Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 22

HIRA 127 Olona Tokony Hanao Ahoana moa Aho?

Tianareo Hahomby ve ny Fiarahanareo?

Tianareo Hahomby ve ny Fiarahanareo?

“Ilay toetra miafina ao am-po [no] tena sarobidy.”​—1 PET. 3:4.

HEVITRA HODINIHINA

Inona no azon’ny olon-droa atao mba hahomby ny fiarahany, ary inona no azon’ny olona ao amin’ny fiangonana atao mba hanampiana an-dry zareo?

1-2. Inona no tsapan’ny olona sasany momba ny fiarahana alohan’ny fanambadiana?

 METY hahafinaritra sy hampientanentana ny fiarahana alohan’ny fanambadiana. Raha miaraka amin’olona ianao izao, dia azo antoka hoe tianao hety tsara ny fiarahanareo. Hoatr’izany ny an’ny olona maro. Hoy i Tsion, a anabavy iray any Etiopia: “Anisan’ny fotoana mamy indrindra teo amin’ny fiainako ilay izaho sy ny vadiko nampiaraka. Niresaka zavatra tena lehibe izahay tamin’izany sady niara-nihomehy. Faly aho fa nahita olona tiako sady tia ahy.”

2 Izao anefa no nolazain’i Alessio, rahalahy avy any Holandy: “Nahafinaritra ny niezaka nahafantatra ny vadiko tamin’izahay vao niaraka, fa nisy olana koa anefa.” Fa inona ny olana mety hatrehin’ny olon-droa miaraka? Inona ny torolalana sasany ao amin’ny Baiboly hanampy an-dry zareo hahomby? Ary inona no azon’ny olona ao amin’ny fiangonana atao mba hanampiana an-dry zareo?

NY TANJON’NY FIARAHANA

3. Inona no tanjon’ny fiarahana alohan’ny fanambadiana? (Ohabolana 20:25)

3 Mety hahafinaritra ny miaraka amin’ny olona iray, nefa dingana lehibe mety ho tonga hatramin’ny fanambadiana koa izy io. Rehefa atao mariazy ny olona roa, dia manao voady eo anatrehan’i Jehovah izy hoe hifankatia sy hifanaja raha samy mbola velon’aina. Tokony handinika tsara anefa isika alohan’ny hanaovana voady, anisan’izany ny voadim-panambadiana. (Vakio ny Ohabolana 20:25.) Manampy olon-droa hifankahafantatra sy handray fanapahan-kevitra tsara ny fiarahana alohan’ny fanambadiana. Mety hanapa-kevitra ny hivady ry zareo, na hisaraka. Raha misaraka ry zareo, dia tsy midika izany hoe tsy nety ilay fiarahana. Tratra kosa aza ny tanjon’ilay izy, satria nanampy an-dry zareo handray fanapahan-kevitra tsara.

4. Nahoana isika no tokony hahazo tsara ny zava-kendren’ny fiarahana alohan’ny fanambadiana?

4 Nahoana no zava-dehibe ny mahazo tsara ny zava-kendren’ny fiarahana alohan’ny fanambadiana? Raha azon’ny mpitovo tsara izany, dia tsy hiaraka amin’olona tsy eritreretiny halaina ho vady mihitsy izy. Tsy ny mpitovo ihany anefa no mila mahazo tsara an’izany fa isika rehetra mihitsy. Misy, ohatra, mieritreritra hoe tsy maintsy mivady ny olon-droa miaraka. Inona no vokatr’izany amin’ny mpitovo? Izao no nolazain’i Melissa, anabavy mpitovo any Etazonia: “Tena tsy mora amin’ny ranadahy sy rahavavy mampiaraka ny ataon’ny mpiara-manompo indraindray. Izany no mahatonga ny sasany mbola hiaraka ihany nefa efa hita hoe tsy mety ilay izy. Ny hafa indray moa dia aleony tsy miaraka amin’olona mihitsy. Mety hampiady saina be ny mpitovo ny zavatra antenain’ny olona aminy.”

