Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 15

HIRA 124 Aza Mivadika Mihitsy!

Miezaha Hatoky Kokoa ny Fandaminan’i Jehovah

Miezaha Hatoky Kokoa ny Fandaminan’i Jehovah

“Tsarovy ireo mitarika eo aminareo, dia ireo nilaza ny tenin’Andriamanitra taminareo.”​—HEB. 13:7.

HEVITRA HODINIHINA

Ho hitantsika ato hoe ahoana no atao raha te hatoky kokoa sy hatoky foana ny fandaminan’i Jehovah.

1. Ahoana no nandaminana ny vahoakan’i Jehovah tamin’ny taonjato voalohany?

 ISAKY ny misy asa ampanaovin’i Jehovah ny vahoakany, dia manantena izy hoe hilamina tsara ny fomba anaovan-dry zareo azy. (1 Kor. 14:33) Sitrapon’Andriamanitra, ohatra, ny hitoriana ny vaovao tsara eran-tany. (Mat. 24:14) I Jesosy no nasain’i Jehovah hiandraikitra an’io asa io. Nataon’i Jesosy azo antoka àry hoe milamina tsara ny fomba anatanterahana an’ilay izy. Rehefa lasa nisy fiangonana tany amin’ny toerana samihafa tamin’ny taonjato voalohany, dia nisy anti-panahy notendrena hitarika sy hanome tari-dalana. (Asa. 14:23) Ny apostoly sy ny anti-panahy tany Jerosalema no nandray ny fanapahan-kevitra sasany, dia nila nankatò an’izany ny fiangonana rehetra. (Asa. 15:2; 16:4) “Nihanatanjaka [àry] ny finoan’ireo fiangonana ary nihabetsaka” izy ireo, rehefa nankatò an’ireny toromarika ireny.​—Asa. 16:5.

2. Ahoana no nanomezan’i Jehovah tari-dalana sy sakafo ara-panahy, nanomboka tamin’ny 1919?

2 Mbola mandamina ny vahoakany i Jehovah na amin’izao aza. Nampiasa lehilahy voahosotra vitsivitsy i Jesosy, nanomboka tamin’ny 1919, mba handamina ny asa fitoriana sy hanome sakafo ara-panahy ho an’ny mpanara-dia azy. a (Lioka 12:42) Hita hoe mitahy ny asan-dry zareo i Jehovah.​—Isaia 60:22; 65:13, 14.

3-4. a) Manomeza ohatra mampiseho fa mahasoa ilay hoe voalamina. b) Inona no hodinihintsika ato?

3 Raha tsy voalamina isika, dia tsy ho vitantsika ilay asa nasain’i Jesosy ataontsika. (Mat. 28:19, 20) Eritrereto, ohatra, hoe tsy tendrena ny faritany hitoriana, fa afaka mitory eny amin’izay tiany ny rehetra. Mety hisy faritany hiasan’ny mpitory samihafa foana, fa hisy indray tsy ho voasa mihitsy. Inona koa ny hitanao hoe soa raisintsika noho isika voalamina tsara?

4 Hoatran’ny nandaminan’i Jesosy ny mpanara-dia azy tamin’izy tetỳ an-tany no andaminany antsika amin’izao. Hodinihintsika ato ny modely nomeny sy ny fomba anahafan’ny fandaminantsika an’izany. Horesahintsika koa izay azontsika atao mba hampisehoana hoe matoky ny fandaminan’i Jehovah isika.

MANAHAKA NY MODELIN’I JESOSY NY FANDAMINANTSIKA

5. Ahoana, ohatra, no anahafantsika an’i Jesosy? (Jaona 8:28)

5 Nianaran’i Jesosy avy tamin’ilay Rainy any an-danitra izay nataony sy nolazainy. Manahaka ny modelin’i Jesosy ny fandaminan’i Jehovah, ka avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ny toromarika omeny sy izay ampianariny momba izay tsara sy ratsy. (Vakio ny Jaona 8:28; 2 Tim. 3:16, 17) Ampahatsiahivina matetika isika mba hamaky sy hampihatra ny Tenin’Andriamanitra. Inona ny soa raisintsika rehefa mankatò an’izany isika?

