Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Rosia

Rosia

Rosia

HOY i Jehovah, tokony ho 2 450 taona lasa izay: “Hatramin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatramin’ny filentehany dia lehibe ny anarako any amin’ny jentilisa.” (Mal. 1:11) Tanteraka eto Rosia io faminaniana mahavariana io ankehitriny, satria tsy miato mihitsy ny asa fitoriana sy fampianarana atao eto. Rehefa milentika mantsy ny masoandro any amin’ny farany andrefana, any Kaliningrad, dia efa miposaka kosa any amin’ny farany atsinanana, any amin’ny Saikinosin’i Chukotskiy, akaikin’i Alaska. Ho hitantsika ato fa notahin’i Jehovah ny ezaka mafy nataon’ireo rahalahy be herim-po, tamin’ny andron’ny Kominista. Niaritra fanenjehana mahery vaika izy ireo, ary nisy vokany tsara izany satria misy mpitory 150 000 mahery izao eto Rosia.

“Federasionan’i Rosia” no iantsoana an’i Rosia ankehitriny, satria fitambarana firenena maro izy io. Ahitana foko, fiteny, kolontsaina ary fivavahana maro samihafa eto. Hanomboka amin’ny zava-nitranga tamin’ny andron’ny mpanjaka, tany amin’ny 100 taona mahery lasa, ny fitantarana ato.

NITORY TAMIN’NY MPITONDRA FIVAVAHANA

Nanomboka liana tamin’ny fivavahana indray ny olona. Nihaona tamin’i Charles Russell, izay nitarika ny asan’ny Mpianatra ny Baiboly (Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny), i Semyon Kozlitsky. Tena tia fivavahana izy sady nahazo diplaoma tao amin’ny sekoly fiofanana ho pretra ortodoksa. Hoy i Nina Luppo, zafikelin’i Semyon: “Nankany Etazonia i Dadabe tamin’ny 1891, ary nihaona tamin’ny Anadahy Russell. Niara-naka sary izy ireo ary notehiriziny tao ilay sary. Nolazainy hoe rahalahiny i Russell, ary niresaka momba azy foana izy.” Niezaka namerina ny fivavahana marina tamin’ny laoniny ny Rahalahy Russell sy ny namany, taloha kelin’ny taona 1900, ka nampianatra ny fahamarinana avy ao amin’ny Baiboly. Namaky bantsilana ny fampianaran-dison’ny Kristianisma Anarana sy ny mpitondra fivavahana, izy ireo, tamin’izany. Fantatr’i Semyon ny fahamarinana ary hitany fa tena be zotom-po tamin’ny fivavahana marina ny Rahalahy Russell sy ny namany. Izany no nahatonga azy ho sahy hitory tamin’ny mpitondra fivavahana tao Moscou. Inona no vokatr’izany?

Hoy i Nina: “Tsy notsaraina akory izy fa tonga dia nofatorana rojo vy, ary nalefa sesitany tany Siberia satria namingavinga ny arsevekan’i Moscou, hono. Izany no nahatonga ny tenin’Andriamanitra ho re tany Siberia, tamin’ny 1891.” Nalefa tany amin’ny faritr’i Siberia, ao amin’ny tanàna iray any Kazakhstan ankehitriny, i Semyon Kozlitsky. Nazoto nitory ny tenin’Andriamanitra izy tany, mandra-pahafatiny tamin’ny 1935.

“TSY TENA VONONA HANDRAY NY FAHAMARINANA”

Nitsidika voalohany an’i Rosia ny Rahalahy Russell tamin’ny 1891, taona nanaovana sesitany an’i Semyon Kozlitsky. Hoy i Russell: “Tsy tena vonona handray ny fahamarinana ny tany Rosia.” Fandre matetika io teny io, rehefa misy miresaka momba ny fitsidihana nataon’i Russell teto. Te hilaza ve izy hoe tsy te hihaino ny fahamarinana ny Rosianina? Tsia. Ny fitondrana jadona no nanakana ny olona tsy hihaino azy io.

Nanazava ny zava-nisy teto ny Rahalahy Russell, tao amin’ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona 1 Martsa 1892. Hoy izy: “Manara-maso akaiky ny fiainan’ny olona tsirairay ny fitondrana any Rosia, ary miahiahy ny vahiny tonga ao amin’ny taniny. Tsy maintsy mampiseho pasipaoro ny vahiny, isaky ny miditra hotely na garan-damasinina, alohan’ny hidirana sy hialana ao amin’ny tanàna iray. Alain’ny tompon’ny hotely ny pasipaorinao ary omeny ny Lehiben’ny Polisy. Tazoniny any ilay izy mandra-pialanao ao amin’ilay toerana. Ho voara-maso tsara ny vahiny amin’izay, manomboka amin’ny fotoana ahatongavany, mandra-pialany ao. Mahalala fomba ny polisy sy ny manam-pahefana nefa tsy mba sariaka aminao. Asehony amin’izany fa azo ekena ny fahatongavanao ao amin’ny taniny, nefa tsy tena ilaina. Jereny tsara ny boky na taratasy any aminao, sao dia misy zavatra mifanohitra amin’ny foto-kevitra ijoroany.”

Toa tsy ho afaka hiroborobo mihitsy ny asa fitoriana, amin’ny toe-javatra toy izany. Nitsimoka teto Rosia ihany anefa ny voan’ny fahamarinana.

NANOMBOKA NY “ANDRON’NY ZAVA-MADINIKA”

Efa tamin’ny 1887 Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona, no nilaza fa nandefasana gazety Tilikambo tamin’ny alalan’ny paositra ny tany maro, “anisan’izany i Rosia.” Hita tao amin’ny taratasy nalefan’ny Mpianatra ny Baiboly vitsivitsy teto Rosia, tamin’ny 1904, fa nahazo boky ara-baiboly izy ireo, na dia sarotra aza ny nahazo izany. Izao koa no voalaza tao: “Manintona ny maso ireo boky ara-baiboly, ary saika tsy navela[n’ireo mpanara-maso] hiditra teto.” Faly erỳ ireo Mpianatra ny Baiboly rehefa naharay an’ireo boky, ary nilaza hoe: “Toy ny volamena izy ireny aminay satria tsy mora ny mahazo azy.” Hoy koa izy ireo: “Enga anie ny Tompo ka hitahy anay, mba hahafahanay hizara an’ireo boky ireo.” Midika izany fa takatr’izy ireo ny antony namoahana an’ireny boky ireny.

Efa nanomboka tamin’izany fotoana izany àry ny fitoriana ny vaovao tsara teto Rosia. Efa namaka teto ny fivavahana marina, na dia mbola vitsy kely aza no niandany tamin’izy io. Tena zava-dehibe anefa izany satria hoy i Zakaria mpaminany: “Iza no nanamavo ny andron’ny zava-madinika?”—Zak. 4:10.

Nandefa boky sy gazety teto nandritra ny taona maro ireo rahalahy be zotom-po tany Alemaina, taorian’izay. Tamin’ny teny alemà ny ankamaroan’izy ireny, ary maro tamin’ireo nahay an’io fiteny io no nanaiky ny fahamarinana. Nahazo an’ireo boky mifampitohy hoe Fiandohan’ny Arivo Taona, tamin’ny alalan’ny paositra, ny mpivavaka tao amin’ny Fiangonana Batista Alemà teto Rosia, tamin’ny 1907. Noroahina tsy ho anisan’ilay fiangonana ny 15 tamin’izy ireo, rehefa niandany tamin’ny fivavahana marina. Nanaiky ny fahamarinana noresahin’ireo boky ireo koa anefa ilay pasitera nanohitra azy ireo, tatỳ aoriana.

Nahazo fanampiana hafakely ny mpitory teto, tamin’ny 1911. Nanao volan-tantely teto mantsy ny mpivady alemà atao hoe Herkendell, mba hitory amin’ireo olona miteny alemà. Faly be izy ireo rehefa nahita antoko-mpitory vitsivitsy tany amin’ny toerana mitokana, ary nanampy azy ireo hanana finoana matanjaka.

Nanoratra toy izao ny olona liana iray teto Rosia, talohan’izay: “Sarobidy amiko ireo boky sy gazety avy any Alemaina, tsy misy hafa amin’ny mana avy tany an-danitra tamin’ny andron’ny zanak’Israely. ... Raha mba amin’ny teny rosianina mantsy ireny boky sy gazety ireny! Miezaka mafy aho mandika lahatsoratra samihafa ao amin’izy ireny, ho amin’ny teny rosianina.” Nanomboka tamin’izany àry ny fandikan-teny, ary santatra am-bavarano ihany ireny.

‘BETSAKA NY OLONA MITADY AN’ANDRIAMANITRA’

Natao pirinty tamin’ny teny rosianina ilay taratasy mivalona hoe Aiza moa Ireo Maty? I R. Oleszynski, rahalahy poloney tany Varsovie, no nampanao izany, tamin’ny 1911. Mbola anisan’i Rosia ny ampahany amin’i Polonina, tamin’izany. Hoy izy tamin’ny Rahalahy Russell: “Misy iray amin’izy io ampiarahiko amin’ity taratasy ity ... Nasaina nandoa 73 roubles izahay mba hanaovana pirinty 10 000 tamin’izy io ... Maro ny olana natrehinay, kanefa betsaka koa ny olona mitady an’Andriamanitra.” Nomena olona miteny rosianina ireny taratasy mivalona ireny sy ny boky hafa. Ireo olona nitoriana ireo indray no nitondra azy ireny teto Rosia. Izany no zava-bita niavaka tamin’ny fitoriana amin’ny teny rosianina. Nisy taratasy mivalona sy bokikely hafa natao pirinty koa taoriana kelin’izay. Nisy ezaka natao tatỳ aoriana, mba handikana boky lehibe kokoa sy maro kokoa.

Tamin’ny 1912 ny Rahalahy Russell no nitsidika an’i Failandy, izay anisan’i Rosia tamin’izany. Notendrena ho solontenan’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana, tany Failandy, i Kaarlo Harteva. Ny ambasadaoro rosianina tany New York no nanisy hajia manokana sy sonia an’ilay taratasy fanomezam-pahefana, tamin’ny 25 Septambra 1913.

NITATRA ILAY ROA VOLANA

Nitsidika firenena maromaro i Joseph Rutherford, avy any amin’ny Foibe any Brooklyn, taloha kelin’ny nipoahan’ny Ady Lehibe I. Nihaona tamin’ny Mpianatra ny Baiboly atao hoe Dojczman izy tany Lodz, any Polonina. Nankatỳ Rosia ry Rahalahy Dojczman mianakavy, tsy ela taorian’izay, mba hanao dia fitoriana maharitra roa volana. Lasa naharitra kokoa anefa izany, satria nipoaka ny ady.

Tonga tao amin’ny tanàna iray manamorona ny Reniranon’i Volga ry Dojczman, rehefa avy niatrika zava-tsarotra maro. Nieritreritra ny hiverina tany Polonina izy ireo tamin’ny 1918. Tsy tanteraka anefa izany satria maro ny olona voan’ny nendra. Nisy ady an-trano indray taorian’izay, ka nihidy ny sisin-tany. Maty teto Rosia ny zanany telo. Ny iray matin’ny nendra ary ny iray matin’ny pnemonia.

Maro ny olona matin’ny mosary, ka feno faty teny an-dalana. Nanjaka koa ny tahotra. Nampangaina ho niara-niasa tamin’ny “fahavalo” ny olona maro, indrindra fa ny vahiny. Tonga dia novonoina izy ireny, fa tsy notsaraina akory. Nisy lehilahy sy miaramila iray nitondra fiadiana nitsofoka tao an-tranon-dry Dojczman, indray andro.

Nikiakiaka ilay lehilahy hoe: “Fahavalo io fa sambory!”

Nanontany ilay miaramila hoe: “Fa inona no nataony?”

Tetika fotsiny anefa ny an’ilay rangahy. Nampanao fanaka ny Rahalahy Dojczman izy, ka tsy te handoa ny karamany. Fantatr’ilay miaramila ny tetik’ilay lehilahy, rehefa avy nandre ny fanazavan’ny andaniny sy ny ankilany izy. Tonga dia natosiny hivoaka ny trano ilay rangahy. Nilaza tamin’i Dojczman ilay miaramila avy eo, fa mbola tsaroany ny resak’izy ireo, tamin’izy nitory taminy. Namonjy ny ain’ny Rahalahy Dojczman sy ny ankohonany ilay fitoriana nataony. Resin’ny fitondrana kominista ny mpikomy tamin’ny 1921, ka nifarana ny ady an-trano. Afaka nody tany Polonina ry Dojczman mianakavy, tsy ela taorian’izay.

NY MPIANATRA NY BAIBOLY SY NY KOMINISTA

Tsy afaka nifandray tamin’ny rahalahy tany an-tany hafa intsony ny teto Rosia, rehefa nipoaka ny Ady Lehibe I. Tsy tena fantatr’ireo rahalahy maneran-tany ny zavatra hitranga rehefa handray fahefana i Kristy. Tsy fantatr’ireo rahalahy teto mihitsy hoe anisan’ny zavatra hisongadina amin’ny taonjato faha-20 ny zavatra hitranga eto Rosia, sady hanatanteraka faminaniana ara-baiboly.

Nisy tolom-bahoaka teto Rosia tamin’ny faramparan’ny 1917, ary nifarana hatreo ny fitondran’ny mpanjaka, izay naharitra 370 taona. Tapa-kevitra ny mpitondra vaovao teto, fa hanangana fitondrana tsy mitovy amin’ny teo aloha. Tsy fantany akory hoe efa manjaka i Jesosy Kristy Tompo. Niforona ny Firaisana Sovietika (URSS) taona vitsivitsy taorian’izay, ary lasany ny ampahenin’ny tany tatỳ aoriana.

Tsara homarihina ity tenin’i Vladimir Lénine ity, talohan’ilay tolom-bahoaka: “Tokony hanana fahalalahana tanteraka ny rehetra. Tsy vitan’ny hoe afaka mifidy izay fivavahana tiany ny olona, fa afaka miova fivavahana na mitaona ny hafa hivavaka any aminy koa. Tsy misy manam-pahefana manana zo hanadihady momba ny fivavahan’ny olona iray. Miankina amin’ny feon’ny fieritreretana izany, ka tsy tokony hidiran’olon-kafa.” Lasa filohan’i URSS voalohany i Lénine, izay anisan’ny Antoko Sosialy Demokraty.

Afaka nitory ny fahamarinana ara-baiboly ny olona tso-po tany amin’ny faritra sasany, noho io fitsipika napetraky ny Antoko Sosialy Demokraty io. Efa tsy tia fivavahana hatrany am-piandohana anefa ilay fitondrana vaovao (Kominista), ary tsy nino an’Andriamanitra ny ankamaroan’ny mpitondra. Nihevitra izy ireo fa “fandemena saim-bahoaka” fotsiny ny fivavahana. Nanao fanovana maro ny Kominista rehefa tonga teo amin’ny fitondrana, ka anisan’izany ny fanasarahana ny Fivavahana sy ny Fanjakana. Tsy nekena ho ara-dalàna ny fampianarana nataon’ny fivavahana, ary nalain’ny Fanjakana ny fananam-piangonana.

Nisy Mpianatra ny Baiboly tany amin’ny faritra samihafa, ary niandany tamin’ny Fanjakan’Andriamanitra izy ireo. Inona no nataon’ilay fitondrana kominista tamin’izy ireo? Niresaka ny zava-nisy ny Mpianatra ny Baiboly iray tany Siberia, taona vitsivitsy taorian’ilay tolom-bahoaka. Hoy izy: “Fantatrareo ihany angamba ny zavatra mampalahelo misy eto Rosia. Ny Kominista izao no mitondra. Ny hampanjaka ny rariny no tanjon’izy ireo, kanefa tena halany izay zavatra mamofompofona fivavahana.”

Nihamafy ny fanenjehana ny Mpianatra ny Baiboly, tamin’ny 1923. Hoy ireo rahalahy: “Manoratra ity taratasy ity izahay, mba hampahafantarana anareo ny zava-misy eto Rosia. ... Manana ny zavatra ilainay andavanandro izahay, toy ny sakafo sy fitafiana. Sakafo ara-panahy kosa no tena mahory anay. Notazonin’ny fitondrana ireo boky nalefa tatỳ aminay. Miangavy anareo re izahay, mba alefaso atỳ aminay izay boky sy gazety misy amin’ny teny rosianina, saingy aza atambatra ho boky fa saratsaraho ... Maro no mangetaheta ny Fahamarinana. Vao tsy ela izay, dia nisy olona dimy nanolo-tena sy natao batisa. Misy olona 15 avy ao amin’ny Fiangonana Batista koa miaraka aminay eto.”

Hoy Ny Tilikambo Fiambenana 15 Desambra 1923: “Miezaka mandefa boky sy gazety any Rosia ny Fikambanana, ary mbola hanao izany foana noho ny hatsaram-panahin’ny Tompo.” Nivoaka tamin’ny teny rosianina Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1925. Nisy vokany avy hatrany izy io. Tsapan’ny lehilahy iray tao amin’ny Fiangonana Ara-pilazantsara, ohatra, fa tsy mifanaraka ny fampianarana momba ny afobe sy ilay hoe Andriamanitra dia fitiavana. Noresahiny tamin’ny mpiara-miangona taminy izany, nefa inona no nataon’izy ireo? Nivavaka izy ireo mba hanampian’Andriamanitra azy tsy hieritreritra izany intsony. Nahazo Tilikambo Fiambenana vitsivitsy izy sy ny vadiny, tatỳ aoriana, ary niaiky avy hatrany hoe nahita ny fahamarinana. Naniry hahazo gazety fanampiny izy, ka nanoratra hoe: “Miandrandra ny mana avy any ampitan-dranomasina izahay.” Nisy rahalahy teto Rosia koa nilaza fa nahazo “mana” tsy tapaka. Nankasitraka an’ireo rahalahy be fitiavana any Etazonia izy ireo, noho ny namoahany boky sy gazety manatanjaka finoana.

“ANDEFASO SANTIONANY AMIN’IZAY REHETRA MISY ANY AHO”

Nanoratra taratasy mampihetsi-po ny mpampianatra iray tany Siberia. Nilaza izy fa tantsaha tany atsimon’i Rosia ny fianakaviany ary nifindra tany Siberia izy ireo tamin’ny 1909. Nolazainy tao fa tena faly izy rehefa namaky an’ireo boky sy gazety. Hoy koa izy: “Maniry mafy hahatakatra bebe kokoa ny fahamarinana masin’Andriamanitra aho, mba hananako herim-po sy fahaizana hiadiana amin’ny haizina.” Nangataka boky sy gazety fanampiny izy teo am-pamaranana. Hoy izy: “Mba andefaso santionany amin’izay rehetra misy any aho.”

Navoaka tao amin’ny Tilikambo Fiambenana Septambra 1925 io taratasiny io. Navoaka tao koa ny valin’ny taratasiny, izay nilaza hoe: “Efa niezaka nandefa boky sy gazety tany Rosia izahay, saingy nandamòka izany noho ny fanoheran’ny fitondrana rosianina. Na io taratasy io, na ireo hafa mitovitovy aminy, dia tsy misy hafa amin’ilay antso avy any Makedonia hoe: ‘Miampità mankatỳ ... ka ampio izahay.’ (Asa. 16:9) Hanampy anareo izahay raha vao afaka manao izany, raha izany no sitrapon’ny Tompo.”

Fitaovana mandaitra tokoa Ny Tilikambo Fiambenana sy ny boky hafa amin’ny teny rosianina, mba hitoriana ny vaovao tsara “ho vavolombelona” eto Rosia. (Matio 24:14) Nahatratra 691 243 952 ny boky sy gazety tamin’ny teny rosianina, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 2006. Anisan’ny boky sy gazety betsaka indrindra eran-tany ny amin’ny teny rosianina, manarakaraka ny teny anglisy sy espaniola ary portogey. Tena notahin’i Jehovah tokoa ny ezaka nataon’ny Vavolombelony mba hitoriana an’ilay Fanjakana.

FITORIANA TAMIN’NY ROSIANINA ANY AN-TANY HAFA

Maro ny Rosianina nifindra tany an-tany hafa, rehefa nandray fahefana ny Kominista. Tsy natao pirinty teto Rosia Ny Tilikambo Fiambenana sy ny boky hafa tamin’ny teny rosianina, ka tsy vitan’ny fitondrana sovietika ny nisakana ny fiparitahan’izy ireny tany an-tany hafa. Niely patrana ny boky sy gazety tamin’ny teny rosianina, taloha kelin’ny 1930. Maro ny taratasy fankasitrahana azo avy amin’ny Rosianina nipetraka tany Aostralia, Etazonia, Failandy, Frantsa, Letonia, Orogoay, Paragoay, ary Polonina.

Nisy fivoriana sy fitoriana tamin’ny teny rosianina tany amin’ny sasany amin’ireo tany ireo, tatỳ aoriana. Nalefa tsy tapaka tamin’ny radio ny lahateny ara-baiboly tamin’ny teny rosianina, tany Etazonia. Niforona ny fiangonana miteny rosianina tany Brownsville, any Pennsylvanie, ary nisy fivoriambe natao. Nandamina fivoriambe telo andro tamin’ny teny rosianina, ohatra, ny tany Carnegie, Pennsylvanie, tamin’ny Mey 1925. Nisy 250 ny mpanatrika ary 29 no natao batisa.

NIOVA NY TOE-JAVATRA

Vao mainka nafotaka ny fanenjehana ny fivavahana, rehefa maty i Lénine. Niorina ny Fikambanana Mitaona ny Olona Tsy Hino An’Andriamanitra, tamin’ny 1926. Nataon’izy ireo izay hamongorana hatramin’ny fakany ny finoana an’Andriamanitra. Tsy nino an’Andriamanitra intsony ny olona maro, tsy ela taorian’izay. Nanoratra tany amin’ny foibe, ny Mpianatra ny Baiboly iray teto Rosia, hoe: “Lasa tsy mino an’Andriamanitra ny tanora, ka tena sarotra ny mampita ny fahamarinana amin’izy ireo.”

Namoaka gazety mampirisika ny olona tsy hino an’Andriamanitra ilay fikambanana. Anisan’ireny ilay gazety hoe Antireligioznik. Hoy izy io, tamin’ny 1928: “Feno sekta ao amin’ny Faritr’i Voronej.” Nitanisa anaran’olona maro ilay gazety, anisan’izany ireo olona 48 “Mpianatra ny Soratra Masina.” Nolazainy koa fa “i Zinchenko sy Mitrofan Bovin no mpitarika azy ireo.” Mahaliana fa nivoaka tamin’ny Tilikambo Fiambenana Septambra 1926 ny taratasin’i Mikhail Zinchenko avy teto Rosia, izay nilaza hoe: “Tena te hahazo sakafo ara-panahy ny olona. ... Vitsy kely ny boky sy gazety anananay. Mandika boky sy gazety ho amin’ny teny rosianina ny Rahalahy Trumpi sy ny namany, ary manao kopia azy ireny. Izany no ahazoanay sakafo ara-panahy sy ahafahanay mifampahery. Mirary soa ho anareo izahay.”

Nanoratra i Trumpi, tamin’ny Septambra 1926, fa mety havelan’ny fitondrana hahazo boky sy gazety amin’ny teny rosianina ny rahalahy eto Rosia. Niangavy an’ireo rahalahy any amin’ny Betelan’i Brooklyn izy mba handefa taratasy mivalona, boky, bokikely, ary gazety vita boky, amin’ny alalan’ny sampan’i Alemaina. Nandefa an’i George Young ho ao Moscou ny Rahalahy Rutherford, ho valin’ilay fangatahana. Tonga tamin’ny 28 Aogositra 1928 izy. Nanoratra toy izao i Young: ‘Nahita zavatra mahafinaritra maro aho teny amin’ny fanompoana. Tsy fantatro anefa hoe mandra-pahoviana aho no afaka mijanona eto.’ Na dia afaka nihaona tamin’ny mpitondra fanjakana tao Moscou aza izy, dia vizà hatramin’ny 4 Oktobra 1928 ihany no azony.

Mbola tsy fantatra izay hataon’ilay fitondrana vaovao, amin’ny fivavahana. Nilaza ny taratasim-panjakana maromaro fa mety ho lasa mpiasam-panjakana ny olona manana fivavahana. Nampiharin’ny fitondrana tokoa izany, taona maro tatỳ aoriana. Tsara ho fantatra fa tsy te hamono ny vahoakan’i Jehovah ny fitondrana sovietika. Nanao izay ho afany anefa izy io, mba hampiova hevitra ny Vavolombelona. Nataony izay hahatonga ny vahoakan’Andriamanitra hiandany tanteraka amin’ny Fitondrana. Tiany hivadika amin’i Jehovah izy ireo.

Nazoto nitory ilay Fanjakana foana ny Vavolombelona teto Rosia, rehefa lasa ny Rahalahy Young. Voatendry hiandraikitra ny asa fitoriana teto i Danyil Starukhin. Nitsidika an’i Moscou, Koursk, Voronej, Ukraine ary ny tanàna hafa teto Rosia i Starukhin, mba hampaherezana an’ireo rahalahy sy hampandrosoana ny asa. Nitory tao amin’ny fiangonan’ny Batista izy sy ireo rahalahy niaraka taminy, ary nanazava ny marina momba an’i Jesosy Kristy sy ny Fanjakan’Andriamanitra. Nanofa fiangonana ireo rahalahy tany Koursk tamin’ny Janoary 1929 mba hanaovana fivoriana, ary 200 dolara isan-taona ny hofany.

Nangataka alalana tamin’ny Minisiteran’ny Varotra Sovietika, ireo rahalahy tany Brooklyn, tsy ela taorian’izay, mba hahafahana handefa boky ara-baiboly teto. Anisan’ireo entana nalefa ny boky Ny Harpan’Andriamanitra sy ny boky Fanafahana niisa 800. Nandefa bokikely 2 400 koa izy ireo. Tsy ampy roa volana tatỳ aoriana, dia niverina ireo entana nalefa, ary nisy soratra hoe: “Naverin’ny Sampan-draharaha Misahana ny Zavatra Vita Pirinty Satria Voarara.” Tsy kivy anefa ireo rahalahy. Nihevitra ny rahalahy sasany, fa noho ireo boky ireo nosoratana tamin’ny litera rosianina tranainy angamba no antony namerenana azy. Nanomboka teo, dia nataon’ireo rahalahy azo antoka fa voadika tsara ny boky sy gazety sady manaraka ny fomba fanoratra vaovao.

NILA FANATSARANA NY FANDIKAN-TENY

Nolazaina tao amin’ny Tilikambo Fiambenana, nanomboka tamin’ny 1929, fa mila mpandika teny mahay teny anglisy sy rosianina ny fandaminana. Nilaza toy izao, ohatra, Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny teny rosianina, nivoaka tamin’ny Martsa 1930: “Mila rahalahy vita batisa mahay teny anglisy sy teny rosianina tsara izahay, mba handika teny avy amin’ny teny anglisy ho amin’ny teny rosianina.”

Hitan’i Jehovah fa tena nilaina izany, ka nanohina ny antso ny olona maro tany amin’ny firenena samihafa. Anisan’izany i Aleksandr Forstman, izay efa nandefa tany amin’ny foibe, ny lahatsoratra voadikany tamin’ny teny rosianina. Nataony tamin’ny alalan’ny sampan’i Danemark, ao Copenhague, izany, tamin’ny 1931. Mpandika teny mazoto ny Rahalahy Forstman, ary nipetraka tany Letonia. Olona nahita fianarana izy ary nahay tsara ny teny anglisy sy rosianina, ka afaka nandika teny haingana. Ora vitsivitsy isan-kerinandro ihany no natokany handikana teny tamin’ny voalohany, satria mbola nanao asa hafa izy mba hamelomana ny vady aman-janany, izay tsy Vavolombelona. Lasa mpandika teny manontolo andro i Forstman tamin’ny Desambra 1932. Nandika taratasy mivalona sy boky ary bokikely izy. Maty tamin’ny 1942 izy.

Tena te hanao fandikan-teny faran’izay tsara ireo rahalahy, satria nanantena fa tsy ho ela dia hekena ho ara-dalàna ny asa fitoriana teto Rosia. Nanoratra tany amin’ny Rahalahy Rutherford i William Dey, mpiandraikitra tao amin’ny Biraon’i Eoropa Avaratra. Hoy izy: “Azo antoka fa ho foana tsy ho ela ny fandrarana ny asa any Rosia. Koa tsy tsara ve raha manana boky sy gazety voadika tsara isika, mba homena an’ireo olona 180 tapitrisa any?”

FANDAHARANA TAMIN’NY RADIO

Nampiasaina koa ny radio mba hitoriana ny vaovao tsara, nanerana an’i Rosia. Nisy filazana tao amin’ny Tilikambo Fiambenana Febroary 1929 hoe: “Halefa amin’ny radio ireo lahateny amin’ny teny rosianina.” Radio tao Estonia no nandefasana ny fandaharana, isaky ny alahady faharoa sy fahefatra amin’ny volana, ary re hatratỳ Rosia izany.

Hoy i Wallace Baxter, mpiandraikitra ny sampan’i Estonia: “Vita tamin’ny 1929 ny fifanarahana fa halefa mandritra ny herintaona ny fandaharana. Adihevitra be ilay izy vao vita. Tsy ela dia fantatray fa nihaino an’ilay fandaharana ny olona tany Leningrad. Samy nampitandrina ny olona ny mpitondra fivavahana eto Estonia, sy ny mpitondra sovietika, fa tsy tokony hihaino ny hafatra momba ilay Fanjakana izy ireo.” Nalefa tamin’ny 5.30 ka hatramin’ny 6.30 hariva, fotoana naha betsaka ny mpihaino, ny lahateny tamin’ny teny rosianina, tamin’ny 1931. Afaka nandre an’ilay izy daholo izay nanana radio. Nandeha nandritra ny telo taona sy tapany ilay fandaharana, ary nasaina najanona tamin’ny Jona 1934. Nahoana? Hoy ireo rahalahy tao amin’ny sampan’i Estonia: “Nilaza tamin’ny manam-pahefana ny mpitondra fivavahana fa tsy mahasoa [an’i Estonia] ireo lahateny nalefanay, satria mamofompofona kominisma, sady mitaona ny olona hanohitra ny Fitondrana.”

FIOVANA TAMPOKA

Naniraka an’i Anton Koerber ny rahalahy tany Brooklyn, tamin’ny 1935, mba hanokatra biraon’ny sampana eto. Tian’izy ireo halefa teto ny milina fanontam-pirinty iray tany Alemaina. Vao nandray fahefana i Adolf Hitler tamin’izany. Afaka nihaona tamin’ny rahalahy maromaro teto Rosia i Koerber, na dia tsy tanteraka aza ilay fikasana.

Nandroso tsikelikely ny asa fitoriana teto Rosia, nandritra ny taona vitsivitsy. Ny sampan’i Letonia no nanara-maso ny fandikana ny boky sy gazety tamin’ny teny rosianina. Sarotra anefa ny nampiditra azy ireny teto, ka betsaka ny boky sy gazety nitoby tany an-tany hafa.

Vitsy ny Vavolombelon’i Jehovah teto talohan’ny nipoahan’ny Ady Lehibe II, ka tsy dia nahamarika azy ireo ny fitondrana. Hiova anefa izany. Lasan’ny Firaisana Sovietika i Estonia, Letonia, Litoania, ary Moldavia, taoriana kelin’ny nanafihan’i Alemaina Nazia an’i Polonina tamin’ny 1939. Lasa 15 àry ny repoblika anisan’ny Firaisana Sovietika. Nisy Vavolombelona an’arivony tao amin’ireo tany efatra ireo, nefa tampoka teo izy ireo dia lasa vahoakan’ny Firaisana Sovietika. Nafotaka ny ady, taoriana kelin’izay, satria te hiaro ny voninahiny ny Firaisana Sovietika. Olona an-tapitrisany no nijaly sy niaritra ny mafy. Nampahorina mafy koa ny Vavolombelon’i Jehovah nefa tsy nivadika tamin’Andriamanitra mihitsy.

VONONA HIARITRA

Notafihin’ny Alemà ny Firaisana Sovietika tamin’ny Jona 1941. Tsy nanampo an’izany mihitsy i Joseph Staline, filoha sovietika. Tonga tao akaikin’i Moscou ny tafika alemà tamin’ny faramparan’ny 1941, ary efa saiky resy ny Firaisana Sovietika.

Natahotra mafy i Staline ka nanentana ny vahoaka hirotsaka amin’ilay antsoin’ny Rosianina hoe Ady ho An’ny Tanindrazana. Mbola nisy olona an-tapitrisany nanana ny fivavahany tamin’izany. Tsapan’i Staline àry fa hanohana azy ny vahoaka, raha manome tombontsoa sasany ho an’ny mpitondra fivavahana sy ny mpiangona izy. Noraisin’i Staline tao Kremlin ny solontena telo anisan’ny lohandohany tao amin’ny Eglizy Ortodoksa Rosianina, tamin’ny Septambra 1943. Natao izany mba hamitranana ny fihavanana teo amin’ny Eglizy sy ny Fanjakana. Fiangonana an-jatony indray no nosokafana taorian’izay.

Tsy nandray anjara tamin’ny ady mihitsy ny Vavolombelon’i Jehovah teto Rosia, toy ireo tany Alemaina ihany. Vonona hizaka ny vokatr’izany izy ireo, ary tapa-kevitra hankatò ny didin’ny Tompony. (Matio 22:37-39) Noho izany, dia nalefa tany amin’ny toby fiasana an-terivozona tao Rosia afovoany, ny Vavolombelona an’arivony mahery avy tao Ukraine, Moldavia, Estonia, Letonia, ary Litoania, tamin’ny 1940 ka hatramin’ny 1945.

Hoy i Vasily Savchuk: “Natao batisa tao Ukraine aho tamin’ny 1941, tamin’izaho 14 taona. Saika ny rahalahy rehetra no nogadraina tany amin’ny toby sy fonja tao Rosia afovoany, nandritra ny ady. Nitohy foana anefa ny asan’i Jehovah. Nandray andraikitra teo anivon’ny fiangonana sy teny amin’ny fanompoana ireo anabavy mahatoky sy ny tanora toa ahy. Nisy rahalahy iray tavela tao an-tanànanay, ary nalemy izy. Hoy izy tamiko: ‘Mila anao izahay ry Vasily. Misy asa lehibe tokony hatao kanefa vitsy ny rahalahy.’ Tsy salama izy kanefa mbola nanao izay hampandrosoana ny asan’i Jehovah. Tena nanohina ny foko izany ka tsy tanako ny ranomasoko. Vonona aho hanao izay rehetra tokony hatao. Nanana fanontam-pirinty ratsiratsy izay izahay tany ambany lakaly. Tao no namokaranay sakafo ara-panahy ho an’ny Vavolombelona, indrindra fa ireo tany am-ponja.”

Tsy ampy anefa ny sakafo ara-panahy, na dia teo aza ny fandavan-tenan’ny anabavy sy ny tanora. Nisy vahaolana ihany anefa. Nilaza ny zava-misy teto Rosia tany amin’ny sampan’i Polonina, ireo rahalahy poloney nody tany amin’ny taniny. Ireo rahalahy iokrenianina sy rosianina, avy any Polonina, kosa nitondra sakafo ara-panahy, sy fitaovana ilaina amin’ny fanontam-pirinty.

AOKA IZY IREO “SAMY HODY ANY AMIN’NY FONENANY AVY”

Noterena hifindra tany Ukraine ny rahalahy sasany tany Polonina, tamin’ny 1946. Anisan’ny Firaisana Sovietika i Ukraine tamin’izany. Hoy i Ivan Pashkovsky: “Nanontanian’ireo rahalahy ny biraon’ny sampana tany Lodz hoe inona no tokony hataony. Voalaza tao amin’ilay valin-taratasy ny Mpitsara 7:7 hoe: ‘Aoka [izy ireo] samy hody any amin’ny fonenany avy.’ Niaiky aho, taona maro tatỳ aoriana, fa tena hain’i Jehovah ny nitarika ny asa, tany amin’ny toerana sarotra nitoriana. Izay toerana nandefasan’i Jehovah anay no ‘fonenanay.’ Hitanay fa nila nanaraka ny baikon’ny manam-pahefana izahay. Niomana àry izahay mba hifindra tany amin’ny tany feno olona tsy mino an’Andriamanitra.”

“Nihaona tao amin’ny tranon’ny rahalahy iray izahay sy ireo olona 18 hatao batisa, ary nofantarinay raha nahafeno fepetra izy ireo. Nanangona boky sy gazety tamin’ny teny rosianina sy iokrenianina koa izahay. Nataonay tany anaty entana izy ireo, mba tsy ho tratra rehefa misy fisavana. Tonga vao maraim-be tao amin’ny tanànanay ny miaramila poloney. Nasainy niomana izahay fa hanainga. Navela hitondra ny zavatra nilainay sy ny sakafo ampy anay iray volana izahay, ary naterin’izy ireo teny amin’ny gara. I Ukraine indray no lasa ‘fonenanay.’ ”

“Nitangoronan’ny olona sy ny manam-pahefana izahay, tamin’ny vao tonga. Te hitory avy hatrany izahay ka tsy natahotra nilaza hoe Vavolombelon’i Jehovah. Gaga izahay fa nitsidika anay ny mpiasa iray tao amin’ny birao momba ny fambolena, ny ampitson’iny. Nolazainy taminay fa nifindra nankany Amerika ny rainy, ary nandefasany boky sy gazety navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy. Faly erỳ izahay nandre izany! Nahagaga fa nomeny boky sy gazety izahay. Nanomboka nivory izy mianakavy, ka tsapanay fa maro ny zavatra faniry eto Ukraine. (Hagay 2:7) Tsy ela dia lasa Vavolombelon’i Jehovah izy ireo, ary nanompo an’i Jehovah tamim-pahatokiana nandritra ny taona maro.”

BETSAKA NY ASA NIANDRY

Tena sarotra ny nitory nandritra ny Ady Lehibe II sy taorian’izay. Izao no voalazan’ny taratasy nalefan’ny biraon’ny sampan’i Polonina tany amin’ny foibe, tamin’ny 10 Aprily 1947: “Rahonan’ny mpitondra fivavahana ny mpiangona hoe hasaina manao asa an-terivozona mandritra ny folo taona izy ireo, na halefa sesitany, raha mandray Ny Tilikambo Fiambenana na ny taratasy mivalon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Matahotra mafy àry ny olona, nefa koa tena maniry hahafantatra ny fahamarinana.”

Hoy ny Diary 1947: “Tsy mba manana boky sy Tilikambo Fiambenana tsara tarehy sy vita pirinty ny Vavolombelona. ... Mbola nadika tanana izy ireny ary izany no nozaraina tamin’ny Vavolombelona hafa ... Nosamborina indraindray ireo olona nitondra ny taratasinay ary nogadraina raha vao nahitana Tilikambo Fiambenana tany aminy.”

Hoy i Regina Krivokulskaya: “Toy ny hoe voafefy tariby miranirany ilay firenena manontolo, ary voagadra tao anatiny izahay. Saika lany tany am-pigadrana ny androm-piainan’ireo lehilahy manambady, izay nazoto nanompo an’Andriamanitra. Maro ny zava-tsarotra tsy maintsy niaretanay vehivavy. Tsy nahita tory, ohatra, izahay rehefa alina ny andro. Nanara-maso anay ny polisy miafina miaro ny fitondrana (KGB), ary nataony izay hampivadika anay. Very asa koa izahay. Nampiasa fomba maro ny fitondrana mba hampiala anay amin’ny lalan’ny fahamarinana. (Isaia 30:21) Hita mihitsy hoe niezaka nampitsahatra ny asa fitoriana momba ilay Fanjakana, i Satana. Nasehon’ny zava-nisy anefa fa tsy nandao ny vahoakany i Jehovah. Tena nanampy izy.”

“Marina fa sarotra ny nampiditra boky sy gazety teto. Nanome anay ‘hery fanampiny’ sy fahendrena hiatrehana ny fiainana anefa, ireny boky sy gazety nampidirina an-tsokosoko ireny. (2 Kor. 4:7) Nitarika ny vahoakany i Jehovah. Nisy olona vaovao foana nanatona ny fandaminana, na dia nanohitra mafy aza ny Fitondrana. Nahagaga fa tonga dia vonona hiaritra ny mafy niaraka tamin’ny vahoakan’i Jehovah, izy ireny. Tsy nisy izany raha tsy teo ny fanampian’ny fanahin’i Jehovah.”

TARATASY NATSIPY TANY IVELAN’NY FEFY

Tsy nety nanao raharaha miaramila i Pyotr, ilay lasa vadin’i Regina, ka nogadraina tany amin’ny toby tao amin’ny Faritr’i Gorki, tamin’ny 1944. Nazoto nitory foana anefa izy. Nanoratra taratasy misy fanazavana fohy momba ny fampianaran’ny Baiboly izy. Nataony tao anaty valopy ny taratasy tsirairay. Nofatorany tamin’ny vato ilay izy ary natsipiny tany ivelan’ilay fefy avo be, izay vita tamin’ny tariby miranirany. Nino izy fa hisy hamaky izy ireny, ary nisy tokoa izany. Tsy iza izany fa i Lidia Bulatova. Tazan’i Pyotr ilay tovovavy ka nantsoiny moramora. Nanontaniany izy raha te hahafantatra bebe kokoa momba ny Baiboly. Tian’i Lidia izany ka nifanao fotoana izy ireo. Tonga tsy tapaka izy taorian’izay mba hitsimpona ireo taratasy sarobidy.

Lasa mpitory ny vaovao tsara i Lidia, ary tena be zotom-po. Nanomboka nampianatra Baiboly an’i Maria Smirnova sy Olga Sevryugina izy, tsy ela taorian’izay. Lasa mpanompon’i Jehovah koa izy ireo. Namatsy sakafo ara-panahy azy ireo ny rahalahy tao an-toby, mba hananany finoana matanjaka. Nanamboatra valizy kely misy fanambaniny roa i Pyotr mba hitondrana gazety. Olona tsy Vavolombelona sady tsy voafonja no nasainy nitondra an’ilay valizy ho any an-tranon’ireo anabavy, sy nitondra an’ilay izy niverina.

Nitory tao an-tanàna ireo anabavy, tsy ela taorian’izay. Tsikaritry ny polisy izany, ka naniraka mpitsikilo izy ireo. Mpampianatra izy io ary mody liana tamin’ny fahamarinana. Lasa natoky an’io vehivavy io ireo anabavy. Fanaon’ny polisy ny naniraka mpitsikilo, saingy mbola tsy sendra an’izany mihitsy ireo anabavy. Faly erỳ izy ireo niresaka ny fahamarinana tamin’ilay ‘rahavaviny’ vaovao. Nolazain’izy ireo taminy, tatỳ aoriana, ny fomba ahazoana an’ireo gazety. Tratra ilay valizy, taorian’izay, tamin’ny fotoana nitondrana azy io nivoaka ny toby. Niampy 25 taona ny sazin’i Pyotr. Samy voasazy higadra 25 taona kosa ireo anabavy telo.

