LAHATSORATRA FIANARANA 19

HIRA 22 Efa Mitondra Ilay Fanjakana

Inona no Fantatsika Momba ny Didim-pitsaran’i Jehovah Amin’ny Hoavy?

Inona no Fantatsika Momba ny Didim-pitsaran’i Jehovah Amin’ny Hoavy?

‘Tsy tian’i Jehovah hisy ho ringana ny olona.’​—2 PET. 3:9.

HEVITRA HODINIHINA

Afaka matoky isika hoe ho araka ny rariny sy ny hitsiny ny didim-pitsaran’i Jehovah amin’ny hoavy.

1. Nahoana no miavaka ny fotoana iainantsika?

 MIAVAKA ny fotoana iainantsika! Hitantsika isan’andro hoe tanteraka ny faminanian’ny Baiboly. Mifaninana mba hifehy an’izao tontolo izao, ohatra, ny “mpanjakan’ny avaratra” sy ny “mpanjakan’ny atsimo.” (Dan. 11:40, f.a.p.) Mbola tsy betsaka hoatran’ny amin’izao koa ny tany itoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary an-tapitrisany ny olona manaiky an’izany. (Isaia 60:22; Mat. 24:14) Mahazo sakafo ara-panahy be dia be “amin’ny fotoana mety” koa isika.​—Mat. 24:45-47.

2. Inona no azontsika antoka, nefa inona koa no tsy maintsy ekentsika?

2 Manampy antsika foana i Jehovah mba hahazo kokoa an’izay zava-dehibe hitranga atsy ho atsy. (Ohab. 4:18; Dan. 2:28) Afaka matoky isika fa rehefa hanomboka ny fahoriana lehibe, dia ho efa haintsika daholo izay mila fantatsika mba hahafahantsika hiaritra sy tsy hivadika. Vao mainka aza isika hahavita hiray saina foana mandritra an’io fotoan-tsarotra io. Tsy maintsy miaiky anefa isika hoe misy zavatra sasany tsy fantatsika momba ny hoavy. Hodinihintsika àry hoe nahoana isika no manitsy an’izay nolazaintsika momba ny zava-nitranga sasany. Hojerentsika avy eo ny zavatra sasany fantatsika momba ny hoavy sy izay hataon’ilay Raintsika any an-danitra.

INONA NO TSY FANTATSIKA?

3. Inona no nolazaintsika taloha momba ny hoe rahoviana no tsy afaka miandany amintsika intsony ny olona, ary nahoana isika no nieritreritra an’izany?

3 Nilaza isika taloha fa raha vao manomboka ny fahoriana lehibe, dia tsy hisy olona ho afaka hiandany amin’i Jehovah intsony ka ho tafavoaka velona amin’ny Aramagedona. Nieritreritra mantsy isika tamin’izany fa faminaniana milaza an’izay hitranga amin’ny hoavy ny tantara momba ny Safodrano. Nohidian’i Jehovah, ohatra, ny varavaran’ny sambofiara, talohan’ny nanombohan’ny Safodrano. Nieritreritra àry isika fa hoatran’ny hoe hohidian’i Jehovah koa ny varavarana rehefa manomboka ny fahoriana lehibe, ka tsy hisy ho voavonjy intsony ny olona anisan’ny tontolon’i Satana.​—Mat. 24:37-39.

4. Mbola mieritreritra ve isika amin’izao hoe faminaniana momba ny hoavy izay nitranga tamin’ny Safodrano? Hazavao.

4 Marina ve fa misy mifanitsy aminy daholo izay nitranga nandritra ny Safodrano? Tsy izany. Fa maninona? Satria tsy milaza mazava an’izany ny Soratra Masina. a Marina fa nampitahain’i Jesosy tamin’ny “andron’i Noa” ny fanatrehany. Tsy nilaza anefa izy hoe faminaniana momba ny hoavy ny Safodrano, ka hoe tsy maintsy misy mifanitsy aminy ny olona tsirairay sy ny zava-drehetra nitranga tamin’izany. Tsy niteny koa izy hoe mbola hisy fahatanterahany atỳ aoriana ilay hoe nohidiana ny varavaran’ny sambofiara. Izany akory tsy midika fa tsy misy azontsika ianarana avy amin’ny tantaran’i Noa sy ny Safodrano.

5. a) Inona no nataon’i Noa talohan’ny Safodrano? (Hebreo 11:7; 1 Petera 3:20) b) Inona no mampitovy ny fitoriana nataon-dry Noa sy ny antsika amin’izao?

