianatra aminy ve ianao, na dia sarotra aminy aza izany? Ary ahoana ny amin’ireo mpianatra Baiboly sy mpiara-manompo miady mafy mba tsy hivadika, na dia manohitra aza ny fianakaviany? Enga anie isika hanararaotra hanao teny mampahery amin’ireny mpiara-manompo malalantsika ireny. Lazaintsika aminy hoe ankasitrahantsika izy, satria mahafoy tena sady be herim-po.​—Filem. 4, 5, 7.

15. Inona no ataon’ny olona sasany mba hanohanana an’ireo manompo manontolo andro?

15 Mety ho afaka hanao zavatra hanampiana ny mpanompo manontolo andro koa isika indraindray. (Ohab. 19:17; Heb. 13:16) Tena naniry hanao an’izany ny anabavy zokiolona iray any Sri Lanka. Nitombo ny vola fisotroan-dronono noraisiny, dia te hanampy mpisava lalana tanora roa amin’ny fanompoana izy satria sahirana ry zareo. Nanapa-kevitra izy hoe hanome vola voafaritra tsara isam-bolana, mba hanampiana azy mirahavavy amin’ny vola laniny iantsoana telefaonina. Tena manana toe-tsaina tsara io anabavy io!

16. Inona no ianarantsika avy amin’ny Nazirita?

16 Tena afaka mianatra zavatra be dia be avy amin’ny ohatra tsara nomen’ireo olona nifidy ho Nazirita àry isika! Misy zavatra ianarantsika momba an’i Jehovah, ilay Raintsika any an-danitra, koa anefa avy amin’io fandaharana io. Matoky izy fa tena maniry hampifaly azy isika, ary vonona hanao sorona mba hahafahantsika mitana ny voady nataontsika tamin’isika nanokan-tena. Manome voninahitra antsika izy, ka isika tsirairay no avelany hifidy hoe ahoana no ampisehoantsika ny fitiavantsika azy. (Ohab. 23:15, 16; Mar. 10:28-30; 1 Jaona 4:19) Hitantsika avy amin’ny fiainan’ny Nazirita, fa voamarik’i Jehovah sady sarobidy aminy ny sorona ataontsika mba hanompoana azy. Enga anie isika ho tapa-kevitra hanompo an’i Jehovah foana sady ho vonona hanome azy ny tsara indrindra avy amintsika!

AHOANA NO HAMALIANAO AN’IRETO?

  • Ahoana no nampisehoan’ireo nifidy ho Nazirita fa mahafoy tena sy be herim-po ry zareo?

  • Ahoana no ahafahantsika mifandrisika mba hananana ny toe-tsain’ny Nazirita?

  • Nahoana ny fiainan’ny Nazirita no mampiseho hoe matoky ny mpanompony i Jehovah?

HIRA 124 Aza Mivadika Mihitsy!

a Nisy Israelita vitsivitsy notendren’Andriamanitra ho Nazirita. Nanolo-tena kosa ny ankamaroan’ireo lasa Nazirita.​—Jereo ilay hoe “ Nazirita Voatendrin’i Jehovah.”

b Nampitahain’ny bokintsika tamin’ny Nazirita ny mpanompo manontolo andro indraindray. Hifantoka amin’izay rehetra nanokan-tena ho an’i Jehovah anefa ity lahatsoratra ity. Afaka manana toe-tsaina hoatran’ny an’ny Nazirita daholo mantsy ry zareo.

c Toa tsy nahazo andraikitra fanampiny ny Nazirita tamin’ny ankapobeny, ohatra hoe fanendrena, mba hanatanterahany ny voady nataony.

d Jereo ao amin’ny jw.org/mg, ao amin’ilay andian-dahatsoratra hoe “Fitantarana Momba ny Vavolombelon’i Jehovah”, ilay lahatsoratra hoe “Nanatsotra Fiainana Izahay.”

e SARY: Avy eny ambony tafo ny Nazirita iray no mitazana ny olona handeha handevina ny havany akaiky. Tsy afaka manakaikikaiky eny izy noho ny voady nataony.