LAHATSORATRA FIANARANA 26

HIRA 8 Jehovah no Fialofantsika

Ataovy Vatolampinao i Jehovah

Ataovy Vatolampinao i Jehovah

“Tsy misy vatolampy tahaka ny Andriamanitsika.”​—1 SAM. 2:2.

HEVITRA HODINIHINA

Hianarantsika ato hoe maninona i Jehovah no antsoina hoe vatolampy, ary ahoana no anahafantsika ny toetrany.

1. Ampitovin’i Davida amin’inona i Jehovah, ao amin’ny Salamo 18:46?

 MIATRIKA olana tsy ampoizina isika eto amin’izao tontolo izao, ary mety hanakorontana na hanova tanteraka ny fiainantsika izany. Soa ihany fa afaka mangataka fanampiana amin’i Jehovah Andriamanitra isika! Nampahatsiahivina tao amin’ilay lahatsoratra teo aloha hoe Andriamanitra velona i Jehovah, ary vonona hanampy antsika foana izy. Rehefa hitantsika hoe manohana antsika izy, dia manome toky antsika izany fa “velona i Jehovah!” (Vakio ny Salamo 18:46.) Vao avy niteny an’izany anefa i Davida, dia niantso an’Andriamanitra hoe “Vatolampiko.” Maninona ilay Andriamanitra velona no nampitoviny tamin’ny zavatra tsy mananaina, izany hoe tamin’ny vatolampy?

2. Inona no hodinihintsika ato?

2 Nahoana i Jehovah no antsoina hoe vatolampy, ary inona no ianarantsika momba azy avy amin’io sarin-teny io? Inona no azontsika atao raha tiantsika ho Vatolampintsika izy? Ary ahoana no ananantsika an’ireo toetra mampiavaka ny vatolampy, hoatran’ny an’i Jehovah? Ireo no hodinihintsika ato.

NAHOANA I JEHOVAH NO ATAO HOE VATOLAMPY?

3. Ahoana matetika ny fomba ampiasan’ny Baiboly an’ilay teny hoe “vatolampy”? (Jereo ny sary.)

3 Mampiasa an’ilay sarin-teny hoe “vatolampy” ny Baiboly, mba hanampiana antsika hahazo tsara ny toetran’i Jehovah. Matetika io teny io no hita ao amin’ny andininy iderana an’Andriamanitra, noho izy tsy manan-tsahala. Ao amin’ny Deoteronomia 32:4 i Jehovah no antsoina voalohany hoe “ilay Vatolampy.” Nilaza hoatr’izao koa i Hana rehefa nivavaka: “Tsy misy vatolampy tahaka ny Andriamanitsika.” (1 Sam. 2:2) Niantso an’i Jehovah hoe “Vatolampy” koa i Habakoka. (Hab. 1:12) Ilay mpanoratra ny Salamo faha-​73 indray niantso an’Andriamanitra hoe “vatolampin’ny foko.” (Sal. 73:26) I Jehovah mihitsy koa no nilaza hoe vatolampy izy. (Isaia 44:8) Andao isika handinika toetra telo ananan’i Jehovah mahatonga azy ho toy ny vatolampy. Hojerentsika koa izay azontsika atao mba ho “Vatolampintsika” izy.​—Deot. 32:31.

Hoatran’ny Vatolampy mahavita miaro no fahitan’ny vahoakan’Andriamanitra an’i Jehovah (Fehintsoratra 3)


4. Nahoana i Jehovah no hoe fialofana? (Salamo 94:22)

4 Fialofana i Jehovah. Toerana azo iafenana amin’ny oram-baratra mampahatahotra ny vatolampy ngezabe. Hoatr’izany koa i Jehovah. Miaro antsika izy rehefa miatrika zava-tsarotra mampanahy antsika isika. (Vakio ny Salamo 94:22.) Ataony azo antoka foana hoe voaro ny fifandraisantsika aminy, ary tsy avelany hijaly mandrakizay isika. Mampanantena mihitsy aza izy fa hofoanany izay zavatra mety hahatonga antsika tsy hilamin-tsaina sy hijaly.​—Ezek. 34:25, 26.

5. Ahoana no hahatonga an’i Jehovah ho toy ny Vatolampy Fialofantsika?

5 Manao an’i Jehovah ho toy ny Vatolampy Fialofantsika, ohatra, isika rehefa mivavaka aminy. Omeny antsika ny ‘fiadanany’ rehefa manao an’izany isika, ary miambina ny fontsika sy ny saintsika izy io. (Fil. 4:6, 7) Diniho ny zavatra niainan’i Artem, rahalahy nogadraina noho ny finoany. Imbetsaka izy no natao famotorana ary nasiaka be ilay nanao an’izany. Nampijalijaly sy nanambanimbany azy izy. Hoy i Artem: ‘Niady saina be aho isaky ny nanadihady ahy ilay mpanao famotorana. Nivavaka tamin’i Jehovah foana aho. Nangataka taminy aho mba hanampy ahy ho tony sy hanana fahendrena. Tsy nahavita nampivadika ahy mihitsy ilay mpanao famotorana na dia nanao tetika isan-karazany aza. Hoatran’ny hoe nijoro tao ambadiky ny manda vato be anankiray aho, satria nanampy ahy i Jehovah.’

6. Nahoana isika no afaka miantehitra amin’i Jehovah foana? (Isaia 26:3, 4)

6 Azo ianteherana i Jehovah. Ho eo foana i Jehovah hanampy antsika, hoatran’ny vatolampy tsy azo afindrafindra. Afaka matoky azy isika satria izy no “Vatolampy mandrakizay.” (Vakio ny Isaia 26:3, 4.) Ho velona foana izy mba hihaino ny vavaka ataontsika, sy tsy hivadika amin’ny fampanantenany, ary hanome ny fanampiana ilaintsika. Afaka miantehitra aminy koa isika, satria tsy mivadika amin’ny mpanompony izy. (2 Sam. 22:26) Tsy hohadinoiny mihitsy izay ataontsika, ary hamaly soa antsika foana izy.​—Heb. 6:10; 11:6.

7. Inona no ho vokany raha miantehitra amin’i Jehovah isika? (Jereo koa ny sary.)

7 Manao an’i Jehovah ho Vatolampintsika isika rehefa miantehitra tanteraka aminy. Matoky isika hoe hahasoa antsika ny mankatò azy, na dia ao anatin’ny sarotra aza. (Isaia 48:17, 18) Vao mainka isika hatoky azy rehefa mahatsapa hoe ampiany. Ho vonona kokoa isika amin’izay ny hiatrika fitsapana, izay tsy ho vitantsika ny hiatrika azy raha tsy eo i Jehovah. Matetika mantsy amin’ilay fotoana tsy misy na iza na iza isarangotana iny no mahatsapa isika hoe hay tena azo ianteherana i Jehovah! Hoy i Vladimir: “Tamin’iny izaho notanana am-ponja vonjy maika iny aloha no tiako indrindra ny fifandraisako tamin’Andriamanitra e! Nianatra natoky an’i Jehovah kokoa aho, satria izaho irery no tany sady tsy afa-nanoatra aho.”

Ataontsika Vatolampintsika i Jehovah rehefa miantehitra tanteraka aminy isika (Fehintsoratra 7)


8. a) Nahoana isika no milaza hoe tsy miovaova i Jehovah? b) Inona ny soa azontsika raha ataontsika Vatolampintsika Andriamanitra? (Salamo 62:6, 7)

8 Tsy miovaova i Jehovah. Tsy azo hozongozonina sy tsy miovaova hoatran’ny vatolampy ngezabe i Jehovah. Tsy miova mihitsy ny toetrany sy ny fikasany. (Mal. 3:6) Tsy nampiova ny fikasany ny fikomiana tany Edena. “Tsy toetrany” mantsy ilay hoe mivadibadika, araka ny nosoratan’ny apostoly Paoly. (2 Tim. 2:13) Midika izany fa na inona na inona mitranga ary na inona na inona ataon’ny hafa, dia tsy hiova mihitsy ny toetran’i Jehovah sy ny fikasany ary ny fitsipiny. Afaka matoky isika fa hamonjy antsika sady hanampy antsika hiatrika fotoan-tsarotra ilay Andriamanitsika tsy miovaova.​—Vakio ny Salamo 62:6, 7.

9. Inona no ianaranao avy amin’ny tantaran’i Tatyana?

9 Manao an’i Jehovah ho Vatolampintsika isika, rehefa mifantoka amin’ny toetrany sy mitadidy foana ny fikasany. Manampy antsika ho tony foana izany rehefa miaritra fitsapana isika. (Sal. 16:8) Izany no tsapan’ny Ranabavy Tatyana, tamin’izy nambenana tao an-tranony noho ny finoany. Hoy izy: “Tena hoe irery ara-bakiteny aho. Mafy be ilay izy tamin’ny voalohany, dia matetika aho no kivy.” Rehefa hitany anefa hoe misy ifandraisany amin’i Jehovah sy ny fikasany ny fitsapana nahazo azy, dia lasa tony sy nahazo hery indray izy. Izao no notantarainy: “Tena nanampy ahy ny nisaintsaina hoe fa maninona moa aho no tratran’izao. Lasa tadidiko mantsy hoe ho an’i Jehovah no iaretako an’ireny rehetra ireny, dia lasa tsy mifantoka be amin’ny tenako intsony aho.”

10. Inona no azontsika atao mba ho Vatolampintsika i Jehovah dieny izao?

10 Hiatrika fitsapana isika amin’ny hoavy, ary amin’izay indrindra isika no mila miantehitra amin’i Jehovah mihoatra noho ny hatramin’izay. Amin’izao àry isika no tokony hiezaka ho resy lahatra kokoa fa hanome antsika an’izay ilaintsika izy mba hiaretana sy tsy hivadihana aminy. Ahoana no anaovana an’izany? Vakio ireo tantara ao amin’ny Baiboly sy ny zavatra iainan’ny Vavolombelona amin’izao. Diniho hoe ahoana no nanohanan’Andriamanitra ny mpanompony, ka nampisehoany hoe manana toetra hoatran’ny an’ny vatolampy izy. Saintsaino ireny tantara ireny. Hanao an’i Jehovah ho Vatolampinao koa ianao amin’izay.

TAHAFO IREO TOETRAN’I JEHOVAH IREO

11. Nahoana isika no te hanahaka ny toetran’i Jehovah? (Jereo koa ilay hoe “ Tanjona ho An’ny Rahalahy Tanora.”)

11 Hitantsika teo ireo toetran’i Jehovah mahatonga azy ho toy ny vatolampy. Hodinihintsika izao hoe ahoana no anahafana an’ireo toetrany ireo. Vao mainka isika hahay hampahery ny fiangonana arakaraka ny anaovantsika an’izany. Nantsoin’i Jesosy hoe Kefasy, ohatra, i Simona. Nadika hoe “Petera” ny hoe Kefasy, izay midika hoe “Sila-bato.” (Jaona 1:42) Inona no tian’i Jesosy hotenenina tamin’izany? Hoe hampionona sy hanatanjaka ny fiangonana i Petera. Antsoina hoe “aloky ny vatolampy lehibe” koa ny anti-panahy. Asehon’izany fa miaro ny fiangonana ry zareo. (Isaia 32:2) Mazava ho azy fa mandray soa ny fiangonana, rehefa ny rahalahy sy anabavy rehetra no miezaka hanana an’ireo toetra mampiavaka ny vatolampy, hoatran’ny an’i Jehovah.​—Efes. 5:1.

12. Ahoana no atao raha te ho fialofana ho an’ny hafa isika?

12 Miezaha ho fialofana. Misy fotoana isika afaka manome fialofana ara-bakiteny ho an’ny mpiara-manompo, rehefa misy loza araka ny natiora, korontana, na ady. Vao mainka isika ho afaka hifanampy hoatr’izany, arakaraka ny itomboan’ny faharatsiana amin’izao “andro farany” izao. (2 Tim. 3:1) Azo lazaina hoe fialofana ho an-dry zareo koa isika raha manome an’izay ilainy ara-pihetseham-po sy ara-panahy. Ahoana, ohatra, no anaovana an’izany? Ataovy tsapany hoe raisina tsara izy any amin’ny Efitrano Fanjakana, sy hoe mahafinaritra sady mampahery ny any. Masiaka be sy tsy manam-pitiavana mantsy ny olona eo amin’izao tontolo izao, sady betsaka ny zavatra mampiady saina. Rehefa tonga mivory àry ny rahalahy sy anabavintsika, dia te hanao izay azontsika atao isika mba hahatsapany hoe tiana sy velombelona ary voaro.

13. Inona no azon’ny anti-panahy atao raha te ho fialofana ho an’ny hafa ry zareo? (Jereo koa ny sary.)

13 Afaka ny ho fialofana koa ny anti-panahy, rehefa miatrika oram-baratra ara-bakiteny na an’ohatra ny olona ao amin’ny fiangonana. Rehefa misy loza na olona mila fitsaboana maika, dia tonga dia manao fandaharana ny anti-panahy mba hanampiana an-dry zareo. Tsy hadinony koa anefa ny mikarakara ny ara-panahin-dry zareo. Vonona kokoa hanatona anti-panahy ny rahalahy sy anabavy, raha malaza hoe tsara fanahy sy mahay miombom-pihetseham-po ary vonona hihaino izy. Hahatonga ny hafa hahatsapa ho voakarakara tsara ny toetra hoatran’ireo. Ho mora kokoa aminy amin’izay ny hampihatra an’izay tari-dalana avy ao amin’ny Baiboly omen’ny anti-panahy.​—1 Tes. 2:7, 8, 11.

Fialofana ny anti-panahy rehefa miatrika oram-baratra ara-bakiteny sy an’ohatra ny olona ao amin’ny fiangonana (Fehintsoratra 13) a


14. Ahoana no ampisehoana hoe azo ianteherana isika?

14 Miezaha ho azo ianteherana. Tiantsika raha afaka miantehitra amintsika ny hafa, indrindra rehefa ao anatin’ny sarotra. (Ohab. 17:17) Inona no azo atao mba ho fantatry ny olona hoe azo ianteherana isika? Miezaha mafy mba hampiseho toetra tsara foana, ohatra hoe tsy mivadika amin’ny fampanantenantsika sy manao izay azo atao mba ho marim-potoana. (Mat. 5:37) Afaka manome tanana an’izay mila fanampiana koa isika. Ankoatra izay, dia vitaintsika tsara izay fanendrena azontsika, ary ataontsika mifanaraka amin’izay toromarika nomena antsika.

15. Inona ny soa azon’ny fiangonana rehefa azo ianteherana ny anti-panahy?

15 Mahasoa ny fiangonana ny anti-panahy azo ianteherana. Nahoana? Mahatsapa hoe misy manohana ny mpitory, raha tonga izy dia afaka miantso ny anti-panahy, ohatra hoe ny mpiandraikitra ny andia-mpitoriny, isaky ny mila fanampiana. Mahatsapa ho voakarakara tsara koa izy, rehefa fantany fa vonona hanampy ny anti-panahy. Matoky ny anti-panahy ny mpiara-manompo, raha tsy ny heviny manokana no resahiny rehefa manoro hevitra, fa izay resahin’ny Baiboly sy ny boky sy gazety avoakan’ny mpanompo mendri-pitokisana. Vao mainka hatoky ny anti-panahy ny rahalahy sy anabavy, raha mahatana tsiambaratelo izy sady manao an’izay nampanantenainy hoe hataony.

16. Inona ny soa ho azontsika sy ny olon-kafa raha tsy miovaova isika?

16 Miezaha tsy hiovaova. Ho modely isika raha tsy azo hozongozonina fa manao ny tsara foana, ary ataontsika mifanaraka amin’ny tari-dalan’ny Baiboly ny fanapahan-kevitsika. Vao mainka isika tsy hiala amin’ny fahamarinana, rehefa mitombo ny finoantsika sy ny fahalalantsika. Tsy hisalasala isika, dia tsy hiovaova, na ho mora voatariky ny fampianaran-diso sy ny fomba fisainan’izao tontolo izao. (Efes. 4:14; Jak. 1:6-8) Ho tony foana isika rehefa maheno vaovao ratsy, satria matoky an’i Jehovah sy ny fampanantenany. (Sal. 112:7, 8) Ho afaka hanampy an’izay miatrika olana koa isika.​—1 Tes. 3:2, 3.

17. Inona no azon’ny anti-panahy atao mba hanampiana ny hafa tsy hiovaova?

17 Ampirisihina ny anti-panahy mba hahay handanjalanja amin’izay zavatra fanaony, hisaina tsara, ho tia filaminana, ary handefitra. Hanampy ny fiangonana mba tsy hiovaova sy hanana finoana matanjaka ry zareo, raha “manaraka tsara an’ilay teny azo antoka.” (Tit. 1:9; 1 Tim. 3:1-3) Manome modely ry zareo sady mitsidika ny ondry, dia izany no manampy ny mpitory hivory sy hanompo ary hianatra samirery tsy tapaka. Ahoana indray raha miatrika olana mampiady saina ny rahalahy sy anabavy? Tena afaka mampahery an-dry zareo ny anti-panahy, rehefa mampahatsiahy azy hoe mila matoky an’i Jehovah sy ny fampanantenany ry zareo.

18. Nahoana isika no tokony hidera an’i Jehovah sy hifandray akaiky kokoa aminy? (Jereo koa ilay hoe “ Fomba Ifandraisana Akaiky Kokoa Amin’i Jehovah.”)

18 Rehefa avy nandinika an’ireo toetra mahafinaritra ananan’i Jehovah isika, dia afaka milaza hoatran’i Davida Mpanjaka hoe: “Hoderaina anie i Jehovah, ilay Vatolampiko.” (Sal. 144:1) Ho azontsika ianteherana foana i Jehovah. Afaka milaza isika mandritra ny androm-piainantsika, na dia rehefa antitra aza hoe: “Vatolampiko izy.” Matoky mantsy isika fa hanampy antsika hifandray akaiky aminy foana izy.​—Sal. 92:14, 15.

HIRA 150 Mitadiava An’i Jehovah mba ho Voavonjy

a SARY: Anabavy tsy misalasala manatona anti-panahy roa ao amin’ny Efitrano Fanjakana.