5 Noporofoin’i Noa hoe nanam-pinoana izy rehefa naheno ny fampitandreman’i Jehovah, dia nanao sambofiara. (Vakio ny Hebreo 11:7; 1 Petera 3:20.) Tsy maintsy mampihatra an’izay henony koa ny olona itoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. (Asa. 3:17-20) Nantsoin’i Petera hoe “mpitory ny fahamarinana” i Noa. (2 Pet. 2:5) Araka ny efa noresahintsika tao amin’ilay lahatsoratra teo aloha anefa, dia tsy fantatsika raha nahavita nitory tamin’ny olona rehetra velona teto an-tany ry Noa, talohan’ny Safodrano. Ary amin’izao? Miezaka mitory eran-tany isika, ary mazoto manao an’izany. Na miezaka hoatran’ny inona aza anefa isika, dia tsy ho vitantsika mihitsy ny hiresaka ny vaovao tsara amin’ny olona rehetra etỳ ambonin’ny tany alohan’ny hahatongavan’ny farany. Fa nahoana?

6-7. Nahoana isika no milaza fa tsy ho vitantsika ny hitory ny vaovao tsara amin’ny olona rehetra eto an-tany, alohan’ny hahatongavan’ny farany? Hazavao.

6 Mariho fa efa nilaza i Jesosy hoe hiely be mihitsy ny asa fitoriana. Efa niteny izy fa hotorina “maneran-tany” ny vaovao tsara mba “ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra.” (Mat. 24:14) Amin’izao mihitsy no tanteraka io faminaniana io, mihoatra noho ny hatramin’izay. Amin’ny fiteny 1 000 mahery izao ny hafatra momba ilay Fanjakana, ary afaka mamaky azy io ny ankamaroan’ny mponina eran-tany, ao amin’ny tranonkala jw.org.

7 Nilaza tamin’ny mpianany koa anefa i Jesosy fa ‘tsy ho voatetin-dry zareo daholo ny tanàna’, na hoe tsy hahavita hitory amin’ny olona rehetra ry zareo, alohan’ny hahatongavany. (Mat. 10:23; 25:31-33) Ho tanteraka amin’ny androntsika ireo tenin’i Jesosy ireo. Tsy afaka mitory malalaka isika any amin’ny faritra sasany, nefa an-tapitrisany ny mponina any. Zazakely an-jatony koa no teraka isa-minitra. Marina hoe manao izay fara herintsika isika mba haheno ny vaovao tsara ny olona any “amin’ny firenena sy foko sy olona samy hafa fiteny.” (Apok. 14:6) Izao anefa: Tsy ho vitantsika ny hiresaka ny vaovao tsara amin’ny olona tsirairay eto an-tany, alohan’ny hahatongavan’ny farany.

8. Inona no mety hoeritreretintsika momba ny didim-pitsaran’i Jehovah amin’ny hoavy? (Jereo koa ny sary.)

8 Mety hisy hieritreritra àry hoe: ‘Dia ahoana izany ny amin’ireo tsy afaka naheno ny vaovao tsara alohan’ny anombohan’ny fahoriana lehibe? Ahoana no hataon’i Jehovah sy ilay Zanany amin-dry zareo, satria io Zanany io no nanankinany ny fitsarana rehetra?’ (Jaona 5:19, 22, 27; Asa. 17:31) Milaza ny andinin-teny fototr’ity lahatsoratra ity fa ‘tsy tian’i Jehovah hisy ho ringana ny olona fa tiany hibebaka daholo.’ (2 Pet. 3:9; 1 Tim. 2:4) Na izany aza, dia tsy maintsy ekentsika fa mbola tsy nahariharin’i Jehovah tamintsika hoe ahoana no hitsarany an’ireo olona mbola tsy naheno ny vaovao tsara. Mazava ho azy fa tsy voatery holazainy amintsika izay ataony na mbola hataony.

Ahoana no hataon’i Jehovah amin’ireo olona tsy mba afaka naheno ny vaovao tsara alohan’ny anombohan’ny fahoriana lehibe? (Fehintsoratra 8) c


9. Inona no nahariharin’i Jehovah ao amin’ny Baiboly?

9 Ampahafantarin’i Jehovah ao amin’ny Teniny ny zavatra sasany hataony. Voalaza ao, ohatra, fa hovelominy indray ny olona “tsy marina” tsy mba afaka naheno ny vaovao tsara sy niova. (Asa. 24:15; Lioka 23:42, 43) Mampipoitra fanontaniana lehibe hafa izany.