‘TOKONY HAMPAHAFANTARINA NY TENA MARINA’

Nanohitra mafy ny asan’ny Vavolombelona ny fitondrana sovietika, nandritra ny ady sy taorian’izay. Nilaza ny manam-pahefana iray tao amin’ny faritra andrefan’ny Firaisana Sovietika, fa tsy hisy Vavolombelon’i Jehovah intsony any, rehefa afaka volana vitsivitsy. Ny rahalahy tany Polonina no nitatitra izany, tamin’ny Martsa 1947. Hoy koa izy ireo: “Renay amin’izao fotoana anoratanay izao, fa rahalahy sy anabavy 100 no nosamborina tao anatin’ny iray andro.” Hoy ny taratasy hafa, momba ireo rahalahy tany an-toby: “Mahavariana fa tsy mivadika amin’i Jehovah izy ireo. Maro no efa namoy ny ainy. Miandry ny fanafahan’i Jehovah ireo rahalahy, toy ireo tany amin’ny toby fitanan’ny Nazia ihany.”

Nosamborina koa ny Vavolombelona noho izy ireo nitory ny vaovao tsara sy tsy nety nandatsa-bato. Nanoratra toy izao ireo rahalahy tompon’andraikitra, tamin’ny 1947: “Toa tsy mahalala firy izay manjo an’ireo rahalahy ny mpitondra sovietika. Mino izahay fa tsy te hamongotra an’ireo rahalahy izy ireo. Tokony hampahafantarina azy ireo ny tena marina.”

NATAO IZAY HAHA ARA-DALÀNA NY ASA

Tokony hosoratana ho ara-dalàna ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto. Nilaza àry ireo rahalahy tao amin’ny sampan’i Polonina, fa tokony hisy rahalahy rosianina roa sy mpisolovava iray za-draharaha, hikarakara ny antontan-taratasy ilaina. Nanoratra ho an’ireo rahalahy teto Rosia izy ireo hoe: “Tokony hotorina hatraiza hatraiza ny vaovao tsara momba ilay Fanjakana, ary anisan’izany i Rosia. (Marka 13:10)” Izao no namaranany an’ilay taratasy: “Miandrasa an’i Jehovah, fa hody ho fifaliana ny ranomasonareo.—Salamo 126:2-6.”

Nanao an’ilay taratasy fangatahana i Mykola Pyatokha sy Mykhailo Chumak ary Ilya Babijchuk, tamin’ny Aogositra 1949. Nilaza ny fitondrana fa hekena ho ara-dalàna ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah, raha manaiky ny fepetra takiny izy ireo. Nasaina nomen’izy ireo, ohatra, ny anaran’ny Vavolombelon’i Jehovah nanerana ny Firaisana Sovietika. Tsy hanao izany mihitsy izy ireo. Nihamaro ny rahalahy naiditra am-ponja, nefa nandroso foana ny asa ary nitombo ny isan’ny mpitory.

‘TSY HANALA ANAO ETO MIHITSY NY JEHOVAH-NAO’

Hoy i Pyotr Krivokulsky, momba izay nanjo azy tamin’ny 1945: “Nogadraina tany amin’ny toby ireo rahalahy, rehefa avy notsaraina. Maro ny voafonja liana tamin’ny fahamarinana, tao amin’ilay toby nisy ahy. Niaiky avy hatrany, ohatra, ny mpitondra fivavahana iray fa nahita ny fahamarinana, ka nanapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah.”

“Tena mafy anefa ny nanjo ahy. Nogadraina tao amin’ny efitra iray tery kely aho. Iva koa ilay izy ka zara raha nisy hijoroana. Nantsoina hoe efitranon’ny kongona izy io, satria feno kongona. Be loatra izy ireo ka ho ritra ny ran’ny olona iray, raha izany no indray mihinana. Nijoro teo anoloan’ilay efitra ny lehiben’ny mpiambina sady nilaza hoe: ‘Tsy hanala anao eto mihitsy ny Jehovah-nao.’ Mofo kely sy rano iray kaopy no mba sakafoko isan’andro. Nihiboka be tao ka hirika kely teo amin’ilay varavarana kely no nifohako rivotra. Henoko ny nihinanan’ny kongona ahy. Nangataka tamin’i Jehovah foana aho, nandritra ireo folo andro nijanonako tao, mba homeny hery hahafahako hiaritra. (Jer. 15:15) Torana aho tamin’ny fotoana namoahana ahy tao, ary tany amin’ny efitra hafa vao nahatsiaro tena.”

“Nanasazy ahy higadra folo taona tany amin’ny toby iray tsara ambina, ny mpitsara tao amin’ilay toby. Nampangaina ho ‘nanakorontana sy nampirisika olona hikomy tamin’ny fitondrana’ aho. Tsy nahazo nandefa na nandray taratasy ireo voafonja tao. Olona nahavita heloka bevava no nogadraina tao, anisan’izany ireo namono olona. Nolazaina tamiko fa vonona hanatanteraka izay baiko omena azy, ireo olona ireo, raha tsy miala amin’ny finoako aho. Nilanja 36 kilao monja aho, ary zara raha afaka nandeha. Nahita olona liana anefa aho tao.”

“Nanatona ahy ny lehilahy be taona iray, indray mandeha, tamin’izaho natoritory tao anaty kirihitra mba hivavaka. Hoy izy: ‘Fa inona loatra no nataonao no dia nampidirina ato amin’ity toerana feno fijaliana ity ianao?’ Nipetraka izy raha vao reny fa Vavolombelon’i Jehovah aho. Namihina sy nanoroka ahy izy, ary nilaza hoe: ‘Efa ela aho, anaka, no naniry hianatra Baiboly! Afaka mampianatra ahy ve ianao?’ Faly be aho. Nendahiko haingana ireo pejy vitsivitsy tamin’ny Filazantsara, izay nozairiko tao anatin’ilay akanjoko efa rotidrotika. Nanganohano ny ranomasony. Niresaka naharitra izahay tamin’iny takariva iny. Lasa mpinamana izahay. Nolazainy tamiko fa miasa ao amin’ny trano fisakafoana izy, ary nampanantenainy aho fa homeny sakafo. Izaho nihanatanjaka, ary izy kosa nitombo fahalalana. Azoko antoka fa i Jehovah no nanao izany. Nafahana izy volana vitsivitsy tatỳ aoriana, ary izaho indray nalefa tany amin’ny toby iray tany amin’ny Faritr’i Gorki.”

“Tsy dia nijaly loatra aho tany. Tena faly aho satria afaka nampianatra Baiboly tamin’ny voafonja efatra. Nahatratra gazety tany aminay anefa ny mpiasan’ny toby tamin’ny 1952. Nohidiana tao anaty vata aho, nandritra ny famotorana. Nosokafan’izy ireo kely ilay vata isaky ny mitady ho sempotra aho, ary nakatony indray avy eo. Tian’izy ireo hiala amin’ny finoako aho. Tsy nisy taitra ireo olona nampianariko Baiboly, rehefa nolazaina taminay ny didim-pitsarana. Tena nahafaly ahy izany! Voaheloka higadra 25 taona izy efa-dahy. Mafy kokoa ny saziko tamin’ny voalohany, nefa nahena izany. Halefa any amin’ny toby tsara ambina any Vorkouta aho mandritra ny 25 taona, ary hatao sesitany mandritra ny 10 taona. Rehefa nivoaka an’ilay efitra fitsarana izahay, dia nijanona kely mba hisaotra an’i Jehovah noho izy nanampy anay. Gaga ireo mpiambina, ka nifanontany hoe inona no nahafaly anay. Nalefa tany amin’ny toby samy hafa izahay avy eo.”

VOAVONJY SATRIA TSY NIKOMY

Mafy be ny fiainana tany an-toby, ka maro tamin’ireo tsy Vavolombelona no namono tena. Hoy i Ivan Krylov: “Afaka nitsidika an’ireo rahalahy sy anabavy nanao asa an-terivozona tany amin’ireo toeram-pitrandrahana aho, rehefa afaka tao amin’ny toby tsara ambina. Afaka nandika an’ireo gazety tamin’ny taratasy ny sasany tamin’izy ireo, ary nizara izany tamin’ny namany. Nitory ireo Vavolombelona tany amin’ny toby rehetra, ary maro ny olona liana. Natao batisa tao amin’ny Reniranon’i Vorkouta ny sasany tamin’ireo olona ireo, rehefa vita ny saziny.”

“Niharam-pitsapana foana izahay noho ny finoanay an’i Jehovah sy ny Fanjakany. Nisy voafonja nikotrika fikomiana, ohatra, tao amin’ny tobin’i Vorkouta, tamin’ny 1948. Nilaza ireo mpikomy, fa hahomby ilay fikomiana raha miara-mientana ireo mitovy fiaviana na fivavahana. Nisy Vavolombelona 15 tao amin’io toby io. Nilazanay ireo mpikomy fa Kristianina ny Vavolombelon’i Jehovah, ka tsy afaka mikomy. Nohazavainay taminy fa tsy nikomy tamin’ny Romanina ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Gaga ny maro tamin’izy ireo nandre izany. Tsy niova hevitra mihitsy anefa izahay.”

Loza ny vokatr’ilay fikomiana. Resin’ny miaramila ny mpikomy. Nampidiriny tao amin’ny trano iray izy rehetra, norarahany lasantsy ilay trano, ary nodorany. Maty ny ankamaroan’izy ireo. Tsy nataon’ny miaramila na inona na inona kosa ny Vavolombelona.

Hoy koa i Ivan: “Nihaona tamin’ny rahalahy valo tao amin’ny toby iray aho, tamin’ny Desambra 1948. Voaheloka higadra 25 taona izy ireo. Namirifiry be ny ririnina tamin’izay, ary tena mafy ny asa tao amin’ny toeram-pitrandrahana. Hitako anefa fa be fanantenana izy ireo sady nitoky tanteraka tamin’i Jehovah. Nampahery ny voafonja hafa izany.”

NATAO SESITANY TANY SIBERIA

Nazoto nitory ny vaovao tsara momba ilay Fanjakana foana ny Vavolombelona, na dia nanohitra mafy aza ny fitondrana. Tena sosotra ny fitondrana tao Moscou, indrindra moa fa ny KGB. Nanoratra tany amin’i Staline ny MGB (anaran’ny KGB teo aloha), tamin’ny 19 Febroary 1951. Izao no voalaza tao: “Tokony hatao sesitany any amin’ny Faritr’i Irkoutsk sy Tomsk ny Jehovista sy ny ankohonany, mba hampitsaharana ny asan’izy ireo, izay manohitra ny fitondrana.” Fantatry ny KGB hoe iza avy no Vavolombelona, ka nangataka alalana tamin’i Staline izy ireo mba hahafahany handefa olona 8 576 hatao sesitany any Siberia. Avy amin’ny repoblika enina anisan’ny Firaisana Sovietika ireo Vavolombelona ireo. Nekena ny fangatahan’ny KGB.

Hoy i Magdalina Beloshitskaya: “Nisy nandona mafy tao am-baravaranay tamin’ny alahady 8 Aprily 1951, tamin’ny roa maraina. Taitra be izahay. Nihazakazaka nankeny am-baravarana i Neny, ary manamboninahitra iray no tao. Hentitra izy nilaza hoe: ‘Atao sesitany any Siberia ianareo satria mino an’Andriamanitra. Manana adiny roa ianareo hampirimana entana. Azonareo entina daholo ny zavatra ao an-tranonareo. Tsy azo entina ny voamaina, lafarinina, ary vary. Tsy azo entina koa ny fanaka sy ny milina fanjairana, ary ny zavatra eny an-tokotany. Ento ny lambam-pandriana, akanjo, kitapo, dia mivoaha haingana.’ ”

“Efa novakinay tao amin’ny gazetintsika fa betsaka ny asa tokony hatao, any amin’ny faritra atsinanan’i URSS. Tsapanay àry fa tonga ny fotoana hanaovana izany.”

“Tsy nisy nitomany izahay. Gaga ilay manamboninahitra ka niteny hoe: ‘Ary toa tsy misy mitomany akory ity ianareo!’ Nolazainay taminy fa efa nampoizinay hatramin’ny 1948 izao. Nangataka taminy izahay mba havelany hitondra akoho velona iray, fara fahakeliny. Tsy nety anefa izy. Nifampizaran’ireo miaramila ny biby fiompinay. Nozarain’izy ireo teo imasonay ny akohonay. Ny iray naka dimy, ny iray naka enina, ary ny iray hafa naka telo na efatra. Nasain’ilay manamboninahitra novonoina ireo akoho roa sisa tao am-pisoko, ary nomeny anay.”

“Natory tao anatin’ny fandriana keliny ny zanakay vavikely valo volana. Nanontanianay ilay manamboninahitra raha azonay entina ilay fandriana kely. Tsy nety anefa izy. Ilay tapany azo asiana zaza ihany no navelany hoentinay.”

“Tsy ela dia fantatry ny mpiray tanàna taminay fa hatao sesitany izahay. Nitondra haron-kely nisy mofo ny iray tamin’izy ireo, ary nanipy izany tao anatin’ilay sarety nitondra anay. Hitan’ilay miaramila niambina anay izany ka nariany. Enina izahay no tao anatin’ilay sarety: izaho sy Neny, ny anadahiko anankiroa, ny vadiko, ary ilay zanakay vavikely. Rehefa lasa lavitra izahay, dia nampidirina tao anaty fiara ary nentina tany an-tanàn-dehibe. Tany no nokarakaraina ny taratasy momba anay. Nentina kamiao ho any amin’ny gara izahay avy eo.”

“Nibaliaka erỳ ny masoandro tamin’io alahady io. Feno olona ny gara. Tao ireo hatao sesitany, tao koa ireo tonga hijery izay hitranga. Nijanona teo akaikin’ny vagao hasiana anay ilay kamiao nitondra anay, ary efa nisy Vavolombelona tao. Nantsoina tsirairay ny anaranay rehefa feno ny lamasinina. Olona 52 no tao anatin’ilay vagao nisy anay. Nanomboka nitomany ny mpitazana, raha mbola tsy niainga akory ny lamasinina. Nisy mihitsy aza nigogogogo. Nahagaga izany, satria tsy fantatray akory ny sasany tamin’izy ireo. Fantatr’izy ireo kosa anefa fa Vavolombelon’i Jehovah izahay, ary hatao sesitany any Siberia. Naneno ny lamasinina fa hanainga. Nanomboka nihira tamin’ny teny iokrenianina izahay, hoe: ‘Ho aminareo anie ny fitiavan’i Kristy. Hifankahita indray isika any amin’ny Fanjakan’i Jesosy Kristy satria nanome voninahitra azy.’ Nino sy natoky ny ankamaroanay fa tsy handao anay mihitsy i Jehovah. Nihira andininy maromaro izahay. Tena nampihetsi-po ilay hira, ka nitomany hatramin’ny miaramila. Niainga ny lamasinina avy eo.”

TSY ARAKA NY ‘NOERITRERETINA NY ZAVA-NITRANGA’

Profesora ao amin’ny oniversite iray ao Saint-Pétersbourg i Nicolai Gordienko. Hoy izy tao amin’ny boky nosoratany: “Nifanohitra tamin’izay noeritreretin’ny fitondrana sovietika ny zava-nitranga. Nitady hamongotra ny Vavolombelon’i Jehovah ny fitondrana, kanefa vao mainka nampiroborobo ny asan’izy ireo. Mbola tsy nandre momba ny fivavahan’izy ireo mihitsy ny mponina tany amin’ny toerana nandefasana azy. Nampianarin’izy ireo anefa ireny olona ireny, ka lasa nanam-pinoana sy tsy nivadika tamin’Andriamanitra koa.”

Vetivety dia zatra ny fiainany vaovao ny Vavolombelona maro natao sesitany. Maromaro ny fiangonana kely niforona, ary nomena faritany hitoriana izy ireo. Hoy i Nikolai Kalibaba: “Nisy fotoana nitorianay isan-trano, tamin’izahay tany Siberia. Tsy tena isan-trano anefa ilay izy, satria tsy nasesy fa nodingadinganina. Mety ho nampidi-doza ny nitory, tamin’izany. Ahoana àry no nataonay? Nanontany aloha izahay hoe: ‘Ianareo ve mivarotra akoho, na osy, na omby?’ Nosarihanay tsikelikely ho amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ny sain’ilay olona avy eo. Afaka iray volana teo ho eo izahay, vao niverina nitsidika. Fantatry ny KGB izany tatỳ aoriana, ka namoaka lahatsoratra tao amin’ny gazety izy ireo mba hampitandremana ny olona tsy hiresaka aminay. Nolazainy fa mitety trano ny Vavolombelona, ary mitady osy sy omby ary akoho. Ondry anefa no tena notadiavinay!”

Hoy i Gavriil Livy: “Niezaka nitory foana izahay na dia nanara-maso anay akaiky aza ny KGB. Tena tsy tia fivavahana ny olona, ka niantso polisy avy hatrany raha vao nisy olona nahiahiny hoe hiresaka fivavahana. Nitory foana anefa izahay, na dia tsy nahitam-bokany aza izany tamin’ny voalohany. Nisy vokany ihany ny fitoriana nataonay, rehefa nandeha ny fotoana. Mamo lava, ohatra, ny Rosianina iray, kanefa niova izy rehefa nahalala ny fahamarinana. Nanaraka ny toro lalan’ny Baiboly izy ary lasa Vavolombelona be zotom-po. Niantso azy ny polisy iray tao amin’ny KGB, ary nilaza hoe: ‘Iza foana moa ny olona iarahanao? Iokrenianina daholo anie ireo Vavolombelon’i Jehovah ireo e!’ ”

“Hoy ilay rahalahy: ‘Tsy noraharahainareo akory aho tamin’izaho mbola mamo lava sy mandry an-tatatra, fa nony lasa olom-banona aho dia kianinareo indray. Maro izao ny Iokrenianina mandao an’i Siberia. Lasa mahalala ny fomba fiaina ankasitrahan’Andriamanitra anefa ny Siberianina noho ny fampianaran’izy ireo.’ ”

Nanoratra tany Moscou ny manam-pahefana tany Irkoutsk, taona maromaro tatỳ aoriana. Hoy izy: “Milaza ny mpiasam-panjakana sasany, fa tokony hatoka-monina any avaratra any daholo ireo Vavolombelon’i Jehovah ireo, ary hatao izay hanovana ny toe-tsainy.” Tsy nahavita nanakombona ny vavan’ny Vavolombelon’i Jehovah, na ny mpitondra tao Siberia na ny tao Moscou.

“EFA NOTIFIRINAY DAHOLO IANAREO HOATR’IZAY”

Nanova tetika ny mpitondra, tany am-piandohan’ny taona 1957. Nitsongo dia an’ireo Vavolombelona ny KGB ary nisava ny tranony. Hoy i Viktor Gutshmidt: “Nikorontana ambony ambany ny entana tao an-trano, indray andro, tamin’izaho avy nanompo. Nikaroka boky sy gazety tao ny KGB. Nosamborin’izy ireo aho ary naharitra roa volana ny famotorana. Vao herintaona latsaka kely i Yulia zanakay faravavy tamin’izay, ary roa taona ilay zokiny.”

“Hoy ilay polisy nanao famotorana: ‘Tsy Alemà moa ianao?’ Nanontany izany izy satria nankahala Alemà ny olona. Nanohitra ny Kominista mantsy ny Alemà.”

“Namaly aho hoe: ‘Tsy mpanindrahindra firenena aho. Tena hindrahindraiko kosa anefa ireo Alemà migadra any amin’ny toby fitanan’ny Nazia, raha ireo no tianao horesahina. Bibelforscher no nahafantarana azy ireny teo aloha, ary Vavolombelon’i Jehovah no iantsoana azy ireo izao. Faly aho satria tsy nisy mihitsy Vavolombelona nitifitra tamin’ny basy na tafondro. Tena reharehako mihitsy ireny Alemà ireny!’ ”

“Tsy niteny tsy nivolana ilay polisy, ka notohiziko ny teniko, hoe: ‘Azoko antoka fa tsy nisy Vavolombelona nandray anjara tamin’ny fikomiana, na iray aza. Manompo an’Andriamanitra foana ny Vavolombelon’i Jehovah na dia rarana aza ny asany. Mankatò lalàna izy ireo, raha mbola tsy mifanohitra amin’ny lalàn’ilay Mpamorona antsika izany.’ ”

“Notapahin’ilay polisy ny teniko hoe: ‘Mbola tsy nisy antokon’olona nodinihinay akaiky toy ny Vavolombelon’i Jehovah. Fantatray tsara ny asanareo. Efa notifirinay daholo ianareo hoatr’izay, raha renay hoe nisy taminareo nandratra olona, na dia kely aza.’ ”

“Hoy aho anakampo: ‘Misikina herim-po ireo rahalahy maneran-tany mba hanompoana an’i Jehovah. Namonjy ny ainay teto amin’ny Firaisana Sovietika ny ohatra tsara navelan’izy ireo. Mety hahasoa ny rahalahinay any an-tany hafa koa àry ny fanompoana ataonay eto.’ Nanampy ahy hifikitra amin’ny lalan’i Jehovah ny fisaintsainana an’izany.”

VAVOLOMBELONA ANY AMIN’NY TOBY 50 MAHERY

Tezitra tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah foana ny fitondrana sovietika, noho izy ireo nazoto nitory sy tsy nety nanao politika. (Marka 13:10; Jaona 17:16) Matetika àry izy ireo, no nogadraina tsy ara-drariny nandritra ny taona maro.

Nisy fangatahana sy fanangonan-tsonia natao, tamin’ireo fivoriamben’ny vondrom-paritra 199 natao naneran-tany, teo anelanelan’ny Jona 1956 sy Febroary 1957. Niisa 462 936 ireo nanao sonia. Nandefasana kopia maromaro tamin’izany ny Filan-kevitry ny Minisitra tao Moscou. Izao no anisan’ny voasoratra tao: “Misy Vavolombelon’i Jehovah migadra any amin’ireo toby 50 mahery any Rosia Andrefana ka hatrany Siberia, hatrany amin’ny faritry ny Oseana Arktika, eny fa na dia any amin’ny nosin’i Nouvelle-Zemble aza ... Lazaina fa mpanohana ny Sovietika ny Vavolombelon’i Jehovah, any Amerika sy Eoropa. Ampangaina ho mpanohana ny Amerikanina kosa izy ireo any URSS. ... Nampangain’ny fitondrana kominista ho mpitsikilon’ny Amerikanina izy ireo, nakarina fitsarana, ary nomelohina higadra 20 taona eo ho eo. Mbola tsy nikomy tamin’ny fitondrana mihitsy anefa ny Vavolombelon’i Jehovah.” Tsy nisy vokany anefa ilay fangatahana.

Tena tsy mora ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah ny nitaiza ny zanany. Nipetraka tao Moscou i Vladimir Sosnin, izay nanan-janaka telo lahy. Hoy izy: “Tsy maintsy nalefa tany an-tsekoly ny ankizy satria izany no notakin’ny lalàna. Noteren’ny mpampianatra sy ny mpiara-mianatra taminy ny zanakay, mba hiditra tao amin’ny fikambanan’ny ankizy manohana ny Kominista. Tianay hahay taratasy ny zanakay, ary narahinay maso ny fianarany. Tsy mora ho anay ray aman-dreny anefa ny nanampy ny zanakay ho tia an’i Jehovah, satria nanindrahindra ny Sosialisma sy ny Kominisma ny sekoly rehetra. Tena nila nanana fikirizana sy faharetana izahay ray aman-dreny.”

NAMPANGAINA HO NANALA NY SOFIN-JANANY

Nipetraka tany Siberia i Semyon sy Daria Kostylyev, izay nanan-janaka telo. Hoy i Semyon: “Nampangaina ho olona mafana fo tafahoatra ny Vavolombelon’i Jehovah. Vao nampidirina nianatra i Alla, zanakay faharoa, tamin’ny 1961. Niara-nilalao tamin’ny ankizy izy, indray andro, ka naratra ny sofiny. Nanontanian’ny mpampianatra izy ny ampitson’io hoe nahoana no naratra ny sofiny. Tsy niteny anefa i Alla, satria tsy te handaza an’ilay mpiara-mianatra taminy. Fantatr’ilay mpampianatra fa Vavolombelon’i Jehovah ny ray aman-drenin’i Alla. Nihevitra àry izy fa nokapohinay i Alla mba hanerena azy hampihatra ny toro lalan’ny Baiboly. Nakarin’ilay sekoly tany amin’ny fitsarana ny raharaha. Voakasika tamin’ilay raharaha koa ny orinasa niasako. Naharitra herintaona teo ho eo ny famotorana, ary niakatra fitsarana izahay tamin’ny Oktobra 1962.”

“Nisy soratra lehibe toy izao teo amin’ny Lapan’ny Kolontsaina, tapa-bolana talohan’ny fitsarana: ‘Hanomboka tsy ho ela ny fitsarana ny Jehovista, sekta mampidi-doza.’ Rehefa nandeha ny fitsarana, dia nolazaina fa meloka izahay mivady, satria nitaiza ny zanakay araka ny fampianaran’ny Baiboly. Meloka koa izahay satria masiaka loatra, hono. Nolazain’izy ireo fa noterenay hivavaka ny zanakay, ary nendahanay tamin’ny sisin-tsiô vy ny sofiny! I Alla ihany no nahalala ny marina. Izy anefa efa nalefa tany amin’ny toerana fitaizana zaza kamboty, tany Kirensk, 700 kilaometatra tany avaratr’i Irkoutsk, tanàna nisy anay.”

“Feno tanora mpanohana ny Kominista tao amin’ilay lapa. Nisahotaka ny vahoaka rehefa nisintona ny fitsarana. Natosiky ny olona izahay sady nompany. Nisy nilaza fa tokony hesorina ny akanjo ‘sovietika’ nanaovanay. Niantsoantso ny rehetra hoe tokony hovonoina izahay. Nisy mihitsy aza nitady hamono anay teo no ho eo. Vao mainka romotra ny vahoaka, nefa mbola tsy nipoitra ihany ny mpitsara. Naharitra adiny iray ny fandinihana an’ilay raharaha. Nihananatona anay ny vahoaka. Nijoro teo anelanelanay sy ny vahoaka anefa ny anabavy iray sy ny vadiny izay tsy Vavolombelona. Niangavy ny olona izy ireo mba tsy hikasi-tanana anay, ary niezaka nanazava hoe tsy marina daholo ny fiampangana anay. Toy ny hoe nandrombaka anay teo am-pelatanan’ny vahoaka izy ireo tamin’izany.”

“Nipoitra ihany ny mpitsara sy ny mpanampy azy, tamin’ny farany. Novakin’izy ireo ny sazinay. Tsy mahazo mitaiza ny zanakay izahay. Voaheloka higadra roa taona tany amin’ny toby fiasana an-terivozona aho. Nalefa tany amin’ny toerana fitaizana zaza kamboty koa ny zanakay vavimatoa, rehefa avy nilazana fa anisan’ny sekta mampidi-doza ny ray aman-dreniny, ka mety hanimba azy.”

“Navela hotezain’i Daria ilay zanakay lahikely, satria vao telo taona monja. Nody aho rehefa vita ny saziko. Fitoriana tsy ara-potoana ihany no azonay natao, toy ny teo aloha ihany.”

“TENA REHAREHANAY IREO ZANAKAY”

“Afaka nody i Alla rehefa feno 13 taona, fa tsy nipetraka tany amin’ny trano fitaizana zaza kamboty intsony. Faly erỳ izahay rehefa nanolo-tena ho an’i Jehovah izy ary natao batisa tamin’ny 1969! Nisy famelabelarana momba ny fivavahana foana tao amin’ny Lapan’ny Kolontsaina. Nandeha tany izahay mba hihaino izay lazain’izy ireo. Ny Vavolombelon’i Jehovah foana moa no tena noresahina tamin’ny fotoana toy ireny. Nihazona Tilikambo Fiambenana ny iray tamin’ireo mpandahateny, ary nilaza hoe: ‘Mampidi-doza ity gazety ity, ary mampisara-bazana ny vahoaka.’ Nanome ohatra izy avy eo, hoe: ‘Manery ny zanany hivavaka sy hamaky gazety toy itony ny mpanaraka an’io sekta io. Tsy te hamaky ny gazetin’izy ireo ny ankizivavikely iray, ka nalan’ny rainy ny sofiny.’ Gaga i Alla nandre izany. Mbola teo daholo mantsy ny sofiny roa. Tsy niteny anefa izy, satria natahotra sao hosarahina amin’ny ray aman-dreniny indray.”

“Nanolo-tena sy natao batisa i Boris zanakay lahy, rehefa feno 13 taona. Nitory teny an-dalana izy sy ny tanora Vavolombelona nitovy taona taminy, indray mandeha, na dia mbola voarara aza ny asa fitoriana. Tsy nitondra Baiboly sy boky aman-gazety izy ireo. Nijanona tampoka teo amin’izy ireo ny fiara iray, ary nitondra azy ireo tany amin’ny tobin’ny milisy. Namotopototra sy nisava azy ireo ny milisy, saingy tsy nahita afa-tsy andinin-teny vitsivitsy nosoratana tamin’ny taratasy. Nalefa nody izy ireo avy eo. Faly erỳ i Boris nitantara taminay fa nenjehina noho ny anaran’i Jehovah izy sy ny namany. Tena reharehanay ireo zanakay ireo. Nanampy azy ireo i Jehovah nandritra ireny fotoam-pitsapana ireny. Voantso matetika tany amin’ny biraon’ny KGB izahay mivady, taorian’izay. Hoy ny manamboninahitra iray: ‘Tokony halefa any amin’ny toerana fitaizana zaza maditra ireny ankizy ireny. Ny olana fotsiny dia izy ireo mbola tsy ampy 14 taona.’ Nasaina nandoa lamandy izahay satria tratra nitory ny zanakay lahy.”

“Mipetraka ao amin’ny zanako lahy aho izao, ary mandeha amin’ny lalan’ny fahamarinana koa ny zafikeliko. Mipetraka any Ouzbékistan kosa ny zanako vavimatoa. Mbola tsy manompo an’i Jehovah izy, kanefa manaja anay sady mitsidika anay matetika. Manaja ny Baiboly koa izy. Tsy nivadika mihitsy i Daria, mandra-pahafatiny tamin’ny 2001. Raha mbola matanjaka koa aho, dia mitory any ambanivohitra miaraka amin’ny fiangonana, mba hitady an’ireo ‘manana toe-po tsara mba hahazoana fiainana mandrakizay.’ (Asa. 13:48) Mino aho fa tsy ho ela i Jehovah dia hanatanteraka ny faniriantsika tsirairay, toy ny voalaza ao amin’ny Isaia 65:23.”

OHATRA TSARA NOMEN’NY RAY AMAN-DRENY

Manompo ao amin’ny Betelan’i Rosia i Vladislav Apanyuk. Dimy mianadahy izy no iray tam-po, ary nanampy azy ireo ho tia an’Andriamanitra hatramin’ny mbola kely ny ray aman-dreniny. Hoy izy: “Nipetraka tany Ukraine i Dada sy Neny, ary natao sesitany tany Siberia tamin’ny 1951. Nampian’izy ireo izahay mba hahay hanapa-kevitra sady hiezaka hampifaly an’i Jehovah. Tsy menatra mihitsy izy ireo niresaka taminay ny fahadisoany, ary tena tiako izany zavatra nataony izany. Hitanay fa tena tia an’i Jehovah i Dada sy Neny, ary olona falifaly lava. Tena niharihary izany rehefa nanao resadresaka ara-baiboly izahay mianakavy. Voamarikay fa tia misaintsaina sy miresaka momba an’i Jehovah izy. Nahatonga anay hisaintsaina an’ireo fahamarinana momba an’i Jehovah koa izany. Nalainay sary an-tsaina ny fiainana ao amin’ny tontolo vaovao. Hahafinaritra tokoa ny zavatra rehetra amin’izay, ary ho foana ny aretina sy ny ady!”

“Nasaina hiditra tao amin’ny fikambanan’ny tanora kominista izahay iray kilasy, tamin’izaho tao amin’ny taona fahatelo. Nihevitra ny ankamaroan’ny ankizy fa voninahitra lehibe izany. Tsy andrin’izy ireo ilay andro hanaovana fianianana. Nasaina nanoratra fianianana ny mpianatra tsirairay, ka hilaza fa vonona hiditra ao amin’ilay fikambanana. Ny tanora mantsy no andrandraina hampandroso ny Kominisma amin’ny hoavy. Tsy nety nanoratra aho ka nohidian’ilay Madama mpampianatra anay tao an-dakilasy. Hoy izy: ‘Tsy mahazo mivoaka eo ianao raha tsy avy manoratra an’io fianianana io.’ Nisy ankizy nandondòna teo am-baravarankely, ora vitsivitsy taorian’izay, ary nitaona ahy hilalao. Nijanona tao an-dakilasy ihany anefa aho, ary tapa-kevitra ny tsy hanoratra na inona na inona. Nisy mpampianatra hafa tonga tao an-dakilasy rehefa hariva ny andro. Izaho irery no hitany tao ka navelany nody. Izay no fandresena voalohany azoko. Faly erỳ aho satria afaka nanao zavatra mampifaly ny fon’i Jehovah. (Ohab. 27:11) Notantaraiko tamin’i Dada sy Neny ny zavatra rehetra nitranga. Faly izy ireo, ary hoy i Dada: ‘Nety mihitsy ny nataonao, anaka!’ ”

NOLAZAINA FA “MANOHITRA NY FITONDRANA SOVIETIKA” NY BAIBOLY

Mety hiantsoana anao any amin’ny fitsarana, na dia ny fanananao Baiboly fotsiny aza. Hoy i Nadezhda Vishnyak: “Tena tia ny fahamarinana izaho sy Pyotr vadiko, na dia mbola tsy Vavolombelon’i Jehovah aza. Nosavan’ny polisy ny tranonay, indray andro, ary hitan’izy ireo tao ilay bokikely hoe Aorian’ny Hara-magedona ny Tontolo Vaovaon’Andriamanitra. Nalain’ny polisy tany am-piasana aho, ary mbola teny amiko ny akanjo fitondrako miasa. Nalaina tany am-piasany koa i Pyotr. Tsy nampoiziny mihitsy hoe hosamborin’ny polisy aho, satria bevohoka fito volana.”

“Nampangaina ho manohitra ny fitondrana izahay. Nilaza izahay fa mino ny Baiboly, ary izay voalaza ao no manan-kery kokoa noho izay lazain’ny mpitondra sovietika.”

“Nilaza aho hoe: ‘Tenin’Andriamanitra ny Baiboly, ka te hankatò ny toro lalana ao anatiny izahay.’ ”

“Tapa-bolana monja talohan’ny hiterahako, ny fitsarana. Nahazo nandehandeha teny an-tokotany aho isaky ny nisintona ny fitsarana, ary nisy miaramila nitondra fiadiana nanaraka ahy. Nanontaniany ahy ny antony nitsarana ahy. Faly aho fa afaka nitory tamin’ilay miaramila!”

“Nilaza ilay mpitsara fa ‘manohitra ny fitondrana sovietika’ ny Baiboly sy ilay boky hitan’izy ireo tao aminay. Faly aho fa tsy izahay mivady ihany no nolazaina hoe nanohitra ny fitondrana fa ilay bokinay koa, ary na dia ny Baiboly aza! Nanontaniana izahay hoe taiza no nahalalanay ny Vavolombelon’i Jehovah. Tezitra be ilay mpitsara rehefa nilaza izahay hoe tany amin’ny toby tany Vorkouta. Hoy izy: ‘Eritrereto amin’izany ny zava-mitranga any amin’ny tobintsika!’ Nohelohina higadra folo taona tany amin’ny toby fiasana an-terivozona izahay.”

“Nalefa tao amin’ny toby iray tany Mordovie, any Rosia afovoany, i Pyotr. Izaho kosa nalefa tao amin’ny efitra fanokanan-toerana. Teraka lahikely aho tamin’ny Martsa 1958. Ny reniko no nitaiza sy nikarakara ilay zanako kely. Nalefa tany amin’ny toby fiasana an-terivozona tao Kemerovo, any Siberia, aho. I Jehovah no namako akaiky sy mpanampy ahy nandritra ireny fotoan-tsarotra ireny.”

“Nafahana aho, roa taona talohan’ny nahavitan’ny saziko. Nambaran’ilay vehivavy mpifehy anay, teo imason’ny rehetra, fa tsy ‘nanakiana ny fitondrana sovietika’ mihitsy aho, ary tsy niresaka afa-tsy fivavahana ny bokintsika. Nafahana aho ary natao batisa tamin’ny 1966.”

Tena sarobidy ny Baiboly sy ny boky ara-baiboly, tany amin’ny fonja sy ny toby. Nivory tsy tapaka ireo rahalahy tany amin’ny toby iray tao Mordovie, tamin’ny 1958. Nasiana rahalahy vitsivitsy nitazatazana teny ivelany nandritra ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana. Nijoro nifanalavidavitra izy ireo, ka izay nahatazana voalohany an’ireo mpiambina dia nampandre ny teo akaikiny. Nampitampitaina ilay hafatra, ka tonga tany amin’ireo mpivory tamin’ny farany. Niparitaka avy hatrany ireo mpivory ary nafenina ny gazety. Tsy ampoizina mihitsy anefa matetika, ny fahatongavan’ny mpiambina.

Saika tratra ireo rahalahy, indray mandeha. Nandrebireby an’ireo mpiambina i Boris Kryltsov, mba hahafahana hanafina an’ilay gazety. Noraisiny ny boky iray ary lasa izy nitsoaka nivoaka ny trano. Nanenjika azy ny mpiambina, ary ela izy vao tratra. Boky miresaka momba an’i Lénine anefa no tratra teny an-tanany. Natokan-toerana nandritra ny herinandro izy, saingy faly satria avotra soa aman-tsara ilay gazety.

NAFAFY TAO MOSCOU NY VOAN’NY FAHAMARINANA

Vitsy ny mpitory tao Moscou tamin’ny voalohany. Anisan’ireny mpitory be zotom-po ireny i Boris Kryltsov. Hoy izy: “Niasa tamin’ny orinasa mpanao fanorenana aho. Niezaka nitory tsy ara-potoana izahay sy ny Vavolombelona vitsivitsy. Nahafantatra ny zavatra nataoko ny KGB, ka nosavany ny tranoko tamin’ny Aprily 1957. Nahita boky ara-baiboly tao izy ireo, ka nosamborina avy hatrany aho. Nilaza tamiko ilay polisy nanao famotorana fa ny Vavolombelon’i Jehovah no olona mampidi-doza indrindra eto amin’ny firenena. Hoy izy: ‘Sovietika maro no ho voatarikareo, raha vao tsy gadrainay ianareo. Izany no mahatonga anay hilaza fa olona tena mampidi-doza ianareo.’ ”

“Namaly aho hoe: ‘Mampianatra anay hankatò lalàna ny Baiboly. Milaza koa ny Baiboly fa tsy maintsy ataonay loha laharana ny fikatsahana ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany. Tsy nisy Kristianina marina nitady hanongam-panjakana mihitsy na taiza na taiza.’ ”

“Hoy izy avy eo: ‘Taiza no nahazoanao an’ilay boky hitanay iny?’ ”

“Namaly aho hoe: ‘Fa inona no maharatsy an’iny boky iny? Faminaniana ara-baiboly no hazavaina ao anatin’izy iny, fa tsy misy resaka politika mihitsy.’ ”

“Dia hoy izy: ‘Eny e, fa boky avy any andafy anie iny e!’ ”

“Nalefa tany amin’ny fonja tsara ambina tany Vladimir aho. Nosavan’izy ireo tsara aho, kanefa nahagaga fa mbola afaka nitondra Tilikambo Fiambenana efatra nadika tamin’ny taratasy manify. Hita mihitsy hoe i Jehovah no nanampy ahy. Nadikako indray ireo gazety efatra ireo, rehefa tonga tao amin’ny efitra nigadrako aho. Fantatro mantsy fa misy Vavolombelona hafa koa tao amin’ilay toby, ary efa fito taona izy ireo no tsy nahazo sakafo ara-panahy. Nasaiko nampitampitain’ny anabavy iray mpanasa tohatra izy ireo avy eo.”

“Hay nisy olona be tati-bolana, niaraka tamin’ireo rahalahy, ary nilaza tamin’ny mpiambina fa nisy olona nizara gazety ara-baiboly tamin’ny voafonja. Nosavan’izy ireo avy hatrany ny voafonja rehetra, ary lasany daholo ny gazety. Nahita gazety tao anatin’ny kidoroko izy ireo, ka natokan-toerana nandritra telo volana latsaka kely aho. Niahy anay foana anefa i Jehovah, toy ny efa nataony hatramin’izay.”

FAMELABELARANA NAMPAHAFANTATRA NY FAHAMARINANA

Nampanao famelabelaran-kevitra ny fitondrana mba hanoherana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hoy i Viktor Gutshmidt: “Nisy mpandahateny tonga foana tao amin’ny toby nisy anay, ary nampirisika ny olona tsy hino an’Andriamanitra. Nametraka fanontaniana tamin’izy ireo foana ireo rahalahy, taorian’ilay famelabelarana. Tsy voavalin’izy ireo, indraindray, na dia ny fanontaniana tsotra indrindra aza. Feno hipoka ilay efitra lehibe fanaovana fivoriana, ary nanongilan-tsofina ny rehetra. Maro ny olona tonga satria te handre ny zavatra lazain’ny Vavolombelon’i Jehovah.”

“Lehilahy iray niala tsy ho pretra tao amin’ny Eglizy Ortodoksa no nanao famelabelarana, indray andro. Fantatry ny rehetra hoe nanda ny finoany izy tany amin’ny toby, ka lasa tsy nino an’Andriamanitra intsony.”

“Nanontany azy ny rahalahy iray hoe: ‘Talohan’ny nigadranao ve ianao no tsy nino an’Andriamanitra sa taorian’izay?’ ”

“Namaly ilay lehilahy hoe: ‘Diniho fotsiny izao: Tonga tany ambony tsy taka-maso tany ny olona, kanefa tsy nahita an’Andriamanitra.’ ”

“Hoy indray ilay rahalahy: ‘Nihevitra ve ianao tamin’ny ianao mbola pretra, fa any amin’ny 200 kilaometatra miala amin’ny tany fotsiny no misy an’Andriamanitra?’ Tsy namaly izy. Nahatonga saina ny voafonja maro izany, ka lasa nianatra Baiboly ny sasany.”

“Nangataka hiteny ny anabavy iray, indray mandeha, ka hoy ilay mpanao famelabelarana: ‘Alefaso àry e! Mino aho fa Vavolombelon’i Jehovah ianao.’ ”

“Hoy ilay anabavy: ‘Ahoana no fiheveranao ny olona iray miantsoantso hoe: “Hovonoiko ianao!” kanefa tsy misy olona akory manodidina azy?’ ”

“ ‘Olona adala izany!’, hoy ilay lehilahy.”

“Hoy ilay anabavy: ‘Raha tsy misy àry Andriamanitra, nahoana ianareo no miady aminy? Raha tsy misy izy, dia miady amin’ny tsy misy ianareo izany.’ Toran’ny hehy ny rehetra.”

HIVERINA INDRAY ILAY MPITORY

Tsy tany amin’ny toby ihany no nisy famelabelarana nampahafantarana ny hevitra ijoroan’ny fitondrana sovietika, fa tany amin’ny tanàna lehibe koa. Nitety tanàna maro ny mpandahateny mahay, indrindra fa tany amin’ny toerana be Vavolombelon’i Jehovah, toa an’i Vorkouta, Inta, Oukhta, ary Syktyvkar. Hoy ihany i Viktor: “Nisy mpandahateny tonga tao amin’ny Lapan’ny Kolontsaina tao Inta, tamin’ny 1957. Nanao famelabelarana ho an’ny mpitrandraka arintany izy, ary olona 300 no tonga. Nohazavainy tamin’izy ireo ny finoana sy ny fomba fitorin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Notantarainy tamin’ny an-tsipiriany ny zavatra lazaintsika mandritra ny fiverenana mitsidika 15. Hoy izy avy eo: ‘Raha hitan’ilay mpitory hoe tsy manohitra azy ianao, dia hiverina indray izy. Raha tonga indray izy amin’ny fitsidihana faharoa, nefa mbola tsy manohitra ianao, dia hiverina fanintelony izy.’ ”

“Voatantarany tamin’ny an-tsipiriany tao anatin’ny adiny roa ny fiverenana mitsidika enina. Novakiny tamin’ny taratasy koa ny andinin-teny rehetra. I Polina vadiko no nitantara izany, tao amin’ny taratasy nosoratany ho ahy, tamin’izaho tany am-ponja. Voalaza tao fa gaga be ireo rahalahy nandre izany. Nanakiana antsika Vavolombelon’i Jehovah ny gazety, taorian’iny famelabelarana iny. Na izany aza, dia nahitana fanazavana feno momba ny Fanjakan’Andriamanitra tao amin’izy io. Nalefa tamin’ny radio koa ilay famelabelarana manontolo. Olona an’arivony, noho izany, no nahafantatra ny fomba fitory sy ny hafatra torin’ny Vavolombelon’i Jehovah.”

“Nanao famelabelarana ny mpandahateny iray avy any Moscou, tamin’ny 1962. Niresaka ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny izy, ary avy eo nilaza hoe: ‘Fanomezana an-tsitrapo an-tapitrisany dolara no voarain-dry zareo any Brooklyn, isam-bolana, mba hampandrosoana ny asan’izy ireo maneran-tany. Tsy manana na dia arimoara iray akory aza anefa ny mpitarika azy ireo. Efitra lehibe iray no isakafoanan’izy rehetra, ary miara-misakafo ao daholo na ny mpanadio na ny prezidà. Mitovy avokoa izy rehetra ary mifampiantso hoe rahalahy sy anabavy, toy ny ifampiantsoantsika Kominista hoe sakaiza.’ ”

“Nangina ny eran’ny trano. Hoy izy avy eo: ‘Na dia toa tsara aza anefa ny fomba fihevitr’izy ireo, dia tsy hanaraka izany mihitsy isika. Afaka mahavita ny vitan’izy ireo isika, rehefa mampiasa ny tanantsika sy ny saintsika, fa tsy mila an’izany Andriamanitra izany.’ ”

“Sambany izahay vao nandre mpitondra fanjakana nilaza ny marina momba ny Vavolombelon’i Jehovah, ka tena nampahery anay izany. Maro ny olona afaka nandre ny marina momba antsika, noho ireny famelabelarana ireny. Nila nahafantatra ny fampianaran’ny Baiboly anefa ny olona, mba hanatsarany ny fomba fiainany.”

TSY NAHOMBY INDRAINDRAY NY FANAHARAHA-MASO

Nanara-maso an’ireo rahalahy ny KGB, nandritra ny taona maro. Nampiasa fitaovana fihainoan-dresaka an-telefaonina izy ireo, tsy nanome ny taratasy sasany nalefa paositra, ary nampiasa fomba hafa koa. Nasian’izy ireo fitaovana fihainoan-dresaka tao an-tranon’ny rahalahy nanana andraikitra. Nahitan’i Grigory Sivulsky fitaovana toy izany tao amin’ny efitra kely tao ambany tafon-tranony, tamin’ny 1958. Mpiandraikitra ny vondrom-paritra nandritra ny 25 taona io rahalahy io, tao anatin’ny fandrarana. Hoy izy: “Tsy lavitra ny tanàn-dehibe ilay tranonay tany Touloun, any Siberia. Tao ambony rihana izahay no nipetraka. Nandre feo midridroka avy tao amin’ilay efitra kely aho, indray andro, rehefa tonga tao an-trano. Fantatro tamin’izany fa nametraka fitaovana fihainoan-dresaka tao ny KGB, toy ny efa fanaony hatraiza hatraiza. Nimpirina tao amin’io efitra kely io sy tamin’ny sisin-tafo ny ankamaroan’ny boky sy gazetinay.”

“Nolazaiko tamin’ny vady aman-janako ny fanahiako, rehefa nihaona izahay ny harivan’iny. Nifanaraka izahay fa tsy hiresaka zavatra momba ny fiangonana mihitsy aloha. Nalefanay mafy ny radio nandritra iny herinandro iny. Nandady tao amin’ilay efitra kely izaho sy ny rahalahy iray, rehefa nifarana ny herinandro. Nahita kabla niraikitra tamin’ny fitaovana fihainoan-dresaka izahay. Hitanay nisisika teo anelanelan’ny hazo fisaka roa ilay kabla, nivoaka teo amin’ny sisin-tafo, ary tonga hatrany amin’ny biraon’ny KGB. Nino izahay fa noraisin’izy ireo tamin’ny horonam-peo daholo ny feo rehetra tao an-trano, saingy ny fandaharana tamin’ny radio ihany no voarainy.”

NIDITRA AN-TSOKOSOKO NY KGB

Hitan’ny KGB fa tsy nampihena ny zotom-pon’ny Vavolombelona ny fanenjehana. Nataon’izy ireo àry izay hahatonga ny Vavolombelon’i Jehovah, tsy hatoky ny fandaminana sy ireo rahalahy nanana andraikitra. Nampiasa hafetsena sy fitaka izy ireo mba hahavitana izany. Naniraka mpitsikilo za-draharaha, ohatra, izy ireo mba hanakorontana ny fiangonana.

Nahazo andraikitra teo anivon’ny fandaminana ny sasany tamin’ireo mpitsikilo. Nanao izay ho afany ireny rahalahy sandoka ireny mba tsy handrosoan’ny asa fitoriana. Nataony izay hahatonga ny Vavolombelon’i Jehovah hifampiahiahy sy hatahotra ary tsy hatoky an’ireo rahalahy tompon’andraikitra. Nalain’izy ireo koa ny boky sy gazety ka nomeny ny KGB. Nilaza ny tatitra iray, fa mpitsikilo roa monja dia efa nahavita nanatitra gazety Tilikambo Fiambenana 500 mahery sy boky hafa, tany amin’ny KGB, teo anelanelan’ny 1957 sy 1959.

Nanomboka tsy natoky ny Komitin’ny Tany teto an-toerana ny rahalahy sasany, tamin’ny 1955 tany ho any. Re siosio mantsy fa misy rahalahy anisan’io komity io miara-miasa amin’ny KGB, ka mamadika an’ireo rahalahy mahatoky, anisan’izany ireo mpanao kopia boky sy gazety. Hoy i Ivan Pashkovsky: “Nanangana komity vaovao izahay tamin’ny Aprily 1959, ary anisan’izy io aho. Tapa-kevitra hanao izay rehetra azonay atao izahay mba hiarovana ny fahamarinana, na dia miezaka hanimba ny firaisan-tsaina eo anivon’ny fandaminana aza ny Devoly. Nanomboka teo ny fotoan-tsarotra indrindra teo amin’ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah nanerana an’i URSS.”

Vao mainka tsy natoky an’ireo rahalahy tao amin’ny Komitin’ny Tany ny rahalahy sasany, ka tsy nalefan’izy ireo tany intsony ny tatitry ny fiangonana. Nazoto nanompo foana ny mpitory ary namerina tatitra tsy tapaka. Tsy fantatry ny ankamaroan’izy ireo anefa hoe tsy nalefa tany amin’ny Komitin’ny Tany ireny tatitra ireny. Tapaka ny fifandraisan’ny Komitin’ny Tany sy ny mpitory an’arivony, tamin’ny 1958, noho ny nafitsoky ny rahalahy sasany. Nihamaro ireo rahalahy nisaraka tamin’ny fandaminana, tany Irkoutsk sy Tomsk ary tany amin’ny tanàna rosianina hafa. Nanangana “komitin’ny tany” ho azy manokana izy ireo tamin’ny Martsa 1958, ary nanantena fa hanaiky azy io ny fiangonana rehetra.

Nanao izay rehetra azony natao ny Filan-kevi-pitantanana mba hampiray saina indray an’ireo rahalahy nanerana an’i URSS. I Alfred Rütimann, izay nipetraka tany Soisa, no mpiandraikitra ny Biraon’i Eoropa Avaratra tamin’izany. Io birao io no nanara-maso ny asa teto. Nanoratra ho an’ireo rahalahy teto izy tamin’ny 1959, ary nanazava fa izay miezaka miray saina sy mitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana ihany no hotahin’i Jehovah. Nanaiky an’io torohevitra io ny sasany tamin’ireo rahalahy nisaraka tamin’ny Komitin’ny Tany, ary niezaka nitoky tamin’io komity io indray. Taona maro tatỳ aoriana anefa vao natoky tanteraka an’io komity io izy ireo. Nampiasa olona mahatoky ny Komitin’ny Tany tamin’izany fotoana izany, mba hanatitra boky sy gazety tany amin’ireo rahalahy. Nianatra an’ireny boky sy gazety ireny ireo rahalahy nisaraka tamin’ilay komity, saingy tsy nandefa ny tatitra momba ny fanompoany.

Nataon’ny KGB foana izay hahatonga ny Vavolombelon’i Jehovah hifampiahiahy. Nogadrainy ny rahalahy sasany, fa ny sasany kosa tsy nogadrainy. Nihevitra àry ny Vavolombelona fa niara-niasa tamin’ny KGB ireo rahalahy tsy nigadra. Nanjary nanakiana sy niahiahy be an’ireo rahalahy tompon’andraikitra ny Vavolombelona maro.

NATAO IZAY HAMPAHALAZA AN’ILAY FITSARANA

Nilaza tamin’ny fitondrana foibe tao Moscou ny manam-pahefana tany Irkoutsk hoe: “Maro be ny zavatra an-tsokosoko ataon’ny [Vavolombelon’i Jehovah eto amin’ny Faritr’i Irkoutsk]. Nahita fanontam-pirinty dimy tany ambany lakaly ny KGB tamin’ny faramparan’ny taona 1959.” Tany Zima, Touloun, Kitoy, Oktyabr’skiy, ary Zalari no nahitana azy ireo. Voasambotra izay rehetra voarohirohy tamin’ilay asa fanaovam-pirinty.

Rahalahy efatra aloha no voasambotra. Nampiasa hafetsena ireo mpanao famotorana, mba hanerena azy ireo hanoratra taratasy momba ny fizotran’ilay asa fanaovam-pirinty. Naolan’ny KGB ilay fanazavana avy eo, ary navoakany an-gazety. Nafahana izy efa-dahy, ary nisy rahalahy valo hafa nosamborina. Nokasaina hatao any Touloun ny fitsarana azy valo lahy ny Aprily 1960. Nataon’ny KGB izay hampahalaza an’ilay fitsarana. Ireo rahalahy efatra nafahan’izy ireo no tiany hatao vavolombelona hiampanga azy valo lahy. Nihevitra ny rahalahy maro fa niara-niasa tamin’ny KGB izy efa-dahy.

Nataon’ny KGB io fitsarana notefitefena io, mba hanimbana ny finoan’ny Vavolombelon’i Jehovah manatrika eo. Nataony koa izy io mba hankahalan’ny olona ny Vavolombelona. Nentin’ny KGB nijery toerana iray fanontam-pirinty tany ambany lakaly ny olona, talohan’ilay fitsarana. Efa an-taonany maro ireo rahalahy no nanao pirinty tao. Lasa resa-be tao an-tanàna hoe misy “sekta” manao zavatra an-tsokosoko. Rehefa tonga ilay andro fitsarana dia olona 300 mahery no nanatrika, anisan’izany ny mpanao gazety sy ny mpiasan’ny tele. Nisy aza avy any Moscou. Maro koa ny Vavolombelon’i Jehovah tonga tao.

NIKORONTANA ILAY FITSARANA

Nandamòka ny tetiky ny KGB. Tsapan’ireo efa-dahy nafahana fa tsy nety ny nataony, ka nanapa-kevitra izy ireo ny andro mialoha an’ilay fitsarana, fa hanao izay rehetra azony atao mba hanomezam-boninahitra an’i Jehovah. Nilaza izy ireo nandritra ny fitsarana hoe voafitaka izy ireo ary naolana ny fanazavana nomeny. Hoy izy ireo avy eo: “Aleonay miara-mipetraka amin’ireo rahalahinay voampanga.” Tsy nandeha tamin’ny laoniny ilay fitsarana.

Nahay namaly koa ireo rahalahy voampanga rehefa nadinadinina. Tsy nahafahana niampanga na iza na iza ny valin-tenin’izy ireo. Nanontanian’ny mpitsara, ohatra, i Grigory Timchuk hoe: “Iza no nanamboatra an’ilay fanontam-pirinty tao an-tranonao?”, dia namaly izy hoe: “Izaho.” “Ary iza no nanao pirinty?”, dia namaly izy hoe: “Izaho.” “Iza no nizara an’ireo boky sy gazety vita pirinty?”, dia namaly ihany izy hoe: “Izaho.” “Ary iza no nividy sy namatsy taratasy?”, dia mbola namaly izy hoe: “Izaho ihany.” Hoy ilay mpitsara tamin’ny farany: “Fa inona marina ny andraikitra tananao e? Sady mpitantana ianao izany, no mpamatsy fitaovana, no mpiasa?”

‘TENA NAMPAHERY ANAY ILAY TARATASY!’

Rehefa hitan’ilay mpitsara fa tsy nanana vavolombelona intsony izy mba hanamelohana an’ireo rahalahy, dia nampangainy ho miray tsikombakomba amin’ny vahiny izy ireo. Ny taratasy nalefan’i Nathan Knorr avy any Brooklyn no nentiny nanaporofo izany. Hoy i Mikhail Savitsky, anisan’ny nanatrika teo: “Nanomboka namaky taratasy iray ilay mpitsara. Taratasy nalefan’ny Rahalahy Knorr ho an’ireo rahalahy teto izy io, fa notazonin’ny KGB. Tsapanay Vavolombelona nanatrika teo, fa fanomezana sarobidy avy amin’i Jehovah ilay taratasy. Tena nampahery anay ilay izy! Nandre torohevitra feno fahendrena avy ao amin’ny Baiboly izahay, sady nampirisihina hanompo ny mpiray finoana aminay sy ho tia azy ireo, ary tsy hivadika rehefa misy fitsapana. Nampirisihina izahay hangataka fahendrena sy tari-dalana amin’Andriamanitra sady hitoky tanteraka aminy. Nasaina niara-niasa akaiky tamin’ireo rahalahy voatendry koa izahay. Novakin’ilay mpitsara hatramin’ny farany ilay taratasy. Nanongilan-tsofina erỳ izahay. Hoatran’ny hoe fivoriambe no natrehinay fa tsy fitsarana!” Vao mainka tapa-kevitra hanompo an’i Jehovah foana ny Vavolombelona rehetra nanatrika teo, na dia nohelohina higadra aza ireo rahalahy notsaraina.

NIRAY SAINA INDRAY

Nihevitra ny KGB fa nahavita nampitsahatra ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah nanerana ny Firaisana Sovietika. Nanapa-kevitra àry izy ireo fa hiroso amin’ny dingana farany mba hampisara-bazana azy ireo. Rahalahy 450 mahery no nogadraina tao amin’ny toby iray tany Mordovie, tamin’ny 1960. Nampiarahina tao ireo rahalahy nitana andraikitra nisaraka tamin’ny fandaminana sy ireo niara-niasa tamin’ny fandaminana. Nihevitra ny KGB fa hahomby ny tetiny. Namoaka lahatsoratra maneso an’ireo Vavolombelona ny gazety tao an-toby, ary nolazainy ny anaran’ireo Vavolombelona hifanandrina. Faly anefa ireo rahalahy fa tafaraka tao daholo, ka niray saina indray.

Hoy i Iov Andronic: “Nampirisihin’ireo rahalahy nitana andraikitra ny Vavolombelona rehetra mba hiray saina, anisan’izany ireo nisaraka tamin’ny fandaminana. Nampiasain’izy ireo ilay lahatsoratra tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Septambra 1961 (rosianina) hoe ‘Nampanantena i Jehovah fa Hiray Saina ny Olona Tsara Sitrapo.’ Niresaka toro lalana sy ohatra, izay mampiseho ny fomba nitarihan’i Jehovah ny vahoakany fahiny, ilay lahatsoratra. Nohazavaina tao koa fa tokony hiezaka hihavana sy hiray saina ny Kristianina. Rehefa avy nandinika tsara an’ilay lahatsoratra ireo rahalahy, dia maro tamin’izy ireo no nahatakatra fa tena zava-dehibe ny miray saina. Nandrisika azy ireo hiova izany.”

LAHATSORATRA NAMPIRAY SAINA

Nampiray saina an’ireo Vavolombelona tsy nigadra koa iny lahatsoratra iny. Niara-nivavaka ireo rahalahy tompon’andraikitra ary niara-namaky azy io. Voalaza tao fa nanao ny lahateniny farany ny Rahalahy Rutherford tamin’ny fivoriambe tamin’ny Aogositra 1941, noho izy narary. Nampirisika an’ireo rahalahy izy mba tsy hiala amin’ny fandaminan’i Jehovah sady tsy hanaraka olona. Hoy izy: ‘Rehefa misy zava-mitranga sy mandroso, dia tsy maintsy mieritreritra ny olona hoe misy mpitarika mahasarika olona maro ao. Raha mihevitra ianareo hoe mpanompon’ny Tompo fotsiny aho, ary miara-miasa amim-piraisan-tsaina isika, manompo an’Andriamanitra sy Kristy, dia lazao hoe Eny.’ Niara-niredona ny mpanatrika hoe: “Eny.”

Hoy i Mikhail Savitsky: “Tena nila niray saina ireo Vavolombelona teto. Velom-pisaorana an’i Jehovah izahay satria tia anay izy ary nanam-paharetana, ka nanampy anay hanana finoana matanjaka foana. Nangataka an’ilay gazety nisy an’ilay lahatsoratra ny rahalahy iray nisaraka tamin’ny fandaminana. Hoy izy: ‘Mba omeo ahy iny gazety iny mba hovakinay amin’ireo rahalahy any Bratsk sy any amin’ny tanàna hafa.’ Nolazaiko taminy fa tsy manana afa-tsy iny gazety tokana iny izahay. Nanome toky ahy anefa izy fa haveriny ilay izy rehefa afaka herinandro. Nateriny tokoa ilay gazety, niaraka tamin’ny tatitra momba ny fanompoan’ny fiangonana maro, izay tsy naverin’ireo rahalahy ireo hatramin’ny ela be. Rahalahy sy anabavy an-jatony no niaraka indray tamin’ny mpivavaka tamin’i Jehovah.”

Hoy i Ivan Pashkovsky, anisan’ny Komitin’ny Tany nandritra ny 30 taona mahery: “Niangavianay ny Rahalahy Knorr mba hampirisika an’ireo rahalahy teto Rosia hiray saina sy hanaraka ny tari-dalan’ny fandaminana. Rahalahy iray avy any andafy no nampitondrainay an’ilay hafatra. Nandefa taratasy ho anay àry ny Rahalahy Knorr tamin’ny 1962, ary nataony tamin’ny teny anglisy sy rosianina ilay izy. Nandefasany 25 tamin’izy io izahay. Maro àry ny olona nahatsapa fa tena ilaina ny miaraka amin’ny fandaminana.”

NANDRE NY FEON’NY MPIANDRY AZY NY ONDRY

Niezaka mafy ny Komitin’ny Tany mba hampiray saina an’ireo rahalahy, na dia tsy mora aza izany. Vavolombelona tao anatin’ny vondrom-paritra iray no niaraka indray tamin’ny fandaminana, teo antenatenan’ny 1962. Nisy rahalahy matotra notendrena mba hanangona an’ireo Vavolombelona tafasaraka tamin’ny fandaminana. Nitahy ny ezaka nataon’ireo rahalahy ireo i Jehovah, sady nanome azy ireo “fahendrena.” (Jak. 3:17) Hoy i Aleksey Gaburyak, mpiandraikitra ny faritra tamin’ny 1986 ka hatramin’ny 1995: “Nihaona tao Ousolie-Sibirskoïe izahay sy ny Komitin’ny Tany, tamin’ny 1965. Nampirisihin’izy ireo izahay mba hikaroka sy hanangona an’ireo rahalahy sy anabavy tsy afaka nifandray tamin’ny fandaminana, noho ilay fisaratsarahana, na noho izy ireo natao sesitany na nigadra. Nomena adiresy vitsivitsy izahay, ary ireny aloha no notadiavinay. Tany Novokouznetsk sy Novossibirsk ary ny Faritr’i Tomsk sy Kemerovo aho no notendrena. Nalefa tany an-toeran-kafa kosa ny rahalahy sasany. Nasaina nikarakara fiangonana sy antoko-mpitory izahay, ary nanendry sy nampiofana rahalahy mpiandraikitra. Nandamina fivoriana izahay na teo aza ny fandrarana, sady nandinika ny fomba hatao mba hahazoan’ny fiangonana boky sy gazety tsy tapaka. Vavolombelona 84 no notsidihinay tao anatin’ny fotoana fohy. Faly erỳ izahay fa nandre indray ny feon’ilay Mpiandry Tena Tsara ireny ‘ondry’ ireny, ka manompo an’i Jehovah miaraka amin’ny vahoakany!”—Jaona 10:16.

Tsy ela dia nanaiky indray ny tari-dalan’ny Komitin’ny Tany ny Vavolombelona maro, ka nandefa ny tatitra momba ny fanompoany. Mpitory maherin’ny 4 500 no niaraka indray tamin’ny fandaminan’i Jehovah, tamin’ny 1971. Nitohy foana ny asa fitoriana tamin’ny 1985 tany ho any, na dia mbola voarara aza ny asa. Maro koa ireo vaovao niaraka tamin’ny fiangonana.

HORONAN-TSARY SAROBIDY

Mitaky ezaka be ny famokarana sakafo ara-panahy. Malina sy be herim-po anefa ireo rahalahy nanao izany. Ahoana no nahazoan’izy ireo sakafo ara-panahy hatao pirinty?

Nampiasa horonan-tsary bitika izy ireo. Alaina sary tsirairay ny pejin’ireo gazety, boky, bokikely amin’ny teny rosianina sy iokrenianina ary teny hafa. Tany amin’ireo firenena manodidina no nanaovana izany. Mahazaka porofon-tsary mirefy 30 metatra ny fakan-tsary iray. Alaina sary imbetsaka ny boky tsirairay, mba hanamora ny fizarana an’ireo porofon-tsary. Mahatratra kilaometatra maro ny halavan’ny porofon-tsary nampiasaina nandritra ny taona maro, raha atambatra. Notapatapahina ho 20 santimetatra avy izy ireny mba hanamora ny fitondrana azy.

FANONTAM-PIRINTY TANY SIBERIA

Sarotra ny nanao pirinty boky sy gazety, kanefa nitahy ny asa i Jehovah. Teo anelanelan’ny 1949 sy 1950 fotsiny, ohatra, dia boky sy gazety 47 165 no natao pirinty sy nozaraina tany amin’ireo fiangonana. Nilaza koa ny Komitin’ny Tany fa afaka nandamina fivoriana 31 488 ireo rahalahy, na dia mafy aza ny fanoherana.

Nampitomboina ny isan’ny toerana fanontam-pirinty, satria nihamaro ny boky sy gazety nilaina. Hoy i Stakh Savitsky: “Nasiana fanontam-pirinty tao an-tranonay, tamin’ny 1955. Nila niera tamin’i Dada izahay, satria tsy Vavolombelon’i Jehovah izy. Nihady lavaka tao an-trano izahay nandritra ny roa volana teo ho eo, mba hanaovana efitra any ambanin’ny tany. Efatra metatra ny lavany ary roa metatra ny sakany. Tany be dia be no nesorina avy tao, ary nafeninay ilay izy mba tsy ho voamariky ny olona. Sendra tany nohamafisin’ny ranomandry izahay, rehefa avy nihady iray metatra sy sasany. Nandrehitra kitay teo ambonin’ilay izy àry i Neny mba hampitsonika an’ilay ranomandry, raha mbola tany am-piasana izahay. Nitandrina anefa izy mba tsy ho tsikaritry ny olona izany. Hazo fisaka no nataonay gorodona sy valindrihana. Nisy mpivady nifindra tao rehefa vita ilay toerana. Tao izy ireo no nipetraka sy niasa. I Neny no nahandro ny sakafony sy nanasa ny lambany ary nikarakara azy ireo. Nampiasaina hatramin’ny 1959 io fanontam-pirinty io.”

“Nanontany ahy toy izao ny mpiandraikitra ny fanontam-pirinty, tamin’ny 1957: ‘Afaka miasa ao amin’ilay fanontam-pirinty koa ve ianao? Mila gazety 200 isam-bolana isika, fara fahakeliny.’ Gazety 200 no nataoko tamin’ny voalohany, ary avy eo 500. Nihamaro anefa ny gazety nilaina. Tamin’ny alina aho no nanao pirinty, satria anisan’ireo natao sesitany izahay ary nisy asa tsy maintsy nenjehina isan’andro. Iray andro isan-kerinandro ihany izahay no tsy niasa.”

“Nankao amin’ilay fanontam-pirinty aho isaky ny avy niasa. Tsy natory firy aho, satria tsy maintsy vitaina hatramin’ny farany ny fanaovana pirinty rehefa natomboka. Ho maina mantsy ny ranomainty raha tapatapahina ilay asa. Nila nanao pirinty taratasy 500 pejy aho indraindray, ary avy eo nanao fanitsiana tamin’ny fanjaitra mba ho hita tsara ny soratra. Tsy dia nisy rivotra tao, ka sarotra ny nanamaina an’ireo pejy vita pirinty.”

“Andro alina aho no nanatitra gazety tany Touloun, tany amin’ny 20 kilaometatra. Tsy fantatro hoe nalefa taiza ireo gazety ireo avy eo. Ny hany fantatro dia hoe nampiasain’ny Vavolombelona tany amin’ny tanàna toa an’i Krasnoïarsk sy Bratsk ary Ousolie-Sibirskoïe, izy ireny.”

“Niangavian’ireo rahalahy tompon’andraikitra aho tamin’ny 1959, mba hanampy tamin’ny fanamboarana toerana fanontam-pirinty vaovao tany Touloun, teo akaikin’ny gara. Naveriko indray ilay asa nataoko tany aminay: nihady lavaka, nanisy jiro, sy ny sisa. I Jehovah no nanampy anay hahita hevitra. Nifindra nankao ny fianakaviana iray avy eo, ary niasa tao nandritra ny herintaona teo ho eo. Tratran’ny KGB ilay izy, tatỳ aoriana. Nilaza ny gazety teo an-toerana fa ‘tena mahay izay nanisy jiro tao, ka na ny elektrisianina tena mahay aza tsy hahatakatra ny fomba nametahana azy io.’ ”

“Rahalahy vitsivitsy sy ny fianakaviako ihany no nahalala hoe nanao pirinty ny bokintsika aho. Tsy nahita ahy ireo rahalahy sy anabavy rehefa takariva, ka nanahy izy ireo sao nihanalemy finoana aho. Tonga nitsidika ahy izy ireo mba hampahery ahy, nefa tsy tratrany tao an-trano foana aho. Notanana ho tsiambaratelo ny asa fanontam-pirinty tamin’izany, satria henjana be ny fanaraha-maso nataon’ny mpitondra.”

FANAOVANA PIRINTY TAO MOSCOU

Fantatry ny mpitondra fa tena nila Baiboly sy boky ara-baiboly ny Vavolombelona. Nangataka imbetsaka tamin’izy ireo ny Filan-kevi-pitantanana mba havelany hanao pirinty na handefa boky aman-gazety teto. Nolavin’izy ireo foana anefa izany, na tsy noraharahainy. Tena tsy ampy ny boky sy ny gazety ka nikaroka fomba hanaovana pirinty tany amin’ny toerana maro ireo rahalahy, anisan’izany i Moscou.

Voaheloka higadra folo taona i Stepan Levitsky tamin’ny 1957, satria nahatratrarana Tilikambo Fiambenana iray tao ambanin’ny lamban-databatra, tao amin’ny efitra fisakafoany. Hoy izy: “Nofoanan’ny Fitsarana Tampony ny saziko rehefa afaka telo taona sy tapany. Nampirisihin’ireo rahalahy aho talohan’ny hivoahako ny fonja mba hipetraka tsy lavitra an’i Moscou renivohitra, ka hitory sy hanao asa kristianina hafa. Nahita trano hipetrahana tao amin’ny tanàna iray miala adiny roa avy ao Moscou aho. Nanomboka nitory tao amin’ny faritra samihafa tao an-drenivohitra aho. Nitahy ny ezaka nataoko i Jehovah, ka lasa nisy antoko-mpitory tao Moscou, taona vitsivitsy tatỳ aoriana. Voatendry ho mpiandraikitra ny faritra aho tamin’ny 1970, ary anisan’ny tanàna notsidihiko i Moscou, Leningrad (Saint-Pétersbourg ankehitriny), Gorki (Nijni Novgorod ankehitriny), Orel, ary Toula.”

“Nino aho fa tian’i Jehovah hahazo boky sy gazety ampy ireo rahalahy tao Moscou sy ny faritra hafa teto Rosia. Noresahiko tamin’i Jehovah àry fa vonona ny hampiasainy bebe kokoa aho mba hanatanterahana izany. Nifankahalala tamin’ny lehilahy matihanina amin’ny asa fanaovam-pirinty aho, tsy ela taorian’izay. Nana-namana mpanao pirinty maromaro tao Moscou izy. Nanontany azy aho raha azo atao ny mampanonta boky ao amin’ny fanontam-pirinty ao Moscou.”

“Nanontany izy hoe: ‘Boky inona?’ ”

“ ‘Ilay boky hoe Eo Amin’ny Paradisa Very ka Hatreo Amin’ny Paradisa Azo Indray’, hoy aho, sady natahotahotra ihany.”

“Nana-namana niasa tao amin’ny fanontam-pirinty iray izy. Kominista izy io sady filohan’antoko politika. Te hahazo vola izy, ka nanaiky hanao pirinty boky vitsivitsy. Faly erỳ ireo rahalahy rehefa nahazo an’io boky fianarana Baiboly io!”

“Tena mety hampidi-doza ahy sy ilay mpanao pirinty ny fanamboarana ny bokintsika. Tamin’ny alina mazàna no nalaina tao amin’ilay toerana fanaovam-pirinty izay boky vita. Nitahy an’ilay asa i Jehovah, ka maro ny boky natao pirinty tao, anisan’izany “Ny Marina Hahafaka Anareo Tsy ho Andevo”, Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, ary na dia ny fihirana aza! Tonga tamin’ny fotoana mety tokoa ireny sakafo ireny! (Matio 24:45) Nampanao pirinty tao amin’io toerana io izahay nandritra ny sivy taona.”

“Tonga tampoka ny tompon’andraikitr’ilay fanontam-pirinty, indray andro, tamin’ny fotoana nanamboarana ny bokintsika. Novan’ilay mpanao pirinty haingana ny boky teo amin’ny milina, ka nosoloany gazetiboky momba ny fahasalamana. Nikoropaka anefa izy ka tafiditra tao amin’izy io ny pejy enina tamin’ny bokintsika. Naka anankiray tamin’ilay gazetiboky vaovao ilay vehivavy, ary namaky izany. Gaga be izy satria niresaka zavatra hafa tanteraka ny pejy sasany tao amin’ilay gazetiboky. Nampanantsoiny ilay mpanao pirinty ary nanontaniany ny antony nahatonga izany. Nandray an-tanana an’ilay raharaha ny KGB. Natahotra ny higadra an-taonany maro ilay mpanao pirinty ka nibaradaka. Tonga dia fantatry ny KGB ny zavatra nataoko, satria tamin’izy ireo dia izaho irery no Vavolombelon’i Jehovah tao Moscou. Voaheloka higadra dimy taona sy tapany aho.” Ilay mpanao pirinty kosa voaheloka higadra telo taona.

“ENGA ANIE KA HO TONGA NY HARA-MAGEDONA!”

Betsaka ny rahalahy sy anabavy nigadra an-taonany maro. Hoy i Grigory Gatilov, izay nigadra 15 taona: ‘Tsara anarana ilay fonja nigadrako farany. Nantsoina hoe Gisa Fotsy Manjopiaka izy io. Eo an-tampon’ny tendrombohitra iray any Caucase no misy azy io, tsy lavitra an’i Piatigorsk, toerana fitsangantsanganana. Afaka nitory tamin’ny olona maro aho tao anatin’ny herintaona. Ny efitra nigadrako ihany no “faritaniko”, fa tsy voatery nandehandeha aho. Nosoloan’ny mpiambina foana ny olona niara-nigadra tamiko isaky ny afaka andro vitsivitsy. Tsindraindray ihany aho vao nafindra tany amin’ny efitra hafa. Nohazavaiko tsara tamin’izay olona niara-nigadra tamiko ny momba ny Fanjakan’i Jehovah. Maro no nanontany ahy momba ny Hara-magedona. Gaga ny voafonja sasany hoe misy olona migadra ela be noho ny finoany. Nisy tamin’izy ireo nilaza hoe: “Maninona ianao raha miala amin’ny finoanao fotsiny, dia afaka mody?” Efa nanontany toy izany koa na dia ny mpiambina aza. Faly erỳ aho rehefa misy olona liana amin’ny fahamarinana. Nahita soratra toy izao teo amin’ny rindrin’ny fonja aho, indray andro: “Enga anie ka ho tonga ny Hara-magedona!” Tsy dia mahafaly ny migadra, kanefa faly aho satria afaka niresaka ny fahamarinana tamin’ny hafa.’

“MISY JONADABA VE AMINAREO?”

Maro tamin’ireo anabavy nazoto nanompo an’i Jehovah no nigadra. (Sal. 68:11) Tena hita fa tia ny mpiray finoana aminy sy ny voafonja hafa izy ireo. Hoy i Zinaida Kozyreva: “Nalefa tany amin’ny toby iray tany Kemerovo, any Siberia, izaho sy Vera Mikhailova ary Lyudmila Yevstafyeva, tamin’ny 1959, izany hoe tsy ampy herintaona taorian’ny batisako. Nisy voafonja 550 tao. Nisy vehivavy maromaro nijoro teo am-baravarana tamin’izahay tonga.”

“Nanontany izy ireo hoe: ‘Misy Jonadaba ve aminareo?’ ”

“Tonga dia fantatray fa rahavavy malalanay ireo. Nomeny sakafo haingana izahay, ary nametrahany fanontaniana. Tena be fitiavana izy ireo. Tsy nahatsapa fitiavana toy izany mihitsy aho teo anivon’ny fianakaviako. Tena nanampy anay izy ireo, satria fantany fa nanavao anay ny fiainana tao an-toby. (Matio 28:20) Tsy ela dia fantatray fa efa nisy fandaharana voalamina tsara tao an-toby, mba hahazoana sakafo ara-panahy tsy tapaka.”

“Nifampitondra toy ny mpianakavy izahay. Tena nahafinaritra ny nanangona mololo rehefa fahavaratra. Tsy natahorana handositra na handika lalàna izahay, ka miaramila iray no nasaina niambina rahavavy 20 na 25. Izahay anefa no tena niambina an’ilay miaramila, raha ny marina! Fohazinay izy raha vao misy olona tamy, satria ho voasazy izy raha tratra matory eo am-perinasa. Nandinika loha hevitra ara-baiboly izahay nandritra ny fiatoana. Natory ilay miaramila nandritra izany fotoana izany, ka samy nandray soa na izahay na izy.”

“Nalefa tany amin’ny toby tsara ambina izaho sy ny rahavavy sasany, taloha kelin’ny 1960. Natao tao amin’ny efitra mamanala izahay, ary tsy nisy fitaratra ny varavarankely. Natory teo ambony hazo fisaka izahay amin’ny alina, ary niasa rehefa antoandro. Nifantina legioma no asanay, ary nandinika ny fomba fiasanay ny mpiandraikitra ny toby. Tsy ela izy ireo dia niaiky fa tsy mangalatra toy ny voafonja hafa izahay, ka nomeny mololo hatoriana, ary nasiany fitaratra ilay varavarankely. Herintaona izahay no tao. Nafindra tany amin’ny toby iray tany Irkoutsk ny rahavavy rehetra, taorian’izay.”

“Rahavavy 120 teo ho eo izahay no tao amin’ny tobin’i Irkoutsk. Herintaona sy telo volana izahay no tao. Namirifiry be ny ririnina voalohany nipetrahanay tany, sady feno lanezy. Tena mafy ny asa fikapana hazo nataonay. Nosavan’ny mpiambina matetika izahay sao dia misy boky na gazety tany aminay. Toy ny hoe izany no mba fanalan’andron’izy ireo! Nahay nanafina boky sy gazety izahay, ary tsara afina loatra ilay izy indraindray. Nataonay sy Vera tsara afina, ohatra, ireo taratasy nisy ny andinin-teny ho an’ny andro, ka tsy hitanay tao amin’ny akanjo fitondranay miasa. Ilay mpiambina indray no nahita azy ireo, ka natokan-toerana nandritra ny dimy andro izahay sy Vera. Tena namirifiry tany an-tokotany, satria 40 degre ambanin’ny zerô ny mari-pana, ary feno lanezy ny rindrina.”

“Nisy talantalana vita tamin’ny simenitra teo amin’ny rindrin’ilay efitra fanokanan-toerana, ary zara raha azo nipetrahana. Rehefa alina ny andro, ka nangatsiaka be izahay roa vavy, dia nataonay nifampiankina ny lamosinay, natodikay tany amin’ny rindrina ny tongotray sady navonkinay. Nitsamboatra izahay rehefa taitra amin’ny maraina, satria natahotra sao dia maty noho ny hatsiaka. Rano mafana iray vera sy mofo kely no sakafonay isan’andro. Faly anefa izahay, satria nanome anay ‘hery fanampiny’ i Jehovah. (2 Kor. 4:7) Nikarakara tsara anay ireo rahavavy, rehefa avy natokan-toerana izahay. Nanao sakafo mafana ho anay izy ireo, sady namàna rano hisasanay.”

“MAHAY MIFANDRAY AMIN’OLONA”

Hoy ihany i Zinaida: “Sarotra ny nitory tao amin’ilay toby, satria vitsy ny voafonja ary mahafantatra momba ny Vavolombelona izy rehetra. Tena nilainay àry ny nampihatra ny toro lalana voalazan’ny 1 Petera 3:1. Nantsoinay hoe fitoriana tsy amin’ny teny ilay izy. Nataonay nadio sy nilamina foana ny efitra nisy anay. Nifankatia sy nifanampy koa izahay, ary nifandray tsara tamin’ny voafonja hafa. (Jaona 13:34, 35) Niezaka nampihatra izay voalazan’ny Tenin’Andriamanitra izahay, ary niahy izay hahasoa ny hafa. Nanampy voafonja hafa hanao kajy, ohatra, ny rahavavy iray. Tsikaritry ny olona maro àry fa tsy mitovy amin’ny mpivavaka hafa ny Vavolombelon’i Jehovah.”

“Nafindra tany amin’ny toby iray tany Mordovie izahay tamin’ny 1962. Niezaka nikarakara tena sy nitandro ny fahadiovana toy ny tany Irkoutsk izahay. Nadio sy nilamina foana ny fandriananay. Voafonja 50 teo ho eo no tao amin’ny trano nisy anay, ary rahavavy ny ankamaroany. Ny Vavolombelona ihany no nanadio trano, fa tsy nety nanao ny hafa. Nosasanay sy nokosehinay tamin’ny fasika foana ny trano nisy anay, ary ny mpiandraikitra ny toby no nanome ny fitaovana nilaina. Tsy nety nanadio trano ny masera sy ireo olona nandia fianarana ambony. Ny herim-ponay irery no nampahadio an’ilay trano. Nisy fanamarihana toy izao tao amin’ny taratasy momba izay rahavavy nahazo fahafahana: ‘Mahay miaina mifanaraka amin’ny zava-misy sady mahay mifandray amin’olona.’ ”

NANAKONA ANAY NY VONINKAZO LAVA BE

Hoy i Zinaida: “Nanoratra tany amin’ny havany ny rahavavy sasany, ary nangataka voam-boninkazo be felana. Nilaza tamin’ny tompon’andraikitra izahay fa te hamboly voninkazo tsara tarehy, ka nangataka tany mainty sy zezika. Gaga izahay fa nahafaly azy ireo izany. Nanamboatra zaridaina nanaraka ny lavan’ilay trano izahay, ary nasianay lalana lavabe teo afovoan’ireo zaridaina. Tsy ela dia feno voninkazo lava taho tao amin’ilay toby. Tao ny raozy, pika, sy ny voninkazo tsara tarehy hafa. Feno dalia sy marigirity lava be sady be felana ilay zaridaina teo afovoany. Nisy lokony isan-karazany koa izy ireo. Nandehandeha teo izahay sady nianatra Baiboly. Tsy nisy nahita anefa ny zavatra nataonay, noho ireo voninkazo lava be. Nafeninay tany anatin’ireo raozy matevina koa ny boky sy gazety.”

“Sady nandehandeha izahay no nivory. Nandeha tsidimidimy izahay, ary efa samy nitadidy fehintsoratra iray avy tao amin’ny bokintsika. Rehefa vita ny vavaka fanokafana dia namerina an’ilay fehintsoratra notadidiny ny iray, ary narahina fiaraha-midinika izany. Toy izany hatrany, mandra-pahavitan’ireo fehintsoratra dimy. Mbola nandehandeha ihany izahay taorian’ny vavaka famaranana. Bitika kely ny gazety Tilikambo Fiambenana nampiasainay [toy ilay aseho ao amin’ny pejy 161]. Niara-nandinika ny Soratra Masina izahay isan’andro, indrindra fa ny teny hodinihina isan’andro. Nivory intelo isan-kerinandro izahay. Niezaka nitadidy toko maromaro tao amin’ny Baiboly koa izahay, ary namerina nilaza izany mba hifampaherezana. Tsy nanahy be loatra àry izahay, raha sendra lasan’ny mpiambina ny bokinay.”

“Nanontany voafonja hafa ireo mpiandraikitra ny fonja, mba hamantarana ny fomba nandaminanay ny asa kristianina nataonay tao an-toby. Tsy nahazo fahafaham-po anefa izy ireo, satria maro ny voafonja tia anay. Niara-nigadra taminay i Olga Ivinskaya. Mpanoratra izy, ary naman’i Boris Pasternak, izay poety sy mpanoratra malaza sady nahazo Loka Nobel. Nahafinaritra azy ny Vavolombelon’i Jehovah satria voalamina tsara ny zavatra nataonay. Nomen’i Jehovah fahendrena izahay, ka izany no nahafahanay nahazo sakafo ara-panahy.”—Jak. 3:17.

“AOKA IZAY KA!”

Hoy ihany i Zinaida: “Maro ny fomba nahazoanay boky sy gazety. Hita mihitsy hoe nitantana ny zava-drehetra i Jehovah. Notanterahiny ilay fampanantenany hoe: ‘Tsy handao anao mihitsy aho, ary tsy hahafoy anao mihitsy.’ (Heb. 13:5) Nataony tsy hitan’ny mpiambina, indraindray, ny zavatra nafeninay. Nosavana teo am-bavahady izahay, indray andro, rehefa avy niasa. Nasain’ny mpiambina nesorina daholo ny akanjonay, toy ny efa mahazatra. Tany amin’ny farany aoriana aho, ary nisy gazety vaovao tao anaty pataloako.”

“Ririnina ny andro tamin’izay, ka nataoko ‘folo sosona’ ny akanjoko. Nalako miadana ny akanjoko mba ho leo ilay ramatoa mpisava. Ilay pardesia aloha no nosavana, avy eo ilay ambonin’akanjo bory tanana. Nesoriko moramora ny akanjo ba iray, avy eo ilay iray hafa, ary nosavany tsara ireo. Nalako tsimoramora indray ny kasine maromaro, palitao, lobaka, ary avy eo lobaka iray hafa. Ny pataloako roa sy ny baotiko sisa. Nesoriko moramora indray ny baoty ilany, ary avy eo ny ilany. Nanomboka nanala moramora ny pataloa iray aho avy eo. Hoy aho anakampo: ‘Inona re no hataoko raha hasain’ity ramatoa ity manala an’ilay pataloa farany anatiny aho e? Tsy maintsy hatsipiko haingana eny amin’ireo rahavavy ilay gazety.’ Vao voalako ilay pataloa voalohany, dia nitabataba ilay ramatoa hoe: ‘Aoka izay ka! Mandehana mandeha!’ Nampidiriko haingana ny akanjoko, dia nihazakazaka niditra ny toby aho.”

“Ahoana no nahazoanay gazety? Nataon’ireo anadahy tao amin’ny toerana efa nifanarahanay izy ireny, ka nifandimby naka izany izahay ary nitondra izany tao an-toby. Nafeninay tsara ilay gazety rehefa azo, ary novaovanay ny toerany. Nadikanay tamin’ny taratasy izy ireny ary nafeninay izay vita. Tao anaty bodofotsy izahay no nanao izany. Nosokafanay kely ny bodofotsy mba hidiran’ny taratry ny jiro avy tany an-tokotany. Nanao zavatra foana izahay mba tsy hisy fotoana very na dia iray minitra aza. Nitondra taratasy kely nisy andinin-teny izahay rehetra, na dia rehefa nankany amin’ny efitra fisakafoana aza.”

“TONGA NY FOTOANA NANDRASANAREO”

Tsy nampoizina ny didy navoakan’ny fitondrana sovietika tamin’ny 1965. Hafahana izay Vavolombelona natao sesitany tany Siberia teo anelanelan’ny 1949 sy 1951. Tsy mahazo miverina any amin’ny tanànany taloha anefa ny ankamaroany. Nifindra tany amin’ny toerana nilana mpitory maro kokoa àry ireo tsy te hijanona tany Siberia.

Hoy Magdalina Beloshitskaya: “Efa ho 15 taona izahay no natao sesitany tany Siberia. Mahatratra 60 degre ambanin’ny zerô ny mari-pana amin’ny ririnina. Be moka sy fihitra amin’ny vanin-taona mafana. Nokaikeriny hatramin’ny anakandriamasonay mihitsy aza! Afaka niaritra anefa izahay noho ny fanampian’i Jehovah. Faly izahay fa afaka namafy ny voan’ny fahamarinana tany amin’io faritany mangatsiaka be io! Nanao sonia tany amin’ny biraon’ny tompon’andraikitra izahay isam-bolana, nandritra ny 15 taona, mba hilazana fa tsy handositra izahay. Tonga tao aminay indraindray ilay tompon’andraikitra, ary nijanona tao nandritra ny alina. Tsara fanahy taminay erỳ izy, ary nametraka fanontaniana maro momba ny Baiboly sy ny fomba hampiharana izay lazain’izy io. Nanontaniany koa ny antony anompoanay an’Andriamanitra, na dia fantatray aza fa mety henjehina izahay. Nanontany azy izahay, indray mandeha, hoe: ‘Mety hahazo fanafahana ve izahay, indray andro any?’ Nasehony ny felatanany ka hoy izy: ‘Mbola hisy volo hitsiry ve eto?’ ”

“ ‘Tsy azo eritreretina mihitsy izany!’, hoy aho.”

“ ‘Sarotra inoana koa ny hahafaka anareo eto!’, hoy izy. Nieritreritra kely izy, ary nilaza hoe: ‘Raha tsy hoe, hanao fahagagana angaha ny Andriamanitrareo.’ ”

“Nankeny amin’ny gara aho, indray andro, tamin’ny 1965, mba handefa taratasy. Nahatazana ahy ilay tompon’andraikitra ka niantsoantso hoe: ‘Fa ho aiza ianao ry Magdalina, nefa tsy niera akory?’ ”

“ ‘Tsy ho aiza tsy ho aiza aho fa handefa taratasy fotsiny’, hoy aho. Nanatona ahy izy ary nilaza hoe: ‘Tonga ny fotoana nandrasanareo. Androany ny fotoana hanafahana anareo.’ Nijery ahy izy, toa te hilaza hoe: ‘Nanafaka anareo Andriamanitra!’ Tsy nampino ahy ilay izy!”

“Nahazo nifindra tany amin’izay toerana tianay nanerana ny Firaisana Sovietika izahay, fa tsy nahazo niverina tany amin’ny nisy anay taloha. Toy ny hoe niteny taminay i Jehovah hoe: ‘Mieleza ary mitoria. Tonga ny fotoana ka mieleza fa aza mangataka andro.’ Maro no ho nifindra tany amin’ny tany niaviany raha navela. Tsy nahazo alalana anefa izahay, ka nankany an-toeran-kafa. Nifindra tany Caucase izahay mianakavy.”

Vavolombelona an’arivony no niely nanerana ny Firaisana Sovietika. Nivory ny mpitondra fanjakana tamin’izay, ary hoy ny manam-pahefana iray: “Tsy azoko mihitsy hoe nahoana no lasa misy sektan’ny Jehovista ilay tanàna vao naorin’ny tanorantsika. Tanàna vaovao sy nilamina tsara iny, kanjo lasa nisy sektan’ny Jehovista!” Tsy hitan’ireo mpitondra izay hatao amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Efa nampanantena tokoa mantsy i Jehovah fa ho henika ny fahalalana azy ny tany, ary tsy hisy hahasakana izany.—Isaia 11:9.

“ ‘MASINA’ NY RANONAREO”

Maro ny Vavolombelona nogadraina tany amin’ny toby fanasaziana, satria nitory. Hoy i Nikolai Kalibaba, izay nigadra an-taonany maro tany amin’ny toby toy ireny: “Nalefa tany amin’ny toby fanasaziana tany Vikhorevka, any amin’ny Faritr’i Irkoutsk, izaho sy ny rahalahy telo. Efa nisy rahalahy 70 teo ho eo tao. Tsy nisy rano fisotro madio tao, satria nifandray tamin’ny fantson-drano maloto ny paompy. Tsy mahasalama koa ny sakafo, kanefa nanampy anay i Jehovah. Ny Vavolombelona ihany no nazoto niasa, tao an-toby. Hitan’ny tompon’andraikitra izany, ka nalefa niasa tany amin’ny toby hafa izahay. Afaka nitondra rano madio tamin’ny siô izahay, rehefa niverina tany amin’ilay toby nisy anay. Maro ny voafonja nanatona anay ary nilaza hoe: ‘Renay fa “masina” ny ranonareo, ka mba omeo izahay na dia tapaky ny vera aza.’ Mazava ho azy fa nomenay izy ireo.”

“Tsara fo ny voafonja sasany. Mpangalatra na mpamono olona ny sasany tamin’izy ireo taloha, kanefa nianatra ny fahamarinana ka lasa Vavolombelon’i Jehovah. Toa tsy liana tamin’ny fahamarinana kosa ny hafa ary nanohitra anay. Niaro anay anefa izy ireo, rehefa nanaratsy anay Vavolombelon’i Jehovah ireo mpanao famelabelarana tonga tao an-toby. Nolazainy fa feno fanendrikendrehana ilay famelabelarana.”

‘HO TONGA HIHAINO ANAREO IZAHAY’

Nangataka fahendrena tamin’i Jehovah foana ireo rahalahy, mba hahafahany hampandroso ny asan’ilay Fanjakana, na inona na inona mitranga. Hoy ihany i Nikolai: “Renay fa tsy ho ela izahay dia hafindra any amin’ny tobin’i Mordovie, akaikin’i Moscou. Nisy zavatra nahafinaritra anefa talohan’ny handehananay. Nanatona anay ireo manamboninahitra sy ireo olona niambina Vavolombelon’i Jehovah nandritra ny taona maro. Hoy izy ireo: ‘Mba te handre ny hiranareo izahay, ary te hahalala misimisy kokoa momba ny finoanareo. Hisy 10 na 20 aminay ho tonga hihaino anareo, na mety hihoatra an’izany aza.’ ”

“Natahotra izy ireo sao ho tratra, ka nilaza fa hanendry olona hiambina an’ilay toerana hanaovana fivoriana. Efa nanana traikefa momba izany izahay, ka nilaza fa hanendry mpiambina koa. Nitovy tamin’ny nataonay ihany no nataon’ireo miaramila. Nijoro nifanelanelana izy ireo, teo anelanelan’ny trano fiambenana sy ilay toerana nivorianay. Alao sary an-tsaina ange e! Misy Vavolombelona maromaro mihira eo anatrehan’ny manamboninahitra sy ny mpiambina, ary avy eo misy rahalahy manao lahateny fohy miorina amin’ny Baiboly. Toy ny hoe tany amin’ny Efitrano Fanjakana izahay! Nanao fivoriana maromaro niaraka tamin’ireo olona liana ireo izahay. Hitanay fa tena nikarakara anay sy ireo olona tso-po ireo i Jehovah.”

“Maro ny Vavolombelona nigadra tao amin’ny tobin’i Mordovie, ilay hifindranay. Nitondra gazety betsaka izahay rehefa nankany. Nomen’ireo rahalahy valizy iray aho, ary azo nanafenana gazety tao amin’ny soson’izy io. Nataonay izay tsy hahatonga ny mpanao fisavana hiahiahy an’ilay valizy. Nosavana be izahay rehefa tonga tao amin’ny tobin’i Mordovie. Noraisin’ilay olona nisava ahy ilay valizy, ary hoy izy: ‘Mavesa-be izy izany! Marina raha tsy misy zava-tsarobidy ato!’ Gaga aho fa natokany toerana ilay valizy sy ny zavatra sasany, ary nisava entan’olon-kafa izy. Hoy ny mpiambina iray hafa, rehefa vita ilay fisavana: ‘Ento ny entanao, dia mandehana mandeha!’ Tsy voasava ilay valizy, ka afaka nitondra gazety vaovao tao amin’ilay toby aho, ary tena nilaina izy ireny.”

“Imbetsaka aho no nanafina taratasy mivalona nadika tanana. Be tongotra aho, ka azo nasiana maromaro tamin’izy ireny tao anaty baotiko. Navaloko izy ireny, ka nasitriko tao ambany saikim-paladian-kiraro. Nohosorako menaka koa ilay baoty. Nalama be ilay menaka sady maimbo, ka tsy tian’ny mpiambina ny nanakaiky ny kiraroko.”

NIFAMPIAMBINA

Hoy ihany i Nikolai: “Nadika tamin’ny taratasy ny gazety, ka notendrena hanara-maso izany asa izany aho. Nila nanara-maso an’ireo mpiambina aho mba hahafahako hampandre an’ireo mpanao kopia rehefa tamy izy ireo. Nanara-maso anay ireo mpiambina, ary izaho kosa nanara-maso azy ireo. Te hanatratra anay ny sasany, ka niditra tampoka sy matetitetika tao amin’ny trano nisy anay. Tena sarotra ny nanara-maso azy ireo. Tsy dia sarotiny kosa ny mpiambina hafa, ka indray mandeha isan’andro vao tonga tao aminay.”

“Nataonay tsara afina ireo gazety vita pirinty rehefa avy nadika. Nanafenanay gazety vita pirinty tao anaty fatana, eny fa na dia ny fatana tao amin’ny biraon’ny mpiandraikitra ny toby aza. Nanamboatra toerana manokana tao amin’ilay fatana ireo rahalahy nanadio birao, ka nafeninay tao ireo Tilikambo Fiambenana tena sarobidy ireo. Na nahay toy inona aza ireo mpiambina nisava anay, dia tsy tratra mihitsy ireo gazety vita pirinty satria tsara pirina tao amin’ny biraon’ny mpiandraikitra.”

Lasa kinga tamin’ny fanafenana gazety ireo rahalahy. Maro no tia nanisika izany tao ambany varavarankely. Nanafina gazety tao anaty kôlgaty mihitsy aza izy ireo. Rahalahy roa na telo monja no nahalala ny toerana nanafenana an’ireo gazety vita pirinty. Nalain’ny iray tamin’izy ireo ilay gazety rehefa nilaina, ary naveriny rehefa avy nadika. Tsara pirina foana àry ireo gazety vita pirinty. Noheverin’ny ankamaroan’ireo rahalahy ho tombontsoa ny nandika gazety, na dia mety hatokan-toerana mandritra ny tapa-bolana aza izy ireo raha tratra. Hoy i Viktor Gutshmidt: “Laniko tany amin’ny efitra fanokanan-toerana ny telo taona teo ho eo tamin’ireo folo taona nigadrako.”

GAZETY BITIKA KELY

Tsikaritr’ireo rahalahy fa nanana fomba manokana hisavana boky sy gazety na hakana izany ny mpiandraikitra ny toby, ary tena kinga ny manamboninahitra sasany. Hoy i Ivan Klimko: “Nitondra alika ny miaramila tao amin’ny tobin’i Mordivie Laharana Faha-19, indray andro, ary nentiny tany ivelan’ny toby ireo rahalahy mba hosavana. Nasaina nesorina ny akanjo rehetra, eny fa na dia ny voro-kitsay namonosana tongotra aza. Tsy tratra anefa ireo taratasy nandikana gazety, satria napetak’ireo rahalahy tamin’ny lakaoly tao ambany faladiany. Nanamboatra kahie bitika kely koa izy ireo, ka azo nasisika teo anelanelan’ny rantsantanana. Tsy tratra àry ny kahie sasany, rehefa nasaina nakarina ambony ny tanana.”

Nisy fomba hafa koa nitehirizana sakafo ara-panahy. Hoy i Aleksey Nepochatov: “Nahavita nanao soratra bitika kely ny rahalahy sasany, rehefa nandika Tilikambo Fiambenana tamin’ny kahie kely. Natao maranitra tsara ny pensilihazo mba hahavitana izany. Nanoratra andalana telo na efatra teo anelanelan’ny tsipika roa natao hanoratana izy ireo. Antonona kahie kely dimy na enina ny tranon’afokasoka iray. Rahalahy mahita tsara sy be herim-po vao mahavita soratra kely toy izany. Rehefa maty ny jiro ary efa lasa natory ny rehetra, vao nanomboka nandika izy ireo. Tao anaty bodofotsy izy ireo no nanoratra, ary ny jiro mitsilopilopy tany an-tokotany no mba nanazava. Manimba maso izany asa izany raha tohizina mandritra ny volana vitsivitsy. Hitan’ny mpiambina izany indraindray, ka raha tsara fanahy izy dia milaza hoe: ‘Mbola manoratra foana ve ianareo? Amin’ny firy ianareo vao hatory?’ ”

Hoy i Klimko: “Maro ny boky sy gazety nafoinay, indray mandeha. Nafoinay hatramin’ny Baiboly. Nafeninay tao anatin’ny solon-tongotry ny rahalahy iray izy ireo. Noteren’ny mpiambina hesorina ny solon-tongony. Nopotehin’izy ireo ilay izy avy eo, ka niparitaka terỳ ireo boky sy gazety. Nalaina sary ilay izy, ary navoaka tamin’ny gazetin’ny toby. Hita tamin’izany anefa fa nifantoka tamin’ny fivavahana ny Vavolombelon’i Jehovah. Faly erỳ ny mpiandraikitra ny toby nilaza tamin’ireo rahalahy hoe: ‘Tonga ny Hara-magedonanareo!’ Nisy nilaza taminy anefa ny ampitson’io, fa mbola mivory sy mihira ary mamaky teny toy ny fanaony ny Vavolombelon’i Jehovah.”

RESAKA TAMIN’NY LEHIBEN’NY MPITSARA

Nitsidika ny tobin’i Mordovie ny lehiben’ny mpitsara teto Rosia, tamin’ny faramparan’ny 1961. Niditra tao amin’ny trano nisy an’ireo Vavolombelona izy, ary navelany hametraka fanontaniana ireo rahalahy. Hoy i Viktor Gutshmidt: “Nanontany azy aho hoe: ‘Heverinao ve fa manimba ny vahoaka sovietika ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah?’ ”

“ ‘Tsy inoako aloha e’, hoy izy. Lasalasa anefa ny vavany teo am-pifaranan’ilay resaka, ka nilaza izy hoe: ‘Tamin’ny 1959 fotsiny, ohatra, dia vola dimy tapitrisa roubles no natokan’ny fitondrana tany amin’ny Faritr’i Irkoutsk, mba hikarakarana ny Vavolombelona.’ ”

“Tiany haseho amin’izany fa nahafantatra tsara ny Vavolombelon’i Jehovah ny fitondrana. Vola dimy tapitrisa roubles tamin’ny volam-panjakana no nampiasaina mba hahalalana ny marina momba azy ireo. Vola be mihitsy izany. Nahazo fiara tsara tarehy na trano arifomba mantsy ny vola dimy arivo roubles, tamin’izany. Tsy maintsy ho fantatry ny mpitondra tao Moscou fa tsy olona mampidi-doza ny Vavolombelon’i Jehovah.”

“Hoy ihany ilay mpitsara: ‘Raha avelanay hanatanteraka ny sitrapony ny vahoaka sovietika, dia ho ripaka daholo ianareo.’ Te hilaza izy hoe nankahalain’ny Sovietika ny Vavolombelona. Hita amin’izany fa olona an-tapitrisany no nandairan’ny fampielezan-kevitra nataon’ny fitondrana, sady lasa tsy nino an’Andriamanitra.”

“Hoy izahay avy eo: ‘Ho hitanareo ny tena marina, rehefa hanao fivoriambe ny Vavolombelon’i Jehovah hatrany Moscou ka hatrany Vladivostok.’ ”

“ ‘Eny e, olona dimy hetsy angamba no ho lasanareo’, hoy izy, ‘fa mbola anay ny ambiny.’ ”

“Izay no namarana ny resakay. Nisy marina ihany ny teniny. Olona 700 000 mahery izao no manatrika ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah manerana ny faritra nisy ny Firaisana Sovietika. Fahamarinana ao amin’ny Baiboly no henoin’izy ireny, fa tsy fampielezan-kevitra.”

“NATAONAREO TOERAM-PITSANGATSANGANANA NY TOBY”

Hoy ihany i Viktor: “Nasehon’ny tompon’andraikitra an’ilay mpitsara ireo voninkazo sy hazo nambolen’ny Vavolombelona. Nasehony koa ireo fonosan’entana voarain’ny Vavolombelona, izay napetraka tao amin’ny efitra figadrana nefa tsy nisy nangalatra. Gaga be izy nahita izany. Renay anefa tatỳ aoriana, fa nandidy ny tompon’andraikitra izy mba hamotika an’ireo voninkazo sy hazo rehetra. Hoy izy tamin’ilay tompon’andraikitra: ‘Nataonareo toeram-pitsangantsanganana ny toby, fa tsy toerana fanaovana asa an-terivozona.’ Tsy navelany handray fonosan’entana intsony koa ny Vavolombelona, ary nasainy nakatona ilay fivarotana nividianan’izy ireo sakafo.”

“Faly ny Vavolombelona satria tsy notanterahin’ilay tompon’andraikitra daholo ny baiko nomena azy. Afaka namboly voninkazo ihany ireo anabavy. Notangosan’izy ireo ireny voninkazo ireny amin’ny fararano, nanaovany fehezam-boninkazo, ary nomeny an’ireo mpiasan’ny toby sy ny zanany. Nihaona tamin’ny ray aman-dreniny teo am-bavahady ireo ankizy, naka ny fehezam-boninkazony, ary faly erỳ nihazakazaka nankany am-pianarana. Nahafinaritra erỳ ny nahita izany. Tian’izy ireo ny Vavolombelon’i Jehovah.”

Hoy i Viktor: “Niara-niasa tamin’ny KGB ny rahalahin’ny mpiambina iray. Nilaza taminay io mpiambina io tany am-piandohan’ny 1964, fa nikasa hanao ezaka manokana hamongorana ny Vavolombelon’i Jehovah ny fitondrana. Nesorina tamin’ny toerany anefa i Nikita Khrouchtchev, filoha sovietika, tamin’ny faramparan’io taona io, ka nihalefy ny fanenjehana.”

HIRA TAO AMIN’NY TOBY TSARA AMBINA

Indray mandeha isan-taona ihany ny voafonja tao amin’ny toby tsara ambina iray tany Mordovie, no nahazo nandray fonosan’entana. Izay hendry ihany anefa no nahazo izany mba ho ‘valisoany.’ Izany no nitranga teo anelanelan’ny 1960 sy 1970. Nosavana foana ny voafonja. Natokan-toerana nandritra ny folo andro izay tratra nanana taratasy nisy andinin-teny. Kely kokoa ny sakafo nomena ny voafonja tao, raha ampitahaina amin’ny tany amin’ny toby hafa, ary mafy kokoa ny asa. Nasaina nihady fakan-kazo ngezabe ny Vavolombelona. Hoy i Aleksey Nepochatov: “Lanaka tanteraka izahay matetika, kanefa tsy kivy. Nanao hiran’ilay Fanjakana ireo rahalahy mba ho falifaly foana. Nanao antoko-mpihira misy feo samihafa izahay. Nahafinaritra ilay hira na dia tsy nisy feom-behivavy aza. Tsy ny Vavolombelona ihany anefa no faly tamin’ilay hira. Tia azy ireny koa na dia ny manamboninahitra aza, ka niangavy anay mba hihira nandritra ny ora fiasana. Teo am-pikapana hazo izahay, indray mandeha, no tonga nanatona anay ny mpiandraikitra antoko-miaramila iray, ary nilaza hoe: ‘Mba manaova hira vitsivitsy, hoy ny lehibenay.’ ”

“Efa imbetsaka io lehiben’ny miaramila io no nandre anay nanao ny hiran’ilay Fanjakana. Tonga ara-potoana ilay fiangaviana satria efa tena reraka izahay. Faly erỳ izahay nanao hira manome voninahitra an’i Jehovah. Rehefa ren’ireo vadi-miaramila nihira izahay tao an-toby, dia nivoaka teo am-baravarany izy ireo, ary nihaino teo nandritra ny fotoana elaela. Teny akaikin’ny toby mantsy ny tranon’izy ireo. Tena tian’izy ireo ny tonon’ilay hira faha-6 hoe ‘Aoka Hihoby ny Tany’, izay tao amin’ny fihirana taloha. Mahafinaritra ny tonon’io hira io sy ny feony.”

TONGA TANY “AN-TANY HAFA” IZY

Miharihary hoe olona manao ahoana marina ny Vavolombelon’i Jehovah, na dia amin’ny toe-javatra tsy ampoizina aza. Hoy i Viktor Gutshmidt: “Nipetrapetraka teo an-jaridaina izahay, indray andro, rehefa vita ny asa. Nisy kamiao tonga tao amin’ilay toby nisy anay, ary nitondra fitaovana elektrika lafo vidy. Tsy Vavolombelona ilay mpamily, fa voafonja niaraka taminay ihany. Avy any amin’ny toby hafa kosa ilay mpiandraikitra ny fividianana entana. Nikatona anefa ny efitra fitehirizana entana, ary lasa nanao vakansy ny mpiandraikitra azy io, ka izahay Vavolombelona no nasaina nandray an’ireo entana.”

“Navoakanay tao anaty kamiao ireo fitaovana ireo, ary natobinay teo akaikin’ilay efitra fitehirizana entana, tsy lavitra ny trano nisy anay. Nanahy be ilay mpiandraikitra ny fividianana entana, satria tsy voasonia ny taratasin’ireo entana naterina. Hoy anefa ilay mpamily: ‘Aza matahotra ianao fa tsy hisy hangalatra an’io eo. Atỳ “an-tany hafa” anie ianao izao e! Aza eritreretina izay mitranga any ivelany any. Hafa mihitsy ato. Azonao apetrapetraka eny ananona eny ny famantaranandronao rehefa ato, nefa mbola ho hitanao eo ihany ilay izy ny ampitso.’ Nilaza anefa ilay mpiandraikitra fa tiany kokoa raha voasonia ilay taratasy vao mandeha izy, satria dimy hetsy roubles ny vidin’ilay entana.”

“Nasain’ireo tompon’andraikitry ny toby nandeha anefa ilay kamiao. Nilazana ilay mpiandraikitra mba hanajanona ilay taratasy, sy hiverina haka azy io ny ampitso. Lasa tsy sazoka ilay rangahy. Tonga izy ny ampitso, ary nangataka hiditra tao an-toby mba haka an’ilay taratasy. Nomen’ny mpiambina azy anefa ilay izy, sady efa voasonia.”

“Nilaza taminay ilay mpiambina, fa nihazohazo teo ilay rangahy. Nijajirika teo izy nandritra ny antsasak’adiny. Nojereny tsara ilay vavahady, dia avy eo ilay taratasy. Nandeha kely izy, dia avy eo nitodika, dia lasa indray, dia nitodika, dia lasam-borona teo. Sambany angamba izy vao nahita zavatra toy iny hatramin’izay niainany. Vita soa aman-tsara ny fanaterana ireo entana lafo vidy. Tsy natao sonia teo anatrehany ilay taratasy, kanefa vita ara-dalàna. Ny tena nahavariana indrindra dia izao: Tao amin’ny toby tsara ambina no nitrangan’izany, ary nantsoina hoe ‘jiolahy raindahiny’ ireo nigadra tao. Na inona na inona fanaratsiana atao amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia fantatry ny olona foana hoe olona manao ahoana marina izy ireo, rehefa misy zava-mitranga toy ireny.”

“MITORY INDRAY RY ZAREO IZAO”

Nafindra tao amin’ny Toby Laharana Faha-10 ny Vavolombelona 100 mahery, andro vitsivitsy taorian’ny nanakambanana an’ireo rahalahy, tao amin’ny tobin’i Mordovie, tamin’ny 1960. Toby manokana teo akaikin’i Udarnyy ny Toby Laharana Faha-10, ary natao hanerena ny Vavolombelona hiala amin’ny finoany. Nanao akanjo mitsipitsipika toy ireo voafonja tany amin’ny toby fitanan’ny Nazia, ny voafonja tao. Nasaina nihady fakan-kazo vaventy be tany anaty ala ny Vavolombelona, ankoatra ny asa hafa. Tsy maintsy nihady fakan-kazo 11 na 12 isan’andro, fara fahakeliny, ny tsirairay tamin’izy ireo. Tsy nahavita nihady fakan-kazo iray akory anefa, indraindray, ny antokona mpiasa iray, ao anatin’ny iray andro. Nanao hiran’ilay Fanjakana izy ireo, matetika, mba hifampaherezana. Rehefa mandre ny hira ataon’izy ireo indraindray ny mpiandraikitra ny toby, dia milelalela hoe: “Tsy mahazo sakafo ianareo Vavolombelona ireo rahariva, amin’izay ianareo tsy mihira intsony. Mila ampianarina hifantoka amin’ny asa ianareo!” Hoy ny rahalahy iray nigadra tao: “Nanampy anay anefa i Jehovah. Nanana finoana matanjaka izahay, na dia mafy aza ny nanjo anay. Nampahery anay ny nieritreritra fa miandany amin’i Jehovah izahay, amin’ilay adihevitra momba ny zo hitondra an’izao rehetra izao.”—Ohab. 27:11.

Nisy “mpanabe” iray isaky ny efitra figadrana, ankoatra an’ireo mpanabe miandraikitra ny toby. Kapiteny izy ireo na mbola ambonin’izany. Ny hampiala ny Vavolombelona amin’ny finoany no tanjon’izy ireo. Afahana izay mandà ny finoany. Manao tatitra momba ny Vavolombelona tsirairay ireo mpanabe isam-bolana, ary soniavin’ny mpiasa maromaro ao am-ponja izany. Voatery manoratra toy izao izy ireo: “Tsy mandaitra aminy ilay fanabeazana. Tsy mety miala amin’ny finoany izy.” Hoy i Ivan Klimko: “Nigadra folo taona aho, ary laniko tao amin’io toby io ny enin-taona. Nokilasina ho ‘jiolahy raindahiny foana’ aho. Nilaza taminay ireo miaramila, fa nanao zavatra manokana ny mpitondra mba handinihana akaiky ny fitondran-tenan’ny Vavolombelon’i Jehovah.”

Nigadra dimy taona tao amin’io fonja io i Iov Andronic. Nanontany an’ilay komandàn’ny toby izy hoe: “Rahoviana izahay no ho afaka ato amin’ity fonja ity?” Hoy ilay komandà, sady nanondro ny ala: “Rehefa voalevina ao anatin’io ala io daholo ny fatinareo.” Hoy i Iov: “Natoka-monina izahay mba tsy hahafahanay hitory. Nambenana be izahay, ary narahin’ny mpiambina foana rehefa nandehandeha tao an-toby. Nafindra toby izahay taona vitsivitsy tatỳ aoriana, ka hoy ireo voafonja tamin’ny mpiandraikitra ny toby: ‘Nandresy ny Vavolombelon’i Jehovah. Natokanareo monina izy ireo teo aloha, kanefa mitory indray ry zareo izao.’ ”

FANTATR’ILAY KOLONELY NY BAIBOLINY

Sarotra be ny nampiditra gazety tao amin’ny Toby Laharana Faha-10, mainka moa fa Baiboly. Hoy ny rahalahy iray nigadra tao nandritra ny taona vitsivitsy: “Tsy misy zavatra tsy hain’i Jehovah. Nihaino ny vavakay Andriamanitra. Nangataka taminy izahay rehetra, izay niisa 100, mba hahazo Baiboly iray, fara fahakeliny, kanjo nahazo Baiboly roa izahay!” (Matio 19:26) Ahoana no netezan’izany?

Voatendry ho mpanabe tao am-ponja ny kolonely iray. Ahoana anefa no hahafahany “hampianatra” Vavolombelon’i Jehovah, kanefa izy aza tsy mahay Baiboly? Nahita Baiboly efa simba izy, ary niangaviany hanakambana azy io ny voafonja batista iray, izay efa zokiolona. Handeha hanao vakansy izy ka nanafatra ny mpiambina mba tsy haka an’ilay Baiboly tany amin’ilay lehilahy batista. Nirehareha tamin’ireo rahalahy ilay Batista fa nahazo Baiboly, ary navelany hindramin’izy ireo ilay izy. Nosaratsarahin’izy ireo ilay harena sarobidy raha vao azony, ary nozarazaraina tamin’ny rahalahy rehetra mba hadika amin’ny taratasy. Revo nandika an’ilay Baiboly ny Vavolombelona, nandritra ny andro vitsivitsy. Nadika indroa ny pejy tsirairay. Hoy ny rahalahy iray: “Nisy Baiboly telo tao an-toby rehefa voakambana ny pejy rehetra! Nomena an’ilay kolonely ny Baiboliny, izay efa vita tsara, fa izahay kosa nahazo Baiboly roa. Ilay iray no novakinay, fa ilay iray kosa ‘nampiriminay’ tao amin’ny fantsona nisy kabla, izay misy herinaratra mahery. Nanamboaranay toerana manokana azo nanafenana boky tao amin’ireny fantsona ireny. Natahotra ny ho main’ny herinaratra ny mpiambina, ka tsy nisava tao. Voaro tsara àry ny bokinay!”

Tratran’ilay kolonely anefa ny taratasy iray nandikana Baiboly, tamin’izy nanao fisavana. Diso fanantenana izy rehefa fantany izay nitranga, ary nilaza hoe: “Tao amin’ilay Baiboly nentiko tato an-toby ity!”

FANKALAZANA NY FAHATSIAROVANA

Niezaka nankalaza ny Fahatsiarovana ireo rahalahy tany an-toby, isan-taona. Tsy nisy diso anjara tamin’izy io ireo rahalahy tao amin’ny toby iray tany Mordovie, nandritra ny fotoana nigadran’izy ireo tao. Niezaka nanakana an’ilay fankalazana foana ny mpiandraikitra ny toby. Fantatr’izy ireo ny datin’ny Fahatsiarovana, ka mazàna no nohamafisina ny fiambenana rehefa tonga ilay andro. Vizana nanara-maso an’ireo rahalahy anefa ny ankamaroan’ny mpiambina, rehefa hariva ny andro. Tsy fantatr’izy ireo mantsy ny toerana sy ny ora hanaovana an’ilay fankalazana.

Nataon’ireo rahalahy foana izay hahazoana divay sy mofo tsy misy lalivay. Hitan’ny mpiambina tao anaty vatasarihana ny mofo sy divay, indray andro, ka nalain’izy ireo. Nisolo anefa ny mpiambina avy eo, ka hitan’ny rahalahy iray ilay mofo sy divay tamin’izy nanadio ny biraon’ny komandà. Nalainy ilay izy, ary nomeny an-tsokosoko an’ireo rahalahy. Nankalaza ny Fahatsiarovana ireo rahalahy tamin’io alina io, rehefa nisolo indray ny mpiambina. Afaka nampiasa mofo sy divay izy ireo, ary tena nilaina izany satria voahosotra ny iray tamin’izy ireo.

FANKALAZANA TAO AMIN’NY TOBIN’NY VEHIVAVY

Nisedra olana toy izany koa ny Vavolombelona tany amin’ny toby hafa. Nilaza i Valentina Garnovskaya fa sarotra be ny nankalaza ny Fahatsiarovana, tao amin’ny tobin’ny vehivavy tany Kemerovo. Hoy izy: “Rahavavy 180 teo ho eo izahay no tao, ary tsy nahazo nivory. Indroa fotsiny izahay no afaka nankalaza ny Fahatsiarovana, tao anatin’ny folo taona. Mpanadio birao aho, ka nanapa-kevitra izahay fa hatao ao amin’ny birao iray ny Fahatsiarovana. Niditra tsikelikely tao ireo rahavavy, ora maromaro mialoha an’ilay fankalazana. Rahavavy 80 teo ho eo no tonga. Nataonay teo ambony latabatra ny mofo tsy misy lalivay sy ny divay mena tsy misy fangarony.”

“Tsy natombokay tamin’ny hira ilay fankalazana. Nanao ny vavaka fanokafana ny rahavavy iray. Nanomboka tamim-panajana ilay fandaharana, ary tena nahafaly. Tsy ela anefa dia nandre tabataba izahay. Fantatray fa nikaroka anay ny mpiambina. Hitanay nitsirika teo amin’ny varavarankely iray avo be ny komandà. Nisy nandona mafy be ny varavarana tamin’izay, ary nasaina nosokafanay ny trano. Niditra ny mpiambina ary nisambotra an’ilay rahavavy nanao lahateny, ka nitondra azy tany amin’ny efitra fanokanan-toerana. Nisikina herim-po ny rahavavy iray ka nanohy an’ilay lahateny. Nosamborina koa izy. Nisy rahavavy hafa indray nanohy an’ilay lahateny, ka nalefa tany amin’ny efitra hafa izahay rehetra sady nampitahorina hoe hatokan-toerana. Tany izahay no nanao ny hira sy ny vavaka famaranana.”

“Hoy ny voafonja hafa, rehefa naverina tao amin’ny trano nisy anay izahay: ‘Rehefa tsy hitanay tampoka ianareo, dia nihevitra izahay fa tonga ny Hara-magedona, ka nalain’Andriamanitra ho any an-danitra ianareo, fa izahay kosa navelany teto mba horinganina!’ Efa ela ihany izy ireo no niaraka taminay, nefa tsy nety nanaiky ny fahamarinana. Nanomboka nihaino anefa ny sasany, taorian’izay.”

‘NIFANATONA AKAIKY IZAHAY’

Nisy Vavolombelona maro avy any amin’ireo repoblika anisan’ny Firaisana Sovietika, tao amin’ny toby iray tao Vorkouta. Hoy i Ivan Klimko: “Tsy nanana gazety izahay tamin’ny 1948, fa nosoratanay tamin’ny taratasy kely izay tadidinay tao amin’ireo gazety tranainy, ary avy eo nafeninay. Fantatry ny mpiambina anefa ny fisian’ireny taratasy ireny, ka nikasa hisava anay mandritra ny fotoana maharitra izy ireo. Najajirika teny an-tokotany izahay tamin’ny ririnina mamanala, nalahatra tsidimidimy, ary naverimberin’izy ireo nisaina. Nanantena angamba izy ireo fa homenay azy, ireny taratasy ireny, rehefa ngolin’ny hatsiaka izahay. Nifanatona akaiky anefa izahay rehetra, ary nandinika loha hevitra ara-baiboly. Nifantoka tamin’ny zavatra ara-panahy izahay, ary nanampy anay tsy hivadika i Jehovah. Afaka nitondra Baiboly tao an-toby mihitsy aza ireo rahalahy, taoriana kelin’izay. Nosaratsarahinay izy io, amin’izay mba tsy ilay Baiboly manontolo no hafoy rehefa misy fisavana.”

“Takatry ny mpiambina sasany fa tsy tokony ho nogadraina ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanampy anay ireny olona tsara fanahy ireny, raha mbola azony natao koa. Mody tsy nahita an’ireo pejina gazety nafenina tao anaty fonosan’entana izy ireo, rehefa nisava ny entana voarainay. Maivan-kely ireny taratasy ireny, kanefa sarobidy lavitra noho ireo sakafo izay mavesa-danja kokoa. Tsy mba nanana ny zavatra nilainy ara-batana ny Vavolombelona tany an-toby, kanefa nanan-karena ara-panahy.”—Isaia 65:13, 14.

“HOZARAINY 50 INY”

Nampianatra Baiboly an’ireo olona liana ny Vavolombelona, isan-kerinandro. Maro ny voafonja nahafantatra fa aorian’ny amin’ny fito hariva ny fotoana fianarana Baiboly. Nahalala izany na dia ireo tsy liana tamin’ny fahamarinana aza, ka niezaka tsy nitabataba. Hoy i Iov Andronic: “Hita mihitsy hoe nikarakara anay i Jehovah sady nanao izay hampandroso ny asany. Niezaka nifankatia koa izahay, ary nampihatra ny toro lalan’ny Baiboly. Nozarainay, ohatra, ny sakafo tao anatin’ireo fonosan’entana voarainay. Tsy fahita izany tao an-toby.”

“I Mykola Pyatokha no niandraikitra ny fizarana sakafo ho an’ireo rahalahy, tao amin’ny toby iray. Hoy ny polisin’ny KGB: ‘Omeo vatomamy iray ange i Mykola, raha tsy hozarainy 50 iny e!’ Izany no fanaon’ireo rahalahy. Nozarainay daholo izay zavatra azonay, na sakafo ara-nofo izany na ara-panahy. Nahasoa anay izany, sady nahatonga an’ireo olona tso-po hanaiky ny fahamarinana.”—Matio 28:19, 20; Jaona 13:34, 35.

VALISOA HO AN’IREO TSARA FITONDRAN-TENA

Nahazo tambin-karama ny mpiasa tao amin’ny toby iray nisy Vavolombelon’i Jehovah. Niampy 30 isan-jato ny karaman’ny sasany. Nahoana? Hoy i Viktor Gutshmidt: “Nilaza tamiko ilay vehivavy mpitana kaonty tao an-toby, fa nampirisihina ny mpiasa tao amin’ireo toby nisy Vavolombelona mba tsy hisafoaka na hiteny ratsy, ary hahay handanjalanja sy hahalala fomba foana. Hampitomboina ny karaman’izay tsara fitondran-tena. Natao izany mba ho hitan’ny rehetra fa tsy misy mampiavaka ny Vavolombelona amin’ny hafa, ary tsy izy ireo ihany no manana fomba fiaina fakan-tahaka. Nokaramaina àry ireo mpiasa mba hananany fitondran-tena tsara. Maro ny mpiasa tao an-toby, toy ny mpiasan’ny fahasalamana, mpitana kaonty, ary mpiambina. Niisa 100 izy ireo, ary samy niezaka mba tsy ho diso anjara tamin’ilay tambin-karama.”

“Nankany ivelan’ny toby, indray andro, ny iray tamin’ireo lehiben’ny mpiasa, ary nanompa. Ren’ny rahalahy iray ilay izy satria nataony mafy be. Hoy ilay rahalahy taminy ny ampitson’iny: ‘Fa nisy olona nampahatezitra anao angaha tao amin’ny trano fiambenana tao omaly, no niteny ratsy ianao?’ ‘Tsy izany ka’, hoy izy. ‘Nisy zavatra tsy zakako fotsiny nandritra ny andro, ka naleoko nivoaka ny toby ary niteny ratsy mba hanamaivanana ny foko.’ Sarotra amin’ny olona tokoa ny manana fitondran-tena toy ny an’ny Vavolombelon’i Jehovah.”

TETIKY NY VADIN’NY KOMANDÀ

Nitory foana ireo rahalahy raha vao afaka nanao izany. Nahita vokatra tsara izy ireo indraindray. Hoy i Nikolai Gutsulyak: “Nividy sakafo tao amin’ny fivarotana iray tao an-toby izahay, matetika. Nilaza teny vitsivitsy avy ao amin’ny Baiboly aho, isaky ny anjarako ny nankany. Nihaino tsara foana ilay ramatoa mpanome entana, ary nasainy namaky lahatsoratra ara-baiboly aho, indray andro. Telo andro taorian’izay, dia niantso ahy ho eny am-bavahady ny manamboninahitra iray. Nirahiny hametaka fitaratra tamin’ny varavarankelin’ny tranon’ny komandà izaho sy ny rahalahy iray.”

“Nankany an-tanàna àry izahay mirahalahy, ary narahina miaramila telo. Ilay ramatoa tany am-pivarotana no nandray anay tao an-trano. Hay vadin’ilay komandà izy! Niambina tao an-trano ny miaramila iray, fa ny roa kosa nijoro teo ivelany, teo akaikin’ilay varavarankely. Norosoan’ilay ramatoa dite izahay, ary niangavy anay izy mba hiresaka bebe kokoa momba ny Baiboly. Nametaka an’ilay fitaratra izahay sady nitory. Hoy izy avy eo: ‘Aza manahy fa tsy hilaza na amin’iza na amin’iza aho. Olona matahotra an’Andriamanitra toa anareo koa ny ray aman-dreniko.’ Namaky ny gazetintsika ilay ramatoa, nefa tsy nahalala izany ny vadiny, izay nankahala Vavolombelon’i Jehovah.”

“MIVERENA MIASA”

Tsy nankahala Vavolombelon’i Jehovah ny manam-pahefana sasany, ary niaro azy ireo. Nanapa-kevitra ny handroaka an’ireo Vavolombelona niasa tao amin’ny orinasa mpitevy ala tany Bratsk, ny Kominista tao, tamin’ny 1975 tany ho any. Hoy izy ireo tamin’ireo rahalahy: “Satria tsy tianareo ny fitondrana sovietika, dia tsy hiraharaha anareo koa izy. Aleo i Jehovah no hikarakara anareo, satria izy no tianareo.” Nanapa-kevitra ny hitory isan-trano ireo rahalahy voaroaka tamin’ny asany. Namoha varavarana azy ireo ny vehivavy iray, indray andro. Nampahafantatra ny tenany ireo rahalahy, ary nilaza ny anton-diany. Nisy lehilahy nanontany avy eo, avy tao an-dakozia hoe: “Iza izany? Ampandrosoy ry zareo.” Hoy izy rehefa nahita an’ireo rahalahy: “Nahoana ianareo no tsy miasa? Andro fiasana anie androany e.” Nohazavain’ireo rahalahy taminy àry ny antony tsy niasany.

Hay mpitsara ilay rangahy, ary nody hisakafo antoandro izy tamin’io! Tezitra izy nandre hoe voaroaka daholo ny Vavolombelona. Nitelefaonina tany amin’ilay orinasa izy, ary nanontany raha marina izany. Rehefa nanaiky ilay olona niresahany, dia hoy izy: “Fa inona no antony? Tsy fantatrareo ve fa mandika lalàna ianareo amin’izany? Tsy manan-jo hanao izany mihitsy ianareo! Tsy maintsy averinareo amin’ny asany daholo ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy maintsy omenareo vola koa izy ireo ho onitry ny tsy niasany telo volana, satria ianareo ihany no nahatonga izany.” Napetrak’ilay mpitsara ny telefaonina, ary hoy izy tamin’ireo rahalahy: “Miverena miasa rahampitso.”

‘EFA HATRAMIN’NY 1947 AHO NO NANAFINA GAZETY’

Lasa havanana tamin’ny fanaovana kopia boky sy gazety ireo rahalahy, tamin’ny 1975 tany ho any. Nahay nizara sy nanafina azy ireny koa izy ireo. Nilaina anefa ny hakingan-tsaina indraindray. Hoy i Grigory Sivulsky: “Nosavan’ny KGB ny tranonay, indray andro, tamin’ny 1976. Tsy nampirimiko tsara ny tatitra momba ny fanompoana sy ny adiresin’ireo rahalahy ny omalin’io, fa napetrako fotsiny tao ambany kômôdy. Natoky tena erỳ ireo KGB, toy ny hoe fantany tsara ny zavatra karohiny sy ny toerana misy azy ireo. Hoy ny polisy iray: ‘Itondray tandramokitra sy famahana visy aho azafady, fa horavanay ity sezalava ity.’ ”

“Nivavaka anakampo aho, ary avy eo nilaza hoe: ‘Ho nahita zavatra tato ianareo, raha tonga tampoka toy ny nataonareo tany amin’ny Vavolombelona hafa. Tara loatra anefa ianareo vao tonga, ka tsy hahita na inona na inona.’ ”

“ ‘Fa inona no tokony ho hitanay?’, hoy ilay polisy.”

“ ‘Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!’, hoy aho. ‘Tsy hahita na inona na inona anefa ianareo androany.’ ”

“Natolotro azy ny fitaovana nangatahiny, sady nilaza aho hoe: ‘Tsy maintsy averinareo amin’ny laoniny ny sezako rehefa vita ny fikarohana.’ ”

“Hitako nisalasala kely teo ry zareo, ka hoy aho tamin’ny polisy iray izay mbola tanora: ‘Vao telo taona angamba ianao no nikaroka ny gazetin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Izaho kosa efa hatramin’ny 1947 no nanafina azy ireny. Ho lany andro fotsiny ianao fa efa tsara afina ny gazetinay.’ ”

“Gaga aho fa lasa ry zareo. Teo amin’ny toerana mora notakarina no nisy an’ireo tatitra sy adiresy, ka afaka nanakatra azy ireo na tanan’iza na tanan’iza.”

PERESTROÏKA

Nalaza ny perestroïka, na fanavaozana ara-politika sy ara-toe-karena, tamin’ny 1985. Tsy tonga dia nitondra fiovana araka ny noeritreretina anefa izy io. Mbola nisy ihany ny Vavolombelona nosamborina sy nogadraina. Nanoratra toy izao tany amin’ny foibe anefa ny biraon’ny sampan’i Alemaina, tamin’ny 1988: “Hita tany am-piandohan’ny taom-panompoana, fa te hanome fahafahana bebe kokoa an’ireo [rahalahy] ny fitondrana sovietika. Ho afaka hahazo boky sy gazety ary hivory izy ireo raha soratana ho ara-dalàna ny asantsika any. Afaka nankalaza ny Fahatsiarovana ny rahalahy tany amin’ny tanàna maro. Tsapan’izy ireo fa niova be ny fomba itondran’ny manam-pahefana azy ireo.”

Nahazo ny adiresin’ireo rahalahy azo nandefasana sakafo ara-panahy ny biraon’ny sampan’i Alemaina, tatỳ aoriana. Ireny rahalahy ireny no nizara azy ireny tamin’ny anti-panahy, ary izy ireo indray no nizara izany tamin’ny rehetra. Adiresy 1 600 teo ho eo no nandefasana sakafo ara-panahy, tamin’ny Febroary 1990.

Afaka nanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra manokana tany Polonina, ny Vavolombelona an’arivony avy teto Rosia, tamin’ny 1989. Hoy i Yevdokia, avy any Naberezhnye Chelny: “Sambany izahay vao tena hanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra, ka nivavaka mafy tamin’i Jehovah mba ho tonga tany. Ren’ilay talen’ny orinasa niasako fa ho any an-tany hafa aho, ka hoy izy: ‘Ahoana tsara hoe? Tsy hitanao tamin’ny tele angaha fa mihidy ny sisin-tany? Tsy misy olona avelan-dry zareo hivoaka ny sisin-tany izao.’ ”

“Natoky tena erỳ aho namaly hoe: ‘Hisokatra ny sisin-tany ka.’ Ary izany tokoa no nitranga. Ny Vavolombelon’i Jehovah ihany no navela handeha rehefa tonga tao Brest. Tsy nosavana izahay, sady nohajaina fatratra. Nisy lehilahy iray niditra an-tsokosoko niaraka taminay, toy ny hoe handeha hanatrika fivoriambe koa. Tonga dia fantatry ny mpiasan’ny doanina anefa izy ka nosamborina. Ahoana no nahalalan’izy ireo fa tsy Vavolombelona izy? Sariaka be daholo ireo hanatrika fivoriambe, sady nitondra entana kely fotsiny.”

NORAISINA TSARA

Efa nangataka tamin’ny fitondrana tao Moscou ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 1949, mba hanoratana ny asany ho ara-dalàna. Tsy neken’ny eritreritr’izy ireo anefa ny fepetra notakin’ny fitondran’i Staline. Mbola tsy ara-dalàna àry ny asa, nandritra ny 40 taona. Noraisin’ny manam-pahefana tao Moscou ny solontenan’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 26 Febroary 1990. Rahalahy 15 izy ireo: Milton Henschel sy Theodore Jaracz avy any Brooklyn, Willi Pohl sy Nikita Karlstroem avy any amin’ny sampan’i Alemaina, ary rahalahy 11 avy amin’ireo repoblika anisan’ny Firaisana Sovietika. Enina kosa ireo manam-pahefana: ny filohan’ny Komity Momba ny Raharaha Ara-pivavahana, ny filoha lefitra roa, ary olona telo hafa.

Ilay filoha no nanokatra ny fivoriana. Hoy izy: “Tena faly izahay mandray anareo Vavolombelon’i Jehovah. Efa reko foana ny momba anareo, fa izao aho vao afaka miresaka aminareo. Afaka miresaka amin-kalalahana isika.” Nilaza ireo rahalahy fa tian’izy ireo hosoratana ho ara-dalàna ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah manerana ny Firaisana Sovietika. Hoy ilay filoha: “Mahafinaritra izany, sady azo atao tsara izany izao. Efa mihatsara mantsy ny toe-draharaha eto amin’ny firenena, ka afaka manantena vokatra tsara isika.”

Nasain’ilay filoha nampahafantatra ny tenany ireo rahalahy, ka hita fa nisy Vavolombelon’i Jehovah hatrany andrefan’i Rosia ka hatrany atsinanana. Hoy ny mpiandraikitra ny faritra iray: “Solontenan’ny fiangonana efatra any amin’ny Faritr’i Irkoutsk aho. Izaho koa no miandraikitra ny any amin’ny Faritanin’i Krasnoïarsk sy Khabarovsk, ny Faritr’i Omsk sy Novossibirsk, ary ny Farany Atsinanana.” Hoy ilay filoha: “Midadasika izany faritany iasanao izany. Maro ny firenena tsy manana velaran-tany toy izany!”

Hoy ny filoha lefitra iray: “Mila mahalala tsara ny zavatra inoanareo izahay. Milaza ny bokinareo fa hanadio ny tany Andriamanitra ary hanala ny fitondrana rehetra misy ankehitriny. Tsy azonay mihitsy io.” Hoy ny Rahalahy Pohl: “Tsy mandray anjara amin’ny herisetra mihitsy izahay, ka raha misy an’izany ao amin’ny bokinay, dia faminaniana ara-baiboly no resahiny. Mitory momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany ny Vavolombelon’i Jehovah.”

“Tsisy maharatsy azy ny zavatra ataonareo raha izany”, hoy izy.

Hoy ilay filoha rehefa vita ilay resaka: “Tena faly izahay niresaka taminareo. Tokony hosoratana ho ara-dalàna haingana araka izay azo atao ny asanareo.”

Nekena ho ara-dalàna ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Rosia tamin’ny Martsa 1991. Niisa 150 tapitrisa mahery ny mponin’i Rosia tamin’izany, ary 15 987 ny isan’ny mpitory. Nila fampiofanana bebe kokoa avy tamin’i Jehovah ireo rahalahy sy anabavy noho izany.—Matio 24:45; 28:19, 20.

FIFALIANA SY FAHAFAHANA

Niangavian’ny Filan-kevi-pitantanana ny sampan’i Failandy, mba hanampy tamin’ny fanomanana ny fivoriambe iraisam-pirenena hatao tao Saint-Pétersbourg, ny 26 ka hatramin’ny 28 Jona 1992. Niaina tao anatin’ny fandrarana nandritra ny 50 taona mahery ireo rahalahy, kanefa izao izy ireo dia afaka manatrika fivoriambe an-kalalahana. Inona no tsapan’izy ireo? Hoy ny rahalahy iray: “An’arivony izahay no tao amin’ilay kianja. Nijoy ny ranomasonay. Hafaliana re izany! Fahafahana tsy misy toy izany! Tsy nanampo hahazo fahafahana eto amin’ity tontolo ity izahay, kanefa vitan’i Jehovah izany. Tsaroanay ny fiainanay tao amin’ny toby iray voahodidina fefy avo be. Dimy izahay no tao amin’ny efitra fanokanan-toerana. Rehefa nangatsiaka ny iray taminay, dia nifandimby nanafana azy izahay. Voahodidina tamboho avo be koa ilay kianja nivorianay, kanefa te hijanona teo foana izahay. Tsy hay lazaina ny fihetseham-ponay!”

“Vonton-dranomaso foana ny masonay nandritra ilay fivoriambe. Tsy nampoizinay mantsy ilay fahagagana hitanay. Efa 70 taona mahery izahay, kanefa nivezivezy eran’ny kianja. Efa 50 taona no niandrandranay fahafahana. Navelan’i Jehovah hatao sesitany tany Siberia izahay teo aloha, ary nigadra tany amin’ny fonja sy toby. Teo amin’ny kianja hanaovana fivoriambe anefa izahay tamin’ny Jona 1992! I Jehovah tokoa no mahery indrindra! Rehefa nifankahita tamin’ireo namanay izahay, dia nigogogogo nitomany. Nanontany anay ireo rahalahy tanora hoe: ‘Fa maninona ianareo? Nisy nampalahelo anareo angaha?’ Tsy afaka namaly anefa izahay satria mbola nitomany. Hoy ny iray taminay avy eo: ‘Ranomasom-pifaliana ny anay!’ Notantarainay tamin’izy ireo ny fomba nanompoanay an’i Jehovah nandritra ny fandrarana. Tsy nampino mihitsy hoe hanao fanovana haingana toy izao i Jehovah.”

Nasaina nandefa mpisava lalana manokana 15 teto Rosia ny sampan’i Failandy, taorian’izay. Tonga tao Saint-Pétersbourg tamin’ny 1 Jolay 1992 i Hannu sy Eija Tanninen, mpivady be zotom-po. Tena sarotra tamin’izy ireo ny nianatra teny rosianina. Tonga dia nitory sy nanasa ny olona hianatra Baiboly izy ireo, tamin’ny andro voalohany nianarany an’io fiteny io. Hoy i Hannu: ‘Saika ny olona rehetra no naniry hianatra Baiboly tamin’izany. Tonga dia nanome adiresy ny olona nitoriana teny an-dalana. Te hahazo boky ara-baiboly daholo ny olona. Raha nanome gazety na taratasy mivalona olona iray ianao, dia misy folo hafa koa tamy mangataka. Matetika no namaky azy ireny avy hatrany izy ireo, na teny an-dalana izany na teny ambony lamasinina.’

Nisy mpisava lalana manokana avy any Polonina tonga teto, nanomboka tamin’ny Oktobra 1992. Nisy anabavy mpitovo tamin’ny andiany voalohany. Notendrena ho ao Saint-Pétersbourg ny andiany faharoa. Nisy mpisava lalana poloney nalefa tao Moscou, herintaona tatỳ aoriana. Nanolo-tena hanampy teto Rosia koa ny mpitory 170 mahery, ary efa nanatrika ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana (SFF) ny ankamaroany.

MISY VARAVARANA LEHIBE MISOKATRA

Navelan’ny Filan-kevi-pitantanana hividy tany hanorenana Betela teto Solnetchnoïe ireo rahalahy, taorian’ilay fivoriambe manan-tantara. Fito hektara ny refin’izy io ary nisy trano tranainy. Niangaviana ny sampan’i Failandy mba hanampy tamin’ny fanorenana. Tonga tamin’ny Septambra 1992 ny andiany voalohany tamin’ireo mpanao fanorenana avy any Failandy. Iray tamin’izy ireo i Aulis Bergdahl, izay lasa anisan’ny Komitin’ny Sampana tatỳ aoriana. Hoy izy: “Faly izahay sy Eva Lisa vadiko nanaiky an’ilay fanasana hanampy tamin’ny fanorenana Betela teto Rosia. Hita mihitsy hoe nitantana ny asa i Jehovah. Nanohina ny antso ny rahalahy avy any amin’ny tany maro.”

Tena nampahery an’ireo mpanao fanorenana i Alf Cederlöf, mpiandraikitra ny fanorenana avy any Failandy, sy Marja-Leena vadiny. Tena nampahery koa ny Komitin’ny Sampan’i Failandy. Nisy rahalahy avy tany Brooklyn tonga teto Solnetchnoïe, nandritra ny fanorenana. Hoy i Aulis: “Nitsidika anay i Milton Henschel, tamin’ny 1993, taorian’ny fivoriambe iraisam-pirenena tao Moscou. Tena nampahery ny lahateny nataony ho anay mpiasa an-tsitrapo sy ny resadresaka nifanaovany taminay.”

Mpiasa an-tsitrapo 700 teo ho eo no nanorina ny Betela. Avy any Skandinavia, Eoropa, Amerika, Aostralia, Rosia, ary ireo repoblika anisan’ny Firaisana Sovietika teo aloha, izy ireo. Samy hafa kolontsaina sy fomba fiasa izy ireo, kanefa vita ny asa araka ny Zakaria 4:6 hoe: “Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin’ny Fanahiko, hoy Jehovah, Tompon’ny maro.” I Jehovah tokoa no nanao an’ilay “trano.” (Sal. 127:1) Nazoto nanolo-tena ireo rahalahy rosianina. Tanora ny ankamaroany ary vaovao tamin’ny fahamarinana. Mpisava lalana anefa ny maro taminy. May erỳ izy ireo hianatra ny fomba fanorenana avo lenta sady vita haingana. Naniry mafy hianatra ny fomba handaminana ny asa eo anivon’ny fiangonana koa izy ireo.

FANDAMINANA NY ASA

Nasaina ho tonga teto Solnetchnoïe ireo anisan’ny Komitin’ny Tany teto Rosia, tamin’ny faramparan’ny 1993. Anisan’izany i Ivan Pashkovsky, Dmitry Livy, Vasily Kalin, Aleksey Verzhbitsky, Anatoly Pribitkov ary Dmitry Fedunishin. Tonga koa i Mikhail Savitsky, herintaona tatỳ aoriana. Notendren’ny Filan-kevi-pitantanana hanampy tamin’ny fandaminana ny asa i Horst Henschel, avy any amin’ny sampan’i Alemaina.

Ny asa fitetezam-paritany no anisan’ny nalamina voalohany. Nozaraina ho faritra dimy i Rosia. Ny roa tao Saint-Pétersbourg ary ny telo tao Moscou sy ny manodidina. I Artur Bauer sy Pavel Bugaisky ary Roy Öster, no notendrena hitsidika an’i Moscou. I Kzyztov Poplawski sy Hannu Tanninen kosa no nitsidika an’i Saint-Pétersbourg. Voatendry ho mpiandraikitra ny faritra koa i Roman Skiba, tatỳ aoriana. Nasaina nanampy tamin’ny asan’ny vondrom-paritra i Matthew Kelly, izay nahazo diplaoma tamin’ny SFF tany Etazonia tamin’ny 1992.

Hoy i Hannu Tanninen momba ny fitsidihana nataony voalohany: ‘Nanoratra tany amin’ny fiangonana iray tao Petrozavodsk aho, ary nilaza ny fotoana hitsidihana sy ny fomba handaminana ny fivoriana mandritra ny herinandro. Nitsena anay mivady teny amin’ny gara ny anti-panahy iray, ary nitondra anay tany an-tranony. Nasehony ahy ilay taratasy nalefako, ary hoy izy: “Voarainay ity taratasy ity saingy tsy azonay izay voalaza tao, ka naleonay niandry anao mba hanazava ny zava-drehetra.” ’

“Tamin’izahay tany Mourmansk voalohany kosa, dia nisy mpitory 385 tao, ary nitarika fampianarana Baiboly 1 000 mahery izy ireo. Betsaka noho izany anefa ny tena isan’ny olona nianatra Baiboly, satria olona maromaro no niara-nianatra. Nanana fampianarana Baiboly 13, ohatra, ny anabavy mpisava lalana iray, kanefa olona 50 mahery no nampianariny raha ny marina!”

“Ny Faritr’i Volgograd sy Rostov no fanendrena faharoa azonay. Efatra monja ny fiangonana tao Volgograd, izay nisy mponina iray tapitrisa mahery. Vonona hianatra ny fomba hitarihana fivoriana sy fampianarana Baiboly ary ny fomba fitory isan-trano, ireo rahalahy. Nisy fiangonana vaovao naorina, isaky ny fitsidihana. Nosoratanay tao amin’ny tatitra nataonay ny isan’ny olona natao batisa hatramin’ny fotoana nitsidihanay farany an’ilay fiangonana. Nahatratra 50 na 60 na 80 izy ireny, ary nisy aza nihoatra ny 100! Nisy fiangonana vaovao 16 tao amin’ilay tanàna, tao anatin’ny telo taona.”

Notendrena tamin’ny Janoary 1996 ireo rahalahy anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Rosia. Ireto koa ny mpiandraikitra ny vondrom-paritra notendrena sy ny faritra niandraiketany: Roman Skiba (Siberia sy ny Farany Atsinanan’i Rosia), Roy Öster (Bélarus, Moscou, ary Saint-Pétersbourg ka hatrany Oural), Hannu Tanninen (Caucase ka hatrany Volga), Artur Bauer (Kazakhstan sy Azia Afovoany). Nanampy tamin’ny asan’ny faritra koa ny mpiandraikitra ny vondrom-paritra, tamin’izany.

DIA LAVITRA

Anisan’ireo mpisava lalana manokana tonga avy any Polonina teo am-piandohan’ny 1993, i Roman Skiba. Hoy izy: “Voatendry ho mpiandraikitra ny faritra aho tamin’ny Oktobra 1993. Ireo fiangonana tany amin’ny faritra atsimon’i Saint-Pétersbourg sy ny Faritr’i Pskov, ary ny tany Bélarus no notsidihiko. Tsy io no lehibe indrindra tamin’ny faritra niandraiketan’ny mpiandraikitra teto Rosia, kanefa tsy maintsy nizatra nanao dia lavitra aho. Voatendry ho mpiandraikitra ny faritra tany Oural aho tamin’ny Novambra 1995. Notendrena ho mpiandraikitra ny vondrom-paritra mpanampy koa aho, ka nitsidika fiangonana tany Oural, Siberia, ary ny Farany Atsinanan’i Rosia. Adiny valo ny elanelan’ny ora any Oural sy ny Farany Atsinanan’i Rosia! Nilaza ny rahalahy iray hoe mitovy amin’ny haben’i Polonina ampitomboina im-38 io vondrom-paritra io! Nasaina nitsidika antoko-mpitory iray tany Oulan-Bator, renivohitr’i Mongolia aho, roa taona teo ho eo tatỳ aoriana.”

“Nifindra fiaramanidina indroa izahay sy Lyudmila vadiko, indray mandeha, avy ao Norilsk nankany Novossibirsk, ary avy eo nankany Iekaterinbourg. Tena niavaka ilay dia satria toy ny hoe tsy nitsahatra nandeha izahay. Tara adiny 12 ny fiaramanidina tao Norilsk, ka tsy maintsy niandry tao amin’ny seranam-piaramanidina izahay mivady, nandritra ny iray andro maninjitra. Soa ihany fa efa zatra nanao fianarana samirery teny am-panaovana dia lavitra izahay.”

“Tara izahay indraindray vao tonga tany amin’ny fiangonana notsidihinay, na dia niezaka mafy aza. Tsy maintsy nandeha lalan-dratsy, ohatra, izahay, rehefa nitsidika ny fiangonan’i Oust-Kan, tanàna be tendrombohitra any Altaï. Simba anefa ilay fiara nitondra anay, ka sady tsy afaka nijery ny taratasin’ny fiangonana aho, no adiny roa taorian’ny ora tokony hanombohan’ny fivoriana vao tonga. Nalahelo izahay sady nihevitra fa efa nody daholo ny olona. Gaga izahay fa olona 175 no niandry anay tao amin’ny efitra iray nohofana, na dia mpitory 40 latsaka aza no ao amin’ilay fiangonana! Noho ny fahataranay, dia nanam-potoana hahatongavana tao ireo olona liana maro avy any an-tendrombohitra.” *

FIVORIAMBE TSY HAY HADINOINA

Sambany vao nikarakara fivoriamben’ny vondrom-paritra ny rahalahy tany amin’ny tanàna lehibe sasany. Nifidy kianja lehibe azo anaovana fivoriambe ireo rahalahy tany Iekaterinbourg, tamin’ny 1996. Hoy i Roman Skiba: “Feno bozaka naniry ny toerana fipetrahana. Nahatratra roa metatra ireo hazo naniry teny afovoan’ny kianja. Roa tokom-bolana taorian’izay anefa ny fivoriambe, ary fiangonana telo monja no nisy tao an-tanàna sy ny manodidina. Soa ihany fa vonon-kanampy ny tompon’andraikitry ny kianja, na dia tsy takany aza hoe ahoana no hahafahana hanao fivoriambe ao amin’io kianja io. Vitan’ireo rahalahy nadio tsy nisy pentina ilay kianja rehefa tonga ny datin’ny fivoriambe. Talanjona ilay tompon’andraikitra!” Navelany hanao Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana tao amin’ny trano iray tao amin’ilay kianja ireo rahalahy, ho fankasitrahany azy ireo. Hoy ny rahalahy iray: “Nanaovana fanatanjahan-tena indray tao amin’ilay kianja, taorian’ilay fivoriambe, ary nampidi-bola ho an’ilay tanàna izany.”

Mila mahay mifanaraka amin’ny toe-javatra sy manana faharetana ireo rahalahy, indraindray. Tsy afaka nanofa kianja ireo rahalahy tany Vladikavkaz, tamin’ny 1999, nefa olona 5 000 no noeritreretina hanatrika fivoriamben’ny faritra. Nanapa-kevitra àry izy ireo fa hohafohezina iray andro ny fandaharana, ary haverina in-dimy tao amin’ny trano iray fijerena sinema. Nanomboka ny alatsinainy izany ary nifarana ny zoma. Nasiana fivoriamben’ny faritra roa andro tany amin’ny toerana roa tany Nalchik, tamin’ny faran’io herinandro io. Nifanelanelana roa kilaometatra teo ho eo izy ireo. Nanomboka adiny roa taorian’ilay voalohany ilay faharoa, mba hahafahan’ny mpandahateny tany amin’ilay voalohany, hankany amin’ilay faharoa. Farim-peo ny mpiandraikitra mpitety faritany sasany, rehefa hifarana ilay fivoriambe. Nilaza ny rahalahy iray, fa nanao lahateny 35 izy tamin’io herinandro io! Nizotra tsara ny zava-drehetra, mandra-pahatongan’ny asabotsy antoandro. Nisy mpitandro ny filaminana niditra tao amin’ny toerana iray nanaovana fivoriambe. Nitondra alika izy ireo ary nilaza fa tsy maintsy mivoaka an’ilay trano avy hatrany ny rehetra. Tony ireo rahalahy sy anabavy, ary nivoaka moramora. Nisakafo sy nifampiresaka teny an-tokotany izy ireo. Fantatra tatỳ aoriana, fa nitelefaonina tamin’ny mpitandro ny filaminana ny mpivavaka mafana fo iray, ary nilaza fa nisy baomba tao amin’ilay trano. Tsy nahita na inona na inona anefa izy ireo rehefa nijery eran’ny trano, ka navelany hanohy ny fandaharana ireo rahalahy. Nasiana fanovana kely ilay fandaharana, kanefa vita soa aman-tsara ihany ary nandray soa ny rehetra.

VATO SY AMPINGA ARY SABATRA

Vetivety dia niely nanerana an’i Rosia ny voan’ny fahamarinana. Hoy i Eija Tanninen: “Avy nanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra izahay, tamin’ny 1998, ary handeha hamonjy fivoriambe iray hafa koa. Haharitra adiny 15 ny dianay. Niangavian’ireo anadahy izahay mba hitondra vato, ampinga, sabatra, ary kitapo feno akanjo ho an’ny mpilalao tantara an-tsehatra. Sarotra izany, satria tsy tian’ny mpanara-maso raha be entana ny mpandeha lamasinina. Sahy nitondra an’ireo entana anefa izahay, noho ny fanampian’ireo anadahy. Efitra natao ho an’ny olona efatra no nisy anay tao amin’ilay lamasinina, ary mpandeha roa no niaraka taminay tao.”

“Niditra ny vehivavy iray mba hisava tapakila, ary nanontany hoe nahoana izahay no be entana. Nohazavainay fa fitaovana ilaina amin’ny tantara an-tsehatra hatao mandritra ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah ireo. Tena tsara fanahy izy ary nilaza fa efa nanatrika ny lahateny nataon’ny vadiko, tamin’izahay nitsidika fiangonana iray tao an-tanànany. Tsapanay fa tena nanampy anay i Jehovah.”

NIANATRA FOMBA FAMPIANATRA

Afaka miana-javatra maro avy amin’ny hafa ireo anabavy. Hoy i Eija: “Mbola tsy nahay niteny rosianina tsara aho tamin’izahay nanomboka ny asan’ny faritra, ka tena nila nanam-paharetana sy nanetry tena ireo rahavavy. Nampihetsi-po ahy ny nahita azy ireo naniry mafy hahay ny fomba fampianatra Baiboly. Maro tamin’izy ireo no vaovao tamin’ny fahamarinana. Nanompo nandritra ny fandrarana koa ny sasany, ka tsy nahazo toromarika avy tamin’ny fandaminan’i Jehovah.”

“Nitsidika fiangonana tany Volzhskiy izahay tamin’ny 1995 sy 1996. Rehefa nanasa ahy hiaraka aminy hampianatra Baiboly ny rahavavy iray, dia matetika no nisy rahavavy vitsivitsy te hiaraka taminay koa. Tsy takatro ny anton’izany tamin’ny voalohany. Nanazava anefa izy ireo avy eo fa tiany ho hita ny fomba fampianarana Baiboly. Nilaza aho fa tsy maninona izany raha manaiky ilay mpianatra sady tsy menatra. Rahavavy enina ka hatramin’ny folo mazàna no niaraka taminay, sady nanantena fa tsy hampaninona an’ilay mpianatra izany. Izany tokoa no nitranga. Maro tamin’ireny mpianatra ireny koa no nanomboka nampianatra Baiboly, volana vitsivitsy tatỳ aoriana. Fiangonana 2 no tao Volzhskiy tamin’izany, kanefa lasa 11 izany folo taona tatỳ aoriana.”

NAHAZO VALIM-BAVAKA IZY

Tsy ireo vaovao ihany no nandray soa tamin’ny toromarika nomen’ny fandaminana, fa ireo efa nanompo hatry ny ela tao anatin’ny fandrarana koa. Hoy i Hannu Tanninen: ‘Nahatsapa izahay matetika fa nitari-dalana anay ny anjely. Nahita fisehoan-javatra mampihetsi-po koa izahay. Nitsidika fiangonana iray tao Novgorod izahay, tamin’ny 1994, ary nentin’ireo rahalahy tany amin’ny trano iray hipetrahanay mandritra ny herinandro. Nisy anabavy efa zokiolona atao hoe Maria tao amin’ilay trano. Nanao dia 50 kilaometatra izy mba hanatrehana ny fitsidihanay. Efa 50 taona izy no tao amin’ny fahamarinana, ary te hihaona tamin’ny mpiandraikitra ny faritra nanompo taorian’ny fandrarana. Nasainay nitantara ny fomba nahitany ny fahamarinana izy. Nolazainy fa nigadra tany amin’ny toby fitanana tany Alemaina izy tamin’izy 17 taona, ary tany no nahalala ny fahamarinana. Natao batisa izy ary anabavy voahosotra no nandroboka azy. Nafahana izy tatỳ aoriana, ary nody teto Rosia mba hitory ny vaovao tsara. Voasambotra sy nogadraina indray anefa izy noho ny asa fitoriana nataony. Nigadra an-taonany maro tany amin’ny toby teto Rosia izy.’

“Nilaza io anabavy be fanetren-tena io fa nangataka tamin’i Jehovah izy vao haingana, mba hampiseho aminy sao dia misy tsy mety ny fomba anompoany azy. Nanohina ny fonay ny nandre izany. Nolazaiko taminy ny harivan’iny, fa nisy ‘Fanontanian’ny Mpamaky’ novaliana tao amin’ny Tilikambo Fiambenana efa ela. Voalaza tao fa tsy manan-kery ny batisa raha tsy rahalahy no mandroboka. Tena velom-pankasitrahana izy, ary tsapany fa valim-bavaka izany. Faly erỳ izy, rehefa natao batisa tao amin’ny koveta be fandroana. Efa vita tamin’ny 50 taona lasa ny fanoloran-tenany ho an’i Jehovah, izany hoe tamin’ny 1944.”

NOZARAINA ERAN’I ROSIA NY SAKAFO ARA-PANAHY

Nalefa paositra nanketo Rosia ny boky avy any Alemaina sy Failandy, tany am-piandohan’ny 1991. Entana kely no nalefa tamin’izany. Tamin’ny Jolay 1993 no tonga voalohany teto Solnetchnoïe ny kamiao nitondra boky avy any Alemaina, izay nitondra entana 20 taonina. Naterin’ny kamiao nankany Moscou sy Bélarus ary Kazakhstan izy ireny avy eo. Tsy mora anefa izany. Tsy maintsy nandeha tamin’ny lalana 5 000 kilaometatra, ohatra, ireo rahalahy, rehefa nankany Kazakhstan. Ela be izy ireo vao tafavoaka ny sisin-tany. Feno lanezy koa ny lalana amin’ny ririnina ka mihitsoka ny kamiao.

Boky 200 taonina eo ho eo izao no tonga eto Solnetchnoïe, isam-bolana. Miezaka mitory amin’ireo mpiambina sisin-tany sy mpiasan’ny doanina ireo Betelita mitondra kamiao. Tena tia mamaky boky ara-baiboly ny sasany amin’ireny mpiasa ireny. Nanomboka nanaratsy ny fivavahana ny polisy iray, rehefa hitany fa an’ny fikambanana ara-pivavahana ny kamiaon’ny Betela. Nolazainy fa nanompa azy ny pretra iray, rehefa nosakanany noho izy nandika ny lalàn’ny fifamoivoizana. Nohazavain’ireo rahalahy taminy ny fomba itondran’Andriamanitra ny olona, sy ny fikasany ho an’ny tany sy ny olombelona. Lasa tsara fanahy ilay polisy ary nanomboka nametraka fanontaniana mihitsy aza. Nanokatra ny Baiboliny ireo rahalahy avy eo, ary nahafinaritra ny resadresak’izy ireo. Tena nanohina ny fon’ilay polisy izany, ka hoy izy: “Hitady Vavolombelon’i Jehovah aho mba hitohizan’iny resaka iny.”

Ny sampan’i Japon no nandefa boky tany Vladivostok, any amin’ny Farany Atsinanan’i Rosia, tamin’ny 1995 ka hatramin’ny 2001. Ireo rahalahy tao indray no nandefa azy ireny tany Kamtchatka. Nanjary nifankahalala tamin’ny kapitenin-tsambo mpankany Kamtchatka ireo rahalahy tao Vladivostok. Nanaiky hitondra maimaim-poana an’ireo boky ny kapiteny iray, sady nanampy tamin’ny fitaomana azy ireny ho ao anaty sambo. Hoy izy: “Te hanao asa soa aho na dia tsy mpivavaka aza. Mahafinaritra ahy ianareo, ary hitako hoe vahoaka voalamina. Tsy voatery miandry ela aho, rehefa tonga any Kamtchatka. Poa toy izay dia voataonan’ireo namanareo ny entana.”

NOHATSARAINA NY FANDIKAN-TENY

Nivoaka indray mandeha isam-bolana Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny teny rosianina, nandritra ny taona maro. Gazety 16 pejy izy io, ary be velarana kokoa noho ny gazety ankehitriny. Nadika tamin’ny teny rosianina ny lahatsoratra fianarana, ary nozaraina tamin’ireo Vavolombelona. Ela be taorian’ny gazety tamin’ny teny anglisy anefa izy ireny vao nivoaka. Tara enim-bolana ka hatramin’ny roa taona ny lahatsoratra fianarana. Tara noho izany aza ny lahatsoratra hafa. Lasa 24 pejy ny gazety Tilikambo nanomboka tamin’ny 1981. Nivoaka indroa isam-bolana izy io nanomboka tamin’ny 1985. Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jona 1990 no gazety 32 pejy voalohany niara-nivoaka tamin’ny teny anglisy, ary miloko izy io.

Hoy i Tanja, mpandika teny: ‘Hitanay fa tsy tsotra sady tsy nazava tsara ireo lahatsoratra nadikanay taloha. Ireny anefa no tsara indrindra vitanay tamin’izany fotoana izany, ary ireny no sakafo nilain’ireo olona noana ara-panahy.’

Nihamaro ny toerana nanelezana ny bokintsika, rehefa nekena ho ara-dalàna ny asantsika tany amin’ireo firenena anisan’ny Firaisana Sovietika teo aloha. Vonona handray fampiofanana ireo mpandika teny rosianina niasa tany Alemaina. Nisy lafin-javatra roa nanatsara ny fandikan-teny. Voalohany, nankany Alemaina ny rahalahy sy anabavy maromaro avy teto Rosia sy Ukraine, mba handray fampiofanana. Tonga tany ny dimy tamin’izy ireo tamin’ny 27 Septambra 1991, ary nisy hafa koa tatỳ aoriana. Novana àry ireo ekipana mpandika teny rosianina. Nisy anefa ny olana. Tsy niova ho “volamena” avy hatrany ny ‘hazo’ sy ny ‘vato’, fa mbola nanaraka an’ireo dingana voalazan’ny Isaia 60:17.

Faharoa, vao natsangana ny Sampan-draharaha Foiben’ny Fandikan-teny, ka nandray soa ireo mpandika teny rosianina. Nisy seminera natao ho an’ny mpandika teny tao amin’ny sampan’i Alemaina, rehefa tonga tany ireo rahalahy sy anabavy teto Rosia.

Hita fa tsara kokoa raha any amin’ny tany ampiasana an’ilay fiteny no atao ny fandikan-teny. Faly àry ireo mpandika teny rosianina rehefa hiala tany Alemaina tamin’ny Janoary 1994, ka hifindra hanketo amin’ny Betelan’i Rosia, izay mbola teo an-dalam-panorenana tamin’izay.

Tena tsy mora ny nisaraka tamin’ireo rahalahy nandika teny rosianina, nandritra ny am-polo taona maro tao anatin’ny fandrarana. Tsy mba afaka nifindra teto Rosia mantsy izy ireo, noho ny toe-javatra nisy azy. Nitomany sy nifamihina izy rehetra, rehefa nisaraka tao amin’ny Betelan’i Alemaina tao Selters, ny asabotsy 23 Janoary 1994. Rahalahy sy anabavy 17 no nandao an’i Alemaina, ary nisy rahalahy 2 hafa voatendry ho mpisava lalana manokana niaraka tamin’izy ireo.

“IZAHO IZAO NO ANDRIAMANITRY NY MARARY!”

Efa hatramin’ny taona maro ny mpiasan’ny fahasalamana teto Rosia no nampiasa ra tamin’ny fitsaboana. Nobeazina tsy hino an’Andriamanitra koa izy ireo. Gaga àry ny dokotera na tezitra mihitsy aza, rehefa nitsabo Vavolombelon’i Jehovah, satria mino an’Andriamanitra izy ireo, sady mitady fitsaboana tsy ampiasana ra.

Nilaza toy izao ny dokotera, matetika: “Izaho izao no andriamanitry ny marary!” Noroahina hivoaka ny hopitaly avy hatrany izay marary tsy nanaiky ny tenin’ny dokotera. Nampiasain’ny mpanohitra, matetika, ny tsy faneken’ny Vavolombelona fampidiran-dra mba handrarana ny asa fitoriana teto Rosia.

Nasiana Biraon’ny Filan-kevitra Momba ny Hopitaly teto amin’ny sampan’i Rosia, tamin’ny 1995. Nanome fanazavana tsara ho an’ny mpitsabo izy io, momba ny fitsaboana mety amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Maro ny seminera natao ho an’ireo anti-panahy anisan’ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly. Natoro azy ireo ny fomba hanomezana fanazavana amin’ny mpitsabo, sy ny fomba hahitana dokotera manaiky hitsabo tsy misy fampidiran-dra. Avy amin’ny komity 60 mahery ireo anti-panahy ireo.

Nanao kaonferansa tao Moscou ireo dokotera teto Rosia sy avy any an-tany hafa, tamin’ny 1998. Nitondra ny foto-kevitra hoe “Fandidiana Tsy Ampiasana Ra” izy io. Sambany vao nisy toy izany teto Rosia. Dokotera 500 mahery avy any amin’ny faritra maro teto Rosia no nanatrika azy io. Afaka nikarakara kaonferansa tany amin’ireo tanàna lehibe ireo dokotera ireo, teo anelanelan’ny 1998 sy 2002. Nisy vokany tsara izany.

Nanoratra tany amin’ireo mpisolovava miaro ny Vavolombelon’i Jehovah ny Profesora A. Vorobyov, minisitry ny fahasalamana taloha. Nolazainy tao fa rehefa nahenan’ny dokotera ny fampiasana ra teto Rosia, dia “nihena 34 isan-jato ny salanisan’ny reny maty teo am-piterahana.” Nolazainy koa fa “avo valo heny noho ny reny maty tany Eoropa ny maty teto Rosia, taloha. Nampiditra ra tamin’ireo vehivavy niteraka mantsy ny mpampivelona na dia tsy tena nilaina aza izany.”

Nandefa toromarika tany amin’ny toeram-pitsaboana nanerana an’i Rosia ny minisiteran’ny fahasalamana, tamin’ny 2001. Voalaza tao fa raha tsy manaiky hampidiran-dra ny marary noho ny finoany, dia tokony hanaja izany ny dokotera. Namoaka Toromarika Momba ny Fampiasana ny Taharon’ny Ra ny minisitera, tamin’ny 2002. Nolazaina tao fa tsy azo ampidiran-dra ny marary raha tsy manao taratasy milaza hoe manaiky hampidiran-dra izy. Nolazaina tao koa fa tokony hampiasa fitsaboana hafa ny dokotera, raha tsy manaiky hampiasana taharon’ny ra ny marary, noho ny antony ara-pivavahana.

Niova ny dokotera maro, rehefa niara-niasa tamin’ny Biraon’ny Filan-kevitra Momba ny Hopitaly. Hoy ny dokotera iray, tamin’ny solontenan’ilay birao: “Nilaza tamiko ianareo sy ireo marary [Vavolombelona] hoe tsy sitraponareo fotsiny no mahatonga anareo handa fampidiran-dra, fa noho ianareo manaraka ny fitsipiky ny Baiboly. Novakiko avokoa ireo andinin-teny tao amin’ilay boky nomenareo ahy, mba hanamarinana izany. Takatro fa avy ao amin’ny Baiboly tokoa ny antony tsy hanekenareo fampidiran-dra. Tsy azoko hoe nahoana ny pretranay no tsy mba milaza an’izany. Rehefa miresaka momba ny fitsaboana tsy ampiasana ra izaho sy ny dokotera hafa, dia resahiko amin’izy ireo fa olona manaraka izay voalazan’ny Baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah.” Dokotera 2 000 mahery izao no vonona hampiasa fitsaboana tsy ampiasana ra, rehefa mitsabo Vavolombelon’i Jehovah.

NAHAFALY AZY IREO NY FANOMPOANY

Nanompo tany amin’ny tanàna maro teto Rosia i Arno sy Sonja Tüngler, nanomboka tamin’ny Oktobra 1993, rehefa nahazo diplaoma tamin’ny Sekoly Fanitarana An’i Gileada tany Alemaina. Nanao ahoana ny fandroson’ny asa fitoriana tamin’izany? Andeha harahintsika ny fitantaran’izy ireo.

Hoy i Arno: “Vao tonga herinandro vitsivitsy tao Moscou izahay dia efa nanao ny anjaranay tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana. Iray volana sy tapany taorian’ny nahatongavanay aho no nanao ny lahateniko voalohany tamin’ny fivoriambe. Mpitory 140 teo ho eo no tao amin’ilay fiangonana nisy anay, ary mitovy amin’ny haben’ny toerana tsidihin’ny mpiandraikitra ny faritra any Alemaina ny faritanin’ilay fiangonana. Tsy lavitra ny tranonay ny faritaninay tamin’ny voalohany. Nahafaly erỳ ny hoe izahay no nitory voalohany tao amin’ilay tanàna!”

Hoy i Sonja: “Mbola tsy nahay niteny rosianina mihitsy izahay, kanefa efa nitory irery teny an-dalana ary nanolotra taratasy mivalona sy boky aman-gazety. Tena nampahery anay ireo mpiray finoana, ary tsy sarotra taminay ny nahita namana hiara-manompo. Tsara fanahy erỳ izy ireo, ary tena nanam-paharetana. Navelany hiresaka izahay na dia nibadabada aza. Nanam-paharetana koa ny olona nitorianay. Rava ny Firaisana Sovietika, ka tena liana tamin’ny fivavahana ny olona.”

Hoy i Arno: “Nanampy anay hahay teny rosianina ny fitoriana isan-trano sy ny fampianarana Baiboly. Efa nanana mpianatra 22 izahay telo volana taorian’ny nahatongavanay, izany hoe tamin’ny Janoary 1994. Lasa zatra ny fiteny rosianina fampiasa andavanandro izahay noho izany.”

“Nahavariana ny isan’ireo natao batisa tamin’ny fivoriambe. Efa ho ny ampahafolon’ny mpanatrika izy ireo, na mihoatra an’izany aza. Tsy ampy anefa ny anti-panahy sy ny mpanampy amin’ny fanompoana. Anti-panahy iray, ohatra, no mpiandraikitra mpitantan-draharaha tamin’ny fiangonana dimy! Niangavy ahy io rahalahy io mba hanao ny lahatenin’ny Fahatsiarovana tao amin’ny fiangonana iray tamin’ireo. Nisy 804 ny mpanatrika, ary tsy maintsy niala tao amin’ilay trano izy ireo raha vao vita ilay fankalazana, satria hisy fiangonana hafa handimby azy ireo. Nampalahelo anefa fa voan’ny lozam-piarakodia teny an-dalana ilay mpandahateny manaraka, ka izaho no tsy maintsy nanao an’ilay lahateny. Nisy 796 ny mpanatrika tamin’io. Fiangonana roa monja dia efa nisy mpanatrika 1 600. Izany no mampiseho fa tena liana tamin’ny fahamarinana ny olona.”

‘MANAFAINGANA’ NY FIJINJANA I JEHOVAH

Nampanantena i Jehovah fa ‘hanafaingana’ ny fanangonana an’ireo zavatra ‘faniry.’ (Isaia 60:22; Hagay 2:7) Nisy mpitory 65 tao Saint-Pétersbourg tamin’ny 1980. Niezaka nitory izy ireo na dia nanara-maso azy ireo aza ny KGB. Lasa 170 mahery izy ireo tamin’ny 1990, ary niezaka nitory tsy ara-potoana teny amin’ny lalana rehetra. Nekena ho ara-dalàna ny asantsika teto Rosia tamin’ny Martsa 1991, ary tsy ela taorian’izay dia nisy fiangonana dimy tao Saint-Pétersbourg. Tena nandroso ny asa taorian’ireo fandaharana manokana nataon’ny fandaminana, anisan’izany ilay fivoriambe natao tao Saint-Pétersbourg tamin’ny 1992. Nisy fiangonana 70 mahery tao amin’io tanàna io, tamin’ny 2006.

Fiangonana iray monja no tao Astrakhan, tsy lavitra ny sisin-tanin’i Kazakhstan, tamin’ny 1995. Tsy nisy anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana tao, kanefa nanao fivoriamben’ny faritra sy manokana ireo rahalahy. Anti-panahy avy any Kabardino-Balkarie, any amin’ny 700 kilaometatra, no nanao ny lahateny, ary tsy fantatr’izy ireo mialoha ny isan’ireo hatao batisa. Hoy i Roman Skiba: “Tonga tapa-bolana talohan’ny fivoriambe izaho sy ny anti-panahy iray, mba hiara-manompo amin’ilay fiangonana sy hiara-mandinika ireo fanontaniana ho an’ireo maniry hatao batisa. Tsy afaka nanompo akory anefa izahay, satria olona 20 no naniry hatao batisa!”

Nanasa mpivarotra maromaro hanatrika Fahatsiarovana ireo rahalahy tao Iekaterinbourg, tamin’ny 1999. Nanontany ireo mpivarotra ireo raha mahazo mitondra namana. Gaga ireo rahalahy fa olona 100 teo ho eo no tonga! Lehibe ihany ilay trano nohofana, kanefa voatery nitsangana ny olona sasany.

OLONA 50 NIARA-NIANATRA BAIBOLY

Nanomboka tamin’ny faramparan’ny 1991 ny asa fitoriana tany amin’ny Faritr’i Ivanovo, tsy lavitra an’i Moscou. Tamin’izay mantsy no tonga tany i Pavel sy Anastasia Dimov. Nila niasa mafy izy ireo satria iray tapitrisa mahery ny mponina tao. Fomba tsotra nefa mahomby no nampiasain’izy ireo tamin’ny voalohany. Nanangana tranoheva teo amin’ny toerana iray be mpandalo izy ireo, ary nalahany teo ny boky sy gazety ary bokikely. Maro tamin’ireo mpandalo no liana, ary nasaina hanatrika fiaraha-mianatra Baiboly izy ireo. Tsy toy ny fampianarana Baiboly mahazatra ilay izy, satria natao tao amin’ny efitra nohofana ary nahatratra 50 ny mpanatrika. Toy ny fivoriana ilay fampianarana Baiboly. Ny boky Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany no nodinihina voalohany, ary avy eo lahatsoratra iray tao amin’ny Tilikambo Fiambenana. Naharitra adiny telo ny fianarana ary natao intelo isan-kerinandro. Nanaovana toy izany koa tany amin’ny toerana roa hafa. Fampianarana Baiboly telo no nosoratan’i Pavel tao amin’ny tatitra nataony isam-bolana. Rehefa nanontaniana izy hoe nahoana no vitsy kely toy izany ny fampianarana Baiboly tarihiny kanefa ny ankamaroan’ny mpitory manana 10 ka hatramin’ny 20, dia namaly izy hoe olona 50 eo ho eo no miara-mianatra amin’ny fampianarana tsirairay. Tena nitahy an’ilay fandaharana i Jehovah, satria tsy ela dia naniry hitory ny ankamaroan’ireo olona liana ireo. Nilaza i Pavel taorian’ny fianarana iray hoe afaka mijanona izay maniry hitory. Nijanona izy rehetra, ka lasa mpitory daholo. Nitombo ny isan’ny tranoheva tao an-tanàna, ka tsy ela dia feno azy ireny teny amin’ny toeram-pitsangantsanganana rehetra.

Ahoana indray no nataon’ireo mpitory ireo, rehefa tokony hanomboka hitory isan-trano izy ireo? Nitory isan-trano niaraka tamin’i Pavel sy Anastasia izay rehetra naniry hahay an’io fomba fitory io. Maro be no te hianatra, ka mpitory folo no niaraka tamin’i Pavel indraindray! Nahagaga fa tsy nampaninona an’ireo olona nitoriana izany. Faly aza izy ireo niresaka tamin’ilay andiana mpitory. Nisy mihitsy aza nampandroso azy ireo tao an-trano.

Te hitory tany amin’ny tanàna hafa ireo mpitory vaovao, tsy ela taorian’izay, ka nisy fandaharana natao mba hanatanterahana izany. Nisy mpitory 50 ny andiany iray, ary teny ambony lamasinina izy ireo dia efa nanomboka nitory. Nandeha tsiroaroa izy ireo rehefa nitory tao amin’ilay tanàna, ary nasainy hanatrika fivoriana hatao ny harivan’iny ireo olona nitoriana. Nandefa video navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah ireo rahalahy nandritra ilay fivoriana. Nanao lahateny koa izy ireo. Nilazana ny mpanatrika rehefa vita ilay fivoriana, fa afaka mianatra Baiboly izay maniry hianatra. Maro no nanome ny adiresiny. Mahatratra dimy izao ny fiangonana any amin’ny tanàna sasany any amin’ny Faritr’i Ivanovo.

Nisy mpitory 125 tao Ivanovo tamin’ny 1994, ary 1 008 no nanatrika ny Fahatsiarovana. Mpitory 62 tao Ivanovo no natao batisa tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra 1994. Mila hitovy amin’ny isan’ny mpitory ao amin’ny fiangonana iray izany! Misy mpitory mazoto 1 800 izao any.

NIVORY FOANA NA TEO AZA NY FANOHERANA

Sarotra ny nanao fivoriamben’ny vondrom-paritra, tany amin’ny tanàna sasany. Nampirisihin’ny mpitondra fivavahana hilahatra teo am-bavahadin’ny kianja tao Novossibirsk, ireo mpanohitra, tamin’ny andron’ny fivoriambe. Nitondra takelaka nisy soratra toy izao izy ireo: “Mitandrema Amin’ny Vavolombelon’i Jehovah.” Tsy nazava itsara anefa ny litera roa farany tamin’ilay teny voalohany, ka nanjary toy izao no vakiny: “Karakarao Tsara ny Vavolombelon’i Jehovah.”

Nahita olana koa ireo rahalahy tany Omsk, tamin’ny 1998, rehefa nikarakara fivoriamben’ny faritra. Tamin’ny andro hanaovana fivoriambe mihitsy no nofoanan’ny mpiandraikitra an’ilay toerana nohofana, ny fifanarahana natao taminy. Nampirisihin’ireo mpanohitra mantsy ny manam-pahefana mba hanery azy hanao izany. Efa nisy olona an-jatony teo akaikin’ilay trano tamin’izay, mba hanatrika fivoriambe. Natahotra ilay mpiandraikitra, ka niangavy an’ireo rahalahy mba hiteny an’ireo olona ireo tsy hisetrasetra. Nolazain’ireo rahalahy taminy anefa fa tsy hisy hisetrasetra mihitsy eo. Niara-naka sary ireo olona saika hamonjy fivoriambe mba ho fahatsiarovana, ary lasa nandeha. Niaiky ilay mpiandraikitra fa olona tia fihavanana ny Vavolombelon’i Jehovah. Natao tany an-toeran-kafa ilay fivoriambe, tapa-bolana taorian’izay. Efa tara ny mpanohitra vao nahafantatra an’ilay izy, ka efa hifarana ny fandaharana vao tonga izy ireo.

“KINTANA” NO SOLON-JIRO

Nisy fivoriamben’ny vondrom-paritra tamin’ny tenin’ny tanana, tao Stavropol’, tamin’ny 22 ka hatramin’ny 24 Aogositra 2003. Avy amin’ny tanàna 70 teto Rosia ny mpanatrika. Saika tsy tanteraka anefa ilay fivoriambe, satria nanohitra mafy ny ben’ny tanàna. Nofoanan’ny mpiandraikitra an’ilay trano nohofana ny fifanarahana, ny andro mialoha an’ilay fivoriambe. Nahita kianja mitafo hofana indray anefa ireo rahalahy ny zoma 22 Aogositra, ka tao no natao ny fivoriambe.

Nanomboka tamin’ny telo tolakandro ny fandaharana. Tapaka anefa ny jiro, fotoana fohy taorian’ny fiatoana. Tsy nihetsika teo amin’ny toerany ny mpanatrika na iizany aza. Nitohy indray ny fandaharana adiny iray taorian’izay, rehefa niverina ny jiro, ary tamin’ny 9.30 alina vao nirava.

Nanomboka tamin’ny 9.30 maraina ny fandaharana ny asabotsy. Efa tapaka ny jiro tamin’izay, ary tsy ela dia tapaka koa ny rano. Ahoana no nataon’ireo rahalahy? Tapa-kevitra hamoha ny varavarana rehetra ny Komitin’ny Fivoriambe tamin’ny 11 ora latsaka folo, satria nibaliaka be ny masoandro. Nasian’ireo rahalahy fitaratra lehibe maromaro teny ivelany, mba hampita ny hazavan’ny masoandro ho ao an-trano sy eny amin’ny mpandahateny. Afaka nahita an’ilay mpandahateny àry ny mpanatrika. Ilay mpandahateny kosa anefa sahirana be vao nahita ny drafitry ny lahateniny. Nampiasa fitaratra hafa indray àry ireo rahalahy, mba hitarafana an’ilay baolina boribory feno fitaratra, nihantona teny amin’ny valindrihana. Nanjelanjelatra toy ny kintana ireo fitaratra kely maro be teo amin’ilay baolina, ka nanazava ny tao anatin’ilay kianja mitafo. Afaka nifantoka tamin’ny fandaharana àry ny mpandahateny sy ny mpanatrika rehetra. Nilaza ny mpanatrika fa hafakely iny fivoriambe iny, satria “kintana” no nanazava ny tao an-trano.

Tonga tao amin’ilay kianja ny ben’ny tanàna sy ny manam-pahefana hafa, tsy ela taorian’izay. Gaga izy ireo nahita fa mbola nitohy ilay fivoriambe. Nampiaiky volana azy ireo ny fihetsiky ny mpanatrika. Tsy mba nikomy na nimenomenona mantsy izy ireo, fa nifantoka tamin’ny fandaharana. Tena nampihetsi-po an’ilay lehiben’ny polisy ny zavatra hitany, ka na dia nankahala Vavolombelona aza izy taloha, dia nilaza hoe: “Tena mankasitraka ny zavatra ataonareo aho, saingy betsaka ny olona mankahala anareo.”

Lasa ireo manam-pahefana avy eo, ary tsy ela dia nirehitra indray ny jiro. Na dia tara be aza vao nifarana ny ifandaharana ny zoma sy asabotsy, dia nijanona hatramin’ny vavaka famaranana ny rehetra. Nitombo ny isan’ny mpanatrika na dia teo aza ny fanoherana: 494 ny zoma, 535 ny asabotsy, ary 611 ny alahady. Nisaorana manokana i Jehovah tamin’ny vavaka farany satria vita ihany iny fivoriambe iny. Nody tamim-pifaliana ny mpanatrika, ary vao mainka tapa-kevitra ny hanompo an’ilay Rainy any an-danitra sy hidera ny anarany.

MIDERA AN’I JEHOVAH NY MARENINA

Maromaro ny marenina avy teto Rosia, nanatrika an’ilay fivoriambe natao tany Polonina tamin’ny 1990. Niezaka “namafy” ny voan’ny fahamarinana izy ireo, rehefa nahazo fampaherezana avy any. Hita tany am-piandohan’ny 1992, fa ‘betsaka’ ny marenina liana tamin’ny fahamarinana, ka azo lazaina hoe efa masaka hojinjaina ny vokatra. (Matio 9:37) Niforona teto Rosia tamin’ny 1997 ny fiangonana voalohany mampiasa tenin’ny tanana. Efa nisy antoko-mpitory maromaro nampiasa an’io fiteny io teto, tamin’izany. Nahazo mpiandraikitra ny faritra ho azy manokana izy ireo, tamin’ny 2002. Ny faritra notsidihin’io mpiandraikitra io no lehibe indrindra eran-tany. Asehon’ny salanisa tamin’ny 2006, fa misy mpitory 1 isaky ny marenina 300 eto Rosia, ary mpitory 1 kosa isaky ny olona mandre 1 000.

Nanomboka nadika ho amin’ny tenin’ny tanana rosianina ny bokintsika, tamin’ny 1997. Hoy i Yevdokia, anabavy mpandika teny: “Raisiko ho tombontsoa lehibe ny manompo eto amin’ny Betela sy mandika ny bokintsika ho amin’ny tenin’ny tanana. Tsy matoky anay marenina ny olona, sady manambany anay. Hafa mihitsy anefa ny eo anivon’ny fandaminana. Tsapako fa matoky anay i Jehovah, matoa izahay avelany handika ny fahamarinana ho amin’ny tenin’ny tanana. Tsy manana iahiahy koa izahay eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah, ary faly satria anisan’io fianakaviambe io.”

TORINA AMIN’NY FITENY REHETRA NY VAOVAO TSARA

Ny teny rosianina no nampiasaina teo amin’ny raharaha ara-barotra sy ny fampianarana, nanerana ny Firaisana Sovietika. Nisy teny hafa 150 teo ho eo koa anefa nampiasaina teto. Nanjary liana tamin’ny fahamarinana ny ankamaroan’ny olona nampiasa an’ireny fiteny ireny, rehefa rava ny Firaisana Sovietika tamin’ny 1991. Natao àry izay hitoriana tamin’ireo olona ireo, izay samy hafa ‘firenena sy foko ary fiteny.’ (Apok. 14:6) Navoaka tamin’ny fiteny 14 Ny Tilikambo Fiambenana, mba hamatsiana sakafo ara-panahy ho an’ireo mpianatra vaovao an’aliny. Manara-maso ny fandikana boky amin’ny fiteny 40 mahery izao ny biraon’ny sampan’i Rosia, mba hanamora ny fitoriana ny vaovao tsara. Manohina ny fon’ny olona kokoa ny fahamarinana rehefa atao amin’ny fiteniny.

Ampiasaina eto Rosia ny ankamaroan’ireny fiteny ireny ankehitriny. Mety handre olona mampiasa teny ossète, ohatra, ianao rehefa any Beslan sy Vladikavkaz. Handre olona mampiasa teny bouriate ianao eny amin’ny toerana akaikin’ny Farihin’i Baïkal. Mitovitovy amin’ny teny mongol izy io. Mampiasa teny iakoute kosa ireo mpiompy serfa sy mponina hafa any amin’ny Farany Atsinanan’i Rosia. Ankoatra an’ireo, dia misy fiteny 30 eo ho eo any Caucase. Ny teny tatar no be mpampiasa indrindra manarakaraka ny teny rosianina. Dimy tapitrisa mahery no mampiasa an’io fiteny io, indrindra fa ireo any Tatarstan.

Tia mamaky boky amin’ny fiteniny ny olona mampiasa teny tatar, na dia misy ihany aza ireo mandray boky amin’ny teny rosianina. Nahazo tamin’ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 35 ny vehivavy iray mipetraka any ambanivohitra. Nanoratra tany amin’ny sampana izy ary nangataka ny bokikely Takina. Namaly ny taratasiny ny anabavy iray, sady nandefa an’ilay bokikely. Faly be ilay ramatoa ka nandefa taratasy valo pejy ho setrin’izany. Nianatra Baiboly izy tsy ela taorian’izay, ary boky tamin’ny teny tatar no nampiasainy. Nilaza ny lehilahy iray nahazo bokikely Tena Miahy tamin’ny teny tatar, fa nanampy azy hanana fomba fijery tsara kokoa momba ny fiainana izy io. Tsy ho nitranga izany rehetra izany raha tsy nisy ny boky tamin’ny teny tatar.

Nisy vehivavy iray hafa koa nahazo tamin’ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 35 tamin’ny teny mari. Naniry hianatra bebe kokoa izy rehefa avy namaky azy io, kanefa tsy nisy Vavolombelona tany amin-dry zareo. Nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy rehefa nankany an-drenivohitra, ary nahazo boky Fahalalana sy boky hafa tamin’ny teny rosianina. Nianarany ireo boky ireo, ary nitory tao an-tanànany izy taorian’izay. Tsy ela dia nisy olona liana maromaro, niara-nianatra taminy. Reny fa hisy fivoriambe manokana tany Ijevsk, ka nankany izy ary nanantena ny hatao batisa. Fantany anefa rehefa tonga tany fa tsy maintsy ampy fahalalana tsara ny olona vao atao batisa. Nanampy azy àry ireo rahalahy mba hananany fahalalana bebe kokoa. Tsy nitranga izany rehetra izany raha tsy namaky ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana tamin’ny fiteniny ilay vehivavy.

Fiangonana iray ihany no nampiasa teny ossète tao Vladikavkaz, ary tsy nadika tamin’io fiteny io ny lahatenin’ny fivoriambe. Tamin’ny 2002 vao nadika tamin’ny teny ossète ny lahateny, ka faly be ireo rahalahy. Na ireo nahay niteny rosianina tsara aza dia nilaza fa tena nanohina ny fony ny nandre lahateny tamin’ny fitenin-drazany. Nanatanjaka ny fiangonana izany, ary nahatonga ny olona mampiasa teny ossète ho liana tamin’ny fahamarinana. Tamin’ny 2006 no nisy fivoriamben’ny faritra voalohany tamin’ny teny ossète.

Nitsidika antoko-mpitory tany Aktash, any Altaï, ny mpiandraikitra mpitety faritany, indray mandeha. Vitsy ny mpitory tao nefa 30 teo ho eo ny mpanatrika. Nihaino tsara ny rehetra nandritra ny lahateny ho an’ny besinimaro. Lasa anefa ny antsasaky ny mpanatrika, rehefa nanao lahateny momba ny fanompoana ny mpiandraikitra ny vondrom-paritra. Nanontany ny anton’izany ilay mpiandraikitra, rehefa vita ny fivoriana. Namaly toy izao ny vehivavy be taona iray tsy mahay teny rosianina tsara: “Tena zava-dehibe ny nataonao, kanefa zara raha azoko izay nolazainao!” Nisy mpandika teny, tamin’ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny faritra nanaraka, ka nanatrika fivoriana hatramin’ny farany ny rehetra.

Maro ny vahiny mianatra ao Voronej. Nampianatra teny sinoa an’ireo Vavolombelona ny mpanampy amin’ny fanompoana iray mahay an’io fiteny io, tamin’ny 2000. Maro ny Vavolombelona nianatra an’ilay fiteny, ary nanomboka nitory tamin’ny mpianatra sinoa. Tena sarotra io fiteny io, nefa tsy kivy ireo rahalahy. Nanomboka nisy fianarana boky tamin’ny teny sinoa tamin’ny Febroary 2004. Nisy sinoa iray natao batisa tamin’ny Aprily 2004, ary nisy iray hafa koa natao batisa, roa volana taorian’izay. Misy olona liana maromaro izao tonga manatrika fianarana boky tsy tapaka, ary 15 ny fampianarana Baiboly amin’ny teny sinoa. Miely eto Rosia ny vaovao tsara ankehitriny, ka mihamaro ny olona samy hafa fiteny manafatra boky eto amin’ny sampana.

NAHAZO FAMPIOFANANA NY MPISAVA LALANA

Efa an-taonany maro no nisy Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana teto Rosia. Mpisava lalana 20 ka hatramin’ny 30 no miara-manatrika sekoly ankehitriny, ary tsy voatery manao dia lavitra ny ankamaroany. Tsy mba toy izany anefa tamin’ny voalohany. Hoy i Roman Skiba: “Tsaroako tsara ilay Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana natao tao Iekaterinbourg, tamin’ny 1996. Rahalahy sy anabavy 40 mahery no nanatrika azy io. Nandeha an-jatony kilaometatra ny maro tamin’izy ireo, ary nisy aza nandeha 1 000 kilaometatra.”

Mpisava lalana nanomboka tamin’ny 1997 i Svetlana. Nanatrika sekoly tamin’ny tenin’ny tanana izy, tamin’ny Janoary 2000. Nilaza izy rehefa vita ilay sekoly, fa tena nanampy azy hanatsara ny fanompoany io sekoly io. Takany koa ny tena tokony ho fomba fiainan’ny Kristianina ao an-tokantrano sy eo anivon’ny fiangonana. Hoy izy: “Lasa tia olona kokoa aho. Tsapako koa fa tena ilaina ny miara-miasa amin’ireo anadahy sy rahavavy, ary lasa vonona handray torohevitra kokoa aho. Tena nihatsara koa ny fomba fampianarako Baiboly, satria lasa mampiasa fanoharana aho izao.”

Mpisava lalana any Khabarovsk i Alyona, ary manampy ny marenina hahalala ny fahamarinana. Naniry hanatrika ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana izy mba hanatsarany ny fanompoany. Ahoana no nataony mba hanatrehana an’ilay sekoly? Hoy izy: “Tany Moscou, izany hoe 9 000 kilaometatra miala an’i Khabarovsk, no nisy sekoly tamin’ny tenin’ny tanana akaiky indrindra. Tsy maintsy nandeha lamasinina nandritra ny valo andro maninjitra aho, vao tonga tany.” Tsy nanenenany mihitsy anefa izany!

Nisy Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana an-jatony teto Rosia, tamin’ny 1996 ka hatramin’ny 2006. Nampitombo ny vokatra teny amin’ny saha sy teo anivon’ny fiangonana ireny sekoly ireny. Hoy i Marcin, mpiandraikitra ny faritra: ‘Voatendry ho mpisava lalana manokana tao amin’ny fiangonan’i Kuntsëvo, tao Moscou aho, tamin’ny 1995. Toy ny fivoriambe ny fivoriana ho an’ny besinimaro, satria olona 400 teo ho eo no nanatrika. Niisa 300 ny mpitory tao amin’ilay fiangonana tamin’izany. Lasa 11 ny fiangonana tao Kuntsevo, folo taona latsaka kely tatỳ aoriana!’

‘Nahita fitomboana niavaka aho, rehefa nanao ny asan’ny faritra tamin’ny 1996 sy 1997. Nitsidika fiangonana iray tany Volzhskiy aho, ary niverina nitsidika tany enim-bolana tatỳ aoriana. Niisa 75 be izao ny mpitory vaovao! Mitovy amin’ny isan’ny mpitory ao amin’ny fiangonana iray izany! Tena mazoto manompo ireo mpitory vaovao ireo. Nahatratra 80 matetika ny isan’ny mpitory nanatrika fivoriana alohan’ny fanompoana. Tsy antonona ilay efitra nivoriana, ka maro no nijoro teny amin’ny tohatra.’

MIDERA AN’I JEHOVAH NY TANORA

Maro ny tanora tia fahamarinana na dia manohitra aza ny ray aman-dreniny. Hoy ny anabavy iray 20 taona: ‘Nitory tamin’i Dada sy Neny ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1995, saingy tsy liana izy ireo. Sivy taona aho tamin’izany, ary naniry hahafantatra an’Andriamanitra. Soa ihany fa nanomboka nianatra Baiboly ny namako niara-nianatra tamiko, ka nanatrika ny fianarany aho. Rehefa fantatr’i Dada sy Neny anefa izany, dia tsy navelany hifanerasera tamin’ny Vavolombelona aho. Nohidian’izy ireo tao an-trano aho indraindray, mba tsy ho afaka hianatra Baiboly. Efa ampy taona aho vao tsy nataon’izy ireo an’izany intsony. Nianatra tany amin’ny tanàna hafa aho, ary nahita Vavolombelon’i Jehovah. Faly aho fa afaka nianatra Baiboly indray! Nanjary tena tia an’i Jehovah aho ary natao batisa tamin’ny 2005. Nirotsaka ho mpisava lalana mpanampy avy hatrany aho, taorian’izay. Tsy nanohitra ahy intsony i Dada sy Neny, satria hitany fa tena sarobidy amiko ny fianarana Baiboly.’

Hoy koa ny anabavy iray: “Nahazo gazety Mifohaza! tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho tamin’ny 1997, tamin’izaho 15 taona. Tiako be ny anaran’ilay gazety sy ny zavatra raketiny, ka te hahazo azy io tsy tapaka aho. Tsy navelan’i Dada nankao aminay intsony anefa ny Vavolombelona rehefa fantany fa namaky Mifohaza! aho. Soa ihany fa nianatra Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny havanay iray, taoriana kelin’izay, ka nandeha nivory niaraka taminy aho tamin’ny 2002. Henoko tany fa manao asa misionera ny Vavolombelona sasany, ka naniry hanampy ny olona hahafantatra an’Andriamanitra koa aho. Nilaza anefa ilay havanay fa tsy maintsy miala amin’ny sigara aho aloha, ary miaina mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra, sady manompo azy. Narahiko ny toroheviny. Natao batisa aho enim-bolana taorian’izay, ary nirotsaka ho mpisava lalana mpanampy avy hatrany. Faly aho izao satria manana tanjona tena tsara eo amin’ny fiainana.”

FITADIAVANA NY ZAVATRA ‘FANIRY’ ANY SAKHA

Mpiandraikitra ny faritra iray, no mitsidika an’i Amour sy Sakha iray manontolo. Sambany vao nisy fivoriamben’ny faritra sy manokana tany Iakoutsk, renivohitr’i Sakha, tamin’ny 2005. Nahafinaritra erỳ ny nahita ireo tompon-tany tonga nanatrika an’ireny fivoriambe ireny.

Nozaraina dimy ilay faritra, ary samy nasiana fivoriambe. Tsy maintsy nandeha lamasinina adiny 24, sy fiarakodia adiny 15, ary fiaramanidina adiny 3 ny mpiandraikitra, rehefa avy any amin’ny fivoriambe iray mankany amin’ny fivoriambe iray hafa.

Tena mangatsiaka be koa ny ririnina any amin’ireo faritra ireo, satria 50 degre ambanin’ny zerô ny mari-pana na latsaka izany. Tsy any amin’ireo trano avo be ihany no itorian’ireo mpitory na izany aza, fa mbola mandeha mitory isan-trano ihany izy ireo.

Nisy antoko-mpitory roa niforona tany, tamin’ny 2005. Ny iray tao Khayyr, 80 kilaometatra miala amin’ny Ranomasina Laptev, any akaikin’ny Faribolan-tendrontany Avaratra. Misy mponina 500 ao amin’io tanàna io, ary Vavolombelona ny 4 amin’izy ireo. Nisy 76 ny mpanatrika ny Fahatsiarovana, tamin’ny 2004. Rehefa mitsidika any ny mpiandraikitra ny faritra, dia tsy maintsy mandeha fiaramanidina 900 kilaometatra, sy mandeha fiara amin’ny lalana feno lanezy mahatratra 450 kilaometatra.

Ao Ust’-Nera kosa no misy ny antoko-mpitory iray, izany hoe any amin’ny 100 kilaometatra miala an’i Oïmiakon. Mahatratra 60 degre ambanin’ny zerô ny mari-pana any, amin’ny ririnina. Fiara anankiroa no nitondra ny mpitory tao Ust’-Nera hamonjy fivoriamben’ny faritra, tamin’ny 2006. Tsy maintsy nandeha tamin’ny lalana 2 000 kilaometatra teo ho eo izy ireo, ary 50 degre ambanin’ny zerô ny mari-pana.

Nitantara ny zava-nitranga teny ambony fiaramanidina ny mpiandraikitra ny faritra iray. Hoy izy: “Nisy fivoriambe maromaro tao amin’ny faritra notsidihiko, tamin’ny fotoana nizarana ny bokikely Miambena Hatrany! Vao avy nanatrika fivoriambe izaho sy ny mpiandraikitra ny vondrom-paritra, ary nandeha fiaramanidina mba hamonjy fivoriambe hafa. Lany ny bokikely Miambena tatỳ aminay, ka bokikely Takina no nomenay an’ilay vehivavy mpikarakara ny mpandeha. Nolazainy taminay anefa hoe efa nahazo boky maromaro izy, ary gaga izahay rehefa nasehony anay ny bokikely Miambena. Nahazo ny anjarany ihany izy, satria nazoto nitory ireo rahalahy! Faly erỳ izahay noho izany! Sendra nandalo teo ny mpanampy ny mpanamory ka nahaliana azy ilay resaka. Niara-nidinidinika taminay teo izy nandritra ilay dia. Nandray gazety maromaro izy, mba homeny an’ireo mpiasa hafa tao amin’ilay fiaramanidina.”

FITORIANA TANY SAKHALINE

Eo avaratr’i Hokkaido, izay nosy farany avaratra amin’i Japon, no misy ny nosy Sakhaline. Taloha kelin’ny 1980 no nisy mpitory voalohany tany. Nifindra tany i Sergey Sagin mba hanitatra ny fanompoany, noho ny fampirisihan’ireo rahalahy tao Vladivostok. Niasa tao amin’ny seranan-tsambo izy, ary nanomboka nitory tamin’ny mpiara-miasa taminy. Tsy ela izy dia nitarika fampianarana Baiboly maromaro. Voatery niala tao amin’ilay nosy i Sergey tatỳ aoriana, kanefa namoa ireo voan’ny fahamarinana nafafiny.

Nandrisika Vavolombelona maro hifindra tany amin’izay nilana mpitory maro kokoa, ireo fivoriambe tany Polonina tamin’ny 1989 sy 1990. Anisan’ireny i Sergey sy Galina Averin, avy any Khabarovsk. Nifindra nankany Korsakov, any Sakhaline, izy ireo tamin’ny 1990. Nisy mpisava lalana roa sy mpitory vitsivitsy koa nankany Sakhaline, volana vitsivitsy tatỳ aoriana. Nanampy an’ilay Vavolombelona iray tao Ioujno-Sakhalinsk izy ireo.

Anisan’ireo mpisava lalana roa ireo i Pavel Sivulsky, zanak’i Pavel Sivulsky efa voaresaka tany aloha. Betelita izy izao. Hoy izy: “Tsy nahita trano hipetrahana izaho sy ny rahalahy iray, rehefa tonga tao Ioujno-Sakhalinsk, ka nipetraka tamin’ny hotely. Nitory isan-trano teny akaikin’ilay hotely izahay, sady nanontany olona raha manana trano hampanofaina izy ireo. Nanontany anay ny olona sasany hoe aiza izy ireo no afaka manohy an’ilay fiaraha-midinika ara-baiboly. Nambaranay taminy fa mbola mipetraka amin’ny hotely izahay, fa hilazanay izy ireo raha vao mahita trano izahay. Nivavaka mafy tamin’i Jehovah izahay, mba hahita trano sy asa hivelomana. Namaly ny vavakay i Jehovah. Nanasa anay hipetraka tao aminy ny vehivavy iray nitorianay. Tsy naka hofan-trano izy sady nahandro ny sakafonay, ka tena nanam-potoana hitoriana izahay. Tsapanay fa tena nomba anay i Jehovah. Tsy ela izahay dia nanana mpianatra Baiboly be dia be, sady nitarika fianarana boky maromaro. Nahita trano nohofaina izahay, roa volana tatỳ aoriana, ary tao izahay no nivory.”

Nitombo ny isan’ny mpitory, ary maro tamin’izy ireo no nanao ny asan’ny mpisava lalana. Tena nazoto nanompo izy ireo, ka nifindra tany amin’ny faritra hafa tao amin’ilay nosy, mba hampiely ny vaovao tsara. Tena nitahy an’io fiangonana io i Jehovah ka lasa nisy fiangonana sivy tao amin’ilay nosy, telo taona tatỳ aoriana, izany hoe tamin’ny 1993.

Niala tao Sakhaline ny mpitory maro, tatỳ aoriana, satria sarotra ny fiainana, na te hanitatra ny fanompoany izy ireo. Mbola nisy mpitory hafa tonga anefa tany, ary nitondra vokatra tsara ny ezaka nataon’izy ireo. Misy Efitrano Fanjakana iray tsara tarehy izao ao afovoan’ny tanànan’i Ioujno-Sakhalinsk, ary misy fiangonana sivy sy antoko-mpitory efatra manerana an’ilay nosy. Mpiandraikitra ny faritra iray no mitsidika azy ireo.

MANDROSO NY ASA NA DIA EO AZA NY FANOHERANA

Hoy ny apostoly Paoly, tamin’ny taonjato voalohany: “Misy varavarana lehibe nosokafana ho ahy, dia varavarana misokatra ho amin’ny asa. Maro anefa ny mpanohitra.” (1 Kor. 16:9) Mbola misy foana ny mpanohitra, 2 000 taona atỳ aoriana. Nampangain’ny biraon’ny mpampanoa lalàna ao Moscou ho mpanao heloka bevava ny Vavolombelon’i Jehovah, ka inefatra niakatra fitsarana izy ireo tamin’ny 1995 ka hatramin’ny 1998. Izao avy no fiampangana azy ireo: mandrisika ny olona hankahala ny fivavahan’ny hafa, mandrava fianakaviana, manohitra ny fitondrana, ary manitsakitsaka ny zon’ny hafa. Tsy afaka nanaporofo izany anefa ireo mpiampanga, ka nampangaina ho nandika ny lalàna sivily indray ny Vavolombelona tamin’ny 1998, ary ireo fanendrikendrehana ireo ihany no niampangana azy ireo.

Neken’ny minisiteran’ny fitsarana ho ara-dalàna indray ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 1999. Niaiky ny minisitera, fa tsy mampirisika ny olona hankahala fivavahana hafa ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny boky aman-gazetiny, no sady tsy mandrava fianakaviana na mampirisika ny olona tsy hiraharaha ny zon’ny hafa. Mbola notorin’ny biraon’ny mpampanoa lalàna ihany anefa ny Vavolombelon’i Jehovah, ary ilay fiampangana teo aloha ihany no naveriny.

Niaiky ny profesora sasany ao amin’ny oniversite fa miorina amin’ny Baiboly ny zavatra rehetra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hoy ny Pr. Gordienko, mpandinika momba ny fivavahana: ‘Tsy takatry ny manam-pahaizana hoe miampanga ny Baiboly izy ireo, rehefa miampanga ny Vavolombelon’i Jehovah noho ny fampianarany.’

Namoaka didy anefa ny Fitsaran’i Moscou fa voarara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah ao Moscou. Mazoto mitory ny vaovao tsara foana anefa ireo rahalahy. Fantatr’izy ireo fa anjaran’ny olona tsirairay ao Moscou ny manapa-kevitra ny amin’izay fivavahana tiany harahina. Manitsakitsaka ny zon’ny mponina ao Moscou àry izay mandrara ny asa fitoriana. Izany no mahatonga ny Vavolombelona ao Moscou hankatò foana ny baikon’i Kristy hitory sy hampianatra. (Matio 28:19, 20) Mandinika ny didim-pitsarana navoakan’ny Fitsaran’i Moscou izao ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona.

Tamin’ny Septambra 1998 no niakatra fitsarana voalohany, ilay raharaha momba ny hanafoanana ny fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah ao Moscou. Nisy fiangonana 43 tao tamin’izany, kanefa lasa 93 izany valo taona tatỳ aoriana! Nampanantena toy izao mantsy i Jehovah: “Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina.” (Isaia 54:17) Nanao fivoriamben’ny vondrom-paritra tao amin’ny Kianjan’i Luzhniki, toerana nanaovana lalao olympika, ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 2007. Niisa 29 040 ny mpanatrika, ary 655 no natao batisa.

LEHIBE NY ANARAN’ANDRIAMANITRA ETO ROSIA

Hoy i Jehovah Andriamanitra ao amin’ny Malakia 1:11: “Fa hatramin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatramin’ny filentehany dia lehibe ny anarako any amin’ny jentilisa.” Mety hahita olona vaovao liana amin’ny fahamarinana ny mpitory eto amin’ity firenena midadasika ity, isaky ny miposaka ny masoandro. Olona 7 000 mahery no vita batisa teto Rosia, tamin’ny taom-panompoana lasa fotsiny. Izany no manaporofo fa tena miara-miasa amin’ny mpanompony tokoa i Jesosy Kristy, ilay “Mpanjakan’ny mpanjaka.”—Matio 24:14; Apok. 19:16.

‘Ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron’i Jehovah’, hoy ny apostoly Petera. (2 Pet. 3:10) Tapa-kevitra àry ny mpanompon’i Jehovah eto Rosia, fa hampiasa ny fotoana sisa tavela mba hikarohana an’ireo olona manana toe-po tsara avy amin’ny firenena sy foko sy fiteny ary vahoaka rehetra.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 353 Misy lahatsoratra momba ny mponin’i Altaï, ao amin’ny Mifohaza! (frantsay) 22 Jona 1999, pejy 16-19.

[Teny notsongaina, pejy 110]

“Efa notifirinay daholo ianareo hoatr’izay, raha renay hoe nisy taminareo nandratra olona, na dia kely aza”

[Teny notsongaina, pejy 128]

“Sovietika maro no ho voatarikareo, raha vao tsy gadrainay ianareo. Izany no mahatonga anay hilaza fa olona tena mampidi-doza ianareo”

[Teny notsongaina, pejy 219]

“Poa toy izay dia voataonan’ireo namanareo ny entana”

[Efajoro/Sary, pejy 69]

Fantatrao ve i Siberia?

Inona no tonga ao an-tsainao rehefa mandre hoe Siberia? Tany efitra sy ririnina mamirifiry ve? Sa tany ngazana fanaovana sesitany an’ireo tsy nanaraka ny hevitry ny fitondrana sovietika? Marina daholo izany, nefa tsy ampy.

Tena midadasika i Siberia, satria mbola lehibe noho i Kanada, ilay firenena faharoa lehibe indrindra eran-tany. Maherin’ny 13 tapitrisa kilaometatra toradroa ny velaran-taniny. Ny Tendrombohitra Oural no ao andrefany ary ny Oseana Pasifika no ao atsinanany. Eo atsimon’ny Oseana Arktika izy, ary eo avaratr’i Mongolia sy Chine. Tany manankarena i Siberia satria manana hazo vaventy sy solika ary gazy voajanahary. Be tandavan-tendrombohitra, lemaka, honahona, farihy, ary renirano lehibe koa any.

Toerana fanagadrana sy fanaovana sesitany ary asa an-terivozona i Siberia, nandritra ny 150 taona teo ho eo. Nandefa olona an-tapitrisany tany i Joseph Staline, tamin’ny 1930 ka hatramin’ny 1950, mba hanao asa an-terivozona. Vavolombelon’i Jehovah 9 000 teo ho eo avy tany Moldavia, Estonia, Letonia, Litoania, ary Ukraine no nalefa sesitany tany Siberia, tamin’ny 1949 sy 1951.

[Efajoro/Sary, pejy 72, 73]

Topy Maso

Ilay tany

I Rosia no firenena lehibe indrindra eran-tany, satria 17 075 800 kilaometatra toradroa ny velaran-taniny. Mirefy 7 700 kilaometatra ny lavany, avy any atsinanana ka hatrany andrefana, ary 3 000 kilaometatra ny sakany, avy any avaratra ka hatrany atsimo. Adiny 11 ny elanelan’ny ora any amin’ny farany andrefan’i Rosia sy ny farany atsinanana, rehefa ampitahaina. Efa ho ny antsasaky ny Ila Bolantany Avaratra no misy an’i Rosia. Eto no misy ny tendrombohitra avo indrindra sy ny renirano lava indrindra atỳ Eoropa, ary ny farihy lalina indrindra eran-tany.

Mponina

Rosianina ny 80 isan-jaton’ny mponina. Misy foko hafa 70 mahery koa anefa eto. An’arivony ny isan’ny olona amin’ny foko sasany, fa ny hafa kosa iray tapitrisa mahery.

Fiteny

Teny rosianina no fiteny ofisialy ary mahay azy io ny ankamaroan’ny mponina. Misy fiteny 100 mahery koa eto, ary tenin-drazan’ny olona iray tapitrisa eo ho eo ny sasany aminy.

Toe-karena

Anisan’ny firenena mpamokatra gazy sy solika be indrindra eran-tany i Rosia. Misy orinasa maro samihafa eto, toy ny fitrandrahana ala sy harena an-kibon’ny tany.

Sakafo

Be otrikaina ny sakafo rosianina. Hanina miaraka amin’ny mofo na ovy na varimbazaha, ny hena na trondro na laisoa na habobo. Be menaka sy mampahatanjaka ny sakafon’ny Rosianina, ka manome hery hiatrehana ny ririnina lava sy mamirifiry. Sakafo mahazatra ny mponina ny pelmeni (hena fonosina lafarinina) afangaro amin’ny lasopy, na hosorana saosy, na ampiarahina amin’ny piroshki (karazana nem voasesika laisoa, hena, fromazy, na ovy). Be mpitia ny borscht (lasopy betiravy) sy ny shchi (lasopy laisoa).

Toetany

Mafana ny fahavaratra, fa manjombona sy mangatsiaka kosa ny ririnina. Maharitra ireo vanin-taona roa ireo, fa vetivety kosa ny lohataona sy ny fararano.

(Sarintanin’i Rosia: pejy 116 sy 167)

[Sary]

Kremlin

Tendrombohitra Elbrous, ao Kabardino-Balkarie

Orsa, Saikinosin’i Kamchatka

[Efajoro, pejy 92, 93]

Nanao Izay ho Afany ny Fitondrana

Tsy ny hamongotra ny Vavolombelon’i Jehovah no tanjon’ny fitondrana sovietika, fa ny hampiova ny toe-tsainy, ka hanarahan’izy ireo ny fomba fiheviny. Nandresy lahatra na nampiasa herisetra ny fitondrana, ary ny KGB no fitaovana nampiasainy. Ireto ny zavatra sasany natao tamin’ny Vavolombelona:

Savahao: Natao savahao ny tranon’ny Vavolombelona, na dia tamin’ny alina aza. Voatery nifindra ny fianakaviana sasany, satria nosavana matetika ny tranony.

Fanaraha-maso: Nampiasa fitaovana manokana ny KGB mba hihainoana ny resaka an-telefaonina na ny resaka tao an-trano. Tsy nomeny koa ny taratasy sasany nalefa paositra.

