Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Inona no resahin’ny Baiboly momba ny fahaizan’i Jehovah milaza ny hoavy?

Milaza mazava ny Baiboly fa afaka milaza ny hoavy i Jehovah. (Isaia 45:21) Tsy resahiny amin’ny an-tsipiriany daholo anefa hoe ahoana na rahoviana izy no hanao an’izany, na hoatran’ny ahoana mihitsy aza ny habetsahan’ny zavatra tiany hofantarina. Tsy afaka manizingizina momba an’izany àry isika. Misy zavatra vitsivitsy fantatsika ihany anefa.

Afaka manao izay rehetra tiany i Jehovah, nefa indraindray izy mifidy tsy hanao zavatra sasany. Faran’izay hendry izy, dia afaka milaza mialoha an’izay rehetra tiany. (Rom. 11:33) Afaka mifidy ny tsy hamantatra an’izay hitranga koa anefa izy, satria mahafehy tena tanteraka.​—Ampitahao amin’ny Isaia 42:14.

Ataon’i Jehovah izay hanatanterahana ny sitrapony. Inona no ifandraisan’izany amin’ny fahaizany milaza ny hoavy? Izao no resahin’ny Isaia 46:10: “Efa nolazaiko hatramin’ny voalohany ny zavatra hitranga amin’ny farany, ary efa nolazaiko hatry ny ela ny zavatra mbola tsy natao. Hoy aho: ‘Tsy hiova ny fanapahan-kevitro, ary hataoko ny sitrapoko rehetra.’”

Anisan’ny antony ahafahan’i Jehovah milaza ny hoavy àry ny hoe vitany ny mahatonga ny zavatra iray hitranga. Ny olona iray izao rehefa mijery filma, dia azony hafainganina ilay izy mba hahalalana hoe ahoana no hiafarany. I Jehovah kosa tsy manao an’izany. Tsy hoatran’ny hoe efa nitranga daholo akory ny zavatra mbola hiseho, ka hoe mamerina mijery azy ireny mialoha fotsiny sisa i Jehovah. Afaka mifidy kosa izy hoe hitranga amin’ny fotoana efa nofaritany ny zavatra iray, dia ataony izay hitrangan’izany rehefa tonga ilay fotoana.​—Eks. 9:5, 6; Mat. 24:36; Asa. 17:31.

Izany no mahatonga ny Baiboly hampiasa teny toy ny hoe “nanomana” sy ‘nikasa’ mba hilazana an’izay hataon’i Jehovah amin’ny hoavy. (2 Mpanj. 19:25; Isaia 46:11) Misy ifandraisany amin’ny teny midika hoe “mpanefy tanimanga” ny teny tany am-boalohany nandikana an’ireo. (Jer. 18:4) Mahavita mamolavola vongan-tanimanga ho lasa vazy tsara tarehy, ohatra, ny mpanefy tanimanga mahay. Hoatr’izany koa fa mahavita mamolavola na mitarika ny zava-misy i Jehovah mba hanatanterahana ny sitrapony.​—Efes. 1:11.

Manaja ny safidin’ny olona i Jehovah. Tsy mandahatra ny fiainan’ny olona tsirairay izy. Tsy ataony koa izay hahatonga ny olona tsara fanahy hanao zavatra mety hahatonga azy ho ringana. Avelany hanao izay tiany ny rehetra, ary ampirisihiny hifidy hanao ny tsara.

Andao isika handinika ohatra roa. Momba ny mponin’i Ninive ny voalohany. Nilaza i Jehovah fa horavana ilay tanàna, satria nanao ratsy ny mponina tao. Nibebaka anefa ry zareo, dia “niova hevitra [i Jehovah], ka tsy nalefany indray ilay loza nolazainy hoe hamelezana azy ireo.” (Jona 3:1-10) Tsy nanatanteraka ny teniny indray izy, satria nifidy ny hibebaka ny Ninivita rehefa naheno ny fampitandremana avy aminy.

Faminaniana momba an’i Kyrosy, ilay nandresy an’i Babylona, ny ohatra faharoa. Hanafaka an’ireo Jiosy babo tany izy, ary hamoaka didy hanamboarana indray ny tempolin’i Jehovah. (Isaia 44:26–45:4) Nanatanteraka an’io faminaniana io i Kyrosy, mpanjakan’i Persa. (Ezra 1:1-4) Tsy nanompo an’ilay tena Andriamanitra anefa izy. Nampiasa an’i Kyrosy i Jehovah mba hanatanterahana faminaniana, kanefa namela azy hifidy an’izay hotompoiny.​—Ohab. 21:1.

Mazava ho azy fa tsy ireo ihany ny antony mahatonga an’i Jehovah hifidy hamantatra ny hoavy. Raha ny marina, dia tsy misy olona tena mahalala ny fomba fanaovany zavatra. (Isaia 55:8, 9) Rehefa mandinika an’izay nampahafantarin’i Jehovah anefa isika, dia vao mainka mino hoe mety foana ny ataony, anisan’izany ilay hoe rahoviana izy no mifidy hilaza ny hoavy.