MIEZAHA HIFANKAHAFANTATRA TSARA

5-6. Inona no tokony hiezahan’ny mpifankatia hofantarina momba an’ilay olona iarahany? (1 Petera 3:4)

5 Raha miaraka amin’olona ianao, dia inona no hanampy anao hanapa-kevitra hoe hanambady azy sa tsia? Miezaha hifankahafantatra tsara. Azo inoana hoe efa nahalala zavatra sasany momba azy ianao talohan’ny niarahanareo. Amin’izao anefa ianao afaka mamantatra an’ilay “toetra miafina ao am-po.” (Vakio ny 1 Petera 3:4.) Inona no dikan’izany? Azonao fantarina kokoa, ohatra, hoe manao ahoana ny ara-panahiny sy ny toetrany ary ny fomba fisainany. Rehefa mandeha ny fotoana, dia tokony ho hainao ny valin’ny fanontaniana hoatran’ireto: ‘Ho vady tsara ho ahy ve izy?’ (Ohab. 31:26, 27, 30; Efes. 5:33; 1 Tim. 5:8) ‘Ho vitako ve ny hanome an’izay ilainy ara-pihetseham-po, dia izy koa ve hahavita an’izany amiko? Hahavita hifampizaka ny fahalemenay ve izahay?’ b (Rom. 3:23) Tadidio izao rehefa miezaka mifankahafantatra ianareo: Tsy ilay hoe mitovy be no tena ahitana hoe mifanentana ianareo, fa hoe ianareo ve mahay mifanaraka na dia tsy mitovy aza.

6 Inona koa no tokony ho fantatrao momba an’ilay olona? Dieny mbola tsy raiki-pitia be aminy ianao, dia misy zava-dehibe sasany tsara resahinareo, ohatra hoe ny tanjony. Ahoana kosa ny amin’ny zavatra manokana, ohatra hoe ny fahasalamana, ny olana ara-bola, na ny zava-dratsy niainana taloha? Marina hoe tsy voatery horesahina daholo izao rehetra izao raha vao manomboka miaraka ianareo. (Ampitahao amin’ny Jaona 16:12.) Raha misy fanontaniana sasany mahakasika anao manokana nefa hitanao hoe mbola tsy izao ny fotoana hamaliana an’izay, dia ampahafantaro azy izany. Mila mahafantatra an’izany anefa ilay miaraka aminao rehefa mandeha ny fotoana, amin’izay izy afaka mandray fanapahan-kevitra tsara. Misy fotoana àry tsy maintsy hoe mamboraka aminy an’izany ianao.

7. Inona no azon’ny mpifankatia atao mba hifankahafantarana tsara? (Jereo koa ilay hoe “ Miaraka Nefa Mifanalavitra Be.”) (Jereo koa ny sary.)

7 Ahoana no atao raha tianao ho fantatra hoe hoatran’ny ahoana marina ilay olona iarahanao? Anisan’ny fomba tsara indrindra anaovana an’izany ny hoe tsy manafinafina na miolakolaka rehefa miresaka. Mametraha koa fanontaniana, dia miezaha hihaino tsara. (Ohab. 20:5; Jak. 1:19) Mety ho azonareo atao ny manao zavatra ahafahanareo mifampiresaka, ohatra hoe miara-misakafo, mandehandeha eny amin’ny toerana be olona, ary miara-mitory. Mety hifankahalala tsara koa ianareo rehefa miaraka amin’ny namana na fianakaviana. Ankoatra izay, dia maninona raha mandamina zavatra azonareo iarahana manao, mba hahitanao hoe hoatran’ny ahoana izy amin’ny toe-javatra isan-karazany sy rehefa miaraka amin’ny olona samihafa? Mariho izay nataon’i Aschwin, avy any Holandy. Izao no nolazainy momba ny fiarahan’izy sy Alicia: “Jerenay izay azonay atao mba hahafahanay mifankahafantatra tsara. Matetika izahay no manao zavatra tsotsotra, ohatra hoe miara-mikarakara sakafo na manao raharaha. Rehefa miaraka eo izahay dia hitanay hoe inona ny toetra tsaranay roa, dia inona ny fahalemenay.”