6. Inona, ohatra, ny soa lehibe raisintsika rehefa mianatra Baiboly isika?

6 Mandray soa be isika rehefa mampiasa ny boky sy gazetintsika mba hianarana ny Baiboly. Azontsika ampitahaina amin’izay ampianarin’ny Baiboly, ohatra, ny toromarika omen’ny fandaminana. Rehefa hitantsika hoe avy ao amin’ny Soratra Masina ilay tari-dalana, dia vao mainka isika matoky ny fandaminan’i Jehovah.​—Rom. 12:2.

7. Inona ny hafatra notorin’i Jesosy, ary ahoana no anahafan’ny fandaminan’i Jehovah azy?

7 Nitory “ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra” i Jesosy. (Lioka 4:43, 44) Nandidy ny mpianany koa izy mba hitory momba an’ilay Fanjakana. (Lioka 9:1, 2; 10:8, 9) Ary amin’izao? Mitory ny hafatra momba an’ilay Fanjakana izay rehetra anisan’ny fandaminan’i Jehovah, na aiza na aiza misy azy, ary na be andraikitra hoatran’ny inona aza.

8. Inona ny voninahitra nomena antsika?

8 Tombontsoa be ny miresaka ny fahamarinana momba ny Fanjakan’Andriamanitra, nefa tsy ny rehetra no manana an’izany. Tamin’i Jesosy tetỳ an-tany, ohatra, dia tsy navelany hitory momba azy ny fanahy ratsy. (Lioka 4:41) Tsy maintsy mahafeno fepetra koa ny olona iray amin’izao, vao afaka manompo miaraka amin’ny vahoakan’i Jehovah. Asehontsika hoe mankasitraka an’ilay voninahitra hitory isika, rehefa manararaotra manao an’izany na aiza na aiza, ary na rahoviana na rahoviana. Ny hamboly sy hanondraka ny voan’ilay Fanjakana ao am-pon’ny olona no tanjontsika, hoatran’ny nataon’i Jesosy ihany.​—Mat. 13:3, 23; 1 Kor. 3:6.

9. Ahoana no ampahafantaran’ny fandaminana ny anaran’Andriamanitra?

9 Nampahafantatra ny anaran’Andriamanitra i Jesosy. Nivavaka tamin’ilay Rainy any an-danitra izy hoe: “Efa nampahafantariko azy ny anaranao.” (Jaona 17:26) Manahaka ny modelin’i Jesosy ny fandaminan’i Jehovah, ka mikely aina mampahafantatra ny olona ny anaran’Andriamanitra. Nandray anjara be tamin’izany ny famoahana Ny Soratra Masina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Naverina tao amin’ny toerana tokony hisy azy mantsy ny anaran’Andriamanitra ao. Misy amin’ny fiteny 270 mahery izao io Baiboly io na ny ampahany aminy. Hahita tsipiriany momba ny namerenana ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly ianao, ao amin’ny fanazavana fanampiny A4 sy A5. Azonao jerena koa ilay bokikely hoe Tari-dalana Hianarana ny Tenin’Andriamanitra, pejy faha-6-11. Misy porofo be dia be mantsy ao manazava hoe nahoana no tokony hiseho im-237 ao amin’ny Soratra Grika Kristianina ny anaran’Andriamanitra.

10. Inona no nianaranao avy amin’ny teny nolazain’ilay vehivavy mipetraka any Myanmar?

10 Te hanampy olona betsaka araka izay azo atao hahafantatra ny anaran’Andriamanitra isika, hoatran’ny nataon’i Jesosy. Lasa nahalala an’io anarana io ny ramatoa iray any Myanmar, tamin’izy 67 taona. Latsaka ny ranomasony sady niteny izy hoe: “Izay aho vao nahafantatra hoe Jehovah no anaran’Andriamanitra. ... Ianao no nampianatra ny zava-dehibe indrindra tokony ho fantatro.” Hita avy amin’izany fa misy vokany be amin’ny olona tso-po ny mahalala ny anaran’Andriamanitra.

