Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Rahalahy Vaovao Roa Anisan’ny Filan-kevi-pitantanana

Rahalahy Vaovao Roa Anisan’ny Filan-kevi-pitantanana

NISY fampandrenesana manokana tao amin’ny jw.org, ny alarobia 18 Janoary 2023. Voatendry ho anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Rahalahy Gage Fleegle sy Jeffrey Winder. Mpanompon’i Jehovah tsy mivadika hatry ny ela izy roa lahy ireo.

Gage Fleegle sy Nadia vadiny

Lehibe tany amin’ny faritra andrefan’i Pennsylvanie, any Etazonia, ny Rahalahy Fleegle. Olona matahotra an’Andriamanitra ny ray aman-dreniny. Nanitatra faritany tao amin’ny tanàna kely iray ambanivohitra izy mianakavy tamin’izy tanora. Natao batisa izy tsy ela taorian’izay, ny 20 Novambra 1988.

Nampirisika azy hanompo manontolo andro foana ny ray aman-dreniny. Matetika ry zareo no nanasa mpiandraikitra ny faritra sy Betelita, dia hitan’ny Rahalahy Fleegle hoe tena falifaly ireny rahalahy sy anabavy ireny. Lasa mpisava lalana maharitra izy ny 1 Septambra 1989, izany hoe tsy ela taorian’ny batisany. Tratrany ny tanjony roa taona taorian’izay, satria lasa Betelita izy. Efa tamin’izy 12 taona no nanana an’io tanjona io. Nanomboka nanompo tao amin’ny Betelan’i Brooklyn izy, tamin’ny Oktobra 1991.

Niasa tao amin’ny Fanakambanam-boky izy tao amin’ny Betela. Valo taona izy no tao, dia avy eo voatendry tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana. Nanompo tao amin’ny fiangonana miteny rosianina izy tamin’izany, nandritra ny taona vitsivitsy. Nanambady an’i Nadia izy tamin’ny 2006, dia lasa Betelita koa io vadiny io. Niara-nanompo tao amin’ny fiangonana miteny portogey izy mivady, dia avy eo tao amin’ny fiangonana miteny espaniola nandritra ny folo taona mahery. Rehefa avy nanompo nandritra ny taona maromaro tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana ny Rahalahy Fleegle, dia voatendry ho anisan’ny Biraon’ny Komitin’ny Fampianarana, ary avy eo lasa anisan’ny Biraon’ny Komitin’ny Fanompoana. Voatendry ho mpanampy ny Komitin’ny Fanompoana eo anivon’ny Filan-kevi-pitantanana izy, tamin’ny Martsa 2022.

Jeffrey Winder sy Angela vadiny

Lehibe tany Kalifornia, any Etazonia, ny Rahalahy Winder. Notezaina tao amin’ny fahamarinana izy, ary natao batisa tamin’ny 29 Martsa 1986. Nanao mpisava lalana mpanampy izy ny volana nanaraka. Tiany be ilay izy dia tiany hotohizina foana. Volana maromaro izy no mpisava lalana mpanampy, dia avy eo lasa mpisava lalana maharitra ny 1 Oktobra 1986.

Nanompo tao amin’ny Betela ny zokiny roa lahy tamin’izany, dia nitsidika an-dry zareo izy tamin’ny mbola kely. Iny fitsidihana iny no nahatonga azy haniry ho Betelita rehefa lehibe. Nasaina hanompo tao amin’ny Betelan’i Wallkill izy tamin’ny Mey 1990.

Niasa tao amin’ny sampan-draharaha maromaro ny Rahalahy Winder tao amin’ny Betela, anisan’izany ny tao amin’ny Fanadiovana, Toeram-pambolena sy Fiompiana, ary ny Biraon’ny Betela. Nivady izy sy Angela tamin’ny 1997, ary niara-nanompo tao amin’ny Betela foana nanomboka teo. Nafindra tany Warwick ry zareo tamin’ny 2014. Nanampy tamin’ny fanorenana ny Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah mantsy ny Rahalahy Winder. Nifindra tao amin’ny Foibem-pampianaran’ny Tilikambo Fiambenana tao Patterson ry zareo tamin’ny 2016, dia niasa tao amin’ny Sampan’asa Momba ny Feo sy Video ny Rahalahy Winder. Naverina tany Warwick indray ry zareo efa-taona taorian’izay, dia voatendry ho anisan’ny Biraon’ny Komitin’ny Mpiasa ny Rahalahy Winder. Lasa anisan’ny mpanampy ny Komitin’ny Mpiasa eo anivon’ny Filan-kevi-pitantanana izy, tamin’ny Martsa 2022.

Mivavaka isika mba tena hitahy an’ireo ‘lehilahy natao ho fanomezana’ ireo i Jehovah, satria manohy miasa mafy hampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana ry zareo.​—Efes. 4:8.