Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Nahoana no nisy miaramila tsy israelita tao amin’ny tafik’i Davida Mpanjaka?

ANISAN’NY miaramila tsy israelita tao amin’ny tafik’i Davida i Zaleka Amonita sy Oria Hetita ary Jitma Moabita. a (1 Tan. 11:39, 41, 46) Anisan’ny tafiny koa ‘ny Keretita sy ny Peletita ary ny Gatita.’ (2 Sam. 15:18) Azo inoana hoe nifandray akaiky tamin’ny Filistinina ny Keretita sy ny Peletita. (Ezek. 25:16) Ny Gatita kosa avy tao Gata, tanànan’ny Filistinina.​—Jos. 13:2, 3; 1 Sam. 6:17, 18.

Maninona i Davida no afaka niantso olona tsy israelita ho ao amin’ny tafiny? Satria natoky izy fa tsy hivadika aminy ry zareo, ary indrindra fa amin’i Jehovah. Izao, ohatra, no nolazain’ny diksionera iray momba ny Baiboly mahakasika an’ireo Keretita sy Peletita: “Tsy nivadika tamin’i Davida mihitsy ry zareo, na dia nandritra ny fotoana mafy indrindra nanjakany aza.” Ahoana no nampisehoan-dry zareo an’izany? Nisy fotoana nandao an’i Davida Mpanjaka “ny lehilahy israelita rehetra”, ka nanaraka an’ilay “lehilahy mpanakorontana atao hoe Sheba.” Ny Keretita sy ny Peletita kosa tsy nandao an’i Davida mihitsy, sady nanampy nampitsahatra an’ilay fikomiana. (2 Sam. 20:1, 2, 7) Nitady hanongana an’i Davida tsy ho mpanjaka koa i Adonia zanany lahy, indray mandeha. Tsy nivadika tamin’i Davida anefa ny Keretita sy ny Peletita, ary nanampy an’i Solomona ho lasa mpanjaka. Izy io mantsy no nofidin’i Jehovah handimby an-drainy.​—1 Mpanj. 1:24-27, 38, 39.

Anisan’ny hafa firenena tsy nivadika tamin’i Davida mihitsy koa i Itahy Gatita. Nanohana an’i Davida Mpanjaka izy sy ireo miaramilany 600, rehefa nikomy tamin’i Davida i Absaloma zanany lahy sady nambabo ny fon’ny lehilahy israelita mba hikomy amin’ny mpanjaka. Nilaza tamin’i Itahy i Davida hoe tsy voatery hiady ho azy izy, satria tsy Israelita. Izao anefa no nolazain’i Itahy: “Raha mbola velona koa i Jehovah, ary raha mbola velona koa ny mpanjaka tompoko, dia any amin’izay hisy ny mpanjaka tompoko no hisy ny mpanomponao, na ho faty na ho velona!”​—2 Sam. 15:6, 18-21.

Tsy nivadika tamin’i Davida, ilay mpanjaka voahosotr’i Jehovah, i Itahy

Marina hoe tsy Israelita ny Keretita sy ny Peletita ary ny Gatita, nefa nanaiky ry zareo hoe i Jehovah no tena Andriamanitra ary voahosotr’i Jehovah i Davida. Azo antoka fa faly be i Davida nanana lehilahy tsy nivadika hoatr’izany teo anilany!

a Tsy nahazo niditra ho anisan’ny fiangonan’ny Israely ny Amonita sy ny Moabita, araka ny lalàn’Andriamanitra ao amin’ny Deoteronomia 23:3-6. Midika izany fa tsy afaka nanana ny zo sy tombontsoa rehetra nananan’ny Israelita ry zareo. Na izany aza, dia tsy te hilaza akory ilay lalàna hoe tsy nahazo nifandray tamin’ny vahoakan’Andriamanitra na niara-nonina taminy ireo hafa firenena ireo. Jereo ny Fandalinana ny Soratra Masina eo amin’ilay hoe “Amonita”: “Nifanambady tamin’ny Israelita.”