ASEHOY FOANA HOE MATOKY NY FANDAMINANTSIKA IANAO

11. Ahoana no ampisehoan’ny anti-panahy hoe matoky ny fandaminan’i Jehovah ry zareo? (Jereo koa ny sary.)

11 Ahoana, ohatra, no ampisehoan’ny anti-panahy hoe matoky ny fandaminan’Andriamanitra izy? Vakiny tsara izay toromarika azony, dia miezaka araka izay tratra izy mba hampihatra an’izany. Mahazo tari-dalana, ohatra, ry zareo hoe ahoana no hatao rehefa mitarika fivoriana sy rehefa misolo tena ny fiangonana amin’ny vavaka. Atoro an-dry zareo koa ny fomba ikarakarana ny ondrin’i Kristy. Rehefa manaraka ny toromarika omen’ny fandaminana ny anti-panahy, dia mahatsiaro ho voaro sy tiana ny olona iandraiketany.

Manampy antsika hatoky ny toromarika omen’ny fandaminan’i Jehovah ny anti-panahy (Fehintsoratra 11) b


12. a) Nahoana isika no tokony hiara-miasa amin’ireo mitarika? (Hebreo 13:7, 17) b) Nahoana isika no tokony hifantoka amin’ny toetra tsaran’ireo mitarika?

12 Rehefa manome toromarika antsika ny anti-panahy, dia tokony ho vonona hanaraka an’izany isika. Ho mora kokoa amin’ireo mitarika amin’izay ny hanao ny asany. Mampirisika antsika mantsy ny Baiboly mba hankatò sy hanaiky an-dry zareo. (Vakio ny Hebreo 13:7, 17.) Sarotra anefa izany indraindray. Fa maninona? Satria tsy lavorary ireo lehilahy ireo. Lasa manampy ny fahavalontsika anefa isika, raha ny marina, rehefa mifantoka amin’izay tsy metimety amin’ny toetran’ny anti-panahy fa tsy amin’ny toetra tsarany. Nahoana isika no milaza an’izany? Satria hihena ny fatokisantsika ny fandaminan’Andriamanitra. Izay mihitsy anefa no kendren’ny mpanohitra. Inona àry no azontsika atao mba hamantarana sy handavana ny hevi-dratsy aelin’ny fahavalontsika?

AZA MISY AVELA HAMPIHENA NY FATOKISANAO

13. Inona no ataon’ny fahavalon’Andriamanitra mba hanaratsiana ny fandaminana?

13 Mitady fomba hanaratsiana ny zavatra tsara ataon’ny fandaminana ny fahavalon’Andriamanitra. Nianarantsika tao amin’ny Soratra Masina, ohatra, hoe tian’i Jehovah ny mpanompony raha madio, tsara fitondran-tena, ary manompo azy araka ny itiavany azy. Asainy esorina tsy ho anisan’ny fiangonana àry izay manohy manao ratsy nefa tsy mibebaka. (1 Kor. 5:11-13; 6:9, 10) Manaraka an’izany didy ao amin’ny Soratra Masina izany isika. Avadiky ny mpanohitra anefa izany, dia lazainy fa isika indray no tsy misy antra sy tia mitsaratsara ary tsy manam-pitiavana.

14. Iza no ao ambadik’ireo tsaho momba ny fandaminana?

14 Fantaro hoe iza no tena ao ambadik’ireny fanaratsiana ireny. I Satana Devoly no mpanely tsaho. Izy mantsy no “rain’ny lainga.” (Jaona 8:44; Gen. 3:1-5) Efa tokony hampoizintsika àry hoe hampiasa ny mpanohana azy izy mba hanelezana tsaho momba ny fandaminan’i Jehovah. Izany no nitranga tamin’ny taonjato voalohany.

15. Inona no nataon’ny mpitondra fivavahana tamin’i Jesosy sy ny mpanara-dia azy?

15 Lavorary sy mpanao fahagagana ny Zanak’Andriamanitra, nefa nisesisesy ny lainga nolazain’ny mpanohana an’i Satana momba azy tamin’ny taonjato voalohany. Nilaza tamin’ny olona, ohatra, ny mpitondra fivavahana fa “ny lehiben’ny demonia” no nahafahan’i Jesosy namoaka demonia. (Mar. 3:22) Rehefa notsaraina i Jesosy dia niampanga azy ho nanevateva an’Andriamanitra ireo mpitondra fivavahana ireo, sady nampirisika ny vahoaka hitaky ny hamonoana azy. (Mat. 27:20) Ary ahoana indray rehefa nitory ny vaovao tsara ny mpanara-dia an’i Kristy, tatỳ aoriana? “Nampirisika sy nitaona ny olona” hanenjika an’ireo Kristianina ireo ny mpanohitra. (Asa. 14:2, 19) Izao no nohazavain’ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra 1998 momba ny Asan’ny Apostoly 14:2: “Tsy nianina fotsiny tamin’ny fandavana ilay hafatra ireo Jiosy mpanohitra fa nanomboka nampiely fanendrikendrehana koa, ka nataony izay hahatonga ny Jentilisa hitsara an-tendrony ny Kristianina.”