Onitra sy fandravana fivoriana: Nataon’izy ireo izay hahitana ny toerana nivorian’ireo rahalahy, nanerana ny Firaisana Sovietika. Nasaina nandoa onitra ny mpivory rehetra. Matetika ilay onitra no antsasaky ny karama iray volana, na mihoatra an’izany.

Fanambatambazana sy fampitahorana: Notambazana fiara sy trano tao Moscou, izay Vavolombelona nanaiky hiara-miasa tamin’ny KGB. Nampitahorina kosa izay tsy nanaiky, fa hogadraina an-taonany maro any amin’ny toby fiasana an-terivozona.

Fampielezan-kevitra: Naseho tamin’ny sinema sy tele ary gazety, fa olona mampidi-doza ny Vavolombelona. Nolazaina tamin’ireo famelabelarana natao tany am-ponja sy toby fitanana, fa mody mampiasa Baiboly ireo rahalahy kanefa ny hitarika ny olona hanao politika no tanjony. Nanjary nailikilika ny Vavolombelona. Nomen’ny mpampianatra naoty ratsy ny zanak’izy ireo. Tsy nomen’ny mpampiasa tombontsoa tokony ho azy ny Vavolombelona, anisan’izany ny andro fialan-tsasatra.

Fidirana an-tsokosoko: Niseho ho liana tamin’ny hafatra momba ilay Fanjakana ny polisy sasany tao amin’ny KGB, ka nianatra Baiboly sy natao batisa. Nahazo andraikitra teo anivon’ny fandaminana mihitsy aza ny sasany. Ny hampitsahatra ny asa fitoriana no tanjon’izy ireo, ka nataony izay hahatonga an’ireo rahalahy hifampiahiahy sy tsy hiray saina.

Sesitany: Nalefa tany amin’ny toerana lavitra be ireo Vavolombelona. Niasa mafy nandritra ny adiny 12 isan’andro izy ireo, nefa zara raha nahita nohanina. Niaritra hatsiaka mamirifiry izy ireo rehefa ririnina, ary nohanin’ny moka sy ny fihitra rehefa fahavaratra.

Fakana an-keriny: Nalaina an-keriny ny trano sy ny fananan’ireo rahalahy. Nosarahina tamin’ny ray aman-dreniny ny ankizy, indraindray.

Fanambaniana sy kapoka: Maro ny Vavolombelona nompana sy nambanina, ary anisan’izany ireo anabavy. Nokapohina tamin’ny fomba tsy mifaditrovana ny sasany.

Fampidirana am-ponja: Natao izany mba hanerena ny Vavolombelona handa ny finoany, na hanasarahana azy amin’ny rahalahiny kristianina.

Toby fiasana an-terivozona: Lanaka tanteraka ny Vavolombelona tany amin’ireny toby ireny, noho ny asa mafy nataony. Matetika izy ireo no nasaina nihady ny fakan’ireo hazo be. Niasa tamin’ny toeram-pitrandrahana arintany izy ireo, ary nanamboatra lalana sy lalamby. Nosarahina tamin’ny vady aman-janany koa izy ireo, ary nipetraka tamin’ny trano tsizarizary.

[Efajoro/Sary, pejy 96, 97]

Indroa Nomelohina ho Faty

PYOTR KRIVOKULSKY

TERAKA 1922

BATISA 1956

TANTARANY Niofana ho pretra, talohan’ny nahitany ny fahamarinana. Tany am-ponja sy toby fiasana an-terivozona nandritra ny 22 taona, ary maty tamin’ny 1998.

NANOMBOKA nitory tao amin’ny tanànanay tany Ukraine ny Vavolombelona poloney, tamin’ny 1940. I Korney no nitory tamiko ary voahosotra izy. Niara-nidinika nandritra ny alina izahay, ary niaiky aho fa ny marina momba an’Andriamanitra no noresahiny tamiko.

Nihananatona ny tanànanay ny tafika alemà, tamin’ny 1942, ary niala tao ny tafika sovietika. Tsy nisy mpitondra tao Ukraine tamin’izany. Noteren’ireo tia tanindrazana hiaraka aminy hiady amin’ny Alemà sy Sovietika aho, nefa tsy nety. Nodarohany aho ary tsy navelany raha tsy torana. Natsipiny teny amin’ny arabe aho avy eo. Nentin’izy ireo tany amin’ny toerana famonoana tambabe aho tamin’io alina io, ary nanontaniany indray raha vonona hanompo ny tanindrazana. Hentitra anefa ny valin-teniko hoe: “Jehovah Andriamanitra ihany no hotompoiko!” Nomelohina ho faty aho, noho izany. Nasain’ny miaramila iray notifirina aho. Nosintonin’ny miaramila hafa anefa ilay basy, sady nikiakiaka izy hoe: “Aza tifirina izy fa mbola ilaina!” Tezitra be ny lehilahy iray ka nandaroka ahy, sady nilaza fa hotifiriny aho rehefa afaka herinandro. Izy indray anefa no nisy namono, andro vitsivitsy taorian’izay.

Niverina ny tafika sovietika tamin’ny Martsa 1944. Nila miaramila izy ireo ka noraofiny ny vatan-dehilahy rehetra. Nentiny koa aho. Novoriny teo amin’ny toerana iray izahay rehetra, ary hitako tany i Korney, ilay rahalahy nitory tamiko. Nisy Vavolombelona 70 koa tany. Nihataka tamin’ny hafa izahay rehetra ary nifampahery. Nanatona anay ny manamboninahitra iray, ary nanontany hoe nahoana izahay no nitokantokana. Nanazava i Korney fa Kristianina izahay ka tsy ho afaka hiady. Nentin’ny miaramila avy hatrany izy, ary nolazaina taminay fa hotifirina. Izay no farany nahitanay azy. Nampitahotra anay izy ireo hoe hotifirina koa izahay. Nanontaniana tsirairay izahay avy eo, raha hanohana ny tafika sovietika. Tsy nety aho, ka nentin’ny manamboninahitra iray sy ny miaramila telo tany anaty ala. Novakin’ny lehiben’izy ireo ny didy navoakan’ny fitsarana miaramila: “Hotifirina ianao, satria tsy mety manao fanamiana sady tsy mety mandray fiadiana.” Nivavaka mafy tamin’i Jehovah aho. Nanahy koa aho sao tsy hankasitraka ny fanompoana vitako izy, satria mbola tsy vita batisa aho. Tsitapitapitr’izay dia nisy baiko hoe: “Tifiro io fahavalo io!” Nanao tifi-danitra anefa ireo miaramila. Nodarohan’ilay manamboninahitra aho avy eo. Voaheloka higadra folo taona aho, ka nogadraina tany amin’ny toby tao amin’ny Faritr’i Gorki.

Nafahana aho tamin’ny 1956, ary nivady izahay sy Regina. Nosamborina aho raha vao nivady enim-bolana izahay, ary nomelohina higadra folo taona.

Hoy ny manamboninahitra iray rehefa nafahana aho: “Tsy misy toerana ho anao eto amin’ny Firaisana Sovietika.” Diso hevitra anefa izy. Tena mampahery ny mahafantatra fa an’i Jehovah ny tany, ary izy no milaza hoe iza no mahafeno fepetra hiaina mandrakizay eto.—Sal. 37:18.

[Efajoro/Sary, pejy 104, 105]

“Sao dia Misy Vavolombelon’i Jehovah Aminareo?”

YEVGENIA RYBAK

TERAKA 1928

BATISA 1946

TANTARANY Teraka tany Ukraine. Nentina an-keriny tany Alemaina, ary tany no nahita ny fahamarinana. Manompo an’i Jehovah amim-pahatokiana eto Rosia.

NANDRE hira mahafinaritra avy teo am-baravarankely aho, indray alahady izay. Hira nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay izy. Tsy ela aho dia nivory niaraka tamin’izy ireo. Tsy azoko mihitsy hoe nahoana ny Alemà no manenjika azy ireo, nefa samy Alemà ihany. Lasa nankahala ahy ireo Iokrenianina niara-nentina tamiko tany Alemaina, rehefa nifanerasera tamin’ny Alemà aho. Nivazavaza tamiko ny iray tamin’izy ireo, indray andro, sady namely tehamaina ahy. Nihomehy ahy ireo ankizivavy namako taloha, rehefa nahita izany.

Nafahana aho tamin’ny 1945, ka niverina tany Ukraine. Hoy i Dadabe: “Lasa adala ny reninareo. Nariany daholo ny sary masina, ary Andriamanitra hafa indray no ivavahany.” Naka Baiboly i Neny rehefa tsy teo i Dadabe, ary novakiny tao fa mankahala ny fanompoan-tsampy Andriamanitra. Nolazainy tamiko, avy eo, fa miara-mivory amin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy. Niantoraka teny an-tratrany aho sady nibitsibitsika hoe: “Izaho koa anie ry Neny Vavolombelon’i Jehovah e!” Latsa-dranomaso izahay sady faly.

Tena nazoto nanompo i Neny. Nigadra ny ankamaroan’ireo anadahy, ka voatendry hiandraikitra antokon’olona iray izy. Lasa be zotom-po toa azy koa aho.

Nosamborina aho tamin’ny 1950 noho ny asa kristianina nataoko, ary voaheloka higadra folo taona. Nalefa tany Ousolie-Sibirskoïe, any Siberia, izaho sy ny rahavavy efatra. Nasaina nanamboatra lalamby izahay, nanomboka tamin’ny Aprily 1951. Nibata fitaovana mavesa-be izahay, anisan’izany ny vy be mirefy folo metatra izay milanja 320 kilao. Izahay ihany no nametaka an’ireo vy ireo teo amin’ny toerany. Vizana be izahay. Teny an-dalana hody izahay, indray andro, sady lanaka tanteraka. Nisy lamasinina nijanona teo akaikinay. Feno voafonja tao anatiny, ary hoy ny iray tamin’izy ireo: “Sao dia misy Vavolombelon’i Jehovah aminareo?” Nisinda tampoka ny havizananay. Namaly izahay hoe: “Ie, dimy vavy izahay!” Mpiara-manompo avy any Ukraine izy ireo, ary halefa sesitany. Notantarainy taminay ny zava-nitranga, sy ny fomba nandefasana sesitany azy ireo. Nanao poezia koa ny ankizy, izay poezia noforonin’ireo rahalahy ihany. Afaka nifampahery teo izahay, ary tsy nanelingelina anay na dia ny miaramila aza.

Nafindra tany akaikin’i Angarsk indray izahay dimy vavy, tatỳ aoriana. Nisy rahavavy 22 tao amin’ilay toby. Efa voalamin’izy ireo ny zava-drehetra, anisan’izany ny faritany hitoriana. Nanampy anay hanana finoana matanjaka izany.

[Efajoro/​Sary, pejy 108, 109]

Natokan-toerana Matetika Aho

NIKOLAI KALIBABA

TERAKA 1935

BATISA 1957

TANTARANY Natao sesitany tany amin’ny Faritr’i Kourgan, any Siberia, tamin’ny 1949.

TOY ny hoe narahin’ny mpitsongo dia daholo ny Vavolombelona nanerana ny Firaisana Sovietika. Mafy ny nahazo anay, kanefa nanome fahendrena anay i Jehovah. Nosamborina aho tamin’ny Aprily 1959 noho ny asa kristianina nataoko. Tsy te hamadika an’ireo rahalahy aho, ka tapa-kevitra handa izay rehetra hanontaniana ahy. Nampiseho sarina rahalahy vitsivitsy ilay mpanao famotorana, ary nanontaniany ahy ny anaran’izy ireo. Nolazaiko taminy fa tsy afaka milaza anaran’olona mihitsy aho. Nasehony ahy avy eo ny sarin’ny zandriko, ary hoy izy: “Rahalahinao ve ity?” Hoy aho: “Tsy haiko aloha na izy io na tsy izy e! Tsy afaka miteny aho.” Ny sariko indray no nasehony avy eo, ary hoy izy: “Ianao ve io?” Namaly aho hoe: “Mitovy amiko aloha ilay izy e! Kanefa tsy afaka miteny aho na izaho io na tsy izaho.”

Nogadraina tao amin’ny efitra kely iray aho, nandritra ny roa volana mahery. Nisaotra an’i Jehovah aho isa-maraina, noho ny hatsaram-panahiny sy ny fitiavany. Nitadidy andinin-teny iray aho avy eo, ary namakafaka an’ilay izy. Nanao hiran’ilay Fanjakana aho, ary nataoko moramora izany satria voarara ny nihira tao am-ponja. Nisaintsaina loha hevitra iray ao amin’ny Baiboly aho taorian’izay.

Be dia be ny Vavolombelon’i Jehovah, tao amin’ilay toby nandefasana ahy. Tsy mora ny fiainana tao am-ponja, ary tsy azo natao ny nifampiresaka. Nosazina tao amin’ny efitra fanokanan-toerana aho matetika, toa an’ireo Vavolombelona hafa. Mofo kely no mba sakafoko isan’andro, tamin’izaho natokan-toerana. Nisy vy matevina nandrakotra an’ilay hazo fisaka natoriako, ary ny baotiko no nataoko ondana. Efa vaky ny varavaram-pitaratr’ilay efitra, ka feno moka tao an-trano.

Samy nitady hevitra hanafenana ny gazetiny ireo rahalahy, ka nafeniko tao anaty kifafa ny ahy. Tsy nieritreritra hisava tao anaty kifafa mihitsy ilay mpiambina, na dia nikaroka hatraiza hatraiza aza. Nafeninay tao anaty rindrina koa ny gazety. Nianatra nitoky tamin’ny fandaminan’i Jehovah aho. Tsy miafina amin’i Jehovah ny manjo ny mpanompony mahatoky ary manampy azy ireo tsirairay avy izy. Nanampy ahy foana koa izy.

Nilaza i Dada, talohan’ny nanaovana sesitany anay tamin’ny 1949, fa hain’i Jehovah ny mandamina ny zava-drehetra, mba handre ny fahamarinana ny olona mipetraka any amin’ny toerana lavitra be toa an’i Siberia. Nieritreritra izahay hoe: ‘Ahoana no hetezan’izany?’ Tanteraka izany noho ny nataon’ny fitondrana, ka olona tso-po an’arivony no nahalala ny fahamarinana, tany Siberia.

Niova tampoka ny toe-javatra, ka nanararaotra nanatrika fivoriambe iraisam-pirenena tany Polonina ny Vavolombelona teto, tamin’ny 1989. Tsy hay hadinoina iny fivoriambe iny! Mbola nijoro izahay rehefa vita ny vavaka farany, sady nitehaka naharitra ela be. Nientam-po tsy nisy hoatr’izany izahay! Betsaka ny fahoriana nodiavinay nandritra ny taona maro, kanefa nahalana izahay vao nitomany. Rehefa nisaraka tamin’ireo rahalahinay tany Polonina anefa izahay, dia nirotsaka ho azy ny ranomasonay, ary tsy nisy nahasakana izany.

[Efajoro/Sary, pejy 112, 113]

Ataonay Noho ny Vaovao Tsara ny Zava-drehetra

PYOTR PARTSEY

TERAKA 1926

BATISA 1946

TANTARANY Nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 1943. Indroa nigadra tany amin’ny toby fitanan’ny Nazia, ary nigadra teto Rosia koa. Mpiandraikitra ny faritra izy tatỳ aoriana, tamin’ny mbola voarara ny asa.

TANY Alemaina Nazia aho no nahalala ny fahamarinana. Tonga dia noresahiko tamin’ny olom-pantatro ny zavatra nianarako, ka maro no nanaraka ny fivavahana marina. Nitoroka ahy tany amin’ny polisy alemà ny pretra iray, tamin’ny 1943. Nosamborina aho, ary nampangaina ho nampirisika ny tanora hikomy tamin’ny fanjakana. Nogadraina tany amin’ny toby famonoana, tany Maidanek, any Polonina, aho, tsy ela taorian’izay. Tena sarobidy tamiko ny fiarahana tamin’ny mpiara-manompo. Vao mainka tapa-kevitra ny hitory izahay tao an-toby. Nitady fomba hitoriana momba ny Fanjakan’i Jehovah izahay, ary maro ny olona liana. Nokapohina in-25 tamin’ny karavasy hoditra aho, indray mandeha. Nijoro aho ary niteny mafy tamin’ny teny alemà hoe: “Danke schön!” (“Misaotra!”) Gaga ny Alemà iray, ary nanao hoe: “Mafy be ilay zalahy ity! Kapohina izy nefa misaotra!” Mangamangana be ny lamosiko noho ilay kapoka.

Mafy be ny asa ka lanaka tanteraka izahay. Nodorana tao amin’ny toerana fandoroana faty izay voafonja maty, ary nirehitra andro aman’alina ny afo tao. Nihevitra aho fa tsy ho ela koa aho dia hodorana ao. Toa tsy ho tafavoaka velona tao amin’ilay toby mihitsy aho. Avotra anefa aho satria naratra ny tanako. Noterena hiasa mantsy izay hita hoe mbola salama, fa nafindra toby kosa ny hafa. Nalefa tany amin’ny toby fitanana tany Ravensbrück aho, tapa-bolana tatỳ aoriana.

Nandre tsaho aho, taloha kelin’ny hifaranan’ny ady, fa hotifirin’ny Alemà izahay rehetra. Renay avy eo fa lasa nandositra ny mpiambina, ka samy nanavotra ny ainay izahay. Tonga tany Aotrisy aho ary nasaina hanao raharaha miaramila. Nanda avy hatrany aho, sady nilaza fa efa nigadra tany amin’ny toby fitanana noho ny finoako. Navela hody tany Ukraine aho. Nanambady an’i Yekaterina aho tamin’ny 1949, ary izy no namako akaiky indrindra. Nosamborina aho tamin’ny 1958, ary nogadraina tany amin’ny toby fiasana an-terivozona tao Mordovie.

Nanao pirinty boky sy gazety aho, rehefa nafahana. Niasa nandritra ny alina izahay, indray mandeha, tamin’ny 1986, mba hanao pirinty taratasy 1 200 pejy. Izay vita dia navangongonay teo ambony fandriana sy teny amin’ny gorodona ary teny rehetra teny. Tonga tampoka ny polisin’ny KGB iray mba hiresadresaka, hono. Nanontanian’i Yekaterina izy hoe aiza ny toerana tiany hiresahana. Tsy tao an-tsainy mihitsy hoe mety ho te handroso ao an-trano ilay polisy. Soa ihany fa tao an-dakozia no nofidiny. Tra-tehaka teo izahay raha niditra tao an-trano izy.

Miezaka hiaina mifanaraka amin’ny fanoloran-tenanay izahay, ary ataonay noho ny vaovao tsara ny zava-drehetra. Manompo an’i Jehovah amim-pahatokiana ireo zanakay 6 sy zafikelinay 23 ary zafiafinay 2. Misaotra an’i Jehovah izahay satria mandeha hatrany amin’ny lalan’ny fahamarinana ny zanakay.

[Efajoro, pejy 122]

Efitra Fanokanan-toerana

Anisan’ny fanasaziana tao an-toby ny fanidiana olona ao amin’ny efitra mitokana. Nalefa tao, ohatra, izay tsy nety nanome boky ara-baiboly an’ireo manam-pahefana. Nampanaovina akanjo efa rotidrotika izay hatokan-toerana.

Tery kely ilay efitra, maizimaizina, mandomando, maloto, ary mamanala, indrindra fa amin’ny ririnina. Voalalotra simenitra ny fanambaniny ary marokoroko ny rindrina. Kely dia kely ny varavarankely sady misitrika, satria iray metatra ny hatevin’ny rindrina. Vaky ny fitaratra sasany. Mba misy jiro ihany, saingy ao anaty lavaka kely eo amin’ny rindrina no misy azy, sady amin’izay indray misarona vy misy lavadavaka. Misy mivohitra lavalava azo ipetrahana eo amin’ny rindrina, nefa zara raha misy itombenana. Vetivety dia reraka sy manaintaina ny tongotra sy ny lamosina, rehefa mipetraka eo ianao. Mandratra lamosina koa ilay rindrina marokoroko.

Rehefa alina ny andro dia omen’ny mpiambina vata hazo, natambatra tamin’ny vy, ianao mba hatoriana. Afaka midaboka eo ianao, saingy tsy hahita tory satria mangatsiaka be. Tsy misy bodofotsy hitafiana koa. Mofo kely fotsiny no mba sakafo isan’andro, ary lasopy be ranony isaky ny telo andro.

Lavaka kely teo amin’ny gorodona no mba kabine, ary maimbo be ilay izy. Nasiana fitaovana manokana koa ny efitra sasany, mba hampidirana rivotra maimbo ho ao an-trano. Alefan’ny mpiambina izany, indraindray, mba hanakiviana an’ireo voafonja sy hanasaziana azy mafimafy kokoa.

[Efajoro/Sary, pejy 124, 125]

Toby Laharana Voalohany

Vavolombelon’i Jehovah 450 mahery no efa nigadra tao, teo anelanelan’ny 1959 sy 1966. Io no toby laharana voalohany amin’ireo toby 19 any Mordovie, ary mahazaka voafonja 600. Voahodidina fefy tariby miranirany izy io. Telo metatra ny haavony sady misy herinaratra. Mbola misy fefy tariby 13 koa manarakaraka an’io fefy misy herinaratra io. Voasa foana koa ny tany teo ivelan’ilay toby, mba ho mora hita ny dian-tongotr’izay mitsoaka.

Nanao izay ho afany ny manam-pahefana mba hanakiviana ny Vavolombelona tsy hanompo an’i Jehovah. Izany no nahatonga azy ireo hatoka-monina. Mbola nahavita nivory sy nanao fanompoana ihany anefa ireo rahalahy.

Voalamina ho faritra iray mihitsy aza ilay toby ary nisy rahalahy notendrena ho mpiandraikitra ny faritra. Nisy fiangonana efatra sy fianarana boky 28 tao amin’ilay faritra. Nivory impito isan-kerinandro izy ireo, mba hanatanjahana ny finoan’ny rehetra. Baiboly iray ihany no nananan’ireo rahalahy tao amin’ny toby tamin’ny voalohany, ka nasiana fandaharana famakiana Baiboly isaky ny fiangonana. Nadikan’izy ireo tamin’ny kahie ny boky tsirairay ao amin’ny Baiboly, tatỳ aoriana. Ireny kahie ireny no nampiasaina, fa natao tsara afina kosa ilay Baiboly. Afaka mijery ao anatin’ny kahieny àry ireo rahalahy, mandritra ilay famakiana Baiboly. Niara-nianatra Tilikambo Fiambenana koa izy ireo. Nitondra gazety bitika kely ireo anabavy nitsidika ny vadiny. Nataon’izy ireo tao am-bavany izany, na tao amin’ny vodikirarony. Nisy taratasy manify nasitriny koa tao anatin’ny randram-bolony. Nohidiana tao amin’ny efitra fanokanan-toerana ny rahalahy maro, satria tratra nandika boky na gazety. Mety haharitra iray andro ka hatramin’ny tapa-bolana ny fijanonany tao.

Lavitra ny voafonja hafa ny toerana nisy an’io efitra io. Narahi-maso akaiky ny rahalahy nalefa tao, mba tsy hahafahany hamaky boky sy gazety. Mbola nahita fomba hanomezana sakafo ara-panahy azy ireo anefa ireo rahalahy. Nentina nandehandeha teny an-tokotany ny olona natokan-toerana indraindray. Niakatra teo ambonin’ny tafon’ny trano iray teo akaikin’ilay tokotany ny rahalahy iray. Efa nanomana taratasy misy andinin-teny izy, ary namoriporitra izany ho toy ny kanety kely. Natsofony tao anaty zavatra lavalava kely toy ny sodina ny kanety taratasy tsirairay, ary notsofiny ho eny amin’ilay Vavolombelona nandehandeha teo an-tokotany. Mody niondrika namatotra tadin-kiraro ilay Vavolombelona ary naka an’ilay sakafo ara-panahy. Tsy nisy nahatsikaritra mihitsy izany.

Voa madinika nandrahoina sy nasiana menaka kely no sakafo maraina sy hariva tao amin’ilay toby. Lasopy be ranony miaraka amin’ny sakafo tsotsotra kosa ny antoandro. Mofo efa ratsy sady tsy mahasalama no nomena an’ireo voafonja. Hoy i Ivan Mikitkov: “Nigadra fito taona tao amin’io toby io aho, ary narary foana ny vavoniko.”

Natanjaka foana anefa ny finoan’ireo rahalahy. Tsy kivy mihitsy ireo mpanompon’Andriamanitra mahatoky ireo, na dia natoka-monina aza. Tia an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona foana izy ireo.—Matio 22:37-39.

[Efajoro/Sary, pejy 131, 132]

‘Fa Maninona Ianao no Mitomany?’

POLINA GUTSHMIDT

TERAKA 1922

BATISA 1962

TANTARANY Lasa vadin’i Viktor Gutshmidt. Tsapan’i Polina tamin’izy tany am-ponja, fa tsara fanahy ny Vavolombelon’i Jehovah.

NIANDANY tamin’ny Kominista foana aho. Nosamborin’izy ireo anefa aho tamin’ny Mey 1944, ary nalefa tany amin’ny toby fiasana an-terivozona tany Vorkouta. Tsy nahalala ny antony nisamborana ahy aho nandritra ny telo taona. Noheveriko ho fifandisoan-javatra ilay izy tamin’ny voalohany, ka nanantena ny hafahana aho. Voaheloka higadra folo taona anefa aho, satria nanakiana ny fitondrana sovietika, hono.

Mahay mitsabo aho, ka nasaina niasa tany amin’ny hopitalin’ny toby nandritra ny taona vitsivitsy. Nafindra tany amin’ny toby iray tao Inta aho, tamin’ny 1949. Hentitra kokoa ny fifehezana tao amin’io toby fandefasana gadra politika io. Mora tezitra koa ny voafonja, tsy mifanaja, ratsy fitondran-tena, tsy miraharaha ny hafa, ary ketraka. Vao mainka niharatsy ny toe-javatra rehefa nisy tsaho niely hoe hotifirina daholo ny voafonja tao, na hohelohina higadra mandra-pahafaty. Lasa adala ny voafonja sasany noho ny adin-tsaina. Nanjary tsy nifampatoky sy nifankahala ny voafonja, satria be loatra ny mpitati-bolana. Samy naka ho azy izy ireo, ary samy nanao izay hampetipety ny fiainany. Nanjaka ny fitiavan-tena.

Niavaka anefa ny voafonja 40 teo ho eo. Tsy nisaraka mihitsy ireo vehivavy ireo. Tsara tarehy izy ireo, madio sy milamina ary sariaka. Tanora ny ankamaroany, ary misy aza mbola ankizikely. Fantatro tatỳ aoriana, fa Vavolombelon’i Jehovah izy ireo. Tsy nitovy ny fomba nitondran’ny voafonja azy ireo. Ratsy fanahy sy nankahala azy ny sasany. Ny hafa kosa nidera azy ireo, indrindra noho ny fifankatiavany. Rehefa narary, ohatra, ny Vavolombelona iray, dia nifandimby niambina azy ny hafa. Tsy fahita firy izany tao amin’ilay toby.

Gaga aho nahita azy ireo mifampiahy, kanefa samy hafa fiaviana. Tsy te ho velona intsony aho, tamin’izany fotoana izany. Kivy be aho, indray andro, ka nipetraka nitomany. Nanatona ahy ny tovovavy iray antsoina hoe Lidia Nikulina, ary nanontany hoe: “Fa maninona i Polina no mitomany?”

Namaly aho hoe: “Tsy te ho velona intsony aho!”

Nampahery ahy i Lidia. Nanazava zavatra maro tamiko izy, anisan’izany ny antony ahavelomantsika sy ny fomba hamahan’Andriamanitra ny olana manjo ny olombelona. Nafahana aho tamin’ny Jolay 1954. Efa nahalala zavatra maro momba ny Vavolombelon’i Jehovah aho tamin’izay, ary faly fa lasa anisan’izy ireo.

[Efajoro/Sary, pejy 140, 141]

Injenieran’ny Tafika Lasa Mpitory ny Vaovao Tsara

VLADIMIR NIKOLAEVSKY

TERAKA 1907

BATISA 1955

TANTARANY In-256 nafindrafindra fonja sy toby. Maty tamin’ny 1999.

NAHAZO diplaomana injeniera, tao Moscou, aho tamin’ny 1932. Mpanao planina sy injeniera tao amin’ny sekoly teknika iray tao Moscou no asako, hatramin’ny 1941. Nanamboatra ny sarin’ny fitaovana nampiasaina tamin’ny sambo mpiady aho. Voasambotra aho nandritra ny ady, ka nogadraina tany amin’ny toby tany Kenguir, any Kazakhstan afovoany.

Mizara telo ilay toby ary nisy voafonja 14 000 teo ho eo. Nahavariana ahy ireo Vavolombelona tao, izay niisa 80 teo ho eo. Tsy nitovy tamin’ny voafonja hafa mihitsy izy ireo, ary vao mainka niharihary izany rehefa nikomy ny voafonja tao, tamin’ny 1954. Tsy nandray anjara tamin’ilay fikomiana izy ireo sady tsy nety niomana ho amin’izany. Nahagaga fa tena tony izy ireo, ary niezaka nanazava tamin’ny voafonja hafa fa tsy momba ny atsy na ny aroa. Nampiaiky ahy ny fitondran-tenan’izy ireo, ka nanadihady momba ny finoany aho. Nanolo-tena ho an’i Jehovah aho tatỳ aoriana. Notsapaina ny finoan’ny Vavolombelon’i Jehovah tao an-toby, indrindra rehefa nanafika tamin’ny tanky ny miaramila ka nandresy an’ireo mpikomy.

Nisy jeneraly roa avy any Moscou tonga hihaona tamiko, indray andro. Hoy ny anankiray: “Aoka izay ry Vladimir a. Mpanao planina ianao sady injenieran’ny tafika. Mila anao ny firenena. Mila miverina amin’ny asanao ianao ka tonga izahay haka anao. Fa inona loatra no dia itiavanao miaraka amin’ireo olona tsy nahita fianarana ireo?”

“Tsy misy antony tokony hireharehako mihitsy”, hoy aho namaly azy. “Avy amin’Andriamanitra daholo ny fahaizan’ny olona. Hiaina mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy ny olona mankatò, ary ho lasa lavorary. Ireo miaina amin’izany fotoana izany no tena antsoina hoe olona nahita fianarana.”

Tena faly aho fa afaka niresaka ny fahamarinana tamin’ireo jeneraly ireo. Niangavy ahy imbetsaka izy ireo mba hiverina tamin’ilay asako taloha. Nilazako anefa izy ireo mba tsy hanelingelina ahy intsony, fa hamela ahy hiaraka amin’ireo rahalahiko kristianina, izay tena tiako tokoa.

Nofoanana ny saziko tamin’ny 1955. Niverina nanao ny asako aho, saingy tsy nisy ifandraisany tamin’ny tafika ilay izy. Nazoto nitory aho, ka lasa nianatra Baiboly ny enjeniera iray sy ny fianakaviany. Lasa Vavolombelon’i Jehovah izy ireo tsy ela taorian’izay, ary tena nazoto nitory. Nanara-maso ahy foana anefa ny KGB. Nisava ny tranoko izy ireo ka nahita boky ara-baiboly. Voaheloka higadra 25 taona aho noho izany, ary nalefa tany amin’ny toby fiasana an-terivozona tany Krasnoïarsk, any Siberia. Nafindrafindra fonja sy toby in-256 aho rehefa nataoko ny kaonty.

[Efajoro/Sary, pejy 147, 148]

Nila Valizy Lehibe Izahay

NADEZHDA YAROSH

TERAKA 1926

BATISA 1957

TANTARANY Nahita ny fahamarinana, tany amin’ny toby fitanana tany Ravensbrück, any Alemaina. Mpanatitra boky sy gazety nandritra ny taona maro, rehefa tafaverina teto Rosia. Mipetraka any Caucase ankehitriny.

TSY te ho velona intsony aho, tamin’izaho nogadraina tany amin’ny toby fitanana, tamin’ny 1943. Niova anefa aho rehefa nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Faly be aho rehefa nody tany Ukraine, sady nanana fanantenana hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany! Nifanoratra tamin’ny rahavavy kristianina aho mba hananako finoana matanjaka. Novakin’ny KGB anefa ny taratasiko, ka voaheloka higadra 15 taona aho.

Nalefa tany amin’ny toby iray tany Kolyma aho, tamin’ny Novambra 1947. Tsy nahita Vavolombelona mihitsy aho tany. Nampian’i Jehovah anefa aho ka afaka nitory. Liana tamin’ny Baiboly i Yevdokia, ka lasa mpinamana izahay ary nifampahery. Nifanampy koa izahay mba hananana finoana matanjaka foana. Kely ihany ny fahalalana nananako, nefa nanampy ahy tsy hivadika tamin’i Jehovah.

Nifindra tany Sujeticha, any amin’ny Faritr’i Irkoutsk aho, tany am-piandohan’ny 1957, herintaona taorian’ny nanafahana ahy. Nandray ahy tsara ny Vavolombelona tany, ary nanampy ahy hahita asa sy trano ipetrahana. Ny tena nahafaly ahy anefa, dia izaho nasaina hanao asa fanompoana fanampiny. Mbola tsy vita batisa aho, ka natao batisa tao anaty koveta be fandroana. Afaka niantsoroka andraikitra teo anivon’ny fandaminan’i Jehovah amin’izay aho. Nasaina nanatitra boky sy gazety ary taratasin’ny fiangonana aho.

Tsy maintsy naterina nanerana an’i Siberia, Rosia afovoany, ary tany amin’ny faritra andrefan’i Ukraine izy ireny. Tsy maintsy nalamina mialoha ny zava-drehetra. Nila valizy lehibe izahay rehefa nankany amin’ny faritra andrefan’i Ukraine. Teo amin’ny garan’i Iaroslavl, tao Moscou aho, indray andro. Simba ny hidin’ny valizy iray, ka niparitaka daholo ny tao anatiny. Niezaka ho tony aho, ary nivavaka mangina sady nandraoka moramora an’ireo boky sy gazety. Nofatorako miaraka izy rehetra, ary niala teo haingana aho. Soa ihany fa tsy nisy nahita!

Nitondra valizy roa feno boky sy gazety ho any Siberia aho, indray andro. Avy ao Ukraine aho, ary nandalo tao Moscou. Nataoko tao ambanin’ny fandriana farany ambany tao amin’ny lamasinina nandehanako ny valizy iray. Nisy lehilahy roa nipetraka teo avy eo. Niresaka izy ireo fa “manely boky sy gazety” ny Vavolombelon’i Jehovah, ary “mampirisika ny olona hanohitra ny fitondrana sovietika.” Hay KGB izy ireo! Niezaka ny ho tony aho mba tsy hampiahiahy azy ireo. Ilay valizy koa moa tao ambaniny rahateo!

Efa niomana ny ho voasambotra foana aho rehefa nanatitra boky sy gazety, na nanao asa hafa. Imbetsaka aho no nianatra nitoky tanteraka tamin’i Jehovah.

[Efajoro/Sary, pejy 158, 159]

“Hafa Mihitsy ny Mpiara-mivavaka Aminao”

ZINAIDA KOZYREVA

TERAKA 1919

BATISA 1958

TANTARANY Nigadra an-taonany maro tany amin’ny toby maro samihafa. Maty tamin’ny 2002.

MBOLA kely aho dia efa te hanompo an’Andriamanitra. Tena tia ahy ny namako iray, ka nitaona ahy hiara-miangona taminy tany amin’ny Eglizy Ortodoksa, tamin’ny 1942. Amin’izay, hono, aho “tsy lasa any amin’ny afobe.” Tsy nety hanao batemy ahy anefa ilay pretra, rehefa fantany fa avy any Ossétie aho. Nanaiky ihany anefa izy, rehefa nanome vola azy ilay ankizivavy namako. Te hahalala ny fahamarinana aho, ka nankany amin’ny Advantista, Pentekotista, ary Batista. Voaheloka hanao asa an-terivozona aho noho izany. Nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho tao an-toby, ary tsy ela dia niaiky fa nahita ny fahamarinana. Nody aho tamin’ny 1952, ary nanomboka nitory ny vaovao tsara.

Nisy nandondòna mafy tao aminay indray maraina, tamin’ny Desambra 1958. Nitsofoka tao aminay ny miaramila ary nisava ny tranonay. Ny roa tamin’izy ireo kosa niambina ahy teo an-joron-trano. Taitra i Dada, ary nanahy mafy ny amin’izay hanjo ny fianakaviany, indrindra fa ny zanany lahy. Dimy mantsy ny anadahiko, fa izaho irery no vavy. Rehefa hitan’i Dada nikaroka eran’ny trano sy tany amin’ny efitra kely ambany tafo ireo miaramila, dia fantany fa nisy ifandraisany tamin’ny fivavahako ilay izy. Nandray basy izy ary nitabataba hoe: “Mpitsikilon’ny Amerikanina!” Nambanany basy aho, kanjo nosintonin’ny miaramila ilay izy. Tsy nampino hoe i Dada no hahavita hitifitra ahy. Nentina tamin’ny kamiao aho rehefa vita ny fisavana. Faly anefa aho fa mbola velon’aina. Voaheloka higadra folo taona aho, noho ny fivavahako.

Nafahana aho tamin’ny Desambra 1965, raha mbola tsy vita ny saziko. Faly i Dada sy Neny nahita ahy indray, saingy tsy navelan’i Dada hipetraka tao amin’izy ireo aho. Nahagaga anefa fa noteren’ny KGB handray ahy tao an-trano i Dada sady nitadiavan’izy ireo asa aho. Mbola nankahala ahy toy ny taloha i Dada, saingy niova izy rehefa nandeha ny fotoana. Nahita an’ireo mpiara-manompo izy, rehefa nitsidika ahy izy ireo. Tsy niasa ireo anadahiko, mamo lava, ary mpiady amin’olona, ka hoy i Dada indray mandeha: “Hafa mihitsy ny mpiara-mivavaka aminao, fa tsy araka ny nieritreretako azy. Tiako homena efitra iray ianareo mba hivorianareo.” Saika tsy nino aho! Nanome efitra lehibe iray i Dada ary nilaza hoe: “Aza matahotra fa izaho no hiambina anareo, mandritra ny fivorianareo. Tsy hisy olona hanelingelina anareo eo.” Izany tokoa no nitranga. Olona tsy mivadika amin’ny teny nataony mantsy i Dada, ary fantatry ny rehetra izany.

Tao an-tranonay àry izahay no nivory, ary i Jehovah sy Dada no niaro anay. Nahatratra 30 ny mpanatrika, satria izay no isan’ny Vavolombelona tany Ossétie tamin’izany. Faly erỳ aho nitazana an’i Dada sy Neny nipetraka teo amoron-dalana mba hiambina anay. Misy mpitory 2 600 eo ho eo izao any Ossétie, ary mazoto manambara ny Fanjakan’i Jehovah izy ireo.—Isaia 60:22.

[Efajoro/Sary, pejy 162, 163]

Izaho Irery Sisa no Vavolombelona tao An-toby

KONSTANTIN SKRIPCHUK

TERAKA 1922

BATISA 1956

TANTARANY Nianatra Baiboly tany am-pigadrana tamin’ny 1953, ary tany no natao batisa. Nigadra 25 taona tsy an-kiato, noho izy Vavolombelon’i Jehovah. Maty tamin’ny 2003.

NIRESAKA tao amin’ny efitra figadrana iray izahay sy Vasily, tany am-piandohan’ny 1953. Nolazainy fa nigadra izy satria nino an’Andriamanitra. Tsy azoko mihitsy hoe nahoana no misy olona gadraina noho ny finoany. Tsy nahita tory aho nieritreritra izany. Nohazavainy tamiko ilay izy ny ampitson’iny. Niaiky aho tatỳ aoriana, fa boky avy amin’Andriamanitra ny Baiboly.

Natao batisa aho tamin’ny 1956. Nanao fisavana ny mpiambina tamin’ny faran’io taona io, ka fantatr’izy ireo fa nanana boky sy gazety be dia be izahay. Naharitra herintaona latsaka kely ny famotorana. Niampy 23 taona àry ny saziko tamin’ny 1958. Efa nigadra dimy taona sy tapany aho, tamin’izay. Tsy nafahana mihitsy aho na dia indray mandeha aza, tao anatin’ireo 28 taona sy tapany nigadrako.

Nilaza ny fitsarana tamin’ny Aprily 1962 fa “jiolahy raindahiny” aho, ka nafindra tany amin’ny toby tsara ambina. Nigadra tany aho nandritra ny 11 taona. Maro ny “nampiavaka” an’io toby io. Tsy nahazo mofo dipaina iray akory, ohatra, ny vola nomena ny voafonja isan’andro, mba hividianana sakafo. Roa metatra latsaka kely aho, nefa 59 kilao monja sisa. Nikentronkentrona ny hoditro sady nihofakofaka.

Matetika aho no nasain’ny manamboninahitra nanamboatra zavatra tany an-tranony, satria manam-pahaizana momba izany. Tsy natahoran’ny olona aho, ka tsy mba nanafina ny entany izy ireo. Tsy naterin’ny vadin’ny miaramila iray tany amin’ny akanin-jaza ny zanany lahikely, rehefa fantany fa hiasa ao an-tranony aho. Nahavariana hoe “jiolahy raindahiny” no avela hiaraka amin’ny zaza enin-taona mandritra ny iray andro maninjitra, ao amin’ny efitrano iray. Hita tamin’izany fa tsy ninoan’ny olona hoe mpanao heloka bevava aho, indrindra moa fa hoe “jiolahy raindahiny.”

Izaho irery sisa no Vavolombelona tao an-toby, tamin’ny 1974. Mbola nigadra fito taona aho, vao nafahana tamin’ny Aogositra 1981. Nanatanjaka ny finoako foana anefa i Jehovah. Tamin’ny fomba ahoana? Nandefasan’ny rahalahy iray taratasy mirakitra ny lahatsoratra tao amin’ny Tilikambo Fiambenana aho, nandritra ireo fito taona ireo. Nomen’ny mpanao fisavana ahy ilay taratasy isaky ny tonga, ary efa nisokatra ny valopy. Samy nahalala ny tao anatiny izahay roa lahy. Tsy fantatro mihitsy ny antony nanaovany vivery ny ainy toy izany, kanefa faly aho fa niasa tao izy nandritra ireo fito taona ireo. I Jehovah anefa no tena isaorako. Nianatra nitoky taminy aho nandritra ireny taona ireny, ary nanome hery ahy izy.—1 Pet. 5:7.

[Efajoro/Sary, pejy 168, 169]

Niverina Teto Rosia Aho Taorian’ny Ady

ALEKSEY NEPOCHATOV

TERAKA 1921

BATISA 1956

TANTARANY Nahalala ny fahamarinana, tany amin’ny toby fitanana tany Buchenwald, Alemaina, tamin’ny 1943. Nigadra nandritra ny 19 taona teto Rosia. Mpisava lalana maharitra nandritra ny 30 taona mahery, ary nandritra ny fandrarana ny ankamaroany.

NALEFA tany amin’ny toby fitanan’ny Nazia, tany Auschwitz, i Aleksey tamin’izy 20 taona. Nafindra tany Buchenwald izy tatỳ aoriana, ary tany no nahalalany ny fahamarinana. Nilaza taminy toy izao ny rahalahy voahosotra roa, taloha kelin’ny hanafahana azy: “Tsara raha miverina any Rosia ianao ry Aleksey, rehefa vita ny ady. Midadasika io firenena io, ka ilana mpijinja maro. Tsy mora ny manjo ny Vavolombelona any, ka miomàna fa mety hiatrika fitsapana maro isan-karazany ianao. Hivavaka ho anao sy izay mihaino anao izahay.”

Nafahan’ny Britanika i Aleksey tamin’ny 1945, ary nody teto Rosia. Voaheloka higadra folo taona izy rehefa tonga teto satria tsy nety nifidy. Hoy izy: “Izaho irery tamin’ny voalohany no Vavolombelona tao am-ponja. Nivavaka tamin’i Jehovah aho mba hampiany hahita ‘ondry’, ka tsy ela aho dia nahazo namana 12! Tsy nanana boky ara-baiboly izahay, ka nandika andinin-teny avy tao amin’ny boky tantara nindraminay tao amin’ny tranombokin’ny toby.”

Nandeha tany amin’ny tanàna be olona mino an’i Jesosy i Aleksey, rehefa vita ny saziny. Hoy izy: “Tena nangetaheta ny fahamarinana ny olona. Tonga tao amiko andro aman’alina izy ireo, niaraka tamin’ny zanany. Nohamarinin’izy ireo tao amin’ny Baiboly daholo izay nolazaiko.”

Maherin’ny 70 ny mpianany vita batisa, tao anatin’ny taona vitsivitsy nanaraka. Anisan’ireny i Maria, ilay lasa vadiny. Hoy i Aleksey: “Nikaroka ahy ny KGB. Voasambotra aho ary voaheloka higadra 25 taona. Nosamborina koa ny vadiko. Nalefa tany amin’ny efitra fanokanan-toerana i Maria, nandritra ny fito volana talohan’ny nitsarana azy. Nilaza ilay mpanao famotorana fa hafahany avy hatrany izy raha miala amin’i Jehovah. Tsy nety anefa izy, ka voaheloka higadra fito taona tany amin’ny toby fiasana an-terivozona. Notezain’ny anabavy iray ilay zanakay vavikely, izay mbola menavava tamin’izay.”

Nafahana i Aleksey sy Maria na dia mbola tsy vita aza ny saziny. Nifindra tany amin’ny Faritr’i Tver izy ireo. Nankahala azy ireo ny mponina sy ny mpitondra tao, ary nisy nandoro ny tranony. Voatery nifindrafindra trano foana izy ireo nandritra ny taona maro. Nahita mpianatra vaovao foana anefa izy ireo tany amin’izay toerana nifindrany.

Hoy i Aleksey: “Nataonay tanjona ny hamaky Baiboly isan’andro, satria tsy mba afaka namaky azy io izahay tany am-ponja. Efa nahavaky ny Baiboly iray manontolo in-40 mahery izao izahay mivady. Nanome hery anay sy nahatonga anay hazoto hanompo, ny Tenin’Andriamanitra.”

Raha atambatra, dia nigadra 4 taona tany amin’ny toby fitanan’ny Nazia i Aleksey, ary 19 taona tany amin’ny fonja sy toby rosianina. Olona maro no nampian’izy mivady hahafantatra an’i Jehovah sy ho tia Azy, nandritra ny 30 taona naha mpisava lalana an’i Aleksey.

[Efajoro/Sary, pejy 177, 178]

Marina ny An’ilay Miaramila

REGINA KUKUSHKINA

TERAKA 1914

BATISA 1947

TANTARANY Nitory ny vaovao tsara foana izy, na dia tafasaraka tamin’ny fiangonana nandritra ny taona maro aza.

NIRESAKA tamiko teny an-tsena ny Vavolombelona iray, tamin’ny 1947. Nankany an-tranony aho ny harivan’iny, ary niresaka nandritra ny ora maromaro izahay. Tonga aho dia nanapa-kevitra fa hazoto hanompo an’i Jehovah toa azy! Nilaza taminy aho hoe: “Hitory hoatra anao koa aho.”

Nosamborina tany Lviv, any Ukraine aho, tamin’ny 1949, noho ny asa fitoriana nataoko, ary nosarahina tamin’ny vadiko sy ireo zanako vavikely. Mpitsara telo no nitsara ahy, ary tsy azon’ny besinimaro natrehina ilay fitsarana. Nomelohina ho faty aho, ary hasaina hotifirin’ny miaramila. Hoy ny vehivavy iray anisan’ireo mpitsara: “Halefahina ny sazinao, noho ianao manan-janaka roa. Voaheloka higadra 25 taona ianao.”

Nogadraina tao amin’ny efitra iray aho ary lehilahy daholo no tao. Efa fantatr’izy ireo fa Vavolombelon’i Jehovah aho. Gaga be izy ireo fa tony be aho, nefa voaheloka higadra 25 taona. Nanome sakafo kely ahy ny miaramila iray, tamin’izaho hoentina ho any amin’ny toby. Niteny tamin-katsaram-panahy izy hoe: “Aza matahotra, fa hizotra tsara ny zava-drehetra.”

Nigadra tany Rosia avaratra aho hatramin’ny 1953. Nahita rahavavy maro avy any amin’ny faritra maro nanerana ny Firaisana Sovietika aho tany. Nifankatia toy ny mpianakavy izahay.

Niezaka ny ho tsara fitondran-tena foana izahay, mba hitaomana ny voafonja hafa hanompo an’Andriamanitra. Tsy maintsy niasa mafy nandritra ny ora maro izahay. Nafahana aho na dia mbola tsy tapitra aza ny saziko. Tafasaraka tamin’ny fiangonana anefa aho nandritra ny dimy taona mahery. Mafy kokoa noho ny tany am-ponja izany. Tsapako anefa fa tia ahy foana i Jehovah sady nanampy ahy. Niezaka namaky Baiboly foana aho, ary nisaintsaina an’izay novakiko. Nampahery ahy izany!

Nanao zavatra hafakely i Jehovah mba hanampiana ahy hifandray tamin’ny Vavolombelona hafa. Namoaka lahatsoratra nanaratsy ny Vavolombelona tany Ossétie ny gazety Rosia Sovietika. Nilaza ilay lahatsoratra fa manakorontana ny fiaraha-monina ny zavatra ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Faly be aho, satria nisy anarana sy adiresin’ireo anadahy sy rahavavy tao. Nanoratra tany amin’izy ireo aho, ary nilaza fa te hihaona aminy. Nampahery ahy ireo anadahy, rehefa nihaona izahay. Nilaza izy ireo fa navelan’i Jehovah hivoaka iny lahatsoratra iny, mba hahafahako hihaona amin’ny vahoakany.

Efa 92 taona aho izao, ary hitako fa marina ny tenin’ilay miaramila. Nizotra tsara tokoa mantsy ny zava-drehetra, na dia teo aza ny zava-tsarotra.

[Efajoro/Sary, pejy 188, 189]

Nohamafisinay ny ‘Fantsika Fanenjanan-day’

DMITRY LIVY

TERAKA 1921

BATISA 1943

TANTARANY Anisan’ny Komitin’ny Tany teto Rosia nandritra ny 20 taona mahery, ary anti-panahy any Siberia, ankehitriny.

NOTSARAINA aho tamin’ny 1944, satria tsy nety nanao raharaha miaramila. Efa hifarana ny Ady Lehibe II tamin’izay. Voaheloka ho faty aho ary hotifirin’ny antoko-miaramila. Novana anefa ny saziko ka lasa asa an-terivozona mandritra ny folo taona.

Nogadraina tany amin’ny toby iray tany Petchora, Repoblikan’i Komi, àry aho, tamin’ny Janoary 1945. An-jatony ny voafonja tao, ary Vavolombelona ny folo. Nampalahelo fa lasan’ny mpanao fisavana ilay hany Tilikambo Fiambenana nananako, ka tsy nanana sakafo ara-panahy intsony izahay. Kely dia kely ny heriko, ka tsy nahavita niasa aho. Nilaza ny rahalahy iray tamin’izahay nandro, fa taolana mifono hoditra aho. Nahahontsa ny fahitana ahy, ka nafindra tany amin’ny toby fitsaboana tany Vorkouta aho.

Nalefa nihady fasika aho rehefa nihanatanjaka. Nihanahia indray anefa aho iray volana taorian’izay. Nihevitra ilay dokotera fa natakaloko sigara ny sakafoko. Nolazaiko taminy fa Vavolombelon’i Jehovah aho ka tsy mifoka sigara. Roa taona mahery aho no tao amin’io toby io. Izaho irery no Vavolombelona tao, kanefa nisy foana ny olona liana tamin’ny vaovao tsara ary nanaiky ny fahamarinana ny sasany.

Nadikan’ny havako tamin’ny taratasy Ny Tilikambo Fiambenana ary nalefany tany amiko. Ahoana no nahazoako an’ilay izy, kanefa nosavana tsara daholo izay fonosan’entana tonga tao an-toby? Navalombalon’izy ireo ilay izy, ary nasitriny tao ambanin’ny vodina boaty nisy sosony roa. Nasian’izy ireo tavin-kena teo amboniny ka iny no voatsapan’ny mpanao fisavana rehefa notsindroniny ny tao anatin’ilay boaty. Nanome ahy “rano velona” nilaiko nandritra ny fotoana elaela io gazety io.—Jaona 4:10.

Nafahana aho tamin’ny Oktobra 1949, raha mbola tsy vita ny saziko, ary nody tany Ukraine ny volana nanaraka. Renay fa nisy rahalahy nankany Moscou mba hangataka ny hanekena ho ara-dalàna ny asantsika. Toa tsy nanaiky anefa ny fitondrana sovietika.

Nafatratra tao anaty lamasinina izahay sy ny fianakaviana Vavolombelona hafa, ny alin’ny 8 Aprily 1951, ary nalefa teto Siberia. Tonga teto Khazan, atỳ afovoan’i Siberia izahay, tapa-bolana taorian’izay. Tanàna ao amin’ny Faritr’i Irkoutsk izy io.

Nanohina ny fonay ny Isaia 54:2 hoe: “Halavao ny kofehinao, ary aoreno mafy ny tsima-dainao [na fantsika be fanenjanan-day].” Toy ny hoe nanatanteraka an’io faminaniana io izahay. Iza taminay moa no ho naniry hifindra teto Siberia? Azo antoka fa tsy nisy. Nihevitra aho rehefa tonga teto, fa tokony hanamafy ireo ‘fantsika be fanenjanan-day’ izahay. Mbola mipetraka eto Siberia àry aho 55 taona mahery atỳ aoriana.

[Efajoro/Sary, pejy 191, 192]

Tsy Nanan-trano Ipetrahana Mihitsy Aho

VALENTINA GARNOVSKAYA

TERAKA 1924

BATISA 1967

TANTARANY Nigadra nandritra ny 21 taona. Mbola tsy vita batisa izy nandritra ireo 18 taona nigadrany. Nanampy olona 44 ho tonga tao amin’ny fahamarinana. Maty tamin’ny 2001.

NIPETRAKA tany amin’ny faritra andrefan’i Bélarus izahay sy Neny. Nitsidika anay intelo ny Vavolombelon’i Jehovah iray tamin’ny Febroary 1945, ary niresaka hevitra tao amin’ny Baiboly. Nitory tamin’ny mpiray tanàna sy ny olom-pantatro aho, na dia tsy hitako intsony aza ilay mpitory. Nosamborina aho ary nohelohina higadra valo taona. Tao amin’ny toby tany amin’ny Faritr’i Oulianovsk aho no nigadra.

Nodinihiko tsara ny voafonja tsirairay, ary nohenoiko ny resaka nifanaovany, sao mba misy Vavolombelon’i Jehovah amin’izy ireo. Nandre voafonja iray niresaka momba ny Fanjakan’Andriamanitra aho, tamin’ny 1948. Asya no anarany. Nahafinaritra ahy erỳ ny niresaka taminy momba ny Baiboly. Nisy rahavavy telo koa nampidirina tao amin’ilay toby, tsy ela taorian’izay. Tsy nanana gazety firy izahay, ka niezaka nivory imbetsaka araka izay azo atao.

Nafahana aho tamin’ny 1953. Tratra nitory anefa aho telo taona sy tapany tatỳ aoriana, ka voaheloka higadra folo taona. Nafindra tany amin’ny tobin’i Kemerovo aho tamin’ny 1957. Rahavavy 180 teo ho eo no tao, ary nanana boky ara-baiboly foana izahay. Nafeninay tany anaty lanezy izy ireny rehefa ririnina, ary nafeninay tany anaty bozaka sy nalevinay tany anaty tany, rehefa nafana ny andro. Nanao saly lehibe aho, ka rehefa nosavana dia notazoniko ny sisiny roa tamin’izy io, ary nofihiniko tao ireo taratasy nandikana gazety. Nanao kasikety aho rehefa nafindra toby. Izaho ihany no nanjaitra azy io, ka nasiako Tilikambo Fiambenana vitsivitsy tao anatiny.

Nafindra tany amin’ny tobin’i Mordovie aho tatỳ aoriana. Nisy Baiboly tany, ary tsara afina ilay izy. Tsy afaka namaky azy io izahay raha tsy teo ilay rahavavy niandraikitra azy io. Tamin’izay indray aho vao nahita Baiboly, ankoatra an’ilay tamin’ny 1945, tamin’ilay anadahy tonga nitory tao aminay.

Nafahana aho tamin’ny 1967. Nifindra tany Angren, Ouzbékistan, aho ary natao batisa. Tany indray aho vao nihaona tamin’ny anadahy, satria nigadra tany amin’ny tobin’ny vehivavy foana. Nazoto nanompo daholo ireo anadahy sy rahavavy, ary tsy ela aho dia niraiki-po tamin’izy ireo. Tratra nitory izaho sy ny rahavavy efatra ary ny anadahy valo tao amin’ny fiangonanay, tamin’ny Janoary 1969. Voaheloka higadra telo taona aho satria hoe “mpandika lalàna ikoizana.” Natokan-toerana imbetsaka aho tao an-toby satria tratra nitory.

Nampianatra Baiboly an’ireo olona liana aho ary tao anaty bodofotsy no nanaovana izany. Tsy nahazo niresaka izahay rehefa nandehandeha teny an-tokotany, ary natokan-toerana izay tratra nanao izany. Gazety efa voadika tamin’ny taratasy ihany no nanananay, ary naverimberinay nadika izy ireny.

Tsy nanan-trano ipetrahana mihitsy aho. Entana iray valizy ihany no mba fananako, kanefa sambatra sy afa-po aho satria nanompo an’i Jehovah.

[Efajoro/Sary, pejy 200, 201]

Nampahery ny Zavatra Nataon’ilay Mpanao Famotorana

PAVEL SIVULSKY

TERAKA 1933

BATISA 1948

TANTARANY Noresena lahatra imbetsaka mba hiala amin’ny finoany. Anti-panahy eto Rosia, ankehitriny.

VOASAMBOTRA aho tamin’ny 1958, noho ny asa kristianina nataoko. Hoy ilay manamboninahitra nanaraka ahy hatreny amin’ny gara: “Jereo farany ny vadinao, fa tsy hahita azy intsony ianao.”

Nogadraina tao amin’ny efitra manokana iray aho tany Irkoutsk, ary zara raha azo nijoroana tao. Natokan-toerana nandritra ny enim-bolana aho avy eo, talohan’ny hitsarana ahy. Natao tamin’ny alina ny famotorana, ary nataon’ireo mpanao famotorana izay tsy hinoako ny Baiboly, sy tsy hatokisako ny fandaminan’i Jehovah. Nampangaina ho nanao zavatra tsy ara-dalàna niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho. Nampiharana herisetra aho indraindray. Nangataka hery tamin’i Jehovah aho mba hananako finoana matanjaka foana, ary tsy namela ahy ho irery mihitsy izy.

Nantsoin’ilay mpanao famotorana ho any amin’ny biraony aho, indray mandeha, ary hoy izy: “Hasehonay anao ny zavatra ataon’ny fandaminanareo, mba hahitanao raha asan’Andriamanitra ilay izy na tsia!”

“Nisy 253 000 ny mpanatrika ny fivoriambenareo tany amin’ny kianja roa tany New York, tamin’ity taona ity. Raha dinihinao izany habetsahan’ny olona izany, dia hiaiky ianao fa tsy ho vita izany raha tsy nanampy ny Sampam-pitsikilovana Amerikanina (CIA). Naharitra valo andro ilay fivoriambe, ary avy any amin’ny tany samihafa ny mpanatrika. Nandeha fiaramanidina, na lamasinina, na sambo, na fitaterana hafa izy ireo. Heverinao ve fa ho vita izany raha tsy nanampy ny fitondrana amerikanina? Tsy hisy fikambanana hahavita hanofa kianja lehibe toy ireny mandritra ny valo andro.”

Nanaparitaka sary teo ambony latabatra izy, ka hitako ny sarin’ireo mpanatrika manao akanjo mampiavaka ny taniny, falifaly sy mifamihina. Hitako koa ny sarin’ireo natao batisa, ary ny sarin’ny Rahalahy Knorr manao lahateny sy manolotra an’ilay boky hoe “Hatao etỳ An-tany Anie ny Sitraponao.” Tsy nahazo an’io boky io izahay, kanefa niresaka azy io Ny Tilikambo Fiambenana tatỳ aoriana. Hoy ilay mpanao famotorana avy eo: “Inona, hoy ianao, no resahin’io boky io? Ny mpanjakan’ny avaratra sy ny hanjo azy. Tsy mino izahay hoe ny Vavolombelona irery no nandamina an’io fivoriambe io. Fantatray fa nanatrika azy io ny miaramila amerikanina, mba hianatra ny fomba handaminana tafika. Nanome vola ny Vavolombelona koa ny mpanapitrisa iray mba hanaovana an’io fivoriambe io. Tsy handany vola tsy amin’antony mihitsy ny mpanapitrisa toy ireny.”

Tsy takatr’ilay mpanao famotorana mihitsy ny fihetseham-poko. Toy ny hoe nanatrika an’ilay fivoriambe aho, na dia tsy niala tao am-ponja aza. Nahazo hery indray aho. Zavatra toy ireny mihitsy no tena nilaiko! Hafakely ny fomba nitahian’i Jehovah ahy, ka vonona hiaritra bebe kokoa aho.

[Efajoro/Sary, pejy 214, 215]

Feno Vavolombelon’i Jehovah Ilay Efitra Fijerena Sinema

VENERA GRIGORYEVA

TERAKA 1936

BATISA 1994

TANTARANY Mpilalao tantara nanomboka tamin’ny 1960, ary nilalao tamin’ny filma iray nanaratsiana ny Vavolombelon’i Jehovah. Mpisava lalana maharitra ao Saint-Pétersbourg, nanomboka tamin’ny 1995.

NANOMBOKA nilalao filma aho tamin’ny 1960. Izaho no mpilalao fototra tao amin’ilay filma sovietika vaovao nitondra ny lohateny hoe Vavolombelon’Andriamanitra. Nasehon’ilay tantara fa “sekta mampihorohoro ny Vavolombelon’i Jehovah”, ary ny nataon’izy ireo no nahafaty an’i Tanya, ilay mpilalao fototra. Niala tamin’ilay “sekta” i Tanya, ary lasa nandositra. Alina ny andro tamin’izay, ary nirotsaka be ny lanezy, nefa tsy nitondra akanjo mafana izy. Tototry ny lanezy izy, ary avy eo nisy feo nampalahelo nilaza hoe: “Izay no niafaran’i Tanya Veselova.” Tiako ny anjarako, ary nihevitra aho fa voninahitra lehibe ny nandray anjara tamin’ny fanaratsiana ny Vavolombelon’i Jehovah, na dia izay voalaza tao amin’ilay tantara ihany aza no fantatro momba azy ireo.

Nalefa tany amin’ny tanàna maro io filma io. Nankany amin’izay toerana rehetra nandefasana azy io voalohany aho, ary nipoitra teo ambony sehatra rehefa vita ilay izy. Nihevitra ny olona tamin’izany fotoana izany, fa tena nisy ny zavatra hitany tamin’ny filma. Rehefa hitany nipoitra teo ambony sehatra àry aho, dia nisento ny rehetra ary nilaza hoe: “Hay mbola velona izy!” Notantaraiko tamin’izy ireo ny fomba nanaovana an’ilay filma. Anisan’izany ny fomba natao mba ho toy ny hoe nentin’ny rivotra teo anelanelan’ny hantsana aho, ka tototry ny lanezy.

Feno hipoka ny trano fijerena sinema tao Vyshniy Volochek, indray hariva. Tsy toy ny nahazatra anefa ny zava-nitranga. Nanontany ahy momba ny fivavahana ny zokiolona iray, rehefa vita ilay filma. Hita tamin’ny valin-teniko anefa fa tsy nino an’Andriamanitra aho. Tsy nisy niresaka momba an’ilay filma mihitsy. Nankao ambadiky ny sehatra aho, ary nanontaniako ny mpikarakara an’ilay fampisehoana hoe: “Iza iny niresaka tamiko iny?”

“Lehiben’ny sektan’ny Vavolombelon’i Jehovah iny”, hoy izy. “Vavolombelon’i Jehovah daholo no nijery teo.” Izany no nihaonako voalohany tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, nefa izaho tsy nahalala azy ireo akory. Te hamaky Baiboly aho taorian’izay, saingy tsy nahita. Nanambady Poloney iray aho, ary nifindra tany Polonina izahay. Nisy rahavavy roa tonga tao aminay tamin’ny 1977, ary nianatra Baiboly aho. Nanjary tiako ny Baiboly, ary lasa nifandray tsara tamin’ny Vavolombelona izahay mivady. Narary i Dada tamin’ny 1985, ka nanketo Leningrad (Saint-Pétersbourg ankehitriny) izahay, mba hikarakara azy. Nivavaka aho mba hihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah teto.

Lasa Vavolombelon’i Jehovah aho tatỳ aoriana. Efa 12 taona aho izao no mpisava lalana, ary mpanampy amin’ny fanompoana i Zdzisław vadiko.

Hitako mihitsy hoe mamitaka olona maro ny filma, satria feno “hafetsen-dratsy” sy “hevi-diso.” (Efes. 4:14) Tsy nieritreritra ny ho lasa Vavolombelon’i Jehovah mihitsy aho 30 taona lasa izay, tamin’izaho nilalao filma nanaratsy azy ireo.

[Efajoro, pejy 237]

Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao Amin’ny Teny Rosianina

Nampiasa Baiboly samihafa ny Vavolombelon’i Jehovah teto Rosia, nandritra ny 100 taona mahery. Anisan’ireny ny fandikan-tenin’ny synoda. Nanampy Rosianina maro hahalala ny fikasan’Andriamanitra io Baiboly io, na dia tranainy aza ny teny ampiasainy ary tsy misy anaran’Andriamanitra firy ao anatiny. Tena nanampy koa ny Baibolin’i Makarios, izay ahitana ny anaran’Andriamanitra in-3000 eo ho eo. Nihamaro anefa ny Vavolombelona teto Rosia, ka nilaina ny fandikan-teny maoderina sy marina tsara ary mora azo.

Neken’ny Filan-kevi-pitantanana ny handikana ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao ho amin’ny teny rosianina. Natao tao anatin’ny folo taona mahery io tetikasa io.

Vita tamin’ny 2001 Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Nivoaka tamin’ny 2007 kosa Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, ka faly ny mpamaky ny bokintsika amin’ny teny rosianina. Ny Rahalahy Theodore Jaracz, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nanambara ny fivoahan’izy io, tamin’ny fivoriambe tao Saint-Pétersbourg. I Stephen Lett kosa no nanambara izany tany Moscou. Tehaka nirefodrefotra no nandraisan’ny mpanatrika izany. Tena nientam-po ny olona raha vao naharay azy io. Nanoratra toy izao ny anabavy iray: “Tena mazava sy mora azo ilay fandikan-teny! Vao mainka mahafinaritra izao ny mamaky ny Soratra Masina.” Maro no naneho ny fankasitrahany ny fandaminana, ka nilaza hoe: “Izany ka fanomezana sarobidy avy amin’i Jehovah!” Nisy koa nilaza hoe: “Raiso ny fisaorana mitafotafo atolotray.” Tena fotoana niavaka ho an’ireo olona mahay teny rosianina sady tia fahamarinana, ny nivoahan’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny rosianina.

[Efajoro/Sary, pejy 244, 245]

Voavaha tao Anatin’ny Iray Andro ny Olana Rehetra!

IVAN SY NATALIA SLAVA

TERAKA 1966 sy 1969

BATISA 1989

TANTARANY Nifindra tany amin’izay nilana mpitory maro kokoa, tamin’izy ireo mpisava lalana. Anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Rosia izao i Ivan.

NIPETRAKA tany Ukraine izahay sy Natalia, ary nifindra teto Rosia tamin’ny 1990 tany ho any. Tsy ampy folo ny isan’ny mpitory tao amin’ny Faritr’i Belgorod tamin’izany, nefa iray tapitrisa sy sasany teo ho eo ny isan’ny mponina. Hita mihitsy hoe “be ny vokatra fa ny mpiasa no vitsy.”—Matio 9:37.

Vao nivady kelikely izahay tamin’izany, ary tsy maintsy nitady asa. Nikororosy anefa ny toe-karena, ka maro no lasa tsy an’asa. Nizara tapakila tany amin’ny toeram-piasana ny fanjakana mba hahazoan’ny olona sakafo. Tsy nahazo tapakila anefa izahay satria mbola tsy nanana asa. Tsy maintsy nividy sakafo lafo àry izahay. Tsy nanana trano ipetrahana koa izahay ka voatery nipetraka tany amin’ny hotely. Kely sisa ny vola teo am-pelatananay, rehefa voaloa ny hofan’ny hotely nandritra ny 20 andro. Nivavaka tamin’i Jehovah isan’andro izahay, mba hahita asa sy trano hipetrahana. Nazoto nitory foana izahay nandritra izany fotoana izany. Tonga ny andro farany ipetrahanay tao amin’ilay hotely. Nividiananay mofo iray sy ronono iray boaty ilay vola sisa tatỳ aminay. Mbola nitalaho tamin’i Jehovah izahay ny harivan’iny mba hampiany hahita asa sy trano hipetrahana, satria tsy maintsy miala ao amin’ilay hotely ny ampitso maraina.

Antso an-telefaonina no namoha anay ny ampitson’iny. Gaga izahay rehefa nilaza ny mpiandraikitra ny hotely, fa tonga tao ny zanaky ny rahavavin-dreniko ary te hihaona taminay. Nahazo tambin-karama, hono, izy, ka nozarainy tamiko ny vola azony. Fa angaha izay ihany! Nisy rahalahy nitelefaonina tamiko, minitra vitsivitsy taorian’izay, ary nilaza fa nahita trano ho anay izy sady tsy lafo ny hofany. Nahita asa koa izahay, satria nekena ho mpikarakara zaridaina tao amin’ny akanin-jaza iray. Voavaha tao anatin’ny iray andro ny olana rehetra! Nahazo vola izahay, ary nahita trano hipetrahana sy asa hivelomana. Hita mihitsy hoe nandre ny vavakay i Jehovah!

Niisa 55 ny mpanatrika ny Fahatsiarovana tao Belgorod tamin’ny 1991. Nahatratra 150 izany herintaona taorian’izay, ary 354 tamin’ny 1993. Nisy fiangonana enina tao an-drenivohitra tamin’ny 2006, ary 2 200 mahery ny isan’ny mpitory nanerana ny Faritr’i Belgorod.

[Efajoro, pejy 250]

Raharaha Ara-pitsarana

Nilaza ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona tamin’ny Janoary 2007, fa tsy tokony hitsabaka amin’ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fitondrana. Nolazainy fa “ekena ho ara-dalàna ny fiaraha-mivory sy ny fandalinana ireo boky ara-pivavahana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah, satria izany no fomba anompoany an’Andriamanitra sy ianarany ny teniny.”

Voarara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Moscou tamin’ny 2004. Mbola mivory foana anefa ireo rahalahy ao, ary manao araka izay fara heriny eo amin’ny asa fitoriana. Faly be ireo rahalahy tao Moscou tamin’ny 2007, rehefa afaka nankalaza ny Fahatsiarovana sy nanao fivoriamben’ny vondrom-paritra tamin-kalalahana, toa an’ireo rahalahiny nanerana an’i Rosia.

Tsy miraviravy tanana ireo rahalahy rehefa tojo fanoherana, na dia mbola tsy voalamina aza ny raharaha ara-pitsarana sasany. Vonona hiaro ny zony foana izy ireo. Nametraka fitarainana tany amin’ny fitsarana eoropeanina, ohatra, izy ireo, rehefa noravan’ny polisy tao Lyublino, ny fankalazana ny Fahatsiarovana nataon’ny fiangonana iray tao Moscou, tamin’ny 12 Aprily 2006. Nosamborin’ireo polisy ireo koa ny rahalahy 14 ary nambanany tamin’ny antsy ny mpisolovavan’izy ireo. Nahazo rariny kely tamin’ilay fitsarana teo an-toerana ireo rahalahy, kanefa resy izy ireo rehefa nampakatra an’ilay raharaha tany amin’ny fitsarana ambony. Nametraka fitarainana koa ireo rahalahy, tamin’ny Jolay 2007, satria misy mpitondra fanjakana manao fanadihadiana mitohitohy sy tsy ahazoan-dalana, momba ny asa ara-pivavahana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah ao Saint-Pétersbourg.

[Tabilao, pejy 228-230]

TAONA MANAN-TANTARA​—Rosia

1890

1891 Nalefa sesitany tany Siberia i Semyon Kozlitsky, noho ny fahasahiany nitory.

1904 Naharay taratasy fankasitrahana an’ ireo bokintsika ny sampan’i Alemaina. Olona teto Rosia no nandefa azy ireny.

1910

1913 Neken’ny fitondrana rosianina ny hananganana biraon’ny Mpianatra ny Baiboly tany Failandy. Anisan’i Rosia i Failandy tamin’izany.

1923 Nanomboka naharay taratasy fanafarana boky avy tamin’ny olona teto Rosia, ny foibe.

1928 Nangataka tamin’ny fitondrana tao Moscou i George Young, mba hanekena ny asantsika ho ara-dalàna. Tsy nahazo afa-tsy vizà roa volana izy.

1929 Nisy fifanarahana natao tamin’ny radio tany Tallinn, any Estonia, ka nalefa tamin’ny radio ireo lahateny, ary re hatrany Leningrad sy ny tanàna hafa.

1930

1939-1940 Lasan’i URSS i Ukraine andrefana, Moldavia, Estonia, Letonia ary Litoania. Vavolombelona an’arivony no lasa vahoakan’i URSS, noho izany.

1944 Vavolombelona an-jatony no nogadraina tany amin’ny fonja sy toby nanerana an’i Rosia.

1949 Natao sesitany tany Siberia sy ny Farany Atsinanan’i Rosia ireo Vavolombelona tany Moldavia.

1950

1951 Natao sesitany tany Siberia ny Vavolombelona 8 500 mahery avy any Ukraine andrefana, Bélarus, Letonia, Litoania ary Estonia.

1956/1957 Nisy fanangonan-tsonia tany amin’ireo fivoriambe 199 maneran-tany, mba hangatahana fahalalahana ara-pivavahana tamin’ny fitondrana sovietika.

Taloha kelin’ny 1960 Vavolombelona 600 mahery no natokan-toerana tao amin’ny tobin’i Mordovie.

1965 Nahazo fahafahana ireo Vavolombelona natao sesitany tany Siberia, ka niely nanerana an’i URSS.

1970

1989-1990 Sambany ny rahalahy teto Rosia vao nihaona tamin’ireo rahalahy anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. Nanatrika fivoriambe tany Polonina ny Vavolombelona maro avy teto Rosia.

1990

1991 Nekena ho ara-dalàna ny asan’ny Vavolombelona teto Rosia, ny 27 Martsa.

1992/1993 Nisy fivoriambe iraisam-pirenena tao Saint-Pétersbourg sy Moscou.

1997 Notokanana ny sampan’i Rosia eto Solnetchnoïe, akaikin’i Saint-Pétersbourg.

1999 Notokanana ny Efitrano Fivoriambe voalohany teto Rosia, ao Saint-Pétersbourg.

2000

2003 Vita ny fanitarana ny sampana.

2007 Maherin’ny 2 100 ny fiangonana sy antoko-mpitory nanerana an’i Rosia.

[Tabilao]

(Jereo ny boky)

Mpitory

Mpisava Lalana

Mpitory

Mpisava lalana

Mpitory any amin’ireo repoblika 15 anisan’ny URSS teo aloha

360 000

300 000

240 000

180 000

120 000

60 000

40 000

20 000

1890 1910 1930 1950 1970 1990 1990 2000

[Kisary/​Sarintany, pejy 218]

(Jereo ny boky)

Manampy amin’ny fanaterana boky manerana an’i Rosia ny sampana hafa

ALEMAINA FAILANDY

↓ ↓

Solnetchnoïe

↓ ↓ ↓ ↓

BÉLARUS KAZAKHSTAN MOSCOU ROSIA

JAPON

Vladivostok

KAMTCHATKA

[Sarintany, pejy 116, 117]

(Jereo ny boky)

FARIBOLAN-TENDRONTANY AVARATRA

OSEANA ARKTIKA

Tendrontany Avaratra

Ranomasina Barents

Ranomasin’i Kara

Ranomasina Laptev

Ranomasin’i Siberia Atsinanana

Ranomasin’i Chukotskiy

Andilan-dranomasin’i Béring

SOEDA

NORVEZY

DANEMARK

COPENHAGUE

ALEMAINA

POLONINA

Lodz

VARSOVIE

Ranomasina Baltika

FAILANDY

ESTONIA

LETONIA

LITOANIA

BÉLARUS

Brest

UKRAINE

Lviv

MOLDAVIA

Ranomasina Caspienne

KAZAKHSTAN

ASTANA

Kenguir

OUZBÉKISTAN

TACHKENT

Angren

CHINE

MONGOLIA

OULAN-BATOR

CHINE

Ranomasin’i Japon

JAPON

TOKYO

Hokkaido

Ranomasina Okhotsk

Ranomasina Béring

ROSIA

Petrozavodsk

Saint-Pétersbourg

Solnetchnoïe

Kaliningrad

Novgorod

Vyshniy Volochek

MOSCOU

Toula

Orel

Koursk

Voronej

Udarnyy

Vladimir

Ivanovo

Nijni Novgorod

Syktyvkar

Oukhta

Petchora

Inta

Nouvelle-Zemble

Vorkouta

T. OURAL

SIBERIA

Iekaterinbourg

Naberezhnye Chelny

Ijevsk

Saratov

Volzhskiy

Stavropol’

Piatigorsk

T. Elbrous

Nalchik

Nartkala

Beslan

Vladikavkaz

T. CAUCASE

Astrakhan

Reniranon’i Volga

Tomsk

Novossibirsk

Kemerovo

Krasnoïarsk

Novokouznetsk

Oust-Kan

Aktash

Biryusinsk

Oktyabr’skiy

Bratsk

Vikhorevka

Touloun

Khazan Afovoany

Zima

Zalari

Ousolie-Sibirskoïe

Kitoy

Angarsk

Irkoutsk

Farihin’i Baïkal

Kirensk

Khabarovsk

Vladivostok

Korsakov

Ioujno-Sakhalinsk

Sakhaline

Iakoutsk

Oïmiakon

Ust’Nera

Kamchatka

Saikinosy Chukotskiy

Reniranon’i Kolyma

Khayyr

Norilsk

[Sarintany, pejy 167]

(Jereo ny boky)

Ranomasina Caspienne

Ranomasina Baltika

Ranomasina Barents

Ranomasin’i Kara

OSEANA ARKTIKA

Tendrontany Avaratra

Ranomasina Laptev

Ranomasin’i Siberia Atsinanana

Ranomasin’i Chukotskiy

Andilan-dranomasina Béring

Ranomasina Okhotsk

Ranomasin’i Japon

KAZAKHSTAN

CHINE

MONGOLIA

MOURMANSK

PSKOV

TVER

MOSCOU

BELGOROD

VORONEJ

ROSTOV

KABARDINO-BALKARIE

OSSÉTIE AVARATRA

IVANOVO

NIZHEGOROD

MORDOVIE

OULIANOVSK

VOLGOGRAD

TATARSTAN

PERM

REP. KOMI

T. OURAL

SIBERIA

SVERDLOVSK

TCHELIABINSK

KOURGAN

TIOUMEN

OMSK

TOMSK

NOVOSSIBIRSK

ALTAÏ

REP. ALTAÏ

KEMEROVO

REP. KHAKASSIE

KRASNOÏARSK

REP. TOUVA

IRKOUTSK

BOURIATIE

TCHITA

REPOBLIKAN’I SAKHA

AMOUR

KHABAROVSK

FARITANY AMORON-DRANOMASINA

SAKHALINE

KAMTCHATKA

[Sary, pejy 66]

Masoandro miposaka any Chukotskiy

[Sary, pejy 68]

Takelaka misy soratra amin’ny teny kazakh sy rosianina, manondro ny tanànan’i Bukhtarma, any Siberia, ilay nanaovana sesitany an’i Semyon Kozlitsky

[Sary, pejy 71]

Nanao volan-tantely teto Rosia ry Herkendell mivady, mba hitoriana tamin’ny olona miteny alemà

[Sary, pejy 74]

Taratasy fanomezam-pahefana an’i Kaarlo Harteva (eo an-kavanana), izay nasian’ny ambasadaoro rosianina tany New York hajia manokana

[Sary, pejy 80]

Fivoriambe tamin’ny teny rosianina, tany Carnegie, Etazonia, tamin’ny Mey 1925. Nisy 250 ny mpanatrika ary 29 no natao batisa

[Sary, pejy 81]

Nilaza io gazety io hoe: “Feno sekta ao amin’ny Faritr’i Voronej”

[Sary, pejy 82]

George Young

[Sary, pejy 84]

Nandika taratasy mivalona sy boky ary bokikely ho amin’ny teny rosianina i Aleksandr Forstman, nandritra ny folo taona latsaka kely

[Sary, pejy 90]

Regina sy Pyotr Krivokulsky, 1997

[Sary, pejy 95]

Lasa mpanompon’i Jehovah i Olga Sevryugina, noho ireo taratasy nafatotr’i Pyotr tamin’ny vato

[Sary, pejy 100]

Ivan Krylov

[Sary, pejy 101]

Nanorina ny tranony ireo Vavolombelona natao sesitany tany Siberia

[Sary, pejy 102]

Natao sesitany tany Siberia i Magdalina Beloshitskaya sy ny fianakaviany

[Sary, pejy 110]

Viktor Gutshmidt

[Sary, pejy 115]

Alla, tamin’ny 1964

[Sary, pejy 118]

Semyon Kostylyev ankehitriny

[Sary, pejy 120]

Nanampy an’i Vladislav Apanyuk hiatrika fitsapana ny fanabeazana azony

[Sary, pejy 121]

Hitan’ny polisy tao an-tranon-dry Nadezhda Vishnyak ilay bokikely hoe “Aorian’ny Hara-magedona ny Tontolo Vaovaon’Andriamanitra”

[Sary, pejy 126]

Boris Kryltsov

[Sary, pejy 129]

Viktor Gutshmidt, ny anabaviny (ambony), ny zanany, ary i Polina vadiny, iray volana talohan’ny hisamborana an’i Viktor tamin’ny 1957

[Sary, pejy 134]

Ivan Pashkovsky

[Sary, pejy 136]

Navoaka tao amin’ny gazetiboky “Voay” ny sarin’ireo gazety tratra tao anaty mololo ireo, tamin’ny 1959

[Sary, pejy 139]

Nahatratra fanontam-pirinty tao ambanin’io trano io ny KGB, tamin’ny 1959

[Sary, pejy 142]

Nanangona an’ireo Vavolombelona tafasaraka tamin’ny fandaminana i Aleksey Gaburyak

[Sary, pejy 150]

Fitaovana Fanontam-pirinty

Milina ahodin-tanana

Fanindriana taratasy

Fanapahana taratasy

Fanakambanana boky

[Sary, pejy 151]

Sahy nanatona mpanao pirinty i Stepan Levitsky, mpitondra bisy mandeha amin’ny lalamby

[Sary, pejy 153]

Nitory tamin’ny voafonja hafa i Grigory Gatilov

[Sary, pejy 157]

Nanakona anay nandritra ny fianarana Baiboly ny voninkazo lava be

[Sary, pejy 161]

“Tilikambo Fiambenana” bitika kely (tena habeny)

[Sary, pejy 164]

“Didy navoakan’ny  Fitondrana Sovietika”

[Sary, pejy 170]

Nafenin’ireo rahalahy tao amin’ny sosona valizy na tao ambany saikim-paladian-kiraro, ireo “zava-tsarobidy”

[Sary, pejy 173]

Ivan Klimko

[Sary, pejy 175]

Antonona gazety bitika kely dimy na enina ny tranon’afokasoka iray

[Sary, pejy 184, 185]

Tsy nisy diso anjara tamin’ny fankalazana ny Fahatsiarovana, ny rahalahy tao amin’ny toby iray tany Mordovie, nandritra ny fotoana nigadran’izy ireo tao

[Sary, pejy 194]

Nitory tamin’ny vadina komandà i Nikolai Gutsulyak

[Sary, pejy 199]

Fivoriambe Iraisam-pirenena

Nisy fivoriambe iraisam-pirenena telo tany Polonina (1989), ary nanatrika izany ny Vavolombelona teto Rosia

Varsovie

Chorzów

Poznań

[Sary, pejy 202]

Taorian’ny nanekena ny asa ho ara-dalàna (avy eo ankavia miankavanana): Theodore Jaracz, Michael Dasevich, Dmitry Livy, Milton Henschel, mpiasan’ny minisiteran’ny fitsarana, Anany Grogul, Aleksey Verzhbitsky, ary Willi Pohl

[Sary, pejy 205]

Milton Henschel nanao lahateny tamin’ny Fivoriambe Iraisam-pirenena “Ireo Mpitondra Fahazavana”, Saint-Pétersbourg, 1992

[Sary, pejy 206]

Tany novidina teto Solnetchnoïe

[Sary, pejy 207]

Aulis sy Eva Lisa Bergdahl, anisan’ny mpiasa an-tsitrapo tonga voalohany teto Solnetchnoïe

[Sary, pejy 208]

Notendrena ho any Saint-Pétersbourg i Hannu sy Eija Tanninen

[Sary, pejy 210]

Nifanalavitra be ny toerana nalehan’i Roman Skiba mivady, tamin’ny asan’ny vondrom-paritra

[Sary, pejy 220]

Mitatitra boky eo amin’ny seranan’i Vladivostok ireo rahalahy

[Sary, pejy 224]

Nanana tombontsoam-panompoana maro i Arno sy Sonja Tüngler

[Sary, pejy 226, 227]

Fivoriana tany anaty ala, tany akaikin’i Saint-Pétersbourg, 1989

[Sary, pejy 238]

Manara-maso ny fandikana boky amin’ny fiteny 40 mahery ny biraon’ny sampan’i Rosia

[Sary, pejy 243]

Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana voalohany, tamin’ny Jona 1996

[Sary, pejy 246]

Fitoriana eto Rosia

Eny an-tsaha, any Perm sy Nartkala

Eny amin’ny araben’i Saint-Pétersbourg

Fitoriana isan-trano, any Iakoutsk

Eny an-tsena, any Saratov

[Sary, pejy 252, 253]

Sampan’i Rosia

Trano fonenana sy ny manodidina azy

[Sary, pejy 254]

Niisa 23 537 ny mpanatrika ny fivoriamben’ny vondrom-paritra tao Moscou, tamin’ny 2006

[Sary, pejy 254]

Kianjan’i Luzhniki