Azo inoana fa hifankahafantatra kokoa ianareo roa raha manao zavatra ahafahanareo mifampiresaka (Fehintsoratra 7-8)


8. Inona no soa azon’ny mpifankatia raha miara-mianatra ry zareo?

8 Hanampy anareo hifankahafantatra koa ny miara-mianatra foto-kevitra ao amin’ny Baiboly. Rehefa lasa mpivady ianareo, dia mila manokana fotoana anaovana fotoam-pivavahan’ny fianakaviana, amin’izay zava-dehibe ao an-tokantranonareo Andriamanitra. (Mpito. 4:12) Maninona àry raha dieny izao dia efa manokana fotoana iarahana mianatra? Mazava ho azy fa mbola tsy fianakaviana iray ny olon-droa miaraka, dia tsy hoe ilay rahalahy no lohany ka eo ambany fahefany ilay anabavy. Raha miara-mianatra tsy tapaka anefa ianareo, dia ho fantatrareo hoe hoatran’ny ahoana ny fifandraisanareo amin’i Jehovah. Niresaka soa hafa koa i Max sy Laysa, mpivady avy any Etazonia. Hoy i Max: “Vao nanomboka niaraka izahay, dia efa niara-nandinika lahatsoratra momba ny fiarahana alohan’ny fanambadiana, ny mariazy, sy ny fiainana ao an-tokantrano. Lasa afaka niresaka zava-dehibe maromaro izahay, nefa mety hoe sarotra taminay ny niresaka an’izany raha tsy nisy an’ireny lahatsoratra ireny.”

ZAVATRA HAFA MILA DINIHINA

9. Inona no tokony hodinihin’ny mpifankatia rehefa hanapa-kevitra hoe iza no tokony hahalala hoe miaraka ry zareo?

9 Iza no tokony hiresahana hoe miaraka ianareo? Anjaranareo roa ny manapa-kevitra ny amin’izay. Mety ho olona vitsivitsy aloha amin’ny voalohany no ampahafantarina an’ilay izy. (Ohab. 17:27) Tsy hisy hanontanintany be ianareo amin’izay, dia tsy hisy hanery handray fanapahan-kevitra haingana koa. Raha tsy mampahafantatra an’iza na iza anefa ianareo, dia mety hitokantokana satria matahotra hoe sao dia hisy hahita. Mety hampidi-doza izany. Fara fahakeliny àry mba resaho amin’izay olona afaka manome torohevitra tsara sy afaka manampy anareo ilay izy, ohatra hoe ny fianakavianareo sasany, na namana matotra, na ny anti-panahy. (Ohab. 15:22) Hendry ianareo raha manao an’izany.

10. Inona no azon’ny olon-droa atao mba hampifaly an’i Jehovah foana ny fiarahan-dry zareo? (Ohabolana 22:3)

10 Inona no azonareo atao mba hampifaly an’i Jehovah foana ny fiarahanareo? Ara-dalàna raha lasa mifanintona kokoa ny olon-droa rehefa mihamifankatia. Inona àry no hanampy anareo tsy haloto fitondran-tena? (1 Kor. 6:18) Aza manao resaka vetaveta, na mitokantokana, na misotro be loatra. (Efes. 5:3) Raha manao an’ireo mantsy ianareo, dia mety hitombo ny faniriana te hanao firaisana sady lasa tsy tena tapa-kevitra ny hanao ny tsara ianareo. Maninona àry raha resahina matetika hoe inona ny fepetra horaisinareo mba hampifaly an’i Jehovah foana ny fiarahanareo? (Vakio ny Ohabolana 22:3.) Mariho izay nanampy an’i Dawit sy Almaz, avy any Etiopia. Izao no nolazainy: “Eny amin’ny toerana be olona foana izahay no miaraka, na miaraka amin’ny namanay. Tsy mbola nisy mihitsy hoe izahay roa irery no tao anaty fiara, na tao an-trano. Nanampy anay hitandrina izany mba tsy ho resin’ny fakam-panahy.”

