Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HEVITRA AZO IANARANA

Miaritra ny Tsy Rariny ve Ianao?

Miaritra ny Tsy Rariny ve Ianao?

Vakio ny Genesisy 37:23-28; 39:17-23: Ho hitanao ao izay azo ianarana avy amin’ny tantaran’i Josefa momba ny fiaretana ny tsy rariny.

Fakafakao ny teny manodidina: Inona no nahatonga an’i Josefa hiharan’ny tsy rariny? (Gen. 37:3-11; 39:1, 6-10) Hafiriana izy no niaritra an’izany? (Gen. 37:2; 41:46) Inona no nataon’i Jehovah ho azy nandritra an’izay fotoana izay, ary inona no tsy nataony?​—Gen. 39:2, 21; w23.01 17 § 13.

Fakafakao ilay tantara: Tsy milaza ny Baiboly hoe niaro tena i Josefa rehefa nendrikendrehin’ny vadin’i Potifara. Nahoana ireto andininy ireto no manampy antsika hahazo hoe inona no mety ho nahatonga an’i Josefa hifidy ny hangina, na maninona isika no tsy tokony hanantena hoe horesahina amintsika amin’ny an-tsipiriany daholo izay nitranga? (Ohab. 20:2; Jaona 21:25; Asa. 21:37) Inona avy ny toetra mety ho nanampy an’i Josefa hiaritra ny tsy rariny?​—Mika 7:7; Lioka 14:11; Jak. 1:2, 3.

Fantaro hoe inona ny lesona azonao raisina. Diniho izao: