Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 24

HIRA 24 Andao ho any An-tendrombohitr’i Jehovah

Miezaha ho Vahinin’i Jehovah Mandrakizay

Miezaha ho Vahinin’i Jehovah Mandrakizay

“Jehovah ô, iza no afaka mivahiny ao amin’ny tranolainao?”​—SAL. 15:1.

HEVITRA HODINIHINA

Hodinihina ato hoe inona no takina amin’izay te ho naman’i Jehovah foana, ary hojerentsika indray hoe ahoana no tiany hitondrantsika ny namany.

1. Nahoana no mahasoa antsika ny mandinika ny Salamo 15:1-5?

 HITANTSIKA tao amin’ilay lahatsoratra teo aloha hoe afaka ny hivahiny ao amin’ny tranolain’i Jehovah ny mpanompony nanokan-tena ho azy, raha miezaka hifandray akaiky aminy. Inona anefa no takina amin’izay te hifandray aminy hoatr’izany? Miresaka betsaka momba an’izany ny Salamo faha-​15. (Vakio ny Salamo 15:1-5.) Misy lesona azo ampiharina ao, ary hanampy antsika hifandray akaiky kokoa amin’Andriamanitra izany.

2. Inona no mety ho nahatonga an’i Davida mpanao salamo hiresaka momba ny tranolain’i Jehovah?

2 Izao no fiandohan’ny Salamo faha-​15: “Jehovah ô, iza no afaka mivahiny ao amin’ny tranolainao? Iza no afaka monina ao amin’ny tendrombohitrao masina?” (Sal. 15:1) Inona no tao an-tsain’i Davida mpanao salamo, rehefa niresaka momba ny ‘tranolain’i’ Jehovah izy? Angamba ilay tranolay napetraka tany Gibeona nandritra ny fotoana kelikely. Niresaka momba ny ‘tendrombohitra masina’ koa i Davida. I Ziona any Jerosalema angamba no tiany holazaina teo, ary kilaometatra vitsivitsy tany atsimon’i Gibeona no nisy azy io. Nanangana tranolay tany i Davida mba hametrahana an’ilay vata misy ny fifanekena, mandra-panorina trano hametrahana azy io maharitra kokoa.​—2 Sam. 6:17.

3. Nahoana no tokony hahaliana antsika ny Salamo faha-​15? (Jereo koa ny sary.)

3 Mazava ho azy fa tsy navela hanompo tao amin’ny tranolay masina mihitsy ny ankamaroan’ny Israelita, mainka moa fa ny hidikiditra tao amin’ilay tranolay nametrahana ny vata misy ny fifanekena. Hoatran’ny hoe afaka nivahiny tao amin’ilay tranolain’i Jehovah anefa ny mpanompony tsy mivadika rehetra, rehefa lasa namany sy mijanona ho toy izany foana. Izany no irintsika rehetra. Asongadina ao amin’ny Salamo faha-15 ny toetra sasany mila iezahantsika ananana sy aseho, raha tiantsika ny ho naman’i Jehovah foana.

Mora tamin’ny Israelita tamin’ny andron’i Davida ny nahazo sary an-tsaina an’izany hoe mivahiny ao an-tranolain’i Jehovah izany (Fehintsoratra 3)


MANDEHA TSY MISY TSINY SY MANAO IZAY MAHITSY

4. Ahoana no ahalalantsika hoe tsy ny batisa ihany no takin’i Jehovah amintsika? (Isaia 48:1)

4 Milaza ny Salamo 15:2 fa “mandeha tsy misy tsiny sy manao izay mahitsy” ny naman’Andriamanitra. Ilay teny hoe “mandeha” sy “manao” eo, dia midika hoe misy zavatra tsy maintsy tohizina foana. Tena afaka ny hoe “mandeha tsy misy tsiny” ve anefa isika? Ie. Marina hoe tsy misy olombelona lavorary. “Mandeha tsy misy tsiny” anefa isika eo anatrehan’i Jehovah, raha manao izay fara herintsika mba hankatoavana azy. Vao manomboka miara-mandeha amin’Andriamanitra isika rehefa manokan-tena ho azy sy atao batisa. Mariho fa na dia anisan’ny firenen’Israely aza ny olona iray taloha, dia tsy tonga dia hoe nahafeno fepetra ho vahinin’i Jehovah. Nisy tamin’izy ireny mantsy niantso azy, nefa ‘tsy nanao an’izany tamin’ny fo madio sady tsy nanao ny tsara.’ (Vakio ny Isaia 48:1.) Tsy maintsy nianatra sy nampihatra an’izay notakin’i Jehovah ny Israelita tso-po. Hoatr’izany koa amin’izao. Raha te hankasitrahan’Andriamanitra isika, dia tsy ampy fotsiny ny hoe atao batisa sy mifanerasera amin’ny fiangonana kristianina. Tsy maintsy “manao izay mahitsy” foana isika. Ahoana izany?

5. Inona no dikan’ny hoe mankatò an’i Jehovah amin’ny zava-drehetra?

5 Tsy hoe mandray anjara tsy tapaka amin’ny zavatra sasany atao ao amin’ny toeram-pivavahana iray fotsiny ny hoe “mandeha tsy misy tsiny sy manao izay mahitsy” eo imason’i Jehovah. (1 Sam. 15:22) Tsy maintsy miezaka mafy mankatò azy isika amin’izay rehetra ataontsika, na dia rehefa irery aza. (Ohab. 3:6; Mpito. 12:13, 14) Zava-dehibe ny miezaka mankatò an’i Jehovah, na dia amin’ny zavatra azo lazaina hoe madinika aza. Asehontsika amin’izany mantsy fa tena tia azy isika, dia vao mainka izy tsy hahafoy antsika.​—Jaona 14:23; 1 Jaona 5:3.

6. Inona no zava-dehibe kokoa noho ny hoe efa tsy nivadika isika taloha, araka ny Hebreo 6:10-12?

6 Tena ankasitrahan’i Jehovah izay efa nataontsika ho azy. Na dia tsy nivadika taminy aza anefa isika taloha, dia tsy hoe mahafeno fepetra hivahiny ao an-tranolainy foana. Miresaka mazava momba an’izany ny Hebreo 6:10-12. (Vakio.) Tsy hadinon’i Jehovah ny asa tsara nataontsika. Tiany anefa isika raha manompo azy amin’ny fo manontolo foana “hatramin’ny farany.” Hamaly soa antsika izy dia hinamana amintsika mandrakizay, “raha tsy kivy” isika.​—Gal. 6:9.

MILAZA NY MARINA AO AM-PO

7. Inona no dikan’ny hoe milaza ny marina ao am-po?

7 Tsy maintsy “milaza ny marina ao am-pony”, izay te heken’i Jehovah hivahiny ao amin’ny tranolainy. (Sal. 15:2) Tsy hoe tsy mandainga fotsiny no dikan’izany. Tian’i Jehovah hanao sy hilaza ny marina foana mantsy isika. (Heb. 13:18) Zava-dehibe izany, satria “halan’i Jehovah ny olona fetsifetsy, fa ataony namana akaiky kosa ny olona manao izay mahitsy.”​—Ohab. 3:32.

8. Inona no tsy tokony hataontsika?

8 Tsy mody miseho hoe mankatò ny lalàn’Andriamanitra eny imason’olona ireo “milaza ny marina ao am-pony”, nefa mandika an’izany rehefa tsy misy mahita. (Isaia 29:13) Tsy fetsifetsy izy rehefa manao zavatra. Mety hanomboka hieritreritra ny olona iray fetsifetsy fa tsy tena fahendrena ny manaraka ny fitsipik’i Jehovah sasany. (Jak. 1:5-8) Mety tsy hankatò an’i Jehovah izy amin’izay zavatra heveriny hoe tsy dia zava-dehibe. Raha hitany hoe hoatran’ny tsy misy vokany ratsy ny tsy fankatoavany, dia mety ho vao mainka izy ho sahisahy handika ny lalàn’Andriamanitra, ka lasa fihatsarambelatsihy fotsiny ny fanompoana ataony. (Mpito. 8:11) Isika kosa te hanao ny marina amin’ny zava-drehetra.

9. Inona no ianarantsika avy tamin’ny fihaonan’i Jesosy voalohany tamin’i Natanaela? (Jereo koa ny sary.)

9 Zava-dehibe ny hoe tso-po. Hitantsika izany tamin’i Jesosy vao nihaona tamin’i Natanaela. Nisy zavatra tena niavaka mantsy rehefa nentin’i Filipo tany amin’i Jesosy io namany io. Mbola tsy nahita an’i Natanaela mihitsy i Jesosy nefa izao no nolazainy: “Izany ka tena Israelita, sady olona tsy misy fitaka!” (Jaona 1:47) Azo antoka fa hitan’i Jesosy koa hoe nanao sy nilaza ny marina ny mpianany hafa, fa tena niavaka ny an’i Natanaela. Tsy lavorary hoatr’antsika izy. Tsy mba nihatsaravelatsihy mihitsy anefa izy na dia kely aza. Nampiaiky an’i Jesosy izany, dia nidera azy izy. Tombontsoa be koa raha mba afaka milaza an’izany momba antsika i Jesosy!

Nentin’i Filipo tany amin’i Jesosy i Natanaela, ilay lehilahy tsy misy fitaka. Azo lazaina hoe hoatr’izany koa ve isika? (Fehintsoratra 9)


10. Nahoana isika no tokony hitandrina an’izay lazaintsika? (Jakoba 1:26)

10 Mahakasika ny fomba itondrantsika ny hafa ny ankamaroan’ny fepetra voatanisa ao amin’ny Salamo faha-​15. Izao no lazain’ny Salamo 15:3 momba an’izay mivahiny ao an-tranolain’i Jehovah: “Tsy manendrikendrika amin’ny lelany izy, na manisy ratsy olona, na manala baraka ny namany.” Mety tena handratra ny fon’ny hafa mantsy isika raha manao an’izany, ary mety tsy hahafeno fepetra hivahiny ao an-tranolain’i Jehovah intsony.​—Vakio ny Jakoba 1:26.

11. Inona no dikan’ny hoe manendrikendrika, ary hatao ahoana izay mpanendrikendrika tsy mibebaka?

11 Nosinganin’ny mpanao salamo ilay hoe manendrikendrika. Inona no dikan’izany? Amin’ny ankapobeny, ny hoe manendrikendrika dia midika hoe milaza zavatra tsy marina mba hanaratsiana ny lazan’ny olona iray. Esorina tsy ho anisan’ny fiangonana kristianina ny mpanendrikendrika tsy mibebaka.​—Jer. 17:10.

12-13. Rahoviana, ohatra, isika no mety hanala baraka ny namantsika na dia tsy fanahy iniantsika aza? (Jereo koa ny sary.)

12 Mampahatsiahy antsika koa ny Salamo 15:3 fa tsy manisy ratsy olona na manala baraka ny namany ny vahinin’i Jehovah. Inona no mety ho tafiditra amin’izany?

13 Mety hanala baraka olona iray isika raha manaparitaka zavatra tsy tsara momba azy, na dia tsy fanahy iniantsika aza. Eritrereto, ohatra, hoe: 1) Nijanona tsy nanompo manontolo andro ny anabavy iray, 2) tsy manompo ao amin’ny Betela intsony ny mpivady iray, na 3) tsy anti-panahy na mpikarakara fiangonana intsony ny rahalahy iray. Mety ve ny manombantombana ny mety ho antony nahatonga an’izany fiovana izany, dia hiresaka ny hevitsika amin’ny olon-kafa? Mety ho betsaka amin’ny anton’ilay fanovana ange no tsy fantatsika e! Ankoatra izay, dia tsy “manisy ratsy olona, na manala baraka ny namany” izay mivahiny ao an-tranolain’i Jehovah.

Mora ny milaza zavatra tsy tsara momba ny hafa, ka mety tsy ho hitahita akory dia hivadika ho fanendrikendrehana izany (Fehintsoratra 12-13)


MANAJA AN’IZAY MATAHOTRA AN’I JEHOVAH

14. Hazavao ilay hoe tsy mety miaraka amin’ny “olona tsy misy ilana azy” ny vahinin’i Jehovah.

14 Milaza ny Salamo 15:4 fa “tsy mety miaraka amin’ny olona tsy misy ilana azy” ny naman’i Jehovah. Ahoana no hampiharana an’izany? Olona tsy lavorary isika, dia tsy afaka mamaritra mihitsy hoe tsy misy ilana azy ny olona iray. Nahoana? Mety ho tonga dia hahafinaritra antsika ny olona sasany satria tiantsika ny toetrany, fa mahasosotra antsika kosa ny an’ny hafa. Izay lazain’i Jehovah hoe “tsy misy ilana azy” ihany àry no tsy tokony hiarahantsika. (1 Kor. 5:11) Anisan’izany ireo zatra manao ratsy nefa tsy mibebaka, ireo tsy manaja ny finoantsika sy ny zavatra nampianarina antsika, na ireo miezaka hampihena ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra.​—Ohab. 13:20.

15. Ahoana, ohatra, no ampisehoantsika hoe manaja an’izay “matahotra an’i Jehovah” isika?

15 Milaza an’izay tsy maintsy ataontsika kosa ny Salamo 15:4 avy eo hoe: ‘Hajao izay matahotra an’i Jehovah.’ Mitady fomba àry isika hampisehoana hoe tsara fanahy sy manaja ny naman’i Jehovah isika. (Rom. 12:10) Manao an’izany, ohatra, ny vahinin’i Jehovah rehefa “tsy mivadika amin’ny fampanantenany ... na dia mitondra fahavoazana ho azy aza izany”, araka io Salamo 15:4 io. Tena hampalahelo ny hafa isika raha tsy mitana ny teny nataontsika. (Mat. 5:37) Manantena, ohatra, i Jehovah fa hitana ny voadim-panambadiana nataony ny vahininy. Faly koa izy rehefa miezaka mafy mitana ny teniny ny ray aman-dreny, raha nampanantena zavatra ho an’ny zanany. Tia an’Andriamanitra sy ny namantsika isika, dia handrisika antsika izany hitana ny tenintsika araka izay azontsika atao.

16. Ahoana koa no hanajantsika ny naman’i Jehovah?

16 Manaja ny naman’Andriamanitra koa isika rehefa tia mampiantrano an-dry zareo sy malala-tanana aminy. (Rom. 12:13) Rehefa miara-miala voly amin’ireo rahalahy sy anabavintsika isika, dia vao mainka lasa mpinamana amin-dry zareo sy amin’i Jehovah. Manahaka an’i Jehovah koa isika rehefa tia mandray vahiny.

TSY TIA VOLA

17. Nahoana no miresaka momba ny vola ny Salamo faha-​15?

17 “Tsy mitaky zanabola” ny vahinin’i Jehovah “rehefa mampisambotra, ary tsy mandray kolikoly mba hanamelohana ny tsy manan-tsiny.” (Sal. 15:5) Maninona no nampidirina ao amin’io salamo fohy kely io ny resa-bola? Satria raha tsy mahay mandanjalanja amin’ny resaka vola isika, dia izy io indray no mety ho lasa ambony kokoa noho ny olona, ary hanimba ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra mihitsy aza. (1 Tim. 6:10) Nanararaotra ny rahalahiny nahantra ny olona sasany taloha, dia naka zanabola rehefa nampisambotra an-dry zareo. Nisy koa mpitsara nanaiky hanao kolikoly, dia niangatra tamin’ny olona tsy nanan-tsiny. Maharikoriko an’i Jehovah ny fanao hoatr’izany.​—Ezek. 22:12.

18. Inona avy ny fanontaniana mila saintsainintsika mba hahitana hoe hoatran’ny ahoana ny fiheverantsika ny vola? (Hebreo 13:5)

18 Tsara àry ny mieritreritra hoe ahoana no fiheverantsika ny vola. Saintsaino izao: ‘Mieritreritra matetika momba ny vola sy izay azoko vidina ve aho? Ela be ve aho vao mamerina an’izay vola nindramiko, satria mieritreritra hoe tsy mila an’izany ilay olona nampisambotra ahy? Mahatonga ahy hihevi-tena ho ambony ve ny vola, dia lasa sarotra amiko ny malala-tanana? Tonga ve aho dia mitsaratsara hoe tia vola ny rahalahiko sy anabaviko, satria fotsiny hoe manam-bola ry zareo? Miezaka hinamana amin’ny olona manam-bola ve aho, nefa tsy dia miraharaha ny mahantra?’ Tombontsoa be ho antsika ny hoe nasain’i Jehovah ho vahininy. Tsy hamoy an’izany isika raha mitandrina foana mba tsy ho tia vola. Tsy handao antsika mihitsy koa i Jehovah amin’izay!​—Vakio ny Hebreo 13:5.

TIAN’I JEHOVAH NY NAMANY

19. Inona no tena nahatonga an’i Jehovah hanoratra an’ireo fepetra ao amin’ny Salamo faha-​15?

19 Mifarana amin’izao fampanantenana izao ny Salamo faha-​15: “Tsy hangozohozo mihitsy izay manao an’izany rehetra izany.” (Sal. 15:5) Hazavain’ny mpanao salamo eo hoe inona no tena antony nanomezan’Andriamanitra an’ireny fepetra ireny. Tian’i Jehovah ho sambatra isika! Omeny an’ireny tari-dalana ireny àry isika, amin’izay mahazo fitahiana sy voaro.​—Isaia 48:17.

20. Inona no tsy andrin’ny vahinin’i Jehovah?

20 Afaka miandrandra hoavy mahafinaritra izay eken’i Jehovah ho vahininy. Hiditra ao amin’ireo “fonenana be dia be” nomanin’i Jesosy ho azy ireo any an-danitra, ireo voahosotra tsy mivadika. (Jaona 14:2) Efa tsy andrin’ireo manantena hiaina eto an-tany kosa ny hahatanterahan’ny Apokalypsy 21:3. Tena voninahitra lehibe ho antsika rehetra ilay hoe nasain’i Jehovah ho namany, izany hoe hivahiny mandrakizay ao amin’ny tranolainy!

HIRA 39 Miezaha ho Tsara Laza eo Imason’i Jehovah