16. Inona no tokony hotadidintsika rehefa maheno tsaho isika?

16 Tsy tamin’ny taonjato voalohany ihany i Satana no nandainga. Mbola “mamitaka ny tany manontolo” izy amin’izao. (Apok. 12:9) Raha maheno fanaratsiana momba ny fandaminana na momba an’ireo rahalahy mitarika ianao, dia tadidio izay nataon’ny fahavalon’Andriamanitra tamin’i Jesosy sy ny mpianany tamin’ny taonjato voalohany. Enjehina sy haratsina koa ny vahoakan’i Jehovah amin’izao, araka ny efa nolazain’ny Baiboly mihitsy. (Mat. 5:11, 12) Tsy ho voafitaky ny tsaho isika, raha fantatsika hoe iza no ao ambadik’izy ireny sady tonga isika dia manao zavatra. Inona àry no tokony hataontsika?

17. Inona no tokony hataontsika raha tsy tiantsika hanimba antsika ireo tantara tsy marina? (2 Timoty 1:13) (Jereo koa ilay hoe “ Rehefa Maheno Tsaho.”)

17 Aza mihaino tantara tsy marina. Natoron’ny apostoly Paoly mazava tsara izay tokony hatao, rehefa sendra tantara tsy marina isika. Nilaza tamin’i Timoty izy mba ‘handrara ny sasany tsy hihaino tantara tsy marina’, izay “tsy manaja zava-masina.” (1 Tim. 1:3, 4; 4:7) Ny zaza miana-mandeha, ohatra, mitsindroka an’izay hitany amin’ny tany, dia avy eo ataony any am-bava iny. Ny olona matotra kosa tsy hanao an’izany mihitsy, satria fantany hoe mampidi-doza izany. Tsy mihaino tantara tsy marina koa isika, satria fantatsika hoe avy amin’iza izy ireny. Tsy miala amin’ny “teny mahasoa” na ny fahamarinana isika.​—Vakio ny 2 Timoty 1:13.

18. Ahoana no ampisehoantsika hoe matoky ny fandaminan’i Jehovah isika?

18 Be dia be ny fomba anahafan’ny fandaminan’Andriamanitra an’i Jesosy, fa vao telo monja no hitantsika tato. Rehefa mianatra Baiboly ianao, dia jereo koa ny fomba hafa anaovan’ny fandaminana an’izany. Ampio hatoky kokoa ny fandaminana ny olona ao amin’ny fiangonanareo. Asehoy foana koa hoe matoky azy io ianao. Amin’ny fomba ahoana? Aza mivadika amin’i Jehovah mihitsy, dia mifikira foana amin’ilay fandaminana ampiasainy hanatanteraka ny sitrapony. (Sal. 37:28) Enga anie isika hankamamy foana ny tombontsoa hifanerasera amin’ny vahoakan’i Jehovah be fitiavana sy tsy mivadika!

AHOANA NO HAMALIANAO AN’IRETO?

  • Ahoana avy no anahafan’ny vahoakan’Andriamanitra an’i Jesosy?

  • Ahoana no ampisehoantsika foana hoe matoky ny fandaminan’i Jehovah isika?

  • Inona no tokony hataontsika raha sendra maheno tantara tsy marina?

HIRA 103 Lehilahy ho Fanomezana Ireo Mpiandry

a Jereo ilay efajoro hoe “Fa Maninona no hoe 1919?”, ao amin’ny boky Naverin’i Jehovah Tamin’ny Laoniny ny Fivavahana Madio!, p. 102-103.

b SARY: Anti-panahy miara-midinika momba ny fitoriana eny amin’ny toerana be olona. Manome toromarika an’ireo mpitory avy eo ny mpiandraikitra ny andia-mpitory hoe tokony hanome lamosina ny rindrina ry zareo.