Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Nahoana no misy teny miverimberina ao amin’ny Baiboly?

NISY fotoana ny mpanoratra Baiboly namerimberina teny na fehezanteny. Andao isika handinika antony telo mety ho nahatonga an-dry zareo hanao an’izany:

Ny fotoana nanoratana azy. Tsy nanana ny bokin’ny Lalàna ny ankamaroan’ny Israelita. Rehefa nivory tao amin’ny tranolay masina ihany ilay firenena manontolo no naheno ny famakiana ny Lalàna. (Deot. 31:10-12) Azo inoana hoe nisy zavatra tsy nampifantoka ny Israelita iray, rehefa nijoro sy nihaino tao anaty vahoaka be nandritra ny ora maro izy. (Neh. 8:2, 3, 7) Nety ho mora kokoa taminy àry ny nahatadidy ny Soratra Masina sy nampihatra an’izany, rehefa naverimberina ny hevi-dehibe. Vao mainka nanampy azy hitadidy tsipirian-javatra sasany, ohatra hoe ny fitsipik’Andriamanitra sy ny didim-pitsarany, ny famerimberenana teny na fehezanteny.​—Lev. 18:4-22; Deot. 5:1.

Ny fomba nanoratana azy. Hira ny 10 isan-jato eo ho eo amin’ny Baiboly, anisan’izany ny bokin’ny Salamo, ny Tononkiran’i Solomona, ary ny Fitomaniana. Misy teny averina isan’andininy ny hira sasany. Nanamafy ny foto-kevitr’ilay hira izany sady nanampy ny mpihaino hitadidy ny tonony. Mariho, ohatra, ny tonon’ilay Salamo 115:9-11 hoe: “Matokia an’i Jehovah, ry Israely ô!​—Izy no mpanampy sy ampingan’izy ireo. Matokia an’i Jehovah, ry taranak’i Arona ô!​—Izy no mpanampy sy ampingan’izy ireo. Ianareo izay matahotra an’i Jehovah, matokia an’i Jehovah.​—Izy no mpanampy sy ampingan’izy ireo.” Tsy hitanao ve hoe lasa niraikitra tao an-tsaina sy tao am-pon’ny mpihira ny fahamarinana sarobidy, rehefa naverimberina ireo teny ireo?

Nila nohamafisina ny hevi-dehibe. Namerimberina teny nanan-danja ny mpanoratra Baiboly indraindray. Rehefa nilaza tamin’ny Israelita, ohatra, i Jehovah hoe tsy tokony hihinana ra ry zareo, dia nasainy naverimberin’i Mosesy ny antony. Tiany hohamafisina hoe ao amin’ny ra ny ain’ny nofo, izany hoe aina ny ra. (Lev. 17:11, 14) Notanisain’ny apostoly sy ny anti-panahy tany Jerosalema, tatỳ aoriana, ny zavatra tsy tokony hatao mba hampifaliana an’Andriamanitra. Nohamafisin-dry zareo indray ilay hoe tokony hofadina ny ra.​—Asa. 15:20, 29.

Tsy tian’i Jehovah hataontsika fahazarana fotsiny anefa ilay hoe mamerimberina teny avy ao amin’ny Soratra Masina. Nilaza, ohatra, i Jesosy hoe: “Rehefa mivavaka ianareo, dia aza mamerimberina zavatra mitovy foana.” (Mat. 6:7) Avy eo izy niresaka loha hevitra vitsivitsy azo resahina rehefa mivavaka, ary mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra izy ireny. (Mat. 6:9-13) Marina fa tsy mamerimberina teny mitovy foana isika rehefa mivavaka, nefa afaka mamerimberina hevitra.​—Mat. 7:7-11.

Tsy mahagaga raha nasain’Andriamanitra naverimberina ny teny na fehezanteny sasany ao amin’ny Soratra Masina. Iray amin’ireo fomba be dia be ampiasain’ilay Mpampianatra Be Voninahitra izany, mba hahitantsika soa rehefa mampianatra antsika izy.​—Isaia 48:17, 18.