10. Inona koa ny fanontaniana mety hahalasa saina antsika?

10 Ho ringana mandrakizay ve izay rehetra ho faty mandritra ny fahoriana lehibe, ka tsy antenaina hoe hitsangana intsony? Milaza mazava ny Soratra Masina fa tsy hatsangana ny mpanohitra haringan’i Jehovah sy ny tafiny ao Aramagedona. (2 Tes. 1:6-10) Fa ahoana indray ny amin’ireo olona maty, satria, ohatra hoe narary, antitra, tratran’ny loza, na nisy namono? (Mpito. 9:11; Zak. 14:13) Mety hisy amin’izy ireny ve ho anisan’ireo olona “tsy marina” hatsangana ao amin’ny tontolo vaovao? Tsy haintsika izany.

INONA NO FANTATSIKA?

11. Inona no hitsarana ny olona amin’ny Aramagedona?

11 Misy zavatra vitsivitsy fantatsika momba ny hoavy. Fantatsika, ohatra, hoe arakaraka izay ataon’ny olona amin’ny rahalahin’i Kristy no hitsarana azy amin’ny Aramagedona. (Mat. 25:40) Ho hita hoe ondry izay efa mampiseho hoe manohana ny voahosotra sy Kristy. Haintsika koa fa mbola hisy eto an-tany ny rahalahin’i Kristy, aorian’ny hanombohan’ny fahoriana lehibe, ary tsy hiakatra any an-danitra izy ireo raha tsy aloha kelin’ny Aramagedona. Raha mbola misy rahalahin’i Kristy àry eto an-tany, dia ho afaka hanohana ny voahosotra sy ny asan’izy ireo ny olona tso-po. (Mat. 25:31, 32; Apok. 12:17) Nahoana izany no tena zava-dehibe?

12-13. Inona no mety hataon’ny olona sasany rehefa hitany hoe rava i “Babylona Lehibe”? (Jereo koa ny sary.)

12 Na dia rehefa manomboka aza ny fahoriana lehibe, dia mety hisy amin’ireo olona hahita ny fandringanana an’i “Babylona Lehibe” hahatadidy hoe efa ela ny Vavolombelon’i Jehovah no niresaka momba an’izany. Mety hisy amin’izy ireny ve hiova fo?​—Apok. 17:5; Ezek. 33:33.

13 Raha izay, dia hitovitovy amin’izay nitranga tany Ejipta tamin’ny andron’i Mosesy izany. Tadidio fa nisy “olona maro avy amin’ny firenen-kafa” niaraka tamin’ny Israelita niala tany Ejipta. Mety ho nanomboka nino an’i Jehovah ny sasany tamin’izy ireny, rehefa nahita hoe tanteraka izay nolazain’i Mosesy momba ny Loza Folo. (Eks. 12:38) Inona no ho tsapantsika raha misy hoatr’izany mitranga aorian’ny handravana an’i Babylona Lehibe? Ho sorena ve isika, raha lasa misy olona afaka miaraka amintsika aloha kelin’ny hahatongavan’ny farany? Mazava ho azy fa tsia! Tiantsika kosa ny hanahaka ny toetran’ilay Raintsika any an-danitra. Izy mantsy “Andriamanitra mamindra fo sy mangoraka, tsy mora tezitra, tena be fitiavana sy tsy mivadika sady tena tia fahamarinana.” b​—Eks. 34:6.

Hisy amin’ireo olona hahita ny fandringanana an’i “Babylona Lehibe” no hahatadidy hoe efa ela ny Vavolombelon’i Jehovah no niresaka momba an’izany (Fehintsoratra 12-13) d


14-15. Miankina amin’ny fotoana ahafatesan’ny olona iray na ny toerana ipetrahany ve ny hoaviny mandrakizay? Hazavao. (Salamo 33:4, 5)

14 Indraindray isika maheno olona miteny hoe: “Aleoko ny havako maty alohan’ny hanombohan’ny fahoriana lehibe, amin’izay mba misy fanantenana hoe hatsangana amin’ny maty izy.” Azo antoka fa tsara ny antony mahatonga azy hilaza an’izany. Tsy miankina amin’ny fotoana ahafatesan’ny olona iray anefa ny hoaviny mandrakizay. Mpitsara lavorary i Jehovah, ka araka ny rariny sy ny hitsiny ny didim-pitsarany. (Vakio ny Salamo 33:4, 5.) Afaka matoky isika fa hanao ny rariny ilay “Mpitsara ny tany manontolo.”​—Gen. 18:25.

15 Ara-dalàna koa raha mieritreritra isika fa tsy miankina amin’ny toerana ipetrahan’ny olona iray ny hoaviny mandrakizay. Misy olona an-tapitrisany, ohatra, mipetraka any amin’ny tany mbola tsy nahafahan-dry zareo naheno ny hafatra momba ilay Fanjakana mihitsy. Sarotra inoana àry hoe tonga dia hosokajin’i Jehovah hoe “osy” izy ireny. (Mat. 25:46) Manao ny rariny mantsy ilay Mpitsara ny tany manontolo, dia mbola mihoatra lavitra noho ny antsika ny fiahiany azy ireny. Tsy haintsika hoe ahoana no hitarihan’i Jehovah ny zava-mitranga mandritra ny fahoriana lehibe. Ho afaka hianatra momba an’i Jehovah sy haneho finoana azy ary hiandany aminy angamba ny sasany amin’izy ireny, rehefa manamasina ny tenany eo anatrehan’ny firenena rehetra i Jehovah.​—Ezek. 38:16.

Mety hisy hiova fo ve rehefa mahita an’ireo zava-mitranga ireo, aorian’ny hanombohan’ny fahoriana lehibe?

16. Inona no nianarantsika momba an’i Jehovah? (Jereo koa ny sary.)

16 Nianarantsika tao amin’ny Baiboly fa sarobidy be amin’i Jehovah ny ain’ny olona. Nanome ny ain’ny Zanany izy, amin’izay isika rehetra afaka manantena ny hiaina mandrakizay. (Jaona 3:16) Isika rehetra mihitsy no mahatsapa hoe be fitiavana i Jehovah! (Isaia 49:15) Hainy ny anarantsika tsirairay. Raha ny marina aza, dia fantany tsara mihitsy isika, ka raha sanatria isika maty dia vitany ny mamorona indray an’ireo tsipiriany rehetra mampiavaka antsika sy mamerina amin’ny laoniny ny fitadidiantsika. (Mat. 10:29-31) Tsy tokony hisalasala mihitsy àry isika hoe rehefa hitsara ny olona tsirairay ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra, dia tena hahay handanjalanja sy hanao ny rariny ary hamindra fo.​—Jak. 2:13.

Tsy hisalasala mihitsy isika hoe rehefa hitsara ny olona tsirairay i Jehovah, dia tena handanjalanja sy hanao ny rariny ary hamindra fo (Fehintsoratra 16)


17. Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

17 Vao mainka maika noho ny hatramin’izay ny asa fitoriantsika, araka ireo fanazavana vaovao ireo. Nahoana isika no milaza an’izany? Inona no mandrisika antsika hazoto hitory ny vaovao tsara foana? Hodinihintsika amin’ny an-tsipiriany ny valin’ireo ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

HIRA 76 Hoatran’ny Ahoana Moa?

a Manazava ny anton’io fanovana io ilay lahatsoratra hoe “Izany no Sitrakao”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Martsa 2015, p. 7-11.

b Hotsapaina ny finoan’ny mpanompon’i Jehovah rehetra mandritra ny fanafihan’i Goga avy any Magoga, aorian’ny handravana an’i Babylona Lehibe. Hotsapaina hoatr’izany koa izay rehetra miandany amin’ny vahoakan’Andriamanitra rehefa ringana i Babylona Lehibe.

c SARY: Sary telo mampiseho hoe nahoana ny olona sasany no mety tsy haheno ny hafatra torintsika eran-tany: 1) Vehivavy mipetraka any amin’ny tany mampidi-doza raha itoriana, noho ny fivavahana be mpanaraka misy any, 2) mpivady any amin’ny tany andrarana ny asantsika ka mampidi-doza ny mitory any noho ny karazana fitondram-panjakana misy any, ary 3) lehilahy mipetraka any amin’ny faritra faran’izay mitokana sy sarotra andehanana.

d SARY: Tovovavy niala tamin’ny fahamarinana nefa atỳ aoriana mahatadidy an’izay nianarany momba ny fandravana an’i “Babylona Lehibe.” Niova izy dia miverina any amin’ny ray aman-dreniny Vavolombelona. Raha misy hoatr’izany, dia te hamindra fo sy hangoraka hoatran’ilay Raintsika any an-danitra isika, ary ho faly satria misy mpanota miverina aminy.