11. Inona avy no tokony hodinihin’ny mpifankatia rehefa hifaneho fitiavana?

11 Ary ahoana ny resaka fanehoana fitiavana? Misy zavatra azo atao, arakaraka ny fivoaran’ny fiarahanareo. Raha lasa mahery be anefa ny fanirianao hanao firaisana, dia azo inoana hoe tsy hisaina tsara intsony ianao hoe hoatran’ny ahoana marina ilay olona iarahanao. (Tonon. 1:2; 2:6) Mety ho sarotra koa ny mifehy tena rehefa mifaneho fitiavana ianareo, dia lasa manao zavatra tsy mampifaly an’i Jehovah. (Ohab. 6:27) Vao manomboka miaraka àry ianareo, dia resaho hoe inona avy no atao sy tsy atao, mifanaraka amin’ny torolalan’ny Baiboly. c (1 Tes. 4:3-7) Azonareo roa eritreretina izao: ‘Inona no ao an-tsain’ny olona atỳ aminay rehefa mahita anay mifaneho fitiavana? Mety hampirongatra ny fanirianay hanao firaisana ve ny zavatra ataonay?’

12. Inona no tokony ho fantatry ny olon-droa rehefa misy olana sy tsy fifanarahana mandritra ny fiarahany?

12 Ahoana no handaminana olana sy tsy fifanarahana? Ahoana raha tsy mifanaraka ianareo indraindray? Midika ve izany hoe tsy mety ny fiarahanareo? Tsy voatery! Mety tsy hitovy hevitra mantsy indraindray ny olon-droa, na efa mpivady na tsia. Mafy orina ny tokantrano, rehefa samy miezaka ny mpivady mba hifandefitra sy hifanaja na dia tsy mitovy aza. Hita amin’ny fomba andaminanareo olana amin’izao àry hoe ho sambatra ve ny tokantranonareo. Azonareo eritreretina izao: ‘Tony tsara sy mifanaja ve izahay rehefa mifampiresaka? Vonona ny hiaiky ve izahay rehefa diso, dia miezaka hiova? Mora mandefitra sy miala tsiny ary mamela heloka ve izahay?’ (Efes. 4:31, 32) Izao anefa: Raha tsy mitovy hevitra sy mifamaly foana ianareo mandritra ny fiarahanareo, dia azo inoana hoe tsy hihatsara izany rehefa lasa mpivady ianareo. Raha hitanao àry hoe tsy mety aminao izy, dia tapaho ilay fiarahana. Izay angamba no fanapahan-kevitra tsara indrindra ho anareo roa. d

13. Inona no hanampy ny mpifankatia hamaritra hoe hafiriana ry zareo no hiaraka?

13 Hafiriana ianareo roa no tokony hiaraka? Matetika no ratsy ny vokany raha maimaika hanapa-kevitra ianao. (Ohab. 21:5) Tokony ho ampy tsara mba hahafantaranao bebe kokoa an’ilay olona àry ny fotoana iarahanareo. Tsy tokony hotohizina lava be anefa ilay izy, raha tsy misy antony tokony hanaovana an’izany. Hoy koa ny Baiboly: “Marary ny fo raha ela be vao tanteraka ny zavatra antenaina.” (Ohab. 13:12) Ankoatra izay, rehefa miaraka elaela eny ianareo, dia mety hihasarotra ny hanohitra fakam-panahy haloto fitondran-tena. (1 Kor. 7:9) Aleo àry tsy mifantoka be amin’ny hoe hafiriana izay ianareo roa no niaraka. Saintsaino kosa izao: ‘Inona no zavatra mbola mila fantariko momba azy, amin’izay aho afaka manapa-kevitra?’

AHOANA NO AZON’NY OLON-KAFA ANAMPIANA?

14. Inona avy no azon’ny olon-kafa atao mba hanohanana olona roa miaraka? (Jereo koa ny sary.)

14 Raha mahafantatra olona roa miaraka ianao, dia ahoana no azonao anampiana an-dry zareo? Asao hiara-misakafo aminao ry zareo, na hiara-manao fotoam-pivavahan’ny fianakaviana, na hiara-miala voly. (Rom. 12:13) Afaka mifankahafantatra kokoa mantsy izy roa amin’ireny fotoana ireny. Mila olona fanintelony ve ry zareo, sa mila olona hanatitra azy, sa ve toerana ahafahany miresaka mitokana? Raha izany, dia maninona raha ampiana ry zareo? (Gal. 6:10) Noresahin’i Alicia, ilay voaresaka tetsy aloha, hoe inona no nahafinaritra azy sy Aschwin. Hoy izy: “Nisy mpiara-manompo niteny taminay hoe afaka mankany amin-dry zareo izahay, raha mila toerana iarahana nefa tsy hoe mitokana be. Nanohina ny fonay izany.” Maninona àry raha raisina ho tombontsoa ilay hoe misy mpifankatia mangataka aminao mba hiaraka aminy? Mitandrema anefa mba tsy hamela an-dry zareo ho irery tanteraka, nefa diniho tsara koa hoe rahoviana ry zareo no mila fotoana sy toerana hiresahana manokana.​—Fil. 2:4.

Raha mahalala olona miaraka ianao, dia mitadiava fomba hanampiana an-dry zareo (Fehintsoratra 14-15)


15. Inona koa no azon’ny mpiara-manompo atao mba hanampiana olon-droa miaraka? (Ohabolana 12:18)

15 Manampy olona roa miaraka koa isika raha mitandrina amin’izay lazaintsika na tsy lazaintsika. Mety hila hifehy tena isika indraindray. (Vakio ny Ohabolana 12:18.) Efa tsy andrintsika angamba ny hitantara amin’ny hafa hoe manomboka miaraka i Anona sy Anona. Izy roa ihany anefa no mety ho te hilaza an’ilay vaovao. Tsy tokony hifosafosa an’ilay mpifankatia isika, na hanakiana an-dry zareo momba ny fiainany manokana. (Ohab. 20:19; Rom. 14:10; 1 Tes. 4:11) Mety tsy ho tian’izy roa koa raha misy olona miteniteny na manontany an-dry zareo hoe sao dia tokony hivady amin’izay, na hoe rahoviana ihany ilay andro malaza. Izao no noresahin’ny anabavy atao hoe Elise sy ny vadiny: “Hafahafa be taminay ilay hoe misy olona manontanintany momba ny mariazinay, nefa izahay aza mbola tsy niresaka an’izany akory.”

16. Inona no tsy tokony hatao rehefa misy olona misaraka, ary inona no tokony hatao?

16 Ahoana raha misy olon-droa manapa-kevitra ny hisaraka? Tsy tokony hidikiditra be amin’ilay izy isika, dia tsy tokony hiandany amin’ilay lehilahy na ilay vehivavy. (1 Pet. 4:15) Hoy ny anabavy atao hoe Lea: “Henoko hoe nisy olona nanombantombana hoe maninona izahay sy ilay ranadahy no nisaraka. Nampalahelo be ahy izany.” Tsy voatery hoe tsy mahomby anefa ny fiarahan’ny olona roa raha misaraka ry zareo, araka ny efa noresahintsika terỳ aloha. Matetika izany no midika fotsiny hoe tratra ny tanjon’ilay fiarahana. Nanampy an-dry zareo handray fanapahan-kevitra tsara ilay izy. Mety mbola handratra ny fihetseham-pon’izy roa ihany anefa ilay fanapahan-kevitra, ary mety hahatsiaro ho manirery ry zareo. Jereo àry izay azonao anampiana azy roa.​—Ohab. 17:17.

17. Mbola tokony hanao inona foana ny olon-droa miaraka?

17 Hitantsika teo hoe tsy voatery ho mora foana ilay hoe miaraka amin’olona, nefa mety hahafinaritra be koa. Izao no noresahin’i Jessica: “Tsoriko aloha fa mitaky ezaka be ilay hoe miaraka amin’olona. Tsy very maina mihitsy anefa ny fotoana sy hery nifankahalalanao taminy.” Raha miaraka amin’olona àry ianao izao, dia miezaha foana hifankahafantatra tsara aminy. Hahomby ny fiarahanareo amin’izay. Hanampy anareo roa handray fanapahan-kevitra tsara mantsy ilay izy.

HIRA 49 Ampifalio ny Fon’i Jehovah

a Novana ny anarana sasany.

b Raha te handinika fanontaniana hafa ianao, dia jereo ny Manontany ny Tanora​—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2, p. 39-40.

c Anisan’ny fijangajangana ny fikasikasihana ny filahiana na ny fivavian’olon-kafa, ka mila ananganan’ny anti-panahy komity mpitsara. Azo ananganana komity mpitsara koa ny fanafosafoana nono sy ny resaka vetaveta amin’ny SMS na amin’ny telefaonina, arakaraka ny zava-mitranga.

d Ahitana fanazavana fanampiny ny “Fanontanian’ny Mpamaky” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Aogositra 1999.